Dimy volana lasa izay no nandosiran-dRavalomanana Marc

Iray volana tokoa izay no nialan-dRAVALOMANANA Marc teo amin’ny fitondrana. Nialany hoy aho, raha ilay taratasin’i Pasteur RASENDRAHASINA Lala no atao teboka fiaingana.

Nahatsiaro izany koa ny namana sasany any anaty tontolon’ny serasera any ka nanoratra toy izao manaraka izao mba ho valin-kafatra ho an’ireo mitonona fa miaro izay lazainy ho ‘ara-dalàna’

Niniako nosoloina XXXX na YYYY  ny anaran’ny mpandefa na ny andefasana, sy izay rehetra anarana sasany  voatonona ao anatiny

Samedi 18 Avril 2009 9h34mn 53s
De: « XXXX »
Ajouter l’expéditeur dans les contacts
À: serasera@serasera.com, serasera@yahoogroupes.fr

Salama daholo e,

Iray volana izay no lasa ka nitsingerina ny volana nandosiran’ingahy Ravalomanana tany amin’-dry zareo maro vady (roapolo mahery mantsy ny vadin’ny mpanjaka Swaziland).

Nisintaka teto @ serasera moa ny tenanay satria tratra ny tanjona voalohany (ny fialàn’ingahy be marenina @ fitondrana izany). Reraka @ fihomehezana mahita an-dry YYYY  (varilala io) sy ny forongony mitomany SEZA eto, ary manonofy antoandro be nanahary amin ‘izany herin’ny SADC izany. Tsy fantatra na olona mba nanao miaramila ihany ireto olona ireto na koa izany hoe « miaramila vatatay » izany t@ fotoan’androny na « Andriana reraka » (araka ny filazan’ny sasany izany), fa tsy mba mieritreritra mihitsy fa faly mamafy lainga, sy ny nofy ratsy izay manakana azy matory @ alina, ka dia mivavaka mba hisian’ny ady an-trano ao Antananarivo (mivadika im-pito angamba ingahy Andrianampoinimerina raha mamaky ny rediredin-dry YYYY) ary mihevitra fa hiverina ho filoha-pirenena ny dadany, ilay mpamboly rongony, mpandroba bois de rose sy mpanodikodina volam-panjakana mitentina (hatramin’izao) 19 miliara.

Zo-n’ny tsirairay ny manonofy e. Tsy hifanomezantsiny izany.

Mbola misimisy ihany koa ny misary tezitra fa hoe « coup d’Etat » ity nataon’ny TGV ity ary manome lesona be fa hoe tsy azo ekena hono izany. Tsotra ihany ny valiny e: Ilaina ny Coup d’Etat raha mpanabotry vahoaka, be marenina, mpamboly sy mpivarotra rongony eran-tany, mpandroba bois de rose, mpamono olona, mpiady an-tsena ny mitondra fanjakàna.
Izay tsy faly amin’izany dia hiagaviana hanao koa raha sahy sy manana ny hery hanao an’izany.
Ity fizirizirian’ ingahy exilé Ravalomanana hiverina eo @ fitondràna ity dia porofo mitohoka amin’ny tenda indray fa ny kibony ihany no mahamay azy fa tsy mandraharaha izay tombotsoam-bahoaka izany io dadan’ny sasany io.
Raha tia tanindrazana marina izy (resaka moa izany fa efa fantatra ny aminy) dia ny hody an-tanindrazana aloha no tokony dinihany, alohan’ny ny hiverina ho filoha.

Eny! tsy azo hodian-tsy hita ny sazy ataon’ireto communauté internationale satria ny tombotsoam-pirenena sy ny vahoaka no tokony tsinjovina hatrany. Eny, mbola tsy tonga lafatra ny fitantanana ny tetezamita. Na izany na tsy izany kosa dia TSY MISY HIVERINA AMIN-DRAVALO tia-tena, tsy miraharaha raha tsy ny hameno ny kibony ihany, eo. Tokony aroso ny fifidiananana raha vao voadio tsara ny fepetra rehetra ahafahana manao fifidianana malalaka.

Mahazendana mihitsy ny mahita an’ireto olona sasan-tsasany misera eto izay hita mibaribary fa very SEZA, Tsy nanam-po mihitsy fa hirodana @ 2009 ity seza taratasy izay niankinana mafy dia mafy; ny any Ivelany moa miady ny hifikitra eo sao dia lasa « saômera » tampoka eo. Hoy Mahaleo izay: « Miodikodina ihany letsy a, ity tanintsika ity ». Ka noho izany: TOKONY HATSAHATRA amin’izay ny NOFINOFY e. Mifohaza amin’izay fa efa iray volana izay ny dadanareo manao film ao afrika ao hihomehezan’ ny pokona mora fotsiny ao ambanidia sy ery ampasampito.

Hoan’izay milaza azy fa « légaliste ». Tokony dinihanareo tsara aloha ny dikan’io teny io alohan’ny hikiakiaka an’io eran’izao tontolo izao nareo satria ataon’izao tontolo izao fihomehezana ny adalanareo: Olona légaliste izany tsy manohana Olona mametra-pialàna, avy eo milaza fa tsy nanao an’izany; mandositra avy eo milaza fa te hiverina ihany; Miziriziry hoe tsy handao vahoaka avy eo mandao ihany; Milaza fa tsy manitsakitsaka lalàna kanefa ny « foto-pisian » ny fitondrany » dia napetraka teo ambony fandikan-dalà na hatramin’ny 2002 ka hatramin’izao; Olona légaliste izany tsy manendry praiministra avy any Swaziland e; Olona legaliste izany tsy mitady hanao ady an-trano e. Olona « legaliste » izany tsy MIANTSO MIARAMILA SADC (Tena fandin-drazana io – Aiza ary Andrianampoinimerin ‘ny Salaôma amin’izany) HAMONO VAHOAKA, HAMETRAKA mpamboly rongony, mpandroba bois de rose, mpanabotry vahoaka, eo @ fitondrana IZAY NILAOZANY?

Mba « sérieux » amin’izay moa e. Hajanony amin’izay ilay revirevy « virtuel ».

Hoy ilay hira izay hoe: « Ô ry loloko ô, Afaka iray volana à, hiverina indray ».

XXXX.

Fifandonana androany teny Anosy sy ny manodidina

Ialako tsiny mialoha ny tsy fisian’ny sary na dia teny an-toerana aza ny tena fa tsy misy fitaovana.

Raha handeha ho any Anosizato izahay mianaka androany antoandro dia sahirana tokoa nitady lalana raha vao tonga teo Anosy. Nasaina nivily nihazo an’i Mahamasina izahay fa hoe gidragidra be ao aloha ao. Tsy nety anefa ny pelika fa nisampotina nivily nihazo ireo lalana mamakivaky tanàna manoloana ny Hopitalin’i Befetanana ihany, aty ambadiky ny Cercle Franco-Malagasy.

Rehefa tonga teo amin’ny rond point manoloana ny Sénat tokoa dia efa kamiao feno mpitandro filaminana no teo. Ery anoloan’ny Hopitaly koa dia mbola nisy mpitandro filaminana. Tsy lavitra eo indray dia feno olona Pro-Ravalomanana mamotika ny sisin-dalana mba hahazoana vato hitorahana ireo mpitandro filaminana ery ampita. Toy izany no hitanao mandra-pahatonga aty akaikin’ny hidin-dalamby mankany Anosibe.

Mandeha ny tora-bato, ary valin’izay koa dia mandeha ny tifitra grenade lacrymogène.

Fa ny tena loza dia ny nitondran’ny sasany tamin’ireo ‘mafana fo’ ny vahoaka niaraka taminy niditra tao amin’ny Hopitaly. Feno ny tokotany. Tetika efa nomanina ve sa ahoana? Tsy fantatro!

Dia nanohy ny dianay nankany Anosizato izahay mianaka, ary iny lalana iny ihany koa no niverenana rehefa avy any. Efa feno sakantsakana vato sy dor kodiarana eraky ny arabe.

Tonga nanandrify ny Hopitaly izahay dia nilazan’ny olona tsy hanohy ny dianat intsony fa nasaina niditra tao an-tokontanin’ny HJRA, sao, hono, anaovan’ny olona barofo hakàny lasantsy any ny Scooter.

Mandritrra izany rehetra izany dia mitohy ny fifanandrinan’ny Pro-Ravalomanana sy ny mpitandro filaminana.

Ireo Pro-Ravalomanana tafiditra ao anatin’ny tokontanin’ny hopitaly, mitoraka vato mankany amin’ireo mpitandro filaminana ao ivelany, ny sasany indray namaky ny vavahadin’ny Ministeran’ny Planina, ary nandoro ny fiara (5) teo an-tokontany, sy namaky ny vavahadin’ny hopitaly manandrify io Ministera io. Angamba koa hiandry ny andro maizina mba handrobana ny ao an-tranon’ilay Ministera (Enga anie tsy hiafara amin’izany!).  Tsy mbola niala tao mantsy ireo olona ireo hatramin’ny 6 ora sy sasany hariva nialanay teo, raha tamin’ny 2 ora izahay no efa tao an-tokontany tao.

Tonga hatrany amin’ny hopitaly ny setroky ny baomba fandatsahan-dranomaso sy ny firefodrefotry ny basy, izay tena nampiasana bala tena izy mihitsy.

Hatramin’ny fotoana nialanay mianaka tao an-tokontanin’ny hopitaly dia Telo (3) no voalaza fa maty ka polisy voatifitra ny iray, ary teo amin’ny 15 ny naratra. Tsy mbola isa farany ireo satria mbola mifanandrina ny roa tonta tamin’ny fotoana nialana teny an-toerana. Midika izany fa na any anatin’iretsy Pro-Ravalomanana aza izany dia misy ny efa vonona hifanandrina sy hifampitifitra, matoa nisy ny avy aty amin’ny mpitandro filaminana maty voatifitra.

Re teny an-toerana koa fa efa voasambotry ny olona tenay i Alain Ramarosoan fa votsotra ihany. Ary taorian’izay dia hitan’ny olona nitaingina fiara tsy mataho-dalana mitondra ny laharana 2??2 TAF sady tena mitifitra koa (Asa izay fahamarinan’izay, satria dia nihizingizina mihitsy ilay ramatoa fa ny masony no nahita fa tsy honohono!).

Feno olona sy lasa toerana fandosirana hatrany anaty lalantsaran’ny HJRA tany, ary dia niteraka tsy fahatonian-tsaina, na ho an’ireo mpitsabo, na ho an’ireo marary sy ny mpanaraka azy. Ny hiditra hanatitra havana marary, na fanadody, na sakafo dia sahirana. Ny te-hivoaka koa tsy mahita lalan-kizorana. Isan’izany izahay.

Tsy tao anatin’ny eritreritro velively ny handeha hanatontosa fanadihadiana teny, saingy tafiditra tsy satry tao anatiny ihany ny tena noho ny zava-nisy.

Na teo aza ny antso nataon’ingahy Alain Andriamiseza ny amin’ny tsy tokony hanaovana herisetra amin’ny mpanao gazety ho an’ireo mpanara-dia an’i ‘dadan-dry zareo’, dia mbola nisy ihany ny fandrahonana sy ny fikasana rasty raha vao fantatry ny sasany fa mpanangom-baovao ianao.

Nandeha moa ny fitenenana tao an-tokontanin’ ny hopitaly fa hoe voaporofo, hono, fa tsy nanimba zavatra toy ny tamin’ny andron’ny TGV ny Pro-Ravalomanana nandritry ny hetsika natao. Mahagaga an! Mahatalanjona an! Hoy aho hoe, angamba tena tsy tao anatin’ilay hetsika ireto olona ireto, na mpitazana lavitra taty anatiny tokoa ka tsy mahita ireo sisin-dalana manomboka aty amin’ny rond point manoloana ny Sénat hatrany akaikin’Anosibe any. Simba natao fakàna vato hitorahana ny mpitandro filaminana. Nodorana sy nosimbana ny Cercle Franco-Malagasy. Fa naninona anao ireo olona tao?

Tsy haiko avy eo izay nitranga tao anatin’ny faritry ny HJRA tao fa nisy tovolahy iray, nofanenjehan’ireo Pro-Ravalomanana ary dia nifandrimbonana nodarohana rehefa tratra. Tsy haiko izay niafarany.

Nisy fotoana koa tafiditra hatrany anaty faritry ny hopitaly ny mpitandro filaminana manao fisavana sy fanarahan-dia ireo mpitoraka sy mpandoro. Niteraka fisavoritahana izany rehetra izany.

Maro tamin’ireo naratra no vokatray ny bala, ary ilay iray maty aza moa dia nipotsaka ny atidohany.

Mino aho fa efa tratran’i Manandafy Rakotonirina ny tanjony. Dia i Manandafy Rakotonirina izay nilaza fa tsy mankasitraka fidinana an-dalam-be. Sa araka ilay tenin’i Sareraka hoe

Tsy zakan’ny sainy fa nisy nahavita ny tokony ho nataony, ka dia nivadik’ondana ingahy ‘praiminisitra’

Ary angamba faly ery izao Marc Ravalomanana sy izay rehetra ao ambadiky ny korontana, na izay izy na iza, amin’izao zavatra izao. Mirehaka anaty angamba ka hanao hoe ‘Tanteraka ihanyyyyy!’

Tao an-tokontanin’ny hopitaly aza moa dia efa maro ireo nitsinjaka ny Pro-Ravalomanana fa hoe

feno amin’izay ny fepetra hanafarana ny tafiky ny SADC

Fa angaha tokoa moa tsy efa nailiky ny SADC i Madagasikara e! Koa inona no mbola itsabahana amin’izany resaka tsy mandeha ilalana izay.

Mampalahelo! na mpomba ny andaniny ianao, na mpomba ny ankilany, dia tsotra ihany ny teniko: rehefa raikitra ny toy ireny, dia tadidio fa saribakoly hetsehin’ny mpitarika korontana fotsiony isika vahoaka (marina io na amin’ny andaniny na amin’ny ankilany) Fa rehefa raikitra tokoa ny tokoa, mba hitanao mandray vato sy mitoraka koa ve zareo? Mba nandray anjara mivantana ve izy? Ary rehefa vita izay vita, mba hitany ve ianao? Ianao ilay tsemboka ery nanovokovoka nitora-bato (mbola marina koa io na amin’ny andaniny na amin’ny ankilany), mba nahazo sitraka tokoa avy aminy ve ny tsirairay nihogahoga sy nitsemboka nanditra ireny fotoana ireny? Asa! Toa tsy mino aho. Mety ho diso tokoa aho fa ny any aoriana no tsinjovina. Marina izany fa ny any aoriana no tsinjovina, nefa ve talohan’izay ‘aoriana’ nojerena izay, efa mba nandalina sy nandanjalanja ny teo ambony mizàna ny tsirairay vao naka toerana ho atsy na ho aroa (izaho aloha dia efa naka toerana e!, na dia tsy tokony ho nitongilana aza ny mizànako. Jereo tsara daholo ary henoy tsara daholo aloha ny zava-nisy sy misy rehetra vao manapa-kevitra ho ankavia na ho ankavanana, fa tsy mety raha ny iray sy izay heverinao ho tianao ihany no tonga dia harahana an-jambany sy tsy asiana ‘Fa nahoana tokoa moa?’

Tsikaritra koa izao fa efa apetaka eraky ny araben’Antananarivo be mpandalo ny sarin’ireo ankizy maro tsy hita nandritra ireny korontana nisy teto irany, mba ho fanampiana amin’ny fitadiavana, raha sendra nisy na misy nahita.

Hatreo aloha fa rehefa misy vaovao dia ampitaina eo ihany.

Hatramin’ny efa alim-be ny andron’io 20/04/2009 io dia mbola nitohy hatrany akaikin’ny tunel Ambanidia tany ny gidragidra

Fintin’ny androany

Nifamotoana teny amin’ny kianjan’ny 13 mai ny mpomba an’i Andry Rajoelina androany, raha teny Mahamasina kosa ireo mpomba an-dRavalomanana Marc. Nilamina tanteraka ny testy Analakely, saingy asa izay nahazo ireto mpomba ny TIM sy ny fitondrana , fa nilaozany i Mahamasina ary niakatra ho eny Ambatomena ry zareo. Hanao sit-in eo anoloan’ny consulat sa Ambasady frantsay, hono. Asa na fantany na tsia fa toy ny manafika firenena iray any an-taniny izy amin’izany. Sa tsy fantatr’ireo mpitarika izany zavatra izany?

Miala tsiny fa ny sary momba izay rehetra izay dia nofafan’ny mpitandro filaminana tao anaty fakan-tsary tety an-tanako, satria tsy te-halaina sary,hono, izy ireo, eny fa na dia ny lamosiny fotsiny aza no azoko sary raha naka sary ireo mpomba ny TIM avy ao aorian’ny rindrina nataon’ireo miaramila tonga nanasaraka ny mpifanandrina aho. Fiangaviana mafy vao naveriny ilay fakan-tsary, saingy dia io tsy maintsy nofafana teo imasony io ny sary rehetra tao.  Ny antony dia satria tsy taty amiko ny karatro. Tsy olana iny fa mbola misy ihany ny azo nalaina taorina’izay ka atolotra anao

sunp0348

Nisy saiky hanita-kevitra anefa ireto avy any Mahamasina ireto,ka saika hidina ambanimbany kokoa taty akaikin’ny Restaurant Toko telo. Naheno izany ny teo amin’ny kianjan’ny 13 mai dia namarana hainga sy talohan’ny fotoana ny famoriam-bahoaka nataony. Ary dia lasa ireo minisitry ny tetezamita.

sunp0340

Ireo vahoaka kosa nandeha nitsena iretsy avy any Mahamasina teo anoloan’ny Conforama sy taty akaiki’ny Air Madagascar Ambatomena.

sunp0343

sunp0344

sunp0347

Commentaire Bosco
Mijoro, vonona hanohana hatramin’ny farany ny ara-dalàna ary hanohitra ny fanonganam-panjakana sy ny fandrobana miseho amin’ny endriny samihafa ireo olona marobe tonga teo anoloan’ny kianjaben’i Mahamasina androany.
Tsy mankasitraka ny fitsabahan’ny firenen-kafa hatramin’ny firenena mikambana amin’ny raharaham-pirenena ry zareo, araka ny fandraisam-pitenenana samihafa natao. Mikasika ny zava-misy eo anivon’ny tafika malagasy amin’izao fotoana izao dia nambaran’ireo olona manohana ny Filoham-pirenena Ravalomanana Marc fa tokony hijoro hatrany hiaro ny vahoaka sy ny fananany izy ireo. Ny fikomiana ataon’ny miaramila ao amin’ny CAPSAT dia tondroin’ireo olona ireo ho fanohanana ny  fanonganam-panjakana. Nanomboka tamin’ny sivy maraina moa no tonga eny Mahamasina ireo olona maro namaly ny antso natao taminy. Tamin’ny folo ora maraina kosa no nanomboka ny fandraisam-pitenenana sy ny fifanentanana samihafa. Voaresaka matetika nandritra ny lahateny nifandimbiasana tao ny filazana fa mitongilana amin’ny ankolafin-kery manohitra ny fitondrana ny FFKM, indrindra ny filohany, Mgr Odon Razanakolona. Nambaran’ireo mpitarika ny hetsika ho fankatoavan’ity filoham-piangonana ity ny fandrobàna sy ny herisetra ataon’ny andian’olona manakorontana sy mandroba tranombarotra ny fanakanana ny EMMO/NAT tsy handray ny andraikiny amin’ny fanenjehana azy ireo. Ankoatra izay, mikasika ilay hoe fitsabahan’ny vahiny amin’ny raharaham-pirenena, dia nambaran’ireo mpandaha-teny teny Mahamasina fa ny frantsay no tena miditra be loatra amin’ny raharahan’i Madagasikara hatramin’izay ka hatramin’izao ka tsy ekena. Tamin’ny 12 ora antoandro teo moa dia nitanjozotra nihazo ny ambasadin’ny Frantsa eny Ambatomena ireo olona maro tonga teo anoloan’ny kianjaben’ny Mahamasina. Fa isan’ny taratra teny Mahamasina ihany koa ny fikasihan-tànana mpanao gazety manao ny asany ara-dàlana.
Izay ny teny Mahamasina, fa teny amin’ny kianjan’ny 13 mai koa dia misy ny hetsika nataon’ireo mpomba an’Atoa Andry Rajoelina. Rehefa vita ny fotoam-pivavahana toy ny mahazatra teo amin’ny kianjan’ny 13mai dia nanomboka niditra podium ireo mpanao pôlitika ary nihatrana teo amin’ny toerana mahazatra azy ireo mpiambina eny amin’ny toeram-pikabariana. Rehefa nanokatra ny fanentanana toy ny mahazatra Atoa Sareraka dia nilaza mazava fa tsy tokony ho taitaitra isika raha misy fiarakodian’ny zandarimariam-pirenena anankiroa miditra sy misodisody eto amin’ny kianjan’ny 13mai androany. Tsy inona akory ireny, hoy ihany ity mpanentana eo amin’ny kianjan’ny 13mai ity, fa zandary hiambina antsika amin’ny fanakorontanana. Talohan’izay moa dia efa nisy kamiaon’ny miaramila nandalo ihany koa teny amin’ny faritra manodidina an’Analakely. Nahafaly ny olona teny analakely izay fanambaran’ny mpanentana Sareraka izay ary nisy aza no niteny fa eo amin’ny fitaratra alohan’ny fiarakodia na ny pare-brise dia misy soratra hoe FIGN izay azo alavaina hoe: Force d’Intervention de la Gendarmerie Nationale. Fahefatr’adiny taorian’izay anefa dia niely ny tsaho tao Analakely fa nisy mpitandro ny filaminana miala any efa miazakazaka be mihitsy ary handrava ny ao amin’ny 13mai. Nifandrombahana ny bus teo ambadiky ny Intsitut. Tsy fantatra hoe inona no hitranga. Eo amin’ny 13mai sy ny manodidina azy teo Analakely, tony dia tony ny fahitana azy. Fa ny tany Ambodifilao sy ny tany amin’iny ambadiky ny firaisana I iny dia nisahotaka ny olona, nanangon’entana ny mpivarotra. Vetivety toa hoatran’ny tsy misy inona, vetivety eo indray anefa dia miaraka mirona mankatsy sy mankaroa tsy fantatra intsony izay atao sy izay aleha. Nilamina ihany anefa nony farany tamin’ny faritra Avaratry ny 13mai iny. Fa nisy ihany kosa anefa ny sahotaka tamin’ny ilany Atsimo tamin’ny 13mai satria nifandona ny samy sivily mpomba an’Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina androany antoandro teny Ambatomena, manakaiky indrindra ny masoivoho frantsay.
Rehefa avy nivory teny Mahamasina ny mpomba an’Atoa Marc Ravalomanana dia nikasa hanao sit-in teo anoloan’ny masoivoho frantsay teo Ambatomena satria moa dia nilaza ny tsy hanaiky ny fampiantranoan’ny masoivoho frantsay an’Atoa Andry Rajoelina ireo mpomba ny filoha. Nambaran’izy ireo moa fa mpampihorohoro Atoa Andry Rajoelina ka tsy mendrika ny ho arovana. Tamin’ny 12 latsaka fahefany teo no tonga teny Ambatomena ireo mpanaradia ny filoha ireo. Ny vahoaka teo amin’ny kianjan’ny 13mai kosa 15mn alohan’izay no nahare io vaovao io ka avy hatrany dia niakatra teny Andohan’Analakely manoloana ny Select Hotel nanao ny sakana. Nanampy azy ireo ny miaramilan’ny CAPSAT. Atao moa izany sakana izany sao midina eny amin’ny kianjan’ny 13mai ireto mpanara-dia an’Atoa Marc Ravalomanana ireto. Raha vantany vao tazan’ny vahoaka teo amin’ny kianjan’ny 13mai midina iny Antaninarenina iny avy aty amin’ny BOA  aty ambany ireo vahoaka avy any Mahamasina dia efa samy naka kobay. Ny sasany nanongotra ireo vy natao fefy teo amin’ny zaridaina teo Analakely, ny sasany nivimbina vato. Niroso nankeo Ambatomena teo amin’ny fiantsoanan’ny fiara mpitatitra 115 ny vahoaka teo amin’ny 13mai tamin’ny 1 latsaka 10 teo ho eo. Nanakana azy ireo ny miaramilan’ny CAPSAT hisakana ny fifandonan’ny roa tonta. Nisy tamin’ny vahoakan’ny 13mai anefa no tafaporitsaka niankandrefana nihazo ny làlana miakatra any Ambatomena amin’iny misy ny Music Box sy Air Mad iny. Velona teo ny fifampihantsiana teo amin’ny mpomba ny roa tonta. Ny mpomba ny fitondràna eo amin’ny arabe ambany kelin’ny masoivoho frantsay, ny mpomba ny mpanohitra tety amin’ny hotely Mavo eo ambanin’ny Music Box. Tamin’ny 1 ora latsaka dimy teo, raikitra ny tora-bato sy ny vely kobay. Na dia teo anelanelan’ny mpifanandrina aza ireo miaramilan’ny CAPSAT dia tsy nahasakana ny fifandonana satria vitsy an’isa izy ireo. Ireto miaramila ireto rahateo dia tsy nampiasa hery, tsy nanapoaka basy. Naharitra teo amin’ny dimy minitra ny fifanjevona. Vaky nandositra ny ampahan’ny mpomba ny fitondràna, nijanona ihany anefa ny fifandonana taorian’izay satria nisy ny mpomba ny andaniny sy ny ankilany samy nampitony ny vahoakany avy. Nanampy tamin’ny fandaminana ihany koa moa ny miaramilan’ny CAPSAT. Tamin’ny 1 ora 15 teo, tonga ny pôlisy iray kamiao hanatevin-daharana ny CAPSAT saingy efa nilamindamina ny teny Ambatomena sy Tsaralalàna tamin’izay fotoana izay. Tamin’ny 1 h 20 mn teo moa vao niala teo Ambatomena sy Tsaralalàna ny mpomba ny andaniny sy ny ankilany. Tsy tapitra teo anefa ny raharaha fa niverina teo amin’ny kianjan’ny 13mai indray ny mpomba an’Atoa Andry Rajoelina tamin’ny 1 h 25mn teo. Rehefa nivorivory sy nikaon-doha teo dia nilaza fa handeha ho any an-tranon’ny PDS Atoa Guy Rivo izay lazain’izy ireo ho lohandohany amin’ny mpanarama ireo antsoina hoe Gros Bras mpanakorontana. Marihana moa fa efa nifarana tanteraka ny famoriam-bahoaka teo amin’ny kianjan’ny 13mai tamin’izay fotoana nivorivorian’ny mpomba an’Atoa Andry Rajoelina ireo izay.

Rehefa izany dia lasa namonjy an’Ampasampito ireo olona vorovory teo amin’ny 13 mai taorian’ny famoriaùm-bahoaka ireo ary dia toy izao ny tatitra an-tsary. Tsy an-kiteniteny

sunp0350

sunp0351

sunp0359

Harahinao ary ambany ary kosa ireo karazana fanambaràna maro samihafa, avy amin’ny ankolafin-kery samihafa.

sunp0361

sunp0365sunp0367

sunp0368

sunp0392

Ireto ireo karazana fanambaràna

RAVALOMANANA:

…Tokony hitsahatra amin’izay izao krizy andalovan’ny firenentsika izao. Be loatra ireo olona efa nitondra faisana, maro ny aina nafoy,ary maro ny lasa lavo(???). Ny laza malagasy mihitsy no voatohintohina. Tsy azo ekena fitavozan’ny toe-draharaha. Tsy vahaolana velively ny fandrobàna sy ny asa fanakorontanana,tsy tia herisetra isika malagasy. Tokony hifampihaino, hifampidinika, ary hifanaja isika ahafahana mamaha ny olana haingana. Ankehitriny, fantatra eran’izao tontolo izao i Madagasikara: ny ezaka nataony amin’ny fanamafisana ny demokrasia, sy noho izy nifidy ny lalan’ny fampandrosoana haingana sy maharitra. Satria isika mandala ny demokrasia, dia zava-dehibe ny fanajana ny lalam-panorenana. Masina ny lalam-panorenana ka tokony hajaina. Ary mbola averiko eto indray fa efa nanao fianianana aho fa hanaja ny lalam-panorenana toy ny anak’andriamaso. Hitodika aminareo izay tsy mitovy hevitra amiko aho, aoka isika hanaja ny lalam-panorenana. Io no lalàna ambony indrindra eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Nho izany dia mbola averiko ihany ho antsika: aoka hitsahatra ny asa fanakorontanana, rehefa ny lalam-panorenana sy ny andrim-panjakana, ny repobilka no voatohintohina dia demokrasia sy fananganana firenena tena vanona no voatohintohina. Mbola marefo ny demokrasia eto Madagasikara ka tokony ho arovana. Tiako hanana ny maha-izy azy ka handray anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana ny ankolafin-kery rehetra eto Madagasikara. Nefa tsy maintsy ao anatin’ny fanajana ny lalàna izany. Amin’ny maha Filohan’ny Repoblika ahy, dia tsy maintsy mijery ny tombotsoan’ny malagasy rehetra aho. Ry vahoaka Malagasy, holazaiko aminareo ny tena ato am-poko, am-panetren-tena lehibe no anaovako izany. Tiako ho fantatrareo, raha nisy tsy nety nataoko, izay no maha-olombelona ahy. Nefa soa lavo hahay hamindra. Raha misy heverinareo fa hadisoana nataoko, dia raisiko ho andraikitra izany. Ho anareo izay mahatsiaro fahatezerana, azoko tsara ny fahatezeranareo. Miara-ory aminareo aho ary tsapako ny fangirifirianareo. Tiako ny hilaza aminareo fa vonona ny hiaino anareo aho. Ary manome toky aho fa handray fepetra, hitady vahaolana amin’izay zavatra hitarainanareo. Zava-dehibe ny fihaonana sy ny fifanakalozan-kevitra nasionaly ho ataontsika manomboka ny alakamisy ho avy izao ary haharitra telo andro. Manantena isika rehetra fa hitondra vahaolana haingana amin’izao disadisa misy eto amin’ny firenentsika izao izany fihaonana nasionaly izany. Mijoro aho ankehitriny amin’ny maha-Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ahy. Averiko indray fa mandala hatrany ny firaisam-pirenena aho, ny firaisan-kinam-pirenena ary ny demokrasia. Hiasa miaraka isika satria ny tanjona dia ny fampandrosoana ity tanindrazana malalantsika ity sy ny fanatsaràna ny fiainana isan-tokatrano. Masina ny tanindrazana. Homba antsika mandrakariva anie Andriamanitra.

$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$

Fanambarana avy amin’ny Foloalindahy (tafika):

Eo alohan’izao olana lalina ara-politika mahazo ny firenena izao, izahay folo alin-dahy, miaramila, zandary, ary polisim-pirenena dia manao izao fanambarana izao:
Mba hiarovana ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny firaisam-pirenena, mba hitandrovana ny maha-iray tsy mivaky ny folo alin-dahy dia, voalohany : Manamafy ny fanajana tanteraka ny soatoavina demokratika repoblikana eo amin’ny fanatanterahana ny asa ao anatin’ny fanoavana tanteraka ny lalàna velona sy ny fitsipi-pifehezana manan-kery. Manameloka tanteraka ny fanapotehina ny fiarian-karena, ny fiaraha-monina ary ny firaisan-kina ny folo alin-dahy noho ny olana ara-politika misy eto amin’ny tanindrazana.
Fahatelo: Atsahatra tanteraka ireo fiantsiana sy hetsika politika ary fanaovana amboletra izay miteraka korontana. Koa noho izany, manome toky izahay fa tsy hiandany atsy na aroa ary manainga am-panajana ireo tompon’andraikitra politika, ny hery politika rehetra, ny fiaraha-monim-pirenena ary ny solotenan’ny hery velona samihafa eto amin’ny firenena hihaona tsy misy hatak’andro ary hifanaraka ka hitondra vahaolana ao anatin’ny 72ora hivoahan’ny firenena amin’izao krizy izao. Raha toa ka tsy misy ny vahaolana ao anatin’io fe-potoana io dia handray ny andraikitra izahay folo alin-dahy amin’ny fampandehanana ny raharaham-pirenena, ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny firaisam-pirenena.

$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$

Fanambaran’ny Collectif  des Officiers de Diégo

Eo anatrehan’ny toe-draharaha misy eto amin’ny tany sy ny firenena, ary amin’ny maha-tompon’andraikitra feno ny tafika malagasy sy ho fiaraha-mientana amin’ireo namanay dia manao izao fanambarana izao izahay eto amin’ny Collectif des Jeunes Officiers de la Garnison d’Antsiranana.
Voalohany: izahay miaramila dia miaro ny vahoaka sy ny fananany ary tsy miandany amin’ny firehana pôlitika.
Faharoa: Manameloka ary tsy handefitra mihisy amin’ny fandrobana.
Fahatelo: Manohitra sy manameloka ny fampiasana ny miaramila ho hery famoretana ny vahoaka.
Noho izany, tsy ekena intsony ny fampiasana miaramila amin’ny tsy rariny. Ho an’ny tanindrazana.
Antsiranana, faha 9 mars 2009.

$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$$

Fanambaràna avy amin’ny Masoivoho Amerikana miasa sy monina eto Madagasikara:

En tout cas, bon si je consens bien un peu les affrontements collectifs qu’il y a eu aujourd’hui, entre les pro-TGV et les pro-TIM concernés en ces questions. Et justement j’étais très très choqué de voir les gens réagir devant une ambassade de pays ami, aujourd’hui. C’est comme si les gens pensent qu’on est partisan dans cette affaire….Mais pas partisan, nous voulons aider Madagascar à trouver une sortie de la crise et nous pensons que le principe de protéger un des gens qui est essentiel à la réussite de la négociation est un principe important que nous partageons. Je crois que tout le monde en est conscient que Madagascar traverse vraiment un moment très difficile et nous, communauté internationale, moi, ambassadeur des USA, nous avons tous oeuvrés depuis des semaines et des semaines pour arriver… On est à la veille des assises malgaches qui vont commencer cette semaine. Je crois que vraiment ce sont les négociations de la dernière chance. Donc nous félicitons le travail du FFKM et les Nations Unies. Nous avons constaté avec beaucoup d’appréciation l’appel qui a été lancé hier par le FFKM, nous pensons que cette trève est la meilleure façon pour tous les malgaches de contribuer à l’apaisement qui est nécessaire pour la réussite de ces assises. Vraiment vous vous trouvez actuellement dans une situation très très très difficile et je crains ce qui pourrait se passer que les assises ne réussissent pas. Je trouve, bon les américains sont toujours optimistes, j’étais très très impressionné aujourd’hui par le discours qu’a fait le Président de la République de Madagascar cet après-midi avec un ton apaisant. Je crois que ça peut contribuer beaucoup à la réussite des assises. On a aussi eu des contacts aujourd’hui avec le gouvernement, avec le Premier Ministre, le Ministre des affaires étrangères, ainsi qu’avec le côté de l’ex-maire Andry Rajoelina.

Dia izay aloha ny androany fa dia samy miandry indray izay havoaky ny ampitso sika reketra.

Fikomian’ny miaramila, araka ny LE MONDE

Dika petaka tsy asiana resaka ity:

Sans commentaire!
http://www.lemonde. fr/afrique/ article/2009/ 03/08/mutinerie- dans-un-camp- militaire- a-madagascar_ 1165108_3212. html

Mutinerie dans un camp militaire à Madagascar
LEMONDE.FR avec AFP | 08.03..09 | 15h22

Une mutinerie est en cours, dimanche 8 mars, dans un important camp militaire situé près de la capitale malgache Antananarivo, où des soldats affirment qu’ils n’obéiront plus aux ordres du régime. Les accès à ce camp, le Corps d’armée des personnels et des services administratifs et technique, considéré comme le « poumon de l’armée malgache » et situé dans le district de Soanierana, à environ six kilomètres du centre la capitale, sont bloqués par des soldats mutins.

« Nous ne répondons plus aux ordres de nos supérieurs, nous répondons à notre coeur. Nous avons été formés pour protéger les biens et les personnes, pas pour tirer sur les gens. Nous sommes avec la population », déclare un soldat, sous couvert de l’anonymat. « Le chef d’état-major de l’armée est venu ce matin pour nous amadouer mais il est vite reparti dans sa voiture« ,

ajoute-t-il.

Madagascar est plongé dans une grave crise politique née du conflit entre le président Marc Ravalomanana et le maire déchu d’Antananarivo Andry Rajoelina, qui s’est autoproclamé en charge des affaires du pays. Au moins une centaine de personnes sont mortes depuis le début des violences le 26 janvier dans cette île de l’océan Indien. Menacé d’arrestation, l’opposant malgache Andry Rajoelina avait déclaré samedi qu’il était désormais caché en lieu sûr, et avait appelé à un élargissement du dialogue pour sortir l’île de la crise.

Fanambarana goavana nataon’ny Tafika Malagasy androany 08 mars 2009

Nisy antso avo nalefa tamin’ny onjam-peo androany miantso ny miaramila rehetra hiverina any amin’ny casernes daholo, ary tsy hisy handray baiko na avy aiza na avy aiza aloha ‘raha resaka fampandriana fahalenana ny tanana no resahana’. Antsoina amin’izany ny miaramila rehetra, na eto Antananarivo, na any amin’ny faritany, na ireo any ampanaovana mission any koa aza. Ary na iza na iza ka manamboninahitra mandalo fotsiny eto Antananarivo miampy ireo vata-miaramila tsotra, dia antsoina daholo ho tonga eny Andohalo androany amian’ny 12 ora izao antoandro izao.

Rehefa azo ny dika mitovy amin’ny fanambarana dia hadikako ho anareo rehetra eto ihany. Mba ampitampitao ity hafatra ity hiely eran’ny tany sy ny fanjakana, fa zava-dehibe loatra.  Satria na ireo miaramila sous-officiers aza dia milaza rehefa eny an-kianja fa efa asa fampihorohoroana izao mitranga izao fa tsy resaka fampandriana fahalemana ny tany sy ny fanjakana intsony. Dia niandry aho ny amin’ny fanambarana, ary dia tonga izy izao ka lazaina.

Raha nampita ity vaovao ity moa ny RADIO ANTSIVA androany antoandro, tonga dia no-brouillé-na avy hatrany tamin’ny 11 h 43mn

Mangataka indrindra aho, ampitampitao ny vaovao zalahy fa izay RADIO mampita izao dia tapahana avokoa. Tsy re intsony ny RADION ANTSIVA manomboka amin’izao amin’ny 11h 44 mn izao.

Vaovao farany

CAPSAT : tsy nety nivoaka intsony ny antso antso sy iraka nampanaovin’ny chef de corps tao amin’ity camp ity androany ireo sous-officiers. Vaovao marim-pototra io ary dia tsy mety hamono vahoaka sy hanatanteraka baiko intsony izy ireo,fa efa mihoatra ny maha-olombelona sy manala baraka ny tafika hoy izay ireo ny zavatra ampanaovina azy. Sy ny fakàna olona sivily hianjaika ny akanjo miaramila ary alefa hamono olona

Mpanao gazety voadaroky ny mpanakorontana

Hita tokoa ankehitriny ny maha asa saro-pady ny asa fanangonam-baovao sy ny fanaovan-gazety. Niainanay rehetra izany androany teny 67Ha. Rehefa tsy nahazo nadalo tamin ‘ny faritra maro teto an-drenivohitra ny filaharana notarihan’i Pierre Andrianantenaina, tohin’ilay antso ho amin’ny diabe, dia nitodika hankeny 67Ha. Talohan’ny nahatongavan’izy ireo teny dia efa nisy ireo nolazaina fa hoe ‘gros bras’, efa nifanolana sy nifanandrina tamin’ny mponina teny an-toerana…

Ny nanahirana tamin’ny zava-nitranga dia ny fifanandrinan’ny olona samy olona ary rehefa tonga teny koa aza ireto nanao filaharana dia niafara tamin’ny fifampitorahana vato izany. Tao anatin’izany rehetra izany dia nisy ny namana mpanao gazety (Sitraka) tonga naka sary teny akaikin’ireto ‘gros bras’ ireto. Efa nisy ihany koa mpanao gazety hafa saiky haka sary teo an-toerana no efa nahazo fandrahonana talohany ka nihemotra sy nampirina hainga ny fitaovana no sady niala ny toerana, lasa namonjy tery akaikin’ny EMMO/NAT. Saingy ry Sitraka sy namana iray hafa kosa tavela sy mbola saiky hanohy ny asany. Nodarohan’ny mpanakorontana ilay mpanao gazety, Sitraka, ary dia vitan’ny sasany mihitsy aza ny saiky hanala ny ainy, tamin’ny alalan’ny fanjerana taminy ireny vy be eny an-tsena ireny. Naratra ranamana no sady voaroba daholo koa ny fitaovana teny aminy. Toy izay koa no nahazo ilay namana iray hafa teo akaikiny teo…

Tamin’ny 5 ora hariva no niala teny izahay mpaka sary sy mpanao gazety rehetra, ary isaorana ny EMMO/NAT fa izy ireo no nitondra anaty tamin’ny camion nivoaka iny faritra iny. Teny amin’ny statistique Anosy izahay rehetra no navela, ary teo koa no samy namonjy fodiana avy eo.

Saingy talohan’ny niakarana tao anaty camion dia mbola nisy iray taminay ihany koa no nisy nibeda ary dia voaendaka daholo na portefeuille nisy ny vola sy kara-panondro, na ny fitaovana fiasana.

Fa tonga teny Nanisana kosa nitondra fanampiana ho an’ireo sahirana sy nanao asa fanadiovana tanàna ny PDS notendren’ny fanjakana Guy Rivo Andrianarisoa

Vaovao voaray izao vao izao:

Tafiditra ao anaty Station VIVA ny EMMO/NAT amin’izao amin’ny 8 ora sy 23 mn izao. Efa tsy misy olona intsony anefa tao anatin’ity trano ity. Raikitra ny fandefasana grenady mandatsa-dranomaso handravana ny andrimasom-pokonolona. Ary misy fanamarihana nataon’ny mpanao gazety nanatrika ny zava-nitranga teny fa nisy olona sivily nentina niditra tao anatin’ity tranon’ny INJET ity. Tsy fantatra hoe iza, hanina, hatao inona, sns…

Fanambaran’i Mgr Odon Razanakolona

Fanambarana nataon’i Mgr Odon Razanakolona androany hariva , tao Antanimena ity aroso ho anareo ity

<blockquote>Nametra-pialana tsy hanohy intsony  ny fifampidinihana tamin’ny Alarobia 25 Febroary satria noheveriko fa tsy feno ny fepetra ilaina hahatomombana ny fihaonana…Niverina ihany aho tato aoriana noho ny fiangaviana avy amin’ny firenena mikambana mba handraisako indray io andraikitra io. Nametraka ireo fepetra ireo aho, izay nankatoavin’ny rehetra teo anatrehan’ny solotenan’ny Firenena Mikambana ary teto amin’ity toerana ity. Ka ny voalohany tamin’izay dia hoe hajanona ny fanenjehana, fisamborana, fitifirana sy ny famonoana olona. Avela haneho hevitra malalaka ny vahoaka, avela malalaka hanao ny asany ny haino aman-jery rehetra mba hampahafantatra ny vaovao marina sy ny zava-misy. Ankehitriny, tsapako fa tsy dia tanteraka ireo fepetra ireo ary mainka miha-mahery vaika aza ny zava-mitranga toy ny teny Antaninarenina tamin’ny 7 Febroary. Ny fampiasana fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny blindés, ka nahafatesana olona teny Anosy ny 19 Febroary. Ankehitriny dia ireto ny zava-mitranga:

Voalohany ny teto an-drenivohitra sy ny an-tanàn-dehibe. Sakanana ny fanehoan-kevitra sy ny fihetsiketsehana rehetra. Ampihorohoroana ny vahoaka amin’ny alalan’ny fanapoahana fitaovam-piadiana, na any an’elakelan-trano, na any amin’ny faritry ny sekoly, na any amin’ny toeram-pitsaboana. Ary tsy vitsy ireo voatifitra namohy ny ainy na naratra. Enjehina sy samborina ary ampijaliana izay rehetra mitady haneho hevitra. Etsy andaniny, sembatsembanina sy ajanona ireo hainoaman-jery milaza ny zava-misy amin’ny vahoaka. Etsy ankilany anefa, mahazo vahana sy manao ny danin’ny kibony ny hainoaman-jery hafa mandrangitra sy mampirisika ny ady sy ny fifandonana.

Faharoa any ambanivohitra. Manjaka ny herisetra sy ny vono olona amin’ny alalan’ny fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny nahazo ny renim-pianakaviana mpandraharaha tao Arivonimamo, sy ny famonoana ny ben’ny tanàna tao Alarobia any Antanamalaza.

Noho izany dia mbola hamafisiko eto ny fanambarana izay efa nataoko, fa izay no asan’ny mpaminany na dia mietny any an’efitra izy: Voalohany, ajanony ny herisetra sy ny famonoana olona. ajanony ny fanenjehana sy ny fampihorohoroana. Ianareo mpitandro ny filaminana: aoka ianareo ho tena mpiaro marina ny vahoaka sy ny fananany. Ianareo tafi-bahoaka tandroka aron’ny vozona, tsy manome baiko anareo aho sanatria fa miangavy anareo, raiso ny andraikitrareo: arovy ny vahoaka. Isika vahoaka, aoka hiray hina hametraka ny fandriam-pahalemana eo amin’ny faritra misy antsika tsirairay avy.

Ny tenako kosa dia mbola vonona ny hanohy ny fanelanelanana hatramin’ny farany. Ary ankiniko amin’ny vavaky ny Masina Maria mpiaro an’i Madagasikara sy ny fanorohan’ny Fanahy Masina ny ezaka rehetra ataontsika amin’ny famerenana indray ny fandriampahalemana mba hiadanan’ny vahoaka malagasy manontolo.

Misaotra indrindra.

</blockquote>

Dia toy izay sy toy izay ny amin’iny, fa mbola mirefotra foana kosa ny basy ary mitohy ny famakiana barazy eny Ambatobe sy Analamahitsy eny.  Vahoaka marobe no namaly ny antson’i Andry amin’ny fiarovana ny ainy… Nisy helicoptère nisidina in’enina iny faritra misy ny toeram-ponenan’i Andry Rajoelina iny. Niteraka ahiahy sy fisavoritahana teo amin’ireo andrimasompokonolona ihany moa izany. Nisy roa voasambotra tamin’ireo mpanao andrimaso, ka raha iny teny am-pandosirana iny ny iray no nilatsaka avy any aminy any ny Cocktail Molotov…Raha tonga teny an-toerana nihaona tamin’i Andry moa androany maraina ny solontenan’ireo masoivoho vahiny rehetra miasa sy monina eto Madagasikara mba handresy lahatra azy hanohy ny fifampidinihana, dia niveri-maina nody satria tsy nety hanohy intsony izany fifampidinihana izany izy.

Raha ny mpanararaotra ny tolom-bahoaka sy ny mpandroba no nampiasa loha ny mponina teo aloha, dia ny tafika kosa ankehitriny no lasa « horohoro » manerana ny tanàna. Mampiasa herisetra eran’ny tanàna, eny fa na dia amin’reo mpandalo tsy maninon-tsy maninona aza. Aza mba tratry ny herisetrany fa dia na ianao asitrika milomano anaty rano maloto, na ianao mizaka ny vely vodi-basy sy ny hitsaka tsy misy indra fo. Fangaron-tsakafo eny anelanelany eny ny ompa reny sy ny teny ratsy isan-karazany… Raha ny fitantaran’ny dadatoan’ilay vehivavy mpianatra eny Ankatso maty omaly izao no raisina, dia olona avy any anaty Cyber ilay zazavavy no nosintonina hivoaka, ary avy eo dia elanelana 2 m no nitifirana azy teo amin’ny tratrany. Asa raha mba olona misy fanahy ihany ny tahaka izany, na efa mifanahim-biby. Tsy omena tsiny anefa ry zalahy, fa hatramin’izay tokoa dia ny lutte anti-acridienne no nahazatra azy, koa angamba noheveriny fa mitovy ny mamono valala sy ny mamono ain’olona. Mbola resin’ireny vehivavy tsy sahy manapaka tendan’akoho ireny ry zalahy raha fahendrena sy fananam-panahy no tarafina amin’izato fihetsika feno fahasahiana sy tsy ampy famadibadihana va o tanterahana.

Fa hiverina kely amin’ilay tenin’i Mgr Odon R. aho momba ny haino aman-jery manao hoe :

<blockquote<Etsy andaniny, sembatsembanina sy ajanona ireo hainoaman-jery milaza ny zava-misy amin’ny vahoaka. Etsy ankilany anefa, mahazo vahana sy manao ny danin’ny kibony ny hainoaman-jery hafa mandrangitra sy mampirisika ny ady sy ny fifandonana.</blockquote>

Na dia tsy milaza mivantana ny anaran’izany hainoamanjery manao ny danin’ny kibony izany aza izy (satria an’ny tompom-pahefana), dia aleo lazaiko eto izay tsy sahiny lazaina fa ny RADIO MADA sy ny tahaka azy no tiany hambara. Izay moa no mba tombony amin’itony mitoraka bolongana itony. Ka asa raha ny filazako an’izany koa no hahitako loza amin’ny manaraka, fa ny marina tsy maintsy ambara. Raha ny andron’ny Alakamisy omaly fotsiny no lazaiko momba io Radio iray io, dia faly ery ireo mianadahy mpanentana ao rehefa misy antso an-telefona mihantsy ady sy fifandrafiana avy amin’ireo mpihaino lian-drà(izay toetra tsy mbola hita hatrizay tamin’ny ankamaroan’ny Malagasy), ka izy ireo indray avy eo no manisy sira sy manampy trotraka. Efa ela nimenomenonana teo ampihainoana azy aho (satria Radio-na mpiara-miasa ao amin’ny birao ilay izy ka sarotra ho an’ny tena ny hiteny hoe mba ovao, ary fantatro rahateo fa tsy hanaiky velively ilay ranamana satria mpomba tsy misy fepetra ny mpitondra amin’izao fotoana izy), dia asa na nisy niteny sy nananatra tany ambadika tany izy mianadahy etsy ambony iretsy, na niniana natao mihitsy ny hoe tsy hisakana sy hitondra fanamarihana raha tsy efa elabe aty aoriana, fa dia ‘mody‘ mba niteny ilay kalakely tao hoe:

<blockquote>Aoka isika miantso mba tsy hanao fihantsiana sy fandrahonana rehefa miantso aty amin’ny onjam-peo, sns…</blockquote>

Nefa talohan’izay, hafaliana ho azy sy ilay zalahy mpanentana ny fandaharana ery ny mamaky ny SMS rehefa feno fihantsiana alefa ao amin’ilay RADIO MADA.

Raha miteny ireo rehetra ireo aho, tsy fankahalana « bêtement » ny 100.8 Fm sanatria, fa ny fisian’ny « deux poids, deux mesures » eto amin’ny tany sy ny fanjakana no efa niteraka ny olana goavana atrehintsika ankehitriny, ka mbola hotohizana ve ny sahala amin’izany?Sa rehefa ahy dia volamena, fa rehefa an’ny hafa dia taim-piraka?

Eo amin’ilay fahaizan’ny tsirairay mandinika koa moa no tena hita ho lesoka lehibe rehefa mba mijery na mandray zavatra. « ny esprit de discernement » no tiako hambara eto. Diso mampihatra ny fanatisme loatra na ny andaniny na ny ankilany, ka tonga amin’ny hoe

<blockquote>rehefa tsy tiako dia tsy tiako hatramin’ny tsinay maintiny, ary rehefa tiako dia laniko hatramin’ny ta..ny.</blockquote>

Azafady fa diso tsipelina iny.

Rehefa mba hita re rey olona fa tsy mety, eny fa na vadin’ny tena aza, dia lazao azy fa tsy mety ny ataony a! Ary rehefa mba misy mety, na avy amin’izay tsy mpifampitantana aminao isanandro aza, dia ambarao ny tsara vitany. Fa aza dia sahala amin’ny soavaly mitarika kalesy, ka izay tandrifin’ny tampi-maso ihany no heverina fa hany làlana azo izorana. Sao any anaty rano no hidoboka ny kalesy no iafaràny.

Aleo hajanoko amin’izay fa toa lasa nivaona be nefa resaka fanambaràna no saika hampitaina.

Veloma daholo, samia tsara

Fisamborana an’i Andry Rajoelina

Omaly alina tamin’ny 10 ora sy sasany teo ho eo no saiky hotanterahana ny fiosamborana an’i Andry Rajoelina. Niaraka tamin’ny camion avy ao amin’ny fivondronana ny EMMO/NAT ka ireto voalohany no nasaina nanala sakana (fitoeram-pako). Ry zareo kosa nijanona lavidavitra.

Nahita izany ny mpiambina an’i Andry Rajoelina ka nivoaka nanontany ny antony. Nalana ny rivotra tao anatin’ny kodiaran’ny camion ,ary voasambotra ny telo tamin’ireo tao anatiny.

Nisy basy ni^poaka tsy nahy anefa tao anatin’ireto EMMO/NAT ireto ka nifandratra izy samy izy tao ry zareo. Noheverin’ny tao an-tanana fa natao ho azy izany poa-basy izany, ka dia mba nampanenoiny koa ny azy.

Mbola hitan’ny mpanao gazety (izay afaka nankeny) teo amin’ny arabe moa ny ran’izay voan’ilay poa-basy tsy nahy (Vokatry ny hoe olona tsy havanana, na tsy natao hitam-basy ve izany? Asa!)

Lasa nitsoaka moa ireto miaramila ireto rehefa nitranga izany rehetra izany.

Fa taorian’izany kosa dia napetraka amin’ireo sampanana rehetra mitondra ho any Ambatobe ny sakana.

(Source RADIO ANTSIVA Fm 97.6)

« 05 mars 2009 » – Film tena izy

Tsy film akory no hotantaraiko anao fa ny tena niainana. Ary tsy tany Texas na Liban, na Irak fa teo Antananarivo Renivohitra.

Toy ny omaly dia efa tomefy mpitandro filaminana nialohan’ny nahatongavan’ireo mpanao fihetsiketsehana ny tanàna. Ary dia tena tanteraka tokoa ilay antso avo nataon’i Andry Rajoelina fahiny hoe hatao « tanàna maty Antananarivo » – saingy ny fotoana no tsy nifanojo – satria tamin’ity indray mitoraka ity dia ny EMMO/NAT no nanao ‘fitokonana’ teo amin’ny kianjan’ny 13 mai ary nameno ny elakelan-trano rehetra sy ny vodi-rindrina, hatrany Ambodifilao sy Soarano, Behoririka, Analakely, Ambohijatovo, Ambanidia, Ankadifotsy.

Nivoaka indray aho androany ho anareo mpamaky, niakatra ny tetezan’ny Behoririka. Feno olona teo ambony teo.
sunp0257
sunp02641

Nisy ireny fiaraben’ny mpitandro filaminana ireny koa tonga nankeo aorian’ireo mpitangorongorona.
sunp02791

Rehefa elaela teo ny roa tonta, dia niteny ireo mpitandro filaminana fa tokony hiparitaka daholo ny olona ka tsy hisy hijorojoro sy hitangorongorona intsony. Tsy nahoan’ireo olona teo ambony tetezana izany rehetra izany. Hany herin’ireto mpitandro filaminana dia sady namelona ny fiara no nandatsaka baomba mandatsa-dranomaso ary dia nirifatra nandao ny toerana. Tsy niverina teo intsony izy ireo raha tsy fotoana ela taty aoriana, fa lasa kosa nidina namonjy ny tery ambany akaikin’ny toby fitsinjarana solika Galana ampitan’ny Pain Français.
sunp0265

Tsinjo ery ambany ery manakaiky ny ranomaimbo Behoririka hatrany kosa ireo namany mandeha an-tongotra sy manao sakana.
sunp0275

Rehefa lasa ny herin’ny entona nandatsa-dranomaso, dia niverina nitangorongorona indray ny olona. Nanoloana indrindra ny toeram-pivarotana Luxor ka hatraty amin’ny tohotohobato sy iny ambany tetezana iny. Nofenoin’ireo olona nitangorona ireo vato ny arabe nanoloana ny Luxor…

sunp0266

Minitra vitsy aho no teo dia lasa indray namonjy ireo namana mpaka sary sy mpanao gazety tany Ambohijatovo. Efa somary antoandro ihany ny andro, ka dia niara-namonjy toeram-pisakafoanana teo ampototry ny tohotohobato Tavao. Iray metatra eo amin’io toerana io kosa no misy ny sakana ataon’ny mpitandro filaminana…

Rehefa avy nisakafo indray dia lasa nidina nmakivaky ny lalam-be migodanan’Analakely sy ny kianjan’ny 13 mai izahay rehetra.
sunp0289
Niato kely izahay rehefa teo ampitan’ny Hotel Select, haka aloka sy hamory aina vao. Nandritra ny fidinanay ho eny amin’ny kianjan’ny 13 mai no nahitanay ireo mpitandro filaminana isaky ny sampanan-dàlana sy elakelantrano. Tena tanàna maty tokoa Antananarivo androany ary ny mpitandro filaminana no nanohy ny hetsiky ny 13 mai. (sic). Ao ireo mitsotsotra maka aina, na matory ampitoerana mihitsy aza, ao ireo mahita fahafinaretana ‘manala azy’ amin’ireo mpandalo mba sendra azy, ka ampihazakazahana ny olona, dia avy eo indray asaina mandeha mora, ary dia ampifandimbiasina tahaka izay (sady arahana fihomehezana). Toy ny nahazo ilay boaikely tetsy amin’ny Firaisana voalohany no lalina. Nitaingina bisikilety i zandrikely. Handeha ho any Behoririka na Ambondrona any angamba no anton-dia. Avy any Ambodifilao izy no nipoitra. Rehefa tonga teo amin’ny fivoahan-dàlana teo amin’ny firaisana voalohany, dia nasaina niverina tany amin’ny 20 metatra aloha, ary dia nantsoina indray hiverina hanohy ny làlany, ary rehefa nahazo ny làla-mahitsy hihazo ny Econo Center iny dia nokorododosina sy nihogahogan’ireto mpitandro filaminana.

Rehefa nandalo kosa izahay teo amin’ny Econo Center ka nitodika miakatra amin’iny làlana miakatra ho any Ambondrona iny, dia nahita miaramila marobe miankin-drindrina sy makamaka aina tamin’ny ilany havian-dàlana. Nisy taminay no naka sary izany zavatra izany, ary dia nahazo vava be avy amin’ny iray tamin’izy ireo, nanao hoe:

Eh; inona no hakahakanao sary eo, Tsy mila maka sary, raha vao misy sakoroka eo dia ianao no pehako voalohany.

Saingy nisy tamin’ireto namany kosa no nahatsikaritra ny sasany taminay hoe nanao akanjo misy soratra PRESSE sy niambozona badge ka nampangiana hainga ity namany, no sady niteny hoe

avelao leroa ny olona hanao ny asany a! Mpanao gazety ireny, ka tsy azon’ialahy atao inona rehefa mitondra ny badge-ny

Zavatra iray nahazendana sy nahatsikaiky anay rehetra koa anefa ity iray ity: feno kapaoty an-jatony efa nampiasaina teo amin’ny faritra nisy ny sakana nataon’ireo miaramila nanoloana ny tsenaben’ny Pochard. Maro be ireo mpitandro filaminana teo, na ny mandeha an-tongotra, na ny tao anaty kamiao…

sunp02901

Tafaverina teo Behoririka ambany amin’izay izahay rehetra tokony ho tamin’ny 2 ora mahery tany ho any. Ireo olona marobe dia avy ery ambony tetezana sy manoloana ny Luxor ary iny ambanin’ny tobin-tsolika Galana iny.
Ireo ‘miaramila’ kosa dia mipetrapetraka toa tsy te-hahalala ery akaikin’ny Toyota Rasseta ery.
sunp0292
Tsy tapitapitr’izay dia indreny fiara tsy mataho-dàlana (4 X 4) roa nisosososo nidina an’i Behoririka nanitsy ho any amin’ireto olona nivorivory ka tsy nisy alaharo alaharo, fa tonga dia sady mandefa grenade lacrymogène sy manao tifi-danitra.
sunp02931
sunp0294
sunp0295

Izay angamba no efa nandrasan’iretsy ‘miaramila’ tsy nihetsika tery akaikin’ny Toyota. Rehefa mandeha moa ny tifitra sy ny grenady, dia milefa ny olona, ary rehefa dila indray izany dia miverina izy ireo. Nahatezitra ny olona ny zavatra nitranga, ka nahatonga azy ireo hanangona vato tao ambony tetezana, nataony tamin’ny sisiny. Vantany vao nandalo sy nitifitra grenady indray ireto fiara (izay lasa telo, ary hafa fa tsy ny teo aloha intsony), dia nandrasan’ireo olona teo ambony tetezana ny handalovany teo ambany, ary dia notontany vato avy any ambony any. Voatery nialoka tao ambany tetezana araka izany ireo fiara nitondra ireto mpitandro filaminana, ka nidina ny sasany mba hanipy grenady lacrymogène tany ambony tetezana ho fisavana ny làlan-kandosirana. Dia nifanao fangalam-piery teo foana ny roa tonta…

Rehefa tokony ho tamin’ny efatra ora hariva tany ho any, raha noheverina fa nilamina sy tsy nisy nitangorona intsony ny tety amin’ny manodidina an’i Behoririka sy ny tetezana , ary iny làlana mitondra ho any an-tsenan’Andravoahangy iny, dia nisosososo avy any indray ireto fiara 4 X 4, ka na dia efa tsy nisy intsony aza ny olona nivorivory sy nitangorongorona, dia mbola napaoka ihany ny grenade lacrymogène tamin’iny faritry ny tohotohobato sy ny tetezana iny. Mbola natahorany ihany angamba ny hisian’ny tora-bato. Aza mahavoa kosa aloha ny goavy manta e! Nefa anie ka efa tsy nisy na inona na inona e. Sa kosa mbola nangidihidy ny tànana? Na efa zatra nitsotra?

Ary aza mba tratran’ilay fisamborana noho ny lokon’akanjo koa an! Rehefa ry zalahy no mifaniraka, mandritry ny fisamborana, aorian’ny fanipazana grenade, ka manao hoe:

Ilay manao akanjo mena iny (na izay voatonona eo)

dia miomàna izay miakanjo mena ao, na tsy nanao aza, fa nitazantazana fotsiny, rehefa nahazo baiko izay ilay nirahana dia ‘sônegaly’. Mandeha ny daroka tsy misy fijerena ny maha-olona, tsy mahazo miteny na mifandahatra, fa rehefa mena dia mena. Satria tena misy tokoa ny hoe ‘ny kary no nanao ny nataony ka ilay saka nitazantazana no voatapa-drambo”.
sunp0286
sunp02871

Tsy sahy nalaina moa ny sarin’ny daroka sy ny ompa, noho ny fitaovana tsy zarizary,nefa kosa azonareo atao ny mijery izany amin’ny sarin’ireo fahitalavitra manana tranonkalan-tserasera.

Vehivavy iray no maty androany. Nisy ihany koa ny naratra, saingy tsy mbola fantatra ny isa farany, raha ny androany 05 martsa no resahana. Tontolo iray hafa mihitsy izao no iainana eto Antananarivo Renivohitra, satria sarotra be ny fivezivezena hanangonam-baovao.

Niantso diabe amin’ny Sabotsy kosa tao amin’ny fampielezam-peo tsy miankina iray eto Antananarivo i Andry Rajoelina izao hariva izao, tsy voafaritra ny toerana haleha.

Fa ity sary farany omeko anao ity kosa dia olona nandalo tamin’ny moto teo Behoririka, tsy nanao casque ranamana fa nahantony teo amin’ny guidon ilay izy. Ireo fiara 4 X4 anefa aoriany efa mirimorimo miakatra ho any ambany tetezana sady mitifitra grenady lacrymogène ihany, ary nisy tifitra hafa koa (tsy fantatra hoe tena nisy bala hafahafa raha tsy efa ny vokany no hitanay). Loaka tanteraka ilay casque teo amin’ny guidon, ary ny bala notsimponiko eran’ny làlana dia boribory fotsifotsy toy ny kanety ny habeny. Ireny hopno ilay balle en caoutchou e! Fa nahaloaka casque moto an!

sunp0309

toy izao ireo bala nahavoa azy, rehefa mitefoka indray mandeha ny basy avy eny amin’ireo 4 X 4 dia bala maromaro amin’itony no mivoaka avy any:

img00057

Ireto kosa indray dia mba ambinambin-tsary mifameno amin’ireo tany aloha

sunp0299
sunp0300
sunp0304
sunp0311
sunp0313
sunp0314

Gidragidra be androany 04 martsa 2009

Nangidihidy ny tanako ka dia tsy maintsy nanoratra sy nandeha nitady fitaovana indray hakàna sary ho anareo mpamaky. Fa nisy inona tokoa ary e? Tsenan’Andravoahangy rehefa Alarobia. Tsy zava-baovao amin’ny maro intsony araka izany ny mahita fitohanan’ny fifamoivoizana amin’iny faritra iny. Niasa toy ny andavanandro araka izany ny mpiasa, ny mpivarotra nivarotra. Samy nanao ny nataony izany e! Mbola sondriana teo ampototry ny solosaina fampiasana andavanandro iny aho no indreto ny mpiara-miasa niditra tampoka tao amin’ny birao ary samy namonjy ny lavarangana avokoa. Misy lavarangana mitodika any amin’ny arabe mantsy ny rihana faharoa misy ny birao.

Fa misy inona ary e?

Olona manao dia maika sy hazakazaka madinika no tsinjo avy ety ambony, nanaraka izany dia indreny fiara vitsivitsy nitodi-doha niverina ho any Andravoahangy, raha toa ka ny ho an’ny afovoan-tanàna no anton-diany. Lasa laharan-droa vetivety teo ny fiara miverina ho any Andravoahangy. Tsy naharitra ny tena ka dia lasa koa mba nidina nanangom-baovao. Tokony ho tamin’ny 10 ora teo ny andro tamin’io. Nandeha nijery ifotony ny raharaha ny tena, ka namonjy nidina tany Behoririka. Tonga teny akaikin’ny rano maimbo (Lac de Behoririka). Olona maromaro no nivorivory teo ambony sy ambanin’ny tetezana

sunp0255

hatreny ambany eny, ary tery ambony amin’ny làlana mankany Soarano sy Analakely kosa ireo Emmo/Nat (miaramila ahitana Zandary, polisy, tafika). Ireto olona avy ety ambany manakaiky ny rano maimbo no mihantsy iretsy miaramila manoloana azy. Misy eo amin’ny 200 m mahery eo ny elanelana manasaraka ny roa tonta. Avy eo nivadika ho tora-bato izany….

Niverina nankany amin’ny birao aho nanafatra fakàn-tsary sy naka akanjo. Naka ny zanako tany ampianarany aloha (eo ampitan’ny birao ihany ny sekoly), ka rehefa avy nanatitra azy tany an-trano (tsy lavitra fa ao ambadika ao koa) dia lasa amin’izay handeha hanangona ny zava-misy sy handrakitra izany an-tsary. Efa amin’ny 1 ora sy fahefany ny andro raha naka ny sary voalohany teo Behoririka aho. Avy eo kosa nanohy ny diako nankany Antaninandro manda-pahatonga tany akaikin’ny College de France sy ny “Planète” (Hotely eny Ambohijatovo mifanolo-bodirindrina amin’ny College de Fr.). Nangina be ny tsy nahenoana feo-na fiara ny làlana rehetra nolalovako, saingy feno olona mifanaretsaka kosa. Eny rehetra eny ihany koa anefa dia ahitana miaramila sy zandary mitam-basy sy baomba mandatsa-dranomaso. Tany foana sy malalaka sisa ny teny Analakely raha nalaiko sary avy ety amin’ny làlana midina ho any Ambohijatovo.

sunp0258

Miaramila vitsivitsy sy ny fiarabe mpitatitra azy ireo no tsinjonao eny. Nanempotra ny fofona baomba mandatsa-dranomaso raha vao tafakatra kely teo amin’ny Eglizy Katolika Faravohitra fotsiny. Mitampim-bava sy orona daholo izay olona mifanena amiko. Ao ireo sakodiavatra mitady izay lalan-kaleha hamonjena fodiana, satria feno sakana ny làlana (na io ataon’ny mpihetsiketsika, na io ataon’ny mpitandro filaminana).

Rehefa tonga teny Ambohijatovo dia namonjy avy hatrany ny toerana misy ny Emmo/nat sy ny mpaka sary namana no natao. Teo anoloan’ny College de France sy ny tery ampitany manamorona ny tambohon’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

sunp_0262

sunp0264

Teo no nisy ny sakana iray nataon’ny Emmo/Nat, ary ny sasany tety ambodi-fiakarana miverina mankany Faravohitra (eo ambanin’ny fiangonana Advantista Mandrosoa).

sunp0263

Ireto teo ampototry ny fiakarana dia toe ry zareo avy ao amin’ny RM1 raha ny fahitako azy. Efa taty aoriana kely vao nisy Emmo/Nat nanatevin-daharana azy ireo…

Raha mijoro fotsiny mijery sy tsy nanao na inona na inona afa-tsy ny niandry no nataon’ny Emmo/Nat, ireo tanora entanin-kafanam-po diso tafahoatra tery ampita kosa dia tsy nitsahatra ny nanao fihantsiana sy nitora-bato. Ary tsy vato kely fa tena mafonja an! Tsy fantatro hoe taiza no nahitan’ireo andian-jatovo ireto kodiarana ho dorana fa nisy roa tamin’izany no nampirehetin’izy ireo ary nalefany nikodiadia nakeny amin’ireto mpitandro filaminana…

sunp0271

Ny tany, hono, tsy ilaozan’adala ka nisy tamin’ireto andian-jatovo ireto no niditra tany anelanelan’ireo tranohazo marobe fivarotam-boky eo Ambohijatovo, ary dia tonga metatra vitsivitsy teny akaikin’ny mpitandro filaminana mihitsy manipy ny vatony. Tsy very anjara tamin’izany koa izahay mpaka sary sy mpanao gazety. Tsy nisy tohina kosa anefa na izany aza…

Mifanampy moa ny mpitandro filaminana sy ny mpanao gazety teto tamin’ny fanoroana ny fiavian’ny tora-bato sy ny fisian’ny olona tany anelanelan-trano tany. Raikitra ny fandefasana tifitra baomba mandatsa-dranomaso nankao anatin’ny faritry ny tranohazo tao, ary koa ny fandrahonana ireo andian-jatovo tsy hanohy hietraketraka.

sunp0272

Nefa toa herim-po very maina izany. Toa izy ireo indray aza no be vava ka manao hoe

Raha izay feom-basy letsy efa mahazatra anay a! Raha lehilahy dia tifiro » , sady atondrotr’izy ireo mankany amin’ny mpitandro filaminana ny vodiny [azafady fa mivantana be iny].

Rehefa hita fa naneho fahasahiana saiky hanantona ny mpitandro filaminana ireo antokon’ny mpitora-bato avy tery akaikin’ny fiatoan’ny taxibe avy any Ankatso, dia nanomboka ny fandefasana tsy ankiato ny baomba mandatsa-dranomaso. Nahazo ny anjarany tamin’izany koa ireo sampany avy aty amin’ny fiakarana mankany Ambatonakanga (FJKM) …

Elaela ny fifanatrehana teo ary farany dia niroso nanatona ireto andian-jatovo ireto ny Emmo/Nat no sady nandefa baomba mandatsa-dranomaso hatrany. Voatosika nihazo ny Tunnel Ambanidia ny antokon’olona nanoloana ny tobin-dasantsy eo ambanin’ny tranoben’ny Minitseran’ny Mponina.

sunp0280

Ary ireo avy ato ankavanana amin’ny fiakarana mankany Ambatonakanga koa dia voatosika nihemotra lavitra tery ambony tery.

sunp0276

Toraka izay koa ny avy ao amin’ny toby fiantsonan’ny taxibe mankany Ambohipo, Mandroseza sns …iny.

Tena nampihaiky volana ahy, ary nahazendana ny mpitandro filaminana koa ny fahasahian’ireto andian’olona ireto, satria raha voatosika ny tety amin’ny arabe, dia nisy kosa tamin’ireto olona ireto tafiditra tao anatin’ny kianjan’Ambohijatovo. Raha variana amin’ireo olona marobe nanoloana azy ny mpitandro filaminana, dia nisy olona kosa nivoaka teny ambaravarankelin’ny trano iray teo akaikin’ny toby famatsiana solika teo, ka niteny tamiko fa misy manomana cocktail Molotov ao an-jaridaina. Avo toerana moa ry zareo ka tsy nahagaga raha tsinjony tsara daholo izay nitranga tao an-kianja. Rehefa ren’ireo mpitandro filaminana izany dia efa niomana hiatrika izay koa ry zareo. Niezaka naka sary an’ireo telolahy nandady nitondra ilay tavoahangy feno lasantsy aho, saingy tsy nahasehaka loatra ilay fakantsary sinoa tety amiko ka dia ny vodi-poteau niafenan-dry zalahy no tratra farany.

sunp0281

Ry zalahy amin’izay mandady amin’iny sisin’ny fefin’ny zaridaina iny mba hanatona ireo mpitandro filaminana, ka rehefa nahita ny lohako nitsofoka tamin’ireo lavaka boribory amin’ny fefy mba haka sary azy ireo, dia iny koa ry zalahy no lasa nihemotra…

Toy ireny manao sarin’ady ireny no fihevitr’ireto andianolona ireto ny zava-mitranga. Tsy mitsahatra koa ny tora-bato mandritra izany rehetra izany.

Fa izay zavatra tena hitako ho nanahirana tokoa an’ireto mpitandro filaminana ireto dia ny fidiran’ireto andian’olona ireto tany an-tananan’olona, ary avy any ry zalahy no mitoraka vato na tavoahangy sy izay rehetra azo atsipy. Avy any ambadiky ny trano, ka manelanelana azy ireo amin’ireto miaramila amin’izany ny tafon-tranon’olona nidirany. Avy any ambadika any no misy manipy seau plastika sy daba vy voasesika zavatra nampirehetina, ary natsipy ho aty amin’ireo mpitandro filaminana.

sunp0282

Teo amin’ny sampanana mankany Ambatonakanga sy Antaninarenina izany no niseho. Hitoraka grenady an-dry zalahy ny mpitandro filaminana, toa sahirana ihany, satria tanànan’olona no ao, ary tsy fantatra izay mety hitontonan’ilay zavatra.

Fa ny tena nampalahelo dia ny fanimban-javatra.

sunp0290

sunp0277

Ankoatra ny fanimbàna ny tohotoho-bato teo akaiky teo mba hahazoana vato hitorahana ny mpitandro filaminana, dia nisy fiara niantsona tery amin’ny fiakarana ho anyAmbatonakanga iny (Peugeot 404). Tapitra novakian-dry zalahy ny fitaratry ny fiara mba hahazoany manala ny tsindry hisatra taminy. Avy eo dia nasosany nidina tamin’iny fidinana iny ilay fiara mba ho ety amin’ny mpitandro filaminana. Soa ihany fa nisy vato namily tampoka ny kodiarana, ka tany amin’ny rindrina amin’ilay trano avo teo antenantenam-piakarana teo ilay fiara no nifatratra. Goavana ny fahavoazana hita amin’ilay fiara…

sunp0285

Ireo faritra avo rehetra nanodidina an’Ambohijatovo dia saiky feno olona avokoa.

sunp0278

Ary ny lalàna rehetra miditra mamnkao Analakely dia nisy sakan’ny miaramila avokoa ary tsy azo nodinganina. Hatramin’ny fotoana nanoràtana ny hafatra ( 5 ora hariva sy sasany) dia mbola re foana ny poa-basy tety amin’ny faritra Andravoahangy. Tonga hatraty ambony tafon’ny lakozianay ny pitika baomba mandatsa-dranomaso. Nandositra eraky ny elakelan-trano ry zalahy, hatrany amin’iny mankany amin’ny ACCEM sy miakatra any amin’ny tranon’i RAIMBOAY any Mandialaza iny, ary dia ampolony indray no saiky hiditra tato an-tanana. Iray no efa tato anaty tokotany ka rehefa noroahana nivoaka nefa tsy nety, dia voatery notorahana kapila avy tany amin’ny terasse… Tezitra tamiko ny mpiara-manofa tato an-tanàna fa hoe sao anànan-dry zalahy kakày, hono, ny tanàna. Ka mba leo koa aho aloha e! Tsy te-hahita toy ilay tamin’ny 27 janoary intsony.

Saiky hadinoko, fa nisy teratany vahiny miteny anglisy be enina, tsy fantatro izay fihaviany fa lazain’ny namana mpaka sary sasany fa SudAf, nalain’ny mpanao gazety namana iray sary (fotsy be ry zalahy ireto teratany vahiny, ary izy ireo, hoy ny Tv Plus androany, no tena mibaiko) . Nezahana  nalaina ny fitaovana fakàna sary teny amin’ilay ranamana mpanao gazety, ary rehefa ela nifandroritana sy nifamaliana teo dia afaka nanohy ny asany ihany ilay namana. Heno mihitsy tao anatin’ny horonantsary tamin’ny fahitalavitra io hariva io ny baiko nomen’ilay mpitarika gasy hoe

alaivo ‘lay sary, alaivo fotsiny lay cam

  . Nolazain’ny EMMO/NAT fa hoe touriste moa ireto vahiny ireto, ka dia gaga sy sorena ny mpaka sary sy mpanao gazety rehetrahoe, fa rehefa vahiny izany dia afaka manitsaka zone rouge (ny 13 mai zay efa feno miaramila hatramin’ny vao mangiran-dratsy, ka tamin’ny valo ora maraina dia tsy nisy afa-tsy ireo fiara hivoaka ny faritra sisa no afaka nandeha, fa izay nihevitra ny handalo na hivezivezy tao dia tsy afaka nanao izany), fa rehefa Malagasy miezaka manao ny asany amin’ny fanaovan-gazety dia TSIA. Niteraka fahasorenana sy fifanazavana lavabe teo amin’ny andaniny sy ny ankilany izay, ary dia niseho mazava tsara tao main’ny fahitalavitra MaTV io hariva io. FA KOSA… FA KOSA… Nalain’ity olona tsy miteny Malagasy ity sary ilay ranamana mpanao gazety ( iniana tsy lazaina eto aloha ny gazety iasan’ilay ranamana anio!). Tsy fantatra hoe sary hatao inona. Saingy eto izany dia efa miomana sahady ireo namana rehetra mpaka sary sy mpanao gazety fa raha sanatria misy mahazo izay ranamana izay, dia efa fantatsika ny fiavian’ny olana. Fiaran’ny miaramila mitondra ny laharana T 1935 moa no tonga naka ireto teratany vahiny enina ireto niala ny kianjan’ny 13 mai.

Nisy moa ny fisamborana na teny amin’ny Petite Vitesse Isotry, na teny Ambohijatovo sns…

sunp0287

Fa raha ny tetika nentin’ireo mpitandro filaminana nitsimpona ny mpitora-bato (izay tsy nampoizin’ireto farany velively) no lazaina dia toy izao. Rehefa nifanao fangala-piery ela teo ny roa tonta, ary tsy nahita haleha intsony ireo mpitoraka sasany, dia mody mandeha mora toy ireny olona tsy nanao na inona na inona ireny. Miroso miadana manatona ireo sakana miaramila. Rehefa tonga eo amin’ny sakana kosa anefa,dia raikitra ny fisavana tànana, ka izay rehetra maloto tànana, toa feno biriky, na vovo-bato, dia tsy afa-bela fa raisim-potsiny eo.

Fa teny an-dàlana nody dia tsinjoko fa tena mbola tomefy olona teo anoloan’ny Luxor Behoririka, ary efananomboka niakatra nanatona azy ireo koa ny EMMO/NAT avy any ambany any.

sunp0293

Ilaozana kely aloha ny eny Ambohijatovo, fa ndeha hotsiahivina kely ny teny Antanimena (C.E.G): niditra nanao barofo tao ireo mpanao fihetsiketsehana. Nanakorontana ny mpianatra rehetra tao sy nanao herisetra tamin’ireo mpanabe. Nisy mihitsy aza ny olona tao amin’ity toeram-pampianarana ity no naboridan’ireo mpanakorontana, Kiakiaka sy tomany no nanakoako avy tao amin’ity C.E.G ity raha ny tatitra voaray, satria mbola tao daholo ireo mpianatra marainatamin’ity sekoly ity. Soa ihany fa tsy isan’ireo mpianatra maraina ny zanako androany.

Fa raha toy izao kosa aloha no lazaina hoe tolona, dia hoy aho heo SIMBA TANTERAKA ARY TOKONY HOVANA ANY ANATY RAKIBOLANA NY HEVITRY NY TENY HOE “TOLONA”, ka asiana dikany iray faharoa hoe “FANDROBANA SY FANAOVANA AN-KERINY NY HAFA”. Miala tsiny raha masiaka fiteny fa raha ny zavatra hita androany, dia tsy voafehy mihitsy ireo olona nihetsika nanerana an’Antananarivo.

Fa nihaino Antsiva aho io hariva io (6ora sy 53 mn). Raha mbola miteny tsara manazava hevitra iny ingahy Ismael Razafinarivo, tonga dia ny feo avy amin’ny Radio Mada no niditra tampoka nanindry ilay onjam-peon’ny Antsiva (antso an-telefona fanakianana ranofotsiny ny hetsika ary fiantsoana ny fanjakana handray andraikitra no tao), ka nahatonga ireo tao amin’ farany hanapaka haingana ny onjam-peo. Nilaza moa ireo olona sendra tafaresaka tamiko fa isak’izay mamadika sy mitady onjam-peo ianao, dia ny Radio Mada no azonao…

Feno mpitandro filaminana eran’ny tanànan’Antananarivo. Asa izay mbola hitranga anio halina

8 no niditra hopitaly, miaramila ny iray, lehilahy lehibe jamba ny iray izay isan’ireo naratran’ny tora-bato. Roa tamin’ireo kosa ratra vokatry ny tifitra. Tatitra avy amin’ny HJRA nampitain’ny MaTV ireo.

Fa nasehon’ny TvPlus kosa fa nisy iray maty androany nandritra iny fifandonana iny. Mpivaro-boanjo mandehandeha no asany ary Haja no anarany, araka ny fanazavan’ny dadatoany. Roa ireo voatifitra teo amin’ny kibony ary nipotsaka ny tsinainy. Isan’izany ity maty ity. Hatreto kosa anefa dia tsy nahazoana fanamarinana na bala tena izy na tsia no nahavoa ireto olona ireto.

Hatramin’ny 7 ora hariva teo dia mbola mihidy eny amin’ny Hotely Le Hintsy ny solontenan’ny roa tonta sy ireo mpanelanelana manao fivoriana. Tsy hisy moa ny famintinana ho an’ny mpanao gazety amin’ity anio ity raha ny hafatra voaray nampitondraina mpiasa iray ao amin’ity Hotely ity.

Mbola niantso tamin’ny alalan’ny finday sy nalefan’ny TvPlus izao hariva izao ny antso nataon’i Andry Rajoelina nilazany fa mbola mitohy ny hetsika sy fiezahana hirotsaka ao amin’ny 13 mai rahampitso (amin’ny 8 ora sy 30 mn alina izao aty Madagasikara)