Andron’ny Tany 2013 (#earthday2013)

HPNX0212

Chargé d’affaire Eric Wong

 

Andron’ny Tany anio na «Earth Day» . Tsy haiko ny fomba nentin’ny hafa nankalaza izany tany an-toeran-kafa, nefa inoako fa tsy ho latsa-danja noho izay natao teny amin’ny Masoivoho Amerikana teny Andranomena androany maraina.

100_8997

Lanonana tsotra, tena tsotra, nefa manana ny toerany sy hevitra ampitaina ho an’ny tsirairay no nisy teny an-toerana. Tonga amin’ilay fiteny hoe ‘symbolique’, saingy tsy izay lafiny izay no hitondrantsika ny tatitra fa ny zava-boarakitra tao anatin’ilay hetsika. Fiarovana ireo zava-maniry atahorana ho lany tamingana.

100_8989

Lanonana nifandrimbonan’ny Masoivoho Amerikana (#usembassy) tamin’ireo mpiara-miombon’antoka taminy izy ity: toy ny Tany Meva, ny avy amin’ny SAF FJKM, Alliance Voary Gasy, Madagascar National Park, Conservation Internationale Madagascar…sns… Ary zanak’ireo karazan-javamaniry fantatry ny maro amin’ny hoe ‘palmier’ niisa 3 no novolena nandritra izany. Vitsy angamba hoy ianao. Eny vitsy tokoa, satria na ny sasany amin’izy ireo aza dia efa teo an-dalam-pahafonganana no hita, avy novonjena nanangonana voa sy namelomana zanany mba ho azo volena toy izao indray.

HPNX0229

100_8992

Ny iray tamin’izy ireo aza moa dia efa tany Hawaï tany no hita, ary kisendrasendra no nahitàna hoe mbola nisy iray tavela tao amin’ny valan-javaboahary tao Ranomafana. Ahitana ilay karazana Palmier, mamono tena afaka 10 taona eo ho eo amin’ireto voavoly androany ireto. Alohan’ny hahafatesany anefa dia manome voa izy, rehefa avy mahatratra ny haavo ilainy, sy misampana.

Ndeha ianao ho entina an-tsary hanatrika izany, mba ho toy ny teny an-toerana ihany koa. Ary ny angatahana amintsika mpamaky, raha misy mahalala ny anaran’izy ireo amin’ny teny Malagasy, dia mba apetraho anaty toerana natokana ho an’ny fanehoankevitra, satria tsorina fa dia tena sahirana tokoa izahay nitady izay anarana Malagasy izay, fony teny an-toerana teny, saingy tsy mbola afa-po. Misy ny hoe Satrana, Dimaka, saingy na ireo nitondra azy aza, izay vazaha roalahy, dia mbola misalasala tsy mahazo antoka ny amin’izay tena anarana Malagasy marina ho an’izy ireto, satria hoy izy, na ilay hoe Dimaka aza, dia miovaova araka ny toerana aleha ny fahafantaran’ny olona azy.

Ankoatra ity tatitra fohy ity dia mbola ho avy eto ihany koa ny dikanteny tamin’ny fandraisam-pitenenan’ny Chargé d’affaire avy ao amin’ny Masoivoho, nataony nandritra ny fanokafana ny lanonana.

100_8990

100_8993

100_8994

100_8995

100_8998

100_8999

100_9000

Cyclône ANAIS

Merci, Lionel, pour l’info

Cyclone_ANAIS

Le Cyclone Tropical ANAIS se déplaçait à 10h00 (dimanche 14) vers l’ouest-sud-ouest à la vitesse de 13 km/h et était positionné autour du point 11.1 Sud / 66.3 Est à 1575 km au nord-est des côtes réunionnaises…
La pression en son centre était estimée à 975 hPa et la vitesse du vent maximal moyen sur 10 minutes était d’environ 139 km/h avec des rafales sur mer de 196 km/h…

Anaïs est déjà rentrée dans les annales de la saison cyclonique 2012-2013 et même bien au-delà puisque pour un milieu de mois d’octobre, elle a connu une intensification rapide jusqu’au stade de cyclone et tellement rapide qu’elle a sauté le stade de Forte Tempête Tropicale… elle est en effet passée du stade de Tempête Tropicale Modérée (le 13 octobre à 16h00) à celui de Cyclone Tropical (le 13 octobre à 22h00)…

Anïs est donc une précoce mais aussi une véloce… et pour lui rendre hommage, une petite animation : Anaïs fait son show…

Anaïs évolue dans des conditions environnementales favorables à son intensification même si elle ne devrait pas aller plus haut dans les stades de développement, elle devrait maintenir le stade de cyclone pendant les prochaines 48 heures puis commencer ensuite à s’affaiblir plus ou moins rapidement…

Les modèles numériques de prévisions restent en bon accord sur la trajectoire future d’Anaïs pour les prochaines 72 heures (trajectoire décrite sous la carte ci-dessus)…
Au-delà, certains modèles (ECMWF et GFS) proposent une incurvation de la trajectoire plus franche au sud-sud-ouest ce qui ramènerait Anaïs (ou du moins ce qui en restera) dans les abords de la Réunion…

La suite, ici

TEDxAntananarivo 2012, LASA IZAO #TEDxTNR

Ny hoe  TED dia fanafohezana ny Technology, Entertainment sy Design natomboka tamin’ny 1984 tao Californie ary misokatra amin’ny taranja rehetra sy ny olon-drehetra manana hevitra mendrika ny hozaraina amin’ny mpiara-belona.

Andiany faha-4,  ary tafiditra ao anatin’ireo kaonferansa efa mahatratra eo amin’ny 3000 mahery nokarakarain’ny TEDx nanerana firenena 133 tamin’ny fiteny 47, ity hataontsika ao amin’ny Hotel Carlton Anosy androany 1 Septambra 2012, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ity. Teny faneva ny hoe BACK TO… (Looking back, Mooving forward). Izay iandrasana olona 500 eo ho eo.

Olona mpirotsaka an-tsitrapo daholo no tohanan’ny TED hikarakara ny hetsika ity izao maneran-tany. Ireo mpandray anjara kosa dia ahitàna mpikaroka, mpitarika orinasa, injeniera na mpanakanto sy ny maro tsy voatanisa. Azo resahana mandritra izany fotoana izany ny haikanto, ny siansa, ny haitao, ny asa famoronana, ny fampialamboly, ny fandraharahana amin’ny sehatra rehetra mihitsy sy izay mahakasika ny fiaraha-monina e!

Raha vao «BACK TO … » no mby ao an-tsaina, dia midika FIVERENANA izay, fiverenana amin’ny asa feno fahavitrahana sy ny fanaingàna indray ny fiharian’ny isam-batan’olona ohatra, ary hatramin’ny fianakaviamben’ny manan’aina koa aza. Hizara roa ny fotoana, ka ao anatin’izany no hanolorana ho anareo mpanatrika ny tsara indrindra eo amin’ny tontolon’ny teknolojia. Isaorana manokana eto ny MAKATY miara-miasa amin’ny fanatontosana izay lafiny izay (solontenan’ny APPLE eto Madagasikara), tsy ho adino ny hanolotra ho anareo ny Fialamboly (hisy ny artista hanafàna sy hampahafantatra ny tantarany) ary ny Asa fanomezan’endrika (Design). Satria ireo rehetra ireo no mitambatra manome ny fanafohezana TED.

Malagasy aby no mpandray anjara ao, Malagasy manana hoavy mamiratra, mendrika ny hotohanako, tohananao, eny e , tohanan’ny rehetra, koa ‘Ndao ary hoararaotintsika ity fotoana ity hampahafantarana an’izao tontolo izao fa i Madagasikara dia firenena, tsy fantatra fotsiny amin’ny alàlan’ny sarimiaina (cartoon) fa koa firenena iray tsy lany fika sy hevitra, mpanan-talenta sy famoronana.

Miandry anao izahay anio tolakandro eny amin’ny Carlton Anosy miaraka amin’ny #TEDxTNR 2012, #TEDxAntananarivo

WISCO communique sur le Fer de SOALALA

COMMUNIQUE DE PRESSE /Projet d’exploitation de fer Soalala  par Wisco Guangxin Kam Wah Resources / O.N.E

La  Société Madagascar WISCO titulaire des permis miniers N°37498 et 37499 va entamer l’étude d’Impact Environnemental de son projet d’exploitation de fer à Soalala.

Le Projet comprend différentes composantes :

− Site minier

− Parc d’éjection du sol, dynamitière, stockage de carburant, atelier de réparation mécanique, magasin général, zone d’administration etc.

− Site à résidus miniers

− Systèmes de convoyage du minerai enrichi

− Utilisation des ressources

− Réseau de routes et de voies d’accès (en collaboration avec le Ministère des Travaux Publics et les Régions)

− Site portuaire et installations annexes

− Approvisionnement en Energie (centrale thermique de 300-400 Mégawatts d’énergie électrique, combustible, transport et distribution)

− Aménagement des villages pour les employés de Madagascar WISCO

(pour le site portuaire, le site minier et les autres installations)

Conformément aux termes du décret MECIE, le Promoteur du Projet a soumis à l’ONE les Termes de références (TDRs) de l’Etude d’Impact Environnemental pour validation.

Dans ce cadre, une consultation du public et de toutes les parties prenantes, sera organisée par l’ONE sur ce site.

En vue d’un meilleur cadrage de l’Etude d’Impact Environnemental, l’ONE invite les différentes parties intéressées entre autres le public, les autorités locales, régionales voire nationales, les journalistes, les ONG œuvrant pour la préservation de l’environnement à émettre des observations et avis sur ces termes de références.

Antananarivo #m2506 / 26 Jona (J-1)

Nivoaka kely nijerijery ny zava-misy tmain’ity harivarivan’ny 25 Jona 2012 ity ka izao no tsikaritra:

1* feno olona eny rehetra eny. Midika tokoa va re izany fa fety ny andro. Angamba, saingy ho ahy izay mpandeha amin’ireny arabe irny saika isan’andro vaky (Analakely, Behoririka, Ambondrona, Soarano, sy ny manodidina) dia niampy kely noho ny isan’andro no fahitako azy. Izany hoe niova, saingy tsy dia be loatra

2* Tery kokoa noho ny andavanandro araka izany ny àlna, na ho an’ny mpandeha an-tongotra, na ho an’ny mpamily toa anay. Satria dia zara raha misy faritra mitovy refy amin’ny fiara avelan’ireo mpivarotra mba hizorana.

3* Mbola voaporofo indray androany ny fanamparam-.pahefana ataon’ireo manana ny basy sy ny ‘lalàna’ any aminy.

Dia mbola hisy indray aloha ny tsy ho faly hamaky ny lahatsoratra fanakianana o ity fa dia ‘Akory atao eeee!’ izy no hita teny, ary dia tantarin’ny maso nahita.

Ndeha ny sary amin’izay no hampitenenintsika, ary arahana fanazavana kely manaraka azy tsirairay eny

Ny arabe midina etsy amin’ny farity Behoririka ity hitanao an-tsary ity. Jereo tsara ny faritra izoran’ny fiara.

Ilay arabe teo ihany saingy rhefa lasa izay fiara nandalo teo amin’ny faritra

Tsy hiala lavitra isika fa eo ambony kely eo fotsiny. Azonao jerena eto amin’ny sary ny elanelana misy ny sisin-dàlana amin’ny andaniny roa sy io mpivarotra mitorevaka anaty arabe io, ary iry mitsangana ery aoriana

Fiolahan-dàlana eo ambony eo ihany ity (Behoririka). Hiverenantsika ity faritra ity rehefa somary maizina ny andro

Mbola ilay fiolahana etsy ambony ihany, fa ny tiana haseho dia ny fahasahian’ity ramatoa mivarotra eo anatin’ny arabe, ary iretsy ampita izay mahatonga ny mpandeha an-tongotra hidina koa any anaty arabe

Ireo mpivarotra etsy ampitan’ilay ramatoa eo amin’ny sary etsy ambony, ary tena ao anaty fiolahana tanteraka

10 metatra miala ilay fiolahana tetsy aloha, raha hitodi-toha ho any amin’ny tsena Pochard

Mbola azo lazaina ho misy asany ve itony karazana mpitandro filaminana itony sa ‘espece en voie de disparition’ ? Ny karama anefa natao midangana, ny asa tanterahana tsy mandeha amin’izay andrasana, …Ntsss tsy alehany!

Ireo arendrina miandry mpividy eny an-.tsenan’Analakely

Hitodi-doha hiverina any Behoririka amin’izay indray isika

Mazava loatra fa tahaka ny amin’ny andro mazava, dia mbola mitoetra hatrany koa ny fitohanan’ny fifamoivoizana

Fa teto no tena nisehoan’ny tsy nampoizina. Nisy ity fiara nitondra mpitandro filaminana ity nisosososo avy any amin’izay niaviany tany. Tsy misy laharana izy io. Olona teo amin’ny 4 na 5 teo no tsikaritra tao anatiny. Nododosany daholo ny rehetra teo alohany. Ary raha voadonany aza ilay olona teo akaikin’ny fiolahana voalaza ery ambony, dia azo antoka fa tsy maintsy namoy ny ainy. Rehefa hitany fa nitohana tsy afaka nandeha intsony izy teo amin’ilay fiolahana dia ilay taxibe laharana 4885 TAJ teo alohany no nanalany ny fony.

Tsy tahotra tsy henatra fa raha vantany vao azony natao ny nilahatra tamin’ity taxibe dia ny fandrahonana sy ny vazavaza, ary ny fitakiana taratasy no nataon’ilay iray teo akaikin’ny mpamily. Azy tokoa moa ny fahefana, ary toa nanaiky nilefitra mora foana koa ity mpamily nanoloana ireto TOMPON’NY FAHEFANA ka dia nanome izay notakiany. Vao azony ny taratasy dia iny indray ity fiara fa niezaka ny handodona ireo teo alohany, nefa anie ka tsy afaka ny ho lasa lavitra akory e. Tsy maintsy nanaraka ny dian’ireo teo alohany mandra-pahatonga tery Antanimena ambany. Efa vesaran’ny fanomanana ny rahampitso va re sa inona no mampiasa saina e? Efa lasa ny taratasy vao tonga saina ny mpamily ilay taxibe fa na dia ny anaran’ireto naka ny taratasy, na ny laharan’ilay fiara aza tsy misy fantatra akory.

Eto dia fanontaniana no apetraka AN’IZA NY ANDRAIKITRA amin’ny fisian’ny fitohanana sy ny gaboraraka? Amiko dia tafiditra amin’izany daholo na ingahy Edgard RAZAFINDRAVAHY mitantana an’Antananrivo Renivohitra, ny ny POLISY mandray karama be nefa tsy alehany mameno ny tanàna, na ny mpitondra fanjakana tarihan’ingahy Andry Rajoelina toa faly MIJERY FOTSINY satria matahotra ny ho very seza raha sanatria hanakorantana ireto mpandika lalàna mameno tanàna ireto.

Mirary fety milamina sy anaty fiadanana ho an’ny rehetra amin’izao fahatongavan’ny fahatsiarvana ny 26 Jona izao. Niniako tsy tenina ny hoe #fahaleovantea (#Independance) satra toa mbola be loatra ny marika ahitako fa tsy tena mbola mahaleo tena ny taniko, dia i #Madagasikara  (#Madagascar)

++++++++++++++

Bilaogy miresaka fahaleovantena tsara mba topazanao maso koa ny ato izay ny namana Mamisoa no mitantana azy

“Namanabe Hall” / Fampitam-baovao 15062012

Inauguration du “Namanabe Hall” du Centre ValBio le 2 Juillet à Ranomafana

Le 2 Juillet, 2012 Son Excellence le Premier Ministre et le Ministre de l’Enseignement Supérieur, accompagnés du Dr. Samual Stanley et du Dr. Patricia Wright de l’Université de Stony Brook, inaugureront le “Namanabe Hall”, un nouveau bâtiment dédié à la recherche, l’art et les échanges communautaires à Ranomafana. Ce bâtiment, qui donne sur la chute d’eau, la rivière et la forêt pluviale, a trois étages, avec jardin et panneaux solaires sur le toît, une salle de conférence pour 80 personnes, une salle de formation dotée d’ordinateurs, un studio audio-visuel, de dortoirs et d’un laboratoire scientifique moderne et sophistiqué. Le laboratoire sera équipé pour faire l’étude de la biodiversité (génétique, hormones et parasites) et les maladies infectieuses. Tout le campus sera équipé de l’Internet haut débit avec des fibres optiques fournis par la compagnie Telma.

Le “Namanabe Hall” fait partie du Centre ValBio. Il est, non seulement une plate-forme dédiée à la recherche sur la biodiversité à l’intérieur du Parc National de Ranomafana, mais aussi un centre pour l’art à l’environnement et les échanges communautaires axées sur l’éducation ayant trait à la conservation, la santé/hygiène et le dévelopment économique. Cette approche intégrée sur la préservation de la forêt pluviale est un élément-clé pour l’ICTE (l’ONG qui gère le Centre ValBio) pendant 26 ans. Le Centre ValBio emploie 80 personnes provenant de la région et travaille en étroite collaboration avec Madagascar National Parks afin d’aider à protéger et conserver la biodiversité speciale, y compris le lémurien bamboo doré (Hapalemur aureus) le très grand lémurien bamboo (Prolemur sirus) en voie d’extinction. Le Centre ValBio collabore avec la Mairie de Ranomafana pour encourager les artisans locaux à la construction d’une série de magasins dans le centre ville. Depuis l’année dernière, le Centre ValBio a travaillé en partenariat avec l’Ambassade des Etats-Unis et la Mairie pour encourager les musiciens et artistes locaux à participer au programme “Arts in Environment.”

Un projet de WWF Madagasar a recu le Prix de Belgique de l’énergie et de l’environnement

WWF Madagascar et dans l’Océan Indien Occidental

Le projet de surveillance aérienne des aires protégées est primé
Antananarivo, 7 Juin 2012 – Le projet de surveillance aérienne des aires protégées, initié par WWF Madagascar et Aviation sans Frontières Belgique a reçu l’un des douze prix belges de l’énergie et de l’environnement, le 6 juin 2012 à Bruxelles, Belgique.
Ce projet qui a à la fois, une portée humanitaire et environnementale, consiste en la surveillance des aires protégées dans le Sud malgache dont, entre autres, de PK32-Ranobe, d’Amoron’ny Onilahy ainsi que les parcs nationaux de Mikea et Tsimanampetsotse. La surveillance aérienne des zones protégées permet d’obtenir une image claire de la déforestation : les emplacements précis, la taille des zones défrichées, te taux de défrichement. Des informations aussi précises aident à mieux comprendre les causes de la déforestation, à mieux orienter les patrouilles terrestres dans leurs rondes de contrôles et permet aux agriculteurs eux-mêmes de mieux évaluer les impacts des défrichements.
Cette année, la surveillance aérienne dans le parc national Mikea a, par exemple, permis d’évaluer l’étendue des parcelles défrichées, 22 en 2011 et 44, actuellement. C’est aussi à travers ce système de surveillance aérienne que nous avons pu déterminer des succès comme c’est le cas d’Ankodida, aire protégée où l’a déforestation a fortement régressé.
Collaboration avec les communautés
Au-delà de la surveillance des ces aires protégées, « ce projet permet d’informer les villageois sur l’évolution des forêts qui les entourent et desquelles ils bénéficient des services écologiques. Ceci est particulièrement important pour les zones communautaires protégées, qui sont gérés par les communautés elles-mêmes. Nous priorisons des séances de travail avec ces paysans et ces agriculteurs, afin de bien les expliquer le sens des images aériennes prises lors de survols », explique Simon Rafanomezantsoa, Coordonnateur du Programme terrestre de WWF à Madagascar.
Xavier Vincke, responsable du projet de surveillance aérienne au WWF conclue : «Pour réduire la déforestation dans et autour des aires protégées, tous les acteurs concernés doivent travailler ensemble. Nous pouvons encore mieux faire en nous donnant la main et en travaillant de concert avec les villageois. Ce système nous permettra de développer ensemble un outil qui peut être utilisé à l’échelle nationale pour aider les agriculteurs à faire face au phénomène des cultures sur brûlis »
Ainsi, au-delà des priorités de la conservation, ce projet se veut aussi englober une dimension humaine et de développement durable, car les forêts bien surveillées profitent aux villages et aux communautés.
Depuis 2006, le « Prix belge de l’Energie et de l’Environnement » a récompensé plus de 1000 belges – citoyens, entreprises, institutions, associations, écoles, administrations… – qui, à titre individuel ou à travers leurs organismes, contribuent de manière exceptionnelle à la construction d’un avenir durable à l’échelle locale, régionale et nationale. L’association "Aviation sans frontières", partenaire de WWF à travers ce projet primé, siège à Bruxelles. Elle compte près de 30 ans de travail humanitaire et est récompensée pour son premier projet environnemental.
De ce projet à la fois environnemental et humanitaire, nous avons pu collecter plusieurs photographies révélatrices et impressionnantes qui témoignent de l’état de la déforestation et qui servent à expliquer aux habitants les conséquences de ce défrichage : par exemple, des coulées de boue dans le fleuve ou un impact négatif sur la pêche. Ces photographies ont été présentées à la Foire Internationale de Madagascar, du 31 juin et 3 mai 2012, au cours d’une exposition sur la surveillance aérienne des aires protégées dans le Sud de Madagascar.

 

WWF Madagascar &
West Indian Ocean
Programme Office

B.P. 738
(101) Antananarivo
Madagascar Tel: +261 20 22 348 85
+261 20 22 304 20
+261 34 49 888 05/06
+261 34 49 888 03/04
Fax: +261 20 22 348 88
wwfrep@moov.mg
http://www.panda.org

#Apps4Africa #Madagascar

Ny Apps4Africa dia fifaninanana mamorona ireny karazana rindrambaiko fametraka amin’ny finday ireny. Natao ho an’ireo firenena aty Afrika izy io, ary tamin’ity taona ity dia tafiditra ao anatin’ny firenena nofidiana hiditra amin’ny andiany faha-7 i Madagasikara. Marième Jamme no nanazava tamin’ireo mpanatrika ny zavatra rehetra andrasana amin’ny mpirotsaka sy ireo mpanatrika tonga maro tao Tsimbazaza CIDST / Malagasy i-Hub. Anisan’ny mpiara-miombona antoka ao anatiny ny TED sy Indigo Trust. Ary raha ny fikarakaràna ny hetsika eto Madagasikara dia isan’ny nanohana tamin’ny fampitaovana ny Ambasady Amerikana.

Raha vao miresaka TED isika dia tsara ny manamarika fa Harinjaka Ratozamanana dia sady tompon’ny licence TEDx eto Madagasikara no mpikambana mpiara-manorina ihany koa ny Malagasy i-Hub.

Ny Fiovan’ny Toetrandro no ifantohana amin’ity andiany ity. Tonga maro ireo avy amin’ny sehatra maro samihafa: Antenimieram-pirenena, Conservation Internationale, WWF, Club Vintsy, Mpianatra momba ny fambolena avy any amin’ny ambaratonga ambony, mpikirakira teknolojia, ireo liam-baovao, ny mpandraharaha isan-karazany sy ny maro hafa tsy voatanisa. Saingy ny tena nahavariana sy nahalasa ny saina dia ity. TSY NISY SOLOTENA NY FITONDRAM-PANJAKANA, eny fa na dia hoe farafaharatsiny ny ministera voakasika aza, mba hanatrika ity sehatrasa ity.

Misokatra hatramin’ny faran’ity volana ity ny fandraisana ireo tetikasa vonona hifaninana.

Ny tsy nahitàna solotenan’ny fitondrana teny amin’ity hetsika nokarakarain’ny Malagasy i-hub ity dia toa milaza fa tsy ny sehatry ny fampianarana izay efa nasiana resaka teto ihany no tsy iasàn’ny mpitondra saina, fa tafiditra koa ny fiarovana ny resaka tontolo, sy ny fiovaovan’ny toetrandro.

Fa hiverina amin’ny Apps4Africa isika. Raha fanentanana sy fifanakalozan-dresaka tamin’ny fomba malalaka sy fifandresen-dahatra no nisy ny maraina, dia nizara ho andiany roa kosa ny mpanatrika tamin’ny tolakandro. Tao anatin’ireo andiany ireo dia samy nametrahana manampahaizana amin’ny fanoratana rindrambaiko, ary ny ambiny dia manampahaizana amin’ny sehatra misy azy avy. Ny tanjona tamin’ny fametrahana ireto andiany ireto dia ny hanaovana fifanakalozan-dresaka sy hamoahana foto-kevitra iray azo havadika ho vokatra fanjifa amin’ny alalan’ny finday, ka ho azon’ny rehetra ampiasaina mba hiadiana amin’ny fiovan’ny toetrandro. Ary dia nisy tokoa moa ny vinavina 2 tafavoaka nandritra izany. Nafàna tokoa ny fifanakalozana, ka tao ny naneho ahiahy ny amin’ny tsy mbola maha-ara-potoana ny zavatra toy itony ho an’ny Malagasy, izay ny tsy mbola maika afa-tsy izay ho ao am-biliany, noho ny fhasahiranana’ny isan-tokantrano.

Ny dingana arahana rehefa manana tetikasa azo iatrehana ny fiovan’ny toetandro ianao, nefa tsy manana fahaizana hamadika izany ho rindrambaiko azo ampiasaina ho an’ny rehetra anby anaty finday, dia ny mitady olona hanampy anao amin’ny fanatanterahana izany. Izay no tanjona tamin’ity androany ity.

Mbola hitohy ny hetsika rahampitso, saingy tsy eny Tsimbazaza (CIDST) intsony, fa ho eny amin’ny Ivontorean’ny Gazety Malagasy (Centre de Presse Malagasy) – WWF Antsakaviro indray. Manomboka amin’ny 10 ora.

Indro omena eto ambany ny rohy ahafahanao mamantatra bebe kokoa momba ity Apps4Africa ity. Alohan’ny hisoratanao anarana hifaninana dia tsara ny mahafantatra fa tsy mety ovàna intsony izay efa naelfa, koa vakio tsara alohan’ny hanoratanao ny tenanao, na ny tarikao hirotsaha hifaninana ao. Ny loka ho an’ny voalohany dia 15.000 dolara Amerikana, Ary ny irariana dia mba ho Malagasy izay voalohany izay.

http://apps4africa.org/fr/enter.php

Mivarotra "staphylocoques dorés" i Chine, raha misy mila

 

SAO MISY HIVIDY staphylocoques dorés, manana atao kado ny Sinoa

Otrikaretina ny "staphylocoques dorés" ary miteraka ny antsoina hoe "pneumonie" sy "méningite" rehefa tonga amin’ny faratampony.

Nisy fotoana, rehefa hita fa nahitana taratra ny fisian’ny "staphylocoques dorés" tany anatiny, dia nasain’ny tompon’andraikitra ara-pahasalamana sinoa nesorina teny amin’ny toeram-pivarotana samihafa ireo vokatra toy ny "raviolis" novokarin’ilay orinasa isan’ny goavana amin’ny fanaovana ireny sakafo "congélés", ny Synear Food.

Tsy mampahatahotra ny manampahefana sinoa anefa izany ka dia izy ireo indray no nanome alàlana ny amin’ny hahazoana mivarotra ireo vokatra "congélés" ireo raha tsy dia betsaka ny tahan’ny "staphylocoques dorés"  tsikaritra any anatin’ireo vokatra, tafiditra amin’izany ny vary sy ny karazana paty samihafa.

Tsaroan’ny maro angamba ny resaka ronono misy kasinga mitondra homamiadana vokarin-dry zareo sinoa na ny atao hoe "lait contaminé" nahitàna "mélamine" mifangaro aminy, na ny menaka tsinponina eny amin’ny tatatr’ireo toeram-pisakafoanana sy karakarain’ny sasany mba ho ampiasaina indray avy eo na "huile frelatée" .

Lahatsoratra miresaka momba ny zava-doza aterany, azonao jerena ato

FADIO NY MIHINANKINAM-POANA IZAO REHETRA IZAO. Izao azonao enjehana eo anatrehan’ny lalàna aza, efa miferinay ianao vao vita ny ady, mainka fa…..

Aoka araka izany mba hifanentana, tsy hividy izay sakafo fantatra fa mampahatahota, indrindra fa raha teny tsy fantatrao no eny amin’ny fonony. Araho tsara ihany koa ny resaka datin’andro farany tokony hampiasana na hihinanana vokatra iray. Teneno ny ankizy amin’ireny karazana vatomamy sy bisikoitra, ary habobo amidy eny amoron-dàlana irany. Rehefa tsy handray andraikitra ihany ny tompon’andraiki-panjakàna (Ministeran’ny Varotra, Fahasalamana, ny Kaominina, sns) dia anjarantsika olom-pirenena tsirairay ny manao izany

 

Avy Ny Orana, Tonga Ny Fako, Tsy Tara Ny Aretina

Efa nanao izao ho afany ihany ny tompon’andraikitra tamin’ny fanadiovana ireny lavaka fivarinan-drano maloto rehetra nanerana ny tanàna ireny nandritra ny vanim-potoana maina. Nosokafana daholo ny ‘dalle’, nalalahana ny tatatra, sy ny sisa.

Tonga àry ity ny orana, fotoana natao hitsaràna ny vokatra. Nandaitra ve ny ezaka natao, sa mbola misy ny tokony hasiana fandinihana manokana?

Niara-tonga tamin’ny orana (na natoraly io na nataon’olombelona, tsy any no olana)….tonga niaraka taminy ihany koa ny fitosahan’ireo fako samihafa nafenimpenina tany ambadimbadika rehetra tany.

Iza no homena tsiny?

Faritra telo no mba voatsidiko sy hitako maso: Firaisana fahatelo, Firaisana Faha-6. Fa tsindriako manokana ireto tanàna manaraka ireto.

  1. Soavinandriana ambanin’ny HOMI: misy lakandrano fandehanan’ny rano maloto izay ety amin’ny ilany ambany ety, akaikin’ilay toerana malalaka kely misy fiandrasana fiara mpitatitra, alohan’ny hifandraisany amin’ny arabe aty Besarety manoloana ny Farmasia iny.  Tena zendana aho mahita hoe fako mety hahafeno irony karazana fiara 404 misy labasy irony no mitohana eo amin’ilay sakana napetraka eo amin’io faritra io. Rehefa dinihanao anefa ny antontam-pako mivangongo eo, dia tsy hafa fa ireny avy nampiasaina tany an-tokantrano ireny no betsaka. Kamo ve ny olona handeha hanatitra ny fakony any amin’ny toerana natao ho amin’izany ka zara aza misy an’io lakandrano io hialana vonkina?
  2. Faritra Ambatolampy sy iny Ambohimanarina (Fir6) iny. Misy toerana fanariana fako amin’ireo faritra ireo efa tena feno hipoka tokoa, ka na fiara vaventy 3 hatramin’ny 5 avy amin’ny fivondronana (#CUA)  aza no hanao be midina eny, dia inoako marimarina tokoa fa tsy hisy ho diso fanantenana, satria samy hahazo ny anjarany, tsy hisy hiverina maina izany. Manampy trotraka an’izany moa ny tsy fisian’ny caniveau, na tatatra mba natao hanarian’ny olona, na hivoahan’ny rano maloto avy any an-tokantrano amin’ìny faritra Ambohimandroso Ambohimanarina, amin’io ambony manomboka eo amin’ny bassin fanasan-damba io ka somary miditra mankany anaty tanàna toy ny ho  any Antsahamasina, na koa hiverina hiakatra ho aty amin’ny fiangonana Alfa sy Omega.  Dia eny rehetra eny ny olona no mamafy ny rano malotony. Nahoana? Satria rehefa nanontaninaa ny olona dia ny tompon’andraikitry ny fokontany mihitsy no tsy mivaky loha. Naleon’ny fokontany nanao rarivato ny lalankely tsy misy tatatra ho an’ny vahoaka, toy izay nanao azy roa miaraka mba ho tombontsoan’ny fiaraha-monina. Asa manaraka hono izany….Asa tokoa re!!!
  3. Iny Mahavoky ambadiky ny mpivarotra hazo mivoaka mankany Besarety iny

An’iza ny fahavoazana?

Rehefa tonga ny orana, ary miparitaka ny fako, an’iza tokoa ny fahavoazana?

Ny tokony ho tsapan’ny rehetra dia samy tompon’andraikitra amin’izany izaho sy ianao. Ny fako natsipiko, natsipinao, natsipitsika noho ny fahalainana sy tsy am-piheverana teny rehetra teny, na dia miezaka aza ny tompon’andraikitra voatondro manokana hijery ny amin’izany,…ireny fako nataontsika ireny no maha-tompon’andraikitra voalohany antsika.

Fa tompon’andraikitra tsy afa-miala amin’izany ihany koa ireo tompon’andraikitra isan-tokony avy. Satria izy ireny tokony hanao fanentanana mandrakariva, tsy ho aminà haino aman-jery iray na roa voafaritra fotsiny, fa tokony hisandrahaka be araka izay tratra, ary tokony handray fepetra henjana amin’izay minia mbola tsy manaja ny mpiara-belona. Ny olana mantsy dia efa ZATRA AMBANANA amin’ny ho fampiharana lalàna, izay mijanona ho imolotra fotsiny sy ambony latabatra ny vahoaka Malagasy, ka tsy miraika intsony. Lazaina fa hatao an’izao na izao izay manao an’itsy na iry, nefa aiza akory……?

Dia tonga ny aretina, ary samy hiala vola avokoa,  na ny isan-tokantrano mba ho fitsaboana izay trà-pahavoazana, na ny fanjakana mba tsy hipariahan’izany any amin’ny faritra hafa. Ka tsy ny NISOROKA VE NO TSARA noho ny fanampenan-davaka lava izao e?

Ho anao izay mamaky ity kahatsoratra ity ary, entano ny manodidina anao, manomboka amin’ny tena, ny ankohonana sy izay rehetra mifandray aminao isan’andro, mba hanary ilay toe-tsaina mamohehatra manao hoe AN’I DADA SA AN’i NENY, dia tsy asiana fanajàna… Antsika mianakavy hoe, ka ‘ndeha ho hajaina, fa fanànana iombonana ny tontolo iainantsika, samy tompony daholo.

Ho an’ny manampahefana isan-tokony kosa (Fokontany, #CUA, sns….) , raiso ny andraikitra tandrify, ary mba jereo ifotony ny tena olana sy ny zavatra andrasan’ny vahoaka, fa tsy faly haneho zava-bita, nefa tsy mifanitsy amin’ny filàny akory.

Suivre

Recevez les nouvelles publications par mail.

Joignez-vous à 390 followers