CEG ANTANIMENA

Izaho izay miantso dia manan-janaka roa manovo fahalalana ao amin’ny CEG Antanimena.
Tamin’ny 30 avril dia nalefa hiala sasatra ireo mpianatra ary hiditra amin’ny 13 mai

Misy anefa ny kilasy hanao adina ara-panatanjahantena BEPC amin’ny talata 13 mai Isan’izany ny zanako.

Talohan’ny nivoahan’ireo mpianatra ireo hiala sasatra anefa dia tsy nisy fanamarihana na dia kely aza nataon’ny tompon’andraikitry ny sekoly momba ny resaka fiantsoana hanao adina ara-panatanjahantena ho an’ny kilasy hiatrika izany

Noho izany dia tsy naheno hoe tokony haka fiantsoana any an-tsekoly ary hamonjy eny Mahamasina amin’ny 7h30 maraina ny maro raha tsy ny namany mpanao cours FRAM ao amin’ny CEG no niantso tél azy.

Ny zanako aloha dia tsy isan’ireo manao ilay cours FRAM.  Ary mazava ho azy fa tsy nahalala velively raha ny sekoly no nantenaina.

Niantso raiamandreny hafa aho nanontany ary dia tahaka izay koa no fomba nahalalan-janany fa tokony haka ny fiantsoana hanao adina ara-panatanjahantena any an-tsekoly ny tenany. Marihako eto fa raiamandrenina mpianatra amina kilasy hafa mihitsy no nifampiresahako fa tsy hoe ankizy iray kilasy amin’ny zanako akory

Ireo ankizy avy eo no nifampiantso sy nifampizara vaovao amin’ny telefona

Tao aza ireo nandehanan’ireo namany tsara sitrapo tany an-tokantranon-draiamandreniny mihitsy mba hilazany hoe alaivo ny convocation’ialahy na ny an-dry fa ny anay efa azo fa amin’ny talata anie ny Gymn e!

tsy ny rehetra tokoa mantsy no hanana telefona any antokantrano, na finday.  Ary tsy ny ankizy rehetra koa no hanana namana manao cours FRAM mba hampita vaovao aminy.

Isaorana eto ny fandraisana andraikitra sahady nataon’ireny mpianatra mitsinjo ny sasany ireny Fa mba aiza ho aiza amin’izany ny fahatsiarovan-tena sy fandraisana andraikitry ny sekoly, raha sanatria ka tsy mahatratra ara-potoana ny adina ny mpianatra noho ny nataon’izy ireo?

Tsy fantatro aloha hatreto hoe avy aiza no nisy ny tsy fahaizana nandray ny andraikitra ara-potoana  tany amin’ny fari-piadidiam-pampianarana ve sa tao amin’ny CEG Antanimena mihitsy  izahay moa izany dia efa matetika mihitsy no mitondra fanamarihana ao an-tsekoly  momba ny fikorontanana eo amin’ny lafiny fandaminana toy izao e! Nandritry ny 4 ans. Betsaka noho izany ny ankizy no mety tsy hahafantatra akory hoe tokony haka fiantsoana. Ary ny tena loza dia raha nisy lasa niala kely ny renivohitra ireny ankizy ireny ary tsy mihevitra ny hiverina raha tsy vita ny alatsinainin’ny Pentekoty

Miantso anareo mpianatra aho noho izany mba hifampilaza fa sao voa mafy ny namantsika


ITY HAFATRA ITY DIA DIKA MITOVY NY HAFATRA NIFAMPIRESAHAKO TAMIN’NY RADIO DON BOSCO TAMIN’NY 08-mai-2008 (antso an-tarobia tamin’ny 6 ora maraina).

Nilaza ny hanao recoupement moa ilay nandray ny antso fa mbola manomana vaovao, hono, ary avy eo dia hiantso ahy amin’ny valo ora.  TSY NIANTSO ANEFA IZY HATRAMIN’IZAO. TSY HAIKO IZAY ANTONY.

KOA HO ANAO MAMAKY AZY, AMPITAMPITAO LAVITRA AZAFADY MBA TSY HAHAFATY NY HAVANA SY NAMANTSIKA

FOMBA FIJERY_1

 

Natao maimaika loatra ny fametrahana ny rafitra fitsinjarana fahefana teto Madagasikara.
Mbola be no tsy mahalala ny fivadihan’ny faritany teo aloha ho fari-piadidiana. Izany hoe foana araka ny lalam-panorenana ny fisiany.
Ny teo aloha aza mbola tsy voafehin’ny sarambabem-bahoaka tsara dia efa ampidirina ny manaraka, ary dia toy izany hatrany. Tsy mba toy izay hita tany Eropa fony ry zareo hametraka ny fari-bola Euro, na ny momba ny espace Shengen. Efa nanomanana ela ny sain’ny olona ny amin’izany.
Ny eto Madagasikara indray kosa dia miova arakaraky ny mpitondra ny tany sy ny fanjakana ny rivotra iainana sy ny lokon’ny lanitra lolohavin’ny ambanilanitra.
Nolalovana teto ny resaka faritany, nodimbiasan’ny faritany mizakatena, niverenan’ny hoe faritany , ary ankehitriny dia ny hoe faritra indray no malaza.
Very andro mitady ny very foana ny Malagasy. Tsy hainy intsony ny hoe iza,inona, nahoana, sy ny sisa. Tsy mbola hita sy hay izay rafitra tena mahametimety ny mpitondra tsirairay mahazo toerana eo, isak’izay misy fiovan’ny mpitondra fanjakana.
Tafiditra amin’io resaka io koa ry zareo mpampianatra, satria mbola maro no sahirana mamantatra ny hoe taranja hatraiza ary inona marina no tena atao ao anatin’ilay LMD? Inona no atao ao amin’ny Licence? Inona indray ao amin’ny Doctorat? Toy izay koa ny ao amin’ny Maîtrise. Koa raha izy mpampianatra aza fanina, dia mba ahoana ny mpianatra sy ny raiamandreny?
Tsy milaza akory ny mpanoratra eto  hoe ratsy ny LMD an! Fa ny fahitana fotsiny hoe toa rehefa maheno ny rehetra miresaka eny rehetra eny ianao, dia zavatra tsy mbola vonona sy tsy voalanjalanja tsara ity tian-ko masaka sahady toy ny voalobo-jaza ity. Anisan’ny antony aroson’ireo mpampianatra moa ny tsy mbola fifanindran-dalan’ity rafitra Malagasy ity amin’ny fandaharam-pampianarana any ivelany any, ka ho lasa olana goavana ho an’ireo mpianatra Malagasy mandeha miondrana any ivelany aoriana kely ao.
Izao indray koa moa dia nanamafy ny Minisitra vaovao (RALAMBOMANANA Stangeline) voatendry hitondra ny resaka fampianarana fa tsy maintsy hapetraka ato ho ato ny fanalavana ny ambaratonga voalohany (Garabola) ho fito taona.
Dia ho sanatria ho ‘taranaka atao sorona’ (Géneration sacrifiée) indray ve ireo ankizy sy tanora manomboka hatreto? Ka ho lasa irony olona tsy hahay hamakafaka fa tonga dia hihianana am-bolony irony.
Raha mandinika tsara isika dia hahatsiaro fa ny sekoly Katolika dia "tsy nety loatra" nanaraka ambokony ireny fepetra sadasada naroso teo amin’ny sehatry ny fampianarana ireny, hany ka tsy mahagaga raha maro ny mpianatra avy amin’ireo sekoly tantanany no lasalasa daholo eo amin’ny sehatry ny fahalalana sy ny fandraharahana na fitantanana.
Tsy hoe manohitra ny rafitra akory ry zareo katolika raha manao izany fa kosa mahita hoe misy lalana tsaratsara kokoa hitany hampandroso ny mpianany ary dia raisiny amim-pahasahiana, rehefa hitany fa tsy dia manohintohina loatra ny an-drafanjakana. Ohatra fotsiny izao ity iray ity; manan-janaka mianatra izahay iray tokontany ato an-tanana, ny sasany mianatra amin’ny fanjakana, ny hafa indray mianatra amin’ny sekoly katolika. Betsaka kokoa ny fotoana ianaran’ny mpianatra katolika noho ny an’ny fanjakana. Izany hoe ireny andro tsy fianarana ireny dia lava loatra ho an’ny mpianatry ny fanjakana (toy ny araraotina mihitsy mba ho lava!), nefa kosa iny no araraotin’ny toeram-pampianarana kosa hanovozana fahaizana araka izay tratra. Tsy maty antoka kosa aloha ny raiamandreny mandoa vola amin’izay lafiny izay e. Na ny fanarahana ftsipika aza dia efa isehoan’ny tsy fitoviana eo amin’ireo lafiny roa lazaiko ireo.

Tantara lava raha ho itarina fa izay ny amin’iny. Mbola ho avy eto ny FOMBA FIJERY_2.
 

Suivre

Recevez les nouvelles publications par mail.

Joignez-vous à 399 followers