#TEDxTana 2010: Famelabelaran’i Miora Rajaonary – Papmad

Avy amin’ny PAPMAD izay hany orinasa tokana aty amin’ny ranomasimbe Indiana manao taratasy

Manazava ny fomba ataony hanamdoarana taratasy

Mampivady ny resaka fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra ny orinasa PAPMAD

Miezaka ny tsy hampiasa ny hazo tapahana araka izay azony atao ny PAPMAD fa miara-miasa kosa amina orinasa efa ho 50 any ho any mba hanangonana ireo taratasy efa tsy miasa intsony mba haverina kosa ahodina ho taratasy vaovao azo ampiasaina indray

Maro ireo orinasa no miteraka fako tsy hitanoanoa aorian’ny asa famokarana nataony, nefa matetika toa tsy mahatsiaro tena manoloana ny habetsahan’ izany. Ilaina araka izany ny mba hahaizan’ireo orinasa manavaka ny karazana fako mivoaka avy ao aminy sy mitantana izany fako izany araka ny tokony ho izy. Ho tsaraina amin’ny fandraisany anjara ara-bola sy ara-tsosialy ary ara-tontolo iainana izy ireny. Miabo ny fiantraikan’izany amin’ny mpiasa manodina ilay orinasa satria havitrika kokoa izy rehefa mahatsinjo fa orinasa mandray andraikitra no misy azy ary hivondrona hanatanteraka asa tsara ny mpiasa

Tokony ho lasitra iray maharitra mitoetra sy azo alain-tahaka  eo anivon’ny fiarahamonina ny orinasa.

Suivre

Recevez les nouvelles publications par mail.

Joignez-vous à 867 followers