Posté sur novembre 21, 2009 par gazetyavylavitra
Nalaza tamin’ny ‘Mada Raid‘ ilay iraikalahy nisatroka penjy izay tamin’ny fotoan’androny. Nahavita nitety faritra maro teto Madagasikara tamin’ny ‘4 fois 4′ mantsy izy. Ary dia izay no nataon’ny sasany hirahira nony avy eo.
Androany kosa dia izaho no mba hihirahira, fa ry zareo ankehitriny indray dia halaza atsy ho atsy amin’ny ‘World Raid‘. Nahoana hoy ianao? [...]
Archivé sous: anao ny fitenenana, fiaraha-monina, politika, tapatapany | Tagué : Fetison, governemanta, Raid, Rajoelina | Laisser un commentaire »
Posté sur novembre 10, 2009 par gazetyavylavitra
Be ny lany rora nananatra “tanora”
sy ireo nibedy “zoky tsy nahalala voky”
ka dia nisesy ny andro, nivalona ho volana
nantenain’ny maro hitondra vahaolana
fa ny ankohonako tato an-tokantrano
ilay vilany nongoko efa foana tsisy rano
indrisy, ny fotoana lany
nitaninana andro nanohanana ny tany
tetsy an-tokontany
Fa tonga kosa ny orana, ho adino ny andro maina
nidonanaham-poana tsy antoandro tsy maraina
tsy hisy intsony [...]
Archivé sous: fiaraha-monina, politika | Tagué : politika, vaka | Laisser un commentaire »
Posté sur novembre 7, 2009 par gazetyavylavitra
Dia nilatsaka izany izao (07 novambra 2009, 6 ora sy 15 min) ny vokatra avy any Adis-Abeba, rehefa nandrasana hatry ny ela ny hahaterahan’AmbatoBevohoka.
Telo volana katroka taorian’ny tany Maputo, ary nihoatra lavitra ilay roa volana nolazaiko tamin’izany fotoana.
Nifanaraka izany ny Firehana Zafy Albert, Ravalomanana Marc, Ratsiraka Didier, Andry Rajoelina fa fa hampihatra ny Accord politique [...]
Archivé sous: politika, tantaram-pirenena, tapatapany | Tagué : Madagascar, Madagasikara, Andry RAJOELINA, Ravalomanana, Ratsiraka, zafy albert, addis-abeba | Laisser un commentaire »
Posté sur novembre 2, 2009 par gazetyavylavitra
Rehefa mihaino ny olona miresaka ianao ary manaraka ihany koa ny vaovao, dia mahatsapa fa misy tranga eo amin’ny 20 isan’andro eo no hita amin’ny gripa AH1N1 eto Madagasikara.
Mbola ny olona miresaka ihany koa no mampita fa any am-pita any dia misy tena ny iray tanàna mihitsy no fehezina tsy hifanerasera amin’ny any ivelan’ny faritra [...]
Archivé sous: fahasalamana, fiaraha-monina, politika, tapatapany | Tagué : toetr'andro, Madagascar, Madagasikara, AH1N1, setroka, sempotra | Laisser un commentaire »
Posté sur octobre 22, 2009 par gazetyavylavitra
Dia manan-karena amin’ny lafiny maro marina ity Madagasikarantsika ity ka! Tsy ny harena an-kibon’ny tany ihany, na ny anaty ranomasina, na ny tany midadasika sy azo volena, na ny olona afaka miasa, na ny antoko politika. Ary tena tsy diso aho milaza hoe ‘olona afaka miasa’. Raha jerena amin’ireo ‘praiminisitra 4 be izao’ ireto: Monja [...]
Archivé sous: fiaraha-monina, politika, tapatapany | Tagué : conseil d'état, fitsarana, Manandafy, Mangalaza, Manorohanta, Monja, praiminisitra | Laisser un commentaire »
Posté sur octobre 21, 2009 par gazetyavylavitra
Indro atolotra ny rehetra etoana ny fanambarana izay milaza fa tsy isan’ireo mikatsaka seza ao anaty governemanta akory ny Firaisa-monim-pirenena.
« Ny Voifiraisana (PFNOSCM) miatrika ny toe-draharaham- pirenena »
Ny mpikambana ao amin’ny Filan-kevitra Nasionaly momba ny Sori-dàlana sy ny Fanaraha-maso isam-paritra sy isa-tsokajiny ao anatin’ny Voifiraisana – Vovonana Iombonan’ny Firaisa-monim- pirenena eto Madagasikara avy amin’ny Faritra [...]
Archivé sous: fiaraha-monina, politika, tapatapany | Tagué : fiaraha-monim-pirenena, firaisa-monim-pirenena, société civile | Laisser un commentaire »
Posté sur octobre 20, 2009 par gazetyavylavitra
Taorian’ny filazan’ingahy RAHARIZATOVO fa hitory ny Radio Fréquence Plus izy dia nanambara kosa Andriamatoa Mbinintsoa RANAIVOSON fa mangataka ny porofo avy amin’ingahy minisitra ry zareo ao amin’ny fampielezam-peo.
Tsy misy mihitsy amin’ireo tahirim-peo ananan’ny Radio Frequence Plus momba izay fanalam-baraka izay, hoy hatrany izy. Ary raha momba ny resaka amin’ny antso an-telefaonina no entina hanamarinana ilay [...]
Archivé sous: fiaraha-monina, politika, tapatapany | Laisser un commentaire »
Posté sur octobre 20, 2009 par gazetyavylavitra
Dia re izany izao fa hametraka fitoriana noho ny fanalana baraka azy ingahy Gilbert RAHARIZATOVO. Voatonony manokana tamin’izany ny Radio Frequence Plus, izay notondroiny ho nanala baraka azy tamin’ny filazana azy hoe nanodinkodina zaza tsy ampy taona, nangala-bola tany amin’ny banky, nividianana villa présidentielle, ary voateny koa ny raharaha momba ny razan’ny mpanjaka nafindra eny [...]
Archivé sous: fiaraha-monina, politika, tapatapany | Tagué : Frequence Plus, Gilbert RAHARIZATOVO, Radio | Laisser un commentaire »
Posté sur octobre 3, 2009 par gazetyavylavitra
Roa taona lasa izay no nanoratako ity tononkalo ity. Toa mifanandrify indrindra amin’ny zavatra miseho amin’izao fotoana anefa ny votoatiny. Misaotra betsaka indrindra an’i Endrika01 nametraka fanamarihana tao anatin’ny vohikalan’ny Serasera.org izay nametrahako azy tamin’izany roa taona lasa izany, izay arahabaina ihany koa nahatratra ny tsingeringerina nijoroan’ny vohikala.
Indro averiko etoana kosa izy ho vetsovetso [...]
Archivé sous: Zavakanto, fiaraha-monina, politika, tantaram-pirenena | 2 Commentaires »
Posté sur septembre 30, 2009 par gazetyavylavitra
Mba isan’izay nandefasana ilay rakipeo nataon’ny solontenan’i Congo, nihaika ireo firenena afrikana namany ao anatin’ny SADC sy ny mpikambana ao amin’ny Firenena Mikambana tsy hamela an’i Andry Rajoelina handray fitenenana aho.
Taorian’iny dia nihaino ny fanehoan-kevitra maro samihafa avy amin’ny olon-drehetra teny ho eny, na izany teny an-dàlana, na tany anaty fampielezam-peo samihafa koa.
Tsy vitsy ny [...]
Archivé sous: anao ny fitenenana, politika, tantaram-pirenena, tapatapany | 2 Commentaires »