NyVaovaontsika

Asa ianao raha toa ahy? Tsy ny teny Malagasy ihany no mahasarotiny ahy mantsy fa hatramin’ny fanajàna ilay hoe Malagasy mihitsy amin’ny maha-olona azy. Ny mahatonga ahy manoratra izany eto dia izao: betsaka loatra hatrizay namakiako gazety izay ny hadisona ataon’ireo mpanoratra anatin’ireny gazety ireny. Dia lasa ny saiko hoe: « Fa angaha dia tsy misy olona mamerina mijery ny tsy mety (tsipelinteny, fahadisoana madinidinika…) ao amin’ireny gazety ireny e? Tsy vitan’izay fa rehefa mba mandefa fanamarihana ianao dia toa tsy asiana dikany sy toa hamaivanina ilay fanamarihana ataonao. Tsy vitsy mantsy izay gazety efa nantsoiko an-tariby sy nandefasako mailaka izay. Anisan’ireny, ary ialako tsiny raha abaribariko eto ny anarana fa angamba izay no hampahatsiaro tena azy ireny sy hanovàny ny fomba fanoratany ary hanaovany ezaka hanatsaràna ny ampitsony: eo ny « MidiMadagasikara », ny « Gazetiko », ary ity « NyVaovaontsika » ity.

Mba andramo anie ny mandefa mailaka amin’ny adiresin’ny gazety « NyVaovaontsika » e! Tsy haiko na ny ahy be fanakianana no sakanana, na ilay adiresy mihitsy no fandrebirebena mpamaky, fa miverina fotsiny any aminao mpandefa ny filazana hoe tsy mandray hafatra io adiresy soratana anaty gazety io.

Tsy firaharahàna ny mpanjifa ve izany sa fanadalàna sa fanaovana tsinontsinona? Antsika no mamaly azy!

Mba nividy an’io gazety iray io aho androany, dia inona no ao anatiny hoy ianareo? Lahatsoratra efa nivoaka tamin’ny Alarobia 01 Aogositra 2007 no mameno ny pejy faha 3 ao anatin’ny namidy androany 08 Janoary 2008. Dia manontany tena aho hoe « Mba inona no anjara andraikitra raisin’ny tompon’ny gazety ho fanarenana ny toy ireny? Satria mantsy efa tafiditra ao anatin’ny vola naloan’ny mpividy ilay pejy diso. Mba hisy ve ho karazana famerenana vola amin’ny fomba ankolaka hataony ka hampitombo ny pejy hatonta ny ampitso izy mba ho tambin’ny tsy nety androany. Asa lahy????

Sa dia hoe « rano raraka tsy azo raofina iny, fa dia efa azo aloha ny vola, dia izay !!! » Sao tsy rariny.

10 Réponses

  1. Miombon-kevitra aminao 100% Avylavitra a!!! (mba tsy hitenenana hoe 200% toy ny « fihenam-bidy » any an-tanàna🙂 ).

    Lavalava ity hafatro ity ka dia zaraiko telo :
    I- fampatsiahivana ny andraikitry ny gazety.
    II- fomba fijeriko an’ilay mailaka mamerin-kafatra
    III- ary ny fanaovana tsinontsinona ny teny malagasy amin’izao vanin’androntsika izao

    mazto mamaky e ( lasa lahatsoiratra mihitsy izy ity kano🙂 )


    Izaho dia tsy mba isan’irony nandalina teny na ‘littéraire » irony, ary tsy mahafehy tanteraka ny teny malagasy. Nefa dia mahita diso marobe koa rehefa mamaky gazety malagasy.

    Aty ivelany aho ankehitriny, ary tsy hoe manindraindra ny an’ny hafa fa : ny gazety vazaha dia vitsy no diso tsipelina (mba tsy ilazàna hoe tsy misy tsipelin-diso).

    Ka lasa ny eritreritro amin’ireo gazety malagasy hoe : iza ary no tadiavin’izy ireo hanaja ny teny malagasy raha tsy manomboka amin-dry zareo izany. Dia sanatria ve ka hatao toy ny valalan’alika izy ity.

    Amiko mantsy dia isan’ny anjara asan’ny gazety (ankoatran’ny filazàm-baovao) ireto rantsa-mangaika (éléments) lehibe ireto :
    1°> mitaiza ny tanora ( sy ny vahoaka amin’ny ankapobeny ) : amin’ny fomba fiteny sy fanoratra, ary amin’ny maha-olom-banona, ary koa ny
    2°> fampivoarana sy fanindraindràna ny tenim-pirenena.
    xxxxxxxxxxxxxxxxx
    II)
    Momba ilay « mailaka gazety » izay mamerin-kafatra indray, amiko, dia :
    – na « tsy fahafehezana ny imailaka » : raha misy voakitikitika manko ny baiko ao amin’ireny mailka ireny dia mamerin-kafatra toy io izy.
    – na koa « fanaovana an-tsirambina tsotra » izao : mampalahelo raha mba gazety malaza toy io no tsy mahatsapa fa ilaina ny fanakianana. Raha izao no teo amin’ny toerany dia nampahereziko izay mpanakiana mba hazoto hitsikera hatrany.

    ( Tsy nanandrana nanoratra tany aho, fa dia mitoky tanteraka amin’i Avylavitra ny amin’ny fahamarinan’izany. ).
    xxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxx

    III)
    Farany : izaho manokana dia mankasitraka tanteraka an’ireo gazety manoratra amin’ny teny malagasy, eny fa na dia « mbola » misy diso tsipelina aza. (« mbola » hoy aho satria mino aho fa « afaka hatsaraina » izy io). Amiko dia tokony ampaherezin’ny fitondràna ny gazety mba hanoratra amin’ny teny « malagasy » : satria ireny no sehatra iray mampiseho ny maha-izy azy antsika.

    Aty frantsa aho izao: ary tsy mbola nahita gazety amin’ny teny ankoatran’ny teny frantsay. Efa tany an-tany hafa koa ary dia nahatsikaritra an’izany hatrany. Rehefa any MKara anefa dia inona ? … (hainareo ny zava-misy any : ny gazety miteny vahiny no betsaka, raha oharina amin’ny teny malagasy).

    Rehefa miresaka toy izao aho dia misy ny manakiana foana hoe : ka ny teny malagasy ange ka tsy maha-laza hevitra e, ny teny malagasy ange ka tsy mampivoatra e, sns

    Izao anefa no tsy hain’ireny olona ireny, dia ny hoe : ny teny iray raha tiana hivoatra sy hatanjaka, dia ny olona mampiasa azy no tokony ho tia sy ampiasa azy voalohany.
    Ny frantsay ankehitriny dia mirehareha fa manana ny teny iraisam-pirenena faharoa lehibe indrindra. Raha zoviana anefa ny tantara dia vokatry ny fanjanahan-tany izany zavatra izany : izany hoe : nanana finiavana lehibe ry zareo hanaparitaka sy hampanankarena ny teniny. Fahiny moa, ny teny frantsay dia fitenin’ny « barbares » : fony izy vao nisintaka tamin’ny latina (taon-jato faha-5). Fa dia niady ry zareo : izany dia nanomboka tamin’ny fampiasana ny teny frantsay tany am-pianarana, tany ampiangonana, ary tamin’ny gazety sy boky fianarana.

    Koa ny hafatro dia ny hoe: aza afangaro ny anton-javatra syny vokany : diso ny hoe  » tsy mahalaza hevitra ny teny malagasy ka tokony hampiasaina loatra ». Amiko dia « TOKONY HAMPIASAINA IZY IO MBA HAMPIVOATRA AZY, ARY HAHATONGA AZY HO TENY MATANJAKA ».

    Misaotra tompoko🙂.

    ( ity hafatro ity dia ho hitanareo atsy amin’ny blaogiko koa )

    • fanampiako io resaka eo ambony io fa amiko fanambaniantena ny henatra amin ny tenindrazany fa matetika ny olona sasany mihevitra fa olona ambony rehefa miteny vahiny amiko anefa mirehareha aho fa malagasy ary io fiteny io no porofo mivantana fa gasy aho.ary mitovy ange ny manaja tena sy ny manaja teny satria nahoana ary?araky ny anajanao ny tenanao no anajan ny olona anao koa,koa araky ny anajanao ny teninao no anajan’ny hafa ny fitenintsika koa fa aty ivelany aho ary mifanerasera amin’ny vahiny maro be ary tsy vitsy izy ireo no liana amin’ fitenintsika .MAMIKO NY TENIKO KA ANDRIANIKO.MAMIKO NY TANIKO KA HO AMBOARIKO.(ho tsara hatrany) ange Andriatsalama

  2. Fanitsiana kely :
    misy « TSY » adinoko ao amin’ilay hafatro farany. Koa averiko :
    diso ny hoe ” tsy mahalaza hevitra ny teny malagasy ka TSY tokony hampiasaina loatra”. Amiko dia “TOKONY HAMPIASAINA IZY IO MBA HAMPIVOATRA AZY, ARY HAHATONGA AZY HO TENY MATANJAKA”.

  3. Zavatra mahafaly be ahy ny mahalala fa na dia any an-tanin’olona aza ianao dia mbola mandàla hatrany ny Malagasy. Betsaka mantsy ny lasa any no toa menatra hilaza fa Malagasy. Marina koa ny teninao fa raha tiana hatanjaka sy ho fantatry ny hafa ny tenintsika dia tsy misy afa tsy ny fampiasàna azy no voalohany amin’izany. Efa mba manomboka miseho ihany ankehitriny ny gazety mampiasa teny Malagasy saingy tena mbola vitsy. Ny sisa rehetra moa dia zara raha ahitanao lahatsoratsa amin’ny teny Malagasy. Maniry indrindra aho raha maniry ny mba ho toa anao daholo ny Malagasy rehetra miampita ranomasina. Tsy hanao ny an’ny tena ho toy ny valalan’amboa ka ny tompony aza tsy tia. Satria tokoa mantsy NY TENY NO HAJAN’NY TANY izay tsy iza fa i Madagasikarako , i Madagasikaranao, ilay antsika rehetra. Misaotra betsaka indrindra

  4. izaho aloha dia tsy dia mpamaky an’ity gazety iray ity e! tsy haiko fa noho izy mpanohana be fahatany ny fitondrana ve no nahatonga ahy anao izay na tsy fa ny gazety hafa aza no voavakiko matetika dia ny ao raha sy ny taratra! ny mahafaly ahy fotsiny dia ny oe efa mba manoratra aloha izy dia efa tsara izay kanefa tena tokony ho ilaina koa ny jeritodika sy ny kiana hanatsarana zavatra

  5. tena marina ilay hoe « mpanohana be fahatàny ». Raha mijery ny lahatsoratr’ilay « Valohery » ao isan’andro ianareo dia hahatsiaro ny andron’ny Radio Tsioka Vao fahiny sy ilay mpanao gazety tsy zoviana aminareo tamin’izany fotoana izany. Tsy misy ivoasana ny fomba fisainana sy fitondran’izy roalahy ny lahatsoratra sy lahateny ataony. Ny zavatra tokony ho tsàpany anefa dia vao mainka manaratsy endrika azy sy ny olona, na antoko tohanany ny fihevitra tsy ampy fandinihana toy io asehony isan’andro io. Avereno ho ahy ny hevitro raha diso.

  6. Bonjour
    J’ai écrit à l’adresse e-mail de la gazette le quotidien mais je crois que l’adresse ne fonctionne pas actuellement.Est-ce que vous pouvez leur passer mon message?
    Voici mon message au journal le quotidien
    Je me nomme Mampianina et je suis un de vos fidèles lecteurs et je voudrai vous demander si vous pouvez faire un petit rubrique conçernant la légion étrangère française (recrutement,historique) Merci.

  7. salut !
    mba azonareo omena ve ny adress e mail fa misy vao2 tianay omena avy aty lavitra aty ka raha possible dia aandroany

    • @Germain> Nalefako amin’ny adiresy mailakao manokana ny adiresy azontsika ifandraisana
      Misaotra

  8. raha ny fijeriko ndray dia toa potika ny maha malagasy, nareo any lavitra any no tokony tena hanandratra ny maha malagasy fa ny eto antoerana toa mbola ezaka be ny fitadiavana ny very hatramin’izay.izay no mba tadiavina @nareo any.ampisehoy fa malagasy nareo any.misaotra betsaka tamin’ity sehatra iray ity.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :