Ety am-piandohàna dia ialàko tsiny raha niniako tsy notakonana ny laharan’ilay fiara. Amin’izay angamba mba ho hainy ny hiaro ny sasany. Ny sary haseho anao anio mantsy dia tena maneho tsy firaharahiana ny hafa. Indrindra indrindra fa ny ain’ny mpandeha an-tongotra mandalo ilay toerana. Efa nisy fotoana nitenenako ny mpiandry io BRIDGE Hotel Restaurant eo ambany kelin’ny tetezana Behoririka io fa dia he! he! he!. Rehefa tsy ny an’ny tompon’ny Hotely no apetraka eo, dia ny an’ny mpanjifany angamba. Tsy fantatro, fa ilay fiara BMW no tena voamariko matetika. Indrisy moa fa dia tsy iny fiara iny no tratry ny fakàna sary androany. Ity minibus tratrako ity izao dia ao anaty fiolahana be izao no napetraka. Ny mpandeha an-tongotra mihafihafy midina anaty arabe. Ny fiara koa anefa rehefa tsy te-hifampikasoka amin’izay mifanena aminy dia tsy maintsy mitazona hatrany ny ankavian-dàlana. Jereo tsara fa tsy misy azon’ny olona hisisihana akory eo anelanelan’ny rindrina sy ilay fiara. Toy io foana no mitranga isan’andro. Tsy andro tsy alina an! Rehefa tiany apetraka eo ny azy, na amin’ny firy na amin’ny firy, dia ataony. Ny fahitako ilay lahatsoratr’i Fcandy milaza ny « RIMORIMO » no nahasarika ahy koa haka io sary io. Loza mitatao ho an’ny mpiara-belona ny olona tsy mahatsiaro tena fa maty tapaka toy itony.
Farafaharatsiny rehefa tsy maintsy apetraka eo ihany ilay fiara dia mba asiana elanelany amin’ny rindrina. Amin’izay ny olona tsy voatery hidina any anaty làlan’ny fiara. Ho voasoroka koa ny loza amin’izay.
Ary ny mahagaga koa dia hitan’ny polisy isan’andro eo io tranga io fa dia toa lalovana fotsiny. Tsy haiko na mba efa nisy fitenenana natao azy ireo na tsia, fa efa aman-taonany mantsy izao no nahitako, izaho manokana, ity tarehin-javatra ity.
Filed under: tapatapany | Tagged: Fahatsiarovan-tena, loza |
Izany anie no tena ankafizako an’ ity blaogy ity e :).
Mazava tokoa ilay problema napetrak’ i avylavitra. Efa tery ny lalana dia mbola avela eo ilay fiara. Dia ahoana fotsiny ny lalana ho an’ ny pietons ?
Malahelo fotsiny aho satria efa ela tsy nody ka tsy matadidy hoe aiza tsara moa ny misy ny Bridge Hotel 😦
Raha miakatra avy any Soarano ianao ka mandalo ny Cinema Soa taloha (efa Grand Magasin Luxor ankehitriny), dia mandalo ao ambany Pont Behoririka raha ho any Andravoahangy. Vao mihodina kely tokony ho 30m amin’ny ilany havananao ianao dia eo no misy ny BRIDGE HOTEL.
ary sao dia fahazondalana voritsiliza kosa ry gazetyavylavitra no an’ireo mpitondra fiara ireo a!
misaotra @ fanangonana vaovao fa tena manampy mihitsy ny vaovao omenareo a!
Tena tsy haiko fa mampanontany tena. Tsy hainy angamba ny hoe ny fetran’ny fahalalahanao dia mijanona eo amin’ny fahalalahan’ny hafa. Fa tadiaviny ho izy foana no halalaka.
Dia nahafinaritra fa niova ny fanao. Nomeko tsy nisalasalana ho an’ny tompon’ny Hotel mantsy ny adress Web nisy ity lahatsoratra ity (tamin’ny alalan’ny mpandray olona ao aminy), ary dia hitako fa efa tsy voabahambahana intsony eo izao. Misaotra azy isika. Enga anie mba hitohy sy haharitra ny toy izao
Faly mahare fa misy vokany ny toy izao. Tsy mahalala kely tokoa ny ngeza e!
Misaotra anao.
Bravo be ! (Azafady fa mbola sahirana kely teo fa miverina mi-commente amizay zao!)
Nataoko traduction kely ny article nao fa tena mampiseo an’ny Action vitan’olona tsotra, iza moa zany olon’tsotra zany? Super Avylavitra ka!
Bizz
http://club.foko-madagascar.org/?p=130
[…] Unconsciousness from gazety_adaladala […]
[…] Unconsciousness from gazety_adaladala […]
dia aiza ho aiza ny tohiny? efa mba nanova fihetsika sy fitondran-tena ve ny tompon’ny Hotely sy ny fiara sa ahoana?
Iza no diso?
Inona no atao hoe Demokaria? Amiko ny famaritana izany amin’ny teny tsotra dia ho « fahalalahana hatramin’ny teboka voafetran’ny fahalalahan’ny hafa.
Ireo mpitarika teo Antaninarenina tokony mba naka lesona @ mpihetsika any ivelany. Tokony hisy ny banderole de ligne tête de rang hoentin’ireo mpihetsika mitarika. Hizotra milamina ary tsy maintsy tonga amin’ny tanjona ny hetsika dia ny fidirana ampilaminana tsy misy rà latsaka teny Ambohitsorohitra.
Ireo mpiambina ny lapa kosa rehefa hita ny firotoroton’ny mpihetsika dia tokony nampiasa ireo fepetra ara-miaramila: bombe lacrymogène, sommation sns… ary tsy maintsy niparitaka ny olona.
Ho foana araka izany ny rà mandrika ary ny fandrangitaka ady sy lolo-po maro samihafa.
Raha ao Antananarivo alo anie dia efa toy izay foana ilay fiainana e!Miseho milay dia hita ao amin’ny gazety amin’izay fa atao lavanty sy amidy ilay fiara dia nahoana ary no nentina nisetrasetra. Mampalahelo ahy tokoa fa na cortege aza dia misy manapaka ao, avy aty Mampikony moa ny tena dia somary mitavozavoza satria mandefitra dia gamain’ny Polisy nefa mba manaja code de la route anie e!Ataoko hoe miha vendrana ve ny mpamily sa ry nandra koa efa mahavidy fiara? Matetika miseho io cas io an, hitako mihintsy fa efa be ny embouteillage ohatra dia mbola hoentina miangona ihany ny Golf Type 4 kely, olona roa anaty Espace, sns… Ridicule. Ny ahy rehefa tonga any dia ampirimiko fa aleoko manao izay azoko atao amin’ny ligne 11, na Bus aloha hatreto.