Lisitra sy filaharan’ireo kandidà ao anaty biletà tokana

lisitra sy filaharana farany ho hitanao ao anaty biletà tokana #mdg2013 #mdg13

1.RAVALISAONA Clément Zafisolo,
2. RAVALOMANANA née RAKOTONIRAINY Lalao Harivelo,
3.JULES ETIENNE Rolland,
4 .RABEHARISON Roland Dieu Donné dit VAHÖMBEY,
5. RATSIRAKA Iarovana Roland,
6.ANDRIANAINARIVELO Hajo Herivelona,
7. RAKOTO Fetison Andrianirina,
8. RABEMANANANTSOA Brigitte Ihantanirina ,
09. RADAVIDSON Andriamparany Benjamin,
10.VITAL Albert Camille ,
11. RAKOTO Jean Pierre,
12. DOFO Mickaël Bréchard,
13.RANDRIAMAMPIONONA Joseph Martin,
14. RATSIRAKA Didier Ignace,
15. RAJAONARY Patrick Ratsimba,
16. RABEHARISOA Saraha épouse GEORGET,
17. RASOLOSOA Dolin Rina Josephson,
18. TINASON Freddy,
19. RAZAFIARISON Laza,
20. MONJA Roindefo Zafitsimivalo,
21. KOLO Christophe Laurent Roger ,
22. TEHINDRAZANARIVELO Djacoba Alain,
23. RAJEMISON RAKOTOMAHARO,
24. RAKOTOMALALA Marcel Fleury,
25. LAHINIRIKO Jean,

26. RASOLOVOAHANGY Roseline Emma,
27.VONINAHITSY Jean Eugène,
28. RAJAONARIVELO Pierrot Jocelyn,
29. RAJOELINA Andry Nirina,
30.RAFALIMANANA Ny Rado,
31.RANDRIAMANANTSOA Tabera
32. RATREMA William,
33.JEAN-LOUIS Robinson Richard,
34. RAZAFINDRAVAHY Edgard Marie Noé,
35. RAHARIMANANA Venance Patrick,
36. RATRIMOARIVONY Guy,
37.RAZAFIMANAZATO Julien,
38. RATSIMBALSON Faharo,
39.RABETSAROANA Willy Sylvain ,
40. NOELSON William,
41. LEZAVA Fleury Rabarison.

23/06/2013 : fanombohan’ny fampielezan-kevitra

Mpisolovava an-jatony no hofanin’ny CENIT mba hisahana ny olana ara-pifidianana

Rahoviana no fametraham-pialana ho an’ireo rehetra tokony hanao izany? Miandry dia mahita isika rehetra e!

Didy Navoakan’ny C.E.S momba ny Fifidianana : Fanazavany

FANAZAVANA NY DIDY NAVOAKAN’NY COUR ELECTORALE SPECIALE ( CES ) mikasika ny lisitr’ireo kandidà mifaninana ho Filohan’ny Repoblika.
6 mai 2013 Election

Manoloana ny fahatsapan’ny C E S fa ilàna fanampim-panazavana ny didy izay navoakany, satria zon’ny vahoaka ny mahalala izany, na dia tsy mahazatra aza, dia raisin’ny CES ho adidy ny mitondra izao fanazavana manaraka izao:

I. NY ANTOM-PISIAN’NY CES

Vokatry ny fifanarahan’ireo mpanao politika tamin’ny alàlan’ny Tondro-zotra, izay nampidirina ho anisan’ny lalàna manan-kery eto amin’ny firenentsika, no nametrahana ny CES, tao anaty vanim-potoana izay tsy nahitana vahaolana sy marimaritra iraisana tamin’ireo vondrona politika mpifanandrina, afa-tsy ny firosoana amin’ny fifidianana.

Noho izany , dia nomena andraikitra manokana ny CES mba hitondra ny anjara birikiny amin’ny famoahana an’I Madagasikara amin’ny krizy lava reny amin’ny alalan’ny fitandroana ny safidim-bahoaka, izay havoitry ny Fifidianana.

II. NY FITAOVANA SY NY LALANA NOMENA HO AMPIASAINY

– Ny lalam-panorenan’ny Repoblika faha-efatra izay tsy mampitovy hevitra ny antokom-politika sy olona maro.
– Ny Tondrozotra, izay fifanarahana politika nefa natao ho lalàna velona.
– Ny lalàna mifehy ny fifidianana,
– Ny lalàna fehizoro laharana 2012-015 tamin’ny voalohan’ny volana aogositra 2012 mikasika ny fifidiana ny Filoha voalohan’ny Repoblika faha efatra,
– Ary koa ireo fifanarahana iraisam-pirenena izay notoavin’I Madagasikara, izay tsy azo hodian-tsy hita.

III. Mahakasika ny filatsahan-kofidian-dRamatoa Lalao RAVALOMANANA sy Andriamatoa Didier RATSIRAKA ary izay mpilatsaka hofidiana rehetra manana trano fonenana sy mivezivezy any ivelan’i Madagasikara:

Ny andininy faha 5 amin’ny lalàna fehizoro laharana 2012-015 no nametraka ny olana voalohany satria tsy mazava ny tiany ambara. Io tokoa dia mametra fa: tokony nipetraka (réside) teto Madagasikara fara faha keliny enim-bolana mialohan’ny fametrahana ny antontan-taratasy filatsahan- kofidiana ireo mpilatsaka hofidiana, ary tsy maintsy monina (domicilié) eto Madagasikara amin’ny andron’ny fametrahana ny antontan-taratasy filatsahan- kofidiana

Tsy maintsy hofaritana noho izany ny atao hoe: Fanondrona fonenana.

Moa ve hampiharina araky ny voasoratra io andininy faha 5 io?

Izany hoe tadiavina raha tena monina eto Madagasikara, tsy misy fahatapahana mandritra ny enim-bolana mialohan’ny fametrahana ny antontan-taratasy firotsahina ireo mpilatsaka hofidiana. Raha izay dia maro ireo mety tsy mahafeno fepetra.

Sa kosa heverina ny tian’ny mpanao lalàna hambara sy ny tanjona tiany ahatongavana?

Izany hoe dinihina raha manana ZO afaka hofidiana sy manana finiavana ny hirotsaka hofidiana tokoa ilay olona, amin’ny alalan’ny fandrotsahana ny antontan-taratasy rehetra takian’ny Lalàna ihany, izay tsy tokony ho sarasarahina toy ny :

 Taratasy fanamarinam-ponenana,
 Ny taratasy manamarina ny fandoavan-ketra teto Madagasikara,
 Ary indrindra ny fanamarinana fa voasoratra ao anaty lisi-pifidianana ilay mpifaninana.

Rehefa nanamarina ny antontan-taratasy voarotsaky ny mpifaninana ny fitsarana dia nahita tokoa fa samy nandrotsaka ireo taratasy ireo avokoa na Ramatoa Ravalomanana, na Andriamatoa Didier Ratsiraka, na ireo mpifaninana hafa izay noheverin’ny vahoaka fa nanana fonenana any ivelany. Ankoatra izay dia nisy ireo mpilatsaka hofidina nandrotsaka taratasy hafa (plaidoyer), miendrika fanazavan-kevitra na fiarovan-tena na fitoriana mihitsy aza, mba hanamarinany ny filatsahany.

Vokatr’izay dia nihevitra ny fitsarana fa tsy mety amin’izao toe-javatra miseho izao ny ampihatra fotsiny ny andininy faha 5 voalaza etsy ambony , fa tokony heverina koa ny lalàna hafa toy ny fifanarahana iraisam-pirenena izay mety hampiravina ny olana, ka hitondra an’i Madagasikara ho any amin’ny fifidianana, hahafahan’ny vahoaka haneho an-kalalahana ny safidiny ny amin’izay olona tiany marina hitondra ny fireneny, amin’ny fifidianana izay hany vaha-olana ka hampivoaka an’I Madagasikara amin’izao krizy tsy misy fiafarany izao.

Koa rariny sy hitsiny ary ara-dalana raha averina sy omena ny vahoaka ny fahefana sy ny fahafahana hisafidy an-kalalahana tanteraka izay sitrany hitondra ny Repoblika faha- efatra eto Madagasikara.

Tamin’ny fanapahan-kevitra noraisiny dia ny fomba fijery téléolojika, izay mifahatra amin’ny tanjona sy izay tian’ny lalàna ahatongavana no nampiharin’ny fitsarana, ao anatin’ny fanajana ny fifanarahana iraisam-pirenena izay milaza ho zava-dehibe, ny zon’ny olona tsirairay hirotsaka ho fidiana, ary indrindra ny zon’ny vahoaka hifidy an-kalalahana izay olona tiany hitondra ny fireneny, ka noraisiny ny firotsahan-dRamatoa Lalao RAVALOMANANA sy Andriamatoa Didier RATSIRAKA.

IV- Mahakasika ny Firotsahan’Andriamatoa Andry Nirina RAJOELINA:

Andriamatoa Andry RAJOELINA dia nametraka antontan-taratasy filatsahan-kofidina araka izay voafaritry ny lalàna, ary niaraka tamin’izany dia nisy taratasy fanazavana ny antony nametrahany ny filatsahan-kofidiny taorian’ny fe-potoana ara-dalàna.
Rehefa nandinika ny C E S ka namakafaka ny antontan-taratasy napetrany, dia nandray sy nankato ny filatsahany.
NOHO IREO ANTONY REHETRA IREO DIA MANAMAFY NY CES FA MIFANARAKA AMIN’NY LALÀNA SY NY FOTOKEVITRY NY FIFANARAHANA IRAISAM-PIRENENA MANKATO NY ZO FOTOTRA NY DIDY NAVOAKANY, ARY MAMETRAKA NY VAHOAKA HO TOMPON’NY TENY FARANY AMIN’NY FISAFIDIANA AN-KALALAHANA TANTERAKA IZAY OLONA SITRANY HITONDRA AN’I MADAGASIKARA.

Ho an’ireo firenena anaty krizy, ka manana finiavana hivoaka amin’izany, dia ny FIFIDIANANA manaraka ny lalàna iraisam-pirenena, handraisan’ny daholobe anjara, tsy misy fanilikilihana fa mifototra amin’ny ara-drariny, izay ihany no vahaolana.

NY C E S dia manamafy fa hiaro toy ny anakandriamaso izay tena safidin’ny vahoaka maro an’isa marina amin’ny latsabato izay ataony, ary tsy hamadika na oviana na oviana, ary na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana ny hetahetam-bahoaka, ka mihevitra mandrakariva ny tombontsoa ambonin’ny Firenena.

Natao teto Antananarivo androany 6 may 2013
Ny Filoha sy ny Mpikambana ao amin’ny Cour Electorale Speciale (C E S ).

Raharaha #DAHALO #REMENABILA sy #TOKANONO

Dia gaga elah! Lasa fiteny tsy zoviana amin’ny rehetra intsony izy io tato ho ato taorian’ireny hetsika nataonà onjam-peo iray teto Antananarivo ireny.

Fa ny tsy aritro mahatonga ahy hanoratra androany dia tsy inona fa ny raharaha fanafihana nataon’andian’olona an-jatony maro tany atsimon’ny Nosy tany. Tany akaikin’Amboasary Atsimo.

Voalohany aloha dia na dia efa andro vitsy aza no nitrangany tamin’izany fotoana, tsy nisy mihitsy ny fanambaràna avy amin’ny tomponandraikitry ny mpitandro filaminana sy ny fitondram-panjakana raha tsy efa hitany fa efa manomboka be resaka ny vahoaka. Indrindra moa fa isika ety anivon’ny sehatra fifandraisana sosialy ety, izay haingana sy malaky tokoa ny fifanakalozana vaovao. Alakamisy 14 Jona isika androany, ary ny bitsika voalohany nalefako momba azy ity dia ny Alatsinainy 11 Jona raha tara indrindra

Tamin’izany fotoana dia nambarako tanaty bitsika (tweets) samihafa fa nisy ny mpitandro filaminana maty, nisy ny olona nalaina an-keriny, nisy ny basy naterin’ny dahalo tany amin’ny tomponandraiki-panjakana taorian’ny fifampitfirana,. ary nisy ny razana nogiazan’ireo dahalo sy tsy mbola naveriny hatramin’ny fotoana anoratako ity lahatsoratra ity. Mba niandriandry fanampim-baovao tamin’ny #RNM sy #TVM koa ny tena fa dia he he he, na nisy aza dia efa taty aoriana be sady mbola vaovao nampihomehy koa avy eo.

Tsy takatry ny saiko ny antony nikononkononan’ireo tomponandraikitra ireo azy io tany fotsiny, fa izay tena mbola tsy takatry ny saiko dia ny fiheveran’izy ireo ny vahoaka Malagasy ho toy ny kentrina sy adala daholo. Azafady, fa tsy ny rehetra kosa angamba no azonareo rebirebena sy raisina ho toy ny kentrina.

Nahoana moa aho no masiaka fiteny androany? Tsotra no antony: nandre tao amin’ny onjam-peo iray ny fanazavana nentin’ny MINISITRA, Jeneraly RAKOTOARIMASY Lucien aho nilazany fa hoe ‘tsy hay na basy avy aiza ireny basy naterin’ireo dahalo ireny, ary tsy voaporofo koa hoe an’ireo mpitandro filaminana voalaza fa matin-dry zareo’. O r’ingahy Minisitra a, ataovy adala ny hafa, fa izaho kosa tsy manaiky ny handraisanao ahy ho toy ny adala, azafady kely. Fomba ahoana moa no ahafahanao miteny toy izany? Fony izahay mba nandalo an’izany fitaizana tao anaty tafika izany, dia mahalala tsara fa misy laharany ny basy tsirairay, ary fantatra hoe iza no nitondra inona nivoaka ny magasin d’arme, rehefa andro toy inona. Koa dia nahoana no mifandrebireby e? Mba atsaharo rangahy ity fiheverana ny vahoaka ho toy ny valalabetsimifoha ity a!

Izao koa ka hoe ‘tsy hanao fanafihana mivantana satria tsy fahavalo fa Malagasy toy ny tena ka hifampiresaka aloha mba tsy hisian’ny famoizana aina sy rà latsaka’..  Tsy fanaovana ny ain’ireo mpitandro filaminana sy olon-tsotra avy amin’ny fokonolona  latsaka nandritra ny fifampitifirana ho toy ny fatin’alika ve izany? Fa angaha moa ireo dahalo nitsitsy azy ireny, no ianao no hiseho ho mpamindra fo sy mpitsimbina ny ainy?

Efa voalaza fa an-jatony maro ireo hifanatrehana, nefa dia isa tsy mifanandrify amin’izany no tohana nalefa any an-toerana.

Lazaina fa hoe rehefa fotoana tsy milamina eto amin’ny firenena vao mitranga ny toy izao, nefa marihako fa na nisy aza ny dahalo fahiny, tany aloha tany, na andron-dRATSIRAKA na RAVALOMANANA dia tsy toy izao no fitrangany. Tsy milaza koa izany fa hoe aleo ny asan-dahalo tamin’izany fotoana ihany. Fa rehefa nisy kosa amin’izay ny resaka fanondranana omby ho any Kaomoro sy ny firenena hafa taty aoriana, dia mirongatra ny halatra omby sy  ny vono tsy misy indrafo. Iza no ao ambadika ao? Sao mba misy aminareo mpitondra kosa manome vahana azy ireo e? Ny tiako lazaina amin’ny hoe mpitondra, dia miainga mihitsy avy any ifotony ka hatrany an-tampony. Raha tsy misy mantsy izany tohana izany, tsy ho sahy hiantsy mpitandro filaminana sy hampilaza mialoha ny fanafihana hotanterahany ny olon-dratsy.Aiza ka hoe asaina miomana ny mponina any #Ranomafana_Taolagnaro fa ho avy hanafika ry zareo ny faha-20 Jona, mba azonareo an-tsaina ve ny fijalian’ireo olona marobe voatery mitsoa-ponenana ato anatn’ny fireneny ihany, latsa-dranomaso sy lotiky ny hatezerana nefa tsy afaka manoatra fa atody miady amam-bato? Mba tsapanareo ve izany?

Be ny velom-panontaniana ankehitriny hoe, tena dahalo tokoa va re? Ary misy mihitsy aza ny sahy milaza fa andia-miaramila mihoko amin’ny fitondrana izany fa tsy dahalo tsotra fotsiny.

Miandry ny marina avy amin’ireo iraka mpikaro-baovao nalefanareo ny vahoaka, ary miandry izay vokatry ny dian’ingahy Omer Beriziky sy ny Minisitry ny Fitsarana lasa any Ambovombe any. Mba tsy ho variana fotsiny amin’ny fanokanana trano anie, fa hijery sy hitondra vokatra amin’ity raharaha ity.

Sanatria va re hitsanga-menatra manoloana ireto lazaina ho ‘Dahalo’ ireto ny foloalindahy Malagasy? Raha izay no mitranga, aza miseho vahoaka akory mandritra ny andron’ny 26 Jona fa tsy misy ilànay anareo sy ny fitaovana raitra mety hasehonareo eo amin’izany fotoana. Ny tahaka izao no hitsaràna anareo sy ny fitaovana eny am-pelatananareo

Ity izao vaovao farany voaray ny 14 Jona: Lehilahy iray no hita faty tao #Behara #AmboasaryAtsimo ary napetraka teny an’arabe ny fatiny avy eo. Tapaka tanteraka ny lohany. Voalaza anefa fa efa niainga avy aty Antananarivo ny tohana ara-tafika ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Mampieritreriotra an

Lapan’ny tanàna vaovao – Institut d’hygiène sociale

Toy ny teny Behoririka androany tamin’ny 4 ora tolakandro dia nisavoritaka koa ny teo amin’ny Lapan’ny tanàana vaovao io hariva io, nanodidina ny tamin’ny 6 ora teo ho eo.

Tsy dia nisy inona loatra anefa fa ny fahasahian’ny sasany tamin’ireo mpivarotra amoron-dàlana misangy ny mpitandro filaminana no tena antony.

Nalain’ny sasany tamin’ireo mpivarotra ireo ny baoritra tsy miasa intsony ka mody nanangana korontana izy no sady nandrehitra izany sy nanipy azy teo afovoan-dalàna.

 

Nisy nikitika vodin-tsoavaly ry zalahy teto androany hariva an! Soa fa tsy tratry ny tsipaka be mahafaty

Sanatria ve efa tonga eto ny "esprit Kamikaze" no dia misy sahy misangy ratsy toy izao?

 

Nadiodio tao anatin’ny seondra vitsy toy ny hoe tsy nisy fitohanana iny ery teo amin’ilay faritra. Hay va re ka mba afaka atao tsy misy fitohanana ihany eo rehefa misy izay mahamaika e! Fa rehefa tsy misy mahataitra izany dia mi-sitilina eny ambony familiana, na eny ambony arabe eny koa ny mpandeha an-tongotra.

 

Tsy mahazatra ny mahita ity ampahan-dàlana ity malalaka toy izao rehefa faran'ny herinandro. Toy ny hoe notsofin'ny rivotra tampoka teo daholo ny fiara teto

 

Ny zavatra voamarika kosa aloha dia ny hakingan’ny fahatongavan’ireo mpitandro filaminana nipoitra tampoka avy aty amin’ny faritry ny Lisea Rabearivelo. Raikitra ny mandroso/mihemotra teo amin’ny mpamily. Ny fetsifetsy moa tonga dia nivily tsy nisy fihambahambàna niditra tao an-tokotanin’ny Lisea.

 

ireo mpitandro filaminana nipoitra avy aty amin'ny faritry ny Lisea

Tamin’ny fotoana nahatongavan’izy ireo dia efa vonona teny an-tanan’ireto mpitandro filaminana ny baomba mandatsa-dranomaso, saingy tsy nisy nilàna loatra ny fampiasàna azy ka tsy nisy ny narefotra teo amin’io faritra voalaza io.

 

Fotoana firavan’ireo mpianatra manamafy fahaizana avy ao amin’ny ACCEEM indrindra ny taoriana kelin’izay fotoana izay. Tsy nisy nahalala ny fisian’izay zavatra izay anefa izy ireo satria vetivety ihany dia voalamina ny raharaha.

Fa ny nahavaka kely ny saina teo ampihainoana ireo olona nialokaloka tao anaty tokotanin’ny Lisea dia ny nihainoana ilay rangahy iray somary sola loha izay niampiditra ny  fiarany tao. Nony tafavoaka ny fiarany ingahirainy dia niteny fa hoe ny TGV ihany no mitady handoro ny Lapan’ny tanàna vaovao mba handotona ny ankolafy telo. Asa aloha izay ho fahamarinan’izany! Fa ny mahalasa saina dia ny hoe: Tombontsoa ho an’iza ny fananana Lapa tsara tarehy toy io? Ary raha voadoro tokoa io, iza ary rahoviana no hahatsangana ho solony? Tsy idirantsika ny hoe vola avy aiza, na an’iza, afa-tsy ny hoe samy mandoa hetra ka zara aza mahita foto-drafitrasa mitsangana toy ireny ho fiononan’ny saina hoe rehefa tsy fantatra izay nalehan’ny hetra naloan’ny tena, dia angamba mba isan’ny lasa ao  nentina nanangana azy io. Asa re!

Fa raha mijanona mitsangana eo moa izy io, tsy izay rehetra mifandimby mitondra eo moa no afaka hampiasa azy? Raha tsy hoe azo ahorona toy ny tsihy angaha ilay Lapa ka entin’izay nanngana azy hatrany am-pasana raha azo atao!

Nanomezan-tsiny ny hafa ny 26 janoary 2009, ny fanaovana zavatra tsy voahevitra sy ny sisa. Koa raha milaza ho hendry sy nanome tsiny izay nanapo ireny ny aty aoriana, dia angamba fahendrena ny mitahiry ny zava-bita, na avy amin’iza io, na avy amin’iza, fa tsy ho lany andro hanangana isaky ny mihetsika izao foana.

Ny olana eto amin’ity Malagasy ity dia ny olona no jerena sy ankahalaina, ary dia manaraka azy daholo hatramin’ny asany, na tsara io na ratsy. Nitranga izany faha-Ratsiraka, mbola niverina faha-Ravalomanana ary dia io fa tarazo mbola hita izao faha-Rajoelina izao.

Manjaka tokoa ankehitriny ny antsoina amin’ny teny frantsay hoe "incivisme", ny fahapotehan’ny toe-tsaina eo amin’ny Malagasy, hany ka lasa manaotao foana tsy misy fiheverana, fa mampiasa fotsiny ilay hoe "fanatisme" na ny mpomba ny fitondrana, na ny mpandrodana fitondrana. Tsy lehibe, tsy kely fa tratr’io "incivisme" io daholo. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe: Rahoviana no ho voatsabo izay areti-mandoza tafiditra ao anatin’ny fiarahamonina Malagasy izay (enga anie mba ho ny eto Antananarivo ihany no tratra fa zava-doza raha sanatria mihanaka amin’ny Madagasikara manontolo ny aretin-tsaina toy izany), Afaka andro maromaro ve? Volana? Taona iray, folo, zato? Manahy aho sao dia efa tena very tanteraka tsy ho hita intsony ilay toe-tsaina maha-Malagasy ny Malagasy.

Afaka andro vitsy dia ho tonga ny andro iraisam-pirenena napetraky ny Firenena Mikambana ho Andron’ny Fandeferana (16 Novambra – Journée Internationale de la Tolérance) . Koa iza amin’ireto mpifanandrina efatra eto ambonin’ity kianjabe antsoina hoe Madagasikara iombonana ity re no handefitra e?

 

10 Aogositra 1991/07 Febroary 2009

Tsy dia naresaka loatra sy tsy dia tsaroan’ny maro tamin’ny Malagasy ny tantaran’ny 10 Aogositra 1991. Eny fa na izaho izay manoratra aza dia isan’izay tsy dia nahatsiaro loatra azy io. Asa na noho ny hazakazaka amin’ny fiainana, na izy saro-javona noho ny raharaha politika misy ankehitriny.

Fa miresaka ny ankehitriny ihany isika, maro no efa mahafantatra, saingy ho an’izay mbola tsy mahafantatra kosa dia anio no fotoam-pitsarana ny raharaha 07 Febroary 2009.

Fa maninona moa no niaraka notsiahiviko ireo raharaha roa ireo? Tsotra ny antony: satria na iry voalohany, na ity farany dia samy namoizana aina avokoa. Nisy rà nandriaka. Rà nandriaka noho ny fitiavan-tena sy ny fitadiavan-tseza (ara-politika). Tsy hidirantsika izay hoe iza no tia tena, na iza no nitady/namikitra seza. Ny tena tiana hotsindriana dia ny hoe isak’izay misy resaka sy tombontsoa politika tian’ny sasany hahatongavana dia ny vahoaka hatrany no atao sorona.

Efa fanta-poko fanta-pirenena fa zava-pady sy tsy tokony hatao ny miaka-dapa haka fanjakana izany, nefa dia mbola natao nandritra ireo vanim-potoana roa notsiahiviko ireo.

Tamin’ny 1991 dia lany rora ampitsanganana i Zokibe RAZANAMASY nanakana ny sasany tsy hitarika vahoaka ho any Mavoloha, noho ny fahalalany fa efa nivonona ara-pitaovam-piadiana hiatrehana ny zava-misy Ingahy RATSIRAKA sy ny ekipany. Fa dia rano nararaka tao an-damosin’ny gana teny amorom-pasika ireny, ka na nisy aza ny tsy voahazon’ny volo, tsy nisy ny azo noraofina izay latsaka an-tany. Be ny maty, be ny tsy hita, be ny nitondra takaitra tsy satry. Tao ny rava fananana sy fianakaviana noho ny hambom-po politikan’ny sasany sy ny fitiavan-tenany.

Ny taona 2009 (tsy midika akory izany fa hoe adinontsika ny 2002 – fa noho ny fisian’ny fitoviana sy ny andro androany fotoana hitsaràna ny 2009 no anasongadinana manokana ireo roa ireo), dia mbola toy izay ihany koa no azo ilazàna ny zava-nitranga raha nitondra ny vahoaka hiakatra an’Ambohitsorohitra ny avy etsy amin’ny kianjan’ny 13 Mey, sy ireo mpanara-dia an’ingahy RAJOELINA.

Isan’ny iraisan’ireo vanim-potoana roa ireo araka izany ny fitondràna ny olona ho fitaovana hanatanterahana ny tian’ny mpanao politika hatao, sy ny filalaovan’izy ireny ilay lazain’ny teny frantsay hoe ‘sensibilité-ny’. Dia nifanandrina teo ny mitady seza sy ny mpifikitra amin’hy seza, ary dia toro teo ny vahoaka. Moa va tsy araka ilay ohabolana Malagasy hoe "Ny mpivady no miady, ka ny ankizy no voatorotoro!"

Fotoana angamba izao tokony hanànan’ny vahoaka saina mahay mandinika, mba tsy ho zary fitaovana ho enti-manatratra tanjona lava izao isika rehetra. Mbola ankasitrahanao ve ny ho Vavolombelona ho an’ny Tanindrazana noho ny resaka toy ireny? Sa irinao ny ho velona hifanantitra amin’ny taranakao? Tsarovy fa izay maty tamin’ireny dia toy ny kintana manan-drambo ihany, nandalo…tsaroana fotoana vitsy…ananganana tsangambato…adino avy eo. Fa ny hirifiry entiny ho an’ny taranakao, tsapanao ve? Ny anao efa vita ihany fa ny azy kosa hitohy

Maputo sa tsia? Tombontsoan’iza?

Sombiny tokoa tamin’ilay anton’ny sazy no tiako ho tsindriana eto androany. Ilay manao hoe ‘noho ny maha-sakana ny fampiharana ny fifanarahan’i Maputo sy Addis Abeba’.

Apetrako ny fanontaniana ho an’ny rehetra, dia iangaviako hamaly ankitsim-po ny tsirairay fa ny mifanompna sy ny miantsy ady na mivantana na ankolaka kosa dia esory ao an-tsaina avy hatrany.

Toy izao ilay fanontaniana: Raha izay tokoa ary no anton’ny (na isan’ny antony) nanasaziana, tsy andraikitra iaraha-manana ve izany ny tsy fahatanterahan’ny sata voalaza ery ambony? Satria mantsy raha ny fahitako azy dia samy mazan-doha daholo ny ankolafy rehetra ka miziriziry amin’ny misy azy. Efa voalaza ohatra fa tsy tokony hisy ny famoriam-bahoaka taorian’iny fifanatrehana iny. Iza anefa no nanao izany voalohany ka nahatezitra ny ankilany? Dia tsy nety nanao sonia indray koa ary nandroaka ny Praiminisitra Mangalaza ny ankilany, dia nahatezitra ny andaniny.

Niteny Zafy Albert fony avy any Maputo fa mitovy tantana ankehitriny ny firehana efatra, fony izy tonga teny Ivato. Nefa misy ny manakiana ny sazy ho mitongilana raha izay fitoviana tamin’ny fanaovana sakana tsy hahatongavana any amin’ny fampiharana ny fiaraha-mitantana izay ny CSP.

Mbola anisan’ny tenin’ny olona koa ny filazana fa hoe ny ‘nahamaika ny firehana Ratsiraka sy Ravalomanana dia ny hanafoanana ny saziny’

Koa Anao ny fitenenana. Mba omeo ny hevitrao sao mba fotoanany izao hamahana ity krizy lavareny ity. Enga anie mba tsy ho isan’ireny mpampiady angely eto anivon’ny aterineto ireny ianao ka sady tsy eto Madagasikara, nefa mandrisika ery ny hisian’ny korontana. Na eto ihany fa mahita tombontsoa amin’ny fisavoritahana, ka dia hisisika ihany amin’ny hitohizan’ny krizy.

Famahana olana no tadiavina sy andrsana amintsika.

Modely ve?

Mikatso, hono, ny raharaham-pirenena. Fahitan’ny sasany izany. Mandeha hoy kosa ny ankilany mamaly. Dia mifampiampanga eo foana ary tonga hatrany amin’ny faniriana ny hilatsahan’ny sazy mihitsy. Sazy izay ny mahatsikaiky aminy dia hiaraha-mizaka ihany ny fidonany. Raha tsy hoe hisy hanana lamosin-tsokatra angaha ireo izay miantso sy mivavaka ny mba hahatongavan’izany ka na varatra aza hilatsaka, dia henoy izany ry hazondamosiko.

Mahatsiaro ny 17 Martsa 2009 (17 Mars 2009) isika androany. Nalefan’ny RDB vao maraina teo ny fanambaran’ingahy Marc RAVALOMANANA tamin’izany fotoana izany milaza manao hoe (ampahany fotsiny ity) :"…rehefa nandinika lalina aho, rehefa namakafaka lalina aho…" dia nanolotra ny fahefana feno ho an’ny tafika izy. Mbola azon’ny rehetra arahana mivantana ao amin’ny TV PLUS MADAGASCAR androany alina amin’ny 20 h 45 (oran’i Madagasikara) ihany koa ny fampahatsiahivana ny tantara tamin’io andro io

Hitodika amin’iry lohateny amin’izay isika. Modely ve ary ireo Olobe fahiny teo amin’ny fitondrana teto Madagasikara ka nirotsaka ho mpitady vahaolana amin’izao krisy izao? Ndao mba hotolorana fangataham-panazavana hoe ry zareo ireo ny amin’izay mba vitany tany aloha tany hisorohana ny toy izao. Ohatra fotsiny, efa nandefitra tamin’Andriamatoa RATSIRAKA ny Malagasy raha namerina azy teo amin’ny fitondrana tamin’ny faramparan’ny taona 90. Inona anefa no vely kobay nomeny ny Malagasy? Hijery ny ankohonany sy ny fianakaviany amin’izay, hono izy. Dray! Dray! Dray!

Teo koa ry ZAFY Albert, nandalo ry Marc RAVALOMANANA. Mba nanao tokoa angamba ny sasany, nahavita zavatra ho an’ny tanàna. Saingy ny olana lazain’ireo tsy faly aminy dia ny hoe "rehefa mba mihinana, dia amelao sombintsombiny ny hafa, fa aza atao horirik’Ambohimanambola ka na ny hodiny aza lany".

Ny olana koa moa dia tsy misy sahy sy vonona hijoro ireo solofo dimbin’ny ala novolavolain’izy ireny, fa izay te-hanao zavatra sy te-hitondra politika vaovao manova zavatra dia tsy maintsy miera amin’ny Deba, na amin’i Dada, arakaraka izay mety ho fiantson’ny rehetra azy. Tokony ho fakan-tahaka tokoa ny antitra ara-politika, saingy  ny olana dia politikan’ny fanodikodinana saim-bahoaka no hita eto. Tezaina amin’ny lainga sy abobo ny sain’ny olona mba hino fotsiny ihany. Dia lany andro manantena eo rehefa avy eo.

Feno miaramila ny tanàna…

Nanomboka tamin’ny efatra sy sasany teo ho eo dia hita nivezivezy eran’ny tanàna ny fiara 4 X 4 sy kamiao lehibe feno miaramila mirongo fiadiana. Nifanontany ny amin’izay zava-mitranga ny rehetra. Tsy nahitàna valiny mazava anefa izany raha tsy efa tany amin’ny dimy ora tany ho any.

Feno ‘agents de renseignements’ avy amin’ny mpitandro filaminana moa ny tanàna amin’ny fotoana tahaka izao, ary dia re avy amin’ireny fa nikasa ny hivoaka ny kianjan’ny MAGRO hitondra ny olona ho eny Ambohitsorohitra ry zareo ankolafy telo (Zafy , Ratsiraka, Ravalomanana) tamin’ity androany ity.

Raha vao nahare ny fikasan’ireo avy etsy amin’ny MAGRO ny Etat major mixte dia nandray fepetra ka nanamafy ny fiarovana an’Ambohitsorohitra (nahitàna miaramila nanamorona ny rindrin’ny Tranoben’ny Fizahantany teny Antaninarenina). Nametrahana miaramila teny afoavoan’Analakely, ary dia nirotsaka nandrava ireo olona nikasa hankeny Ambohitsorohitra hanatitra taratasy ho an’ny Filohan’ny Tetezamita ny mpitandro filaminana. Baomba mandatsa-dranomaso roa no nipoaka. Ary tonga hatrany amin’ireo faritra manodidina ny fanaparitahana ny olona. Tapitra nanidy varavarana daholo ny magazay tamin’iny faritra iny, ary nikorontana tsy nisy toy izany ny fifamoivoizan’ny fiara. Nandeha ny feo fa nisy fiara an’ny teratany frantsay nopotehin’ny olona teny.

Voarara ny fandraketana an-tsary ny faritr’Ambohitsorohitra sy ny manodidina azy tamin’ity hariva ity. Feno miaramila hatrany amin’ireo làlana midina mivoaka an’Antaninarenina.

Hatramin’ny hariva be efa ho tamin’ny fito dia mbola hita nivezivezy eran’Analakely sy ny faritra manodidina ireo mpitandro filaminana, ary ny ampahany sasany kosa nijanona teny Analakely niaraka tamin’ny fiarabe nitondra azy. Fiarovana ny amin’izay mety ho mpanararaotra handroba, araka ny filazan’izy ireo , no antom-pisian’izy ireo eny.

Nanao fanambaràna ny Praiminisitry ny Tetezamita (Camille Vital) ka tamin’izany no nanaovany fampitandremana fa handray fepetra henjana sy hentitra ny fanjakana ho an’ireo izay miziriziry hihoa-pefy.

Inona no hitranga rahampitso?

Mitohy i MAGRO….

Mitohy indray ny hetsika etsy amin’ny MAGRO Ankorondrano.

Mifandrimbona amin’ny fikarakarakan sy ny fanentanana amin’izao fotoana (samy tonga eny) ny firehana telo: Ratsiraka, Ravalomana,a, Zafy.

Avy be anefa ny orana androany antoandro, ka tsy hay na nitozo nanohy ny hetsika ihany ny tao, na rava noho iny oram-be teo iny. Efa tena anatin’ny orana tanteraka mantsy raha ny toetr’andro no lazaina

Raha nanontaniana anefa ingahy Rakotovahiny Emannuel omaly, dia namaly avy any Toliary, fa tsy isan’izay mikarakara io hetsika ao amin’ny MAGRO io. Tsy mahalala ny amin’izany, hono, izy.

Fa fonon-teny kely fotsiny no ilazana fa misy mpanao gazety sy mpanao politika hazain’ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao taorian’ilay hetsika saiky hataon’ireo miaramila vitsivitsy teny amin’ny R.A.S Ampahibe.

Fihaonana any Addis-Abeba ny 06 janoary 2010

Raha tadidin’ny maro dia nisy ilay fiohaonana saiky natao tamin’ny volana Desambra 2009 nefa tsy tanteraka tao amin’ny Carlton (fanapahana niarahan’ireo firehana telo Zafy, Ratsiraka, Ravalomanana, ny hoe hanatrika izany na tsy hatrehin’ny an’i Andry Rajoelina aza). Ny fikambanana iraisam-pirenena manelanelana amin’izao raharahan’i Madagasikara izao moa no tompon-kevitra. Nahemotra ho amin’ity volana Janoary 2010 ity izany, ka ny faha-6-n’ny volana no voatondro.

Ho tanteraka sa tsia ilay fihaonana? Asa! Miandry ny tohiny isika ka ho hita eo raha samy hiziriziry amin’ny heviny sy ny toerany.

Fanampim-baovao: Ho tanterahana ihany izany ilay fihaonana any Addis-Abeba, saingy tsy misy ny fampiantsoana an’ireo ankolafy avy eto Madagasikara, raha ny tsilian-tsofina, fa dia ry zareo eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena no handinika ny tokony hatao

Suivre

Recevez les nouvelles publications par mail.

Joignez-vous à 400 followers