COSFA – RUGBY nisetrasetra teo Andravoahangy

Zavatra natrehin’ny maso ity tanisaina ity.

Niampita tamin’ny faritra tsy tokony hiampitàna eo amin’ilay boribory manoloana ny paositra Andravoahangy io ireto 3 lahy avy amin’ny COSFA, anaty fanamiana maha mpanao RUGBY azy mihitsy zalahy amin’io, survet fotsy ambony ambany. Nisy moto nihodina tamin’io fihodinana io, ary somary nanakaiky azy ireo. Ry zareo amin’io eny afovoan-dàlana. Tonga dia nokapohan’ilay teo amin’ny sisiny mafy ny ‘retrovisuer’ havia tamin’ilay moto ka niodina tsy tamin’ny toerany intsony. Tsy naharitra ilay nitondra ity farany, ka niverina nangataka fanazavana. Inona ho ianao no valintenin’ilay nanao ny tsy nety?

Fa tsy hitanao angaha fa miampita izahay, ary tsy misy fiampitàna eto

Namaly izany ilay mpitondra moto no sady niteny hoe

tsy azoko mihitsy ny antony tokony hanimbanao zavatra, nefa ianao sady efa any anaty arabe, no any amin’ny faritra tsy tokony hiampitàna

Nampian’ilay mpitondra moto tamin’ny hoe

raha tena nihevitra ny handona anao aho, tsy hanana ny rariny mihitsy ianao satria tany anaty faritra tsy izy mihitsy. Ary azoko toriana naie ianao raha izay no tiako e. Dia any amin’ny fitsarana sy ny assurance ianao no miresaka

Fa vao mainka toa nanome hery ireto mpisotasotan’ny COSFA izany, ka mbola nopehany indray ny retrovisuer havanan’ilay moto, ary dia tapaka tarangana.

Nisy manamboninahitra ambony avy amin’ny tafika nanao double tamin’ny moto , mbola nandeha nanivaka tamin’io làlana io ihany koa fa tsy nanaraka ny fiolahana, sady tsy nanao aroloha , nahita tsara ny fifanazavana teo, ary nijanona nanontany ny fandehan-javatra. Tsy nisy nataon’ity manamboninahitra ity afa-tsy ny nanala ny azy, ary tsy nasiany resaka ny momba ilay zavatr’olona simba

Tsy dia mahagaga loatra raha tsy misy vidiny eny anivon’ny fiarahamonina ny miaramila, eny fa indraindray aza, dia eny anivon’ny fianakavian’izy ireny nihitsy ry zareo no tsy misy hajany. Ry zareo izay eritreretina ho tandroka antoky ny fandriam-pahalemana sy tokin’ny vahoaka. Nefa toa mivadika ho tandroka hanoto sy  horohoro ho an’ny maro kosa.

COSFA RUGBY, mba sampana fanatanjahantena tokoa va re, ary mianatra izany toe-tsaina mpanao fanatanjahantena izany, sa fanofanana inona no raisina ao anatiny ao? Mampanontany tena rana ny zavatra hitako androany

Adinoko fa nisy polisy mandamina fifamoivoizana eo amin’io faritra io, fa tsy nihetsi-bolomaso akory.

Ary mba manao ahoana tokoa moa ny amin’ny anjara andraikitry ny mpitantana ny tanàna sy ny resaka fifamoivoizana amin’ny fametrahana ireny faritra natao ho fiampitàna ireny e?

Fiara nisy nandoro, Haintrano tsy nahy…

Tokony ho tamin’ny 6 ora hariva tany ho any ny andron’ny 16 Novambra 2010 dia hatairana ny an’ny rehetra raha  nahta fiara mpitatitra lasibatry ny afo (taxibe 139) tetsy Ambatomitsangana ambony, akaikin’ny tohotohobato midina mankao amin’ny toeram-pianarana "La colombe"

Raha ny filazan’ny mpanampy ny mpamily dia toa hetraketraky ny olona iray niala avy tao anaty fiara sy nanao izay hialàna haingana ny toerana no antony, satria tsy ela taorian’izay dia nirehitra ny fiara. Soa fa tsy nisy ny aina nafoy. Simba tanteraka tsy nisy azo natao ahoana kosa anefa ny fiara. Tonga teny an-toerana ny mpamono afo sy ny mpitandro filaminana nifehy ny olona sy nanao ny asany.

Fa raha mbola teo an-toerana naka sary sy nanangona vaovao ny tena no nisy olona sendra nandalo no sady miresaka amin’ny finday reko tampoka miteny mora manao hoe

"izaho izao vao avy nandalo tery ambony tetezana fa misy zavatra midonaka be ao akaikin’ny Look’s ao, nefa eto koa aty ato misy minibus mirehitra"

Tsy naharitra aho fa tonga dia nisakana ilay olona no sady nanontany azy tsara hoe :

"aiza hoe ramose no misy inona koa?"

Ary dia natorony ahy ny toerana.

Marihana fa tafaraka tamiko teny ankianja i Andrydago , Ariniaina, ary Candy tamin’io fotoana io ary nifampizarana haingana ny vaovao. Tonga dia nitodi-doha nidina namonjy ny tao amin’i Look’s daholo indray ny liam-baovao rehetra.

Afobe mijoalajoala nandevona ireo trano hazo tao ambadik’ilay toeram-pivarotana Moto eo akaikin’ny OTIV no niandry ny rehetra tao. Tokantrano valo eo raha kely no rava fanànana. Isan’izay lanin’ny afo sy tsy nisy azo natao ny foiben’ny AKFM etsy Andravaohangy ambony, satria dia tafakisaka hatrany ny afo, raha taty ambany no niainga.

Kila hotohoto ny foibe AKFM

Ankizivavy kely iray nitomany teo akaikiko teo no nanontaniako ny amin’ny antony nahatonga ny afo (ao anatin’ny tanàna mirehitra izahay amin’io) . Sady mitomany izy no nitantara ny tahony ny mpampianatra azy fa hoe bedin’ilay mpampianatra azy hono izao izy fa tavela ao daholo ny fitaovany rehetra, may ao koa ny sora-piankohonany, sns … Rehefa nampanginina sy nilazàna izy fa tsy misy bedy izany fa hita sy zakain’ny maro ny fahamaizana mitranga, dia nanomboka nitantara ny niandohan’ny afo.

"Nisy nanao zavatra tao afovoany tao, tsy haiko na nandoro taratasin-kabone, na avy amin’ilay fatapera, fa niparitaka ilay afo. Avy ao amin’ilay mpivarotra pate jaune" – Cathy

Ankizy iray hafa no nitantara fa nahita koa ny fiparitahan’ny afo saingy efa nahazo vahana vao tsinjony

"Saika hamono ilay afo ihany aho fa tsy navelan’i Zeze. Avelao fa tsy matin’ialahy intsony io hoy izy. Dia nandositra nanavotra aina sisa no nataonay"

Fa ny tena nanahirana ahy tamin’ity haintrano ity dia satria misy fianakaviana sahirana, anisan’ireo karakarainay mivady miaraka amin’ireo mpifanohana aminay (TetezanaOnlus) tao. Ny fianakavian’i Njaka kely. Tsy mbola tao an-tokantraony izy ireo tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. May tao daholo ny fitaovana nomena ny ankizy mba handratoana fianarana, ny fitafy, ny fanaka kely mba azy ireo. Ny teny an-kodiny sisa no tavela sy hany fananany.

sary nalaina ny ampitson'ny loza. Teto no nisy ny tranon'i Njaka kely ny ny ankohonany

Ary na teo aza izay nanahirana izay dia ity no tena nampahonena sy tsy nampandry ny saiko mandra-pahitako ny marina. Tsy niala teny an-toerana mihitsy aho raha tsy afa-nenina sy nahita vokatra: misy mpiambina io foiben’ny AKFM io, Ra-dadafara no fahalalan’ny maro azy, manana zafikely 7 taona miara-monina aminy izy. Rehefa nahita ny afo io zazalahy kely io dia nihanika andrin-jiro nijery an’izany no sady nangataka tamin-dRa-dadafara hoe

" Misy afo ato ry dadabe fa omeo rano aho hamonoako azy"

Taitra tamin’izany ny lehibe ka nijery, ary rehefa nahita fa tsy nisy azo atao intsony dia ny niteny an’ity zaza mba hidina sy hiala haingana ny toerana. Ary dia teo no farany nahitan’i Ra-dadafara an’i Babainina kely (Mika no tena anarany)  Samy nikorapaka namonjy aina ka rehefa tany ivelany vao nahatsiaro ilay rangahibe fa tsy hitany intsony ilay zaza. Namoy fo sy efa saiky hanaotao foana ny anao lahy, ary niteny fa raha tsy hitany ilay zaza dia hanapitra ny androny koa izy. Notonena izy ary nilazako fa any ampitan’ny arabe any anie ka mbola feno ankizy sy olona marobe e. Any Mika fa aza tonga dia manary toky (izaho anefa amin’io tsy mbola nahafantatra mihitsy na maty na velona ilay zaza).

Tsy nety nino izy ary nandeha nitety ny sisin-dàlana rehetra nikaroka an’i Mika. Izay rehetra nanontaniany anefa dia samy tsy nisy nahita. Tsy nijanona teo koa aho fa lasa nanao ny fikarohako manokana. Ny zavatra vao mainka nampivarahontsana ahy indrindra dia ny nahenoako tamin’olona roa samihafa, tamin’ny toerana roa samihafa, fa hitan’izy ireo i Mika niverina niditra tany anatin’ilay trano niantso ny raibeny, ary izy nikiakiaka niantso "Dada" no farany henon’ireto olona ireto, izay tsy hafa fa olona mipetraka eo amin’ny manodidina ihany sy nanampy tamin’ny asa famonoana afo mandra-pahatongan’ny mpamono afo.

Manao izay tratry ny aina aloha mandra-paha...

Tapitra noteteziko sy nanonntaniako avokoa ny siisn-dàlana rehetra feno ireo olona nivorivory, na avy aty amin’ny Look’s aty ambany, na avy ary Andravoahangy ambony amin’iny vavahadin’ny AKFM iny, fa tsy nisy nahita an’i Mika intsony. Efa nanomboka ho kivy aho. Raha tamin’ny 6 ora sy 30 mn tany ho any mantsy ny afo no nanomboka, dia efa amin’ny 8 ora sy sasany kosa io fotoana nanombohako nivalaketraka io.
Nisy ankizilahikely nahalala ny fikarohako an’i Mika ka nanatona ary niteny fa lasa any amin’ny fianakaviany eo akaiky eo ihany i Mika fa tsy tavela ao anaty afo akory. Nentiny nijery maso azy aho ary dia indro tokoa i Mika miaraka amin’olona vitsivitsy, eo ambony tamboho iray,  mitazana ny tanànany fahiny lanin’ny afo.

Hafaliana tsy nisy toy izany ny an’ilay rangahy efa teo amoron’ny famoizam-po raha nandre fa any i Mika, ary saika nanaotao foana izy hanapitra ny androny koa tamin’ity androany ity. Niandry fotsiny ny fiafaran’ny famonoana ny afo mantsy izy sisa hamantarany na tavela tao i Babainina na tsia, ka aorian’izay no saika handraisany fanapahan-kevitra saika namoa-doza.

Fa ny tany hono tsy ilaozan’adala. Mba nisy ihany ny fianakaviana afaka namoaka izay azo navoaka mba tsy ho levon’ny afo. Fa ny tsy valahara kosa mahita làlana foana hanimbinana ny kely sisa mba avotra. Ary raha mba izy ireny indray re no voa aoriana kely ao e? Amin’izay mety ho tsapany ny nahazo ny hafa tamin’io fotoana io.

Nilazana moa ny ankohonan’i Njaka kely fa raha tsy mahita haleha izy io alina io dia afaka mankany an-trano aloha miandry n y andro mazava mba hitadiavana vaha olana hafa indray, saingy toa hoe mbola tsy misy mahazo miala ry zareo fa miandry ny fanadihadiana ataon’ny polisy ho vita vao mahazo mandeha daholo

Fanampim-baovao : Hagagàna tanteraka ny ahy nony tonga taty an-trano fa nivadika ho toy ny resaka doro trano politika natao tamin’ny foiben’ny AKFM ny fanazavana nataon’ireo mpanao gazetin’ity  Fahitalavitra tsy miankina iray ity TV Plus, izay marihako fa efa antsasak’adiny mahery taty aorian’ny nitrangan’ny loza vao tonga teny an-toerana. Izahay kosa minitra vitsy monja taorian’ny niaingan’ny afo no efa teny

17 novambra 2010: Ity indray dia resaka nataon’ingahy JAOZANDRY, sekretera janeralin’ny antoko avy amin’ny AKFM nilaza fa hoe heloka bevava no nandoroana ny biraon-dry zareo fa satria tokony hivory tao ry zareo androany amin’ny 9 ora maraina. Mba nanao fanadihadiana teny an-toerana ve io olona io ? Taty ambony amin’ny tohatra mankao amin’ny tananan’ny AKFM ihany no hitan-drangahy io, fa mbola averiko indray ny hoe tary amin’ireo trano hazo ambany , ambadiky ny mpivarotra MOTO sy tsy lavitra amin’ilay elakelantrano eo amin’ny OTIV no niainga ny afo. Fa tsy mety ve raha tsy anaovana récupération politika toy izany ny  tranga toy ireny e? Raha mba afaka nivadika taty ambany angamba rangahy io dia tsy ho niteniteny foana tahaka izay.

sary nalaina ny ampitson'ny loza Toy izao sisa ny foibe AKFM

Sakoroka androany 10 Novambra 2010

Dia raikitra indray ny sakoroka androany 10 Novambra 2010, taorian’ny nandraràn’ny prefektioran’ny polisy tsy hampiasan’ny Ankolafy Telo avy etsy amin’ny MAGRO ny kianja MALACAM Antanimena. Raha ny filazan’ny nanatri-maso ny fiandohany dia tany amin’ny 12 ora antoandro tany no nanomboka ny fangalam-piery.

Nisavoritaka tsy nisy hoatr’izany ny fifamoivoizana teto Antananarivo renivohitra, ka samy nitady làlana izay azony hanavotana ny ainy ny rehetra, na olona io na mpamily fiara. Nanery ireo mpamily fiara hianika an’Ambatonakanga sy Antaninarenina ny zava-misy.

Niova làlana nankany Amparibe sy Mahamasina ny taxibe

Fa izay tiana ho tsindriana fotsiny dia ity fanimbàna zavatr’olona sy famotehana ny fananan’ny hafa atao rehefa isak’izay misy fihetsiketsehana ity. Fiara roa (lazaina ho ana teratany karana avokoa) no nodoran’ireo mpanao fihetsiketsehana androany.

Fiara nodorana teo anoloan'ny Kolejy Saint François Xavier Annexe (Notre Dame teo aloha) - Antanimena ambany - Karana iray no tao anatiny

Ny iray tetsy Antanimena ambany, nanoloana ny Kolejy Notre Dame, raha teo amin’ny sampanana akaikin’ny foibe ara-tsaina Arabo Libiana teo aloha kosa ny faharoa

Teo amin'ny sampanana manoloana ny foibe ara-tsaina Arabo Libiana taloha - Fiara avy nàka zanaka karàna avy nianatra

Feo heno tety ihany koa moa ny hoe

Mila mandoro fiara isika, atao hitan-dry XXXXreo

Natosiky ny mpitandro filaminana tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso aloha ireo mpanimba zavatra,

nalefa ny baomba mandatsa-dranomaso mba hanosehana ny olona

Vonoina sao hitera-doza, eny fa na dia ho an'ny fahasalamana fotsiny aza

ary rehefa avy eo dia nisy mpiasan’ilay tobin-tsolika nitondra famonoana afo mba hamonoana ny afo sisa tsy maty famin’ilay fiara nodoran’ireo mpanimba zavatra.

Tsy nijanona tamin’ireo ny fandoroana fa hatramin’ireny trano hazo kely napetraka ho fanatanterahana asa teny anivon’ny zaridainan’Antanimena ireny koa aza dia lasibatry ny afo.

Ilay tranohazo teo an-jaridaina afovoany Antanimena

Ny aza sendra ny mifanena tsy nahy tamin-dry zareo aloha fa dia mety hanidina ny "pare-brise" e!  – 4L taxi sy Jeep Cherokee ana teratany vahiny no niharan’ny setrasetra sy ny fanimbàna teny Antanimena nandritra ity andron’ny 10 Novambra 2010 ity.

Raha ny filazan’ny sasany tamin’ireo namana tafaraka teny mantsy dia nisy izany lehilahy vaventy iray izany rehefa nivoaka avy tao amin’ny MAGRO, dia efa feno rà ny tànany. Tsy fantatra hoe naninona, ary ràn’inona, na ràn’iza. Rehefa tonga tety an-dalam-be, hono, io ranamana io dia tsy nanao afa-tsy ny nila vaniny tamin’ny fiara sendra azy, ary isan’ny namaky ny fitaratry ny fiara iray teny amin’ny manodidina ny toerana nifamorian’izy ireo. Teo Andravoahangy ambony tsy lavitra ny tetezana no nisy iray tratran’ny toy izany, ankoatry ny sasany teny amin’ny manodidina ny MAGRO sy Antanimena. Tsara ihany araka izany ho an’ny mpamily fiara ny mba mihaino vaovao fa tsy ho faly rotsorotsian’ny hira fotsiny eny an-dàlana eny, ka tafalatsaka anaty kizo vao taitra. Maro amin’ny mpamily mantsy (indrindra fa ny taxibe, toy ity 183 ity) no tsy tia mihaino resadresaka amin’ny fampielezam-peo, fa raha vao izay no mitranga dia kinga ery iny tànana iny mamadika onjam-peo mitady hira. Hay vidiana lafo ihany ny hirahira fa dia mampatory saina tokoa an!

Mba henoy amin'ny sisa ny fampielezam-peo fa aza dia sondriana amin'ny hira fotsiny e!

Zavatra tsinjo tetsy Behoririka akaikin’ny "Look’s" ny fahasahiana diso tafahoatra nananan’ny sasany tamin’reo mpanao fihetsiketsehana, satria dia voalazan’ny mpitandro filaminana iray nanao fanamiana sivily miara-mitankosona amin’ireo mpanao fihetsiketsehana mba hanangom-baovao, fa nisy lehilahy iray nitondra fitaovam-piadiana tao anatin’ireto farany. Efa naparitaka moa ny mombamomaba an-dranamana, ny fitafiany manomboka any an-tampon-dohany ka hatrany am-paladiany, saingy tafaporitsaka ny anao lahy

segondra vitsy taorian'ny nadalovan'ireto mpandalo ireto dia nisy vato natota sy kesika natsipy avy tany ambony tetezana. Saiky loza

Feo re teny an-toerana ihany koa no nahalalàna fa hiandry ny andro maizina ireto mpanao hetsika ireto (na mety ho ny mpanararaotra) mba hamerenana eto Antananarivo ny zava-nitrana tamin’ny 26 Janoary 2009. Ary mety ho ny OPK no ho itarihana azy. Feo re teny antsefantsefam-bohitra teny daholo izany ampitaintsika eto izany.

Raha izany no nitranga androany, mba hanao ahoana re ny fihantsiana nataon’i Monja Roindefo ny amin’ny tsy maintsy hihaonany amin’ny vahoakan’Antananarivo amin’ny Sabotsy 23 Novambra 2010 e?

Dia izao tokoa ve ilay hoe tsy avela hisy fitsapan-kevi-bahoaka izany eto na ho inona na ho inona?

Sadasada manan-tsoratra ihany tokoa aloha ilay ho fitsapana hevitra e! Ary ny mahavalalanina ny maro dia ny filazana zava-bita etsy sy eroa, na fampanantenana zavatra hatao mandritra ireny fitsidihana ofisialy ataon’ny mpikambana ao amin’ny HAT isaky ny faritra ireny – ankoatry ny hoe fanazavàna ny votoatin’ilay volavolan-dalampanorenana. Ny zavatra toy izany mantsy no efa nanakianana ny teo aloha, ary tsy lanin’ny vavonin’ny vahoaka, nefa dia mbola TIM (ny Teo Ihany no Miverina) hoy ny maro. " Am-bava homana, am-po mierotra " hoy ny ohabolan’ny Ntaolo.

Rehefa tsy milatsa-dranomaso noho ny baomba, dia tsy mifankahita noho ny setroka doro fiara

Mainty noho ny setroka doro fiara ny lanitr’Antananarivo androany hariva, ary mbola nanakoako teny Behoririka sy Andravoahangy ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso hatramin’ny 7 ora sy sasany hariva  tany ho any.

Tsy tsara ho an'ny marary tratra ny nandalo teto

Sempotry ny setrok ireo trano teto amin'ny manodidina. Tsy lavitra tobin-tsolika SHELL koa ilay firehetana

Raha tsy niova ny zavatra hita talohan’ny ora nialàna teny an-toerana dia 3 lahy 2 vavy no voasambotra ka isan’izany ireto

ireo 2 lahy efa tafiditra tao anaty fiara

ilay iraikalahy fanintelony nenjehina hatrany anaty tranon'olona

Fanampim-baovao:
Fetison Andrianirina sy Lalatiana Ravololomanana ary Yves Aimé rehefa tonga tao amin’ny MAGRO ka nilaza tamin’ny mpomba azy fa hifampiraharaha amin’ny mpitandro filaminana
dia novalian’ny olona fa  tsy misy an’izany, toa izahay vahoaka foana no arosonareo, nefa avy eo tsy hita ianareo

Tohiny: tsy hita vetivety teo ireto mpitarika ary tsy voafehy intsony ny olony.

Rehefa naparitaka ireo olona avy ao Antanimena dia nizarazara ny làlany ka nisy ny rantsana nankany Analakely ary nikasa handoro ny Lapan’ny Tanana vaovao, izay 38 taona mahery taty aoriana vao nisy nahavita namerina indray. Raha tara kely foana ny mpitandro filaminana dia efa "vita matavy" ilay Lapa satria efa tonga teo an-toerana ny tavoahangy plastika nisy lasantsy.

TV Plus Madagascar: Nisy ny andian’olona, izay nahitana vehivavy, nitarika sy nandrindra ny asa fankorontanana natao teo Behoririka, hoy ny olona iray miasa eo akaikin’ny faritra nitrangan’izany, no sady nandre sy nahita maso ireto andian’olona ireto, saingy noho ny tahony dia tsy sahy naka sary fa nitadidy kosa  ny amin’ireo olona ireo (efa nampitain’ny TV Plus Madagascar tamin’ny vaovaony ny andron’ny 10 Novambra 2010 ny mombamomba ireo olona ireo, niaraka amin’ny fitantaran’ilay vavolombelona)

CUA/Fantsakana afovoan’ny arabe

Tsy lavitra akory no misy io toerana io fa raha manitsy avy any amin’ny Lapan’ny Tanana ho any Tsaralalana (Conforama) ianao ka tonga eo amin’ny sampanana ‘Aigle d’or’ ilay mivily ho any amin’ny hopitalin’ny ankizy iny.

Misy rangahy iray manovo dia manovo rano ery (amin’ny zinga) eo afovoan’ny arabe eo.

Mpanasa fiara no asan-drangahy io ary dia tsy sahirana izy satria eo akaikiny eo ihany ny fantsakana, izay sady tsy andoavam-bola, no mampidi-bola, na dia hanimba ny lalam-bahoaka aza.
Ary mba ahoana no hanjo ireo mpandoa hetra rehetra manoloana ny zava-misy toy izao?

Tsy ilay asa no ratsy, fa ilay fomba anaovana azy no kianina.

Manadio tanana ny CUA hoy ny fanambarana, manampina làlana, saingy asa raha mba efa hitany io, ary ankoatra an’io dia mampanontany tena ny mpandoa hetra ihany koa ny amin’ity fitohanana vokatry ny mpivarotra amoron-dalana eran’ny tanana ity. Tsaralalalan Soarana, Behoririka, Andravoahangy, … hatraiza hatraiza e. Aoka ho fantatry ny mpiadidy ny tanàna fa na ny mpandeha an-tongotra mandeha amin’ireny toerana ireny koa aza dia isan’ny mpandoa hetra, ka tokony hahazo ny tambiny avy amin’izany, amin’ny tolotra sahaza tokony ho azy. Tsy hoe satria ny tobin-dasantsy goavana, dia azo andraisana fepetra haingana sy mahomby (raha hahomby!) fa ny olon-tsotra madinika ka afaka miandry. Aoka hitovy ny fandraisana ny tsyrairay fa samy olom-pirenena.

Sa ahoana hoy ianao?

Fa ahoana ihany e…?

Mba niara-nandeha an-tongotra nombam-bady aman-janaka aho androany hariva. Nialana kely ny fitaingenana kodiaran-droa. Ilaina rahateo ny mampiasa vatana.

Tanjona ny mba hanome toerana ho an’ny fianakaviana, fa dia efa tototry ny asa sy ny fanarahana ity raharaham-pirenena ity loatra ny saina amam-potoana mandritry ny herinandro. Tsy avelan’ny zava-panao tsy hitoditodika anefa.

Zavatra telo no voamariko teny an-dalana rehetra teny.

Voalohany, ny mpivarotra ‘anaty arabe’ (fa tsy amoron-dàlana intsony). Nisy ny fanapahan-kevitra noraisin’ny mpitantana ny tanàna (RAKOTONDRAVAHY Edgar) tamin’ny hanesorana azy ireny teny amoron-dàlana ka nametrahana azy ireo tamin’ny toerana voatondro mazava (Namontana, Petite Vitesse, Behoririka…). Naàto nandritra ny andro vitsivitsy ny fakàna hàban-tsena noho ilay fandaminana natao, ary nolazaina avy eo fa miverina nanomboka tamin’ity herinandro ity. Anisan’ireo hitakiana haban-tseana ary ve ireto mpivarotra anaty arabe ireto? Tsy fantatro ny valiny. Fa raha ny zavatra hita aloha dia mitombina foana ny fitsarana nataon’ny rehetra tany aloha tany hoe ‘sadasada manan-tsoratra ilay fandaminana’. Ny teto amin’ny GazetyAdaladala moa dia efa nametraka fa hampikorontana ity fandaminana noraisina ity. Indrindra fa toa lalaovina sy tsy atao araka ny tokony ho izy ny fampiharana ny lalàna sy ireo teny nomena momba izany. Androany fotsiny izao dia nandrenesana feo ny mpivarotra iray etsy anatin’ny araben’i Behoririka (ilay midina avy any amin’ny magazay lehibe IRRESISTIBLE – ex-GAULOISE- Soarano iny) fa hoe ‘manao risoriso sy mifidy tavan’olona ireo mpiasan’ny Kaominina manao ny asa fandaminana eny an-toerana. Misy hoy izy ny mpivarotra ilazàna mba handositra, ary misy ireo tonga dia raofina ny entany. Miverina indray ny fangalam-pierin’ny mpivarotra ‘amoron-dàlana sy anaty làlana’ miaraka amin’ireo mpiasan’ny Fivondronana sy ny fiara manga-beny, tonga hatrany amin’ny faritry ny tetezana sy ny mizotra ho any Andravoahangy iny izany tranga izany. Fa ahoana ihany e? Mifanatrika eo ireo mpivarotra  nalàna ka natsofoka ao am-bàla, sy ireo mibodo ny làlam-bahoaka ho toeram-pitadiavam-bola. Dia mandram-pahoviana no handraisan’ny mpitantana ny tanàna (CUA) andraikitra hentitra sy matotra e? Sa mbola andran’asa no natao tamin’iny fotoana iny?

Faharoa, manomboka eo anoloan’ny Lisea RABEARIVELO manitsy mankany afovoan’Analakely sy ny mivily hivoaka aty amin’ny NAZA Electronic. Tsy misy hafa amin’izay miseho etsy Behoririka ny zavatra hita eny amin’io faritra io. Tsy misy firaharahàna ny mpandeha an-tongotra sy ny mpampiasa làlana izany mihitsy, fa hatrany anaty fiolahan-dàlana aza dia ametrahana entam-barotra, na rehefa tsy ny entana, dia ny mpivarotra no mametraka ny sezany ao anaty làlana fa ny entana kosa eo ambony ‘trottoir’. Fa ahoana ihany e? Ampiharina ve ity fanadiovana an’Antananarivo sy ny arabeny ity sa inona no andrasana sy antenaina ao ambadik’izao rehetra izao e? Mahagaga an! Mahatalanjona.

Fahatelo, dia ny fanakànan’ny Pôlisy’ ny fiara mpitatitra hitanay teny Behoririka nanoloana ny tranoben’ny Fifankatiavana Sinoa-Malagasy. Roa ireo mpitandro filaminana nanakana ny zotra 144 teo amin’io toerana io. Tsy hainay izay antony aloha satria efa nijanona ela teo ilay fiara mpitatitra no tazanay lavitra, ary tsy niala raha tsy efa tonga teo akaiky teo izahay. Fa ny tena tiana hahatongavana dia ity; ny iray tamin’ireto mpanàkana no nàka ny taratasin’ny fiara, fa ny iray kosa nandeha niala lavidavitra somary niakatra ny làlana mankany amin’ny tetezana (làlana hizoran’ilay fiara rehefa avy eo). Hay ka efa nitsena azy tany aloha tany ny mpandray saran-dàlan’ilay zotra 144 voasakana teo. Nandeha ny ady varotra, ary tsy tazan’izy ireo sy tsy nalehan’ny sainy mihitsy izahay mianaka manaraka mora sy mihaino ny resaka nifanaovan’izy ireo avy ato aoriana (indrisy fa tsy nànana fitaovana nandraisana ny feo izahay, fa raha tsy izany dia tena vaovao ‘nilay be’ izy ity). Ny anton’ny ady varotra dia tsy inona fa ny mba hamerenana ny taratasy sy izay ho takalon’izany. Sarotra ho an’ireto mpitatitra rahateo ny toe-javatra nitranga satria ao anatin’ny faran’ny herinandro no voakapa ranjo. Ka raha tokony handoa vola any amin’ny birao ihany ve, tsy aleo mifampiraharaha amin’ingahy ‘sefo’ ety ambony ‘trottoir’, amin’izay ny taratasy azo, ny fotoana tsy very, ny tena tsy mahazo ‘lagy’? Fa ahoana ihany e? Fa tena mbola tsy ampy ve ny nanondrotana sy nanomezana tombon-dahiny an’itony sokajin’asa itony efa hatry ny fitondrana Ravalomanana sy hatramin’izao Tetezamita izao e? Mahalasa saina ihany mantsy fa toa lasa toy ny ‘sotro ranon-tsira’ angamba ny fahazoana vola be ho tambin’asan-dry zalahy ireny ka tsy mety fa toa vao maika mampitady zavatra hosotroina foana.

Rehefa mba anontaniana ny anton’ity tsy fetezana hanaraka lalàna sy fandaminana ity ry zalahy, dia valinteny azo foana ny hoe

‘ka mbola tsy mivaha ny krizy tsinona k’ah!

Ka alefa ihany ny fanontaniana hoe ‘FA AHOANA IHANY E?

Andravoahangy : Ny kely tsy mba mamindro…

Tsy zoviana amin’ireo rehetra mpandalo eny amin’iny faritr’Ambatomitsangana iny ny fisian’ireo mpanao batterie sy mpitsabo kodiarana teo ampitan’ny biraon’ny fokontany IVB – IVC, teo ampitan’ny fivarotam-panafody TIANA. Andro vitsy izao dia nesorina teo ireo rehetra nanana ny asa fivelomany teo, ary misy asa fanorenana kasaina hatao eo amin’ilay toerana.

Ny olana naterak’ity asa ity ho an’ireo tokantrano manodidina azy dia azo fintinina ho toy izao manaraka izao:
1* maniratsira ny mpifanolo-bodirindrina sy mandroaka ireo izay entanin-kiry tonga mijerijery eo ireo mpiasa eo amin’ilay toerana. Araka ny fanazavan’ny raiamandreny iray eo an-toerana aza dia ny ‘ompa anabavy sisa no tsy mivoaka ny vavan’ireo mpiasa’. Video

2* noloarana nidina efa ho 3 na 4 metatra midina any ambanin’ny tany any ilay toerana. Video

Ary dia nataon’ireo mpiasa mifanerana amin’ny vodirindrin’ireo manodidina mihitsy ny fanahatsahana sy fanalana ny tany tao. Miseho noho izany ny rarivato nataon’ireo trano manodidina ho fototry ny tranony.

3* rehefa nahita izany rehetra izany ireo mponina manodidina dia nanao filazana tany amin’ny Firaisana sy ny Fivondronana, nefa toa tsy nahita izay tohin’ny taratasy fitarainana nataony ry zareo. Nisy aza moa ny filazan’ny iray tamin’ireo solontena fa vitan’ny tao amin’ny Fivondronana mihitsy ny nitaky vola tamin’ny solontena iray tamin’ireo mponina tonga nanatona tany amin’ny birao, raha tiany ny hanafaingana ny raharaha, satria, hono, “goavana” no ao ambadik’io asa fanorenana io.

4* manomboka mitriatra noho izany ny rindrin’ireo trano manodidina vokatry ny rano mihandrona mandonaka ny fototry ny trano. Video

Misy ny hita ety ivelany, ary misy kosa ny any anatiny ka any amin’ny rihana voalohany no manomboka mitriatra.

5*Rehefa nihilana tsy ela akory anefa ny masoandro dia nihotsaka mihitsy no niafaran’ny sisin-dalambe falehan’ny vahoaka ary santimetatra vitsy sisa tsy hirodanan’ny andrin-jiron’ny JIRAMA eo akaikin’ilay toerana anaovana ny asa, noho ny lavaka be hita ao ambanin’izany andrin-jiro izany.

Nisy fandehanan’ny rano maloton’ireo trano manodidina nandalo teo amin’ity toerana anaovan-draharaha ity, izay norahonan’ny solontenan’ny mpandova fa hotapenana

ka nahatonga ny fanangonan-tsonia nataon’ireo efa ela nipetrahana teo ho fanohanana izay fanapahan-kevitra izany. Video
Noho ilay toerana efa voalavaka lalina tokoa, dia nivarina ao daholo ihany ny rano maloto rehetra avy any amin’ny faritra ambony rehetra any, ka zary lasa toy ny dobo filomanosan’ny vorona sanatria ilay toerana.

Ankoatr’ireo olana voatanisa etsy ambony dia naneho ny alahelony ny amin’ny tsy firaharahana ny madinika manao fitarainana ireto mponina ireto.

Ny hariva teo moa dia tonga teo an-toerana ny lehilahy iray izay sady nilaza ho tompon’ny asa atao, no tompon’ny tany sy ny trano haorina rahateo koa. Nifanakalo hevitra tamin’ireo mpifanolana aminy teo izy nandinika ny amin’izay vahaolana tokony sy tsy maintsy horaisina. Ndeha ny sary sy feo nifanakalozan’ny andaniny sy ny ankilany no ampitenenina. Tsy asiana fanamarihana.

Suivre

Recevez les nouvelles publications par mail.

Joignez-vous à 390 followers