29 MARTSA, FAHATSIAROVANA INONA?

…66 taona aty aoriana: Toa zary mihena hatrany ny fahatsapan’ny Malagasy ny hasarobidin’ny LOVA izay napetrak’ireo zoky-raiamandreny…

Vao nifoha handray ny asako aho io maraina io, dia itsy voasoratra matavy etsy ambony itsy no hitako voalohany tao amin’ny pejy Facebook. Ny zavatra tonga tao an-tsaiko voalohany dia ny hoe: 29 MARTSA, FAHATSIAROVANA INONA? Ny resaka tao Moramanga ve?

Be ny ho taitra, ary misy mihitsy ny hiteny hoe: Sao tsy Malagasy ilay Manoratra? – Tsia, Malagasy, ary niezaka nanakatra sy nandinika izay kely mba nety ho takatry ny sainy tokoa. Ka inona ary no mba takatr’ilay saina kely niketriketrika tao e?

Izao:

Nitolona tokoa ny zoky-raiamandreny, tsy lavina izany. Tafita ve? Tsia no valiny. Noho izany TSY FANDRESENA no azo tamin’izay fotoana izay (1947)

Nandeha ny andro sy ny taona. Nitaky fahaleovantena ny firenena maro erantany, VietNam, sns…hatraty Afrika. Mba isan’ireny koa ireo zoky-raianandreny teto Madagasikara.

Tonga ny 1960, notolorana sarintsarinà fahaleovantena i Madagasikara. Notolorana hoy aho, fa tsy hoe "nàka na nandrombaka" an. Dia io andron’ny 26 Jona ankalazaintsika Malagasy isan-taona ho andro nahazoana ny fahaleovantena io. Saingy….saingy….tsy fahaleovantena tsy nankararirary ny aina intsony ny fomba nahazoana azy, hany ka sady tsy nisy, tsy misy, ary tsy nasiana vidiny akory hatramin’izao.

Rehefa mijery ny làlana izoran’izay rehetra tonga eo amin’ny fitantànana ny firenena ny tena, dia toa mahita saribakolin’ny Ntaolo vazaha hatrany. Tsy anavahako mpitondra nandalo teto amin’ny firenena io, na iray aza, ary hatramin’izao vaninvandro iananko izao.

Afaka ary ve isika ankehitriny sa sao mbola ao anatin’ny tolona mikatsaka fahafahana sy fahaleovantena marina e?

Manalasala toa vozon’akoho Shinoa hoy ny fitenin’ny eny moron-dàlana. Rehefa jerenao ny fomba fisaina, ny fomba fanao sy ny zavatra rehetra mihitsy, miainga amin’ireo mpitondra milaza azy ho tia an’i Madagasikara, mandalo amin’ireo mpanao politika tsy manaiky ho gisitra amin’izany lazaina ho fitiavan-tanindrazana izany, ary mipaka amintsika vahoaka lazaina ho valalabemandry (tena mandry tokoa – ary ho darohan’ny sasany amin’ny fanafody famonoana valalabemandry atsy ho atsy), dia malahelo. Ny inona sa iza no iantefan’ilay alahelo?

Malahelo ity tanindrazana iombonana ity ny tena,

  • satria ny olony -na ambony na ambany, mahantra sy manana- dia samy milaza azy ho tia tanindrazana avokoa. -nefa raha ny fisaina sy ny fihetsika dia ny mifanohitra amin’izay. Faly mifanenjika sy mifanipaka an-kàrona, manimba ny efa mijoro, nefa koa tsy miezaka manorina ho an’ny taranaka ho avy. Tsy mahalala afa-tsy ny anio sy ny ho an’ny tena ihany.
  • satria izay mba notoloran’ny besinimaro fahefana, dia tsy manan-katao afa-tsy ny hamoritra sy hambotry ireo nametraka azy ho solotena (satria asa fisoloana tena ny vahoaka ny asa maha-mpitondra)
  • satria mitombo isan’andro ny fahantrana ka mampanaotao foana ny maro, tonga hatramin’ny fivarotana ny tanindrazana sy ny mpiray rà amin’ny tena mihitsy aza
  • satria ezahan’ny vahiny ampifandrafesina ny Malagasy nefa tsy mety mahatsiaro tena (sa tsy te-hahalàla), jereo ny fifamonoana any Atsimon’ny Nosy. Ezahana tsy atao maresaka, ary anagadràna izay mba sahy miteny ny tsy rariny sy hitan’ny masony. Mitaraina ny mponina amin’ny fomba mamohehatra ataon’ny mpitandro tsy filaminana nalefa hampangiana ny tany (vahoaka) any an-toerana, noho ny fanaovana tsinontsinona ny hasina maha-olona, "rehefa tsy manao didin’ny besandry maka fananan’olona, dia manao ramatahora sy manolana", hoy izy ireo rehefa mba tafaresaka aminao. Mba henoy mangingina anie ny resaky ny olona rehefa mitakoritsika ireo tonga avy any atsimo ery amin’ny fasan’ny kàrana e!
  • satria vao mainka lasa manantena hatrany ny vahiny hamaha ny olany ny Malagasy, fa tsy mba mihevitra ny hanana ny fiandrianany sy ny fanapahankeviny manokana (izany tsy miteny akory hoe tsy ilaina ny miara-miasa amin’ny vahiny), ka angamba atsy ho atsy, na ny vady ho alainao aza, mbola ny vahiny koa no hanapaka hoe METY IO, na SOLOY FA RATSY.
  • satria raha izao no mitohy dia mizotra ho any amin’ny fifamonoana toy ny atsy Afrika sy ireo firenena nijabajabahan’ny vahiny ny Malagasy. Hifampitoroka toy izay nitranga tany Frantsa tamin’ny andro fanenjehana Jiosy, ary hifampitsimpona sy hifamaly faty avy eo, rehefa tapitra ny fotoanan’ny FISOLELAHANA sy ny HALAKO BIKA TSY TIAKO TAREHY, mandra-pisindan’ny alahelo sy ny fifankahalàna vaovao ezahana volena eo aminy
  • satria efa tonga eto Madagasikara ny mpanani-bohitra vahiny, saingy tsy misy taitra ny maro, fa toa ny hanan-taranaka amin’izy ireny aza no hihazakazahan’ny sasany (sitrany ahay mba mihatsaratsara bika ny taranaka e!)
  • ….

Mbola be raha ny alahelo no hotanisaina, fa ndeha hiverenana ny fanontaniana ery ambony hoe 29 MARTSA, FAHATSIAROVANA INONA?

Valim-panontaniana: 
Ny valiny ho ahy dia FAHATSIAROVANA FAHARESENA, tsy misy afa-tsy izay. Amiko izany raha ny marina dia tokony ho andro fandinihan-tena sy fisaonana isan-taona no atao anaran’izy io fa tsy ho fety firavoravoana. Fahafatesana, hirifiry ary fiondrehana teo anatrehan’ny vahiny no nisy tamin’io andro io, koa tsy dia mendrika loatra hatao ho andro firavoravoana. Tsy mahatsiaro tena ho ataon’ny frantsay ho fihomehezana va re isika e? Indrisy !

29 Martsa 1947

Sary nalaina tao amin’ny pejy Facebook-n-ny https://www.facebook.com/MadagascarHier

 

Na ny 26 Jona aza dia mbola ametrahako fanontaniana toy izay ihany koa, saingy efa " nentin’ny teo aloha, ka ombako tsy mahazaka ihany koa e! " Fa raha ny sitrapo, dia mbola mitady datin’andro hafa ho tena hatao rakitry ny tantaram-pahaleovantena MARINA aho io.

Azafady raha nanafintohina anao ny lahatsoratro, fa izay aloha no fahatsapana niainga avy ao anatiko ao vao maraina tamin’ity 29 MARTSA 2013 ity

Ho entiko mamarana azy dia ireto fanehoan-kevitra notsongaiko avy atsy amin’ny Facebook:

firy amintsika no sahy sy hanana ny fitiavan-tanindrazan’ireo maty tamin’ny 47. … Andao hiaraka haningotra sy hanafongana ireo mpanao politika mpitsetritra sy mpanandevo ny malagasy. Maninona tokoa moa raha mba atao anaty wagon iray ireo dia mba tifirina ho faty any e! "ho mba lasa mahery fo, maty ho an’ny tanindrazany"!
Miarahaba antsika rehetra indray. Mahatsiaro ny 29 marsa isika anio, inona avy ireo endrika fitiavan-tanindrazana efa nasehonao ary mbola tokony hasehonao amin’ny tanora namanao?

Disadisa Masoivoho Amerikana sy Gazety La Verité

Fanambarana avy amin’ny Masoivoho Amerikana

Voamarikay tamin’alahelo ny lahatsoratra nivoaka omaly tao amin’ny gazety La Vérité izay toa nentina nilaza fa navahana tao anatin’ny tsy rariny ny mpaka sary avy any aminy ka tsy navela niditra hanatrika ny lanonana nanamarihana ny Fetim-pirenena Amerikana taty amin’ny Masoivoho. Vahiny niisa 600 sy mpanao gazety niisa 30 no nampidirina tamin’ny fomba haingana sy tsotra hanatrika ny lanonana, ary tsy nisy disadisa na fanilikilihana. Ny mpaka sary avy amin’ny La Vérité kosa tsy nitondra karatra hahafantarana azy, nefa takiana hatrany izany raha hiditra ato amin’ny Masoivoho, tsy misy hafa amin’ireo biraom-panjakana sy toerana ambony hafa manerana an’i Madagasikara. Efa zatra an’izany fepetra izany avokoa ny mpanao gazety tao anatin’ny roa taona mahery izay. Na izany aza anefa, mba tsy hisian’ny fisalasalana, dia nampahatsiahivinay in-droa miantoana mialoha ny lanonana avokoa ny mpanao gazety sy ny tonian’ny orinasa mpampahalala vaovao rehetra, anisan’izany ny La Vérité, mikasika izany fepetra izany. Raha ny marina mantsy dia efa nisy tranga toa izany tamin’ny taon-dasa, ary ny mpanao gazety avy tao amin’ny La Vérité irery ihany indray no voakasika. Tamin’izany fotoana dia nihaona mivantana tamin’ny Tonian-dahatsoratra tao amin’io orinasa io ny tenanay mba hifampiresaka momba ilay tranga. Mampahalahelo anefa fa na teo aza ny ezaka rehetra nataonay, dia misisika hatrany ny La Vérité ka milaza fa misy olona manokana ato amin’ny Masoivoho mitarika ireo olana ireo. Vonona handray an-tanan-droa azy ireo hatrany izahay, toy ny mpanao gazety hafa rehetra, amin’ireo hetsika samihafa ato amin’ny Masoivoho isan-kerinandro. Ny hany angatahinay dia ny fanarahana ny fepetra tahaka ny ataon’ny hafa rehetra.

Ny Mpanolo-tsaina ho an’ny Serasera sy Raharaha Ara-kolotsaina
Masoivohon’i Etazonia Antananarivo, Madagasikara

Déclaration de l’Ambassade des Etats-Unis

C’est avec regret que nous prenons acte des commentaires parus dans l’édition de La Vérité d’hier, suggérant que leur photographe a été le seul à se voir injustement refuser l’entrée à la réception à l’occasion de l’Independence Day à l’Ambassade. Plus de 600 invités et quelques 30 journalistes ont été admis de manière expéditive et sans aucun incident ni exclusion. Le photographe de La Vérité s’est présenté sans une quelconque pièce d’identité. Une telle pièce a toujours été exigée pour accéder à l’Ambassade, comme tout autre bâtiment gouvernemental et autre d’importance partout à Madagascar. Depuis plus de deux ans, les journalistes ont été familiers avec cette condition. Ceci dit, pour éviter toute ambigüité, nous avons informé de nouveau tous les journalistes et rédacteurs, dont ceux de La Vérité, sur cette procédure, à deux reprises avant la réception de cette semaine. En fait, ce même incident s’est déjà produit l’année dernière, uniquement avec un journaliste de La Vérité aussi. A l’époque, nous avons personnellement rencontré le Rédacteur en Chef pour discuter de ce sujet. Nous sommes déçus de constater que malgré nos efforts, La Vérité continue à insister que quelqu’un auprès de l’Ambassade est l’auteur de ces incidents. Comme tous les autres journalistes, ils sont toujours les bienvenus au cours des divers événements à l’Ambassade chaque semaine. Nous leur prions tout simplement de suivre les mêmes règles que tout le monde.

Conseiller à la Communication et aux Affaires Culturelles
L’Ambassade des Etats Unis d’Amérique Antananarivo, Madagascar (UsEmbassy)

Fahaleovantena Amerikana faha-236 (#USEmbassy)

Faha-236 amin’ny tsingerina nahazoan’ny Amerika ny fahaleovantenany no nankalazaina androany (nialoha ny fotoana, izay tokony ho ny 04 /07) teny amin’ny masoivoho Amerkana Andranomena. Fahaleovantena azony tamin’nya taona 1776.  Isan’ny foto-kevitra raketin’ny fanapahana tamin’izany fotoana ny mba hisian’ny fahalalahan’ny fivavahana, ny fahalalahana maneho hevitra sy ny asa fanaovana gazety, fa ny tena zavatra lehibe tao anatiny dia ny zo hifidy izay ho mpitondra ny firenena.

Fanjakana 50 izay zanatany Eoropeana niisa 13 tamin’izany fotoana no nitambatra ho lasa i Amerika fantatry ny maro ankehitriny.

Volana vitsy lasa izay dia nanao fianianana tany Mantasoa ireo mpirtsaka an-tsitrapo Amerikana hiasa eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny asa fanampiana ataon’i Etazonia eto Madagasikara ny fisian’izy ireny. Fanampiana izay nambaran’ny teo anivon’ny masoivoho sy ny USAID nandritra ny fandraisam-pitenenany sy ny tafatafa niarahany tamin’ny mpanely vaovao fa hoe tsy mitsahatra ny mitombo. Enga anie ka mba hiantefa tokoa any amin’ny vahoaka ny vokany.

Raha ho an’ny USAID manokana dia nambaran’ny tompon’andrakitra fa maherin’ny 144 lavitrsa ariary ny fitambaran’ireo tetikasa sahaniny eto amintsika. Ary raha ny Peace Corps indray dia miely patrana any ambanivohitra any, misahana sekoly na asa fampandrosoana hafa.

Nidoka tena moa ny Amerikana nandritra ity androany ity fa hoe izy no manome fanampiana mitokana betsaka indrindra an’i Madagasikara, eny fa na dia tsy ankatoaviny aza ny fitondrana misy amin’izao fotoana. Eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, fanjarian-tsakafo, fampidirana rano fisotro (miaraka amin’ny fikambanana tsy miankina) no isehoan’izany.

Ny tomponandraikitry ny tranomboky ao amin’ny masoivoho, manazava ireo teknolojia mety ho hita ao aminy

Eo amin’ny sehatry ny fanabeazana sy fanapariahana ny kolontsaina Amerikana kosa dia hisokatra tsy ho ela ny Foibe Amerikana vaovao eny amin’ny SMART Tajombato, hahitàna teknlojia avo hiaka farany, toy ny boky elektronika, ny solaitrabe mifandray amin’ny solosaina. Hisy ny sehatra ho an’ny fialamboly sy ny fampiroboroboana ny orinasa.

Nanokatra ny foibe YCC etsy Anosy ihany koa moa ry zareo hanabeazana tanora vanona, araka ny tenin’Atoa Eric Wong, mpiandraiki-draharaha. Ny YCC izay manana fandaharana iarahany rahateo amin’ny fahbitalavitra RTA , fandaharana Kozy Liberty no nahalalan’ny maro azy hatrany am-boalohany.

ampahany tamin’ireo mpanotrona

Fa ankoatra ireo voalaza ireo dia misy ihany koa ny fiaraha-miasany amin’ny Air Madagascar amin’izao fotoana ao anatin’ilay hetsika ‘Vivez une experience Naturelle’ natao hiarovana ny tontolo iainana sy ho fampahafantarana ihany koa ilay valanjavaboary. Notokanana tamin’ny fiandohan’ity volana Jolay ity rahateo ny tranobe iray antsoina hoe Namanabe hall tao amin’io toerana io, ary mbola hitohy amin’ny 14 Jolay izao izany fankalazana ny fisokafany izany.

Rehefa nody moa ny nasaina rehetra dia notolora zana-boasary iray avy mba ho fahatsiarovana sy ho marika fa mbola haharitra ny fiaraha-miasan’i Etazonia amin’ny Madagasikara raha ny voalazan’Atoa Eric Wong. Mba hiara-mahita ny fitombon’izy ireny sy hioty ny vokatra hoy ny filazany azy.

Nentiko nody izay tsy naka ny anjarany, sao mba mitombo ny isan-boasary ateriko any amin’ny masoivoho rahatrizay vokatra. tpt

Ery ambony amin’ny ilany havia eo amin’ny sary ny toerana nasiana ny mpanao gazety sy ny bilaogera

Ankoatr’ireo fihetsika sy zavatra hafa nampiavaka ny androany (sic) dia navahana ihany koa ny taratasy famaohana.

Fahaleovantenan’i #Madagasikara (#madagascar #indépendance)

Ety am-piandohana dia ialako tsiny raha mey hisavoritaka kely ity fanehoan-kevitra itynoho izy natao maimaika be. Ratsy be mantsy ny fifandraisana eto amin’ny aterineto amin’izao fotoana anoratako izao ka nahatonga ahy niantso an-telefaona ny #moov mihitsy ( Bande Passante 7.801 Kbps (0.975 Ko/sec) )

Fahaleovantena no anton-dresaka eto.

Nankalaza ny 26 Jona faha-4 taorian’ny krizy 2009 isika, andro vitsy lasa izay. Tato anatin’izao Tetezamita izao, tetezamita niriana hifarana haingana, ary efa nisy aza tany aloha ny famoahana datin’androm-pifidianana nataon’ireo mitàna ny fahefana. Toy ny vanim-potoana fety samihafa dia safononoka ao anaty lanonana ny olona rehefa manakaiky io andro io isan-taona. Nefa tsy mbola teraka Ambatobevohokoa hatramin’izao, satria ny vahiny no nibaiko. Tsy nanana Fahalovantena sy fiandrianam-pirenena isika izany!

Nandritra ny volana Mey koa anefa dia nafampàna ny hetsika politika isankarazany, satria teo no natao ny fitakiana rehetra avy tamin’izao karazana sendika sy fikambanana samihafa izao. SEMPAMA, SECES, sns… Nahazo aina teo ny fanoherana, fa nidonaka ary mbola midona-tsetroka kosa ny mpitondra amin’ny fiatrehana izany fitakiana rehetra izany. Fomba efa nahazatra hatramin’izay izany fanararaotana vanim-potoana hanoherana izany, ary fotoana efa voakajy hatrany hatrany. Tsy sahy mandray andraikitra araka izay tandrify azy n y mitàna ny fahefaàna. Tsy mbola manana Fahaleovantena izany isika fa mbola ny vahiny ihany no mibaiko.

Milaza ho tsy mankasitraka izao fitondràna izao ny sasany nefa tsy miala ao ihany, dia milaza fa tsy tomponandrakitra amin’izay tsy fandehanan’ny firenena, nefa ny sonianao mbola miasa ao ihany. Milaza ho tsy hivory rha tsy raharaha tea manohintohina ny fiainam-pirenena. Mbola endrik’olona tsy manana Falaeovantena ihany koa izay, satria mbola tavan’olona sy tombontsoan’antoko no mibaiko.

Fahaleovantena no ankalazaina ka anentananao ny olona tsy hanangan-tsaina noho ny tombontsoanao manokana na ny tombontsan’antoko? nefa ianao mbola mitazona ny toeranao ao anatin’ilay ministera ohatra, dia fanitsakitsahana tanteraka an’ilay vahoaka lazainao fa tompoinao izany r’ingahy a, ary midika koa izany fa itsahanao ny hasin’ny firenena. Adidy anie no atao ao fa tsy zo nomena anao akory e ! Dia faly mitsentsitra fotsiny ny volam-bahoaka ao sady milaza ho tia ny firenena ihany. Izany hoe mbola eo ambanin’ny tombontsoa politikan’ny mpanao politika sy ankolafy tsirairay ny firenena. Milaza ho tsy tia vary mohaka ry lerony, nefa mahalany masiso iray vilany. Mba menatra ry zalahy a! Olon-dehibe ianareo fa tsy ankizy intsony, sa izany no vokatry ny fitaizana nandritra ny fanjanahantany fahiny, izay mbola ezahan’ny maro aminareo mpanao politika tazonina amin’izao fotoana? Tena mbola tsy misaina ny hananana Fahaleovantena.

Rehefa mieritreritra Firenena ianao dia mahita sary an-tsaina ny sainany, tafika ao aminy, ny lalàna mifehy azy, ny sisntany,  fa tsy tsangan’olona velively no jerena ka hoe rehefa tsy mitovy hevitra ara-politika, na mifanolana dia ny fanajàna ny fankalazana ny fetim-pirenena no hatao tsinontsinona. Fetin’ny tafika ihany koa io.

Nisy fotoana rehefa mety amin’ny mpanao politika ny manonona ny momba tafika, dia antsoiny handray fitondràna, nefa nony injay mba tonga ny andro natao ho azy, hankalazany ny fetiytoy io andro 26 Jona io, dia lasa fako aman’ahitra no fahitàn’ny mpanao politika sasany an’izany tafika izany. Koa raha tsy ilay fetin’ny Fahaleovantena no notroninao, dia tokony ho nanome voninahitra ny tafika kosa ianao. Satria aoriana, rah ianao no ho eo, dia tsarovy fa ny taifka ho tafika foana, fa ianao mandalo miserana. Mifanaraka amin’ny toerana ara-politika raisin-dry zareo no tiany koa hametrahana ny tafika araka ny eritreretiny. Raiso ny tranga CAPSAT sy BANI, iza amin’ireo no naninona, ary iza no nanao ny mety? Antsika rehetra no mamaly an’izay. Araka ny lazain’i Honoré de Balzac hoe :

"Il y a deux histoires : l’histoire officielle, menteuse, puis l’histoire secrète où sont les véritables causes des événements". Raha adika malalaka dia hoe Misy tantara roa samihafa, dia izay ambara amin’ny fomba ofisialy, miharo lainga, sy izay ea marna iniana tsy avoaka.

Hoy rafa joss any amin’ny Serasera Yahoogroupes any :

“Mba nisy fihetsehana tamin’ny andron’ny VVS (nopotehena), MDRM (nisy nazera velona avy teny ambony avion mihintsy aza ny Malagasy) . Mba nandeha nifidy koa fa fangalaram-bato ny valiny. Ankehitriny aza dia tsy misy voafidimbahoaka na iray aza ny ao anaty Andriampanjakana rehetra, ny ben’ny faritra/tanana ; ary raha sahisahy mihetsika dia tongavan’ny miaramila be baoty sy ny basiny (marihiko kely fa ny miaramila ao dia nampianarina hiaro ny "fitondrana" fa tsy ny vahoaka sy ny firenena akory : vokatrin’ny politika antisubvertive avy amin’ny frantsay izany).”

Ho fikatsahana Fahaleovantena daholo no anton’izany.

Nosimbain’ny mpitondra ny foto-pisainana Malagasy tia fihavanana, novolena ao anatn’ny rehetra ny fifampiandaniana sy fifanenjehana. Hoy indrindra i Rary, mbola ao amin’ny vondrona voalazako etsy ambony :

«Ity fisian’ny tsy rariny eo amin’ny mpitondra (fitsaràna), dia manova, manaratsy ny toetsain’ny vahoaka, azo atao hoe ny sain’ny firenena iray manontolo mihintsy no simba. Ampian’ny fanapotehina ny fiveloman’ny gasy (orinasa nikatona, fandriampahalemana tsy misy…) dia mitombo avo heny ny fahoriana, ankasitrahana ny tsy rariny, miseho ny fialonana, ny halatra, ny risoriso., ireo toetra manapotika ny fanahy, ka tsy ny fitombon’ny fiangonana izay mitombo araka ny fahantrana mitombo eo amin’ny malagasy, no ahitana olana, fa toa lasa manaiky ny zava-misy ny kristiana, miandrandra ny fiainana any ankoatra maharitra !!! fa ny fiainana eto an-tany dia fandalovana !!!

Ny SADC no mampiantso dia faly sy mibitaka fa naharay fanasana na ny mpitondra sy ny ankolafy hafa: hay tokoa moa, azafady fa saika adinoko, ny SADC sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena no efa mitantana an’i #Madagasikara sy mametraka ny lalàna eto. Efa fotoana elaela ihany izao. Efa nifirana mantsy ny Lalampanorenana sy ny fiandrianam-pirenena Malagasy. Dia ireo fianakaviambe iraisam-pirenena efa toy ny sokina nananika vatolampy. Efa tapitra teo an-tampony ny làlana azony naleha, ary efa tokony hamarana ny fitsangantsanganany, kanefa dia mbola isika ihany no misisika miantso azy hikaroka làlana hidinany eny sy hitady làlana ho antsika. Tsy mbola hanana Fahaleovantena isika satria mbola ny vahiny no hibaiko.

An’iza i Madagasikara? An’i RATSIRAKA Didier Ignace, RAVALOMANANA Marc, ZAFY ALBERT sa Andry RAJOELINA ? Ahy sy ianao, antsika rehetra. Mpindrana daholo ireo, mba tsy hitenenako hoe ‘mpisandoka’ fahefana raha sanatria ka mihevitra fa hoe azy ny kadaistra manontolon’ity firenena ity. Iretsy lehibe, toa misarisarin-jaza fomba sy fisaina, sa ity tanora sadasada manan-tsoratra? Amiko ireo rehetra ireo dia samy tsy misy tia ny firenena, samy miseho azy ho bàbany avokoa. Mila olom-baovao ny firenena. Tsy ilainy intsony ireo nantsoina amin’ny maha-raiamandreny azy mba ho mpanelanelana, hay nivadika ho mpikatsaka fitondràna mbola mitetika mafy izay fomba rehetra azo atao hiverenana eo amin’ny fitantanana, na ireto roa nahatonga ny olana iainantsika ankehitriny.

Fiaraha-mitantana hono, Oadray! Fomba fiteny ny hoe ‘Raha te-hahazo anjara sakafo, aza miady amin’ny mpandao-bary’, sy ny hoe ‘Raha te-hahalehibe zaza, mihavàna amin’ny mpamosavy’. Saingy kosa raha ny hevitro dia hafa ny hoe ‘mihavana’ sy ny hoe ‘manambady’. Ny zavatra misy mantsy amin’izao dia (fiaraha-mitantana) fifanambadian’ny mpifamosavy no hitako ery ambony ery amin’ny fitantanana an’i Madagasikara.

Izao ka hatramin’izay ho fahafahana na tsy fahafahan-dRakotogasy sy Rabegasy hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena Malagasy avy no ny vahiny no handinika sy hanapaka azy. Any anaty gazety no ahitanao hoa firenena vahiny 4 manaiky fa 3 mandà. Dia hilaza ve ianao fa manana Fahaleovantena? Ntsssss, aza mampihomehy eee!

Fehezina amin’izay ve? Mety tsy ho voafehiko sady satry foana hanohy hanoratra, fa ity misy tsetsatsetsa tsy aritro. Betsaka sy maro ny Malagasy nianatra, betsaka araka izany ny be diplaoma, be baoritra hoy ny fiteny, fa hatreto dia antontan-taratasy mamendrofendro sy mandranitra vahoaka no betsaka nivoaka, taim-bava sy fifampihantsiana no betsaka nafafy, fa izay tena mba vaha-olana nentin’ireny tampom-pahaizana ireny, tsy mbola nisy tena niantraika tamin’ny vahoaka. Mandehana anie mitaraina e (mangataka mihitsy ho an’ny sasany, efa mahazatra loatra koa moa io, satria izay no toa fampianarana an-kolaka nasesika ao an-tsain’ny maro), fa raha hanoanana no teneninao, dia mofo no omena anao avy hatrany, tsy arahana fepetra hisorohana izy mety ho hanoanana amin’ny ho avy. Tranga ankapobeny io lazaiko io fa sao misy haningantsingana hilaza tranga manokana indray an. Moa va tsy izany no hevitr’ireo filazana ombieny ombieny momba ny resaka fanampiana avy any ivelany eee, fankatoavana eeee, sy ny maro tsy tanisaina! Dia milaza isika fa nahazo Fahaleovantena (#independance), an-taratasy angamba dia ekeko, fa raha ara-tsaina sy ara-pitaovana ary ny hoenti-manana dia ‘lavitry ny afo ny kitay’. Anaram-petaka sy anaran-tsy very ihany ny hoe Fahaleovantena, fa nofy antoadro no tena marina iainana eto, rediredin’adala ihany ilay hoe mahaleo tena sy tsy mandohalika, fa ny tena marina dia mandady amin’ny kibo mihitsy sy efa tafiditryny vovoka hatrany anaty vava sy vavorony ny tsirairay, mitalaho havia sy havanana ny mpitondra mba hisy mpijery sy mpanolotolotra. Tsy ny harena anefa no tsy misy, fa ny saina no mifotetaka. Raha milaza fa kere ve ohatra ny any atsimo, dia telethon fanangonana vola sy sakafo ve no tokony hahavaha olana? Ekena fa hahavita izay ho vitany izany, saingy ny fijerena ny lavitr’ezaka, toy ny fanomezana azy ny masomboly, ny tany hovoleny, ny mba hitazonana azy hitoetra amin’ny toerana nomena azy ka hamokatra ny hohahiny sy ho azony hamidy koa raha ilaina, izany no hitako fa tanjona hahatonga azy hanana Fahaleovantena, ara-tsakafo, ara-tsaina, ara….tsy fantatro koa.

Ho an’ny maso mijery, ary maro no miombona amin’izay fomba fijery izay, dia ny rafitra teo aloha ihany no miverina amin’izao fotoana, ary toa miha-ratsy lavitra aza, satria manjaka ny kiantranoantrano, ny finamànana ary ny resa-pianakaviana. Miseho lany ny aferafera isankarazany sy ny fanampenam-.bava an’izay sahy milaza ny fantany (amin’ny fomba samihafa) . Indrindra anie fa rehefa resaka aferafera mahatafiditra ny mpitondra sy ny fianakaviany. Dia manana ny Fahaleovantena ve ny mpanadihady?

Izao dia hoe tratra indray ny volamena am-polony kilao saika halefa an-tsokosoko hampandalovina tany Kenya. Voalaza fa misy rahalahin’olo-malaza eto amin’ny firenena tafiditra ao anatin’io afera io, misy mpitantana rantsa-mangaika amin’ireo fitondràna izao, misy an’itsy sy iroa samy manana ny toerana ambony ao anatin’izao Tetezamita izao. Enga anie tsy hihena an-toerana ny lanjan’ny entana tratra, fa ny teo aloha aza tsy fantatra izay tena niafarany marina sy ny nalehany. Ary enga anie hatao fanta-bahoaka ny momba ny fanadihadiana mikasika an’ilay karana sy ny mpiray tsikombakomba aminy rehetra ao anatin’ity raharaham-bolamena ity. Hanana ny Fahaleovantenany tokoa ve ny fitsarana? Fahaleovantena mantsy eto no resaka.

Koa satria miainga avy any amin’ny mpitondra ny ohatra, dia aza gaga raha rafitra sampona sy tsy mandeha ilàlana no sady manao bingo milatro no hitantsika ankehitriny, misalovana hatrany ny an’ny sasany. Raha misalovana fotsiny moa ka haninona, fa tena maka mihitsy ny anjara-masoandron’ny sasany e. Dia mbola hilaza ve ianao vahoaka Malagasy mamaky ahy io fa hoe manana Fahaleovantena amin’izay zavatra ataonao, sy hitan’ny masonao?

Miainga avy amin’izay hitan’ny masonao ataon’ny mpitondra no manova, manaratsy sy mamotika tsikelikely ihany koa ny sain’ny vahoaka entina . Aza gaga àry amin’izao fotoana raha toa ka tsy an’ny fiara ny arabe, ary tsy an’ny mpandeha an-tongotra ny sisin-dàlana, satria vanim-potoanan’ny TSY MISY BEDY izao iainantsika izao. Ny lehibe tsy sahy miteny ny kely fa matahotra ny hahazo ompa ratsy, ny kely tsy manaja ny lehibe satria sendra ny lehibe tsy aman-tsaina. Izay ilay izy.

Ekeko fa misy ‘ihany’ ny fahalalahana maneho hevitra, amin’izay endrika ijereko azy, saingy mbola mampahatahotra ihany, aleo dia tsorina.

Dia aza faly mifanàsa vangy ety anaty sehatry ny aterineto sy tambajotra samihafa ety fotsiny koa moa fa mba mirotsaha an-tsehatra mitondra izay mba azonao atao e. Izany no hitondra ho amin’ny fanavaozana, sy ny Fahaleovantena, fa tsy hanao sàka “Miao, Miao Miao” lava eo, na hanao toy ny alika “Oao , Oao” isaky ny tezitra sy tsy faly. Satria samy manana adidy. Mba ialao koa ilay foto-pisainana tia manimba manao hoe “Tsy an’i Dada na i Neny”. Sahia manao dingana oooooooh

Fa aleo aloha hatsahatra eo ny siakan-tatatra fa aleo nareo mba ampideraina sary fankalazana ny fetin’ny tafika e. Fetin’ny tafika hoy aho an,  sao dia misy hilaza eo hoe fetin’ny Fahaleovantena.

(noho ny antony avy amin’ny #moov dia tsy tafakatra amin’ity anio ity daholo ny sary, fa sombiny ihany ireo manaraka eto ho haingon’ity vavan’ny maty an-drano ity)

sarintanin’i Madagasika eo am-piandrasana ny tena Fahaleovantenany

Ilay fiaramanidina kely lazaina fa an’ny tafika, angamba handeha haka ilay Fahaleovantena verintsika

Helicopters, mbola an’ny tafika ihany. Jejojejo miseho vahoaka

Teo ambonin’i Mahamasina

Antananarivo #m2506 / 26 Jona (J-1)

Nivoaka kely nijerijery ny zava-misy tmain’ity harivarivan’ny 25 Jona 2012 ity ka izao no tsikaritra:

1* feno olona eny rehetra eny. Midika tokoa va re izany fa fety ny andro. Angamba, saingy ho ahy izay mpandeha amin’ireny arabe irny saika isan’andro vaky (Analakely, Behoririka, Ambondrona, Soarano, sy ny manodidina) dia niampy kely noho ny isan’andro no fahitako azy. Izany hoe niova, saingy tsy dia be loatra

2* Tery kokoa noho ny andavanandro araka izany ny àlna, na ho an’ny mpandeha an-tongotra, na ho an’ny mpamily toa anay. Satria dia zara raha misy faritra mitovy refy amin’ny fiara avelan’ireo mpivarotra mba hizorana.

3* Mbola voaporofo indray androany ny fanamparam-.pahefana ataon’ireo manana ny basy sy ny ‘lalàna’ any aminy.

Dia mbola hisy indray aloha ny tsy ho faly hamaky ny lahatsoratra fanakianana o ity fa dia ‘Akory atao eeee!’ izy no hita teny, ary dia tantarin’ny maso nahita.

Ndeha ny sary amin’izay no hampitenenintsika, ary arahana fanazavana kely manaraka azy tsirairay eny

Ny arabe midina etsy amin’ny farity Behoririka ity hitanao an-tsary ity. Jereo tsara ny faritra izoran’ny fiara.

Ilay arabe teo ihany saingy rhefa lasa izay fiara nandalo teo amin’ny faritra

Tsy hiala lavitra isika fa eo ambony kely eo fotsiny. Azonao jerena eto amin’ny sary ny elanelana misy ny sisin-dàlana amin’ny andaniny roa sy io mpivarotra mitorevaka anaty arabe io, ary iry mitsangana ery aoriana

Fiolahan-dàlana eo ambony eo ihany ity (Behoririka). Hiverenantsika ity faritra ity rehefa somary maizina ny andro

Mbola ilay fiolahana etsy ambony ihany, fa ny tiana haseho dia ny fahasahian’ity ramatoa mivarotra eo anatin’ny arabe, ary iretsy ampita izay mahatonga ny mpandeha an-tongotra hidina koa any anaty arabe

Ireo mpivarotra etsy ampitan’ilay ramatoa eo amin’ny sary etsy ambony, ary tena ao anaty fiolahana tanteraka

10 metatra miala ilay fiolahana tetsy aloha, raha hitodi-toha ho any amin’ny tsena Pochard

Mbola azo lazaina ho misy asany ve itony karazana mpitandro filaminana itony sa ‘espece en voie de disparition’ ? Ny karama anefa natao midangana, ny asa tanterahana tsy mandeha amin’izay andrasana, …Ntsss tsy alehany!

Ireo arendrina miandry mpividy eny an-.tsenan’Analakely

Hitodi-doha hiverina any Behoririka amin’izay indray isika

Mazava loatra fa tahaka ny amin’ny andro mazava, dia mbola mitoetra hatrany koa ny fitohanan’ny fifamoivoizana

Fa teto no tena nisehoan’ny tsy nampoizina. Nisy ity fiara nitondra mpitandro filaminana ity nisosososo avy any amin’izay niaviany tany. Tsy misy laharana izy io. Olona teo amin’ny 4 na 5 teo no tsikaritra tao anatiny. Nododosany daholo ny rehetra teo alohany. Ary raha voadonany aza ilay olona teo akaikin’ny fiolahana voalaza ery ambony, dia azo antoka fa tsy maintsy namoy ny ainy. Rehefa hitany fa nitohana tsy afaka nandeha intsony izy teo amin’ilay fiolahana dia ilay taxibe laharana 4885 TAJ teo alohany no nanalany ny fony.

Tsy tahotra tsy henatra fa raha vantany vao azony natao ny nilahatra tamin’ity taxibe dia ny fandrahonana sy ny vazavaza, ary ny fitakiana taratasy no nataon’ilay iray teo akaikin’ny mpamily. Azy tokoa moa ny fahefana, ary toa nanaiky nilefitra mora foana koa ity mpamily nanoloana ireto TOMPON’NY FAHEFANA ka dia nanome izay notakiany. Vao azony ny taratasy dia iny indray ity fiara fa niezaka ny handodona ireo teo alohany, nefa anie ka tsy afaka ny ho lasa lavitra akory e. Tsy maintsy nanaraka ny dian’ireo teo alohany mandra-pahatonga tery Antanimena ambany. Efa vesaran’ny fanomanana ny rahampitso va re sa inona no mampiasa saina e? Efa lasa ny taratasy vao tonga saina ny mpamily ilay taxibe fa na dia ny anaran’ireto naka ny taratasy, na ny laharan’ilay fiara aza tsy misy fantatra akory.

Eto dia fanontaniana no apetraka AN’IZA NY ANDRAIKITRA amin’ny fisian’ny fitohanana sy ny gaboraraka? Amiko dia tafiditra amin’izany daholo na ingahy Edgard RAZAFINDRAVAHY mitantana an’Antananrivo Renivohitra, ny ny POLISY mandray karama be nefa tsy alehany mameno ny tanàna, na ny mpitondra fanjakana tarihan’ingahy Andry Rajoelina toa faly MIJERY FOTSINY satria matahotra ny ho very seza raha sanatria hanakorantana ireto mpandika lalàna mameno tanàna ireto.

Mirary fety milamina sy anaty fiadanana ho an’ny rehetra amin’izao fahatongavan’ny fahatsiarvana ny 26 Jona izao. Niniako tsy tenina ny hoe #fahaleovantea (#Independance) satra toa mbola be loatra ny marika ahitako fa tsy tena mbola mahaleo tena ny taniko, dia i #Madagasikara  (#Madagascar)

++++++++++++++

Bilaogy miresaka fahaleovantena tsara mba topazanao maso koa ny ato izay ny namana Mamisoa no mitantana azy

Hetsika #12Mai2012

Saika hanao fanazavan-kevitra tamin’ireo mpomba azy teny #Ambohijatovo indray ireo parlemantera roalahy avy amin’ny ankolafy #Ravalomanana. Rehefa avy nanatona ireo mpitandro filaminana nangataka alàlana izy ireo dia tsy nahazo rariny. Rehefa izany dia nilazàna izy ireo hanao izany any amin’ny kianja #MAGRO Behoririka.

Teny an-dàlana anefa dia nizara 3 teo ireto olona nitanjozotra ireto (izay narahan’ny mpitandro filaminana mba tsy hisian’ny korontana, ary dia ireto mpitarika mihitsy aza moa raha ny heno no nangataka izay fiarovana izay). Ny ampahany voalohany nijanona tety akaikin’ny #TAHALA #RARIHASINA, ny faharoa teo amin’ny #13Mai ary ny sisa (fahatelo) dia nanohy ny dia ho any Behoririka.

Nisy ny fifamaliana teo amin’ireo mpitarika roalahy sy iretsy nidongy hijanona tao afovoan-tanàna, ary nivoaka tamin’izany aza ny fitenenana naherihery avy amin’ireo mpanara-dia fa hoe nahatsiaro ho nolalaovin’ireo mpanao politika ry zareo, nolaniana andro. Na dia niezaka ny handresy lahatra azy ireo aza ny mpitarika dia tsy nahita nangirana, fa dia niparitaka ny hetsika.

Ny tetsy amin’ny kianja 13Mai no ndeha hiverenana. Nifampitazana sy nifampiandry teny indray ny EMMO sy ny mpanao fihetsiketsehana. Nitohy hatramin’ny efa maizina moa izany fifampiandrasana izany ary niafara mihitsy tamin’ny fisamborana olona telolahy, taorian’ny nisian’ny fikasana handoro fiara tsy lavitra ny arabe mivily mankany amin’ny Lisea #Rabearivelo iny.

Isan’ny nanamarika ny andro androany hariva ihany koa ny nakan’ny mpitandro filaminana iray ny finday misy fakàna sary teny amin’ny mpanao gazety iray, sy nanitsahany an’izanyary ny nanipazany azy lavitra dia lavitra ilay toerana nitrangan’ny famotehana. Asa raha fantany hoe mpanao gazety ity olona nanaovany herisetra, na noheveriny ho olon-tsotra. Teto dia nahatsiaro ny zavatra nahazo ny namana iray mpaka sary an-gazety niharan’ny fisamborana sy ny daroka rehefa nentina tao amin’ny #Bain-douche tamin’ity herinandro ity ny vitsivitsy nanatrika teo. Fihetsika izay tsy voalohany no sady angamba tsy ho ny farany koa. Mahamenatra satria nony injay nentina tao amin’itsy birao voalaza ilay mpanao gazety, ka fantatry ny tao fa mpanao gazety, dia navoaka toa tsy nisy inona iny, nefa raha ny heno dia hoe efa nasaina nanao sonia an-tery ny fakàna ambavany azy,talohan’ny nahatongavan’ireo mahafantatra azy ho mpanao gazety.

Aleo hatsahatra ny bla bla bla, fa ndeha hijery sary isika e, ny androany hariva.

Sary 1 : Mifampitazana sy mifampiandry

ireo fiara mivezivezy miezaka mamno lolo ny olona mivorivory

dia voatery foana hanimba zavatra ve rehefa hoe maneho hevitra? Fisainana efa tokony hialàna

Voaendaka daholo natao sakana ny sisin-jaridaina teto amin’ity hazo ity sy ny manodidina azy

Ery amin’ny farany somary lavitra amin’ny sary ery dia misy fiara mipetraka. Tsy nisy nanampo fa hisy hanandrana handoro izy io rehefa harivariva manomboka ho maizina

ireo tery ampita niandry izay hiseho

Rehefa nesorina ny sakana teo aloha, dia mbola nisy indray ny famerenana nametraka vaovao rehefa maizimazina iny ny androany

Sezan’ilay fiara saika hisy handoro izy ity. Soa fa mora nesorina sy nosintonina hivoaka tao amin’ilay fiara fa saika loza

Ity kosa ilay fiara tompon-tseza. Nahagaga fa teo akaiky teo ihany ny tompon’izy io saingy tsy nahatsikaritra izay nanipy ny afo tao anatiny

Iray tamin’ireo telo lahy voasambotra, rehefa nifanenjehana sy notadiavina tany anaty trano fisotroana tsy lavitra teo

Hatreo aloha ny androany. Asa raha hanao ahoana ny ampitso. Milaza hanao fanateram-boninkazo ny sasany, hankalaza tsingerintaona voalohany ny hafa, ny hafa indray mbola hanohy ny androany , hono. Vokatry ny fahantràna daholo izany

Fankalazana ny #7fevrier (2012)

Toy ny efa nahazatra ny Fitondrana Tetezamita dia nakalazaina ny fahatsiarovany ny 07 febroary tamin’ity taona ity. Marobe ny olona tonga nanotrona (samy manana ny fomba nanotronany moa ny rehetra). Tsinjo teny Amboasarikely nanoloana ny Moneygram sy ny MCB ny fitangoronan’ny olona mifandrombaka ankanjo T-Shirt, sy raha ny feo heno ihany koa dia miandry ny vola "solon-tsakafo" nampanantenaina.

Ankoatry ny fampahatsiahivana ny lasa nataon’ireo mpandray fitenenana, sy ny fandefasana sary (toy ny tany aloha ihany) natao tamin’irony fàfana lehibe irony, dia nisy koa ny fandraisam-pitenenan’ny solontena avy amin’ireo nizaka ny vokatr’iny hetsika, toy ny AV7 #7fevrier2009 iny.

Maro be ny tonga hoy aho, saingy ny tena nampiavaka ity fankalazana iray ity dia ny tsy nahatongavan’ny Praiminisitra Beriziky sy ny Filohan’ny CT Mamy Rakotoarivelo ary ny nandraisana ilay bilaogera mpanoratra malaza avy any Tonizia ( Lina Ben Mhenni ), mafàna fo amin’ny fanoherana ny tsy rariny, tsy mba manaiky lembenana na resin-tahotra amin’izay ataony.

Hita sy tsinjo teny koa ny sasantsasany tamin’ireo mpanao politika zatra ny milomano ao anatin’ity sehatra iray ity. Nisy ireo mpanohitra ny Tetezamita tany aloha, nahazo toerana, mbola miara-mitantana ao, na ireo efa avy tao no niala.

Alohan’ny hampiaianana an-tsary anao mpamaky ny zava-nitranga teny #Ambohitsorohitra tamin’iny fotoana iny, dia tsy aritra ny tsy hitondra fanamarihana hoe, fa maninona moa no tsy maintsy notapahana tsy ho azon’ny rehetra hivezivezena ny mandalo amin’iny Photorama, BMOI, BOA, BFV mankany Ambatonilita iny? Dia mba izay dia làlana mamonjy ny toerana hisy ny mpanotrona sisa no notapahana. Betsaka ny toeram-pivarotana vaventy teny amin’io faritra io no voatohintohina tsy afaka nanao ny asa fitadiavany isanandro noho izay fanakatonan-dàlana izay. Azo natao tsara indray avy eo rehefa hiala ny toerana ny Filohan’ny Tetezamita, ny manapaka vetivety ny làlana mba handehanany.

Vita izay ny fanamarihana, fa ndeha hitety an-tsary mandritra ny fotoana vitsy ny andron’ny #7fevrier2012 teny Ambohitsorohitra isika

Lina Ben Mhenni ilay Toniziana nandray fitenenana ho fandrisihana ny Malagasy tsy hihemotra amin'ny fitakiana ataony

Misy fandraisam-pitenenan’i Lina Ben Mhenni  sy irao nijoro ho vavolombelona ato

Ato ny Vidéo misy ireo teny voalazan’ny sisam-paty sy mizaka  ny vokany

 

Filaharana miandry akanjo "AMPY IZAY" sy solon-tsakafo koa angamba

ny hery fiarovana teny amin'ny manodidina an'Ambohitsorohitra

Aty jerena fa alaina sary aianreo!

Fisavana tamin'ny faritra sasany teny akaikin'ny Lapam-panjakana

Ny akanjo nozaraina tamin'ireo mpanotrona, lasa hatrany Tonizia ho fahatsiarovana

Ferana ny hafainganam-pandeha fa sao dia mandona ireto sezam-boninahitra ireto an! Sao hanjera ny pilipitran'ingahy Andry Rajoelina eo koa...

Ankoatry ny zavatra hafa dia hahazo raozy kely hatao an-tratra koa ireo nasaina

Ilay tsangambato natao ho an'ireo lavo teto amin'ity toerana ity

...ary m,bola nisy nahatahiry T-shirt toy vaovao an, nefa efa tamin'ny fampielezan-kevitra ireny ENY ireny

Ny fomba ratsy tsy adino mihitsy Tsoahana ny efa azo, dia miverina indray maka hafa sitrany ahay mba mahazo fitafiana ny fianakaviana manontolo

izaho no nitarika ny olona tety, fa rehefa ho ratsy ny tantara avoty aho ry tongotro!

OOaayy izany palitao double-face be dia be eeee!

Hatraiza hatraiza dia misy ny mahazo (miady) seza, dia misy ny eny an-jorony

Nisy teny hafahafa nivoaka ny vavan'ilay iray fohifohy io fa tsy azo ambara eto. Bedy eo annnn!

Banga tsy misy mpipetraka ireto seza ireto, nefa iadiana fo aman'aina ny hitazonana azy (PM / CT)

Alehibeazo ny sary dia ho hitanao fa toa hifamely izy raoalhy ireo, soa fa eo ilay ramatoa hanasaraka an

tonga ny tompom-paety

ilay fihetsiky ny mpiambina sy ny karavato mitovy no mahasarika ahy eto

Nomena fitenenana ny vahiny teto

....AMPY IZAY....Samia mandika sy mandray an'izay teny izay araka izay tiany avy

...hametraka voninkazo ....Teto dia noheveriko fa mbola 1 novambra, hay moa ka diso daty aho

...voninkazo sy vato no anjaran'ny maty...fa ny fampisohoana mantsy natao ho an'ny mason'ny velona

Veloma ianareo fa hatreo ihany no anjarako....

....rava ny tsena...ny artista no mbola ao, fa ny mpanotrona efa manomboka miala kosa...

....tsy maintsy mamonjy fodiana daholo na Gasy na vazaha....

Dia mba handeha hatory koa aho fa efa amin’ny 10 ora alina izao…maika hanonofy fifidianana madio sy malalaka. Asa aho raha mba ho lany raha hilatsaka…. AOKA IZAY fa toa manao revin-gadra aho izany.

#Guantanamo 10 taona Tsy an-kiteniteny

loharano nahazoana ny sary

====> http://www.facebook.com/disobedience

Folo taona androany ny fonjan’i Guantanamo. Tsy hasian-teny betsaka fa aleo ny sary no hilaza azy aloha anio. Mety mbola hisy ny fotoana hitondrana azy amin’ny teny Malagasy

Blog Action Day 2011 #BAD11- Momba ny Sakafo

Andron’ny Fitorahana Bilaogy Manerantany androany, ka ho an’ity andiany 2011 ity dia mikasika ny SAKAFO no lohahevitra nofinidy.

Malalaka ny zavatra azon’ny rehetra tantaraina, soratana sy aseho mandritra ity andro ity.

Nofidiako manokana ny hiresaka mikasika vokatra Malagasy iray, voajanahary tanteraka, nefa tsy ambaka amin’izay vokarina amin’ny sehatra indostrian’ny fahasalamana sy ny farmasia  any amin’ny tany lazaina ho mandroso sy efa lasa lavitra any.

Sendra nikarokaroka taty anaty aterineto tany aho indray andro ka tamin’izany fitsidihana pejy maro samihafa izany no nahitako fa hay na ny mpanamory fiaramanidin’ny NASA any Amerika any sy ny European Space Agency aza, dia efa nampiasa azy io nandritra ireo sidina notontosaina, ka raha eto Madagasikara izy miseho amin’ny endrika vovony na koa spaghetti, dia ny an-dry zareo kosa amin’ny endriny pilina. Lafobe tokoa izy io any ampita any, raha ny sandany no asian-teny. Saingy noho izy misy eto amintsika ny mamokatra azy, dia ariny araka izany raha atao takatry ny fahefa-mividin’ny sarambabem-bahoaka ilay izy. Mbola manodidina ny 25.000Fmg na Ariary 5000 eo aloha ny vidin’ny fonosana hatreto.

Fomba fampiasa telo eo amin’ny ankapobeny no azo ampiasàna ity vokatra Malagasy haroso ho anao ity.

  1. Voalohany dia azo atao tohana ara-tsakafo ho an’ireo mila izany izy io. tombony ho an’ireo sahirana ara-pivelomana araka izany
  2. Faharoa dia ampiasaina eo amin’ny sehatry ny fitsaboana maro koa izy io. Ny mpitsabo irerey ihany no afaka manome ny fatra sahaza ny tsirairay arakaraky ny ilain’ny vatany sy mifanaraka amin’ny valin’ny fizahana natao. Tsy mitovy araka izany ny fatra ho an’ireo manaraka fitsaboana ho fampahiazana ny tenany, na ny fatra ho an’ireo tsy ampy otrikaina ka mila tohana, na ihany koa ho an’ireo mpianatra manao ezaka mafy amin’ny lafiny fianarana.
  3. Fahatelo, dia azon’ny rehetra (na iza, na iza, tsy anavahana sokajim-piarahamonina, na saranga misy azy) ny mihinana azy ity isan’andro, saingy mbola averina ihany fa tsy tsara ny manao dokotera tenany, satria raha olona mifady sira ohana ianao, na manana olana amin’izany lafiny izany, dia tsara ihany ny manatona mpitsabo.

Izahay, ary ireo ankizy marobe tohananay miaraka amin’ny fikambanana TETEZANA ONLUS, amin’ny alàlan’ny tetikasa SaD Antananarivo, dia mampiasa azy io ho fanohanana ireo ankizy avy amin’ny fianakaviana sahirana, mba ho fanampiana azy ireny amin’ny resaka otrikaina sy ho fanamafisana ny hery fiarovana ao anatin’ny tena ho afaka miatrika sy manohitra tsara ny aretina.

Efa liana angamba ianao hoe: "mba inona loatra ary izao vokatra Malagasy tsy manampaharoa izao? Ny Spiruline

Ny Spiruline du Menabe vokarin’ny ECAR SPIRMEN no atolotro ho anao mpamaky. Miara-miasa amin’ny famokarana azy io ny Diosezy ECAR Morondava sy ny CODEGAZ France, saingy ny toerana hamokarana sy anaovana ny zavatra rehetra dia eto Madagasikara.

Ho fankalazana ity andro ity izay napetraky ny FAO rahateo ho andro manerantany ho an’ny sakafo afaka mitsinjara ara-drariny ho an’ny rehetra, sy ho fampisondrotana ny fari-piainan’ny olona, dia indro arosoko ho anao ny soa rehetra hita ao anatin’ny Spiruline

Zavamaniry anaty ranomasina, fantatry ny maro amin’ny hoe algue fihinana ny spiruline. Azon’ny sokajin-taona rehetra hanina ary misy protéine eo amin’ny 60 ka hatramin’ny 65 % eo izay ilaina tokoa amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy hampitombo ny hery fiarovan’ny vatana. Miaro ihany koa amin’ny tsy fahampian-drà, anémie, ny tazo sy ny rarintsaina. Toroina handray azy ihany koa ireo ankizy madinika sy ny vehivavy bevohoka ary ny zokiolona sy ireo mpanao fanatanjahantena.

Azo hanina miaraka amin’ny karazan-tsakafo rehetra (arakaraky ny mety amin’ny tsirairay), na io ranombary, na vary, na paty, na yaourt, na lasaosy, na iny nem fihinanao eny an-dàlana iny aza.

Eo amin’ny fonony dia efa misy torolàlana napetraky ny mpamokatra, ka:

raha resaka fahaosaosana ara-batana, na tsy fahampian-tsakafo niserana dia 1/2 na 1 sotrokely fanaovana dite sy kafe isan’andro dia ampy (2 => 5 g)

Tsy fahampian-tsakafo amin’ny endrika lalindalina kokoa dia hatramin’ny 1 sotro lehibe fihinanana

Aoka anefa tsy handrahoina, na afangaro zavatra mamay be ny spiruline fa manimba ny otrikaina voatahiry ao aminy izany.

Mandritra ny 2 na 3 herinandro tsy tapaka no anaovana an’izay.
Toy izao ny kasinga ao anatiny (anarana amin’ny teny frantsay fa ialàna tsiny amin’ny mpamaky)

protéine végétale …….. manodidina ny 60% amin’ny fonosana iray

lipides………………………. 6

glucides…………………….19

minéraux…………………….8

oligonutriments vitsivitsy.

vitamine A (β-carotene)..100

vitamines B1 à B12 ……….22

vitamine E……………………10

Fer………………………………60

Phosphore……………………800

Calcium……………………..1400

Magnésium………………….200

Chlorophylle…………………790

Acide γ-linoléique…………1000

Dia mirary anao hahazo ny soa avy amin’ity vokatra Malagasy ity. Azo jerena eny amin’ny toeram-pivarotana fanafody sy eny amion’ny ECAR Antanimena ny Spiruline. Nahasoa olona maro tamin’ireo mifanerasera amiko isanandro izy io, ka heloko raha tsy zaraiko aminao

An’iza marina i Madagasikara, 51 taona aty aoriana?

Miarahaba ny rehetra nahatratra ny Asaramanitra.

1642 no niforona ny Société de l’Orient izay naka alalana tamin’ny Cardinal de Richelieu haka an’i Madagasikara (indrisy!) sy ireo nosy kely manodidina azy ka hanorim-ponenana eto. i Fort-Dauphin loha no noforonin-dry zareo, ary Ile de Chine no niantsoany an’i Madagasikara.

Talohan’ny niverenan’ny fahaleovantena dia 60 taona mahery no naha zanatany frantsay an’i Madagasikara.

Tamin’ny faha-Ranavalona II ka tonga hatramin’ny fotoan’andronRanavalona III no nanafika an’i Madagasikara ny frantsay. 1883 no ady voalohany ary 1885 no natao sonia ny fampitsaharana ny ady.

Nasaina nandoa onitra ny fanjakana Malagasy ary nomena ny frantsay ny faritra avaratry ny nosy rehetra, fantatra tamin’ny hoe Baie de Diego Suarez. (voa dobla toy ny dakam-boriky!)

1894 ny fanafihana faharoa. Tafiditra an’Antananarivo ry mpanjanaka tsy vanona ny taona 1895. Lasa protectorat i Madagaskara, ary avy eo zanatany tanteraka rehefa nivoaka ny Loi d’annexion tamin’ny 1896.

Nesorina tsy ho mpanjaka Ranavalona III ary nalefa tany Algerie ho sesitanyrehefa avy nandalo tao La Reunion.

Nijoro nanomboka teto ireo antoko sy fikambanana miafina samihafa.

Be ny aina nafoy sy ny rà latsaka mandrapahalany ny Loi Cadre, na koa ny Loi Gaston Defferre tamin’ny 1956, mba ho ampiharina teto Madagasikara ny taona 1957.

Io Loi Cadre io no nametraka ny fisian’ny resaka Governorat ka ny Haut commissaire frantsay no filohan’io tany amin’ireo tany nozanahany toa an’i Madagasikara ary ny voazanaka no mifidy izay ho filoha lefitra.

1958: mody novàna ho Etat libre dans la communauté francaise no sata misy an’i Madagasikara. Dia foana nanomboka teo koa ilay Loi d’Annexion

Androany no mitsingerina ny nanambaràna ampahibemaso ny fiverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara.

Tamin’io andro io no natao sonia teny amin’ny Lapa Andafiavaratra ny antontan-taratasy mikasika izany ka ny Filoha Phillibert Tsiranana no nisolo tena ny fanjakana Malagasy tamin’izany. Jean Foyer, sekreteram-panjakana misahana ny tany mpikambana ao amin’ny firaisambe frantsay kosa no avy tamin’ny andaniny mpanjanaka. Olom-panjakana sy olona manan-kaja maro no nanatrika ny fotoana.

Vita ny teny an-dapa, dia nankeny Mahamasina indray ny antoandron’io 26 Jona 1960 io hanao ny fanambaràna ampahibe-maso ny fiverenan’ny fahaleovantena teo ambony VatoMasina, ka ny tamin’ny teny Frantsay dia ny minisitra frantsay no namaky azy, ary ny tamin’ny teny Malagasy dia ny filoha Tsiranana no namaky azy. Notronin’ireo mpianatra avy ao amin’ny Sekoly Normaly Avaradrova sy Mahamasina, nasaina manokana hiredona ny hiram-pirenena izay noforonin’i Pasitera Rahajason sy Raharisoa Norbert (namorona ny feony) "Ry Tanindrazanay Malala o!". Izy namorona ny feony mihitsy no nibaiko  ireo mpihira.

Hira isan’ny nifaninana tamin’io fiventintsika ankehitriny io ny hoe "Zanahary o! Tahio ny Tanindrazanay (nahazo ny laharana faharoa) noforonin’i Gilles Ramiarisaona, ka dia noventesina ihany koa, ary dia i Sefo Randria izay namorona koa ny hira hoe "Ho Tiavinay Mandrakizay" (nahazo ny laharana fahatelo) no nibaiko ireo mpihira avy eny ambony tafon’ny tribune.

Ramarosaona Emile kosa no nandika ny hafatra avy amin’ny Gl De Gaule tamin’io fotoana io.

Aoka tsy ho adino ihany koa fa tamin’io 26 Jona 1960 io no nanolorana voalohany ny faneva ho an’ny tafika Malagasy. Mankalaza ny faha 51 taona niorenany koa izany ny tafika Malagasy, ka ny Kolonely Ramanantsoa no nandray izany avy amin’ny Filoha Tsiranana, taorian’ny fiventesana ny hiram-pirenena sy ny tsangan-tsaina. Tamin’io izany no matso voalohany nataon’ny tafika sy ny zandary Malagasy.

Teny Betongolo ny marainan’io no natrehan’i Kapiteny Ramarolahy, Commandant d’Arme, ny tsangan-tsaina voalohany, tamin’ny 8 ora maraina.

Fitaovana sy fanamiana Sinoa no hita betsaka ho an’ny tafika Mlagasy

Sombin-tsary avy amin’ny fankalazàna 2011:

Suivre

Recevez les nouvelles publications par mail.

Joignez-vous à 400 followers