#TEDxTana 2010: Famelabelaran’i Miora Rajaonary – Papmad

Avy amin’ny PAPMAD izay hany orinasa tokana aty amin’ny ranomasimbe Indiana manao taratasy

Manazava ny fomba ataony hanamdoarana taratasy

Mampivady ny resaka fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra ny orinasa PAPMAD

Miezaka ny tsy hampiasa ny hazo tapahana araka izay azony atao ny PAPMAD fa miara-miasa kosa amina orinasa efa ho 50 any ho any mba hanangonana ireo taratasy efa tsy miasa intsony mba haverina kosa ahodina ho taratasy vaovao azo ampiasaina indray

Maro ireo orinasa no miteraka fako tsy hitanoanoa aorian’ny asa famokarana nataony, nefa matetika toa tsy mahatsiaro tena manoloana ny habetsahan’ izany. Ilaina araka izany ny mba hahaizan’ireo orinasa manavaka ny karazana fako mivoaka avy ao aminy sy mitantana izany fako izany araka ny tokony ho izy. Ho tsaraina amin’ny fandraisany anjara ara-bola sy ara-tsosialy ary ara-tontolo iainana izy ireny. Miabo ny fiantraikan’izany amin’ny mpiasa manodina ilay orinasa satria havitrika kokoa izy rehefa mahatsinjo fa orinasa mandray andraikitra no misy azy ary hivondrona hanatanteraka asa tsara ny mpiasa

Tokony ho lasitra iray maharitra mitoetra sy azo alain-tahaka  eo anivon’ny fiarahamonina ny orinasa.

#TEDxTana 2010: Famelabelaran’i Audrey De Fondaumière – YOUTAA

Audrey de Fondaumière no namorona ny http://www.youtaa.com , niaraka tamina vondrona vehivavy vitsivitsy- Youtaa dia mitovitovy amin’ny tambajotra sosialy facebook saingy mirona kosa mankany amin’ny fandraharahana

Metisy avy atsy La Réunion i Audrey ary misy rà Malagasy mikoriana any anatiny, avy amin’ireo razambeny tany aloha be tany.
Nanaitra azy hatramin’ny fahazazàny ny tsy fitoviana misy eo amin’ireo firenena aty amin’ny faritry ny ranomasimbe indiana. Ohatra ny hoe fa maninona i La Rèunion no mahantra miohatra amin’i MaorisyNianatra manokana ny  droit public sy ny   Science Po.


Miaraka amin’ireo mpiara-miombona antoka aminy, Rebecca Ilott sy Inès Chupin, dia tapa-kevitra tanteraka ny hifantoka misimisy kokoa amin’izay hametrahana ny Youtaa ho kofehy mampitohy sy tambajotra tsy azon’ny orinasa aty Afrika hihodivirana  i Audrey. Nalaina ho ohatra teto ny tsy fisian’ny fampahafantarana ny orinasa PAPMAD eo anivon’ny aterinetp



Kay ela ny ela ka nahatsiaro reraky ny fanoratana aho k’tyyyy

Suivre

Recevez les nouvelles publications par mail.

Rejoignez 954 autres abonnés