Ambohijatovo #m1905, vakio hoe Madagasikara 19 May

Ho tohin’ny tantara lavabe nampifanolana ny #FreeFM amin’ny Fitondrana Tetezamita tarihan’Atoa #Rajoelina Andry Nirina, dia nanatanteraka famoriam-bahoaka teny Ambohijatovo i #LalatianaRAKOTONDRAZAFY sy #FidelRAZARAPIERA tamin’ny Sabotsy 19 May 2012 lasa teo (azonao arahana ao amin’ny Twitter amin’ny tenifototra #m1905 ny amin’izany). Nilaza ny hirotsaka hiaraka taminy ny avy amin’ny Ankolafy ZAFY Albert, sy ny sendikan’ny mpanao gazety (niala an-daharana tamin’ny fotoana farany ity sendika ity). Nilaza ny hiandry ireo mpitarika teny an-toerana koa moa ny jeneraly Ravalomanana, saingy mandra-pahatapitry ny fofona lacrymogene dia tsy hita tava teny mihitsy izy.

Teo akaikin’ny tsangambato #MDRM

Raha tamin’ny 9 ora maraina no efa tsinjo fa tsara petraka teny ireo fiara maro an’ny mpitandro filaminana, nanoloana ny vavahadin’ny kianja (-n’ny demaokrasia), tery ampita tsy lavitra teo kosa efa nisy olona vitsivitsy nanomboka nitangorona.

Mihamatevina hatrany ny isan’ny olona

Faritra maromaro nanodidina ny kianja no nametrahana ny mpitandro filaminana (Instat Anosy, Gare Soarano, Tonelina Ambanidia, Station Essence Jovenna Ambohijatovo, Ministeran’ny mponina…),ankoatra ireo mandeha mivezivezy amin’ny fiara mbola raitra sy matanjaka.

Ireo mpitandro filaminana napetraka teny akaikin’ny Station Jovenna Ambohijatovo

Nitombo miandalana ny olona. na dia tsy mbola hita aza ireo mpitarika ny hetsika hatramin’ny tamin’ny mitatao vovonana.

Ny tena nahazendana ahy dia ny nahita Malagasy iray nitondra vazaha efatra mianaka, handeha hilalao ao anaty kianja, hono, ary rehefa nanontaniako teo am-bavahady ilay ranamana Malagasy, dia izaho indray no tratry ny fanontaniana hoe :

Fa misy inona fa tsy arako?

Dia Gaga elah!

Tsy mahay afa-tsy teny Anglisy moa ireto mpivady nitondra an-janany (izy roavavy kely mba nahazo teny frantsay ihany), ka dia voatery ny tena nanazava taminy tamin’ny teny Anglisy ny zava-mitranga sy mety hitranga. Ary aleo nandefa azy ho any Tsimbazaza.

Hiverenantsika ny tena ventin-kanina.

Manomboka feno olona koa ny midina mankany #Analakely

Oayyyy eee! Mpiantsena daholo ve ireto?

Rehefa ela niandrasana teo ny olona maro izay efa nihamarobe tokoa, dia nanomboka tsindrian-daona. Nisy delegasiona voalohany nanatona ny lehiben’ny mpitandro filaminana mba hifampiraharaha. Valiny: tsia, tsy azo idirana ny tanàna fa any an-kafa, na magro manao hetsika

ireo saika hifampiraharaha tamin’ny EMMO

Nanomboka teo koa no efa nisy ny nanandrana nitarika ny olona hisahotaka, saingy tsy nandaitra fa voatosiky ny mpitandro filaminana, sy resy lahatr’ireo delegasiona voalohany, mba hihemotra hiandry ny mpitarika,  alohan’ny hanaovana dingana hafa.

Efa nanomboka feno ny teo anoloan’ny fiakarana ho any Antaninarenina, Ambatonakanga sy ny manodidina ny tsangambato MDRM, ary ny sisiny amin’ny fiandrasana taxibe 119. Toy izany koa ireo lalana miakatra miverina mankany Ambondrona sy ny tohotohobato Tavao, ary ireo havoana sy tranokely misy terasse manodidina lavitra eny

Na terrasse, na tamboho, nitazanana avokoa

Miantrana ny fiara, nefa mitombo koa ny olona

Mandram-piandry ny mpitarika sy izay hiseho ary dia mba afaka niala voly ihany ny mpanatrika taty amin’ny lohalaharana, satria dia nisy an’ilay ramatoa iray sahy nihantsy ireo mpitandro filaminana sy manipy vato tany amin’ny fiara, eny fa hatramin’ny mitsilany eo amin’ny arabe mihitsy aza, mba hanakana ny fiaran’ny EMMO tsy hiroso. Voatery mihitsy moa ireo mpitandro filaminana nibata sy nanipy azy ho eny amin’ny sisin’ny tsangambato.

Andao raha sahy…Oay, diso fa Tifiro raha sahy no nolazainy

Nodradradrain’ity ramatoa ity fa maty noho ny entona mandatsa-dranomaso nalefan’ny mpitandro filaminana ny zanany, koa raha sahy ireto mitana ny basy eny an-tanany, dia aoka koa hitifitra azy. Vitany mihitsy ny nitety tsirairay ireo fiara niantsona teo. "Hiady amin’adala tokoa ve moa" hoy ny sasany. Saingy adala noho ny inona tokoa moa izy? Ary raha isika no teo amin’izay toerana lazainy sy tantarainy izay. Marihana fa somary nandrairay kely ramatoa ka vao mainka koa nampiakatra ny hafanam-pony sy ny fahasahiany izany.

Mivoaha izay mafy e!

"Itsaho raha sahy fa ny zanako aza efa matin-tenisany tamin’ny lacrymogene"

Nolanjaina toy ny entana ary nahilika tery amin’ny sisiny, rehefa nitsilany nibahan-dàlana ny fiara tsy hiainga. Fahasahiana re izany!

Teo ampiandrasana hatrany ny mpitarika dia nisy tovolahy iray ihany koa, nijoro nanatrika ireo mpitandro filaminana, nifatotra scotch ny vavany, ary voafehy nihodidina toy izany ihany koa ny tànany roa, nipetaka tamin’ny vatany.

dia gaga elah!

Ary ny seho hafakely farany, alohan’ny tena nafàna, dia ilay rangahy iray mpampianatra nidradradradra ny alahelony nankeny amin’ireo mpitandro filaminana ihany koa. Hoy izy:

"Efa ho retraité aho"  "30 ans de service, ary tsy mpikambana amin’izay SEMPAMA any, nefa kosa dia aoka lazaiko an’laisany miaramila sy zandary tsy misy ilana azy ireo, apetraho ny basy dia andao hifandahatra. Misy mpianatro ialahy isany no hitako eto, tao anatin’ny firy taona monja dia mandray in-telo avo heny amin’ny karama raisko, nefa aho ity efa fotoana vitsy sisa dia hitsahatra. Mba misaina, aza dia faly ataon’ny olona fitaovana, ary avenir manao ahoana moa no tadiavin’laisany ho an’ny taranak’laisany ‘reo?"

zaho efa hiato, nefa 1/3 amin’ny raisin’ialahy isany no mba karama rasiko

Tsy diso anjara tamin’izany seho rehetra izany ireo roalahy solontenan’ny SADC eto #Madagascar. Tsy vitan’ny nanatrika ny fampisehoana tetsy ambony izy ireo, fa sady naka sary no nandefa izany sy niresaka nivantana tamin’ny findainy avy. Raha mba niezaka nanokatra ny vavany mba hampiresaka azy moa ireo mpanao gazety sy mpaka sary teny an-toerana, dia tsy nety niteny mihitsy ry zareo fa ny hany naverimberiny dia ny hoe

No comment

ry zalahy SADC izany, sady mizahatany no manao "ady idy"

Toy ireny mpizahatany ireny moa no bikan-dry zalahy amin’izany fotoana izany.

Eto isika dia hiditra amin’ny fotoana nahatongavan’ny ‘sono mobile’. Teo akaikin’ny Agha Khan no nipetraka ny fiara, ary nangatahan’ny olona hakarina any aloha (Ambohijatovo), saingy tsy nihetsika teo kosa mandra-pahatongan’i Fidel Razarapiera.Ny hiakan’ny olona teny an-toerana moa dia niantso ny hoe:

aiza ianareo, sa ho alainay any?

Rehefa tonga teny an-toerana i Fidel (14h 20 teo ho eo) dia nirohotra nitsena azy sy nitondra azy ho eny amin’ny sono mobile ny olona. Rehefa nandray fitenenana nanoloana ny vahoaka ranamana, dia ny nampitony ny olona no nataony satria tsy ho afaka hiditra ao anaty kianja. Tsy nanaiky izany anefa ireo olona marobe fa ny hiditra ihany no tao an-doha. Izay marihana etoana fa nisy antokon’olona efa tsinjo nialoha ihany fa nivonona ny hanao zavatra hafa no tanjony.

Tsy nahatohitra ny antsoantson’ny olona, raha tsorina dia hoe tsy naharesy lahatra sy tsy nahafehy ny olna marobe nihaino azy ranamana, ka nisy tamin’ireo olona tety ambony, nanakaiky ny vavahady College de France Ambohijatovo, no nihetsika nanao dia maika niharo hazakazaka madinika hiakatra ho eny amin’ny faritra manodidina ny mpitandro filaminana.

Ento aho ry tongotro

Vao nahita ireo olona marobe nirohotra niakatra ireo EMMO teo amin’ny vavahady dia sady nampaneno mafy ny anjomaran’ny fiarany, no mba nisy niteny tamin’ny fanamafisam-peo avy ao anatin’ireto 4 x 4 vaovao (nefa dia marihako fa ny 1 metatra miala ny fiara ihany no afaka naheno izany, satria tsy hainy angamba ny mampiasa ilay fitaovana).

Nirefotra amin’izay ny entona mandatsa-dranomaso voalohany nanomboka teto, ary raikitra ny Ento aho ry tongotro

Booom, booom Atsaharo ny hira dia mba mitomania amin’izay

Vetivety dia tsy hita izay nisy an’i Fidel, fa ny sono mobile sy ny mpikirakira azy kosa no tratra tany Ambodifilao tany. Hatramin’ny fotoana anoratana dia mbola voatàna any amin’ny mpitandro filaminana i Rado, teknisiana ao amin’ny FreeFM (toa tokony ho androany 22/05 no niakatra teny amin’ny fampanoavana). Efa nambara ihany koa fa hokarohana sy hosamborina izy mianadahy nanentana ny olona hidina an-dalambe, satria nisy ny fanimban-javatra hoy ny mpitandro filaminana.

teo alohan’ny tsangambato #Ralaimongo

ny fakom-baoritra nodoran’ireo mpanao fihetsiketsehana

Soa fa misy ny miaramila hanala sakana

Ny zavatra iray isan’ny nahatsikaiky dia ny fitangoronan’ny mpaka sary sy ny mpanao gazety nanaoloana ny varavarana fidirana ao amin’ny Hotel Le Glacier. Samy nanontany tena ny rehetra nahita ireo lehibe mpitarika ny EMMO niditra tao fa hoe

ao ve ry Lalatiana sy Fidel, ka hosamborina? Sa inona no mitranga eto?

Tsara ny lany sefo isany a!

Tsy nahitana valiny io raha tsy fotoana ela taty aoriana. Tsy inona ilay izy fa hay niditra hisakafo tao ireo lehibe ireo. (Nefa ny an’ireo mpanatanteraka tery an-kianja dia mofo dipaina sy fromage La Vache Qui Rit, niampy EAU VIVE).

Eo am-piandrasana ny hetsika hitranga rahampitso, famoriam-bahoaka, mbola eo amin’io kianja io ihany, iantsoan’ny Profesora Rajaonarivelo Paul , dia ndeha isika hijery sary mikasika ny #m1905 tamin’ny Sabotsy ao amin’ny Fickr momba izany.

 

Afomanga sy tifitra avylavitra

Aza taitra amin’ilay tifitra e! Fomba fotsiny io entina hilazana fa avy lavitra no nitifirana ny sary.

Fankalazàna ny  fitsenana ny Andro niverenan’ny Fahaleovantenam-pirenena (25 Jona 2011 2011, Anosy , Antananarivo)

Sary vitsy monja ho anao mpamaky

 

 

 

Fa aoka zalahy mba hialàna ity manipy tavoahangy plastika any an-tampon-dohan’ny sasany ity a. Raha miverina eo amin’ny lohanao moa iny ary niova no tena tavoahangy fa tsy plastika intsony, dia ahoana re eeee! Tsy te-hahita aho.

Anosy 18 May 2011

Ezahana ny hampiditra miandalana ireo sombin-tsary avy amin’ny rodobe nifanatrehan’ny mpitandro filaminana sy ny olon-tsotra androany teny Anosy, nandritra ilay hetsika rodobe notarihan-dry LALATIANA RAVOLOLOMANANA sy ny namany. Miankina betsaka amin’ny ‘debit’ omen’tolotra aterineto ny fiakarany (ho malaky ve? – asa re! ). Fa ny lahatsoratra aloha tonga dia efa avoaka mialoha.
Tsy asiana resaka betsaka fa fanazavana tsotsotra monja.
Voalohany amin’izany ny hoe nivadika ny fipetraky ny saina teo amin’ny Trano Fitaratry ny Antenimieran-Doholona Anosy, ka efa ela taty aoriana, rehefa nihorakorahan’ny olona, vao navadika ho amin’ny tena fipetrany araka ny tokony ho izy.
Ankoatra izay dia teo koa ny fisian’ny ramatoa iray niaraka tamim-badiny nandalo teny amin’iny faritra nisy sahotaka iny. Ramatoa nigogogogo nitomany teo amin’ny arabe, rangahy kosa nentin’ny miaramila niaraka tamiireo voasambotra niaraka taminy. Voalazan-dramatoa anefa fa olona marary ary mbola miaraka amin’ny fanafody sy avy niera tamin’ny mpampiasa azy fa tsy afaka hiasa io rangahy io. Filazany izay fa mbola hanana ny filazany koa ny mpisambotra.

Ny tsikaritra teny an-toerana fotsiny aloha dia ny tsy nahazaka’i Jl Ravalomanana ny nilazan’ireto andian’olona azy hoe ‘Jeneraly Baomba’. Niakatra afo ny lehilmahy ary nirotsaka mihitsy tamin’ny ankanenjika

Saina mivadika

Nesorina aloha ilay saina mba hatao amin'ny tokony ho izy

Dia naverina indray ny saina rehefa voahitsy

n

#TEDxTana 2010: Famelabelaran’i RABARY Désiré

RABARY Désiré miteny eo anoloanireo mpanatrika ny #TEDxTana

Hoy i Mahatma Gandi manao hoe: "Ianao no tokony ho fiovana voalohany izay tadiavinao hisy eo amin’izao tontolo izao". Isan’ny teny nampahatsiahivin’i Rabary Désiré nandritra ny famelabelarany io ary hery nanosika azy tamin’izay nataony.

Nilaza i Rabary Desire fa mampalahelo azy ny mahita ilay ala kely mahafinaritra  teo akaikin’ny fonenany mihena an-toerana isan’andro ary nandritry ny taona maro dia naniry ny hanana  fotoana mba holaniana amin’io ala kely  akaikin’ny fonenany io izy, ary izay no nanosika azy hanomboka ny valan-javaboahary tao Antanetiambo. (faritra Andapa)

Sary nindramina tamin'ny fanolorana nataon'i RABARY, ahitana ny toerana misy an'Antanetiambo

Novidiany taty aoriana ny tany nisy azy io mba hahafahany mitahiry ireo ragidro mpiaina anaty volotara ao anat’ilay faritra, mba hojeren’ny taranany any  aoriana. Vola noho ny herim-pony fony izy nanao mpitari-dalana mpizahatany tao amin’ny valan-javaboaharin’i Marojejy no nahazoany azy.

Marojejy sy ny hakantony

Noho ny fanohanan’ireo mpikaroka maro sy ny WWF dia tafiditra ao anatin’ny faritra arovana ankehitriny i Antanetiambo, ary misokatra ho an’ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana

Sary nindramina tamin'ny fanolorana nataon'i RABARY, Antanetiambo tazanin-davitra

Tany aloha tany hoy hatrany Rabary Désiré dia nampitandrina ahy foana ny olona fa saropady ny filazana ny marina, nefa kosa tsy maintsy mitraka sy mijoro hatrany hanohitra ny kolikoly tsy mitsahatra sy ny fanakorontanana ny toeram-ponenana any anatin’ireny valan-javaboahary sarobidy ireny ny tena.

Ny faharavan'ny tontolo anaty ala ao an-toerana

Ny tatitra nataon’ny Missouri Botanical Garden izay nandalo tsy ela akory tao amin’ny Valan-javaboaharin’i Masoala hoy hatrany ny mpandahatra dia nahalalàna fa an’arivony ny olona miaina ao anatin’izy io ka sady manapaka tsy nahazo alàlana ny hazo sarobidy samihafa toy ny voamboana, no mamono koa ireo ragidro efa mila ho lany tamingana. Voatondro ho tompon’antoka amin’ny fitohizan’ny zavatra toy izany ny fitiavam-bola tafahoatra, ny kolikoly ary ny politika.

Fiaraha-miasa amin'ireo mpikaroka

Nangataka ireo rehetra nihaino izy mba hanao asa mivaingana kokoa fa tsy hionona fotsiny amin’ny fanoratana mikasika ny olan’i Madagasikara satria raha tsy misy fanaraha-maso entitra  atao amin’ny ala dia tsy ho ela dia ho fongana ny hazo voamboana eto Madagasikara, ary isan’ny vahaolana narosony ny tokony handraisana fepetra hiarovana ny voamboana avy aty Madagasikara eo anivon’ny tsena iraisam-pirenena mikasika ny zavatra arovana, ao anatin’ilay antsoina hoe fifanarahana CITES (Convention on International Trade in Endangered Species). Atao karazana lalàna toy ny efa fisian’ny lalàna mandràra ny fanondranana ny ragidro avy eto Madagasikara. Tsy mety ny hamela ireo Sinoa mpanambola hitsotsotra eny ambony fandriana misanda 1 tapitrisa dolara natao tamin’ny andramena (bois de rose, rosewood) avy amin’ny alantsika  mihapotika isan’andro ary ny Malagasy kely kosa mitrongy vao homana

Tsy saro-pantarina ny vahaolana hiadiana amin’ny fahasimban’ny ala sy ny fihazàna hakàna hena hohanina any ambanivohitr’i Madagasikara, saingy sarotra tanterahana kosa.

Voalohany, resena lahatra hampiato ny fihazàna ny olona. Mbola misy ny olona eto Madagasikara no tsy miompy biby toy ny akoho,na omby na koa mamboly ny zavatra ilainy, fa mioty sy mihaza fotsiny any anatin’ireny faritra arovana ireny. Ilaina ampianarina hiaina zavatra maharitra ireny olona ireny.

Fampianarana ny ankizy mba hiaro ny tontolo iainany

Faharoa, mila manamafy ezaka isika manabe ny ankizy sy ny olon-dehibe koa  amin’ny anjara toerana lehibe tànan’ny ala eto Madagasikara. Tsy misy ala midika tsy misy rano fisotro. Miankina amin’ny ala izany ny fiainana ka rehefa tsy misy ala, tsy misy aina.

Ny zaha-voary koa dia loharanon-karena goavana ho an’i Madagasikara araka ny fahitan’i RABARY Désiré satria hahazo vola amin’izany ireo mponina eny an-toerana izay handrisika azy ireo ihany koa hiaro ny ala sy hiady amin’ny fahantrana, antony iray mahatonga azy ireo hanimba ny ala.

Hampiroboroboina ny Zaha-voary (Ecotourisme)

Farany hoy izy dia ny fandrindrana ny fahaterahana any amin’ny manodidina ireny faritra arovana ireny. Nitombo avo roa heny ny vahoaka Malagasy teo anelanelan’ny 1975 sy 2000 ary mbola ho avo roa heny amin’ny ankehitriny amin’ny taona 2035. Nampitombo ny tsindry mahatonga ny fahasimban’ny ala izany. Tsy manana fahafahana mampiasa fitaovana na fepetra fandrindrana fahaterahana ireny olona ireny na te hametra ny isan-jaza ateraka aza. Fantany anefa fa azony atao ny manana fiainana tsaratsara kokoa raha mba azony noferana ny isan-jaza ka sady manatsara ny ho avin’ny taranany ry zareo no manasoasoa ny ala.

Nisaotra ny mpihaino sy ny  #TED moa ingahy RABARY Désiré nanome sehatra azon’ny ala tropikalin’i Madagasikara namoahana ny feony, dia ny ala izay aina sy fanahin’ny tanindrazantsika.

Hoy indrindra izy namàrana ny teniny: Misy fiteny izay eto Madagasikara manao hoe, «Hazo tokana tsy mba ala". Un arbre n’est pas une forêt, One tree is not a forest, koa ndeha isika hifanome tànana.

Nandray ny loka International Environmental Prize Seacology Prize

#TEDxTana Photos/Sary/Pictures – MDLC Anosy

Dia hanomboka tsy ho ela raha toy zalahy e! Fa mandra-piandry an’izay aloha dia hanandrana hampakatra sary vitsivitsy hahitanareo ny ambiansy izahay. Havaozy matetitetika ity pejy ity fa hifandimby hisy sary miditra eto an!

ry zalahy ao amin'ny Toughstuff

ireo fampahafantarana kely madinidinika

Na ny rano fisotro aza TEDx koa

Miondrika dia efa mahazo ny ilaina: herinaratra, connexion....

ry zalahy misahana ny fifandraisana anatiny sy ivelany

Lalah, iray amin'ireo mpitoraka bilaogy ofisialy amin'ity hetsika ity

andrydago koa isany an!

tahiana ihany koa e!

Mifanakalo hevitra sy traikefa ao anaty firahalahiana tanteraka amin'i Hery

Jenny sy ny talentany

Ireo mpanotrona ny #TEDxTana 2010

Iay adala lahy miady amin'ny fahantrana

Alehibeazo ny sary dia ho hitanao eo ny santionany amin'ireo mpandray anjara sy mpanomana ny hetsika

Ireo mpanomana sy mpandray anjara

ny anaran'ireo bilaogy ofisialy etsy ankavanan'ny pejy natokana ho an'ny MAKATY

Hiato kely aloha ny fampiakarana sary fahiditra amin’ny tenba resaka isika0 Jereo ny lahatsoratra mifandraika amin’izany

Taxibe 119 – Ambohijatovo

Misy ny tetikasan’ny fiadidiana ny tananan’Antananarivo ho fanatsarana ny zotra taxibe 119 mba hofitaratry ny zotra hafa. Miandry izay ho tohiny sy fihatraran’ity raharaha iray somary nampisavoritaka ny avy any Ambohitrimanjaka ity ny rehetra.

Fa raha izay fahita isa-maraina etsy Ambohijatovo aloha dia asa raha tetika mahomby ilay tsy fisian’ny polisy mandamina fifamoivoizana tato ho ato na ahoana (efa ela koa moa no nitovy foana na misy na tsy misy polisy eny an-dalambe eny). Isa-maraina tokoa mantsy dia tsy maintsy mibahana ny fifamoivoizana amin’ilay sampanana miakatra mankany Antaninarenina iny ireto zotra taxibe 119 ireto. Ary tsy izy ireo ihany kosa aloha fa manampy trotraka ny ataony koa ireo zotra 147 sy ny hafa avy amin’ny kaoperativa Tselatra.

Ambohijatovo isa-maraina

Rehefa tonga eo amin’ny sampanana hiakatra ho any Antaninanarenina iny ianao isa-maraina dia manontany tena hoe : "sao dia ny mpanampy ny mpamily – receveur – aza no eo amin’ny familina eo ka tsy mahalala ny tokony hataon?" . Farafahakeliny amin’izay tokony hatao mantsy ny mamela ny làlana mba hizoran’ny hafa rehefa hita fa tsy ho afaka hisosa akory ny fiaranao. Fa dia miroso soa amant-tsara mibahana ny hafa ry zalahy ary miandry ny sitra-pony eo ny rehetra. Ny fanalàna olona eny afovoan-dàlana moa manginy fotsiny.

Na ny kaoperativa hafa koa aza manao ny ataony eto Ambohijavtovo

Ny zavatra tokony ho ao an-tsain’ireto mpamily ireto ihany koa dia ny hoe : rehefa voabahana – mitohana – ny fifamoivoizana eo amin’io faritra io dia miantraika hatrany Antsahabe, Ambondrona ary Ambohidahy sy Anosy ny vokany. Saingy ny azy aloha no voalohan-daharana, ary ny azy no tsy azo ampandeferina, ka dia "izay voa manodidina".

Anosy: Ny hetsika manodidina ny fahatongavan’i GIC

Araka ny efa fantatry ny maro moa dia efa tonga eto Madagasikara ary eo am-pandraisana tsirairay ny solontenan’ireo firehana rehetra ny GIC, tarihan’i Jean Ping, amin’izao fotoana izao.

Mbola co-présidents ihany aloha hatreto no iantsoan’ny GIC an-dry Rakoto Andrianirina Fetison sy Rakotovahiny Emmanuel. Isan’ireo manatrika ireto GIC ireto koa ry Mangalaza Eugene sy Camille Vital.

Fa ety ivelany kosa dia misy ireo olona mihirahira sy mitangorongorona tsy hay hoe mpomba sa mpanohitra. Fa ny hita aloha dia tsy avelan’ireo mpitandro filaminana hisy izay fitangorongoronana izay.

Manaikaiky indrindra ny foibe teo aloha nisy ny RNM, sy eo akaikin’ilay fiandrasana fiara mpitatitra no nisy ireto olona mitangorongorona sy mihira ireto.

Ramatoabe iray, miandry ny zafikeliny teo amin’io fiantsonana, no isan’ireo nasain’ny mpitandro filaminana niala. Namaly tsotra anefa ity ramatoabe (efa nahazohazo taona ihany, manodidina ny 60 taona any), fa miandry ny zafikeliny izy, fa tsy misy idirany amin’izay ‘sakorokareo’ any. Izy rahateo tsy afaka ny mandeha haingana izany, raha misy filàna fandosirana. Nampahafantariny an’ireo mpitandro filaminana izany.

Nanomboka ny fandefasana ny baomba mandatsa-dranomaso, ka isan’izay nandefasana teo akaikin’ilay ranenibe. Dia mazava loatra fa nizaka ny vokany teo raneny, saingy nahatezitra ny rehetra nanatri-maso kosa ny fihetsik’ilay mpitandro filaminana nanao akanjo mainty ambony ambany nandefa azy io, indrindra fa mbola narahany vava hoe

ianao no te-hipetraka eo

Raikitra ny ankanenjika teny amoron’ny ranon’Anosy sy ny manodidina azy. Na ny marimarina kokoa dia ny fanosehana ireo mpanao hetsika mba hihatakataka lavidavitra kokoa ny faritra misy ny Carlton.

Tonga hatrany akaikin’ny Tranoben’ny FIARO sy taty ambanin’Antsahamanitra taty ny fangalam-piery.

Tamin’ny 2 ora tolakandro teo no niandoha io gidra io. Ary nisy kely foana teny antsefantsefany teny hatramin’ny 5 ora hariva nandaozana ny toerana.

Na teo aza anefa ny fisian’izany rehetra izany , tsy nahasakana ny tsenan’Alakamisy teo Mahamasina tsy hisy. Nitaintain-dava toa Saobakaka am-body riana kosa anefa izy ireo, ka mbetika no mifanontany ny hoe

raikitra angaha

satria raha vao raikitra ny ‘sakoroka’ ka mihitatra mankany amin’ny faritra misy azy ireo, dia efa tsy maintsy vonona sy kinga amin’ny fanoronana ny entam-barotra. Ny taxibe koa dia tsy nisy sahy nijanona ela teny amin’ny manodidina, fa zara aza afaka ny miala ary tafiditra ny miaktra, dia ‘roahy fa hariva’.

Eto am-pamaranana dia inty misy tsy aritra kely:

Tafahaona ka niresaka ireto tanora vitsivitsy tafahaona teny an-kianja teny. Tonga dia fanontaniana ny an’ilay tovolahy voalohany A  ‘ndeha hataontsika A , B , D ny solon’anaran-dry zareo:

A : K’inona no inona?

B: Izao e!

A: Izao ahoana e?

B: k’izao sisa koooo!

D: Izao sisa ahoana e?

A: izao e!! Miandry fanapahan-kevi-bazaha vao hihinan-kanina!!

A sy B: hay ve eeee!

A: Noheveriko fa inona ary no loza ho lazain’ialahy!

B: Fa amin’ialahy angaha tsy loza izany miandry tataka sy manao hata-piso ary milela-paladiha lava izany? F’ialahy ve ahoana e?

Teboka famaranana…

Anosy/Mahamasina Pr.Zafy sy ny tariny

Na dia nihevitra aza ny maro fa mbola hiverina ny korontana toy ny omaly, dia tsy nisy na inona na inona afa-tsy olona visivitsy nihirahira sy nipetrapetraka nanandrify ny fiantsonan’ny taxibe teo Mahamasina no hita androany hariva.

Hatramin’ny tamin’ny 5 ora hariva nialana teny an-toerana dia mbola teny koa ireo mpitandro filaminana.

Sady nandrindra ny fiatoan’ireo taxibe izy ireo, no niandry izay mety hiseho ihany koa.

Niandry an’i Manandafy sy ny Pr Zafy moa ny ankamaroan’ny olona, saingy nangaina fa tsy nisy hita teny ny mpitarika.

Teo ampialofana noho ny erika nifafy, dia nisy ny nahatsiaro ny tany amin’ny 1991 tany, ka nilaza fa tafaraka indray ireto i  Zafy sy Manandafy, ka hafàna tokoa ny tanàna. Toy izao mantsy hoy izy ireo no nitarihany ny olona tamin’izany fotoana sy nahatonga ireny raharahan’ny 10 Aogositra ireny. Asa re!!!

Raha jerena tokoa mantsy izay nolazain’i ¨Pr Zafy tamin’ny mpanao gazety avy amin’ny  Express de Madagascar nivoaka androany, dia efa vonona tanteraka hiatrika korontana ry zareo. Nolazainy fa ‘olona efa niomana sy vonona hifanehatra amin’ny mpitandro filaminana ary tsy matahotra grenady ireo olona tarihany eny, ary izany no isan’ny antony mahavitsy azy aloha amin’izao fotoana izao . Azonao vakiana ato izay resadresaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazetin’ny l’Express de Madagascar izay

Anafaro fianakaviana ny toy itony

Raha ho any Antsirabe no dianao, na ny fianakavianao, dia mba tandremo ny toy ity.

Nentin’ny hamehana ireto olona vitsivitsy hiazo an’Antsirabe, ka raha tokony ho an’ny amin’ny fasan’ny karana no haka fiara fitaterana, dia notsenain’ny mpanera teo Anosikely (Anosy anoloan’ny Tranoben’ny Loholona). Isan’izy sasantsasany tamin’ny ankohonan’ny mpitantara. Fiara roa no teo. Tsy nisy nanampo ny sangisangy sy ny vazivazy nataon’ireo mpanera ny rehetra tao anaty fiara. Raha iny ilay mbola samy sondriana niandry izay hahafeno ny fiara iny tokoa mantsy ny rehetra (olona 2 sisa no nandrasana) dia ‘mifanala’ eo ivelany eo kosa ny mpanera sy ny namany, ka hoy indrindra ny iray tamin’izay (sady manondro tsirairay ireo fiara roa niantsona teo izy):

ity ilay mpanary an-dàlana, ary ity ilay mitsoaka vitesse

Rehefa feno àry ny fiara dia niainga nitodi-doha hianatsimo amin’izay. Naka solika sy nameno rivotra teo Ankadimbahoaka aloha. Teo dia efa nisy ny tranga nampiahiahy ny ramatoa iray izay nipetraka nanandrify indrindra ny kodiarana nofenoina rivotra farany. Nisy rangahy mihaja iray teo ivelan’ny fiara (toa mahay tsara ny mombamomba ny fiarakodia, hono,  ilay ranamana). Nanontaniany ilay mpiasan’ny tobin-tsolika nameno ny rivotra hoe:

Ary tsy manary ve izany kodiarana izany r’ise?

Namaly ilehio:

Ie, manary ity

Rehefa vita ny nataony dia nahorony ny fitaovany, fa tsy niteny tamin’ingahy mpamily izy.

Roso indray ny fiara. Teny an-dàlana dia midoladola ilay kodiarana voalaza ka manary rivotra. Mandra-pahatonga tany aloha kelin’ Ambatolampy dia efa impolo kely angamba no nijanona (maty) ny fiara. Antony : Miakatra maripàna isaky ny roa kilometatra mahery eo ny fiara, indrindra moa fa rehefa miakatra fiakarana. Nananomboka ny menomenona sy ny fitakiana famerenam-bola avy amin’ireo mpandeha. Ingahy mpamily anefa tsy mety hamerim-bola fa hoe efa lany nividianana solika sy nanomezana ireo mpanera tany Anosy, hono. Hatreto dia nojerena sy navela nandalo fotsiny ireo fiara hafa nisongona ilay notaingenan-dry zareo.

Ny loza dia nisy tamin’ireny fahafatesan’ny fiara ireny no nitranga tao anaty fiolahana mampidi-doza, ka nanery ireo mpandeha tsy hijanona tao anaty fiara sy tsy nanaiky ny hanohy ny dia intsony, eny fa na dia tsy hamerim-bola aza ny mpamily (mba ho fitsinjovan’ireo mpandeha ireo ny ainy). Nanontaniana ny saran’ny dia hatreo Ambatolampy ka voalaza fa 3000 Ariary (tsy mbola ao anatin’io ny saran-dàlana hankany Antsirabe).

Nisy fiara avy any atsimo ka nahalàla ity mpamily hafa kely ity, ary nanontany azy izay mitranga, dia hoy ingahy io:

Misôfy nedala sady mi-gondole ny motera sady niala ny vitesse

Marihàna fa isak’izay misôfy ny fiara dia mivoaka miaraka amin’ny fasian-drano roa ingahy mpamily ary mitady tanimbary na renirano mba hantsaka sy hameno ny radiateur. Toy izany hatrany eraky ny làlana. Ary dia lasa fihomehezana hatrany ny mahita azy sy ny patalohany mila hiborotsaka mitondra ireo tavin-drano roa miakatra avy any an-dohasaha any. Nanampy trotrka koa moa ny fisian’ny vehivavy iray marary saina nentin’ity mpamily ity (izay nivavaka mihitsy ny hivarinan’ny fiara any anaty hantsana, hono, fa izy efa te-ho faty nefa tsy mety maty mihitsy). Asa na ahoana no mba fipetraky  ny raharaha toy izany? Tena tsara raha izy sy ny mpamily irery no niara-dàlana fa angamba nety ho tonga tamin’ny tanjona niriany.

Dia nifanaraka teo ny roa tonta (ilay fiara avy any atsimo sy ingahy mpamily) ny amin’ny handefasana ireo mpandeha hamonjy an’Ambatolampy. Tsy ny rehetra anefa no hanana vola amboniny hiatrehana ny toy izany ka dia nisy ankohonana telo teo angamba no tavela niaraka tamin’ingahy mpamily sy ny fiarany teo amin’ilay toerana.

Tao Ambatolampy indray vao nàka fiara hafa sy nandoa vola amboniny namonjy an’Antsirabe. Ireo olona maika rehetra ireo dia tao ny hamonjy dokotera tao an-tampon-tanàna, tao ny hamonjy fahoriana tany Betafo sns…

Koa anafaro fianakaviana ny toy itony, ary indrindra indrindra, tandremo ny fiara  TOYOTA 1288 TAG , fa io moa no laharany. Tsy voalaza tamiko ny Kaoperativa misy azy. Fa raha tamin’ny 6ora sy sasany maraina ny fiara no niala teo Anosy, ary nihevitra ny ho tonga tany Antsirabe amin’ny 9 ora sy sasany na amin’ny folo ireo mpandeha rehetra tao anatiny, dia efa nihilàna ela ny masoandro vao niditra ny tanànan’ny Ranovisy ry zareo.

 

‘Sit-In’ nataon’ny mpanao gazety teo Ambohijatovo (ministera) sy teny Anosy (Lapan’ny Fitsarana)

Indreto tatetiko an-tsary ho anao ny hetsika nataon’ny mpanao gazety androany, taorian’ny nisamborana an’i Evariste Ramanantsoavina (Radio Mada).

Fanamarihana kely avy amiko fotsiny ny hoe: fa maninona moa no tsy nihetsika toy izao ny mpanao gazety fony nitranga ny fahafatesan’i ANDO (RTA)?

Tsinjo teny antsefantsefan-dresaka teny ihany koa (na dia somary atao resaka amin’ny feo iva aza) fa tsy itoviana ny risika (motivation) nahatonga ny be sy ny maro ho eny. Re avy amin’ny fanehoan-kevitra ‘amin’ny feo iva’ io mantsy fa mbola misy fofona fironana ihany ao anatin’ny sasany amin’izy ireny.

Ny nahatsikaiky koa dia, raha tokony ho eny Faravohitra no hanohizana ny dia, ary nafindra ho any Anosy indray avy eo, dia hay tao Anosy efa vonona be ny olona hiandry an’ingahy Praiministra Monja Roindefo, hanokatra amin’ny fomba ofisialy ny Taom-pitsarana vaovao.

100_0684

Efa tafiditra tany anaty efitrano fitsarana minitra maro moa ingahy Praiminisitra vao tonga kosa ireto mpanao gazety haneho hevitra.

100_0698

Na dia nafana sy nivaivay aza ny fipetrahana teo ambony tara (goudron) niandry an’ingahy io mandra-pivoakany tao, dia niaritra teo ny rehetra.

Saiky tsy hitan’ingahy Monja Roindefo anefa ireto mpanao gazety talohany hidirany tany anaty fiara raha tsy nomena ‘top’ izy. Ny antony ve ? Satria talohan’ny nivoahany dia nasain’ny miaramila niala teo amin’ny tara mahamay ireto mpanao gazety ka ry zareo indray no naka ny toerana mba hanao ‘porizenitra’ holalovan’ny Praiministra. Takona tao aorian’ny miaramila araka izany ireo mpaneho hevitra , ka efa tamin’ny segondra farany vao niverina nitodika tany amin’ny ny mason’ingahy Praiminisitra ary niakatra daholo amin’izay ireo taratasy maro fanehoan-kevitra sy fitakiana avy amin’ny mpanao gazety.

Lava be koa izany resako izany fa ireto ny sary ary e:

100_0688

100_0702

100_0703

100_0704

Suivre

Recevez les nouvelles publications par mail.

Joignez-vous à 399 followers