Afomanga sy tifitra avylavitra

Aza taitra amin’ilay tifitra e! Fomba fotsiny io entina hilazana fa avy lavitra no nitifirana ny sary.

Fankalazàna ny  fitsenana ny Andro niverenan’ny Fahaleovantenam-pirenena (25 Jona 2011 2011, Anosy , Antananarivo)

Sary vitsy monja ho anao mpamaky

 

 

 

Fa aoka zalahy mba hialàna ity manipy tavoahangy plastika any an-tampon-dohan’ny sasany ity a. Raha miverina eo amin’ny lohanao moa iny ary niova no tena tavoahangy fa tsy plastika intsony, dia ahoana re eeee! Tsy te-hahita aho.

Tohano ireo feo maro ao amin’ny Global Voices – Manomeza fanampiana izao!

An’ny Global Voices Online ny lohateny nampiasaina ary niniana natao ny tsy nanova azy amin’ny maha-mpiara-miasa ny GVO sy ny Gazety_Adaladala.

Feno 6 taonba ankehitriny ny GVO. Sehatra lehibe midadasika mampiasa ny teknpolojia vaovao sy ny fampitam-baovaon’olon-tsotra ho fanelezana ny feon’ireo atao anjorom-bala sy tsy mba misy mpihaino. Mitolona ho amin’ny fahalalahan’ny fahazoam-baovao ho an’ny rehetra, ny fahalalahana maneho hevitra, ny fiarovana ny zon’olombelona ka isan’izany ny fiarovana ny zon’ireo voasambotra noho ny famoahany ny heviny,  ary miezaka mandrakariva ny tsy hitanila.

Efa maro ny mpiara-miasa aminy toy ny

Hoy tokoa ny lohateny hoe

Tohano ireo feo maro ao amin’ny Global Voices – Manomeza fanampiana izao!

Asa raha firy ny Malagasy afaka manao izany avy eto an-toerena, satria dia mampiasa ny compte Paypal izy ity. Betsaka anefa ireo vato nasondrotry ny tany any am-pita any no mety ho afka manao araka izay voatsirambin’ny tanany, ka entanina indrindra.

Mba tsy handiso hevitra ny hafa (satria dia misy tokoa ny mandray an-tendrony eto amin’ity fiainana ity, indrindra nikasika ity resaka GVO Malagasy ity), dia tsara ny itondrako fanamarihana etoana fa tsy misy mandeha any amin’ny kaontim-bolan’ny mpanodina ny Gazety_Adaladala izay fanomezana ataonareo amin’izany fa  mirotsaka mivantana any amin’ny GVO Foibe izay tsy eto Madagasikara ny foibeny.

Fa maninona tokoa moa no entanina ny resaka fanampiana toy izao? Satria resaka tsy mora ary iolam-piniavana ny asa fikaraoham-baovaoa sy fanelezana izany, raha ho an’olon-tsotra tsy miankina amin’ireo fantsom-baovao mahazatra hatrizay. Be anefa amin’ireo mpanoratra, mandika teny, mpamoaka lahatsoratra manerantany (na tsy ny rehetra aza) no manao izany aza izany maimaim-poana. Misy kosa ireo izay tsy maintsy mila fanohanana satria tsy mbola toy ny any amin’ny tany sy firenena hafa ny fahafahan’izy ireny mampiasa malalaka ny teknolojian’ny aterineto (voafetra eo amin’ny resaka sandany sy ny fandrakofana)

Azonao atao ny mitsidika bebe kokoa ny tranonkala GVO na amin’ny teny Malagasy , na amin’ny teny Anglisy raha te-hahafantatra bebe kokoa mikasika ny fiaimpiainana sy ny fiasan’io Vondrom-piarahamonina goavana be eo anivon’ny aterineto io ianao.

Dia efa alefa sahady koa ny firariantsoa ho an’ny mpamaky rehetra mba hanao Fetin’ny faran’ny taona ao anaty fitoniana sy fahatretrehana , ary hahatratra ny taona 2011 – Ho tanana’ny soa sy ny tsara rehetra ho an’ny isam-batan’olona. Ekena fa henjana ny vidim-piainana, nefa na tsy hirehitra aza ny tany mety dia tsy misy fanantenana very raha mbola afa-mitepo ny fo, tsy very ny saina ary afa-mihetsika ny tongotra sy tànana satria ireo no fitaovana voalohany enti-manatratra ny tanjona.

Andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny VIH/SIDA

onelifecouch 500x694 Top 35 des affiches et campagnes de pub choc contre le SIDA

Sary tamina fanentanana hiady amin’ny SIDA entina hanaingoana ny resaka hataontsika

Andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny VIH/SIDA tokoa kay moa ny androany. Ary tsy hay ny tsy hiresaka azy ity. Resa-betaveta anefa raha ny toe-tsaina Malagasy no itondràna azy, saingy amin’ny maha-zava-doza mety hanimba ny taranaka fara sy dimby azy, dia hiala kely amin’ny resaka fadifady ny eto amin’ny Gazety_Adaladala.

Matetika tokoa ny zavatra andraràna dia toa vao mainka misarika ny sain’ireo raràna hijabaka. Misy foana ny fanentanana natao, sy atao ary angamba mbola hatao, na io ho an’ny eny an-tanàn-dehibe, na io ho an’ny any ambanivohitra. Na izany aza anefa dia misedra olana ny famatsiana an’ireny fanentanana ireny, indrindra moa fa ny hoenti-manana ny famatsiana ny fimalo, ho an’ny tany Afrikana maro. Isan’ireny ny faritra ambanivohitr’i Kenya, Narok. Ny tatitry ny ONU/SIUDA dia nilaza fa raha 21,6 tapitrisa ny filana amin’ny fimailo, dia tsy nisy afa-tsy 15,3 tapitrisa no azo namatsiana io firenena io manontolo tamin’ny taona 2008.

Mpanentana ny mitovy aminy i Jactone Lelei, ary mampianatra momba ny tokony hampiasàna ny fimailo. Be hoy izy ny tinady ka nahatonga azy sy ireo namana mpiara-miasa aminy hanao tahiry hatrany an-tokantranony mihitsy aza. Tsy adinony araka izany ny sady mampianatra no mizara azy ireny rehefa mandeha any anatin’ireo vondrom-piarahamonina samihafa manazava ny resaka VIH/SIDA. Rehefa misy mila dia miantso azy ireo fotsiny na dia any an-tranony aza , ary dia omeny fahafaham-po. Ny antony araka ny filazany dia satria ny tsy fahafahan’ireo mitady azy ireny mahita azy amin’ny fotoana ilany azy no ataony fialana tsiny ho tsy nampiasàna azy

''Tsara ny fimailo…Andraso aloha aho handeha hitady fimailo…very ny fahataitairany dia iny izy no lasa''

Efa tena tafakatra ambony tokoa ny fahafantaran’ny sasany ny antony ampiasàna ity fimailo ity raha ny resak’ity lehilahy iray ity  no jerena. Hoy mantsy i Lemeo Ntalel, miaramila iray 21 taona, avy ao amin’ny faritr’i Narok:

“Tsara ny fimailo ary mampiasa azy ireny aho rehefa miaraka amin’ny vehivavy – nampianarin-dry zareo anay ny fomba ampiasàna azy, saingy aty amin’ny faritra ambanivohitra dia olana satria voatery mandeha lavitra tokoa izahay vao mahita fimailo. Nefa amin’ny fotoana tianao hampiasàna azy raha sendra tsy misy azo raisina  any amnao, dia voatery manao amin’izao fotsiny tsy misy na inona na inona miaraka amin’ilay vehivavy; sarotra be ny hiteny amin’ilay vehivavy hoe  ‘andraso aloha aho handeha hitady fimailo’, satria ho very  ny fahataitairany dia iny izy no lasa.”

Ntalel izao dia voatery mandeha mamonjy ny toeram’-pitsaboan’ny faritra ambanivohitr’i Narok any amin’ny 26 km mba haka fimailo. (Ka te… mafy dia mafy  tsinona  koooo).

Isan’ny sàkana tsy anantonan’ny kofboay haka ireny fimailo ireny koa ny fitahirizana azy ireny any amin’ny tranon’ny deban’ilay tetikasa fanentanana. Eo ny henatra. Tsy manampy araka izany ny fametrahana azy any amin’y toerana tahaka ireny. Izay mahavantana n y besinimaro ary hahamenatra azy no tokony ho safidy.

Nitombo be anefa amin’izao fotoana ny fahavononan’ny olona hampiasa azy ireny raha oharina amin’ny tany aloha ka tokony hanao ezaka goavana ny mpitondra fanjakana mba hanao izay haha-vonona mandrakariva azy ireny ho an’izay mila azy satria zon’izy ireny ny hahazo an’izany

Ho an’ny eto Madagasikara moa dia toa rehefa manodidina io andro io no tena malaza ny resaka ady amin’ny VIH/SIDA fa rehefa avy eo dia mangatsiatsiaka any ambadika any. Nahazoana famatsiam-bola goavana tokoa izy io tany aloha tany. Na dia tsy re tsaika aza anefa dia fantatra kosa fa mbola isan’ny sampana iray manohy ny fanabeazana mikasika io ady io ny PSI – Madagascar izay manana ny foibeny etsy amin’ny Immeuble FIARO Ampefiloha.

Aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo, VIH/SIDA, sns… Tany aloha tany ho an’ny Malagasy sasany dia namaivaniny  sy toa natao sangisangy ihany ny momba azy ity. Ary na dia tsy mbola maro aza ny Malagasy tratra, dia efa misy kosa ny mitondra ny otrikaretina. Aoka araka izany tsy ho raisina ho fandemen-tsaina na sangisangy fotsiny ny amin’izy ity. Tsy hijery isika hoe iza no nitondra azy teto Madagasikara, na niniana natao ve ny nisiany, resa-bola goavana ve no ao ambadika, sns… fa ny fiarovana no ndeha ho atrehana. Ny 5 mn nakàna fy, na ny 20 mn niondankodanana sy niakàrana lanitra fahafito tokoa mantsy dia mety hiafara araka izay ambaran’ny sary eto ambany. Tsy asiana resaka

10 secondes 450 Top 35 des affiches et campagnes de pub choc contre le SIDA

Tsy izay rehetra mahafatifaty tokoa dia ho ary salama sy tomady, ary tsy izay rehetra tsara tarehy no tsy maintsy ho tsara fitondrantena sy tsy azo kianina

sida femme 450 Top 35 des affiches et campagnes de pub choc contre le SIDA

Manja ny SIDA, koa miarova tena ianao amin’ity lohataona ity

Hoy ilay hira iray izay hoe "Maromaro ny fakàm-panahy izay hita eny an-dalana ho’aho…", an’i Samoela io. Marina tsy misy azo kianina izany. Ny fitandremana no tsy maintsy atao aman-taonina. Aiza avy tokoa moa ary avy amin’iza ny fakàm-panahy no mety hitranga? Tsy lavitra fa eo akaikinao eo: ny namanao, ny fifampitaritarihana mankany amin’ny làlana diso, ny revy sy ditra (ohatra amin’ireny ny zaza tsy ampy taona mifampitarika mamonjy ‘boite’, manandrana zava-mahadomelina). matetika rehefa malemy saina tsy maharesy ny lango malefaky ny namana ny ankizy iray dia jobo ao, ary dia miafara amin’ny nenina be vava avy eo. Inona no mety hitranga? Misy ireo tsy mahalala na inona na inona akory ny amin’izay zavatra atolotra azy mandritra ireny lanonana samihafa ireny ka dia mihinana sy misotro an-jambany fotsiny no atao.

    mauvais coups 3 450 Top 35 des affiches et campagnes de pub choc contre le SIDA

Ho voan’ny SIDA ilay tsy mahatsapa tena. Ilay ratsy vintana koa, saingy ny azy tsy nahazoana fafiny

Rehefa renoky ny tory noho ny zava-mahadomelina natao an-kiafinafina tao anatin’izay nohaniny talohan’ny nilfohazana vao mitanondrika miezaka mamantatra ny minitra vitsy na ora iray, eny mety ho andro mihitsy aza, nilomanosana, na nilomanosan’ny sasany tao anatiny tao. Mitratrevatreva firesaka isika androany ary sary maherisetra  no aseho satria tsy raharahan-jaza ity ry zareo. Tara loatra anefa, ary ny fiainana iray manontolo sy ny hoavy no efa nosimbàna noho ny tsy fitandremana kely monja. Rehefa tsy ho voan’ny VIH/SIDA, dia mety hitondra vohoka tsy niriana (izay ny tena rain-jaza avy eo mety tsy hiseho vatana ihany koa ), na fara-faharatsiny rehefa tsy voan’iretsy voalohany, dia efa very aloha ny maha-virijiny. Izay mahagaga, fa toa lasa zavatra mahamenatra ny fitazonana azy ho an’ireo taranaka aty aoriana. Ho an’ny maty eritreritra anefa izany. Aza raisina ho adala ny sasany raha mitaky certificat medical alohan’ny hidirana amin’ny resaka matomatotra kokoa amin’ny fiarahan’olon-droa. Mety tsy hino izay lazaiko izay ianao, nefa dia mbola misy tokoa ny manao izany. Toy ny tsy inoan’ny olona fa hoe mbola misy ny vehoivavy mahatahiry ny maha-virijiny azy hatrany amin’ny faha-40 taonany.

Fa rehefa tsy mitandrina dia ny rangolahy no miandry ery amin’ny fivoahana ny lalana ambanin’ny tany ery. Araho ny sary, dia fantaro mangingina  ny tiany hambara. Fa araka ilay tenin’ny baiboly io hoe "Ny zavatra rehetra azo atao, fa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa" . Ka na hitsingaona, na hitsangana, na hiondrika sy hitsilany ianao, iray ihany no marina: hametraka dindo amin’ny ampitso izay nataonao tao amin’ny an-katakonana tao. Miankina aminao ny hahatsara na haharatsy azy, satria tsy misy ifanerena ny safidy. Sa tsy izany?

AIDS Top 35 des affiches et campagnes de pub choc contre le SIDA

Misy hevitra tian’ilay sary ery ampiaingana havoitra, saingy tamin’ny teny anglisy moa ilay izy, ka omena antsika ety ampiafaràna mba hamehezana ny resaka. Hoy ilay soratra rehefa adika tsotra hoe: Isak’izay manao amin’olona iray ianao, dia tsarovy fa miara-manao amin’ny lasany rehetra koa. Ka fahafiry amin’ireo efa niarahany ianao?. Izay no hevitr’ireo tanana marobe mamihina ireo. Vantanina ny resaka fa tsy mody hatao hoe miara-mandry indray e! Ary aza tezitra fa aleo tsy hatao "tabou,  tabou’ lava izao ny resaka toy itony.

13 Oktobra 1996 – 13 Oktobra 2010

Fa inona indray àry ity lazain’ny lohateny angamba hoy ianao?

14 taona, raha ny elanelan’ireo datin’andro roa ireo no jerena. Ka ny inona e?

Tamin’ny 13 Oktobra 1996 no nanakoako voalohany tamin’ny onjam-peo ny fandaharana NY MARINA ao amin’ny RADIO ANTSIVA -  97.6 FM. Nisy ny fotoan nankalazana ny tsingerintaona toy iany tamin’ny taona 2002 tao amin’ny Espace DERA.

Fandaharana isan’izay be mpanaraka hatrany amin’ny fotoana voalohany nandehanany izy io, ary isan’ny nitondra betsaka ho an’ny tontolo politika sy sosialy teto amin’ny firenena. Arakaraky ny toerana misy ny tsirairay mihaino azy moa no maha-tsara na maha-ratsy ny fomba fijery an’izay vokatra nentin’ity fandaharana ity teto amin’ny firenena.

Na inona na inona anefa ho lazaina, dia tsy azo hamaivanna ny toerana noraisin’izany fandaharana izany sy ny fanadihadiana atolotry ny tomponandraikitra ao. Amin’ny fomba mahitsy sy mazava ve? An’ny tsirairay no mamaly an’izay. Maro rantsana rahateo ny zavatra resahana ao.

Farafaharatsiny aloha dia misy fampahafantarana maro azo raisina avy aminy. ISMAEL RAZAFINARIVO no tomponandraikitra ary mpanasa vahiny ao, manampy matetika azy eny ry ANNICK RAHERIMANANA sy ry NIVO RATIARISON, NOEL RANDRIANANTENAINA  sy ny teknisiana namany.

Vahiny isan’ny tena be mpiandry sy mahaliana ny rehetra i RAINIJAONARY noho ny raki-pahalalana maro sy lalina entiny ho an’ny mpihaino ny fandaharana

Fandaharana azon’ny rehetra anehoan-kevitra amin’ny alalan’ny antso mivantana ny "NY MARINA", ary ao anatin’ireny fifanakalozan-dresaka rehetra ireny dia ilaina foana ny mijery ny teboka MIIBA sy ny MIABO. Koa rehefa hita fa misy ny MIABO azo raisina, na avy amin’iza io na iza, dia tsara foana ny mandray, fa tsy ijerena ny hoe avy amin’iza ,na antoko iza sns… Resaka ‘objectivité’ no tiana holazaina. Tokony hialàna izany ilay fiteny hoe "hàlako hatramin’ny tsinay maintiny".

Izaho manokana aloha dia mandrisika ny rehetra izay afaka manaraka azy io isaky ny alina manomboka amin’ny 8 ora sy sasany eo ho eo. Efa mandeha amin’ny aterineto rahateo io onjam-peo io.

Fampahafantarana farany : hiezaka ny hitondra izay fanazavana mba azo enbtina amin’ny andininy sasantsany momba ilay Lalampanorenana vaovao ity fandaharana ity manomboka amin’ny alakamisy alina. Raha vitan’ny eto amin’ny Gazety_Adaladala dia ho entina ho an’ny mpamaky manomboka ny ampitson’ny andehanany amin’ny onjam-peo

Hifanolotra atody

Ho avy ny fety kristiana ‘Paka’. Tsy misaraka amin’io andro io sy ny manodidina azy ny resaka Chocolat, lakolosy, bitro sy atody. Misy tantarany ny niavian’ireny, saingy tsy hidirantsika lalina loatra.

Midika inona ho an’ny maro ary ny ‘Paka’? Ao ny mandray azy ho ilay Andro nitsanganan’i Kristy taorian’ny namonoana azy. Ao ny mandray azy ho androm-pibebahana sy Fihavaozana indray eo amin’ny fiainana. Ao ny mametraka azy ho toy ny andro firavoravoanan fihinanana sy fisotroana fotsiny.

Fanao any ivelany any, rehefa tonon’andro ‘Paka’ ny mifanolotra zavatra ka isan’ireny ny ‘atody’. Zavatra fady tamin’ny Malagasy sasany tany aloha tany izany hoe mifanolotra atody izany. Maha kizo fara sy mahaboribory fiainana, hono (ataovy an-tsaina ilay fiteny hoe : vato kiboribory). Fa ankilany kosa anefa dia midika fitohizan’ny aina izy, nefa koa raha ny bikan’ny ivelany no jerena dia milaza fahatanterahana. Mifamela ny olona nanana disadisa amin’io andro io, na efa mialoha azy akory aza (mandritry ny herinandro masina).

Be ny disadisa amin’izao fotoana eto amin’ny samy Malagasy (tsy ny monina sy mipetraka eo ambonin’i Madagasikara ihany, fa na ireo zanaka am-pielezana eran-tany koa aza). Mba hisy ve izay fifamelana sy fihavaozana izay amin’ity ‘Paka 2010′ ho avy ity? Nandeha ny feo fa hoe taorian’ny tsidika tselatra nataon’ireo iram-panjakana frantsay mba hitadiavana vaha olana momba ny krkizin’i Madagasikara, dia mery hisy ny fihaonana Andry RAJOELINA sy Marc RAVALOMANANA. Nilaza anefa MArc RAVALOMANANA androany fa tsy misy an’izany ary tsy hihaona velively amin’i Andry RAJOELINA raha tsy eo koa RATSIRAKA Didier sy ZAFY Albert. Mandeha koa ny fivoriana ankiafinafina etsy sy eroa. Voalaza mihitsy fa misy fikasana hanongam-panjakana any ho any. Resahana ny mety hisian’ny ‘explosion sociale’ goavana eto Madagasikara ato ho ato. Karazana atody re izao.

Mba iza amin’ireo atody ireo no tianao hatao fanomezana amin’ity ‘Paka 2010′ ity?

Ny irariana fotsiny dia ny mba hahaizan’ny tsirairay mifanolotra ny atody tsara indrindra, dia ny fihavanana sy ny firaisankina. Fa tsy ho sanatria ‘lamokan’atody’, na ‘atody poak’aty’ efa notrohin’ny mpanolotra mialoha izay tao anatiny, na koa ‘atody vato’ tsy hita ho hanina fa sahaza kosa ho haingon-trano hampiraraka ny ivy fotsiny.

kabary nalaina tanaty aterineto

Tany anaty resaka ifanakalozana anaty aterineto no nahitako azy ity. Koa satria samy mankalaza ny 29 mars amin’ny fombany ny tsirairay dia indro mba avoakako eto tsy asiam-panovana izany.

***********************************************************

Lundi 29 mars 2010 12h43 De: "Rary"

Ajouter l’expéditeur dans les contacts À: serasera@yahoogroupes.fr, "Serasera malagasy" <serasera@serasera.com>

Mail avec pièce jointe 3 fichier(s) (5512 ko)



kabarin’ny Filoha marc ravalomanana

Fankalazana ny fitsingerenan’ny 29 mars 1947

29 Marsa, andro fankalazana ny tsingerintaonan’ny Fihetsiketsehena Lehibe tamin’ny taona 1947, izay nitarika ny fahazoana ny fahaleovantenan’i Madagasikara.

Ry Vahaoka Malagasy, Mpiray Tanindrazana,

Ny voalohan-teniko, dia fisaorana an’Andriamanitra noho ny nahatratrarantsika izao andro lehibe, manan-tantara eo amin’ny Firenena Malagasy izao.

Miarahaba ny Vahaoka Malagasy rehetra manerana ny Nosy aho, sy ireo monina amin’ny firenena maro, manereana an’ izao tontolo izao.

Miarahaba manokana ihany koa ireo bekotro maro olatra, akanga sisa nanamborana, tapa-porohona sisa tsy may. Mankasitraka sy midera ny herimpo, ary ny fitiavan-tanindraza na nasehonareo izahay. Aza matahotra, fa hijoro ho mendrika ny ohatra nasehonareo izahay, ary hijoro hatramin’ny farany.

Ry Malagasy Mpiray Tanindrazana,

Miray fo sy saina aminareo aho amin’izao andron’ny 29 Marsa izao, andro miavaka indrindra eo amin’ny tantaran’i Madagasikara.

29 Marsa, andro fahatsiarovana, andro fandinihin-tena ho an’ny mpitondra sy ho an’ny olom-pirenena tsirairay avy, andro handrefesana ny fitiavantsika marina ny Tanindrazantsika sy ny vahoaka malagasy, andro hanehoana ny fanapahan-kevintsik a ho amin’ny hoavy.

29 Marsa 1947?. Andro nanokatra ny fotoana nitondran’ny Malagasy tia tanindrazana faisana noho ny fiandrandrany ny hiverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara, namoizany ny fahalalahany, eny ny ainy, satria tsy misy antony hihariana fananana sy fahalalana, eny fahendrena aza, raha mbola vahoaka voazanaka sy voageja. Tsy nahazaka izany ireo razantsika maherifon’ny firenena, ka naleony nisotro ny aleoko maty.

Toy izany koa isika ankehitriny, 29 Mars 2010.

Nitsidika antsika Andriamatoa Président Jacques Chirac tamin’ny taona 2005. Tamin’izany indrindra no nanambarany am-pahibemaso, fa « inacceptable », na « tsy azo ekena » ny fomba namoretana ny fihetsehan’ny mahery fo, tia tanindrazana malagasy tamin’ny taona 1947, nanoherana ny mpanjanatany.

Efa ela ny fifandraisan’i Madagasikara sy Frantsa. Nampiraisin’ny tantara, ny kolontsaina, ny fiteny, ary ny soatoavina isika. Firenena miteny frantsay isika, ary reharehantsika ny maha firenena mahaleotena antsika ihany koa.

Maro ireo teratany Malagasy monina any Frantsa. Mitondra ny anjara birikiny eo amin’ny firaisan’ny fianakaviamben’ny firenena miteny frantsay izy ireo, na eo aza ny maha Malagasy azy manana kolontsaina hafa. Isika rehetra dia te hiaina araky ny soatoavina repoblikana lehibe fonoson’ny teny hoe: Liberté, égalité, fraternité, na fahafahana, fitoviana, firahalahiana.

Iaraha-mahita anefa ny manjo ny firenentsika ankehitriny. Voaosiosy ireo soatoavina ireo.

Tao anatin’ny 12 volana monja, dia niova tanteraka i Madagasikara noho ny nafitsoky ny fitondrana tsy ara-dalàna, nandrombam-pahefana herintaona lasa izay. Ilay Firenena nandroso tsara, efa nanomboka niroborobo iny, nitsitongana lasa fanjakan’i Baroa, potika, rava tanteraka noho ny krizy ara-politika, krizy ekonomika, ary sosialy. Lasa tany tsisy lalàna, hanjakan’ny hery pamoretana sy ny fanenjehana ireo mijoro, mitaky ny ara-dalàna.

Nihena ny famokarana. Very tanteraka ny fifampatokisana, na teo amintsika samy Malagasy, na teo amin’ireo mpiara-miombon’antoka amintsika. Lasa ny mpamatsy vola. Maro ireo orinasa nikatona, koa aman’hetsiny ireo tsy an’asa.

Mafy ny fiantraikan’izany amin’ny fiarahamonina sy ny isan-tokantrano. Tena mahonena. Tena mahaontsa ny mahazo ny fianakaviana maro. Ao ireo zara raha misakafo, ary marobe ny ankizy tsy afa-mianatra, satria tsy manam-bola handoavana ny saram-pianarana intsony ny ray aman-dreny.

Rava sy potika tanteraka ireo ala voajanahary sy ny tontolo iainana, izay nimatimatesantsika niaraka tamin’ireo mpamatsy vola sy ny firenena sakaiza.

Niray feo izao tontolo izao, nanameloka ny fandrobaham- pahefana nataon’olombitsy mitam-piadiana. Izay no nahatonga ny Vondrona Afrikana nampiatra sazy amin’ireo mpitondra tsy ara-dalàna ireo. Ny tanjona, dia ny hamerenana azy ireo, hanaja izay efa nifanekeny, ka nosoniavina tany Maputo sy tany Addis Abeba.

Voalaza tamin’izany, fa hiroso amin’ny fampihavanam- pirenena isika, na “réconciliation nationale”, ary hajoro ireo rafim-pitantanana isaky ny ambaratongany sy ny governementa iraisana, izay hanomana fifidianana malalaka sy mangarahara, iarahana manatanteraka amin’ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena.

Izany safidy malalaka izany no hany lalan-tokana afahan’ny Vahoaka Malagasy mamaritra marina ny hoaviny sy ny hoavin’ny Firenena, fa tsy ny fanaovana amboletra, hiroso irery amin’ny fanapahan-kevitra, ka hanao saritsarim-pifidian ana akory.

Antenaina fa’i Frantsa sy ny Vondrona Eropeana, dia hiray hina amin’ny Vondrona Afrikana, hampiatra ny sazy amin’ireo mpitondra tsy ara-dalàna ireo.

Izay ihany no afahana mampanaiky ireo mpitondra tsy ara-dalàna ireo hamela ny Vahaoka Malagasy hisafidy ny hoaviny, amin’ny alalan’ny fifidianana malalaka sy mangarahara.

Mandeha ny fotaona, ka arakaraky ny fahanginan’ireo mpitondra ao Paris sy ireo mpanapa-kevitra any Bruxelles no mampitarazoka ny fangirifirin’ny Vahaoka Malagasy, izay zara raha mahita hanin-ko hanina isan’andro.

Ny tantaran’ny fihetsiketsehena notarihan’ireo mahery fo tia tanindrazana tamin’ny taona 1947, dia mampiseho fa tsy maintsy tonga ny fahafahana, na eo aza ny hery mpamoretana sy ny fanenjehena.

Koa matoky an’i Frantsa isika. Tsy hangina faona eo akory izy, fa hiova ny fomba fijeriny. Ka samy hanaja sy handala ny fotokevitra fonoson’ireo teny hoe: “liberté, égalité, fraternité”, ary koa ny sata ijoroan’ny Repoblikan’i madagasikara, dia ny “ tanindrazana, fahafahana, fandrosoana”.

Manana andraikitra lehibe amin’ny zava-misy aty Madagasikara koa i frantsa, indrindra fa ireo mpitondra. Noho izany, dia manantena aho, manantena isika, fa hiray hina amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena i Président Nicolas Sarkozy amin’ny fampiharana ny sazy amin’ireo mpitondra tsy ara-dalàna ireo, na koa handray anjara mivantana amin’ny fanerena azy ireo, hanaja izay efa nekena sy nosoniaviny tany Maputo sy tany Addis Abeba, ka hanjaka eto Madagasikara indray ny soatoavina demokratika.

Mitodika manokana amin’ny Foloalindahy sy ireo mpitandro filaminana aho.

Tomponandraikitra voalohany amin’izao zava-misy izao ny Foloalindahy sy ny mpitandro filaminana rehetra.  Tsy afa-miala isika, satria tsy diso ny teny faneva atao hoe: “Hoan’ny Tanindrazana”. Tandroka aron’ny vozona, ary kitro ifaharan’ny Firenena isika. Koa raiso ny andraikitra! Sahia!

Tsy misy tsy diso akory raha mbola eto an-tany. Ary ny mahatsiaro tena no afaka mandinika, sy mifamela. Ka tonga ny fotaona hirosoantsika amin’izany fifamelana izany, izany fifankatiavana izany, fandrindram- pihavanana, afahana miroso amin’ny fanarenana marina ity Firenena malalantsika ity. Samy tomponandraikitra isika mianankavy.

Ry Malagasy, Mpiray tanindrazana,

29 marsa 2010 ? Andro afahantsika mandinika sy mamakafaka ny zava-misy, ary andro afahantsika mandray fanapahan-kevitra. Amin’ny kiohon-dalana anankiray lehibe isika  ankehitriny, koa alao hery ary, ry vahoaka malagasy. Alao hery ary, samy tia tanindrazana isika. Ny fifamelana no zava-dehibe, koa miandry anao ny firenena. Miandry anao ireo taranaka ho avy. Manatrika anao ireo iray mehery fo…

Aza mandraraka ilo mby an-doha, fa isika izao no hoavin’ny Firenena. Mijery antsika izao tontolo izao. Miandrandra antsika ny firenen-drehetra eran-tany, nohon’ny fahendrena izay ananantsika Malagasy, noho ny soatoavina ananantsika.

“Mitsangana ry tanora, mitsangana k’aza manana ahiahy,

‘zao no andro sady ora, mijoroa, sahia tokoa ho lehilahy!

Sahia ho tena vehivavy!”

Homba antsika mandrakariva anie, Andriamanitra!

GTT Montpellier

29 mars 1947 / 29 mars 2010

63 taona izay ny 29 Mars 1947. Ady no natao hamerenana indray ny fiandrianam-pirenena Malagasy. Ady no natao mba hiverenan’ny fahaleovantena Malagasy. Tratra ve anefa ny tanjona? Tanteraka ve ny nofinofy? Misy hilaza fa eny, misy kosa hanao hoe ‘Tsia, mbola lavitra ny làlana’.

Samy hanana ny fanehoan-keviny avy ny tsirairay, saingy ny iraisana dia ity ‘Madagasikara tokana no iaraha-monina, na raha tsy monina eto, dia Madagasikara tokana no nipoirana’. Inona no nentinao ho azy? Ny herin-tsandrinao ve ho fanabeazam-boho ny ambaindain’ny tsara efa ananany na tokony hananany mba hahalafatra ny fari-piainan’ireo Malagasy tsirairay monina ao? Sa ny herin-tsainao mba hanany fitoniana sy filaminana ka hiadam-pinaritra ny rehetra? Na koa ny vola amam-panananao ve mba hanasoavanao azy? Ianao no mahalala.
Enga anie ka mba ho nisy ny avy aminao na dia sombiny kely monja ihany aza, fa tsy ho sanatria ho isan’irony ‘mpitazana anjorony’ [spectateurs] fotsiny, ka ny ‘taim-bava’ sy ny famporisihana avy eny amin’ny ‘tribune’ no mafotaka, fa rehefa injay asaina mandray anjara tokoa, mba arotsaka an-kianja dia ‘tsy misy hapoaka’, na lasa ‘moana tampoka’ tsy mahita aloaky ny vava intsony sanatria.

Tsy ho lava ny resaka fa inty atolotra ho an’ny rehetra ny tononkalo iray nosoratan’ireo isan’ny ngeza lahy amian’izany, koa samia misaintsaina

29 MARSA 1947

Londolondon- draho-mainty no nanemitra ny lanitra.

Ny vony ‘zay namelana aza, nandosiram-pofo- manitra.

Na ny vorona mpitoetra sy mpisioka an-tendron-kazo,

Na ny ravina an-tsampaho: nitanondrika, nalazo,

Nanambara ny alahelony ireo maty tsy nandà

Sy ny ahitra aman-tany zary notinondra-drà.

Eny! Basy marovava no injao, nitatatata

Toa nanisa ireo nianjera, potraka ao anaty akata.

Ny hany re nanelingelina: horakoraka nisesy

Izay nataon’ireo tam-basy falifaly fa nandresy.

Hovitrovitr’olon’ ory no nafenin’ny kirihitra

Tao anaty feom-basy nilaza ady be narihitra.

Sentosenton- dreny tia ‘zay namoy ny matoany.

Kiakian-jazabodo, namoy ny rainy tanoloany.

Tolokolokon’olon- dresy, ‘zay voageja sy voagia,

Mitalaho indrafo…nefa, indrisy, sanatria.

‘zato endriky ny vohitra: rota sady sisan’afo.

‘reto endriky ny zaza: nandosiran-tsafosaf o.

Mason-dreny sesehena no lonaky ny ranomaso;

Lamosin-dehilahy koa, vaofin-kapoky ny ankaso.

Na izany aza anefa, samy mbola manantena

Ny handresy hatrany hatrany sy hanavo-pirenena.

Hery roa tsy sahàla no nifanandrina ombieny;

Basy no an’ny fahavalo…nefa izany tsy neken’

Ireo maherifon’ny Nosy…ny azy ny ainy no nomeny

Sy notànany ho ampinga, aron’ny fahareseny.

Nitompoany ny hery ananany, ary izany dia lazainy

Fa antoky ny fandreseny amin’ny ady ‘zay efainy;

Ka na lany fahana aza, fa ny ràny dia nihanaka!…

Io no hajariany ho solika hampahery ny taranaka.

Nomelohina tsy diso ireo Kiadim-pirenena,

F’izay nitaky fahafahana, novonoina, nohosena.

Firifiry akory moa notifirina tsy an’antra

Ka nanjarian’ny zazabodo ho kamboty sy nahantra?

Eny!…ny ràn’ireo namoy ny ainy no zary “soli-pahafahana” .

Ny nofon’ireo Maritiora, nanjary fàkany sy fàhana.

Ny tolokon’izy ireny, reraka sy nihararetra

No namoa ny fahafahana ho an’ny Malagasy rehetra.

Rajaonimaria Henri

Mitomany an’i Kamba kely ny foko(2)

Herintaona omaly maraina ny 19 mars 2009.

Tsy ny krizy politika ihany no tsaroan’ny gazetyadaladala, fa ny namoizany koa ny zandrikeliny Kamba. Tsy asiako resaka betsaka fa maro tamin’ny mpanaraka ny gazety no nahalala ny aminy. Nefa ho an’izay tsy nahafantatra kosa dia fampahatsiahivana tsotra no atao:

Zazalahy kely tratry ny aretina saropady tany amin’ny lohany tany izy. Nonina tany Mahajanga. Nanaovan’ny mpitoraka blaogy Diana Chamia antso avo teto amin’ny ateineto mba hahafahana mitsabo azy. Niara-nientana ny rehetra, na ny teto Madagasikara, na ny tany ampita, ka vory ny vola nilaina. Nentina niakatra an’Iarivo izy ary tao amin’ny HJRA no notsaboina. Vita soa aman-tsara ny fanadidiana natao. Niverina nody tany Mahajanga izy. Tany no notohizana ny fanaraha-maso. Saingy hafa ny sitrapon’Andriamanitra ka nalainy nodimandry izy tamin’io 19-03-2009 maraina io

Tamin’io andro io indrindra no nanoratako teto ny lahatsoratro mitondra ny lohateny hoe "Mitomany an’i Kamba kely ny foko"

Mahatsiaro manokana an’i Viviane kely anabaviny ny tomponandraikitry ny gazetyadaladala amin’ny vaninandro toy izao. Io no ilay kambana aminy. Efa lehibe sy matanjaka tsara ary mikarenjy eraky ny tanàna i Viviane ankehitriny

Masi-mandidy ve?

Raha tsy diso aho dia i Ludger Andrianjaka no niventy ity  hira ity voalohany tamin’ny feo mangany sy avo dia avo.

Nosy tanindrazako,

‘zay navelan’ny razako…

Foiko ho anao ny aiko…

ry Madagasikarako….

Ny ranomasina no valam-parihy

mamefy ny Foko rehetra hifankatia…

Madagasikara ho an’ny Malagasy

Malagasy kosa ho a’ni Madagasikara.

Andinindininy vitsy fotsiny ihany ireo notsongaiko ireo. Ary ireto roa farany no tena mba tiako hotsindriana mafimafy kokoa.

Tena mifamatotra marina ve izy roa ireo sa mpifamofo mbola afaka mifampifilafila ihany? Raha ny zava-misy mantsy dia tsy masi-mandidy eo amin’ny tany navelan’ny razany ho azy ny Malagasy fa ny vahiny no tena mifehy sy mitazona ny lamboridy, ka toy ny soavaly voatampi-maso ny ‘olona rehetra noheverina ho mpitondra manam-pahaizana’ teto amin’ity tanindrazantsika ity.

Angamba ilay toe-tsaina mihitsy koa no tokony hofafana (truncate na drop – raha fiteny amin’ny tontolon’ny haitao anglisy) fa toa zary mbola mitampisaka ao foana ilay misolelaka sy tsy maintsy miantsy ‘approbation’ avy amin’ny vahiny vao afaka, na vonona hanatanteraka zavatra. Marina amin’ny lafiny maro io. Toa tsy mba misy izay ‘hazondamosina Malagasy’, fa i Jean Ping izao no toa Filoham-pirenen’i Madagasikara.

Ny fitenenana an’ireo tsy midika hoe tsy tokony hihainon y hafa ny Malagasy, fa fotsiny, tiana hapetraka ny hoe ianareo mpanao politika (na liona tanora, na voaibe, na dinaozoro, na tsy haiko koa…), mba farito aminay Malagasy ny tena ataonareo hoe ‘Fitiavan-tanindrazana. Fanina ny maro, ary ny aleo dia tsorina fa asangodinareo ho fanina ny maro.

Miseho lany ankehitriny ny savoritaka anivon’ny sehatra maro (dokotera, tafika, orinasa, halatra sy endaka eny anaty fiarahamonina, sns…) Ka apetraka ny fanontaniana hoe, tratranareo ve ny tanjonareo? Sa tratra ny tanjon’izay naniraka anareo? LMifanipaka toa valala an-karona ny mpiray ‘vilia’ sy ‘vodirindrina’.

Ny tombontsoan’ny besinilmaro no aoka hojerena mandrakariva, sao tonga amin’ilay fiteny taloha hoe ‘Tetiteteho fa ratsy fanahy’, satria ny tantara dia mbola mitohy ary ny tantara dia mbola hitsara.

Fa tsy sanatria hoe ho toy ny fahatsiarovana sisa izay rehetra mandalo eto amin’ity firenena ity ka izay vita dia ifamelana avy eo, na atao ‘dossi’rs classés’. Isan’ny tsaroana manokana amin’izany izay nitranga 35 taona lasa izay (11 febroary / fevrier 1975), ka namonona ana’i Richard RATSIMANDRAVA, nefa tsy mbola nisy nipika ihany izay fandehan’ny fanadihadiana. Toa izay tokony ho vavolombelona aza dia maty amin’ny fomba tsy hay daholo ny ankamaroany. Ny boky na izay soratra navelan’i Mopera Remi Ralibera indray izao no andrasana hoe inona no tena raketiny momba iny raharaha iny.

Veloma ihany ny aina, hahita izay antenaina.

Hioty ny soa tsy ho lany, hiadam-pinaritra hatrany.

7 Febroary 2009: Nivarotra aina…

Iza no nivarotra aina?

Fanontaniana mipetraka avy hatrany ao an-tsain’ny maro io raha vao mahita iry lohateny.

Ny 7 Febroary 2009 tokoa mantsy no Sabotsy mihoson-drà niakaran’izao fitondrana Tetezamita izao ho eo amin’ny fitantanana ny firenena.

Ny 7 Febroary 2009 izay andro nanendren’i Andry Rajoelina an’i Monja Roindefo Zafitsimivalo ho Praiminisitra avy eny amin’ny Kianjan’ny 13 mai, Analakely.

Ny 7 Febroary 2009, andro nitondrana ireo olona an’aliny hiakatra ho eny Ambohitsorohitra fa hoe hametraka an’i Monja Roindefo ho ao amin’io Lapa io, satria an’ny Fiadidiana ny Tananan’Antananarivo ny Lapa ka atolony hiasan’ny Praiminisitra vao avy notendrena.

Rehefa tonga teny Antaninarenina ireo vahoaka marobe, nanomboka ny fifampiraharahana tamin’ireo mpitandro filaminana. Nandamoka izany. Ary raha ny resaka nataon’ingahy Fano Rakotondrazaka (mpanao gazety L’Express de Madagascar – fanadihadian’ny TVM nalefa androany 7 Febroary 2010) dia niteny ireo mpitandro filaminana teo Antaninarenina (manoloana ny BOA) fa halefany hiditra any ny vahoaka rehefa manao amboletra, saingy dia efa mampiomana ry zareo fa hitifitra ny avy ao anaty Lapa. Andro nahatapahan’ny clavicule-n’ingahy Kelly (mpaka sarin’ny gazety Midi-Madagasikara) teny ampiahazakazahana handositra ny tifitra.

Nihatakataka ny mpanao gazety maro izay nandre izay fampitandremana izay, ka niandry izay hiseho no sisa natao.

Eto no hivaly ny fanontaniana mipetra ao an-tsainy maro hoe : ‘iza no nivarotra aina?’

Nivarotra aina ny mpanao gazety Malagasy sy ireo mpaka sary marobe mba hanomezana anareo mpamaky ny vaovao misy sy mitranga eny rehetra eny. Tsara ny ahalalan’ny rehetra fa tsy mba manana fiantohana toy ireo mpanao gazety vahiny tonga aty manao ny asany ny mpanao gazety Malagasy (ny azy ireny mantsy volabe tokoa no tambin’ny firotsahany an-tani’ady toy ireny), fa dia miasa noho ny fitiavana ilay asa fotsiny (na mety koa noho ny tsy fahafahana manoatra, fa tsy misy atao afa-tsy izay – miala tsiny fa toa masiaka ilay fiteniko azy)

Rehefa nirefotra ny poa-basy voalohany dia samy nitsoaka nanavotra aina sy nitady izay hialofana ny mpaka sary sy ny mpanao gazety (toy ireo olon-drehetra ihany). Betsaka ny niditra tao amin’ny Hotel Colbert tamin’izany. Ka avy ao anatiny tao no nitily sy nijery izay niseho tety ivelany ny ankamaroan’ireo mpanao gazety namana.

Fotoana fohy taorian’izay no nahatsinjovana tovolahy vitsivitsy  nilanja vatana mangatsiakan’ny tovolahy iray. Tovolahy izay tsy iza fa i Ando (mpaka sary avy ao amin’ny RTA). Raha nisy kely foana dia tapaka tarangana ny tendany. Maty amperin’asa izy, Maty ‘nivarotra ny ainy’ mba hahazo vaovao, ‘nivarotra ny ainy’ mba hiavaka amin’ny maro.

Teny filamatra miafina aminay tsirairay avy tokoa mantsy (na dia any am-po tsy miloaka aza) ny hoe ‘Tsy manaiky ho gisitra‘ raha vao misy zavatra miseho, ary ‘ny hanao sy hahazo ny tsaratsara kokoa noho ny hafa‘ amin’izay hatolotra ny mpanjifany tsirairay avy.

Maro ireo maty, be ny tsy hita, tamin’ireo olona tonga teny Antaninarenina. Ireny rehetra ireny dia samy ‘nivarotra aina’ avokoa, saingy samy nanana ny antony nivarotany ny ainy.

Niompana manokana tamin’ny asa fanaovana izay hanangonana vaovao ny lahatsoratra, satria indraindray dia takon’ny zava-mitranga foana ny fahasarotan’io asa fanangonana vaovao io. Rariny araka izany raha ho azy no tena anton-dresaka teto.

Tsetsatsetsa tsy aritra: Mampalahelo fa dia tonga hatrany amin’ny fitarihana ny fikambanan’ireo niharam-boina (AV7) tamin’iny andron’ny 7 Febroary 2009 iny ny ady seza (eo amin’Atoa Etienne sy Bona)

Ialàna tsiny ny tsy fisian’ny sary momba ny andro androany 7 Febroary 2010, noho ny antony manokana avy amin’ny mpanoratra

Suivre

Recevez les nouvelles publications par mail.

Joignez-vous à 390 followers