Mitokona ny BFV/SG

Hatairana ny an’ny maro tamin’ny Zoma antoandro raha tonga teo anoloan’ny vavahady vy BFV/SG Antaninarenina. Nikatona ary tsy azo nidirana. Latsaka kely ny  tamin’ny 11 ora  tamin’izay. Tonga indray ny Sabotsy, be no nanantena ireo namana fa ho afaka hisintona vola eny amin’ireny milina ireny. Teo Analakely no niseho ny tantara. Nikatona ihany koa. Nangahiahy teo fotsiny.

100_8785

Androany indray, feno olona nitangorongorona teo amin’ny parking BFV/SG Antaninarenina, aty ambany. Nandefa fisainana ny mpandalo "Fa misy inona? – Sao nisy namaky dia tsy azo idirana rha tsy tonga ny polisy? – sns…"

Rehefa mba nanontany ny mpanjifa, dia valinteny sadasada sy fitaka no nataon’ny avy any anatin’ity banky. Resaka Maintenance informatique, hono.

100_8783

Hay ny ao ambadik’ity zava-mitranga ka resaka fitokonana mihitsy. Karama, indray , hono, hoy ireo mpanaraka ety amin’ny sisiny e.

Nanomboka nihiakiaka ny mpanjifa nanao hoe : "Avoahy ny volanay, Avoahy ny volanay".  Izany tokoa no tonga amin’ilay hoe ny an’ny tena ihany no ananan-doza. Ny fotoana lany, ny vola tsy azo. Ary raha sanatria tokoa moa ka vola tokony hanaovana vonjy aina amin’ny resaka fanafody sy fandidiana no saika halaina tao amin’ity banky ity nanomboka tamin’ny Zoma? Mba ahoana ny amin’izay.

100_8784

LAhatsorara mifandraika amin’izany, ato

Antananarivo #m2506 / 26 Jona (J-1)

Nivoaka kely nijerijery ny zava-misy tmain’ity harivarivan’ny 25 Jona 2012 ity ka izao no tsikaritra:

1* feno olona eny rehetra eny. Midika tokoa va re izany fa fety ny andro. Angamba, saingy ho ahy izay mpandeha amin’ireny arabe irny saika isan’andro vaky (Analakely, Behoririka, Ambondrona, Soarano, sy ny manodidina) dia niampy kely noho ny isan’andro no fahitako azy. Izany hoe niova, saingy tsy dia be loatra

2* Tery kokoa noho ny andavanandro araka izany ny àlna, na ho an’ny mpandeha an-tongotra, na ho an’ny mpamily toa anay. Satria dia zara raha misy faritra mitovy refy amin’ny fiara avelan’ireo mpivarotra mba hizorana.

3* Mbola voaporofo indray androany ny fanamparam-.pahefana ataon’ireo manana ny basy sy ny ‘lalàna’ any aminy.

Dia mbola hisy indray aloha ny tsy ho faly hamaky ny lahatsoratra fanakianana o ity fa dia ‘Akory atao eeee!’ izy no hita teny, ary dia tantarin’ny maso nahita.

Ndeha ny sary amin’izay no hampitenenintsika, ary arahana fanazavana kely manaraka azy tsirairay eny

Ny arabe midina etsy amin’ny farity Behoririka ity hitanao an-tsary ity. Jereo tsara ny faritra izoran’ny fiara.

Ilay arabe teo ihany saingy rhefa lasa izay fiara nandalo teo amin’ny faritra

Tsy hiala lavitra isika fa eo ambony kely eo fotsiny. Azonao jerena eto amin’ny sary ny elanelana misy ny sisin-dàlana amin’ny andaniny roa sy io mpivarotra mitorevaka anaty arabe io, ary iry mitsangana ery aoriana

Fiolahan-dàlana eo ambony eo ihany ity (Behoririka). Hiverenantsika ity faritra ity rehefa somary maizina ny andro

Mbola ilay fiolahana etsy ambony ihany, fa ny tiana haseho dia ny fahasahian’ity ramatoa mivarotra eo anatin’ny arabe, ary iretsy ampita izay mahatonga ny mpandeha an-tongotra hidina koa any anaty arabe

Ireo mpivarotra etsy ampitan’ilay ramatoa eo amin’ny sary etsy ambony, ary tena ao anaty fiolahana tanteraka

10 metatra miala ilay fiolahana tetsy aloha, raha hitodi-toha ho any amin’ny tsena Pochard

Mbola azo lazaina ho misy asany ve itony karazana mpitandro filaminana itony sa ‘espece en voie de disparition’ ? Ny karama anefa natao midangana, ny asa tanterahana tsy mandeha amin’izay andrasana, …Ntsss tsy alehany!

Ireo arendrina miandry mpividy eny an-.tsenan’Analakely

Hitodi-doha hiverina any Behoririka amin’izay indray isika

Mazava loatra fa tahaka ny amin’ny andro mazava, dia mbola mitoetra hatrany koa ny fitohanan’ny fifamoivoizana

Fa teto no tena nisehoan’ny tsy nampoizina. Nisy ity fiara nitondra mpitandro filaminana ity nisosososo avy any amin’izay niaviany tany. Tsy misy laharana izy io. Olona teo amin’ny 4 na 5 teo no tsikaritra tao anatiny. Nododosany daholo ny rehetra teo alohany. Ary raha voadonany aza ilay olona teo akaikin’ny fiolahana voalaza ery ambony, dia azo antoka fa tsy maintsy namoy ny ainy. Rehefa hitany fa nitohana tsy afaka nandeha intsony izy teo amin’ilay fiolahana dia ilay taxibe laharana 4885 TAJ teo alohany no nanalany ny fony.

Tsy tahotra tsy henatra fa raha vantany vao azony natao ny nilahatra tamin’ity taxibe dia ny fandrahonana sy ny vazavaza, ary ny fitakiana taratasy no nataon’ilay iray teo akaikin’ny mpamily. Azy tokoa moa ny fahefana, ary toa nanaiky nilefitra mora foana koa ity mpamily nanoloana ireto TOMPON’NY FAHEFANA ka dia nanome izay notakiany. Vao azony ny taratasy dia iny indray ity fiara fa niezaka ny handodona ireo teo alohany, nefa anie ka tsy afaka ny ho lasa lavitra akory e. Tsy maintsy nanaraka ny dian’ireo teo alohany mandra-pahatonga tery Antanimena ambany. Efa vesaran’ny fanomanana ny rahampitso va re sa inona no mampiasa saina e? Efa lasa ny taratasy vao tonga saina ny mpamily ilay taxibe fa na dia ny anaran’ireto naka ny taratasy, na ny laharan’ilay fiara aza tsy misy fantatra akory.

Eto dia fanontaniana no apetraka AN’IZA NY ANDRAIKITRA amin’ny fisian’ny fitohanana sy ny gaboraraka? Amiko dia tafiditra amin’izany daholo na ingahy Edgard RAZAFINDRAVAHY mitantana an’Antananrivo Renivohitra, ny ny POLISY mandray karama be nefa tsy alehany mameno ny tanàna, na ny mpitondra fanjakana tarihan’ingahy Andry Rajoelina toa faly MIJERY FOTSINY satria matahotra ny ho very seza raha sanatria hanakorantana ireto mpandika lalàna mameno tanàna ireto.

Mirary fety milamina sy anaty fiadanana ho an’ny rehetra amin’izao fahatongavan’ny fahatsiarvana ny 26 Jona izao. Niniako tsy tenina ny hoe #fahaleovantea (#Independance) satra toa mbola be loatra ny marika ahitako fa tsy tena mbola mahaleo tena ny taniko, dia i #Madagasikara  (#Madagascar)

++++++++++++++

Bilaogy miresaka fahaleovantena tsara mba topazanao maso koa ny ato izay ny namana Mamisoa no mitantana azy

Ambohijatovo #m2305 Pr RAJAONARIVELO Paul

Dia niatrika sy nanatanteraka ny teny nataony ary ny Pr #RAJAONARIVELO Paul tamin’ity anio ity araka ny antso nalefany tao amin’ny FreeFM 104.2 .

Profesora sy ny tomponandraikitra amin’ny tifandroana ny filaminana

Tsy dia nahazo olona maro nanao ahoana ny androany raha oharina amin’ireo teo alohany. Dia an-tongotra avy any afovoan’Alalakaley tany no niakarany ho eny Ambohijatovo. Hihaona amin’ny lehiben’ny EMMO no voalohan-daharana. Nefa rehefa tonga teny dia tsotra no valiny azony.

Tsy eo ny tompon-tanàna, ary mihidy ny faritra. Tsy misy lakile

Rehefa izany dia niatrika indray ireo mpaka sary sy mpanao gazety ingahy Profesora mba hanao fanambarana. Tamin’izany no nitanisany andinin-dalàna vitsivitsy mikasika ny resaka fanehoan-kevitra an-dalambe, na anaty faritra mihitdy. Nolazainy fa nisy tamin’ireny no tsy mba vakian’ny tompon’andraikitra rehefa miresaka lalàna momba ny famoriana vahoaka, fa dia izay metimety aminy ihany no ampahafantarina sy dradraina amin’ny haino aman-jery.

Rehefa vita ny fanambarana ho an’ny mpanao gazety teo amin’io faritra io dia lasa izy sy ireo olona vitsivitsy mpanaraka azy nidina ho eny amin’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo (vaovao) mba hangataka ny lakile hanaovany fanazavan-kevitra.

Niroso ho any amin’ny Lapan’ny Tanàna

Vao teo am-bavahady dia efa tsy nisy namoha ny tao amin’ny Lapan’ny tanàna. Ny naka sary sy lahatsary (video) an’ireo mpirohotra aza no nataon’ireo tao, rehefa avy niofanakalo resaka fohy tamin’ireto vahiny tonga hitsidika.

Haody ny aty eee! Ao ve ny tompon’ny tanàna azafady? — Tsy ao izy tompoko, ary tsy afaka ny handray anareo ihany koa izahay

Rehefa tsy nahazo ny fanalahidy teo indray ny Profesora dia nandray fitenenana tamin’ny alalan’ny fanamafisam-peo ary nitondra ireo olona nanaraka azy niala teo. Toa hoe hiverina eny Ambohijatovo. Teo anoloan’ny vavahadin’ny Lapa no nilazany fa hotsaroan’ny tantara ireo tsy nanome ny fanalahidy mba hampiasana ny kianja ho fanehoana hevitra, ary fitaovana iray ho amin’izany fitsarana izany ny fifidianana.

Hotsarain’ny tantara ianareo, hoy izy mantsy ny mpiasan’ny kaominina

Tsy tafakatra hatreny akaikin’ny kianajan’Ambohijatovo intsony aloha ny Profesora sy ny mpanaraka azy hatramin’ny fotoana nialan’ny tena teny an-toerana, fa nifanehatra tamin’andian’olona nanakana ny firoson-dry zareo teo anoloan’ny BNI

Hatreo aloha no azo notantaraina raha ny mikasika ity andro ity. Ho hita eo ihany izay ho fivoaran’ny raharaha.

Ambohijatovo #m1905, vakio hoe Madagasikara 19 May

Ho tohin’ny tantara lavabe nampifanolana ny #FreeFM amin’ny Fitondrana Tetezamita tarihan’Atoa #Rajoelina Andry Nirina, dia nanatanteraka famoriam-bahoaka teny Ambohijatovo i #LalatianaRAKOTONDRAZAFY sy #FidelRAZARAPIERA tamin’ny Sabotsy 19 May 2012 lasa teo (azonao arahana ao amin’ny Twitter amin’ny tenifototra #m1905 ny amin’izany). Nilaza ny hirotsaka hiaraka taminy ny avy amin’ny Ankolafy ZAFY Albert, sy ny sendikan’ny mpanao gazety (niala an-daharana tamin’ny fotoana farany ity sendika ity). Nilaza ny hiandry ireo mpitarika teny an-toerana koa moa ny jeneraly Ravalomanana, saingy mandra-pahatapitry ny fofona lacrymogene dia tsy hita tava teny mihitsy izy.

Teo akaikin’ny tsangambato #MDRM

Raha tamin’ny 9 ora maraina no efa tsinjo fa tsara petraka teny ireo fiara maro an’ny mpitandro filaminana, nanoloana ny vavahadin’ny kianja (-n’ny demaokrasia), tery ampita tsy lavitra teo kosa efa nisy olona vitsivitsy nanomboka nitangorona.

Mihamatevina hatrany ny isan’ny olona

Faritra maromaro nanodidina ny kianja no nametrahana ny mpitandro filaminana (Instat Anosy, Gare Soarano, Tonelina Ambanidia, Station Essence Jovenna Ambohijatovo, Ministeran’ny mponina…),ankoatra ireo mandeha mivezivezy amin’ny fiara mbola raitra sy matanjaka.

Ireo mpitandro filaminana napetraka teny akaikin’ny Station Jovenna Ambohijatovo

Nitombo miandalana ny olona. na dia tsy mbola hita aza ireo mpitarika ny hetsika hatramin’ny tamin’ny mitatao vovonana.

Ny tena nahazendana ahy dia ny nahita Malagasy iray nitondra vazaha efatra mianaka, handeha hilalao ao anaty kianja, hono, ary rehefa nanontaniako teo am-bavahady ilay ranamana Malagasy, dia izaho indray no tratry ny fanontaniana hoe :

Fa misy inona fa tsy arako?

Dia Gaga elah!

Tsy mahay afa-tsy teny Anglisy moa ireto mpivady nitondra an-janany (izy roavavy kely mba nahazo teny frantsay ihany), ka dia voatery ny tena nanazava taminy tamin’ny teny Anglisy ny zava-mitranga sy mety hitranga. Ary aleo nandefa azy ho any Tsimbazaza.

Hiverenantsika ny tena ventin-kanina.

Manomboka feno olona koa ny midina mankany #Analakely

Oayyyy eee! Mpiantsena daholo ve ireto?

Rehefa ela niandrasana teo ny olona maro izay efa nihamarobe tokoa, dia nanomboka tsindrian-daona. Nisy delegasiona voalohany nanatona ny lehiben’ny mpitandro filaminana mba hifampiraharaha. Valiny: tsia, tsy azo idirana ny tanàna fa any an-kafa, na magro manao hetsika

ireo saika hifampiraharaha tamin’ny EMMO

Nanomboka teo koa no efa nisy ny nanandrana nitarika ny olona hisahotaka, saingy tsy nandaitra fa voatosiky ny mpitandro filaminana, sy resy lahatr’ireo delegasiona voalohany, mba hihemotra hiandry ny mpitarika,  alohan’ny hanaovana dingana hafa.

Efa nanomboka feno ny teo anoloan’ny fiakarana ho any Antaninarenina, Ambatonakanga sy ny manodidina ny tsangambato MDRM, ary ny sisiny amin’ny fiandrasana taxibe 119. Toy izany koa ireo lalana miakatra miverina mankany Ambondrona sy ny tohotohobato Tavao, ary ireo havoana sy tranokely misy terasse manodidina lavitra eny

Na terrasse, na tamboho, nitazanana avokoa

Miantrana ny fiara, nefa mitombo koa ny olona

Mandram-piandry ny mpitarika sy izay hiseho ary dia mba afaka niala voly ihany ny mpanatrika taty amin’ny lohalaharana, satria dia nisy an’ilay ramatoa iray sahy nihantsy ireo mpitandro filaminana sy manipy vato tany amin’ny fiara, eny fa hatramin’ny mitsilany eo amin’ny arabe mihitsy aza, mba hanakana ny fiaran’ny EMMO tsy hiroso. Voatery mihitsy moa ireo mpitandro filaminana nibata sy nanipy azy ho eny amin’ny sisin’ny tsangambato.

Andao raha sahy…Oay, diso fa Tifiro raha sahy no nolazainy

Nodradradrain’ity ramatoa ity fa maty noho ny entona mandatsa-dranomaso nalefan’ny mpitandro filaminana ny zanany, koa raha sahy ireto mitana ny basy eny an-tanany, dia aoka koa hitifitra azy. Vitany mihitsy ny nitety tsirairay ireo fiara niantsona teo. "Hiady amin’adala tokoa ve moa" hoy ny sasany. Saingy adala noho ny inona tokoa moa izy? Ary raha isika no teo amin’izay toerana lazainy sy tantarainy izay. Marihana fa somary nandrairay kely ramatoa ka vao mainka koa nampiakatra ny hafanam-pony sy ny fahasahiany izany.

Mivoaha izay mafy e!

"Itsaho raha sahy fa ny zanako aza efa matin-tenisany tamin’ny lacrymogene"

Nolanjaina toy ny entana ary nahilika tery amin’ny sisiny, rehefa nitsilany nibahan-dàlana ny fiara tsy hiainga. Fahasahiana re izany!

Teo ampiandrasana hatrany ny mpitarika dia nisy tovolahy iray ihany koa, nijoro nanatrika ireo mpitandro filaminana, nifatotra scotch ny vavany, ary voafehy nihodidina toy izany ihany koa ny tànany roa, nipetaka tamin’ny vatany.

dia gaga elah!

Ary ny seho hafakely farany, alohan’ny tena nafàna, dia ilay rangahy iray mpampianatra nidradradradra ny alahelony nankeny amin’ireo mpitandro filaminana ihany koa. Hoy izy:

"Efa ho retraité aho"  "30 ans de service, ary tsy mpikambana amin’izay SEMPAMA any, nefa kosa dia aoka lazaiko an’laisany miaramila sy zandary tsy misy ilana azy ireo, apetraho ny basy dia andao hifandahatra. Misy mpianatro ialahy isany no hitako eto, tao anatin’ny firy taona monja dia mandray in-telo avo heny amin’ny karama raisko, nefa aho ity efa fotoana vitsy sisa dia hitsahatra. Mba misaina, aza dia faly ataon’ny olona fitaovana, ary avenir manao ahoana moa no tadiavin’laisany ho an’ny taranak’laisany ‘reo?"

zaho efa hiato, nefa 1/3 amin’ny raisin’ialahy isany no mba karama rasiko

Tsy diso anjara tamin’izany seho rehetra izany ireo roalahy solontenan’ny SADC eto #Madagascar. Tsy vitan’ny nanatrika ny fampisehoana tetsy ambony izy ireo, fa sady naka sary no nandefa izany sy niresaka nivantana tamin’ny findainy avy. Raha mba niezaka nanokatra ny vavany mba hampiresaka azy moa ireo mpanao gazety sy mpaka sary teny an-toerana, dia tsy nety niteny mihitsy ry zareo fa ny hany naverimberiny dia ny hoe

No comment

ry zalahy SADC izany, sady mizahatany no manao "ady idy"

Toy ireny mpizahatany ireny moa no bikan-dry zalahy amin’izany fotoana izany.

Eto isika dia hiditra amin’ny fotoana nahatongavan’ny ‘sono mobile’. Teo akaikin’ny Agha Khan no nipetraka ny fiara, ary nangatahan’ny olona hakarina any aloha (Ambohijatovo), saingy tsy nihetsika teo kosa mandra-pahatongan’i Fidel Razarapiera.Ny hiakan’ny olona teny an-toerana moa dia niantso ny hoe:

aiza ianareo, sa ho alainay any?

Rehefa tonga teny an-toerana i Fidel (14h 20 teo ho eo) dia nirohotra nitsena azy sy nitondra azy ho eny amin’ny sono mobile ny olona. Rehefa nandray fitenenana nanoloana ny vahoaka ranamana, dia ny nampitony ny olona no nataony satria tsy ho afaka hiditra ao anaty kianja. Tsy nanaiky izany anefa ireo olona marobe fa ny hiditra ihany no tao an-doha. Izay marihana etoana fa nisy antokon’olona efa tsinjo nialoha ihany fa nivonona ny hanao zavatra hafa no tanjony.

Tsy nahatohitra ny antsoantson’ny olona, raha tsorina dia hoe tsy naharesy lahatra sy tsy nahafehy ny olna marobe nihaino azy ranamana, ka nisy tamin’ireo olona tety ambony, nanakaiky ny vavahady College de France Ambohijatovo, no nihetsika nanao dia maika niharo hazakazaka madinika hiakatra ho eny amin’ny faritra manodidina ny mpitandro filaminana.

Ento aho ry tongotro

Vao nahita ireo olona marobe nirohotra niakatra ireo EMMO teo amin’ny vavahady dia sady nampaneno mafy ny anjomaran’ny fiarany, no mba nisy niteny tamin’ny fanamafisam-peo avy ao anatin’ireto 4 x 4 vaovao (nefa dia marihako fa ny 1 metatra miala ny fiara ihany no afaka naheno izany, satria tsy hainy angamba ny mampiasa ilay fitaovana).

Nirefotra amin’izay ny entona mandatsa-dranomaso voalohany nanomboka teto, ary raikitra ny Ento aho ry tongotro

Booom, booom Atsaharo ny hira dia mba mitomania amin’izay

Vetivety dia tsy hita izay nisy an’i Fidel, fa ny sono mobile sy ny mpikirakira azy kosa no tratra tany Ambodifilao tany. Hatramin’ny fotoana anoratana dia mbola voatàna any amin’ny mpitandro filaminana i Rado, teknisiana ao amin’ny FreeFM (toa tokony ho androany 22/05 no niakatra teny amin’ny fampanoavana). Efa nambara ihany koa fa hokarohana sy hosamborina izy mianadahy nanentana ny olona hidina an-dalambe, satria nisy ny fanimban-javatra hoy ny mpitandro filaminana.

teo alohan’ny tsangambato #Ralaimongo

ny fakom-baoritra nodoran’ireo mpanao fihetsiketsehana

Soa fa misy ny miaramila hanala sakana

Ny zavatra iray isan’ny nahatsikaiky dia ny fitangoronan’ny mpaka sary sy ny mpanao gazety nanaoloana ny varavarana fidirana ao amin’ny Hotel Le Glacier. Samy nanontany tena ny rehetra nahita ireo lehibe mpitarika ny EMMO niditra tao fa hoe

ao ve ry Lalatiana sy Fidel, ka hosamborina? Sa inona no mitranga eto?

Tsara ny lany sefo isany a!

Tsy nahitana valiny io raha tsy fotoana ela taty aoriana. Tsy inona ilay izy fa hay niditra hisakafo tao ireo lehibe ireo. (Nefa ny an’ireo mpanatanteraka tery an-kianja dia mofo dipaina sy fromage La Vache Qui Rit, niampy EAU VIVE).

Eo am-piandrasana ny hetsika hitranga rahampitso, famoriam-bahoaka, mbola eo amin’io kianja io ihany, iantsoan’ny Profesora Rajaonarivelo Paul , dia ndeha isika hijery sary mikasika ny #m1905 tamin’ny Sabotsy ao amin’ny Fickr momba izany.

 

Hetsika #12Mai2012

Saika hanao fanazavan-kevitra tamin’ireo mpomba azy teny #Ambohijatovo indray ireo parlemantera roalahy avy amin’ny ankolafy #Ravalomanana. Rehefa avy nanatona ireo mpitandro filaminana nangataka alàlana izy ireo dia tsy nahazo rariny. Rehefa izany dia nilazàna izy ireo hanao izany any amin’ny kianja #MAGRO Behoririka.

Teny an-dàlana anefa dia nizara 3 teo ireto olona nitanjozotra ireto (izay narahan’ny mpitandro filaminana mba tsy hisian’ny korontana, ary dia ireto mpitarika mihitsy aza moa raha ny heno no nangataka izay fiarovana izay). Ny ampahany voalohany nijanona tety akaikin’ny #TAHALA #RARIHASINA, ny faharoa teo amin’ny #13Mai ary ny sisa (fahatelo) dia nanohy ny dia ho any Behoririka.

Nisy ny fifamaliana teo amin’ireo mpitarika roalahy sy iretsy nidongy hijanona tao afovoan-tanàna, ary nivoaka tamin’izany aza ny fitenenana naherihery avy amin’ireo mpanara-dia fa hoe nahatsiaro ho nolalaovin’ireo mpanao politika ry zareo, nolaniana andro. Na dia niezaka ny handresy lahatra azy ireo aza ny mpitarika dia tsy nahita nangirana, fa dia niparitaka ny hetsika.

Ny tetsy amin’ny kianja 13Mai no ndeha hiverenana. Nifampitazana sy nifampiandry teny indray ny EMMO sy ny mpanao fihetsiketsehana. Nitohy hatramin’ny efa maizina moa izany fifampiandrasana izany ary niafara mihitsy tamin’ny fisamborana olona telolahy, taorian’ny nisian’ny fikasana handoro fiara tsy lavitra ny arabe mivily mankany amin’ny Lisea #Rabearivelo iny.

Isan’ny nanamarika ny andro androany hariva ihany koa ny nakan’ny mpitandro filaminana iray ny finday misy fakàna sary teny amin’ny mpanao gazety iray, sy nanitsahany an’izanyary ny nanipazany azy lavitra dia lavitra ilay toerana nitrangan’ny famotehana. Asa raha fantany hoe mpanao gazety ity olona nanaovany herisetra, na noheveriny ho olon-tsotra. Teto dia nahatsiaro ny zavatra nahazo ny namana iray mpaka sary an-gazety niharan’ny fisamborana sy ny daroka rehefa nentina tao amin’ny #Bain-douche tamin’ity herinandro ity ny vitsivitsy nanatrika teo. Fihetsika izay tsy voalohany no sady angamba tsy ho ny farany koa. Mahamenatra satria nony injay nentina tao amin’itsy birao voalaza ilay mpanao gazety, ka fantatry ny tao fa mpanao gazety, dia navoaka toa tsy nisy inona iny, nefa raha ny heno dia hoe efa nasaina nanao sonia an-tery ny fakàna ambavany azy,talohan’ny nahatongavan’ireo mahafantatra azy ho mpanao gazety.

Aleo hatsahatra ny bla bla bla, fa ndeha hijery sary isika e, ny androany hariva.

Sary 1 : Mifampitazana sy mifampiandry

ireo fiara mivezivezy miezaka mamno lolo ny olona mivorivory

dia voatery foana hanimba zavatra ve rehefa hoe maneho hevitra? Fisainana efa tokony hialàna

Voaendaka daholo natao sakana ny sisin-jaridaina teto amin’ity hazo ity sy ny manodidina azy

Ery amin’ny farany somary lavitra amin’ny sary ery dia misy fiara mipetraka. Tsy nisy nanampo fa hisy hanandrana handoro izy io rehefa harivariva manomboka ho maizina

ireo tery ampita niandry izay hiseho

Rehefa nesorina ny sakana teo aloha, dia mbola nisy indray ny famerenana nametraka vaovao rehefa maizimazina iny ny androany

Sezan’ilay fiara saika hisy handoro izy ity. Soa fa mora nesorina sy nosintonina hivoaka tao amin’ilay fiara fa saika loza

Ity kosa ilay fiara tompon-tseza. Nahagaga fa teo akaiky teo ihany ny tompon’izy io saingy tsy nahatsikaritra izay nanipy ny afo tao anatiny

Iray tamin’ireo telo lahy voasambotra, rehefa nifanenjehana sy notadiavina tany anaty trano fisotroana tsy lavitra teo

Hatreo aloha ny androany. Asa raha hanao ahoana ny ampitso. Milaza hanao fanateram-boninkazo ny sasany, hankalaza tsingerintaona voalohany ny hafa, ny hafa indray mbola hanohy ny androany , hono. Vokatry ny fahantràna daholo izany

May ny TIA Shop / TIA COM etsy Analakely

Efa any an-tafon-trano ny afobe, nefa ny varavarana aty ambany tsy mbola misy novohana

Tsy vitsy amintsika no efa nividy zavatra, na farafaharatsiny nandalo teo amin’ity magazay iray lehibe etsy ampitan’nyInstitut d’Hygiene Social ity. Ny TIA Shop / TIA COM etsy Analakely no tiana hasiana resaka.

Nirehitra teo anelanelan’ny tamin’ny 7 ora sy 7ora sy sasany teo izy io. Betsaka tokoa ny fahavoazana. Latsaka ny ranomason’ireo very fananana, nolelafin’ny afo. Niezaka nanao izay ho afany hifehezana nyafao ihany koa ny mpamonjy voina avy etsy Tsaralalàna, saingy tsy voafehy ny afo raha tsy efa tany amin’ny manodidina ny tamin’ny 9 ora sy 30 mn alina tany ho any.

Zavatra iray isan’ny saiky ratsy tamin’ity indray mitoraka ity ny nisian’ny mpanao gazety iray, manana namana ao amin’io magazay io, ka nanolo-tena nanampy ireo mpamoaka entana mba hanavotra izay azo avotana, tsy nifankahalala tao anaty fisafotofotoana anefa ny rehetra, ka dia noheverin’ny tra-pahavoazana ho toy ny mpangalatra ranamana, ary dia saiky matim-bono raha tsy nisy niaro ara-potoana. Very tao anatin’ity safotofoto ity koa ny findain’io mpanao gazety namana io.

Zavatra faharoa nanamarika ahy teny an-toerana koa ny fisian’ny iray tamin’ireo mpamonjy voina nivazavaza tamin’ny olona teo aminìny manodidina. Kiriana moa ny olona rehefa misy tranga toy ireny ka dia mitangorona sy manelingelina tokoa. Ny mpamonjy voina etsy efa sahirana sy mitolona hanao izay tratra hamonoana ny afo, ny olona koa sarotra tenenina. Dia tena mamo tokoa ilay iraikalahy niteny ny olona, sady mamon’ny asa, no mamon’ny rano (ilay rano mafana io lazaina io an). Nifangaro ireo zavatra roa ireo ka tsy atao mahagaga raha tonga hatramin’ny teny tsy mihaja niloaka ny vavany.

Tsy hain’ny mpanoratra izay antony, fa dia fotoana elabe (tamin’ny 8 ora 30mn) tany ho any vao tapa-kevitra ny hamaky varavarana ny mpamono afo. Talohan’izay dia ny tifi-davitra sy tifi-danitra hatrany no nampiasàna ny rano. Mbetika atondro mankany amin’ny varavaran-kely, mbetika alefa avy any ambony tafo any ny rano, mbetika koa avy eny an-davarangan’ny trano iray teo akaiky teo.

Tamin’ny 9 ora teo ho eo dia notapahana ny herinaratra. Efa nisy rahateo ny tariby tapaka nilatsaka tamin’ny tany, nefa ny toerana nitrangan’izay manoloana ny IHS somary maizimaizina ihany.

Karazan’entna maro no namidy tao amin’ity toerana ity: ny finday, lamaody, kojakojan-tokantrany, sy ny maro hafa.

Hain-trano niniana natao ve sa nateraky ny inona ity niseho tao Analakely ity? Tsy fantatra aloha ny valiny hatreto. Mifamahofaho be ihany mantsy ny filazàna azo avy amin’ireo tra-pahavoazana sy nanana toeram-pivarotana tao, tao ny nilaza fa efa nisy tamin’ireo mpivarotra no nitaonaentana andro vitsy talohan’ity fahamaizana ity. Ary nisy mihitsy ny nahavita niteny fa ireo Sinoa mpivarotra ao amin’io toerana io no ahiahiana amin’ity hain-trano ity. Misy ary ve izany ny ady mangatsiaka eo amin’ny samy mpivarotra, sa inoa no tena marina?

Mandra-piandry an’izay anefa dia ndeha ianareo mpamaky entina an-tsary ho eny an-toerana

Tsy nifankahitana ny setroka indraindray

Mafy ihany ny asan'itony mpiady amin'ny setroka sy afo itony an!

Isan'ireo nanam-bintana nahavita nanavotra ampahan'entana ry zalahy ireto

Mivarotra aina maka itony kely tsy lanin'ny afo itony any anaty setroka any, no sady misedra ny fafy rano avy amin'ny mpamonjy hain-trano

ny mamoaka aloha no tanjona, dia mametraka izany eny amoron-dàlana, avy eo mitady izay hevitra manaraka

Mianika lavarangan'olona mba hahafahana mitifitra rano avy eny

 

Ity angamba no toeram-pivarotana tsy dia nahita faisana loatra miohatra amin'ireo hafa namany. Afaka namoaka izay tao anatiny, no sady tsy tratry ny afo koa

Efa nilelaka ny rindrin'ity trano mirehitra jiro ity koa ny afobe. Toa azo sary an-tsaina ny hafanana niaina tao anatiny tao sy ny mety ho fahasimban'izay zavatra nanakaiky na nihantona tamin'ny rindrina. Ity sary ity dia azo minitra vitsy talohan'ny nanapahan'ny JIRAMA ny herinaratra teo amin'ny faritra

 

Ety afovoan'ny arabe, miandry izay hitaterana ny tapa-porohana

 

Ho an'ity tompona magazay iray ity izao, mba ampahafirin'ny entana tao am-pivarotana re ireto avotra ireto e?

Rehefa avy novakiana ny varavarana avy aty amin'ny ambany rihana

Efa masaky ny afo talohan'ny nisokafan'ny trano ny entana

Aleo jerena ihany sao mbola misy ny azo raisina

ankoatry ny setroka toy izao, dia misy koa ny fipoahana mateitetika avy ao anatiny ao

Hitombo indray ny very asa, hampitombo laharana ny chomeurs. Krizy miampy krizy ity. Tana mihinan’ny taaaadin-kiraro mihitsy.

 

Fitsapan-kevitra (REFERENDUM) 17 Novambra 2010

Nisy  ny birao efa nivoha maraina tamin’ity androany ity. Ny fanamarihana azo entina voalohany aloha hatreto dia ny fisian’ny hadisoana betsaka Na ny andro sy taona nahaterahana, na ny anarana, na ny toeram-ponenana. Fa ny tena henjana dia ny tatitra avy amin’ny fianakaviana any Ambohidratrimo. Lisea efa tsy natao biraom-pifidianana hatry ny ela ary tsy ao anatin’ny tokony ho isan’ny birao fandatsaham-bato no voasoratra any anatin’ny kara-pifidianan’ny olona. Tonga teny ny olona vao nivanaka, ary nasaina nifindra amina birao hafa.

Ny anay ato an-trano aloha izao dia diso avokoa na ny anaranay mivady, na ny anaran’ireo raiamandreninay. Tsy mbola nisy mihitsy hadisoana toy izany nahazo anay tany aloha, fa dia gaga ianao hoe taiza no nakana an’itony ‘données’ itony? Sa ny mpanao saisie no vendrana?

Misy indray ny mpivady any amin’ny fokontany sasany ka ramatoa nahazo kara-pifidianana, rangahy tsy nahazo fa te-hampiasa ny kara-panondrony, nefa dia nolavin’ny tomponandraikitra fa hoe tsy afaka mifidy ramose. Hatraiza no fampahafantarana sy fanofanana nomena an’ireny tomponandraikitra ireny? Satria anisan’ny singa iray enti-mamaritra ny maha mangarahara ny fifidiana iray natao ny fahafahan’ny olona rehetra te-hifidy manatanteraka ny safidiny. Marina fa tsy terena ny olona hifidy, nefa izay te-hanao izany dia tsy tokony ho very zo.

Hanainga hitety tanàna mba hanangom-baovao indray aloha ny tena, saingy hisy ihany ny ekipa hampiditra fanampim-baovao mitsitaitaika eto arakaraky ny fahatongavan’izy ireny.

Heno tamin’ny fampielezam-peo iray fa misy andian-jiolahy any Manjakandriana any manakana ny olona tsy hifidy amin’ny alalan’ny fandrahonana.

Amin’ireo birao fandatsaham-bato voatsidika androany aloha dia nilamina amin’ny ankapobeny ny fizotran’ny fitsapan-kevibahoaka. Nisy ihany anefa teny an-tsefantsefany teny ny tsy fahatomombanana maro samihafa, toy ny an’ny birao tokony hifidianan’ireo avy etsy Ankorondrano andrefana: ny filohan’ny birao fandatsaham-bato mihitsy, miampy ny filoham-pokontany no sady tsy ao anaty lisitra no tsy manana kara-pifidianana. Birao mifanila aminy eo ihany no nahitana kosa fandraisana ny anaran’ireo olona tsy hita tabilao ireo ka soratana ao anaty kahie iray daholo mombamomba ireo rehetra te-haneho safidy nefa tsy hita lisitra sy sy nanana karatra. Nolazaina moa fa ho entina manitsy ny aoriana noho ny ‘hadisoana betsaka hita ao anaty lisitra nataon’ny CENI’ no antony hoy ireo teo an-toerana.Tetsy amin’ny CEG Antaninena no nitrangan’izany.

Fandraisana anaty kahie ny anaran'ireo tsy hita anaty lisitra

Zara raha nisy olona kosa ny tetsy amin’ny EPP ampitan’ny Lil’Optique Ankadifotsy tamin’ny fotoana nandalovana teny an-toerana tokonyu ho tamin’ny 9 ora sy fahefany.

Tao amin’ny EPP akaikin’ny ISCAM Ankadifotsy indray dia nahitàna famezivezena natao an’ireo olona manana karatra nefa tsy mahay mamaky izay karatra izay. Ramatoa iray no efa nanomboka niakatr’afo satria nasaina nitety efitrano tsy latsaky ny 5 vao niverina indray tao amin’ilay faharoa efa nalehany mba handatsaka ny safidiny. Ankoatra izay dia be no tsy faly sy niveri-maina noho ny tsy fahitana ny anaran’izy ireo tao anaty lisitra, no sady tsy nahazo karatra.

EPP Ankadifotsy II - ISCAM

EPP Vohibola Ampandrana: Maromaro ihany ny olona tonga nanefa ny safidiny. Isan’ny tonga teny koa ireo mpanara-maso Eropeana.

EPP Vohibola

Ny fiara nitondra ireo solontena eropeana niala ny EPP Vohibola

Soamanandrariny: Nisy fifandirana nivadika ho savorovoro ka miantso mpitandro filaminana ny ao an-toerana

Alasora: Misy ny kara-pifidianana nefa tsy ao anaty lisitra

Nitetitety ny araben’Antananarivo avy eo ka ao ireo toerana zara raha misy olona mandeha eny an-dalana. Toy ny hoe andro Alahady. Ny eny amin’ny manodidina an’Analakely sy ny mankany Isotry iny kosa dia mitohy hatrany amin’ny asa fivelomany isan’andro.

Talatamaty: Tonga nanatanteraka ny anjarany ingahy Pierrot Rajaonarivelo (MDM). Fa ny tsininy dia ity, mbola nanao fampielezan-kevitra ho an’ny TSIA ihany ity heverina ho isan’ny voky traikefa amin’ny resaka politika ity. Fanahi niniana ve sa fihantsiana.

Fitsapan-kevitra mandeha, Fivelomana mandeha

Ny fanamarihana faobe azo lazaina dia ity: KITOATOA BE ILAY LISITRA SY KARA-PIFIDIANANA fa misy ny olona efa nipetraka 30 taona mahery teo amin’ny fokontany iray, ary nandray anjara foana tamin’izay fifidianana rehetra nandalo teo, nefa dia tsy tao anatin’ny afaka mifidy tamin’ity indray mitoraka ity. Ao koa moa ireo olona izay rehefa tonga tokoa ny hoe hifidy vao taitra sy namonjy birao, ka any  no nibaboka sy nilaza fa isan’ireo nandrovitra ny fanisàna nomena azy, ary ny hafa nampirina azy "natao haingon-trano" (tena io mihitsy no teny nampiasainy). Izany hoe ifampizarana ve ny andraikitra noho ny hadisoana? Sa ny an’iza no bebe kokoa?

Tsy misy ihany koa ny solontenan’ny mpampanao TSIA any anatin’ireo birao fandatsaham-bato. Mbola lavitry ny antsasa-manila amin’ny mpifidy voasoratra anarana no tonga nandatsa-bato

Fanampim-baovao (15:00) Noho iretsy tandrametaka rehetra etsyu ambony dia mahazo mifidy ireo olona rehetra tsy hita anaty lisitra nefa te-hifidy rehefa mitondra kara-panondro sy certificat de résidence, na kara-pokontany, na ny kara-pifidianana tany aloha, ary novàna ny fepetra mifehy an’ity fitsapan-kevi-bahoaka ity: raha tokony ho amin’ny 4 ora dia nahemotra ho amin’ny 6 ora hariva ny fikatonan’ny birao rehetra eran’i Madagasikara.

Tsy mbola manaiky an’izay anefa ny tompon’andraikitry ny ao Tsarahonenana, kaominina Ambohidrapeto satriahono tsy mbola nahazo an’izany baiko midina izany ry zareo

Vaovao faramparany : Fihokoana manamboninahitra sy kolonely maromaro ao amin’ny tafika (BANI Ivato)

Savorovoro androany 18 oktobra 2010

Nialoha, nandritra ary taorian’ny fotoam-pitsarana natao teny Anosy androany dia niazo an’Ambohijatovo sy Analakely ary Behoririka ireo andian’olona notarihan’i Fetison Andrianirina, izay tsy nanatrika ny fotoam-pitsarana azy androany. 48 izy ireo no tokony hiatrika fitsarana tamin’ity anio ity. Ho avy indray koa i Chissano ato ho ato. Fifanandrifian-javatra ve? Fiara iray no nitondra niaraka an’i Fetison Andrianirina, Lalatiana Ravololomanana, Zafy Albert tamin’ity androany ity. Saingy noho ny fotoana fohy nomen’ireo mpitandro filaminana hahafahana mampiasa ny kianja Ambohijatovo dia tsy afaka nandray fitenenana Atoa Zafy Albert na dia efa voaomana hanana anjara aza.

 

Ambohijatovo niaraka tamin'i Fetison Andrianirina

 

 

Fa misy inona mahaliana ary ato?

 

 

Fetison Andrianirina mikabary

 

 

Fialàna ny kianjan'Ambohijatovo sy fandalovana an'Analakely

 

 

"Tsy manaiky ho resy" no dika malalak'ilay soratra amin'ny akanjon'ilay ranamana iray io

 

 

sady mandeha no manoratra mampita hafatra

 

 

Mandalo Gara ho any Behoririka

 

 

Fidinana teny Behoririka avy any Soarano

 

 

raha 10mn no nomen'ireto mpitandro filaminana ireto hijanonana tao Ambohijatovo, dia niantso ny olony hiverina eo kosa indray i Fetison Andrianirina rahampitso maraina

 

 

Nisy ny fihoaram-pefy tamin’ity hetsika androany ity, toy ny fikapokapohana fiaran’olona sy taxibe teny amin’izay nolalovana (tsy ny rehetra aloha no nanao an’izay fa vondron’olona vitsy), teo koa ny afnaovana sakana nanodidina an’i Behoririka sy Ankadifotsy. Ireny rehetra ireny dia nitarika ny mpitandro filaminana handrava ny hetsika tao amin’ny Magro Behoririka tamin’ny alalan’ny baomba mandatsa-dranomaso.

Efa nandefasana fiantsoana ihany koa Andriamatoa Fetison Andrianirina sy Ramatoa Lalatiana Ravololomanana mba hanatona hitondra fanazavana momba ireo fihoaram-pefy ireo rahampitso maraina eny amin’ny zandary Betongolo.

Andry Rajoelina niatrika mpanao gazety

Na inona na inona tapaky ny GIC amin’ny fandinihana ny olan’i Madagasikara, dia vonona hiroso amin’ny fifidianana ny HAT, Ary bileta tokana no hampiasaina, mba tsy hisian’ny fanambazam-bola ireo mpifidy amin’ny fividiana ny vaton’ireo mpifanandrina rehefa mivoaka ny biraom-pifidianana.

Amin’ny volana Mai no hanaovana azy, hoy izy , na inona hidona, na inona hihatra. Ireo raha fintinina amin’ny teny vitsy ny nambaran’Atoa Andry Rajoelina teny amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra androany hariva nandritry ny 15 min teo ho eo.

Tsy hisy intsony ny fampiasana ny ‘ordonnance’ mandritry ny fotoam-pifidianana tany aloha rehetra tany teo amin’ny tantaram-pirenena Malagasy, mba tsy hahafahan’ny olona iray ho afaka mifidy amin’ny biraom-pifidianana maromaro.

Tsy hihemotra sy tsy hatahotra izay sazy lazaina fa hampiharina amin’ny tenany izy Andry Rajoelina, araka ny nambarany fa tsy noho ny fankahalana na tsy fitiavana olona no entina hanasaziana an’i Madagasikara sy ny Malagasy raha araka ny nambarany  hatrany.

Fa ety anjorony kosa dia milaza ny hidina etsy amin’ny esplanade Analakely ny avy any amin’ny Hetsiky ny mpitondra fivavahana – pasitera – (mitaky ny hampiharana ny fifanarahan’i Maputo), rehefa avy nanentana an’Antsahamanitra, amin’ny Sabotsy izao, manomboka amin’ny 9 ora maraina ka hanao Diabe ho eny amin’ny kianja monisipalin’i Mahamasina. Nanambara anefa R. Alexandre, Talen’ny kabinetran’ny Fiadidiana ny tananan’Antananarivo Renovohitra fa ny eny Antsonjombe no nomena malalaka hampiasain’ireo mpitondra fivavahana hanaovany ny hetsika amin’io Sabotsy io.

7 Febroary 2009: Nivarotra aina…

Iza no nivarotra aina?

Fanontaniana mipetraka avy hatrany ao an-tsain’ny maro io raha vao mahita iry lohateny.

Ny 7 Febroary 2009 tokoa mantsy no Sabotsy mihoson-drà niakaran’izao fitondrana Tetezamita izao ho eo amin’ny fitantanana ny firenena.

Ny 7 Febroary 2009 izay andro nanendren’i Andry Rajoelina an’i Monja Roindefo Zafitsimivalo ho Praiminisitra avy eny amin’ny Kianjan’ny 13 mai, Analakely.

Ny 7 Febroary 2009, andro nitondrana ireo olona an’aliny hiakatra ho eny Ambohitsorohitra fa hoe hametraka an’i Monja Roindefo ho ao amin’io Lapa io, satria an’ny Fiadidiana ny Tananan’Antananarivo ny Lapa ka atolony hiasan’ny Praiminisitra vao avy notendrena.

Rehefa tonga teny Antaninarenina ireo vahoaka marobe, nanomboka ny fifampiraharahana tamin’ireo mpitandro filaminana. Nandamoka izany. Ary raha ny resaka nataon’ingahy Fano Rakotondrazaka (mpanao gazety L’Express de Madagascar – fanadihadian’ny TVM nalefa androany 7 Febroary 2010) dia niteny ireo mpitandro filaminana teo Antaninarenina (manoloana ny BOA) fa halefany hiditra any ny vahoaka rehefa manao amboletra, saingy dia efa mampiomana ry zareo fa hitifitra ny avy ao anaty Lapa. Andro nahatapahan’ny clavicule-n’ingahy Kelly (mpaka sarin’ny gazety Midi-Madagasikara) teny ampiahazakazahana handositra ny tifitra.

Nihatakataka ny mpanao gazety maro izay nandre izay fampitandremana izay, ka niandry izay hiseho no sisa natao.

Eto no hivaly ny fanontaniana mipetra ao an-tsainy maro hoe : ‘iza no nivarotra aina?’

Nivarotra aina ny mpanao gazety Malagasy sy ireo mpaka sary marobe mba hanomezana anareo mpamaky ny vaovao misy sy mitranga eny rehetra eny. Tsara ny ahalalan’ny rehetra fa tsy mba manana fiantohana toy ireo mpanao gazety vahiny tonga aty manao ny asany ny mpanao gazety Malagasy (ny azy ireny mantsy volabe tokoa no tambin’ny firotsahany an-tani’ady toy ireny), fa dia miasa noho ny fitiavana ilay asa fotsiny (na mety koa noho ny tsy fahafahana manoatra, fa tsy misy atao afa-tsy izay – miala tsiny fa toa masiaka ilay fiteniko azy)

Rehefa nirefotra ny poa-basy voalohany dia samy nitsoaka nanavotra aina sy nitady izay hialofana ny mpaka sary sy ny mpanao gazety (toy ireo olon-drehetra ihany). Betsaka ny niditra tao amin’ny Hotel Colbert tamin’izany. Ka avy ao anatiny tao no nitily sy nijery izay niseho tety ivelany ny ankamaroan’ireo mpanao gazety namana.

Fotoana fohy taorian’izay no nahatsinjovana tovolahy vitsivitsy  nilanja vatana mangatsiakan’ny tovolahy iray. Tovolahy izay tsy iza fa i Ando (mpaka sary avy ao amin’ny RTA). Raha nisy kely foana dia tapaka tarangana ny tendany. Maty amperin’asa izy, Maty ‘nivarotra ny ainy’ mba hahazo vaovao, ‘nivarotra ny ainy’ mba hiavaka amin’ny maro.

Teny filamatra miafina aminay tsirairay avy tokoa mantsy (na dia any am-po tsy miloaka aza) ny hoe ‘Tsy manaiky ho gisitra‘ raha vao misy zavatra miseho, ary ‘ny hanao sy hahazo ny tsaratsara kokoa noho ny hafa‘ amin’izay hatolotra ny mpanjifany tsirairay avy.

Maro ireo maty, be ny tsy hita, tamin’ireo olona tonga teny Antaninarenina. Ireny rehetra ireny dia samy ‘nivarotra aina’ avokoa, saingy samy nanana ny antony nivarotany ny ainy.

Niompana manokana tamin’ny asa fanaovana izay hanangonana vaovao ny lahatsoratra, satria indraindray dia takon’ny zava-mitranga foana ny fahasarotan’io asa fanangonana vaovao io. Rariny araka izany raha ho azy no tena anton-dresaka teto.

Tsetsatsetsa tsy aritra: Mampalahelo fa dia tonga hatrany amin’ny fitarihana ny fikambanan’ireo niharam-boina (AV7) tamin’iny andron’ny 7 Febroary 2009 iny ny ady seza (eo amin’Atoa Etienne sy Bona)

Ialàna tsiny ny tsy fisian’ny sary momba ny andro androany 7 Febroary 2010, noho ny antony manokana avy amin’ny mpanoratra

Suivre

Recevez les nouvelles publications par mail.

Joignez-vous à 390 followers