Goragora

Goragora
Raha misy angamba toerana eritreretina ho tsy sahin’ny sasany itsofohana sy tsy tokony haharenesana halatra na fahaverezan-javatra dia ny tobin’ny miaramila sy ny lapam-panjakana.
Na dia tsy dia nahoraka sy tsy nivoaka an-gazety aza anefa dia nisy tokoa ny fahaverezan-javatra tao amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra (fanitso 120 tokony hanamboarana ilay
lapa vaovao ao an-toerana no nisy nivarotra teny Isotry tamin’ny volana desambra 2007). Efa nivoaka an-gazety kosa ilay fahaverezana fitafiana sy kiraro ampolony maro an’ny miaramila teny amin’ny BANI Ivato.

Mampanontany tena ny momba ny fanaraha-maso ny fidirana sy fivoahana eny amin’ireny toerana ireny raha izany. Toa manjaka hatrany anatin’izy ireny ny goragora. Mampanahy araka izany na ny ain’ny olona sy ny mpiasa ao amin’izy ireny. Ny jiolahy manao ny ataony mampihorohoro eraky ny tanana miaraka amin’ny fitaovam-piadiana ary tsy mihafihafy mandatsaka aina. Tsy afaka hiaro tena akory manoloana azy ireny ny olon-tsotra.
Hay ka na ny tobin’ny miaramila koa aza, hatramin’ny lapa tokony ho isan’ny tsara ambina sy hentitra indrindra dia mba tongan’ny « mpamangy hafa kely » koa.

Ka jiolahy ara-bakiteny io sa ambony latabatra? Tsy haiko intsony, satria sarotra ny hino fa ho moramora toy izany ny haka zavatra any amin’ireny toerana ireny raha tsy misy mpiara-miombona antoka ao ambadimbadika ao. Firifiry tokoa moa izao ny polisy na miaramila na zandary tratra nanao asa-jiolahy, na nanampy jiolahy amin’ny famatsiana fitaovana azy ireny, hoy ianao. Ny polisy fotsiny no efa misy any amin’ny telopolo any ho any. Ao ny tafiditra amin’ny halatra fiara, ao ny tafiditra trotra izao amin’ny asa famakian-trano sy fanafihana ary vono olona. Mampalahelo!!!!
Fanafodiny ve?  « Ny aza voany ihany zanako ». hihihi

2 Réponses

  1. Faly mamaky an’i Avylavitra indray amin’ny blaoginao mitokana. Ka toa kely karama kely ange hono ireny polisy, miaramila, zandary ireny e. Kanefa tsy afaka manao asa faharoa hanampiana ny hanina isan’andro. Aiza izy no tsy hangalatra ny farany… Mampalahelo ihany.

  2. izao izao dia miaramila ampolony indray no hiakatra fitsarana fa endahin-dry zalahy tsikelikely ny aluminium amin’ilay DC4 efa tsy miasa ao Ivato ao dia amidiny.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :