"WUHAN UNIVERSITY 6TH LUOJIA AUTUMN INTERNATIONAL CULTURAL FESTIVAL"
Teny faneva: "Diversity & Harmony; Interaction and Integration"
Fotoana nanaovana azy: ny 20 sy 21 Novambra 2010
Toerana nanaovana azy: Wuhan University, Wuhan; Hubei Province, Chine
Io "festival culturel" io dia efa fandraisan’ny Mpianatra Malagasy any Wuhan anjara nanomboka tamin’ny taona 2005 niforonan’ny fankalazana, ka ny 20 sy 21 Novambra teo ny andiany faha-enina. Mihoatry ny 70 ny firenena nandray anjara, ka anisan’izany i Madagasikara izay nosoloan’i AEMW (Assocition des Etudiants Malgache a Wuhan) tena. Ny tanjon’ny fikambanana dia ny fampahafantarana ny firenena, ny fampiroboroboana ny fikambanana ary ny fanamafisana ny firaisankinan’ny mpianatra Malagasy any an-tany lavitra any.
Maro be ny zavatra natao tamin’izany:

Ataovy matsiro sy tsara endrika toy ireto ny amin'ny faran'ny taona sy ny fandraisana taona vaovao ee! Dia mirary taona 2011 sambatra sahady ho anareo Malagasy any Chine ee!
- - ny haihanina malagasy (nahandro gasy): composé, katilesy, mofo-baolina, makasaoka, vary sy kabaro sns.
- - ny fomba fitafy nentin-dRazana
- - ny fampirantiana haitao vita malagasy(arts malagasy) sy ny harena(ressource) mampiavaka an’i Madagasikara.
- - ny dihy toy ny afindrafindrao, kilalaka, mangaliba, salegy, kininike, sy ny sisa; izay nahaliana ny mpijery ka nampianarin’ny Malagasy azy ireo
Nisokatra ho an’ny olon-drehetra toy ny mpianatra, mpampianatra, mpandraharaha ara-toekarena, mpitondra fanjakana sy ny olon-tsotra rehetra araka io teny faneva eo ambony io hoe "Diversity & Harmony; Interaction and Integration".
Fahombiazana tanteraka ny hetsika natao. Izany fahombiazana izany dia vokatry ny fiaraha-miasa akaikin’i ANDRIANJAFY Francois Herve filoha amperianasan’ny AEMW sy RAVELOMANANA Fidelys filoha lefitry ny AEMC(Association des Etudiants Malgaches en Chine) no sady filoha am-boninahitry ny AEMW, ary ny fandraisana anjara mavitriky ry: Fifaliana, Frederick, Stephanie, Soja, Nounou, Tahina, Mathilde, Setra, Nancy, Noro, Fanja, Gerald, Natacha ary Eldie.
Marihina fa any Wuhan no be Mpianatra Malagasy be indrindra ao Chine, izay miisa ho 28.
(Mpiara-miasa nampita ny vaovao : Fidelys Ravelomanana)
Classé dans: anao ny fitenenana, fampianarana, fety sy fankalazàna, fifandraisana iraisam-pirenena, tapatapany | Tagué: AEMW, afindrafindrao, arts malagasy, Assocition des Etudiants Malgache, chine, Hubei, kilalaka, kininike, LUOJIA AUTUMN INTERNATIONAL CULTURAL FESTIVAL, Madagascar, makasaoka, Malagasy, mangaliba, mofo-baolina, salegy, WUHAN UNIVERSITY | 3 Commentaires »




