Voa i Bedonàka

Be ny lany rora nananatra "tanora"
sy ireo nibedy "zoky tsy nahalala voky"
ka dia nisesy ny andro, nivalona ho volana
nantenain’ny maro hitondra vahaolana

fa ny ankohonako tato an-tokantrano
ilay  vilany nongoko efa foana tsisy rano
indrisy, ny fotoana lany
nitaninana andro nanohanana ny tany
tetsy an-tokontany

Fa tonga kosa ny orana, ho adino ny andro maina
nidonanaham-poana tsy antoandro tsy maraina
tsy hisy intsony hahita
na hamaly ‘zay mba vita

hanangona aina vao
hitady asa vaovao
fa lany tampi-maso
tsy afa-miandry ‘andraso-andraso’

Izahay nampiadiana
Adrisa nampandriana
Adala tsy nisaina,
k’izao dia hiala maina

ry zalahy, ny latabatra hiraisana
hihinana, hisotro
zahay, nahita faisana
hiaina-mikoroso

ny vatana farofy tsy maintsy be taraina
politikan-kibo izao no andrandraina
Vaka ity ny saina fa sarotra ny miaina
sao tsy ho re intsony ny hoe "ho avy  ny maraina"

Voa i Bedonàka….

 

Suivre

Recevez les nouvelles publications par mail.

Joignez-vous à 400 followers