Michel sy ny atelier ZAVA MANENO

Nisy fampisehoana mivelatra nokarakarain’ny Alter.native tao amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano (Gymnase Couvert Ankorondrano). Nifototra tamin’ny resaka momba ny Tontolo iainana izy io. Isan’ireo izay nandray anjara tamin’izany ny Atelier ZAVA MANENO.

Saiky zava-maneno vita avy amin’ny Bamboo (ireny volotara be irony) no tena vokarin-dry zareo.
Iray amin’ireo mpamorona ao amin’ity atelier ity i Michel. Izy no namorona ny [...]

BOMBS 2009

Toy ny efa nahazatra ireo zoky tamin’ity resaka fitorahana blaogy ity, dia tonga indray ny BOMBS 2009. Natao indrindra izy io hifidiananareo mpamaky ny vohikala, na blaogy nandrian’ny fonareo nandritry ny taona. Entanina araka izany isika mpamaky sy mpanovo teto amin’ny gazetyavylavitra.wordpress.com, ny avylavitra.wordpress.com ary ny tenygasiko.wordpress.com mba handray anjara ho fanohanana sy ho fandrisihana [...]

K’izaho ve?

Roa taona lasa izay no nanoratako ity tononkalo ity. Toa mifanandrify indrindra amin’ny zavatra miseho amin’izao fotoana anefa ny votoatiny. Misaotra betsaka indrindra an’i Endrika01 nametraka fanamarihana tao anatin’ny vohikalan’ny Serasera.org izay nametrahako azy tamin’izany roa taona lasa izany, izay arahabaina ihany koa nahatratra ny tsingeringerina nijoroan’ny vohikala.
Indro averiko etoana kosa izy ho vetsovetso [...]

Namono tena ve David Carradine?

Tany amin’ny hotely iray tao Bangkok no hita nihantona ny vata-mangatsiakan’i David Carradine.
Hanao tournage tamin’ilay horonan-tsarimihetsika “Stretch” no nahatongavany tany Thailand. 72 taona izy izao maty izao, raha efa tany amin’ny faha 5 taonany no nolazainy fa efa nanandramany namono tena [ fa ity vao tena tafita lery an!]. Ny sarimihetsika ahitana ireny haiady [...]

Vetso.serasera.org

Maro ny takelaka azo tsidihana ao amin’ny vohikalan’ny SERASERA.ORG, fa notsongaiko manokana ny VETSO.SERASERA.ORG.  Sehatra iray ifanenan’ny kanto Malagasy sy ny mpankafy azy izy io.  Tsy natao ho an’ny matihanina irery anefa ny fandraisana anjara ao, fa na ianao mamaky ity hafatra ity aza dia afaka mametraka izay vetsovetsom-po na aingam-panahy sendra nandalo taminao ka [...]