Procambarus * Foza orana


Procambarus na  » foza orana « .
Ny fomba iainan’ny tantsaha eny Betsimitatatra ny andavanandrom-piainany miatrika ity biby mpanani-bohitra ity no fanadihadiana entiko aminao anatin’ity lahatsoratra ity. Biby miaina sy mora velona anaty faritra mando izy ity. Tsy mifidy izy amin’izany na rano madio io, na maloto, na  rano mandeha na miandrona. Araka ny fanazavan’ireo tantsaha tafaresaka tamiko, dia rehefa tsy afa-po amin’ny toerana mihidy (dobo) nisy azy ity biby ity dia mahavita miakatra an-tanety mitady toerana hifindràna. Kendreny kosa anefa, hono, mba ho faritra mando mandrakariva toy ny bozabozaka amoron-drano, na ny toy izany io toerana ataony làlana hifindrana monina io.
Raha ny feo alefan’ny tompon’andraikitra momba azy ity dia hoe olona tsy fantatra no nampiditra azy teto. Ny feo mandeha eny an-toerana kosa anefa dia manondro toerana mazava hoe tao Ambodihady Ambohimanarina tao ihany no nisy niompy izy ity. Tratr’ilay tondra-drano tamin’ny herintaona, hono, ilay dobo niompiana azy ary dia izay no nampihànaka azy eran’ny lemak’Antananarivo, satria tsy Betsimitatatra irery no tratr’ity loza ity, fa hatrany Ambohitrimanjaka. Ary tamin’ny herinandro aza hoy ireo mpivarotra koba teo akaiky teo, dia nisy olona nivarotra azy ity tany Ambatolampy tany, ary nifanenjehan’ny olona eran’ny tanàna.Loza,  izany no amaritan’ny tompon(andraikitra manokana mandinika sy mamakafaka ny fomba hiadiana amin’izy ity  eny amin’ny Université d’Ankatso. Loza satria voatondro mivantana ho mpandringana zana-trondro

sunp0034.jpg

 , ary mpihinana fakam-bary izy ity

sunp0021.jpg

 Eo ambonin’ny harato, tandrifin’ny lohan’ilay rangahy dia misy faritra madio misy rano fotsiny. Ny tanimbary miaraka amin’io dia efa nizaka sahady ny vokatr’ity zavatra taterina aminao ity.. Loza, ary tena loza tokoa raha izay nahitako azy teny Betsimitatatra ny Sabotsy maraina teo. Nandalo teny aho tamin’ny 8 ora maraina. Nandinika ny fivezivezen’ny olona sy ny asa ataony eny. Ao ny manamboatra sy mitono bararata

sunp0016.jpg

 sunp0017.jpg

mba hataon’ny sasany haran-jono (fintana), ao ireo mandroaka ny ombiny handeha hiraoka ahitra

sunp0035.jpg

, ao ny manihika maka izay trondro mbola azo antenaina ho azo eny an-tanimbary eny

sunp0045.jpg.

Tamin’izany no nahitako ihany koa ity lehilahy iray izay nanaiky manokana ny halaina sary sy hanaovana fanadihadiana. Zavatra hafa mihitsy no nataony teny ampiandohan’ny resakay momba ity orana hafahafa ity, saingy nony nitohy minitra vitsy teo ny resaka, dia izy mihitsy no nitaona ahy mba handeha hamonjy vavarano iray

sunp0020.jpg 

manakaiky tetezana kely teo akaiky teo mba hanao fanaporofoana izay zavatra nolazainy tamiko. Nilaza mantsy ity rangahy ity sy ireo olona rehetra nanomboka nitangorona nony nahita anay niresaka, fa herintaona lasa izay dia tsy mahafeno seau iray ianao raha tsy iray andro. Ankehitriny anefa, hoy izy, dia dimy minitra no hamenoana ny seaux roa.
Niandry azy teo amin’ilay vavarano àry aho, ary ity izy fa niverina niaraka amina karazana harato misy tahony

 sunp0021.jpg.

Nanomboka teo koa ny fanisàna ny minitra nifanarahanay (5 mn). Ity anaty seau ity ny indray maka avy ao anaty rano

 sunp0031.jpg

  sunp0022.jpg

sunp0028.jpg

sunp0024.jpg.

Angamba in’efatra narotsaka ilay harato misy tahony fampiàsany iny, dia feno ny seau iray. Mbola tsy lany ny fetra teo an! Dia mbola nitohy ihany. Narotsaka indray, ary dia tsy sasatry ny mampakatra ny anaolahy. Tapitra ny dimy minitra dia natao ny tombana. Feno ny seaux nolazaina, ary ny zavatra nahazendana rehefa nokarohina ny tao anaty seaux roa, dia tsy nahitàna afa-tsy trondro telo. Eny tsy diso famaky ianao fa TELO no mba trondro tao.
Ankoatra ny fakàna azy amin’ity karazana harato ity, dia misy ny tonga dia mandroaka amin’ny tànana

sunp0029.jpg

sunp0030.jpg

ary dia mahazo. Misy làlan-tany mandalo eo anelanelan’ireo tanimbary eo Betsimitatatra ireo, ary io toerana ikarohan’ilay rangahy maka orana amin’ny tànana io dia aty amin’ny ilany havanana raha mandeha ho any Ankasina avy amin’ilay lalan-tany ianao

Jereo fa efa mihabanga ilay morony

 sunp0025.jpg

Ny antony ve> Mbola ireo foza orana ireo ihany no mandavaka ny sisiny, ary dia mihotsaka tsikelikely ilay sisiny iny. Matahotra mafy noho izany ireo tantsaha eny an-toerana, fa raha izao no mitohy dia hikambana ireo tatatra roa fampidiran-drano andaniny sy ankilan’ilay làlana. Ary mazàva ho azy fa dia ho tàpaka koa ilay làlana. Be anefa no mampiasa azy io ireo mpiasa amin’ny orinasa afak’haba (Zones Franches) eny Andraharo sy Andranomahery iny.
Raha arotsaka ao anaty rano ao ny vovo, hoy ihany ireto tantsaha ireto, dia afaka mandeha mankany Analakely aloha ianao raha misy dia maika haleha. Avy any ianao dia mampiakatra ny vovonao, ary dia mavesatry ny foza orana ny seau mandeha mody.
Tamin’ny voalohany dia natahotra ihany ilay rangahy ny amin’ny resaka nataoko, satria noheveriny ho olom-panjakana mangarom-bava,hono aho. Ny fanjakana mantsy, hono, izao efa manenjika izay olona mivarotra azy ity eny an-tsena. Vaha olana naroson’ireto tantsaha ireto mba hampihenana azy ity mandra-pahitan’ny fanjakana izay tokony hatao, ny tsy handraràna ny olona haka azy itony. Ka na hohanin’ny ankohonany izany, na amidy fa tsy amidy velona kosa anefa. Izany hoe efa voakarakara ho sakafo efa azo hanina avy hatrany vao amidy. Tsy mitsaha-mitombo, hoy izy ireo, ity biby ity, nefa izay maka indray dia bedy, ka ahoana ny fambolena vary ety amin’izany?

sunp0004.jpg 

sunp0049.jpg

Ingahy mpandraoaka omby hitantsika amin’ny sary aza dia mpiadidy ny fambolena manomboka eny Antodiana, Andranovory, Andranoambo, tatatr’Ingahibezandriny sns… eo amin’io lemak’Ibetsimitatatra io. Nilaza izy fa nantsoina nanatrika fivoriana tany amin’ny Faritra ‘Région), ary nomena baiko hitaona ny tantsaha hampakatra vokatra avo roa heny noho ny teo aloha, raha kely indrindra.
Misy mihitsy aza amin’ireo tantsaha no nandefa eritreritra lavitra be hoe, « sao dia niniana nalefa àry izy ity mba hanimbàna ny voly eto Betsimitatatra ka hamadihana ity lemaka ity ho lasa tanàna rehefa tsy mahavokatra intsony? ». Tsy hitako izay navaly azy ireo tamin’iny. Ny sasany kosa indray izay tsy sahy mihinana azy ity dia maka azy ihany saingy potehiny amin’ny maritoa (marteau) mba hatao sakafon’ny biby fiompy ao an-tanàna.

sunp0039.jpg

sunp0040.jpg

sunp0041.jpg

Misy itony ahitra maitso itony no voalazan’ireo tantsaha fa tena sakafo iray mamelona ay ity, ankoatry ny fandripahana ny zana-trondro.

sunp0057.jpg
Mbola mba misy aloha faritra sasany hitako fa voaaro amin’ity foza orana ity ihany ireo zana-trondro, satria ny zana-trondro mandeha aty ambonin’ireo zava-maitso maniry anaty rano ireo, ary ireo foza ozana kosa any ambany. Ankoatra izay dia ireny lakana arendriky ny tompony eny an-tanimbary

sunp0051.jpg

sunp0054.jpg

sunp0056.jpg

ireny no ampiasain’ny zana-trondro ho toerana fiafenana toy ity hita amin’ny sary ity. Nefa mandra-pahoviana? Rehefa tonga indray mantsy ny mpitondra lakana dia akarina ambony rano ny lakana ary tsy maintsy avoaka daholo izay mpandeha tsy nahaloa vola tao anatiny, dia ny rano sy ny miaraka aminy rehetra.
Fa izay tena nampivarahontsana dia ny nahalala fa tafanika hatreny amin’ny tanàna ambony eny Ambohimandroso itony foza orana hafa kely itony(anaty tatatra eny an-tanàna.

sunp0007.jpg
Tsara ny manamarika fa tsy mila lahy izy ity rehefa hanatody (parténogénèse), fa manatody daholo izy rehetra. Ary 300 ka hatramin’ny 800 atody isan-taona no avoakan’ny iray amin’izy ireo.

sunp0032.jpg

sunp0033.jpg

Nolazainy aza fa raha afaka miverina amin’ny dimy hariva ianao ramose dia miverena fa hahita olona efa ho roapolo (20) eto amin’ity vavarano ity samy mitondra seau izay zakany. Tsy misy miala maina ireo fa samy mitondra mody. Rah Mbola tratranao koa ny mandeha ety amin’ny 5 ka hatramin’ny 6 maraina dia hahita posy mitandahatra amin’iny lalan-tany iny ianao, handeha hivoaka any Ankasina any. Ny posy iray amin’izany dia misy mitondra hatramin’ny 12 gony. Tsy fantatra hoe entina aiza izany na ho entina aiza.
Ka raha manome 1,2 tapitrisa  atody isan-taona ny iray, (Gazety MALAZA, sabotsy 02 febroary 2008, pejy faha-11), dia ataovy ny kajikajinao fa ho lavitrisa (milliards) izay isa hivoaka eo raha dimy minitra no nahazoana roa seaux. Iray seau manome eo amin’ny 15 kapoaka raha kely indrindra, ary ny iray kapoaka amin’ny madinidinika manone foza orana eo amin’ny 30 eo.
Izany hoe 30 x 15 x 1200000 ny roa seux = 540 000 000 atody
Mandra-panoratra indray.

Izay mbola itondran’ity ahy dia itondrako voan-dàlana ho anao mpamaky.

sunp0019.jpg

13 Réponses

  1. Dia tena misaotra gazetyavylavitra fa dia nahaliana, nahalalàn-javatra ity lahatsoratrao iray ity. Misaotra koa nanisy rohy tatsy amin’ny blaogy.com fa izay tokoa no mora ahitànay ny lahatsoratrao.

    Mba nentim-paniriana te hahalala nisinisy kely aho ka hitako teto amin’ny aterineto fa :

    Araka ny voalazan’ny :

    Ny procambarus* na koa procambrus* dia antsointsika koa hoe : « orana maramara ». Manatody 200 ka hatramin’ny 400 ny vavy iray rehefa ririnina, izay mety mahatratra 800 mandritra ny fahavaratra. Mihalehibe haingana zareo. Mbola ao Andrenivohitra ihany no ahitàna azy hatramin’izao.

    Voalaza koa anefa fa tia hafanana izy ity satria velona ao anelanelan’ny mari-pana 15° sy 30°. (tarehimarika izay mety tsy hifandraika tsara amin’ity karazany tonga aty amintsika io)

    Koa raha io no dinihina dia ny ririnina no fotoana tena tsara iadiana azy ity [(araky ny eritreritro ambony latabatra :-)]. Ohatra hoe : mifanaraka daholo ny mpamboly (na koa asiana lalàna milaza ) fa ritina ny tanimbary amin’ny ririnina (ie tsy asiana rano no tsy avela hanirian’ny bozaka). Izany moa dia ampiarahina amin’ny fampiasana « produits » hafa (« herbicide », « insecticide », sns). Mila ny fidiran’ny fanjakana an-tsehatra moa izy ity, tahaka ireny « opération » DDT eny amin’ny tranon’ny mpianatra fahiny ireny🙂.

    Raha tonga any amin’ny faritra be orana sy mafana manko izy ity dia tsy handaitra io tetika io (oh: Toamasina, sns). Ny olana amin’io narosoko io aloha dia ny handrisika ny mpamboly tsy hiompy trondro sy hamboly e : satria haintsika ihany ny hasarotry ny fiainana.

    Koa vahaolana arosoko hafa, dia ny fomba ara-biolojika : fiompiana trondro lehibe izay tsy nafoy tao an-tanimbary fa nampidirina. Izany hoe fidìna ho trondro afaka mihaza an’ireto foza maramara ireto.

    Vahaolana ambony latabatra ihany ireo fa mila fandalinana sy fikarohana.

    Ny fikarohana toy itony indrindra no ilàna an-dry zareo ao amin’ny ESSAgro ka inoako fa hisy mpianatra sy mpampianatra handalina kokoa ny amin’izany (raha mbola tsy nisy mazava ho azy🙂 )

  2. Olana goavana ho an’ny tantsaha ny hanao izay, nefa misy ny vonona rehefa izay no làlana hita fa mety. Ny tsy fahafehezana ny rano ka tsy ahafahan’izy ireo mamboly vary indroa isan-taona toy ny eny amin’ny faritra Alasora aza efa mampikaikaiky azy ireo, maika fa ny hoe hamela ny voly avotra kely mety ho vita mandritry ny ririnina. Ny fanazavana hafa naroso koa dia mandavaka 2m midina anaty tany mitady hafanana ireto biby hafahafa ireto raha ritra ny rano. Izany hoe asa goavana no miandry ireo mpikaroka amin’ity ady iray ity. Ny irariana dia ny tsy hitondran’ireo mpivarotra azy ity hivezivezy eran’ny Nosy. Raha izay mantsy no mitranga dia zava-doza tokoa no miandry ny Malagasy sy ny zavaboahariny.

  3. Tena marina daholo ireo rehetra ireo, fa saingy misy tokony ahitsy kely hoe Loza satria dia mety atao sakafombiby tsara ary mampatavy azy ireo raha azo lazaina. Mba mponina eny ihany mantsy ny tenako fa toa mbola nahavoka-bary betsaka mihoatra ny tàmin’ny taona lasa ihany ny tanimbary.Nefa ianareo milaza fa Manimba fakam-bary izy io? tsia satria ny vary aza dia voaava tsisy hoatrizany. Io ny mail raha te hamaly ianao fa vonona ny hiresaka aminao aho Misaotra betsaka

  4. izay indray aho vao nahalala ity vaovao ity ry avilavitra, lalina izany !

  5. maharikiriko sady mahatsiravina ny mahita ity FZO ity ,tena berk mampandoha mihitsy na ny miheritreritra azy aza.POAH

  6. milay kosa ranga le foza a! na ol io na biby !! kouny e!!
    hihihihihihihih!!!!!!hahahahahahahahah!!!!!kikikikikikikiki! kakakakakakakakakaka!!!!!

  7. Samy tsara e! Aleo tokoa aloha ifampiresahana ny zava-misy toy itonye. Samy manana ny fahitany sy ny heviny ny olona tsirairay avy ka mba hitondra ny hevitro sy ny fahitako ihany koa aho.
    Tena efa nipetraka teny @ toerana be foza orana aho, sady akaiky tanimbary be foza orana ihany koa. Tsy vahiny @ io aho satria tena nitoetra aho fa tsy hoe: mivoaka maraina dia mody ny hariva.
    FOZA ORANA?
    Tena mba gaga aho raha isika no hahafoana an’io. Satria nahoana hoy ianao?
    Efa mazava ny teny nataon’ireo namana tetsy ambony fa sady mahay mivelona anaty rano ry zareo no mivelona an-tanety ihany koa. Fa izao no hadino na tsy voalaza tetsy aloha, araka ny hitan’ny masoko: tsy hoe: ritra ny rano dia maty ny foza orana na lany taranaka.
    Hevi-diso izany. Rahefa fantatry ny foza orana hoe: ho ritra ny rano ka tsy lasa manaraka ny rano izy dia mandavaka tsikelikely @ tany ry zareo. Mety misopirana io lavaka io na mitsivalana na midina any ambany any mihitsy. Ny hamandoana no katsahiny @ io mba afahany mivelona maharitra.
    Diniho fa mbola afaka miaina iray metatra (1m) any ambanin’ny tany ry zareo. Ny masoko no nahita satria izaho mihitsy no nitana angady nanarina ilay tanimbary. Marihiko fa efa dimy volana eo ho eo no tsy nisy rano io tanimbary io.
    Tahaka ireny lava-boalavo ireny ny lavaka ataony fa somary kelikely kokoa. Miankina @ haben’ny foza orana io. Mety misy roa na telo na efatra ry zareo no iray lavaka ao fa matetika aloha dia tokana e! Mazava ho azy fa afaka miaina mandritra ny volana maro ry zareo ao satria ao anaty lavaka misy hamandoana.
    Fa raha vao avy ny orana dia feno rano ny lavaka dia indreny indray zareo fa mivaoka moramora mibaby atodymarobe. Ka aza malahelo maty foza orana fa mbola hivoaka ny any an-davaka e!
    Ary saika misy lavaka foza anie isaky ny 1m eo ho eo e. Nofy anie izany raha isika no hamongotra azy ireo. Tsy mananihany aho fa ny zava-misy no ambarako eto. Tena mafy aina ny foza orana ary mahay manavia sy manavanana ry zareo. Hainy ny rano ary hiafenany ny tanety dia ianao no gaga.
    Azafady fa tsy mitovy ny fomba fijerintsika angamba fa ity foza orana ity no toy NY MANA ( jereo Baoboly: Boky Exody.16) ho an’ny mafy ady sy ny vahoaka madinika, indrindra ireo eny ambany toerana.
    Io mihitsy no ataon’ny mpianakavy sakafo ka tsy matahotra ny ho kere izany ry zareo @ fahavaratra satria be sy mora alainy ny foza orana eo.
    Mety hilaza ianao hoe: lainga izany. Dia hoy aho hoe: mba mandehana anie eny ANKAZOTOHO sy ANOSIMAHAVELONA sy ny manodidina an’ANOSIZATO e!
    Mazava ho azy fa tsy tia azy ity ny mpamboly vary, indrindra fa ny mpiompy trondro rehetra satria manimba ny fivelomany tokoa aloha e!
    INONA ARY NY VAHA OLANA E? Tokana no hitako:
    – Sakano ny olona ary entano mba tsy hanaparitaka ny foza orana any @ toerana mbola tsy nisy azy fa zava-doza. Aleo misoroka toy izay mitsabo. Fa rehefa tafiditra izy dia izy no manjaka. TSY MISY FIKA!!!!!!!
    Mba diniho anie: efa tongan’ity biby ity izao any Antanetibe Anativolo (akaikin’Ambatomanohina) satria mety nisy nanandran-doza tany ka nitondra azy tany. Fantaro anefa fa mbola 110 km mianavaratra ny renivohitra Antananarivo io toerana io.
    FEHINY:
    Na izaho, na ianao samy mahatsapa fa biby mpandrava ny fiainantsika ny foza orana. Fa ho an’ny mafy ady, ny maro anaka, indrindra fa ny eny ambany toerana (bas quartiers) dia io no FOTO-TSAKAFONY e! Mety koriko na mety handoa ianao na malahelo mahare ity teniko ity satria mety manan-katao,angamba? Aleoko anefa mahita ny olona mihinana foza orana dia voky izy toy izay hangalatra. TENA MAHANTRA ANIE ISIKA @ ity « crises » lava reny itye!!!!!!!
    Misaotra anao nihaino ahy ary samia ho soavin’Andriamanitra isika e!

    • tsy any amin’ireo faritra voalazanao ireo ihany izao no mihinana ny foza orana, fa raha mandalo ny tsena aty ambanin’ny tohotohobato Behoririka iny ianareo, ilay avy any Ankaditapaka, dia hahita fa amidy ary ambany ary, ary efa voavaofgy izy ireny, moa va tsy toy ireny zana-dandy ireny ny habeny. Tsy nahafantatra ny tena ka nanontany hoe inona ity, ary dia tsy nisalasala ilay nanontaniana nilaza hoe, fora orana. Ny mazava aloha izany hatreto raha ny fahazoako azy tsotsotra, dia tsy olana ho an’ny fahasalaman’ny maro ilay mihinana azy. Sa diso aho?

  8. Misaotra indrindra e. Marina tokoa ny voalazanao.
    Araka ny nambarako tetsy ambony moa dia hoe: toy ny MANA ho an’ireo madinika mihitsy ity foza orana ity, na dia eo aza ny loza aterany.
    Tsy hadino ihany koa anefa dia tsy vitsy koa ireo olona manan-katao na ireo eo ho eo ihany @ fivelonana no mankafy azy ity. Fitiavana io, ka tsy hitako izay maharatsy an’izany. Marina fa manamarika ny fahantrantsika ity zava-misy ity, fa am-pahafirin’ny sakafo fihinan’ny Sinoa moa izy ity.
    Tsy hoe: manentana ny olona mba hihinana ny tsy fihinana akory aho, sanatria, fa te hilaza hoe: rehefa ny hafa ve no misioka dia voromanga fa raha isika dia vorondolo. Rehefa ry zalahy no mihinana alika na zavatra hafa dia mety fa raha isika no mihinana foza orana dia tsy mety? Aoka kosa e!
    KA MADIO ARY SA MALOTO NY FOZA ORANA?
    Tahaka ny orana (écrevisse:crustacé d’eau douche) sy ny foza (crabe:crustacé décapode) na an-dranomasina na an-dranomamy ihany ny foza orana. Ny sakafo teny tiany dia ny nofon-javatra, na biby io na olona. Ao ihany koa ny zava-maniry izay hitany mba hivelomany. Moa va tsy tahaka antsiaka mihinana hena ihanye? Sa diso izany fomba ilazako azy izany?
    Ambara fa maloto ny foza orana satria raha misy olona maty an-drano ohatra, dia ny foza orana no miandry azy ao anaty rano ao. Tena haniny io razana io mandram-pialany ao anaty rano ao. Izay no maha foza orana azy ary izay no nanamboaran’Andriamanitra azy ireo. Isika no kiriko mahita izany ka atao ahoana arye? Aza mba maty an-drano ihany!!!!!!
    Ny fahitana ity toe-javatra ity no hitako tena mafy amintsika indrindra, ary mahatonga antsika hilaza hoe: biby maloto ny foza orana,ankoatra ny toerana misy azy. Fa ny KISOA ve mba madio aloha e?
    Amiko, raha madio ny rano itoeran’ny foza orana, inona moa no mampaloto azy tokoa e?
    Ny ranobe hoy ny fitenenana tsy tetezin-doha?
    Raha izany rehetra izany ve no ho tanisaina ka tsy ho raharaha?
    MANKARARY VE NY FIHINANANA FOZA ORANA?
    Tsotra ny valiny: rehefa tsy zakan’ny vatanao na ny fahasalamanao dia aza mamono tena. Ajanony ny fihinanana azy fa ny aina lahy tokana e!
    Na izany na tsy izany anefa, dia ho toroako hevitra ihany ianao:
    1)- Aleo hiala foana ny kirany (carapace) alohan’ny handrahoana azyio.
    2)- Tandrovy ny fahadiovana eo am-pikarakarana azy ary ataovy tsara nahadro fa tsy misy « microbe » velona izany rehefa tsara nahandro ny sakafo e!
    3)- Tahaka ny any @ hotely mihaja ireny, mba mampiasa voasary makirana (citron) rehefa mihinana foza orana, indrindra fa ho anareo marary aty na vavony.
    Fehiny, na inona na inona filazan’ny olona dia azoko antoka, na dia tsy Dokotera aza aho fa SAKAFO BE CALCIUM ny foza orana. Na izany aza anefa dia aza mamono tena rehefa tsapanao hoe: tsy mety @ fahasalamanao izy ity.
    Zay ary fa mirary soa ho antsika rehetra. Misaotra indrindra!

  9. hoy ny vazaha hoe: »à quelque chose malheur est bon ».ny karazana « ecrevisse » na « crevette » dia tsy misy mahatanty « cuivre » na « zinc » zany hoe raha vao misy concentration efficace an’ireo « vy » ireo dia maty ny foza orana; NEFA hoy aho hoé:maninona no vonoina ny akoho manatody volamena?(la poule aux oeufs d’or io)
    1) azo vidina @ kilao eny amin’ny faritra be azy izy (vola miditra ho an’ny managona azy)
    2) azo fehezina tsara koa ny fiompiana azy ara indostrialy
    Ny provende moa zao lafo de lafo
    De ahodina ho provende le loza ka afaka hanao izany na ny tsirairay na ny industrie.
    Tsy fantatro moa zay aretina mety afindran’ireny biby ireny fa raha ny kely mba haiko de ny « Champignon:Fungus » ihany no mpahazo azy ireny kanefa de tsy matetika zany sady mora arovana!
    de ahoana?

  10. fa tsy erany aina ko ange ny fanimbana aterane e!Ra tanimbary no azony izay fototsakafo malagasy dia tsisy hoanina intony isika.

  11. Johnny Herman Andriamifidy:
    Samy marina ny voalzanareo! fa ity farany no mety raha amiko! ezahina ho anisan’ny foto-tsakafo (na an’ny biby na ho an’ny olona) ny foza orana dia mety ho fongana!!!

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :