Nodimandry i Ranorovelo Eugénie (Noro) – Tarika Vola sy Noro

Ho an’ireo mila fanampim-panazavana momba ny fiandrasana ny nofo mangatsiakan’i Noro dia indro ny fampitam-baovao nalefan’ny avy ao amin’ny lemurecords.com

"Ranorovelo Eugénie (Noro) de Vola s’y Noro n’est plus

Bonjour daholo,
Nodimandry teo amin’ny faha 68 taona omaly alina 27 décembre 2012 tamin’ny 20:45 i Noro ao amin’ny tarika Vola sy Noro.
Mangataka ny hanapariahana izao filazana izao avy aminareo namana mpanao gazety ny fianakaviany.
Misaotra indrindra amin’ny fiaraha-miasa.

Ity ny laharan-tariby azo iantsoana ny Zanany raha mila fanazavana fanampiny.

Noro Aina
+ 261 33 29 989 32
+261 34 69 275 48

Tsiory Andriarimalala
Lemurecords.com"

Toavina Ralambomahay & #TEDxTNR

Toavina Ralambomahay, mpan dray anjara amin’ny #TEDxTNR 2012

Isan’ireo olona nofinidin’ny #TEDxTNR ho isan’ny mpizara traikefa amin’ity andiany faha-4 ity ny Consultant, Talen’ny famoahana ny ‘revue juridique MCI‘ sady mpanoratra momba ny resaka ara-politika, Toavina Ralambomahay, izay mbola tena mbola tao anatin’ny hatanoràny tokoa dia efa hitan’ireo trano famoaham-boky tany ivelany ny talentany. Teo amin’ny faha-29 taonany mantsy izy dia efa niara-niasa tamin’ilay ngezalahy ao Paris, ny L’Harmattan tamin’ny famoahana ny boky ‘Madagascar dans une crise interminable‘, taona 2011.
Ankoatra ireo dia efa nanoratra ireo boky manaraka ireto ihany koa izy

·Tableau de science politique, Editions Jeunes Malgaches, Tana, 2009.

Eo am-pikarohana mpanonta boky izy ankehitriny mba hamoahana ny Recueil de bêtisier d’hommes politiques sy hijerena izay fomba hamatsiana an’i Madagasikara amin’ireny boky ireny avy any Paris.

Nazavainy tamin’ny mpanatrika androany ny nanosika azy hanoratra azy io sy ny antony hoe tany ivelany no namoahany azy. Izay nataony tao anaty vanim-potoana saropady tokoa, mba hanaporofoana amin’ny rehetra fa tsy ny vahiny ihany no afaka manoratra ny tantaran’i Madagasikara, ary ireo izay mpisehatra kianiny ao anatin’io anefa dia mbola amperin’asa daholo.

Any anatin’ny sanganasany any dia ezahany ny mamantantra ny fototry ny olana; nahoana no mitarazoka? Inona no andraikitry ny hery vahiny sy ny mpisehatra Malagasy ao anatn’izany? Ary mazava ho azy fa eo koa ny fanolorany vahaolana mba tsy ho fanakianana be fahatany fotsiny.

Firotsahana an-tsehatra ny asa fanoratana. Ho azy dia fandraisan’andraikitra amin’ny maha-olom-pirenena mba ho entina mametraka amin’ny tena toerany ny atao hoe politika.

hoy izy nandritra ity TED Antananarivo ity hoe

lire est un effort intellectuel

Hatreto ny asa sorany dia fakàn’ireo mpampahalàla vaovao iraisam-pirenena aingam-panahy (BBC afrique, Africa Magazine, Africa One, l’Express Maurice, l’Eco Austral), tsy afa-bela amin’izany koa ny eto an-tanindrazana (TV plus,  sns…)

RATSIRAKA Didier: ho avy androany, hono

Amin’ny 11 ora sy 25 mn no ho tonga eto Madagasikara raha tsy misy sampona ny filoha fahiny RATSIRAKA Didier. Mitohana ny fiara eny amin’ny faritra manodidina na dia tsy dia betsaka loatra aza ny olona tonga hitsena azy.

Fa mandra-piandry azy dia ambara etoana aloha fa nanambara ny hiala tsy ho ao anatin’ny governemanta Omer Beriziky ramatoa Rufine TSIRANANA na dia efa avy anao famindram-pahefana tamin’ny minisitra teo aloha aza. Nifanohitra tanteraka ny fanambarana nataony fony nivoaka avy tao amin’ny famindram-pahefana, sy n y fanambarana nataony teny amin’ny MAGRO Behoririka. Nahatsiaro ho voafitaka ny tenany raha ny filazany.

Fa hiverenana ny momba ny fahatongavan’i RATSIRAKA Didier: Rehefa tonga eto Madagasikara moa ity ray amandreny nitondra fahiny ity, dia hizotra hiditra ny renivohitra, ary (toa) hanao kabary etsy Anosy manoloana ny INSTAT.

Eny Ivato amin’izao fotoana ny Prof  Zafy Albet, Mamy Rakotoarivelo, Manandafy Rakotonirina

Maty i Joe Smokin Frazier

Tany aminì’ny taona 1975 tany dia ireto no zavatra isan’ny tsy mba adinoko: ny anarana Cassius Clay, Joe Frazier, Dédé Rats (ndao ampio ….mba hanatanteraka fa…)… sy ny boky mena

Tamin’izany taona izany aho no efa nankafy nanaraka ady totohondry sy ireny fanatanjahantena somary mahery setra ireny tamin’ny fahitalavitra. Mainty sy fotsy no tao amin’ny renibeko tamin’izany fotoana. Ary mbola ireny mamnpiasa lampe ireny fa tsy toy ny ankehitriny efa circuit integrés sns….  Tamin’izany no tena mba nahatsiarovako ity anarana iray ity ‘Zo Fraziry’,, tsy mbola hay tamin’izany izay fanoratra azy, fa taty aoriana vao nanitsy tena.

Olo-nalaza tamin’io sehatry ny ady totohondry io, efa tompon-daka olaimpika sy tompon-daka erantany tamin’ny sokajy mavesatra tany amin’ny taona 1970, ary nifanandrina tamin’i Mohameda Ali. Ny Alatsinainy teo  i Joe Frazier, no nodimandry tao Etazonia teo amin’ny faha-67 taonany rehefa avy nararin’ny homamiadan’ny Aty. Avy any Caroline Atsimo izy.

Ny ringa nifanandrinany tamin’i Mohameda Ali no isan’ny nanamarika ny vanim-potoanany sy nampiditra azy ho tao anatin’ny tantaran’ny ady totohondry erantany, tamin’ny 8 martsa 1971, tao amin’ny ringan’i Madisun Square Garden, New York. Feno hipoka ny toerana ary efa niedinedina tao i Mohameda Ali niandry azy mbola nanantena handrombaka fandresena hatrany.

Nifandimbiasan’i ‘Zo Fraziry’ sy Mohamed Ali teny foana ny fehikibo naha-tompondaka. Sady mpivahalalo izy roalahy ireto no mpifanaja ihany koa.

ity ny iray amin’ireo ady nifanandrinay tamin’i Mohammed Ali

Zendana izao tontolo izao tamin’io 8 martsa 1971 io fa samy nanatrika mivantana ny toto afo nahazo an’i Mohamed Ali sy ny nandresen’i ‘Zo Fraziry’ azy tany amin’ny fiverenana an-tsehatra faha-15 rehefa tratry ny totohondry mihodin’ny tànana havian’ity farany ka nitsirara teo ambony sehatra.

Io no andro lehibe indrindra teo amin’ny fiainany, tsy hoe fotsiny noho izy nahazo fandresena fa nahazoany koa ny toerana misy azy teo amin’ny fiarahamonina sy ny fanajàna mendrika azy.

Fandresena 26 no azony nadritra ireo fiakarany ringa ka ny 23 tamin’izany dia tamin’ny alalan’ny fampiatoana ny lalao avokoa, na K.O

Mandria am-piadanana Steve Jobs

Nodimandry teo amin’ny faha-56 taonany i Steve Jobs, PDG Apple, rehefa nitolona tamin’ny homamiadan’ny Pancreas nandritra ny fotoana maharitra.

Teraka ny taona 1956 izy , ary tsy mba notezain-dray sy reny, fa nomena hatsangan’olon-kafa kosa (Paul sy Clara Jobs ). Rehefa izany dia ireto farany no nanome anarana azy sy nanabe. Tany Mountain View sy Cupertino, toerana misy ny foiben’ny Apple izy no lehibe.

Fantatra amin’ny kiriny sy ny fihenjanany i Steve nandritra ny androm-piainany sy ny tontolon’ny fandraharahana nirotsahany.

Bandy tsotra fitafy, nefa mitaky mandrakariva ny hatsaran’endriky ny zavatra nataony.  Steve Wozniak no niara-niasa taminy nanangana ny Apple tamin’ny taona 1976. Raha vao miresaka iPod, iTunes sy, taty aoriana kely, ny iPhone sy ny iPad, ny Macintosh , NeXT, Pixar izay namidiny tamin’i Disney tamin’ny 2006, ilay sarimihetsika Toy Story"  nivoaka tamin’ny 1995,  dia tsy misaraka amin’ireny  koa ny  anaran’i Steve Jobs. Isan’ny olona nampivoatra tanteraka ny tontolon’ny teknolojia sy ny resaka finday ilay rangahy iny fony fahavelony.

Efa niomana ho amin’ity andro fitsaharany ity ihany izy raha n y teniny nataon’ny nanolona aireo mpianatra maro tamin’ny taona 2005 no dinihana

hoy izy tamin’izany:

"Me rappeler que je serai mort bientôt est l’outil le plus important que j’ai jamais trouvé pour m’aider à faire les choix importants dans ma vie. Car presque tout (toutes les attentes externes, toute la fierté, toute la peur de l’embarras ou de l’échec) disparaît face à la mort, ne laissant que ce qui est réellement important."

Ny fahatsiarovako fa ho faty tsy ho ela aho no fitaovana manan-danja indrindra manampy ahy hanao safidy goavana eo amin’ny fiainako. Satria saika ny zavatra rehetra mihitsy [...] no tsinontsinona manoloana ny fahafatesana, ary tsy mamela afa-tsy izay tena manan-danja

Namela mananontena iray (Laurene Powell) sy zaza telo hary tao anaty tokantrano ara-dalana izy (Reed,  Erin,  Eve), ary zaza iray hafa ivelan’ny trano (Chris-Ann Brennan), zanaka iraisany amin’ilay mpiray sekoly taminy (Lisa ) . Ary indrindra fa ireo mpiasa miisa 49.000 niaraka taminy.

Raha te-handefa fiaraha-miory amin’ireo fianakaviany sy mpiara-miasa dia azonao atao izany amin’ny alalan’ity adiresy mailaka ity

 rememberingsteve@apple.com

#TEDxTana 2010: Fandraisana anjaran’i Jean Emilien

Mombamomba an’i Jean Emilien Rakotonandrasana (nalaza tamin’ilay hirany hoe  ‘Maintso malama’)

Teraka tamin’ny  03 septambra 1963 tao Ambalavao Tsienimparihy – Fianarantsoa ary taranaka mpiangaly zavakanto niara-nalevina tamin’ny jejy voatavony (ny raibeny). Nandritra ny fety an-tsekoly sy lanonam-pianakaviana nandraisany anjara no nahamarihan’ny olona azy voalohany sy nanohanana azy tamin’ny lafiny hira. Kabaosy (gitara nentindrazana Malagasy) no niantombohany teny am-piandrasana omby mandritry ny fotoam-pialantsasatra. RAMOMA Pauline no reniny. Indray andro dia nahatsikaritra mpitsoka farara iray izy, nanaraka ny hiran’ireo  mpianatry ny rainy, RAVOAVY Jean.

Fianarantsoa, toerana niaviany

Sarotra ihany ny niaingany ho mpiangaly zavakanto satria tsy dia nankasitraka izany loatra ny rainy, izay nahavita mihitsy namotika ny kabaosy fitendriny teo an-tampon-dohany. Lalan-jotra hafa mantsy no noeritreretin-drainy ho tokony nizorany. Avy amin’ny lafin-dreny dia mpilalao  " horija"  sy  "jejy voatavo"  ary raha ny lafin-dray kosa dia mpiangaly "lokanga" sy "kabaosy".

Teo amin’ny faha-17 taonany, rehefa nihevitra ho mahavita tena dia nandao ny tokantranon-dray aman-dreny. Mpitendritendry teny amin’ny toby fiantsonanan’ny fiara mpitatitra mampitohy faritany ireny izy taorian’izay.

Mbola zaza vao 5 taona i Jean Emilien ny 14 oktobra 1968 raha niaka-tsehatra voalohany tao amin’ny Kaominin’i Talatan’Ampano.

Fony mbola mpianatra, nandritra ny andro tsy fianarana, dia miaraka amina namana vitsivitsy izy miangaly ny mozikany. Saingy niha-sarotra ho azy ny mamory namana ka teraka tao aminy ny eritreritra hamatotra ny farara eny an-tendany mba hahafahan’ny tànany mitendry kabaosy; io fomba io no nahafahany mihira ka sady nitsoka farara no nitendry kabaosy. Ary teraka teo koa ny anaram-petaka hoe "L ‘ homme orchestre".

Fiakarana an-tsehatra nandritra ny #TEDxTana 2010 miaraka amin'ilay « kabôsy » amin'ny endriny maoderina namboarin'i Jacob Aci, ilay nanamboatra ny gitara fitendrin'i Sting sy ry Kassav. Natao fanomezana ho azy izy iny fa tsy taka-bidy raha eny anivon'ny tsena no hividy azy i Jean Emilien.

 

Ny 5 febroary 1982 no nanao fandraisam-peo voalohany tao amin’ny RNM (Radio Nasionaly Malagasy) i Jean Emilien ka hira 10 tamin’io fotoana io no noraketina. Misy amin’ireo sangan’asany no lasa hira famantarana fandaharana mandeha ao amin’io fandefasampeo io. Isan’ireny ny « Handeha hiala voly » sy ny  « Voromangan’i Gasikara »

Teo ny tahotra fony izy nentin’i Rossy niaka-tsehatra voalohany indrindra tao amin’ny KANTO Antanimena, nefa hoy izy tany an-tsainy tany hoe "Kabosy ity, azo atao amin’izay itiavako azy". Nankafizin’ny mponin’Antananarivo avy hatrany anefa ny asa kantony ka nisy ny nanipy zavatra teny ambony lampihazo, izay noheveriny fa vokatry ny tsy hafalian’ny mpanotrona (satria nankimpiny ny masony mba hankaherezany tena nandritra ny hira nataony), saingy rehefa nahirany ny maso, dia akory ny hagagàny fa hay vola madinika ireo natsipin’ny olona ireo ho fankasitrahana azy.

Teny ambony sehatra nandritra ity #TEDxTana ity dia niantso ny rehetra i Jean Emilien mba hanampy azy hahatanteraka ny tetikasany ho fambolena hazo

Nandalo kely tamin’ny mozika tandrefana izy talohan’ny nilomanosany tao anatin’ny vako-pirenena, ny vako-drazana, ka ny rija no tena nifotorany na dia maro aza ireo gadon-kira malagasy (vakisaova, basesa, salegy, jejy, saranga). Ny tehaka (voasolon’ny kabaosy) sy  ny angorodao ary ny don-tany no tena fampiasa ankehitriny, raha nitsinjaka narahan-tehaka tsy nisy mozika no fanao fahiny.

Mandrotsirotsy ny mpankafy azy ny feo an’orona sy maranitra fanaony, ravahan’ny farara sy  ny kabaosy izay nampiany tadim-peo manokana mba hanakatra ny beso. Sady mahay mikabary ihany koa i Jean Emilien.

Niarahan'ny rehetra niredona ny "Maitso malama" sy ny " O Rila re e" teto amin'ny #TEDxTana 2010 androany

"Hey Madagascar" no rakikira voalohany nataony tany Parisy tamin’ny 1991 ary "Ezaka" tamin’ny 1995 no faharoa. Roa taona taorian’io dia nampitoviana tamin’i Robert Johnson, ilay rain’ny gadona "blues", izay fitaratr’i John Lee Hooker sy Eric Clapton izy rehefa nahazo ny Medaly Volamena nandritry ny fifaninanana mitsoka farara, "Hohner 91", « Certificate of Honor for excellence in Diatonic tremolo by SPAH –IHO-HOHNER », taona 1991, Détroit, Etazonia. "Miandraza" tamin’ny 1998 no rakikira fahatelo.

cerificat of honnor

Efa imbetsaka izy no masoivohon’ny mozika Malagasy nanerana izao tontolo izao.

Gabon - Jona 2003

Indreto vitsivitsy amin’ireo hira malazany, izay azonao henoina sy alaina amin’ny aterineto:

  1. Miandraza
  2. Likenana
  3. Belina
  4. Fanoriha
  5. Rasoa
  6. Tsy aveloko
  7. Kapetsaka
  8. Mitodiha
  9. Teholy
  10. Aza meka

Taty aoriana vao nisy ny fitiliana ireo talenta vao misondrotra eto Madagasikara (TVM, RTA), fa raha ny tamin’ny andron’i Jean Emilien no jerena dia tsy nisy mihitsy izany, ary ny vahiny aza no nandray anjara betsaka tamin’ny fanondrotana ny mpanakanton’ity Nosy ity tamin’izany fotoana.

Mandray anjara amin’ny #TEDxTana i Jean Emilien Rakotonandrasna amin’ity andiany 2010 ity.

Fifandraisana aminy :

Tel : +261 32 04 022 20 / +261 34 18 725 84

e-mail : feonandringitra@yahoo.fr

Nodimandry i MEDICIS

Rehefa avy eny Antaninarenina ka handeha hody, omaly alina, dia nisy nanendaka teny akaikin’ny SOCIMEX, ka voatsindrona antsy avy any ivoho nitsatoka hatrany amin’ny fony ilay mpanakanto avy any atsimo, mpitendry accordeon antsoina hoe MEDICIS. Ny fiarovany ny vadiny no nitarika ny tsindrona antsy nataon’ireo mpanendaka azy. Nentina teny amin’ny HOMI ny lehilahy, saingy nanodidina ny misasakalina dia tsy tana ny ainy.

Maneho fiaraha-miory amin’ny fianakaviana sy ny
fianakaviamben’ny zavakano ny Gazety_adaladala

Andro fisaonana

Nanapa-kevitra ny Tetezamita fa hatao andro fisaonam-pirenena, noho ny fahalasanan’i Maître Jacques Sylla, ny andron’ny Alarobia 30 desambra 2009, ho fankasitrahana azy tamin’izay rehetra vitany ho an’ny firenena Malagasy. Hampidinina ho eo amin’ny antsasaky ny tsatoka avokoa araka izany izay rehetra sainam-pirenena manerana ny Nosy, ho marik’izay fisaonana izay (Drapeau en berne).

Tsy miasa ny mpiasam-panjakana rehetra ny harivan’io Alarobia io.

Fanampim-baovao anio 30/12/2009 :

Tsy voahaja araka ny tokony ho izy ny andro fisaonana. Raha ny tokony ho izy dia midina amin’ny antsasany ny sainam(pirenena rehetra mitsangana eny amin’ireny orinasa sy ny tranom-panjakana rehetra irany. Ny zavatra hita anefa dia betsaka ny orinasa tantanan’ny vahiny no tsy nanaja (‘ndeha angaha hataoko hoe tsy nahalala) ilay andro fisaonana sy ilay hoe ‘drapeau en berne’. Tamin’izy ireny dia toy ny isan’nadro ihany ny andro Alarobia 30 desambra 2009.

Teny amin’ny fara-fananana an’i Jacques Sylla kosa indray dia niavaka tamin’ny tsy fahatongavany ny profesora zafy albert (tena niniako natao ny maha-zanatsoratra daholo ny anarana). Asa raha efa novakianareo ny lahatsoratra nosoratako momba izay ho fihetsiky ny mpanao politika amin’ity fahoriana ity [Nodimandry i Jacques Sylla]. Dia hita izy izay. Saiky tonga teny daholo anefa ny ankamaroan’ireo mpanao politika. Dia misy tokoa ny miady amam-paty rey olona. Izaho moa dia efa miandry fa aorian’ity fanamarihako ity, dia tsy maintsy hanao filazana ny antony tsy nahatongavany indray izao iny ‘raiamandreny’ iny. Fomba efa tsy hita izay maharatsy azy, hoy ny mpamangy fahoriana.

Nodimandry i Jacques Sylla

Mpisolo vava, Solombavam-bahoaka, Filohan’ny Antenimiera, Minisitry ny Raharaham-Bahiny, Praiminisitra. Isan’ny nanangana ny CNOE tany amin’ny taoana 1990 tany. Henjana sy tsy milefitra amin’izay heveriny ho fanapahan-kevitra tokonyho raisiny. Mpikambana tao amin’ny antoko UNDD talohan’ny nidirany ho TIM. Mavitrika tao amin’ny Lion’s Club

Santionany amin’ny toerana efa nosahanin’Itolmpokolahy Jaques Sylla fony fahavelony ireo.

Fotoana vitsivitsy tokoa izay, nandritra ireny fifanjevoana ara-politika nisy teto Madagasikara ireny, no tsy dia nandrenesana firy ny feony. Tsy dia nahitana azy mihitsy koa teo amin’ny sehatra politika aza. Nisy ihany anefa nisehoany ho hitan’ny maro, na dia fotoana vitsy monja aza, toy ny tamin’ilay fotoana nihaonany tamin’ireo Parlemantera maromaro teny Tsimbazaza teny, ka nanaovan’ingahy Zakahely Bonifasy teny mahery taminy. Tsy vitsy tokoa moa ireo fahavalony ara-politika, indrindra noho ny fiarahany tamin’i Marc Ravalomanana nandritry ny 5 taona.

Tamin’iny fotoana iny dia efa hita ho nahia dia nahia sy tena reraka tokao ratompokolahy.

Nodimandry izy ankehitriny. Jerentsika sy ho arahantsika eny ny fihetsik’ireo mpanao politika Malagasy ‘(mpiara-)mitolona’, raha hahavita hiady amam-paty tokoa.

Ny eo anivon’ny Tetezamita moa dia efa nanambara tamin’ny fampielezam-peom-pirenena fa ny Alahady no nanatanteraka ny fitsapana alahelo teo anivon’ny fianakaviana.

63 taona i Vazahabe izao nindaosin’ny fahafatesana izao (anaram-petaka nomen’ny sasany azy moa io)  ny 26 desambra tamin’ny 3 ora tolakandro, rehefa niady tamin’ny aretina nandritry ny fotoana elaela ihany.

Ny Alarobia izao no halevina eny Anjanahary Itompkolahy rehefa avy entina etsy amin’ny EKAR Faravohitra

Nodimandry i Aimé RAZAFY

Misaona ny tontolon’ny asa fanaovana gazety, indrindra fa ny tontolon’ny fanaovana sariitatra (caricature).

Nodimandry teo amin’ny faha-50 taonany omaly i Aimée RAZAFY, izay mpnao sariitatra tamin’ny gazety iray eto Madagasikara.

Tsy nisy tsy nahalala ny talentany raha mbola mpamaky zagety ihany koa. Isan’ny tena nikoizana taminy ny fahaizany mamoaka anaty sarisary mahatsikaiky ny raharaha mafampanana rehetra iainan’ny besinimaro amin’ny andavan’andro, na politika io , na sosialy tsotra fotsiny izao.

Tsy mba nihafihafy mihitsy Aimaé RAZAFY namoaka izay tiany hampahafantarina ny daholobe tamin’ny alalan’irey kisary ataony ireny. Isan’ny heriny manokana izay.

Izy no lasa, fa ny asany sy ny mamy navelany, indrindra fa ny tari-dalana ho an’ireo mpandimby aty aoriana sy ny hafatrafatra dia hitoetra sy hitohy hatrany ho fameloma-maso ny lala-masaka nizorany.

Miondrika am-panajana sy miombona amin’ny alahelon’ny fianakaviana ny eto amin’ny GAZETY_ADALADALA.

Mandria am-piadanana ry Zoky.

Suivre

Recevez les nouvelles publications par mail.

Joignez-vous à 390 followers