NY (TSY) LAHARAM-PAHAMEHANA

Samy manana ny ‘maika‘ ho azy ny rehetra. Samy mametraka laharam-pahamehana araka izany ihany koa. Be ny mampikaikaika. Raha ny valalabemandry no anontaniana izay mampikaikaika azy dia ‘ny vidin-tsakafo, ny vdin-jiro sy rano’ no sady laharam-pahamehany no koa mampikaikaika azy. Miankina amin’izay laharam-pahamehanna sy mampikaikaika ny hafa nefa io azy io. Ohatra fotsiny, ny fitaterana, izay sady manjifa solika no koa mampiasa jiro sy rano. Vokany, manitsy, na mampiakatra tsotra izao ny sarany izy ireny mba hamenoana ny bangany. Afa-manoatra ve nefa ny orinasa mpamokatra sy mpivarotra ( na solika io, na herinaratra sy rano, hatramin’ny mpitatitra koa aza e) ? Satria manana izay laharampahamehany sy mampikaikaika azy koa izy ireny, toy ny hoe ny vidiny avy any an-dafy any mihitsy no mikorontana (saingy tsy dia fahita firy aty Madagasikara ny hoe nidina ny vidin’entana, rehefa nidina ny any am-potony any, ( efa nisy kely ihany , sao misy ho tezitra amiko sy hilaza ahy ho mpandainga eo). Betsaka araka izany no mampikaikaika sy laharampahamehana ho an’ny sokajy tsirairay.

Fa mba manana ny heveriny ho fandaminana izay hamehana izay koa ny Fanjakana foibe. Mivory izao ny Antenimiera roa tonta ( ireo Solombava sy Loholona). Isan’ny laharampahamehana ao ny fandinihana ny tetibola 2009. Ilaina maika io ho azy ireo (tsy mandiso an’izay koa aho).
Manana izay heveriny ho laharampahamehana koa ny FFKM sy ny vondrona miara-dia eo amin’ny resaka pôlitika. Ho azy ireo dia tafiditra amin’izany ny Lalana hifehy ny fifidanana eto Madagasikara.

Nandramako ny nandinika sy nampifanakaiky ireo heverin’ny andaniny sy ny ankilany amin’ny tontolon’ny pôlitika ireo ho laharam-pahamehana (iretsy roa farany etsy ambony ireo), ka izao no fahitako azy:

Tonga dia izay mety ho fijerin’ny Fitondrana sy izay mety ho valin-teny azon’izay mpitaky ny handinihana io Lalàna io no ezahako takarina. Mino aho fa raha amin’izao fotoana izao no hitenenana hoe ‘Diniho ny fanovana ny Lalàna mifehy ny fifidianna eto Madagasikara’, da hoy ny valin-teny hoe

‘Tsy laharam-pahamehana izany, Tsy raharaha maika satria mbola rahoviana vao hisy fifidianana, aleo hilamina dia misesy’.

Dia mitsatoka eo ny amin’iny.

Fa rehefa any andro any taona ka tonga indray ny fotoana fifidiana (na ndeha hataoko hoe efa miha akaiky), dia izao no valin’teny mety ho azo :

‘Ny fikarakarana ny fifidiana izao no maika, fa tsy zavatra kilalao ny fandinihana izany resaka Lalàna izany ka hoe hatao an-kamehana’

Ny tiako hisarihana ny saina izany dia tsotra: te-hanontany antsika tsirairay izay mamaky aho, inona marina no mamaritra ny hoe ‘hamehana’? Sa rehefa metimety amiko ny hanao azy ho hamehana dia lasa hamehana izy, fa rehefa manelingelina ahy dia mivadika tsy hamehna indray?

Samy mampiasa ny teny ‘hamehana’ daholo mantsy na ny ‘an-kamehana’, na ny ‘laharampahamehana’. Anao ny safidy, izaho tsy mandidy.

Suivre

Recevez les nouvelles publications par mail.

Rejoignez 436 autres abonnés