Fotoana fialàn-tsasatra

Azo lazaina ho efa vitavita daholo ihany ireo fanadinam-panjakana rehetra. Ny mpiadina hanao Bakalaorea sisa angamba no mila miandry kely. Ny hafa kosa efa afaka miatrika ny fotoam-pialàn-tsasatra amin’izay.

Momba ity fotoam-pialan-tsasatra ity dia maro ny toerana azo isafidianana: Vatomandry, Foulpointe, Antsirabe, Toamasina, Mahajanga, Toliary (Tulear).

Na dia nisondroa aza ny saran-dalana fotoana vitsy lasa izay, noho ny resaka vidin-tsolika niakatra, dia tsy vitsy ireo fianakaviana misafidy ny handositra ny hatsiaka eto Antananarivo sy ny tabataba iainany isan’andro. Mikatsaka filaminan-tsaina e!. Safidy be mpanao ny mankany Toamasina na Mahajanga. Eo koa Antsirabe. Saingy raha Toamasina no lazaina dia misy ny milaza fa mangatsiaka kokoa raha ampitahaina amian’i Mahajanga any, no sady maneri-dava. Tsy mifanalavitra loatra amin’Antananarivo ny maripana hoy ny maro. Aleon’ny olona araka izany misafidy ny hiankandrefana ka mamomnjy an’i Mahajanga.

Fa raha hitodika ho any amin’ny faritra Atsimo kosa no safidy nalainao, dia tsara ny mampahafantatra anao (raha handeha taxi-brousse) fa tsy dia misy mahasamihafa azy ireny intsony amin’ny taxibe sy ny ‘bus’ eto afovoan’Antananarivo renivohitra. Nahoana angaha hoy ianao? Tsotra fotsiny. olona efatra isaky ny laharan-tseza no mipetraka (ny iray amin’io ilay mampisabaka vody eo amin’ny fitohizan’ny strapontin (ilay seza kely aforitra iny) Ankoatr’izay dia mbola asiana olona koa ery amin’ny seza volamena (ilay manome lamosina eo aorian’ny mpamily. Tsy ampy ny lisitra raha tsy tafiditra miforitra miaraka aminao mpandeha ao koa ilay iraikalahy hoe ‘mpanampy ny mpamily, hono’.

Alaivo sary an-tsaina ny havizanana sy ny fijaliana rehefa mandeha an-jatony kilaometatra mitsingilahila sy mifanizina anaty fiara ianao. Reraka ny lamosina, torovana sy voly ny tongotra, ary dia tsorina tsotra izao fa fahasorenana no anaperana ny làlana. Izany rehetra izany izao no zakain’ireo rehetra mihevitra ny hamonjy ny renivohitr’i Vakinankaratra. Asa raha mba rahoviana ihany vao hisy ny fanajàna ny mpandeha! Ary asa raha mba rahovina koa vao tena kiasa ilay malaza tsy hihinànana toa vilian-tsahona atao hoe ‘Mpiaro ny zon’ny mpanjifa’!

Na izany aza, mirary fialan-tsasatra sy fiverenan’ny aina vetivety ho anareo trotraky ny dia noho ny zavatra tahaka izany ny eto amin’ny gazety-adaladala e! Aza ny hadalàn’ny sasany no tsy hanaovana vôkansy, fa ny tsy afa-mikofoka noho ny asa aman’adidy aza efa tsy fidiny. Bôny vôkansy eeeeeeeee!

TROMELIN

Nivoaka tamin’ny fampahalalam-baovao fa nisy ny fanaovan-tsonia fiaraha-mitantana ny nosikely Tromelin teo amin’i frantsa sy Maorisy. Mpanao sonia tao anatin’izany i Alain Joyandet sy Arvin Boolell , sekreteram-panjakana frantsay momba ny fiaraha-miasa iry voalohany raha minisitry ny raharaham-bahiny maorisiana kosa ny faharoa.

Tsy idirako lalina ny amin’ilay fifanarahana, fa izay tiako ho fantatry ny mpamaky dia ny vokatry ny karoka kely natao momba ity nosikely Tromelin ity. An’iza marina izy io ? Tokony sa tsy tokony hitaky azy io i Madagasikara raha ny elanelan-tany misy aminy sy ity nosikely ity no jerena, oharina amin’ny elanelan-tany misy eo amin’ity nosikely ity sy Maorisy ?

Betsaka amintsika Malagasy tokoa ary ve no mahalala azy ity sy ny tantarany ?

Ndeha hozaraiko aminao ary izay kely mba voaangoko tetsy sy teroa

Hitan’i Jean Marie Briand de la Feuillée tamin’ny 1722 raha nandeha tamin’ny sambo nantsoina hoe Diane ny nosikely Tromelin (tsy mbola izany no anarany tamin’io fotoana io). Nantsoina hoe Nosim-pasika izy tamin’izany noho ny morontsiraka sy ny fasi-potsy manodidina azy. Kely sy fisaka izy.

Nosy kely any amin’ny 450 kilometatra atsinanan’i Madagascar ary 535 kilometatra avaratr’i La Réunion no misy an’i Tromelin. Ranomasina lalina mahatratra 4 000 m no manodidina azy. Tsy mbola fantatra mazava na tendrona volkano izy ity na dia tany tsotra fotsiny izao nipoitra avy any anaty rano tany. Zara raha mahatratra 7 m ny faritra avo indrindra hita ao aminy. Fasika marindrano no hita mameno ny faritra, ankoatra ireo zava-maniry mitsitokotoko etsy sy eroa. Sarotra idirana ny fari-dranomasiny noho ireo vato manelingelina ao anatiny ka mahavoatery ireo te-ho ao miandry ny andro tsara vao miantsona. Mirefy 3,7 km ny halavan’ny morontsiraka, raha 1700m amin’ny 700 m no refin’ilay nosikely. Toerana tokana no ahafahana miditra ao aminy dia ny faritra avaratra-andrefana izay tery dia tery tokoa. Sarotra iainana ihany koa izy noho ny tsy fahampian’ny rano fisotro ao.

Noho ny firafitry ny toe-taniny sy ny toerana misy azy dia isan’ireo Nosy misedra matetika ny fandalovan’ny rivodoza izy. Ary saiky sakafony isan’andro ny rivotra, indrindra fa rehefa ririnina.

Tsy dia nisy nahomby ireo andrana hambolena karazan-javamaniry tao amin’ity nosikely ity. Faritra be trondro anefa ny manodidina. Paradisan’ireo karazam-bibin-dranomasinya izy satria nofinidin’ny sasany amin’izy ireny ho toerana fanatodizana sy fikotrehana. Ary mitahiry karazana zavaboahary marobe ihany koa toy ny sokatra sy ny maro hafa.

Ankoatra izay dia toerana ilevenan’ireo taolambalo Malagasy maro ihany koa i Tromelin satria tany amin’ny taona 1761 tany (31 Jolay) dia nisy sambo frantsay mpijirika andevo nitondra Malagasy maro ombam-bady aman-janaka nentin’ny kapitenin-tsambo Jean de Lafargue niarka tamin’i Jean-Joseph de Laborde. Fianakaviana Malagasy anjatony no nentin’io sambo io ho andevo tany Maorisy (niala tao Foulpointe). Rendrika tany akaikin’ny Tromelin anefa ny sambo noho ny hadisoana tamin’ny fanamoriana. Ireo tany anaty lakavin-tsambo dia maty avokoa, fa nisy kosa ny tsy tao ka afaka nanavotra aina namonjy ny nosy Tromelin. Izay azo navotana tamin’ny entana no nivelomana teo amin’ilay nosikely taorian’io faharendrehana io, noho ity nosikely ity tsy dia nisy na inona na inona loatra azo nivelomana. Voatery mihitsy aza ireo olona tamin’izany fotoana nandavaka lava-drano mba hahazoana rano fisotro. Ny hazandranomasina sy ny biby azo tamin’ny haza no natao sakafo..

Andro maro taty aoriana dia nampanamboatra sambokely avy amin’izay zava-nisy teo an-toerana ny lefitr’ingahy Jean de Lafargue nantsoina hoe Barthélémy Castellan du Vernet ka rehefa vitany izany dia ny olony ihany no nentiny niondran niaraka taminy (izany hoe ny frantsay sy ny tantsambony),fa ireo Malagasy mahantra kosa dia navelany teo niaraka tamin’izay ambin-tsakafony. Na dia nampanantena ny hiverina haka azy ireo aza anefa ireto menasofina ireto dia tsy nisy mihitsy izany fiverenana izany fa ny lalany no notohizany rehefa tsy azony ny alalana sy ny sambo saika hanatanterahana izany, noho ny fandavana mafy nasetrin’ny governora mpanapa-kevitra tamin’izany fotoana. Mitombo tsinona ny vava mihinana nefa atahorana koa ny fahiranon’ny anglisy. Ary satria matiantoka tanteraka ny Compagnie des Indes nampiasa ny sambo ary tonga rahateo ny adin’ny 7 taona tamin’io taona 1762 io, dia adino tanteraka tany ny momba ireo Malagasy mahantra sika nentina handevozina tatsy Maorisy ireo. Herintaona taty aoriana dia nisy ny andrana nataon’ny nosy MAorisy hanavotana azy ireo saingy noho ny fahasarotan’ny fidirana tao amin’ny fari-dranomasina noisy azy ireo dia nandamoka izany. Herintaona taorian’io indray dia nisy sambo La Sauterelle nanandrana saingy mbola nandamoaka koa. Afaka nandefa tantsambo iray ihany anefa ity sambo ity mba ho eny amin’ireo mila vonjy saingy ilehio koa dia voatery nilaozan’ny namany noho ny sambo lehibe tsy afaka nanatona ny morontsiraka hanavotra azy ireo. Ary dia io tantsambo io no nampanamboatra sambokely hiondranany miaraka amina lehilahy telo sy vehivavy telo isan’ireo tavela saingy nanjavona tany an-dranomasina tany io sambokely io. Tokony ho ny taona 1775 izay.

15 taona taty aoriana, ny taona 1776, 29 novambra vao nisy sambo indray tonga, La Dauphine, naka olona 8 sisa tavela tamin’ireo andevo tao : vehivavy 7 sy zaza menavava 8 volana iray. Zendana ity tantsambo farany ity raha nahita fa vitan’ireo olona ireo ny nanamboatra fitafiana tamin’ny alalan’ny fandrariana volom-biby ary koa nitazona ny afo tsy ho faty teo amin’ity nosikely ity, nefa ilay nosy tsy nahitana hazo akory. Avy amin’ny hazo tamin’ny sambo no nampiasaina (araka ny diary hita nandritra ny fikarohana natao tao an-toerana taty aoriana be 2006). Noraisin’ny governora frantsay tao Maorisy tamin’izany fotoana ry zareo ary nomena anarana hoe Moïse (Mosesy) ilay zaza. Ny chevalier de Tromelin io tonga nanavotra ireo sisa tavela tao io. Ary izany no nahatonga ilay nosikely hitondra ny anarany hatramin’izao.

Nanomboka nitsiry tao amin’ny mpanjanatany frantsay ny hevitra hampiasa ity nosikely ity handinihana ny teotrandro tany amin’ny taona 1947 tany, mba hanaraha-maso ny rivodoza ary dia nandefa mpitsirika ry zareo tamin’ny 1953, niorim-ponenana tamin’ny 1954. Napetraka ho isan’ireo nosikely miparitaka eo ambany fiadidian’ny ministera misahana ny DOM-TOM izy ny taona 1960

Notakian’ny nosy maorisy ny maha azy ity nosikely ity hatramin’ny taona 1976 noho izy milaza fa manana antontan-taratasy manamarina ny fizakany azy taorian’ny ‘traité de Paris’ namerenana ny La Réunion ho an’i frantsa sy ireo nosy kely mabiny ho an’i Maorisy

Tsy adino koa anefa fa misy ny fitakiana Malagasy momba ireo nosikely miparitaka ireo, nefa kosa tsy mamaritra na ao anatin’izany ny nosy Tromelin na tsia, ka toa manome vahana ny fizaka-manan’i Maorisy.

Tonga ary ny taona 2009, ary dia nifanaraka i frantsa sy Morisy fa hiara-mitantana ny nosy Tromelin.

Suivre

Recevez les nouvelles publications par mail.

Rejoignez 945 autres abonnés