Cyclône ANAIS

Merci, Lionel, pour l’info

Cyclone_ANAIS

Le Cyclone Tropical ANAIS se déplaçait à 10h00 (dimanche 14) vers l’ouest-sud-ouest à la vitesse de 13 km/h et était positionné autour du point 11.1 Sud / 66.3 Est à 1575 km au nord-est des côtes réunionnaises…
La pression en son centre était estimée à 975 hPa et la vitesse du vent maximal moyen sur 10 minutes était d’environ 139 km/h avec des rafales sur mer de 196 km/h…

Anaïs est déjà rentrée dans les annales de la saison cyclonique 2012-2013 et même bien au-delà puisque pour un milieu de mois d’octobre, elle a connu une intensification rapide jusqu’au stade de cyclone et tellement rapide qu’elle a sauté le stade de Forte Tempête Tropicale… elle est en effet passée du stade de Tempête Tropicale Modérée (le 13 octobre à 16h00) à celui de Cyclone Tropical (le 13 octobre à 22h00)…

Anïs est donc une précoce mais aussi une véloce… et pour lui rendre hommage, une petite animation : Anaïs fait son show…

Anaïs évolue dans des conditions environnementales favorables à son intensification même si elle ne devrait pas aller plus haut dans les stades de développement, elle devrait maintenir le stade de cyclone pendant les prochaines 48 heures puis commencer ensuite à s’affaiblir plus ou moins rapidement…

Les modèles numériques de prévisions restent en bon accord sur la trajectoire future d’Anaïs pour les prochaines 72 heures (trajectoire décrite sous la carte ci-dessus)…
Au-delà, certains modèles (ECMWF et GFS) proposent une incurvation de la trajectoire plus franche au sud-sud-ouest ce qui ramènerait Anaïs (ou du moins ce qui en restera) dans les abords de la Réunion…

La suite, ici

TEDxAntananarivo 2012, LASA IZAO #TEDxTNR

Ny hoe  TED dia fanafohezana ny Technology, Entertainment sy Design natomboka tamin’ny 1984 tao Californie ary misokatra amin’ny taranja rehetra sy ny olon-drehetra manana hevitra mendrika ny hozaraina amin’ny mpiara-belona.

Andiany faha-4,  ary tafiditra ao anatin’ireo kaonferansa efa mahatratra eo amin’ny 3000 mahery nokarakarain’ny TEDx nanerana firenena 133 tamin’ny fiteny 47, ity hataontsika ao amin’ny Hotel Carlton Anosy androany 1 Septambra 2012, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ity. Teny faneva ny hoe BACK TO… (Looking back, Mooving forward). Izay iandrasana olona 500 eo ho eo.

Olona mpirotsaka an-tsitrapo daholo no tohanan’ny TED hikarakara ny hetsika ity izao maneran-tany. Ireo mpandray anjara kosa dia ahitàna mpikaroka, mpitarika orinasa, injeniera na mpanakanto sy ny maro tsy voatanisa. Azo resahana mandritra izany fotoana izany ny haikanto, ny siansa, ny haitao, ny asa famoronana, ny fampialamboly, ny fandraharahana amin’ny sehatra rehetra mihitsy sy izay mahakasika ny fiaraha-monina e!

Raha vao «BACK TO … » no mby ao an-tsaina, dia midika FIVERENANA izay, fiverenana amin’ny asa feno fahavitrahana sy ny fanaingàna indray ny fiharian’ny isam-batan’olona ohatra, ary hatramin’ny fianakaviamben’ny manan’aina koa aza. Hizara roa ny fotoana, ka ao anatin’izany no hanolorana ho anareo mpanatrika ny tsara indrindra eo amin’ny tontolon’ny teknolojia. Isaorana manokana eto ny MAKATY miara-miasa amin’ny fanatontosana izay lafiny izay (solontenan’ny APPLE eto Madagasikara), tsy ho adino ny hanolotra ho anareo ny Fialamboly (hisy ny artista hanafàna sy hampahafantatra ny tantarany) ary ny Asa fanomezan’endrika (Design). Satria ireo rehetra ireo no mitambatra manome ny fanafohezana TED.

Malagasy aby no mpandray anjara ao, Malagasy manana hoavy mamiratra, mendrika ny hotohanako, tohananao, eny e , tohanan’ny rehetra, koa ‘Ndao ary hoararaotintsika ity fotoana ity hampahafantarana an’izao tontolo izao fa i Madagasikara dia firenena, tsy fantatra fotsiny amin’ny alàlan’ny sarimiaina (cartoon) fa koa firenena iray tsy lany fika sy hevitra, mpanan-talenta sy famoronana.

Miandry anao izahay anio tolakandro eny amin’ny Carlton Anosy miaraka amin’ny #TEDxTNR 2012, #TEDxAntananarivo

#Apps4Africa #Madagascar

Ny Apps4Africa dia fifaninanana mamorona ireny karazana rindrambaiko fametraka amin’ny finday ireny. Natao ho an’ireo firenena aty Afrika izy io, ary tamin’ity taona ity dia tafiditra ao anatin’ny firenena nofidiana hiditra amin’ny andiany faha-7 i Madagasikara. Marième Jamme no nanazava tamin’ireo mpanatrika ny zavatra rehetra andrasana amin’ny mpirotsaka sy ireo mpanatrika tonga maro tao Tsimbazaza CIDST / Malagasy i-Hub. Anisan’ny mpiara-miombona antoka ao anatiny ny TED sy Indigo Trust. Ary raha ny fikarakaràna ny hetsika eto Madagasikara dia isan’ny nanohana tamin’ny fampitaovana ny Ambasady Amerikana.

Raha vao miresaka TED isika dia tsara ny manamarika fa Harinjaka Ratozamanana dia sady tompon’ny licence TEDx eto Madagasikara no mpikambana mpiara-manorina ihany koa ny Malagasy i-Hub.

Ny Fiovan’ny Toetrandro no ifantohana amin’ity andiany ity. Tonga maro ireo avy amin’ny sehatra maro samihafa: Antenimieram-pirenena, Conservation Internationale, WWF, Club Vintsy, Mpianatra momba ny fambolena avy any amin’ny ambaratonga ambony, mpikirakira teknolojia, ireo liam-baovao, ny mpandraharaha isan-karazany sy ny maro hafa tsy voatanisa. Saingy ny tena nahavariana sy nahalasa ny saina dia ity. TSY NISY SOLOTENA NY FITONDRAM-PANJAKANA, eny fa na dia hoe farafaharatsiny ny ministera voakasika aza, mba hanatrika ity sehatrasa ity.

Misokatra hatramin’ny faran’ity volana ity ny fandraisana ireo tetikasa vonona hifaninana.

Ny tsy nahitàna solotenan’ny fitondrana teny amin’ity hetsika nokarakarain’ny Malagasy i-hub ity dia toa milaza fa tsy ny sehatry ny fampianarana izay efa nasiana resaka teto ihany no tsy iasàn’ny mpitondra saina, fa tafiditra koa ny fiarovana ny resaka tontolo, sy ny fiovaovan’ny toetrandro.

Fa hiverina amin’ny Apps4Africa isika. Raha fanentanana sy fifanakalozan-dresaka tamin’ny fomba malalaka sy fifandresen-dahatra no nisy ny maraina, dia nizara ho andiany roa kosa ny mpanatrika tamin’ny tolakandro. Tao anatin’ireo andiany ireo dia samy nametrahana manampahaizana amin’ny fanoratana rindrambaiko, ary ny ambiny dia manampahaizana amin’ny sehatra misy azy avy. Ny tanjona tamin’ny fametrahana ireto andiany ireto dia ny hanaovana fifanakalozan-dresaka sy hamoahana foto-kevitra iray azo havadika ho vokatra fanjifa amin’ny alalan’ny finday, ka ho azon’ny rehetra ampiasaina mba hiadiana amin’ny fiovan’ny toetrandro. Ary dia nisy tokoa moa ny vinavina 2 tafavoaka nandritra izany. Nafàna tokoa ny fifanakalozana, ka tao ny naneho ahiahy ny amin’ny tsy mbola maha-ara-potoana ny zavatra toy itony ho an’ny Malagasy, izay ny tsy mbola maika afa-tsy izay ho ao am-biliany, noho ny fhasahiranana’ny isan-tokantrano.

Ny dingana arahana rehefa manana tetikasa azo iatrehana ny fiovan’ny toetandro ianao, nefa tsy manana fahaizana hamadika izany ho rindrambaiko azo ampiasaina ho an’ny rehetra anby anaty finday, dia ny mitady olona hanampy anao amin’ny fanatanterahana izany. Izay no tanjona tamin’ity androany ity.

Mbola hitohy ny hetsika rahampitso, saingy tsy eny Tsimbazaza (CIDST) intsony, fa ho eny amin’ny Ivontorean’ny Gazety Malagasy (Centre de Presse Malagasy) – WWF Antsakaviro indray. Manomboka amin’ny 10 ora.

Indro omena eto ambany ny rohy ahafahanao mamantatra bebe kokoa momba ity Apps4Africa ity. Alohan’ny hisoratanao anarana hifaninana dia tsara ny mahafantatra fa tsy mety ovàna intsony izay efa naelfa, koa vakio tsara alohan’ny hanoratanao ny tenanao, na ny tarikao hirotsaha hifaninana ao. Ny loka ho an’ny voalohany dia 15.000 dolara Amerikana, Ary ny irariana dia mba ho Malagasy izay voalohany izay.

http://apps4africa.org/fr/enter.php

Avy Ny Orana, Tonga Ny Fako, Tsy Tara Ny Aretina

Efa nanao izao ho afany ihany ny tompon’andraikitra tamin’ny fanadiovana ireny lavaka fivarinan-drano maloto rehetra nanerana ny tanàna ireny nandritra ny vanim-potoana maina. Nosokafana daholo ny ‘dalle’, nalalahana ny tatatra, sy ny sisa.

Tonga àry ity ny orana, fotoana natao hitsaràna ny vokatra. Nandaitra ve ny ezaka natao, sa mbola misy ny tokony hasiana fandinihana manokana?

Niara-tonga tamin’ny orana (na natoraly io na nataon’olombelona, tsy any no olana)….tonga niaraka taminy ihany koa ny fitosahan’ireo fako samihafa nafenimpenina tany ambadimbadika rehetra tany.

Iza no homena tsiny?

Faritra telo no mba voatsidiko sy hitako maso: Firaisana fahatelo, Firaisana Faha-6. Fa tsindriako manokana ireto tanàna manaraka ireto.

  1. Soavinandriana ambanin’ny HOMI: misy lakandrano fandehanan’ny rano maloto izay ety amin’ny ilany ambany ety, akaikin’ilay toerana malalaka kely misy fiandrasana fiara mpitatitra, alohan’ny hifandraisany amin’ny arabe aty Besarety manoloana ny Farmasia iny.  Tena zendana aho mahita hoe fako mety hahafeno irony karazana fiara 404 misy labasy irony no mitohana eo amin’ilay sakana napetraka eo amin’io faritra io. Rehefa dinihanao anefa ny antontam-pako mivangongo eo, dia tsy hafa fa ireny avy nampiasaina tany an-tokantrano ireny no betsaka. Kamo ve ny olona handeha hanatitra ny fakony any amin’ny toerana natao ho amin’izany ka zara aza misy an’io lakandrano io hialana vonkina?
  2. Faritra Ambatolampy sy iny Ambohimanarina (Fir6) iny. Misy toerana fanariana fako amin’ireo faritra ireo efa tena feno hipoka tokoa, ka na fiara vaventy 3 hatramin’ny 5 avy amin’ny fivondronana (#CUA)  aza no hanao be midina eny, dia inoako marimarina tokoa fa tsy hisy ho diso fanantenana, satria samy hahazo ny anjarany, tsy hisy hiverina maina izany. Manampy trotraka an’izany moa ny tsy fisian’ny caniveau, na tatatra mba natao hanarian’ny olona, na hivoahan’ny rano maloto avy any an-tokantrano amin’ìny faritra Ambohimandroso Ambohimanarina, amin’io ambony manomboka eo amin’ny bassin fanasan-damba io ka somary miditra mankany anaty tanàna toy ny ho  any Antsahamasina, na koa hiverina hiakatra ho aty amin’ny fiangonana Alfa sy Omega.  Dia eny rehetra eny ny olona no mamafy ny rano malotony. Nahoana? Satria rehefa nanontaninaa ny olona dia ny tompon’andraikitry ny fokontany mihitsy no tsy mivaky loha. Naleon’ny fokontany nanao rarivato ny lalankely tsy misy tatatra ho an’ny vahoaka, toy izay nanao azy roa miaraka mba ho tombontsoan’ny fiaraha-monina. Asa manaraka hono izany….Asa tokoa re!!!
  3. Iny Mahavoky ambadiky ny mpivarotra hazo mivoaka mankany Besarety iny

An’iza ny fahavoazana?

Rehefa tonga ny orana, ary miparitaka ny fako, an’iza tokoa ny fahavoazana?

Ny tokony ho tsapan’ny rehetra dia samy tompon’andraikitra amin’izany izaho sy ianao. Ny fako natsipiko, natsipinao, natsipitsika noho ny fahalainana sy tsy am-piheverana teny rehetra teny, na dia miezaka aza ny tompon’andraikitra voatondro manokana hijery ny amin’izany,…ireny fako nataontsika ireny no maha-tompon’andraikitra voalohany antsika.

Fa tompon’andraikitra tsy afa-miala amin’izany ihany koa ireo tompon’andraikitra isan-tokony avy. Satria izy ireny tokony hanao fanentanana mandrakariva, tsy ho aminà haino aman-jery iray na roa voafaritra fotsiny, fa tokony hisandrahaka be araka izay tratra, ary tokony handray fepetra henjana amin’izay minia mbola tsy manaja ny mpiara-belona. Ny olana mantsy dia efa ZATRA AMBANANA amin’ny ho fampiharana lalàna, izay mijanona ho imolotra fotsiny sy ambony latabatra ny vahoaka Malagasy, ka tsy miraika intsony. Lazaina fa hatao an’izao na izao izay manao an’itsy na iry, nefa aiza akory……?

Dia tonga ny aretina, ary samy hiala vola avokoa,  na ny isan-tokantrano mba ho fitsaboana izay trà-pahavoazana, na ny fanjakana mba tsy hipariahan’izany any amin’ny faritra hafa. Ka tsy ny NISOROKA VE NO TSARA noho ny fanampenan-davaka lava izao e?

Ho anao izay mamaky ity kahatsoratra ity ary, entano ny manodidina anao, manomboka amin’ny tena, ny ankohonana sy izay rehetra mifandray aminao isan’andro, mba hanary ilay toe-tsaina mamohehatra manao hoe AN’I DADA SA AN’i NENY, dia tsy asiana fanajàna… Antsika mianakavy hoe, ka ‘ndeha ho hajaina, fa fanànana iombonana ny tontolo iainantsika, samy tompony daholo.

Ho an’ny manampahefana isan-tokony kosa (Fokontany, #CUA, sns….) , raiso ny andraikitra tandrify, ary mba jereo ifotony ny tena olana sy ny zavatra andrasan’ny vahoaka, fa tsy faly haneho zava-bita, nefa tsy mifanitsy amin’ny filàny akory.

Hiova fitafy ny COCA COLA (kapoaka) manomboka ny 1 Novambra 2011

Raha nandritra ny taona maro dia ny loko mena midorehitra izay nampahalaza azy no nahafantaran’ireo mpanjifa ny COCA COLA, dia nisafidy ny hanova fitafy kosa izy manomboka ny 1 Novambra ho avy izao. Ialàny akanjo menany ary hitafy ny akanjo fotsy indray izy. Izao no nataony dia noho ny fanentanana andraisany anjara ho fiarovana ny ORSA FOTSY (ours blancs) any amin’ny tendrontany izay voasokajy ho biby tandindonim-paharinganana. Hetsika ataony manerana ny firenena maro ao Etazonia sy Kanada izy io, iarahany amin’ny WWF ary nampisalorana ny anarana hoe The Artic Home.

Na dia hialàny aza anefa ny mena midorehitra notinafiny hatrizay, dia mbola hisy kosa izay tavela amin’ny alalan’ireo soratra eo amin’ny vatan’ny kapoaka. Izao hetsika izao no nataon’ity orinasa ity ho famoriam-bola hanampiana ny fikarakarana ny faritra iainan’ireo Orsa ireo araka izay tratra, ka 2 tapitrisa Euro no tanjony amin’izany. Ny 1,4 tapitrisa Euro amin’io dia harotsaka ho an’ny WWF.

Noho n y fiovaon’ny toetrandro dia mihazakazaka loatra mampahatahotra ny fitsonehan’ireo ranomandry any amin’ny tendrontany, raha ny nambaran’i Carter Roberts, lehiben’ny WWF

 

Fa maninona no ny Orsa?

Satria ny Orsa no nentina foana naneho ny fangatsiatsiahan’ity zava-pisotro ity hatrany amin’ny taona 1922, ary nahavita nanome laza tsara ho ezy teny anivon’ny mpanjifa.

Kapoaka 1,4 miliara no hovokarina amin’ity fitafy vaovao ity ho an’ny tsena maerikana sy kanadiana ary hatomboka amidy amin’ny Febroary 2012. Hisy ‘code’ mipetaka amin’ny kapoaka tsirairay, ka ny fandefasan’ny mpanjifa azy ireny amin’ny alalan’ny SMS dia midika ho fandrotsahana 1 dolara ‘symbolique’, ka 600.000 Euro no kendren’ny orinasa ho azo amin’ny alalan’ity fomba iray ity, nefa azon’ny tsirairay any an-toerana atao koa ny manolotra amin’ny alalan’ny tranonkala Arctoichome

Efa nanao hetsika toy izany ity orinasa ity tany Aostralia, ka nampitondraina ny anarana iray isan’ny malaza tany an-toerana antsoina hoe "Contour" ireo kapoaka, saingy voalohany kosa izao no hanovàna ny lokon’akanjon’ny kapoaka COCA COLA ho fanohanana zavatra iray toy izao


"Toy ity ny ho endriky ny COCA COLA manomboka ny 1 Novambra any Etazonia sy Kanada

 

Raha ny eto Madagasikara no asian-teny, dia misy ihany ireo orinasa manao toy itony na dia tsy mbola maro aza, toy ny Eau Vive efa fantatra fa mpanao hetsika toy ity matetika, mba ho fanohanana hetsika samihafa, toy ny resaka famatsiana rano madio, na fampidirana an-tsekoly. Antenaina araka izany fa mba hisy koa ny orinasa tomponandraikitra hanao toy izao eto amintsika, indrindra moa fa ho fiarovana ireo hazo sarobidy izay efa ahian’ireo manampahaizana ho foana afaka 5 taona, raha tsy misy fepetra henjana raisina manoloana ny fanapahana tsy am-piheverana sy ny hetraketrak’ireo mafia momba ity resaka hazo sarobidy ity

Andro ratsy misodisody

Fikorontanana faharoa amin’ity taon-tsikilaonina  2010-2011 ity ary manaraka zotra mianatsimo aloha hatreto. Atsimo-atsimo andrefana no lalany ary any amin’ny manodidina an’i La Réunion any ka 11 km/ora no hafainganam-pandehany

Na dia mbola lavitra aza no misy azy dia tsy afa-bela amin’ny tokony ho fiomanana ny amin’izay mety ho fiaviany isika eto Madagasikara.

Raha tonga ny fetra hanomezana anarana azy dia ny Nosy Maorisy no hanome izany, ka ho ABELE no anaran’izany rivodoza izany.

#TEDxTana 2010: Fisaorana

Ny eto amin’ny °Gazety_Adaladala dia maneho fisaorana feno ireo rehetra nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka iny hetsika #TEDxTana 2010 natao tao amin’ny MDLC (Madagascar Development Learning Center) iny. Tsy adino amin’izany isika mpanotrona na teratany na vahiny.

Sedra voalohany ho anay mpitoraka bilaogy nanopme aina mivantana ny hetsika iny, ary tsorina fa dia nanao izay tratry ny aina sy izay kely mba vita ny rehetra tamin’ny fitorahana bolongana sy fandefasana Tweets nandritry ny hetsika.

Malagasy no nanomana ny hetsika, nefa azo lazaina fa tsy nitsanga-menatra na izany aza.

Be ny zavatra azon’ny mpanatrika, voaresaka tao daholo na ny zavakanto, na ny tontolon’ny asa, na ny toetr’andro sy ny tontolo iainana…  Nahafinaritra ny tontolo nifaneraserana tao, ary ny tena tsy ho adino dia ilay namaranan’i Jean Emilien ny anjara fisehoana an-tsehatra nataony, ka niarahan’ny rehetra niredona ny "Maitso malama sy ny Ô rila e!"

Manako eran-tany ankehitriny ny #TEDxTana 2010, ary mbola hanako amin’ny lafiny tsara hatrany i #Madagascar

Mankasitraka ry zalahy a!

#TEDxTana 2010: Famelabelaran’i RABARY Désiré

RABARY Désiré miteny eo anoloanireo mpanatrika ny #TEDxTana

Hoy i Mahatma Gandi manao hoe: "Ianao no tokony ho fiovana voalohany izay tadiavinao hisy eo amin’izao tontolo izao". Isan’ny teny nampahatsiahivin’i Rabary Désiré nandritra ny famelabelarany io ary hery nanosika azy tamin’izay nataony.

Nilaza i Rabary Desire fa mampalahelo azy ny mahita ilay ala kely mahafinaritra  teo akaikin’ny fonenany mihena an-toerana isan’andro ary nandritry ny taona maro dia naniry ny hanana  fotoana mba holaniana amin’io ala kely  akaikin’ny fonenany io izy, ary izay no nanosika azy hanomboka ny valan-javaboahary tao Antanetiambo. (faritra Andapa)

Sary nindramina tamin'ny fanolorana nataon'i RABARY, ahitana ny toerana misy an'Antanetiambo

Novidiany taty aoriana ny tany nisy azy io mba hahafahany mitahiry ireo ragidro mpiaina anaty volotara ao anat’ilay faritra, mba hojeren’ny taranany any  aoriana. Vola noho ny herim-pony fony izy nanao mpitari-dalana mpizahatany tao amin’ny valan-javaboaharin’i Marojejy no nahazoany azy.

Marojejy sy ny hakantony

Noho ny fanohanan’ireo mpikaroka maro sy ny WWF dia tafiditra ao anatin’ny faritra arovana ankehitriny i Antanetiambo, ary misokatra ho an’ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana

Sary nindramina tamin'ny fanolorana nataon'i RABARY, Antanetiambo tazanin-davitra

Tany aloha tany hoy hatrany Rabary Désiré dia nampitandrina ahy foana ny olona fa saropady ny filazana ny marina, nefa kosa tsy maintsy mitraka sy mijoro hatrany hanohitra ny kolikoly tsy mitsahatra sy ny fanakorontanana ny toeram-ponenana any anatin’ireny valan-javaboahary sarobidy ireny ny tena.

Ny faharavan'ny tontolo anaty ala ao an-toerana

Ny tatitra nataon’ny Missouri Botanical Garden izay nandalo tsy ela akory tao amin’ny Valan-javaboaharin’i Masoala hoy hatrany ny mpandahatra dia nahalalàna fa an’arivony ny olona miaina ao anatin’izy io ka sady manapaka tsy nahazo alàlana ny hazo sarobidy samihafa toy ny voamboana, no mamono koa ireo ragidro efa mila ho lany tamingana. Voatondro ho tompon’antoka amin’ny fitohizan’ny zavatra toy izany ny fitiavam-bola tafahoatra, ny kolikoly ary ny politika.

Fiaraha-miasa amin'ireo mpikaroka

Nangataka ireo rehetra nihaino izy mba hanao asa mivaingana kokoa fa tsy hionona fotsiny amin’ny fanoratana mikasika ny olan’i Madagasikara satria raha tsy misy fanaraha-maso entitra  atao amin’ny ala dia tsy ho ela dia ho fongana ny hazo voamboana eto Madagasikara, ary isan’ny vahaolana narosony ny tokony handraisana fepetra hiarovana ny voamboana avy aty Madagasikara eo anivon’ny tsena iraisam-pirenena mikasika ny zavatra arovana, ao anatin’ilay antsoina hoe fifanarahana CITES (Convention on International Trade in Endangered Species). Atao karazana lalàna toy ny efa fisian’ny lalàna mandràra ny fanondranana ny ragidro avy eto Madagasikara. Tsy mety ny hamela ireo Sinoa mpanambola hitsotsotra eny ambony fandriana misanda 1 tapitrisa dolara natao tamin’ny andramena (bois de rose, rosewood) avy amin’ny alantsika  mihapotika isan’andro ary ny Malagasy kely kosa mitrongy vao homana

Tsy saro-pantarina ny vahaolana hiadiana amin’ny fahasimban’ny ala sy ny fihazàna hakàna hena hohanina any ambanivohitr’i Madagasikara, saingy sarotra tanterahana kosa.

Voalohany, resena lahatra hampiato ny fihazàna ny olona. Mbola misy ny olona eto Madagasikara no tsy miompy biby toy ny akoho,na omby na koa mamboly ny zavatra ilainy, fa mioty sy mihaza fotsiny any anatin’ireny faritra arovana ireny. Ilaina ampianarina hiaina zavatra maharitra ireny olona ireny.

Fampianarana ny ankizy mba hiaro ny tontolo iainany

Faharoa, mila manamafy ezaka isika manabe ny ankizy sy ny olon-dehibe koa  amin’ny anjara toerana lehibe tànan’ny ala eto Madagasikara. Tsy misy ala midika tsy misy rano fisotro. Miankina amin’ny ala izany ny fiainana ka rehefa tsy misy ala, tsy misy aina.

Ny zaha-voary koa dia loharanon-karena goavana ho an’i Madagasikara araka ny fahitan’i RABARY Désiré satria hahazo vola amin’izany ireo mponina eny an-toerana izay handrisika azy ireo ihany koa hiaro ny ala sy hiady amin’ny fahantrana, antony iray mahatonga azy ireo hanimba ny ala.

Hampiroboroboina ny Zaha-voary (Ecotourisme)

Farany hoy izy dia ny fandrindrana ny fahaterahana any amin’ny manodidina ireny faritra arovana ireny. Nitombo avo roa heny ny vahoaka Malagasy teo anelanelan’ny 1975 sy 2000 ary mbola ho avo roa heny amin’ny ankehitriny amin’ny taona 2035. Nampitombo ny tsindry mahatonga ny fahasimban’ny ala izany. Tsy manana fahafahana mampiasa fitaovana na fepetra fandrindrana fahaterahana ireny olona ireny na te hametra ny isan-jaza ateraka aza. Fantany anefa fa azony atao ny manana fiainana tsaratsara kokoa raha mba azony noferana ny isan-jaza ka sady manatsara ny ho avin’ny taranany ry zareo no manasoasoa ny ala.

Nisaotra ny mpihaino sy ny  #TED moa ingahy RABARY Désiré nanome sehatra azon’ny ala tropikalin’i Madagasikara namoahana ny feony, dia ny ala izay aina sy fanahin’ny tanindrazantsika.

Hoy indrindra izy namàrana ny teniny: Misy fiteny izay eto Madagasikara manao hoe, «Hazo tokana tsy mba ala". Un arbre n’est pas une forêt, One tree is not a forest, koa ndeha isika hifanome tànana.

Nandray ny loka International Environmental Prize Seacology Prize

Rivodoza / Cyclone ABELE

mNa dia tsy dia atahorana loatra ho an’ny faritra misy antsika, Madagasikara,  aza ity fiandohana rivodoza voalohany aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Ocean indien ity, dia tsara ihany ny mba mahalala azy. Tsy atahorana satria tsy mbola ampy ny fepetra rehetra mety hahafahany mivoatra ho tonga amin’ny maha rivodoza, noho ny maripànan’ny rano mbola tsy tonga amin’ny tokony hahafeno azy…. Na izany aza dia mety hanatona ihany ny faritra manakaiky antsika iry, toa an’i Maorisy sy La Réunion….

Raha tsy tratrany moa ny fepetra haha-rivodoza azy dia mety ho foana eo amin’ny maha-TTM (Tempete Tropicale Moderée) azy izy ka i Maorisy (Maurice)androany Alarobia no manome ny anarany amin’iza fotoana izay, izay tokony ho ABELE raha ny fandaharana ao anatin’ny vanim-potoana 2010-2011… Anaran-dehilahy nofinidin’i Lesotho ny hoe ABELE.

Fisaorana ho an’i Lionel ao amin’ny Météo Réunion (Merci Lionel, de Météo Réunion)

#BAD10 – Blog Action Day 2010

(This text is for this year’s Blog Action Day focussing on Water issues)

 

In every part of the world, everyone encounters the water issues. There are not just millions, but billions of people worldwide who lack access to drinking water, clean and potable water.

Keep it clean!

The world is now facing a big problem with the matter of water source, thus this is not surprising that a few years ago Madagascar sold water for a arabic country (Saudi Arabia).

Water is very, very expensive. Plus, the South part of Madagascar is suffering of lack of water. They must buy water far away of their house, and then bring it back home on a cart pulled by donkeys.

Therefore, moderate use of water is needed, we shouldn’t waste water, and should keep it drinking.

Everyone have responsability for that, whether the government with the control of city expansion, or the farmers, the industries and climat changes.

a rice field

Because, only the good gestion of water source, the good protection and the water distribution to be safe drinking is the only way to reach this goal.

The "Re-use of wastewater to water the rice fields, after filtering it successively with charcoal and sand" because “If there is no water, there is no life

Do you know what is the least owned sanitation?

Latrines (WC) are the least owned sanitation in the world.

In Mananjary (Madagascar), people "shit" at the seaside because there is no toilet. Then they cover it with sand. And what about its consequences on our water? Some cultures neglet the toilets. It’s because of the lack of order in some cities that sanitary infrastructures are neglected:

there is no latrine, or better toilets. In the case of Southern area of Madagascar, they suffer of the lack of water. They need to buy water brought to them by car, or cart pulled by donkeys because there is no local water source. There’s mostly desert.

Water is responsible of many things -  health, economy, society, etc…

Most of the time, officials don’t care about the reality happening because of political reasons. This includes several ministry: Water and Forest, Environment (fight against forest firing), Land Use & Development, Health department.

what attitude to adopt to avoid this kind of thing?

co-writters: Avylavitra and FCandy

Suivre

Recevez les nouvelles publications par mail.

Joignez-vous à 400 followers