Nifàrana omaly 27 janoary 2008 ny salon du recrutement nokarakarain’ny Exhib’Mada / Orange Madagascar / BFV- SG, rehefa naharitra teo amin’ny efatra andro teo. Teny amin’ny Alliance Française Andavamamba no nisy azy ity. Maro tokoa ireo Malagasy tonga nihazakazaka teny mba hanatitra CV sy hanao « Entretien ».
Nahitana ny sokajin-taona rehetra sy ny sokajin’olona rehetra ihany koa (na ny vao mitady asa voalohany , na ireo te-hiova asa mitady zava-baovao). Tsy ny avy eto Antananarivo ihany izany no tonga teny fa hatramin’ireo avy any amin’ny faritany sendra nandalo ka nahalala ny fisian’ity hetsika ity dia nanararaotra avokoa. Tsy nahagàga araka izany raha holazaiko hoe nahatratra 1 km latsaka kely ny halàvan’ny laharana raha natao laharan-tokana.
Efa mahazatra loatra antsika Malagasy mantsy ilay mitangorongorona iny, na dia laharana aza no asaina atao. Nanomboka tao anoloan’ny vavahady Alliance io laharana io,
mandalo eo anoloan’ny vavahadin’ny ENS, mitohy manaraka ny sisin-dàlana mankany anaty tanàna any avy eo.
Ny tao anatin’ny efitrano no somary tery ka tsy dia tsara loatra ny sary azo (naleoko najanona).
Hita araka izao fa tsy maharaka ny tinady tokoa ny tolotra. Raha nilaza ohatra ny Orange fa mitady olona 200, dia CV-na tanora an’arivony kosa no mifandrombaka.
Maro ireo orinasa tonga tao no naniry ny hitohizan’izy ity. Mieritreritra araka izany ny mpikarakara ny hanao azy ity ho isaky ny enim-bolana raha isan-taona izany teo aloha. Ny avy ao amin’ny Ministera misahana ny Fampananana asa kosa indray dia tonga mba hanara-maso, sao,hono, mantsy misy ny resaka fakàna vola amin’ny mpitady asa, toy ilay tranga ‘BAHAMAS », ka tsy hanaiky mihitsy ry zareo. Faly anefa izy ireo rehefa nahita fa dia tena fanampiana madio ho an’ny tanora Malagasy tokoa no nisy nandritry ny andro vitsy nanaovana ny hetsika.
Filed under: tapatapany | Tagged: Alliance, asa, recrutement, salon |
zany ny atao hoe reportage !!
Tsy mahagaga raha be olona be ny tonga tany , tsara be mihitsiny izao zavatra zao raha oharatra entarina any @ provinces vao maika mandeha be (any tamatave ko zaohitako fa efa be asa be ao amin’ny port sns)
Ary nisy koa ve ny stands « Formation »? sa hoe efa Éintégré » ao ampiasana lé izy?
ary ianao anga tsy ny tangorogoroma teo ko????
hihihi
bizzzzzzzzzzzzzzzzzzzzzz
Zay ary lé miblaogy lotra! Rehefa tratran’io dé tsy mahazo mijanona intsony fa tohizana katramin’ny farany (fanga izy ity misy farany?)
Tsy mahaga mihitsiny ny ataon’ny fanjakana, tsika moa mbola tsy azo atao hoe democratie lotra ka hotrany hoe tsy maintsy manaraka foana. Fa raha ohatra moa mba hampandroso ny any @ province (fa maninona tamatave ihany? Tuléar koa mba mila fanampina mafy dia mafysady any efa mandeha be ny port).
Amin’ny manaraka tokony tonga dé Palais des Sports mihitsiny no tokony hofaina, sady hitako fa matanjaka be daholo ny sponsors t@ ty.
Tsy andriko ery zay hamakina ny lohantsoratra manaraka (tsy hitano fa lasa mba « moyen moyen » ve ny teny gasiko!?!?!?)
Bizzzzzzzzzzz
mmhhh tena betsaka ny ezak’i ra jogany izany @ fanoratana teny malagasy annn, tohizo fa tsara e!
avylavitra, tena mahaliana foona akia ny mamaky ny asa soratrao annn! tohizo fa mahafinaritra e!
slt , mety gaga angamba ianao ny amiko e! saingy mba hitako tao @ cite ianao dia mba manoratra. ka io ny adres e mail: arakotondrajao@yahoo.com tel 0341981604/0325941626 ka mba te hifanerasera amindry aky za , zay fa mazoto e!
raha te iasa ianareo dia misy asa mahasoa ny fiainanareo ty sady mahamety ny fahasalamana iany koa!! ary iany koa mety am fidirambola ao antokatrano!!! asa aloha na efa reanareo ny société FOREVER na mbola tsy hainareo e!!! fa zao e!!! araha mila fanazavana fanampiny dia ty ny adiresy mailko e!!!! soafarandrianina@yahoo.fr!!! compléments alimentaires sy produits de beauté no misy e!!!
Misaotra anao indrindra mizara izay mahasoa ho an’ny rehetra. Koa entanina ary ianao izay lina mba hanoratra amin’io mailaka nalefan’ny mpanorara io. Antenaina mba ho soa sy ny tsaa tokoa no ho hitan’ny tsiriray ao anatn’izany.
Tsy ny eto amin’ny Gazety_Adaladala no tompon’ny tolotra, noho izany dia tsy azo fatorana amin’izay mety ho tohin’ity tolotra nataon’i raoelina ity.