Rotsirotsy

Nandalo iny ny rivo-doza voalohany (FAME). Efa mihaodihaody any kosa  ny faharoa (GULA). Nanimba an’i Besalampy hatrany amin’ny 95% i  FAME. Nitondra orana eran’ny Nosy. Isan’ny nizàka izany sy mbola hizàka izany, tahaka izay efa nizakàny azy nandritry ny taona maro nivadibadika ny etsy anoloan’ny Rotsirotsy, akaikin’ny EPP Andravoahangy. Efa nisy fanamboarana ihany io làlana io saingy asa na ny fomba nanàovana azy no nisy tsy nety, na ny ataon’ny olona monina eny sy ny mpandalo koa no manimba azy, fa jereo anie ny fahasahiranana rehefa tonga ny orana e! Tsy tratry ny sary moa ny fako (tavoahangy plastika, sachets maro isan-karazany, sns…) navoaky ny rano avy any anaty dalle tany. Toerana fipetrahan’ireo mpivarotra amoron-dàlana rehefa tsenan’alarobia sy nay andavanandro koa io toerana io.

Ny sary hitanao eto dia ny rano efa somary nidina, fa rehefa ilay mbola ao anaty orana iny no mandalo eo ianao, dia tsy maintsy manofa Posy, na miandry ny orana hidina vao afaka mandeha. Na ny fiara fitaterana aza dia sahirana tokoa. Toy io ihany koa ny manoloana ny banky BOA izay tsy lavitra eo fa miala kely tokony ho 50 m miankavanana eo amin’ny sary.

sunp0019.jpg

sunp0020.jpg

6 Réponses

  1. Ary ny reportage dia lasa isan’andro ann!
    za vao avy namaly tatsy k’efa tonga dray ny manaraka!
    Ny Rotsirotsy miverina eo foana fa ny olona no tokony mianatra mananja ny tanana (sy ny lalana) ohatra hoe rehefa amoron’ny rano lotra dia tsy mahazo hipetrahano intsony satria mora miakatra ny rano na hoe simba ny digue …nefa azoko tsara fa tsy misy toerana hafa malalaka…
    oh lalal …
    Zay aty ampita manaraka vaovao sy manome courage ihany ny azo atao !
    BIzzzz

  2. Tsy hoe isan’andro fa isaky ny mahatsiaro fa misy tokony handraisana anjara e! hihihi
    Fanitsiana kely indray ity:
    « manaja » fa tsy « mananja »,
    « loatra » fa tsy « lotra »,
    « indray » fa tsy « dray » (sa style télégraphique io)
    « tsy azo ipetrahana » fa tsy hoe « tsy mahazo hipetrahana ».
    Miala tsiny fa tsy misorona aho an!

  3. hihihih voahitsy injay i ra jogany,
    mahafinaritra akia ny manaraka gazety an-tsary ato e!, mahaliana tokoa, nefa atao ahoana moa ny hamindra monina ireo olona monina eny @ faritra iva ireny???? tahakan’ny ho sarotra ihany kouuh!!

    mazotoa hatrany mampita vao² e!

  4. style télégraphique sy auditif io ê !! hitanao afaka kelykely eo lasa milay be teny gasiko io!!!
    bisoux!!

  5. misaotra anareo mitantara.

  6. Hay ve ka tena toy izao ny mahazo antsika any ry Avylavitra! Misaotra mitantara mivantana e!

    Mankahery hatrany e : hitsidika matetitetika ‘zahay fa dia tantarao sy tsikerao daholo izay tsy mety sy mitranga e!

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :