Nodimandry teo amin’ny faha-56 taonany i Steve Jobs, PDG Apple, rehefa nitolona tamin’ny homamiadan’ny Pancreas nandritra ny fotoana maharitra.
Teraka ny taona 1956 izy , ary tsy mba notezain-dray sy reny, fa nomena hatsangan’olon-kafa kosa (Paul sy Clara Jobs ). Rehefa izany dia ireto farany no nanome anarana azy sy nanabe. Tany Mountain View sy Cupertino, toerana misy ny foiben’ny Apple izy no lehibe.
Fantatra amin’ny kiriny sy ny fihenjanany i Steve nandritra ny androm-piainany sy ny tontolon’ny fandraharahana nirotsahany.
Bandy tsotra fitafy, nefa mitaky mandrakariva ny hatsaran’endriky ny zavatra nataony. Steve Wozniak no niara-niasa taminy nanangana ny Apple tamin’ny taona 1976. Raha vao miresaka iPod, iTunes sy, taty aoriana kely, ny iPhone sy ny iPad, ny Macintosh , NeXT, Pixar izay namidiny tamin’i Disney tamin’ny 2006, ilay sarimihetsika Toy Story" nivoaka tamin’ny 1995, dia tsy misaraka amin’ireny koa ny anaran’i Steve Jobs. Isan’ny olona nampivoatra tanteraka ny tontolon’ny teknolojia sy ny resaka finday ilay rangahy iny fony fahavelony.
Efa niomana ho amin’ity andro fitsaharany ity ihany izy raha n y teniny nataon’ny nanolona aireo mpianatra maro tamin’ny taona 2005 no dinihana
hoy izy tamin’izany:
"Me rappeler que je serai mort bientôt est l’outil le plus important que j’ai jamais trouvé pour m’aider à faire les choix importants dans ma vie. Car presque tout (toutes les attentes externes, toute la fierté, toute la peur de l’embarras ou de l’échec) disparaît face à la mort, ne laissant que ce qui est réellement important."
Namela mananontena iray (Laurene Powell) sy zaza telo hary tao anaty tokantrano ara-dalana izy (Reed, Erin, Eve), ary zaza iray hafa ivelan’ny trano (Chris-Ann Brennan), zanaka iraisany amin’ilay mpiray sekoly taminy (Lisa ) . Ary indrindra fa ireo mpiasa miisa 49.000 niaraka taminy.
Raha te-handefa fiaraha-miory amin’ireo fianakaviany sy mpiara-miasa dia azonao atao izany amin’ny alalan’ity adiresy mailaka ity
rememberingsteve@apple.com
Classé dans: fahasalamana, fiaraha-monina, haino amanjery, haitao, olo-manga, sarimihetsika, tapatapany, telecommunication, tontolon'ny asa | Tagué: Apple, Chris-Ann Brennan, Clara Jobs, Cupertino, Erin, Eve, iPad, iPod, iTunes, Laurene Powell, Lisa, Macintosh, Mountain View, NeXT, Pixar, Reed, Steve Jobs, Steve Wozniak, Toy Story | Poster un commentaire »

