Efa nivoaka ny valin’ny BOMBS 2009, fifantenana izay heverinareo mpamaky fa Blaogy mendrika fankaherezana sy fankasitrahana nandritra iny taona 2009 iny.
Isan’ireo nomenareo mpamaky ny fitokisanareo sy ny fankasitrahanareo tamin’izany ny Gazety_Adaladala. Nidi-droa izy tamin’izany ka sady nivoaka tao amin’ny sokajy TENY GASY, no hita ihany koa ao amin’ny sokajy VITA GASY.
Fisaorana eram-po eran-tsaina no atolotra anareo rehetra nanohana. Toraka izay ihany koa ho anareo mpitsara rehetra.
Manantena mandrakariva fa mbola hiaraka foana amin’ny Gazety_Adaladala ianareo, ary tsy hisalasala koa hametraka ny fanamarihana avy aminareo, mba ho entintsika manatsara ny amin’ny hoavy. Zavakanto ny fitorahana blaogy amiko, koa iriko indrindra ny mbola hahakantokanto kokoa ny fitorahana blaogy Malagasy rehetra eo imason’ny maro.
Mankasitraka mankatelina, Tompokolahy sy Tompokovavy
Classé dans: Non classé, tapatapany, Zavakanto | Tagué: Bombs 2009, Gazety Adaladala, Teny Gasy, Vita Gasy | 4 Commentaires »

