GAZETY_ADALADALA

‘World Raid’
Nalaza tamin’ny ‘Mada Raid‘ ilay iraikalahy nisatroka penjy izay tamin’ny fotoan’androny. Nahavita nitety faritra maro teto Madagasikara tamin’ny ‘4 fois 4′  mantsy izy. Ary dia izay no nataon’ny sasany hirahira nony avy eo.

Androany kosa dia izaho no mba hihirahira, fa ry zareo ankehitriny indray dia halaza atsy ho atsy amin’ny ‘World Raid‘. Nahoana hoy ianao? Araho kely ary ny fanazavako azy:

Nitranga ny olana teto Madagasikara, tsy nety novahana raha tsy nadehanana tany Maozambika (in-droa mihitsy an!) mba hanendrena ireo izay ho mpitarika ity firenena ity. Dia nahazo tokoa moa izany nony ela ny ela. Nahazo ny praiminisitra e! Dia arahabaina fa nitera-dahy.

Tsy nitsahatra teo fa mbola tsy maintsy nandeha nivoaka ny faritry ny Nosy indray mba hanendry izay tena ho filoha hitantana ny tetezamita, ka tonga tany Addis-Abeba. Dia mbola arahabaiko koa fa tera-dahy fanindroany. Ary tonga dia kamban-telo an!

Dia mitohy ihany ny tantara, satria izao indray dia saro-piterahana governemanta ny Malagasy ka dia tsy maintsy hijery renivohitra hafa (ankoatr’ilay VALALAN’AMBOA). Ary dia any , hono, no ho hita na lahy na ho vavy no teraka eo. Tenin’ingahy Fetison Rakoto Andrianirina io. Ary dia re, honohono, ihany koa fa tsy mahalala velively ny amin’izay fanapahan-kevitra izay andriamatoa Andry RAJOELINA. Tsy ataoko mahagaga satria toy ny zaza ’siamois‘ no fahitako an’ity fitondrana tetezamita ity: vatana iray, tànana roa, tongotra roa, saingy loha anankitelo; loha telo samy manana ny masony, izay tsy voatery hitodika amin-javatra iray tokony hiraisana; orona tsirairay avy izay samy haheno fofona mitovy saingy, atidoha telo samy hànana ny fandikàny ho azy manokana ny fiaviana sy ny fiantraikan’ilay fofona ren’ny orony tsirairay teo. Hafahafa an! Mahagaga! Nefa dia izay no fahitako azy.

Raha io no jerena dia tsy ilay hoe ‘ny biby tsy manan-doha, tsy mandeha‘ irery intsony no ohabolana milaza tsy fandehan-javatra, fa misy vaovao tokony hapetraka , dia ny hoe ‘ny biby maroloha tsy mihetsika‘, satria dia tsy mihetsika tokoa ny raharaham-pirenena hatreto.

Fa izay mahalasa ny saiko sy tiako hahatongavana dia ity: tena tsy azo anaovana na inona na inona, ary tsy mendrika hifampidinihana ve eto amin’ity Tanindrazantsika ity?

Raha mitohy mantsy izao zava-mitranga izao, dia ahiako ho na ny fanapahana izay ho Tale isan-karazany any amin’ireny Ministera ireny, na ny Sefo madinidinika,  eny fa hatramin’ny Sefom-pokontany aza angamba dia mbola hidongy hanao ‘World Raid’ koa ny sasany vao hanaiky fa hoe ‘izay no tapaka, io no laniera’.

Sambatra ihany ianareo ao ambony ao zalahy ka! Afaka mitsangatsangana amin’ny volabe-nareo. Afaka manao fandaniana mihoam-pampana (raha tena marina fa handeha hivoaka isaky ny misy manahirana).

Hendry vahoaka aloha ianareo hatreto, nefa tandremo fa ity misy fiteniko matetika amin’ireo zatra manararaotra ny fahatsorana indraindray. ‘Rehefa matory aho, mivonkina. Fa raha taitra tampoka aho, mitsipaka ambava-fo‘

‘AZA MANADINO ANAAY E!  ‘NAREO ‘ZAY ANY AMBONY ANYYY

ASA RAHA MISY MANDRAAY E! ‘ZANY VAVAKAY IZANY! ‘

Hoy Alain RAMAROSON tao amin’ny TVM androany hariva hoe: Raha te-hiasa any ivelany any,hono, ingahy Fetison, dia afaka mandeha miasa any. Fa tsy maimay fotsiny holaniana ho co-president de la Tansition, nefa tsy hahatapaka ahitra, fa tsy maintsy handeha haka ny hevitry ny filohan’ny firehana misy azy isaky ny misy fanapahan-kevitra tokony horaisina.

Nilaza tokoa mantsy ingahy Fetison fa isan’ny antony hanaovana ilay fivoahana ny tsy maha eto an-toerana ireo roalahy filohana firehana (Ratsiraka sy Ravalomanana)

Fanampim-baovao (23/11/2009) : izay olona rehetra anontaniana eny an-dalàna dia samy tsy mankasitraka daholo intsony ny hivoahana any ivelany, isak’izay hitady vahaolana. Misy mihitsy aza no milaza fa raha tena tia tanindrazana marina izy efa-dahy, dia ORA IRAY FOTSINY DIA EFA VOATOLOTRA NY GOVERNEMANTA. Asa aloha e! Ny vahoaka angaha moa mba manam-pidiny. Izay tian’izy efa-dahy ihany io. Ce que j’aime, hoy ilay hira iray izay.

Ankoatra izay dia miverina isan’andro indray izao ny fivoriana etsy amin’ny MAGRO Ankorondrano mandra-pivoak’ireo gadra politika rehetra.

Fomba hiarovana ny tena amin’ny gripa AH1N1
Indro atolotra anao araka ny efa nampanantenaina ny fomba tsotra azo iarovana ny tena sy ny ankohonana amin’ny areti-mandoza, gripa AH1N1. Dia mbola entanina foana ny hanapariahanao izany amin’ireo havana, tapaka sy namana. Ny fiarovanao ny hafa dia efa fiarovanao sahady ny tenanao.

AROVY AMIN’NY GRIPPE AH1N1 NY TENANAO

1.	SASAO  MATETIKA AMIN’NY SAVONY NA LAVENONA NY TANANAO

2.	FADIO NY MIKASIKA MATETIKA NY TAREHINAO AMIN’NY TANANAO

3.	MIHINÀNA SAKAFO BE OTRIK’AINA, MITONDRA HERY FIAROVANA TOY NY VITAMINE  C  IZAY HITA AO ANATY ANA-MAITSO SY LEGIOMA ARY NY VOANKAZO OHATRA :

	PERSILY

	LAISOA MAITSO

	POIVRON MENA

	POIVRON MAITSO

	ANANDRANO

	TONGOLO MAITSO

	PAPAY

	FREZY

	VOASARY  (MAKIRANA , MANDARINE, PAMPLEMOUSSE…)

	MANGA

	GOAVY

	LETCHI

	VOAROY

NY ATI-KENA KOA DIA ANISAN’NY BE VITAMINE C

NY SPIRULINE DIA VOALAZA FA MANAMAFY KOA NY HERY FIAROVANA

4.	MISOTROA RANO MAFANA MATETIKA

5.	MANAOVA GARARAKA INDROA ISAN’ANDRO AMIN’NY RANO MAFANA NASIANA SIRA

6.	SASAO AMIN’NY RANON-TSIRA INDRAY MANDEHA ISAN’ANDRO FARAFAHAKELINY NY ORONAO

7.	MANAOVA EVOKA  RAHA MAHAZAKA IANAO (MAMONO  NY OTRIK’ARETINA NY ENTONA MAFANA)

8.	ATAOVY ARA-DALÀNA NY TORIMASO

9.	AZA MIFANERASERA AKAIKY AMIN’NY OLONA VOALAZA FA MARARIN’NY GRIPPE AH1N1 MANDRA-PAHASITRANY NA MANÀOVA MASQUE

Fantaro ireo fambara ny gripa AH1N1
Mba ho fandraisana anjara amin’ny fanapariahana izay tsara ho fantatra momba ny gripa AH1N1, indro atolotra antsika ireo fambara rehetra ahalalana fa tratr’ilay aretina ny olona iray.  Entaniko koa ianao mamaky azy ity mba hanapariaka azy, ho tombontsoa ambonin’ny Malagasy tsy vaky volo, ary ho fitsimbinantsika ny taranaka fara handimby. Aorian’ity dia mbola hatolotro etoana kosa ireo fomba tsotra azon’ny tsirairay atao mba hiarovana ny tena sy ny ankohonana tsy ho tratry ny aretina

FANTARO NY METY HO FAMBARAN’ ARETINA GRIPPE AH1N1 NY FISEHOAN’NY ARETINA DIA TOY NY GRIPPE TSOTRA

₋	MAFANA  HODITRA ambonin’ny 38°

₋	MIKOHOKA  MAINA

₋	MANGARAKA  NA  MARARY  NY TENDA

₋	MARARY NY AN-DOHA

₋	MARIKODITRA

₋	MAHATSIARO TENA VALAKA , VIZANA BE,

₋	MANAKOTSAKO NY VATANA

Manatona ny tobim-pahasalamana mba hahazo fitsaboana sy ho haraha-maso.

TOKONY HO MAILO ARY MIVERINA HO ZAHANA, NA MANATONA AVY HATRANY NY HOPITALY RAHA MISEHO KOSA IRETO FAMBARA IRETO:

Eo amin’ny zaza:

₋	Manano-sarotra ny fiainany

₋	Mangamangana  ny tenany

₋	Tsy mety minono sy misotro rano

₋	Mandoa sy mivalana

₋	Sarotra fohazina

₋	Kizikizitina

Eo amin’ny olon-dehibe :

₋	manano-sarotra ny  fiainana

₋	Sempotsempotra

₋	Marary na mihizina ny tratra

₋	Marary ny kibo (manotika na mivalana)

₋	Fanina

₋	Mandoa tsy mijanona

DOTMG: fantatrao ve hoe iza sa inona izany?
Mety tsy maro aminareo no mahalala ny DOTMG, nefa dia namana mahafinaritra io. Taitra aho androany nahita ny mombamomba azy nivoaka tato anaty aterineto, tamin’ny Express de Madagascar. Azonao atao koa ny mamantatra bebe kokoa ny aminy ato amin’ity rohy ity.

Fa izay tena mahafinaritra aminy dia ny fandalàny koa ny teny Malagasy sy ny ezaka ataony hametrahana izany eo anivon’ny tontolon’ny haitao avo lenta. Mpiara-miasa mavitrika amin’ny tetikasa TELOMIOVA izy. Izy no namorona ny rindrambaiko antsoina hoy tsipelina, izay mitsikilo sy miezaka manitsy ireo teny diso fanoratra amin’ny tenindrazantsika. Isaorana azy. Mba tsidiho ireo rohy omena anao ato anatin’ity lahatsoratra fohy ity, fa tsy hanenenanao ny mahalala hoe MAHAY ZAVATRA NY MALAGASY.

Maromaroa ny toa an’i DOTMG…

Andravoahangy : Ny kely tsy mba mamindro…
Tsy zoviana amin’ireo rehetra mpandalo eny amin’iny faritr’Ambatomitsangana iny ny fisian’ireo mpanao batterie sy mpitsabo kodiarana teo ampitan’ny biraon’ny fokontany IVB – IVC, teo ampitan’ny fivarotam-panafody TIANA. Andro vitsy izao dia nesorina teo ireo rehetra nanana ny asa fivelomany teo, ary misy asa fanorenana kasaina hatao eo amin’ilay toerana.

Ny olana naterak’ity asa ity ho an’ireo tokantrano manodidina azy dia azo fintinina ho toy izao manaraka izao:

1* maniratsira ny mpifanolo-bodirindrina sy mandroaka ireo izay entanin-kiry tonga mijerijery eo ireo mpiasa eo amin’ilay toerana. Araka ny fanazavan’ny raiamandreny iray eo an-toerana aza dia ny ‘ompa anabavy sisa no tsy mivoaka ny vavan’ireo mpiasa’. Video

2* noloarana nidina efa ho 3 na 4 metatra midina any ambanin’ny tany any ilay toerana. Video

Ary dia nataon’ireo mpiasa mifanerana amin’ny vodirindrin’ireo manodidina mihitsy ny fanahatsahana sy fanalana ny tany tao. Miseho noho izany ny rarivato nataon’ireo trano manodidina ho fototry ny tranony.

3* rehefa nahita izany rehetra izany ireo mponina manodidina dia nanao filazana tany amin’ny Firaisana sy ny Fivondronana, nefa toa tsy nahita izay tohin’ny taratasy fitarainana nataony ry zareo. Nisy aza moa ny filazan’ny iray tamin’ireo solontena fa vitan’ny tao amin’ny Fivondronana mihitsy ny nitaky vola tamin’ny solontena iray tamin’ireo mponina tonga nanatona tany amin’ny birao, raha tiany ny hanafaingana ny raharaha, satria, hono, “goavana” no ao ambadik’io asa fanorenana io.

4* manomboka mitriatra noho izany ny rindrin’ireo trano manodidina vokatry ny rano mihandrona mandonaka ny fototry ny trano. Video

Misy ny hita ety ivelany, ary misy kosa ny any anatiny ka any amin’ny rihana voalohany no manomboka mitriatra.

5*Rehefa nihilana tsy ela akory anefa ny masoandro dia nihotsaka mihitsy no niafaran’ny sisin-dalambe falehan’ny vahoaka ary santimetatra vitsy sisa tsy hirodanan’ny andrin-jiron’ny JIRAMA eo akaikin’ilay toerana anaovana ny asa, noho ny lavaka be hita ao ambanin’izany andrin-jiro izany.

Nisy fandehanan’ny rano maloton’ireo trano manodidina nandalo teo amin’ity toerana anaovan-draharaha ity, izay norahonan’ny solontenan’ny mpandova fa hotapenana

ka nahatonga ny fanangonan-tsonia nataon’ireo efa ela nipetrahana teo ho fanohanana izay fanapahan-kevitra izany. Video

Noho ilay toerana efa voalavaka lalina tokoa, dia nivarina ao daholo ihany ny rano maloto rehetra avy any amin’ny faritra ambony rehetra any, ka zary lasa toy ny dobo filomanosan’ny vorona sanatria ilay toerana.

Ankoatr’ireo olana voatanisa etsy ambony dia naneho ny alahelony ny amin’ny tsy firaharahana ny madinika manao fitarainana ireto mponina ireto.

Ny hariva teo moa dia tonga teo an-toerana ny lehilahy iray izay sady nilaza ho tompon’ny asa atao, no tompon’ny tany sy ny trano haorina rahateo koa. Nifanakalo hevitra tamin’ireo mpifanolana aminy teo izy nandinika ny amin’izay vahaolana tokony sy tsy maintsy horaisina. Ndeha ny sary sy feo nifanakalozan’ny andaniny sy ny ankilany no ampitenenina. Tsy asiana fanamarihana.

Voa i Bedonàka
Be ny lany rora nananatra “tanora”

sy ireo nibedy “zoky tsy nahalala voky”

ka dia nisesy ny andro, nivalona ho volana

nantenain’ny maro hitondra vahaolana

fa ny ankohonako tato an-tokantrano

ilay  vilany nongoko efa foana tsisy rano

indrisy, ny fotoana lany

nitaninana andro nanohanana ny tany

tetsy an-tokontany

Fa tonga kosa ny orana, ho adino ny andro maina

nidonanaham-poana tsy antoandro tsy maraina

tsy hisy intsony hahita

na hamaly ‘zay mba vita

hanangona aina vao

hitady asa vaovao

fa lany tampi-maso

tsy afa-miandry ‘andraso-andraso’

Izahay nampiadiana

Adrisa nampandriana

Adala tsy nisaina,

k’izao dia hiala maina

ry zalahy, ny latabatra hiraisana

hihinana, hisotro

zahay, nahita faisana

hiaina-mikoroso

ny vatana farofy tsy maintsy be taraina

politikan-kibo izao no andrandraina

Vaka ity ny saina fa sarotra ny miaina

sao tsy ho re intsony ny hoe “ho avy  ny maraina”

Voa i Bedonàka….

Libanona: mbola hisy ve ny handeha?
Lahatsoratra iray notsongaiko tao anaty Midi-Madagasikara nivoaka tamin’ny aterineto androany 10-11-2009 no entiko etoana, ho fanampin’izay efa re sy fantatry ny maro hatry ny ela, nefa kosa toa odian’ny Agence de placement ialàna bàla foana rehefa miresaka sy manazava ny manjo ireo mpiasa nalefa ‘hanompo’ any Libanona ry zareo. Eny Ambohipo eny no misy ny iray amin’ireo agences de placement mpandefa olona any ireo. Ity lahatsoratra ity

Travail au Liban

Entre l’enfer et la « belle vie », l’incertitude… deux femmes témoignent

dia nosoratan’i Hanitra R. ary tamin’ny teny frantsay. Maro anefa ny olona no tsy dia hahay daholo ny teny frantsay, ka ezahako fintinina amin’ny fomba malalaka ihany amin’ny teny Malagasy ilay izy. Betsaka amin’ireo vehivavy maniry ny handeha any no avy eny amin’ny ‘tanana ambany’ (famaritan’ny maro ny tanàna toa an’Antohomadinika, Isotry sy ny manodidina toa azy io). Mazava be araka izany raha tsy dia mahafehy teny vahiny ny maro aminy, ka dia mitranga izay tsy nampoizina rehefa misy ny olana tokony hifanakalozan-kevitra, nefa ny teny tsy hifankahazo 100%.

Inty ary atolotro anao ny fintina avy amiko:

**************************X***************************

Asa any Libanona

Anelanelan’ny afobe sy ny « fiainan-tsambatra », ny fisalasalàna… mijoro ho vavolombelona izy roavavy

Nanohina ny maro ireo trangam-pahafatesana nahazo ireo mpiasa vavy nalefa tany Liban, ary vao mainka nampametram-panontaniana ny maro ny fahitàna ny vatana mangatsiakan’ny iray tamin’izy ireny tonga farany teo. Nanaitra ny sain’ny tomponandraikitry ny Ministeran’ny asa ihany koa ilay tranga ka niafara tamin’ny fampiatoana ny fandefasana olona hiasa any Liban sy ny fijerena manokana ny tontolon’ny asan’ireo efa any an-toerana. Sarotra tamin’ireo olona niasa tany Liban ny nijoro ho vavolombelona tamin’ny fotoana teo aloha raha nisy roa tamin’izy ireo kosa azon’ny gazety nifampiresahana, saingy tsy nanaiky ny halaina sary.

F.R. 27 taona Fianakaviana mahay ny teny frantsay no niasany ary tsy dia nila loatra ny nahafehy ny teny fampiasa ao an-toeran izy noho izany. Tsy araka izay nanetenainy ny zavatra nihatra taminy satria olona mahery setra (na ny mpampiasa, tsy lahy tsy vavy, na ireo zanany lahy), ary dia mandeha ny daka sy totohondry, hatramin’ny fisintonana volo raha vao misy zavatra kely sy bitika tsy mifanaraka amin’ny eritreritr’ireto mpampiasa. Asaina soloiny ny sandan’ny sakafo sendra diso nahazoazo sira. Tamin’ny fiafaran’ny fifanarahan’asa tao amin’io fianakaviana iray io dia niova mpampiasa izy fa menatra ny hody tsy manana na inona na inona. Nefa niala an’Ankatso dia Ambohidempona, satria ankoatry ny herisetra ataon’ny mpampiasa dia manampy trotraka koa ny havany. Misy amin’ireo havan’ny mpampiasa no mangataka firaisana ara-nofo aminy mihitsy, ka mandrahona ny hitoroka azy main’ny zavatra tsy natao rehefa tsy manaiky. Nolaviny hatramin’ny farany izany, raha ny filazany, ary dia naleony nody an-tanindrazana. Roa taona izy no tany Liban

Namany iray indray kosa no nilaza fa nasaina nanao asa tsy sahaza azy velively, toy ny fitaterana lasakan-tsimenitra ampolony, izay tsy an’ny mpampias azy akory fa an’ny rahalahiny. Nasaina nanadio ny efitrano sy ny fitaratra tany ivelan’ny rihana faharoa izy (nefa tsy misy fiarovana akory) ka rehefa mandà dia iharan’ny daroka. Narary azy ny lamosiny, màngana…mandeha rà ny orona, nefa tsy afaka mamonjy mpitsabo.

Ireo mpiasa vavy sasany izay mba afaka mivoaka tsindraindray dia mifamotoana amina toerana efa mahazatra falehan-dry zareo, mifampizara vaovao, mifampihaino na mandeha mitsidika ny tanana ivelan’i Libanona. Ireo no sendra ny mpampiasa ‘tsara’. Mahazo volana iray isan-taona ho fialan-tsasatra. Saingy sahirana ny sain’izy ireny mieritreritra ny mahazo ireo namany sendra ny mpampiasa ‘ratsy’ nefa tsy afaka manao na inona na inona ho famahana ny olany

Ho an’ireo vehivavy nisafidy ny handeha hiasa any Libanona, dia tsy miankina amin’izy ireo ny ho tojo mpampiasa tsara fanahy, fa dia ankinina tanteraka amin’ny kisendrasendra.

**************************X***************************

Fehiny: Hoy ny ohabolana Malagasy hoe “Vavan-kisoa misy sira io rey olona, ka tokinao hihinana azy”

Anafaro fianakaviana ny toy itony
Raha ho any Antsirabe no dianao, na ny fianakavianao, dia mba tandremo ny toy ity.

Nentin’ny hamehana ireto olona vitsivitsy hiazo an’Antsirabe, ka raha tokony ho an’ny amin’ny fasan’ny karana no haka fiara fitaterana, dia notsenain’ny mpanera teo Anosikely (Anosy anoloan’ny Tranoben’ny Loholona). Isan’izy sasantsasany tamin’ny ankohonan’ny mpitantara. Fiara roa no teo. Tsy nisy nanampo ny sangisangy sy ny vazivazy nataon’ireo mpanera ny rehetra tao anaty fiara. Raha iny ilay mbola samy sondriana niandry izay hahafeno ny fiara iny tokoa mantsy ny rehetra (olona 2 sisa no nandrasana) dia ‘mifanala’ eo ivelany eo kosa ny mpanera sy ny namany, ka hoy indrindra ny iray tamin’izay (sady manondro tsirairay ireo fiara roa niantsona teo izy):

ity ilay mpanary an-dàlana, ary ity ilay mitsoaka vitesse

Rehefa feno àry ny fiara dia niainga nitodi-doha hianatsimo amin’izay. Naka solika sy nameno rivotra teo Ankadimbahoaka aloha. Teo dia efa nisy ny tranga nampiahiahy ny ramatoa iray izay nipetraka nanandrify indrindra ny kodiarana nofenoina rivotra farany. Nisy rangahy mihaja iray teo ivelan’ny fiara (toa mahay tsara ny mombamomba ny fiarakodia, hono,  ilay ranamana). Nanontaniany ilay mpiasan’ny tobin-tsolika nameno ny rivotra hoe:

Ary tsy manary ve izany kodiarana izany r’ise?

Namaly ilehio:

Ie, manary ity

Rehefa vita ny nataony dia nahorony ny fitaovany, fa tsy niteny tamin’ingahy mpamily izy.

Roso indray ny fiara. Teny an-dàlana dia midoladola ilay kodiarana voalaza ka manary rivotra. Mandra-pahatonga tany aloha kelin’ Ambatolampy dia efa impolo kely angamba no nijanona (maty) ny fiara. Antony : Miakatra maripàna isaky ny roa kilometatra mahery eo ny fiara, indrindra moa fa rehefa miakatra fiakarana. Nananomboka ny menomenona sy ny fitakiana famerenam-bola avy amin’ireo mpandeha. Ingahy mpamily anefa tsy mety hamerim-bola fa hoe efa lany nividianana solika sy nanomezana ireo mpanera tany Anosy, hono. Hatreto dia nojerena sy navela nandalo fotsiny ireo fiara hafa nisongona ilay notaingenan-dry zareo.

Ny loza dia nisy tamin’ireny fahafatesan’ny fiara ireny no nitranga tao anaty fiolahana mampidi-doza, ka nanery ireo mpandeha tsy hijanona tao anaty fiara sy tsy nanaiky ny hanohy ny dia intsony, eny fa na dia tsy hamerim-bola aza ny mpamily (mba ho fitsinjovan’ireo mpandeha ireo ny ainy). Nanontaniana ny saran’ny dia hatreo Ambatolampy ka voalaza fa 3000 Ariary (tsy mbola ao anatin’io ny saran-dàlana hankany Antsirabe).

Nisy fiara avy any atsimo ka nahalàla ity mpamily hafa kely ity, ary nanontany azy izay mitranga, dia hoy ingahy io:

Misôfy nedala sady mi-gondole ny motera sady niala ny vitesse

Marihàna fa isak’izay misôfy ny fiara dia mivoaka miaraka amin’ny fasian-drano roa ingahy mpamily ary mitady tanimbary na renirano mba hantsaka sy hameno ny radiateur. Toy izany hatrany eraky ny làlana. Ary dia lasa fihomehezana hatrany ny mahita azy sy ny patalohany mila hiborotsaka mitondra ireo tavin-drano roa miakatra avy any an-dohasaha any. Nanampy trotrka koa moa ny fisian’ny vehivavy iray marary saina nentin’ity mpamily ity (izay nivavaka mihitsy ny hivarinan’ny fiara any anaty hantsana, hono, fa izy efa te-ho faty nefa tsy mety maty mihitsy). Asa na ahoana no mba fipetraky  ny raharaha toy izany? Tena tsara raha izy sy ny mpamily irery no niara-dàlana fa angamba nety ho tonga tamin’ny tanjona niriany.

Dia nifanaraka teo ny roa tonta (ilay fiara avy any atsimo sy ingahy mpamily) ny amin’ny handefasana ireo mpandeha hamonjy an’Ambatolampy. Tsy ny rehetra anefa no hanana vola amboniny hiatrehana ny toy izany ka dia nisy ankohonana telo teo angamba no tavela niaraka tamin’ingahy mpamily sy ny fiarany teo amin’ilay toerana.

Tao Ambatolampy indray vao nàka fiara hafa sy nandoa vola amboniny namonjy an’Antsirabe. Ireo olona maika rehetra ireo dia tao ny hamonjy dokotera tao an-tampon-tanàna, tao ny hamonjy fahoriana tany Betafo sns…

Koa anafaro fianakaviana ny toy itony, ary indrindra indrindra, tandremo ny fiara  TOYOTA 1288 TAG , fa io moa no laharany. Tsy voalaza tamiko ny Kaoperativa misy azy. Fa raha tamin’ny 6ora sy sasany maraina ny fiara no niala teo Anosy, ary nihevitra ny ho tonga tany Antsirabe amin’ny 9 ora sy sasany na amin’ny folo ireo mpandeha rehetra tao anatiny, dia efa nihilàna ela ny masoandro vao niditra ny tanànan’ny Ranovisy ry zareo.

Fetibe niaraka tamin’ny Hosona Lion/Orange
Hosona = câble

Dia nifety tokoa moa ny olona omaly 07 novambra teny amin’ny Kianjan’Alarobia.

Rehefa niala tany Toamasina tamin’ny Alakamisy 05 novambra tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany ny sarin’afo (satria tsy mbola afo mirehitra no nentina teny fa sary namboarina) fanamarihana ny fahatongavan’ny hosona Lion eto Madagasikara, an’ny orinasa Orange, mba hampitombo ny hafainganam-pandehan’ny aterineto sy ho fampihenana ny vidin’ny tolotra Orange, ka nandalo tanàna maro teny amin’ny làlana nolalovany ary noraisin’ingahy Minisitry miandraikitra ny Teknolojia sy ny solontenan’ny PDS Antananarivo Renivohitra teo anoloan’ny Lisea Teknika Ampasampito

dia noraisina teny amin’ny kianjan’Alarobia kosa ny Sabotsy antoandro tamin’ny 11 ora sy 12 minitra. Tafiditra ao amin’ilay resaka ‘haingam-pandeha’ na ‘Haut débit’ tanteraka amin’izay izany izao ny Orange raha mijanona kosa ho resa-be izany ho an’ireo mpanao tolotra hafa hatramin’ny androany.

Ny tany hono anefa tsy ilaozan’adala, ka rehefa tonga teny ny vahoaka maro, nitondra ny tapakila fidirana maimaim-poana sy naka ny satroka + akanjo bà, dia nahagaga ahy ny fihetsiky ny mpitandro filaminana vitsivitsy niandry ny vavahady.

Nisy ramatoa iray niaraka tamin-janany vavy, nipetraka tsy lavitra ny vavahady fidirana (ao anaty kianja io an!).

Ireo atleta nitondra ny afo niditra ny kianja

Samy miandry ny fahatongavan’ilay sarin’afo daholo (izay novàna ho tena afo amin’izay nony niditra ny kianjan’Alarobia).

Naharay antso tampoka anefa izy mianaka ireto fa misy marary tampoka ny zanak’ilay ramatoa any an-tanàna any. Handeha hivoaka izy, tsy nanampo na inona na inona. Tonga dia tositosika avy amin’ny mpitandro filaminana no nahazo azy. Hoy indrindra ny teny navoakan’ireo niandry vavahady:

Tsy misy mahazo mivoaka eto raha tsy amin’ny 12 ora sy sasany

Ny andro anefa amin’io mbola amin’ny 10 ora sy sasany. Niezaka ny nanazava mora ihany ilay ramatoa sy ny zananyhoe raha asaina mifidy amin’ny fety sy ny fahasalaman’ny ankohonana, dia aleo ny fety no tsy hita. Toa tsy aina tokoa ny aina rehefa tsy ny an’ny tena no voatohintohina raha ity tranga ity no raisina.

Tositosika no nahazo azy mianaka, ary dia nanomboka niakatra koa ny feo.

Fomba avy aiza, toetra manao ahoana itony asehon’ny mpitandro filaminana itony e? (Teny avy amiko io fa tsy an-dry zareo an!) Sombiny avy amin’ny gidragidra sendra voatahiriko an-tsary ity aseho anareo ity.

Soa ihany aho fa tsy nitetateta nanao ity karazan’asa lasa zary mahamenatra ity, rey olona. Tsy nisy fanajàna ny maha-renim-pianakaviana , na ny maha efa nahazo taona ilay ramatoa, fa dia naronjondronjona sy natositosika hidina sy hiverina tao anaty kianja izy mianaka vehivavy ireo.

Na teo aza anefa izay zavatra niranga izay, dia nifaly sy nitsinjaka ihany ny hafa, satria izay rahateo no anton-dia tany, ankoatry ny hoe mba hahazo ilay satroka sy akanjo tsy vidiam-bola, sitrany ahay.

Nony tonga teny an-tsofin’ireo mpikarakara ny zava-niseho tenyam-bavahady,dia niantsoantso tamin’ny fanamafisam-peo ry zareo ho an’ireo mpiandry vavahady, fa hoe :

Hoe anareo miandry ny vavahady, aleo hivoaka ny olona izay te-hivoaka, fa izay mivoaka kosa dia tsy mahazo miverina intsony

Amin’ny fomba ahoana moa no hifantenana an’izay? Sarotra tanterahana famora tenenina, satria vavahady tokana no natao hidirana sy hivoahan’ny rehetra, ary ilay izy rahateo fidirana tsy nisy fisavana teo ambony farehefa tonga tany ambany tohatra (anaty kianja) izahay nahita sady fisavana no fizarana kojakoja sy EauVive. Ny talohan’izay no tsy fantatro

MANJAKAMIADANA: 14 taona lasa
14 taona lasa izay no nahamay ny Rovan’i Manjakamiadana sy ny tao amin’ny Ministere des Finances Antaninarenina. Zafy Albert no filoha ary Ravony no praiminisitra tamin’izany fotoana.

Ny 06 Novambra 195 tokony ho tamin’ny 5 ora sy 30 min hariva no voalazan’ny vavolombelona tamin’izany fotoana fa nahitana ny lelafo voalohany teny an-dRova.

Ny 30% tamin’ireo fanaka tao aminy ihany no avotra, raha nafindra vonjimaika ho ao amin’ny Tranombokim-pirenena Ampefiloha talohan’ny nametrahana azy ao amin’ny Lapan’Andafiavaratra, izay natao indrindra tamin’izany fotoana hifanandrify tamin’ny tsingerintaonan’ny andro nahaterahan’ny Praiministra Rainilaiarivony.

Kotsan-dranomaso Antananarivo tamin’izany andro izany nony nahita ny lavenona navelan’ny afo ny ampitson’io 06 novambra 1995 io.

Nisy ny fanangonam-bola,nahatonga ilay fiteny manadrohadro hoe ‘mametraha kely mba hanarenana ny Rova’. Saingy tsy dia nisy loatra ny mangarahara tamin’ny fitantanana azy ireny.

2005: nilaza ny hanarenana ny Rova ny Filoha tamin’izany fotoana, Marc RAVALOMANANA.

2009: 90% amin’ny asa goavana nampiandraiketina ny Colas no vita ary mbola ilàna vola hatrany amin’ny 11 miliara ariary ny fanohizana ny asa, izay orinasa hafa mbola tsy fantatra no hanohy azy. Ny asa miandry moa dia ny fandrakofana hazo ireo beton be nananganana ny Rova indray.

Hatramin’ny anio, mbola miandry izay marina momba ireny fahamaizana samihafa ireny ny vahoaka satria tsy mbola nisy nilaza ny marina hatreto. RAHOVIANA ?