Behoririka: Fanendahana niafara tamina fakàna takalon’aina

Fanamarihana napetraka ny 25 Martsa 2011: Ity lahatsoratra ity dia nosoratana, minitra vitsy, na ndeha atao hoe ora iray monja taorian’ilay tranga.  Ahitana taratra ny fahasamihafan’ny fanangonam-baovao eo anivon’ny antsoina hoe Citizen Media sy ny Mainstream ihany koa izy ity. Nahoana ? Satria raha nijery ireo lohatenin-gazety nivoaka ny ampitson’iny aho dia zendana nahita fa toa Fanafihana ilay sinoa no tena nankalazaina. Midika ve izany fa tena voafatotra tanteraka amin’ny resaka lafiny ‘marketing’ ny Mainstream media’ ka izay hahasarika ny mpividy sy handafosana bebe kokoa no tanjona?

Fa ny faharoa dia ny teo amin’ny lafiny fitandroana ny fandriam-pahalemana: tsy omena tsiny ny mpitandro filaminana raha mirona amin’ny fanazavana ny fandraisany andraikitra tamin’iny raharaha iny ka nitodika bebe kokoa tamin’ilay resaka Sinoa, satria toa maivana ihany rha ny resaka fanendahana no oharina amin’ny fakàna takalon’aina.

Tsy dia nataoko nahagaga ahy loatra raha tao ireo jiolahy no nisafidy hiditra satria nisy mpiasa tranainy tao ny sasany tamin’izy reo araka ny tatitra, ary mahalala tsara fa raha tampina n y lalana ho any Ankadifotsy, sy ny hiakatra aty amin’ny tetezana, dia mbola misy azo andosirana avy ao amin’io tanana io (araka ny resaka sy famariparitana nomena ireo mpitandro filaminana tonga teny an-toerana, nataon’ireo mponina eo). Raha miditra eo mantsy ry zalahy, ka mihoatra ilay tamboho avy ao anatiny, dia mbola afaka indray kosa mamonjy elakelan-trano hafa avy ao ambnadika ary ho afaka mitsoaka mihazo any ambony any avy eo.

Nilazana ny amin’ny tokony hametrahana mpitandro filaminana hiambina izay fivoahana izay ireo nanao ny tetikady teo an-toerana. Saingy ny olan-dry zareo dia ny fisian’ny antoko iray efa nampakarina any an-tafon-trano ka tsy fantatra mazava izay toerana misy azy ireo, ka sao dia izy samy izy indray no hifampitifitra ao anaty haizina ao. Nandritra izany rehetra izany no nisian’ny tatitra (mbola avy amin’ireo samy mpitandro filaminana ihany fa taorian’ny tifitra natao, dia ‘toa nisy nidoboka  any anaty saosety any’. Tsy nisy nanao fanamarinana an’iny na maty na velona. Araka ny filazan’ireo tompon-tanana anefa dia afaka andosirana tsara any ambadika any rehefa afaka amin’io saosety io. Rehefa natao ny fitsirihana ny tao anatin’ny tokotanin’ny Daktigrafz dia razana 2 no hita, 1 voalaza fa azo sambo-belona, iray hitan’ny olona tafaporitsaka. 4 izay. Ary ilay faha 5, Nankaiza? Taiza no toerana nahafahany nandositra? Satria tsy nahita na inona na inona intsony ireo mpitandro filaminana nilaza fa nanao sava hao ny tanana.

Vava-kisoa misy sira ity raharaha iray ity araka izany, koa asakasakareo hihinana azy.

Tsy hahataona ahy hanova ny lahatsoratra nosoratako velively anefa izay resaka voalaza an-gazety, satria izay no tatitra sy angom-baovao nataoko teny an-toerana.(mifarana eto ny fanamarihana)

Ity ambany ity ny lahatsoratra nosoratana ny andron’ny trangan-javatra:

Eto am-piandohana dia isaorana i zokibe Jentilisa nanaitra tamin’ity vaovao ity, ka nahafahana nanangona azy haingana araka izay azo natao.

Fa inona no tena nitranga?

Raha ny siosio re avy amin’ireo olona marobe teo no henoina, dia betsaka sy samy manana ny filazany. Fa izay taterina aminao eto kosa dia ny resaka nangonina avy amin’ny olona nahita ny zava-nitranga avy eny an-davarangany ka hatramin’ny fidiran’ny mpitandro filaminana an-tsehatra.

Tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany hariva tany ho any dia nisy ramatoa iray naka vola teo amin’itony milina mpitsinjara vola itony (BFV/SG – Behoririka). Io no nendahan’ny bandy dimy lahy. Niantso vonjy ramatoa io ka raikitra ny fifanenjehana. Nisy polisy avy amin’ny Firaisana Fahatelo niditra an-tsehatra.

Eto ambanin'ity lavarangana ity ny milina mpitsinjara vola, ary eo ampitan'io ny làlana miakatra mankany Ambatomitsangana ambony

Nifidy ny hiakatra tamin’ilay làlana eo ampitan’ny banky miakatra mankany Ambatomitsangana ambony iny ireo jiolahy niisa 5, ka rehefa nahita fa tsy nisy azo nizorana tany dia niverina indray saika hiakatra hihazo ny arabe miakatra mankany amin’ny tetezana. Teo no niova tampoka sy nihazakazaka ny raharaha, satria tsy nanohy ny diany ireto jiolahy ireto fa niditra avy hatrany tamin’ny vavahady eo amin’ny DAKTIGRAFZ izay mifanila rahateo amin’ilay trano fivarotan-tsinoa ao ambany rihana rehefa hitan-dry zalahy fa tampina ny lalan-kalehany. Efa niatrana hifanatrika taminy tsinona ireo polisy avy amin’ny Firaisana fahatelo sy ny avy etsy amin’ny tobin-tsolika Galana.

eto no vavahady miditra ao amin'ny tanàana nofinidin'izy ireo hailofana sy nitazonana ny takalon'aina

Nitifitra ny polisy avy amin’ny Firaisana fahatelo ka lavo ny jiolahy iray rehefa voan’ny bala teo amin’ ny kibony. Ny iray kosa azon’ireo polisy sambo-belona ka nentiny any amin’ny birao.

ny faritra voan'ny bala

ity ilay voatifitry ny polisy Fir III teo amin'ny kibony

 

Nisy ny fiantsoana mpanampy, ka isan’ny tonga teny an-toerana ny GIR, sy ny FIS ary ireo antokona mpitandro filaminana hafa toy ny Zandary. Teo anelanelan’izay anefa, hoy hatrany ilay mpitantara, no tafaporitsaka nandositra ny iray tamin’ireto jiolahy. Efa nihena izany ny isa hatreto ka 3 sisa no ifampitadiavana ao anatin’ny trano.

Rehefa tonga ny mpitandro filaminana nantsoina hanampy, dia nisy ny niakatra hatrany an-tafon-trano, ary nisy ny niandry baiko avy aty ambany.

Nandritra ny fidiran’ireto jiolahy ireto tao amin’ity tanàna ity dia nisy ny fakàn’izy ireo ho takalon’aina ny sinoa iray tratrany tao, sy ‘vendeuse’ iray. Nofatorany tamin’ny rojo vy ilay sinoa ary noratrainy ihany koa. Tsy nanaiky ny halaina sary moa ity sinoa ity. Ny lohany no tena hita ho nisy naratra sy voatery nofehezina lamba.

ny rojo vy namatorana ilay sinoa

Tsikaritr’ireo avy eny ambony tafo ny iray tamin’ireo jiolahy mbola tavela tao an-trano, ka notifiriny avy hatrany. Gorobaka tanteraka ny lohany ary rimbona mihitsy ny ila loha havia eo ambonin’ny sofiny iny. Ankoatra izay dia gorobaky ny bala ihany koa ny eo amin’ny tendany.

Nilomano tanteraka tao anatin'ny ràny ity zalahy ity

Sady voa ny lohany no trobaka ny tendany

Raha tamin’ny 6 ora sy sasany tany ho any no niandoha izany rehetra izany, dia tany amin’ny 10 ora alina latsaka 5 minitra kosa vao vita ny fanadihadiana rehetra nataon’ireo mpitandro filaminana sy ny pitsopitsony rehetra nahafahana nanàla ireo razana teo amin’io toerana io.

Fotoana nanadiovana ny tanàna

Ireo kiriana

Nandritra ny hetsika nataon’ireo mpitandro filaminana dia nakatona tsy ho azon’ny fiara nolalovana ny ampahan-dàlana nanomboka teo amin’ny Tobin-tsolika Galana ka hatreny amin’ny tobin-tsolika Shell Behoririka. Voatery navily làlana avokoa araka izany ny fiara rehetra saika hihazo io ampahany io.

Fa ny zava-mahazendana amin’ny tranga toy itony dia ny kirin’ny olona te-hahalala zavatra. Ndeha hataontsika hoe liam-baovao, saingy koa azo lazaina tsotra izao ho tsy mahatsiaro tena. Tsy mahatsiaro tena satria fidirana an-tsehatra ilàna fampiasana fitaovam-piadiana no natao, nefa toa tsy misy manahy na kely akory aza ny amin’ny ainy ireo olona marobe tonga nitangorona teo. Miandry hatrany ny fampitahorana ataon’ny mpitandro filaminana vao mikorapaka miala metatra vitsy. Mandritra ny minitra vitsy. Avy eo dia miverina indray eo amin’ny metatra vitsy manakaiky ny toerana itrangan’ny firotsahana an-tsehatra.

ireo olona tsy nataho-maty nitangorona nizaha ny zava-nisy

Ireo jiolahy mbola nokarohana tao an-trano rahateo tsy fantatra na inona avy no fitaovana any aminy na karazany manao ahoana. Ka raha sanatria nisy ny fifamaliana tifitra, dia mety ho zava-doza hafa no hita.  Tsy nahitako fitaovam-piadiana mahevy vaika aloha teny amin’ireo  roalahy maty, fa fitaovana tsotra toy ny fandraka no tavela. Tsy fantatro kosa na kazaran-javatra inona ilay toy ny boaty napetraka teo ambonin’ny patalohan’ilay voatifitra voalohany.

Mba isan’ireny kiriana sy liam-baovao ireny anefa ireo mpanao gazety tonga teny ka dia nitampifimpify nanao izay hahazoana manangona misimisy ny vaovao hozaraina.

Tsara tehirizina

Raha ny fahitàna ity tranga teo Behoririka ity dia averina etoana fa tsara ihany ho an’ny tokantrano tsirairay ny mitahiry irao laharana ahazoana miantso vonjy haingana rehefa misy ny toy izao. Satria dia isan’ny nahafahana nanao ny asa famonjena an’io tokantrano io ny nisian’izany laharana finday izany. Ireto averina ato ambany ireto izy ireny:

FIS                  033 40 434 40

Polisy             17  -  22 241 76

Gendarme     034 05 700 68

GIR                034 05 517 22

SAG               034 07 517 10

Misy dia misy ny sary azo avy eny an-toerana, saingy noho ny ‘connexion MOOV’ ampiasain’ny tena, tsy mandeha araka izay nifanarahana, dia ialana tsiny fa tsy afaka nampakarina. Apetraka eto ihany rehefa omen’ny MOOV alàlana hampiasa malalaka ny aterineto isika.

Fanavaozana: Amin’ny sasakalina izao, izay vao afaka nampakatra ny sary ho anareo rehetra.

Ilay zava-nipoaka re teny Antaninarenina sy ny manodidina omaly

Araka ny fanazavan’ny mponina teny an-toerana, sy notaterin’ny TV Plus rahateo io hariva io dia grenade offensive no nipoaka teny Mahamasina omaly halina. Teny akaikin’ny Bazar du quartie ka io no re hatrany amin’ny manodidina sy noheverin’ny maro ho fifampitifirana. Tsy nisy ny naratra na aina nafoy.

Nanao ny tatitra tao amin’ity fahitalavitra ity moa ny Col Ravalomanana Richard.

Nandeha be ny tsaho androany fa hoe rehefa nandeha nnao fanelanelanana teny amin’ny BANI Ivato ny Col Ravalomanana dia tsy navelan’ireo tao anaty toby nivoaka intsony. Izany hoe natao takalon’aina. Nanda ny fahamarinan’izay anefa izy ary nilaza aza fa tsy isan’izay nano izany fanelanelanana izany

Fa teny Ambohijatvo koa io hariva io dia voalazo koa fa nisy zavatra nipoaka. Ireny fusée éclairante ireny indray no voalaza ho anton’izany ka nampisahotaka ny olona. Rakotra mpitandrofilaminana teny an-toerana tamin’ny fotoana nandalovana teny. Saingy tsy nisy na inona na inona nitranga intsony mandra-piala teo amin’io toerana io.

Naresaka be koa tamin’ny faritra sasany teto an-drenivohitra ny hoe lasa nanafika tany Ivato ny FIS ary miaro ny faritra eny Ivato sy ny toby ny RFI sy GSIS ka hoe nisy fifandonna tokony ho tany amin’ny manodidina ny mitatao vovonana tany. Tsy nisy anefa afaka nanamarina ny fahamarinan’izany. Inona no anton’ny fipariahan’ilay vaovao? Iza no nandefa ny feo momba izany fifandonana izany hipaka hatraty afovoan-tanàna? Tsy nisy niresaka momba izany ny fampielezam-peo sy ny fahitalavitra hatramin’io hariva io.

Androany maraina dia nisy baomba vita tanana nitetehana handoroana ny trano nametrahana azy tetsy Antanimena ampitan’ny UNICEF. Bombe incendiaire ilay izy fa tsy natao hipoaka sy handrodana. Detonateur sy essence amina tavoahangy plastika no hitan’ny mpiambina napetraka teo am-baravarankely. Toa ny immeuble Tsanta no saika hatao lasibatra

Fort Duchesne 20mai2010

Marihana eto ampiandohana fa azonao atao ny mijery ny sary ao amin’ny flickr (avylavitra)

Talohan’ny fifandonana dia ny mpihoko nanohana an’i Lieutnant Colonel Andrianjafy Raymond no tompon’ny faritra ambony rehetra.

Teny ihany koa ireo olona tonga nanohana ny antson’ny mpitondra fivavahana. Nisy ny sakana natao nanerana ireo lalana mankany amin’ny toby. Efa vonona tao anatin’ny faritra misy ny fasan’ny maherifon’ny firenena ireo seza sy trano lay hanaovan’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana fotoana.

Nidina avy any anaty toby tany ny Gl ZAFERA ka naneho ny tsy hafaliany amin’izao fihetsika ataon’ny ampahany avy ao amin’ny F.I.G.N izao; nakorontany daholo ireo seza efa voaomana teo no sady nolazainy fa fanonganam-panjakana izao ataon’ireto olona ireto izao. Rehefa vitany izany dia niverina nankany an-toby izy ary tsy niala tao hatramin’ny farany amin’ny maha-tompon’andraikitra voalohany azy ao amin’ity toby ity. Araka ny fantatra taty aoriana dia tsy nitsahatra ny nandresy lahatra iretsy mpihoko ny Gl ZAFERA mba hiverina amin’ny fanapahan-kevitra ka hitolo-batana.

Tokony ho tamin’ny 10:15 dia nanokatra ny ‘tantara’ teny amin’ny mankeny amin’ny fasan’ny maherifo (Mausolé) ny F.I.S

Rehefa nahita izany ireo tao an-toby dia nanomboka ny poa-basy voalohany. Naharitra tany amin’ny 20 mn na antsasakadiny mahery tany izany. Rehefa nahita ireo avy amin’ny EMMO/REG fa sarotra ny raharaha raha hidina tokoa ireto avy any ambony, dia nanomboka namaly tifitra sy niezaka ny niakatra nankany amin’ny toby.

Hatrany amin’ny manodidina ny tamin’ny 11 ora na mahery tany ho any ny fifanakalozana tamin’ny tifitra.

10:30.Nandefa ny mpianatra tany aminy nody ireo sekoly teny amin’ny manodidina. Hatrany amin’ny Anjerimanontolo (Ankatso) dia najanona daholo ny fampianarana. Ireo mpianatra, zanaky ny tao amin’ny toby ka saiky handeha hody, dia nasaina namonjy avy hatrany ny teny amin’ny Toby Ratsimandrava mba ho fitandroana ny ain’izy ireny. Ny fianakaviana, vady aman-janak’ireo tao amin’ny toby, koa dia niangaviana mba hiala tao sy hamonjy ny toby Ratsimandrava. Nisy tamin’ireny ny vao tera-bao.

12:30 Nanamafy ny filazana ny Cl RAVALOMANANA Richard fa efa nasaina nila tao daholo ny fianakavian’ireo mpihoko. Toy izany koa ireo sivily tonga hanatrika ny HMF. Saingy ireto mpomba ny HMF moa na dia efa voahodidina sy efa tsy afa-manao na inona na inona aza dia mbola nihogahoga sy nanompa ny EMMO/REG avy ery ambony akaikin’ny fasana ihany.

Na dia tsy mitohy aza, dia nisy mitsitapitapy eny ihany ny poa-basy.

12:45. Lehilahy iray no tratra niakatra tamin’ny moto ho any amin’ny FIGN (araka ny teniny mihitsy io an), ary rehefa nosavaina ingahirainy dia nahitana saron-tava tany aminy. Tonga dia notazonin’ny Cl Ravalomanana ny karapanondrony ary nasainy namonjy ny toby Mahamasina izy sy ny moto nentiny. Tsy nanda mihitsy moa ity olona ity fa nilaza mazava hoe azy vao avy novidiany teny Andravoahangy ilay ‘cagoule’ ary handeha hamonjy ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana no anton-diany.

13:05.  Heno teny amin’ny toerana avo teny fa nisy tamin’ireo mpomba ny HMF no tsy te-halaina sary ka nitora-bato ny foiben’ny La Gazette de la Grande Ile, izay tsy aiza fa aty amin’ny sampana-dàlana miakatra ho any amin’ny Mausolé iny. Nanome baiko teo noho eo ny Cl Ravalomanana Richard ny mba hisian’ny andiana mpitandro filaminana hijery haingana any sy hisambotra izay tompon’antoka amin’izany.

16:XX Niresaka mivantana tamin’ny mpanangona vaovao ny Cl Ravalomanana Richard ary nitady manokana ny mpanao gazety avy amin’ny Radio Fahazavana sy ny Antsiva (fa toa izany no radio henoin’ireo mpihoko tao an-toerana nisy azy ireo tao). Hita teny foana ny mpanao gazety avy amin’ny Radio Fahazavana talohan’io fampiantsoana io, saingy nony natao ilay antso dia nanjavona ranamana. Ny anton’ny fampiantsoana moa dia ny mba hahazoan’ny Cl Ravalomanana miditra mivantana amin’ireo onjam-peo ireo hilaza ny faniriany hifampiresaka mivantana amin’ireo ao an-toby mba tsy hisian’ny rà mandriaka. Aleo hoy izy mifampiresaka. Lany fahana mantsy ny findainy araka ny filazany ka dia naleony nandeha tamin’izay làlana izay

Nisy ny fifampiraharahana tany ambadika tany ary niandry hatramin’ny ora farany ny Cl Ravalomanana vao nangataka ny hidirany mivantana amin’ny fampielezam-peo ka nilazany fa ala nenina farany io ataony io satria nadamoka ny fanelanelanana natao hatramin’ny tamin’ny 4 ora sy sasany tany ho any.

Talohan’io anefa dia efa nisy, araka ny filazany, ny fikazan’ny Lt Cl Raymond hitolo-batana saingy matahotra ny amin’ny ainy izy, no koa tsy navelan’ireo namany hivoaka fa hoe miara-maty ao.

4:30 hariva na mahery kely teo ho eo no nanomboka ny fiakarana sy fakàna tanteraka ny toby nisy ireo mpihoko. Rehefa azo anefa ny toby dia efa tsy tao intsony fa tafaporitsaka ny Lt Cl Raymond sy ny mpiara-dia sasany taminy. Nisy ny maty tavela tao anaty toby.

Araka ireo vavolombelona nanatri-maso dia nanao akanjo sivily ary namonjy fiara Prado Fotsy efa niandry azy teny amin’ny manodidina teny izy ireo ary nirifatra nanitsy tany Besarety tany. Tsy nisy laharana ny fiara. Nisy ny fanamiana sy fitaovam-piadiana nariana tany anaty kirihitra, ary nisy ny navela tao anatin’ny toby ihany rehefa nandositra izy ireo. Ny hafa tamin’ireto nandositra ireto anefa, araka ny filazan’ireo nahita hatrany, dia nitondra ny fitaovam-piadiany nanaraka azy. Ary nihazo ny renivohitra ny diany.

Tombana: Nanomboka tamin’ny 10 ora mahery tany ka hatramin’ny tamin’ny 5 ora hariva nialana teny an-toerana dia toy izao ny tarehimarika azo:

3 no maty ka FIS (Ramarson Mahafaly) iray, F.I.G.N iray, olon-tsotra iray (Raharinjatovo Justin 65 taona).
maherin’ny 7 ny naratra

Antaninarenina: fanafihana tsy tafita…

Andro antoandro be nanahary. Tsy nisy nanampo na inona na inona. Tampotampoka teo, nirefotra ny basy. Roa no nitsirara tamin’ny tany. Iray azo sambo-belona ary nisy ny tafaporitsaka.


Raha ny filazan’ny GIR nanao ny opération teny an-toerana dia izany Lova kely izany ny iray tamin’ireo lavo. Ary mbola fantarina kosa ny amin’ilay miakanjo mena.


Voalazan’ireo teny an-toerana nanatri-maso ny fiandohan’ny tantara fa namaly sy ‘ni-birda’ ilay miakanjo mena ary niafara tamin’ny tifitra avy amin’ny polisy izany (version N°1 io). Rehefa nojerena ny tao anaty sakaosy dia nahitàna PM sy chargeur feno hipoka ary puce telephone portable iray. Ankoatra an’io dia nisy karazana karatra ihany koa izay tsy hay na karatra momba ny inona na momba ny inona. Feo teny an-toerana ihany koa no nilaza fa raha tena nampiasa ilay basy teny aminy ireto olona ireto (raha nanana fotoana) dia maro no tavela teo Antaninarenina satria mety hanao tifitra variraraka avy amin’ny PM teny aminy ry zareo. Ary dia ‘hihinana’ avokoa hatramin’ny mpandalo sy ireo mpivarotra amoron-dalana.

Voa teo amin’ny masony ilay miakanjo mena, raha teo amin’ny lohaliny sy ny tratrany kosa ilay ‘Lova kely’.

Rehefa nanontaniana moa ireo polisy roa azo nanontaniana teo an-toerana (isan’ny nandray anjara tamin’ny fanakanana ity fanafihana mitam-piadiana ity), dia samy nanana ny filazany. Ny iray nilaza fa ny ‘Rishi-or’ no saiky hotafihana, ary ny iray hafa nilaza fa ny ‘B.O.A’ no saiky hapoakan’ireto andian-olona ireto (version N°2 io).

Tsy mbola voafaritra mazava araka izany izay tena tanjona farany saika halehan’ireto andian’olona nitam-piadiana ireto. Fa ny hita dia teo anoloan’ny Rishi-Or izy roalahy no tapitr’aina. Andrasana araka izany ny filazana ofisialy avy amin’ireo mpitandro filaminana.


Ny tena nahazendana ny rehetra dia ny fahasahian’ireto olona ireto nirotsaka hanao operation eny Antaninarenina, izay tsy lavitra ny toerana misy ny FIS ary feno mpitandro filaminana miaro ny lapa. Fanehoan-kery ve no saika hatao sa zavatra hafa mihitsy? Itony angamba no tonga amin’ny lazaina hoe ‘Mangarom-biby an-davaka’.

Fa ny version N°3 izay azo rehefa nilamina tsara ny tanàna dia ity: Efa hatrany Antsahamanitra tany no mety ho nanarahan’ny GIR azy roalahy ireto, nisy ny nihainohaino teny an-jaridainan’Antaninarenina ka rehefa nahita fa efa fantampatatry ny polisy ny operation kasaina hatao dia niala ny zaridaina ary nifanenjehana, fa rehefa teo anoloan’ny Rishi-Or Antaninarenina vao voasaka. Nasaina nandohalika hoy ilay nitantara ka nosavain’ny iray tamin’ireo polisy taty amin’ny sisin-dalana ny sakaosy. Ny polisy iray kosa nanambana basy avy ary amin’ny arabe. Rehefa nilaza ilay nisava fa basy no tao anatin’ilay sakaosy dia nifandimbiasan’ireto polisy roalahy ireto ny fitifirana azy roalahy, izay marihin’ilay mpitantara fa efa nasaina nandiohalika teo amin’ny arabe, teo anelanelan’ireo fiara nijanona teo. Raha ity version N°3 ity izany no jerena dia tsy nisy mihitsy ny resaka fifampitolomana voalazan’ny version N°1.

Mbola samy miandry izay hambaran’ny polisy amin’ny alalan’ny TV sy ny Radio indray e!

Ny nampalahelo tamin’ity raharaha ity dia tsy nisy fanadiovana ny sisin-dalana feno rà fa niandrasana ny oram-be io tolakandro io izany mba hiverenan’ny fahadiovana. Na teo aza anefa ny oram-be dia tsy nisy nitsimpona kosa ireo taim-bala nitifirana azy roalahy fa mbola teo an-toerana foana. Nefa raha ny firesaky ny polisy hatr’izay dia tsy maintsy vidian’ny fianakaviana ny isan’ny bala lany vao azo ny razana. Inona ar no marina amin’io?

Misy mantsy mametraka ahiahy ny amin’ny antony namonoana azy roalahy ireto raha ny mpitazana teny an-toerana.

Vaovao farany: Araka ny voalaza tamin’ny TV Plus io hariva io dia naman’i Dorrick ireto jiolahy voatifitra teny Antaninareinina ireto. Basy PM MAc 49, sy bala roa no teny amin’izy ireo. (nefa raha ny hitan’ny masoko aloha dia toa fenofeno ihany ilay izy)

Suivre

Recevez les nouvelles publications par mail.

Joignez-vous à 400 followers