Nodimandry i Ranorovelo Eugénie (Noro) – Tarika Vola sy Noro

Ho an’ireo mila fanampim-panazavana momba ny fiandrasana ny nofo mangatsiakan’i Noro dia indro ny fampitam-baovao nalefan’ny avy ao amin’ny lemurecords.com

"Ranorovelo Eugénie (Noro) de Vola s’y Noro n’est plus

Bonjour daholo,
Nodimandry teo amin’ny faha 68 taona omaly alina 27 décembre 2012 tamin’ny 20:45 i Noro ao amin’ny tarika Vola sy Noro.
Mangataka ny hanapariahana izao filazana izao avy aminareo namana mpanao gazety ny fianakaviany.
Misaotra indrindra amin’ny fiaraha-miasa.

Ity ny laharan-tariby azo iantsoana ny Zanany raha mila fanazavana fanampiny.

Noro Aina
+ 261 33 29 989 32
+261 34 69 275 48

Tsiory Andriarimalala
Lemurecords.com"

#USElection : Complexity of the American voting system

How is elected President of the United States
The majority of Americans voted Tuesday, November 6 to elect one who will lead the country for four years.
The complexity of this electoral process is difficult for me to understand.
Thanks to the advance polls which allows voters to send their ballot or slip in the ballot box without waiting for Nov. 6th, in some cases with the obligation to provide proof of absence, 17 million Americans have already voted before that day, U.S. President Barack Obama has voted, Thursday, Oct. 25, 12 days before the official date of the election. the others started going to the polls Tuesday, Nov. 6th. At least 120 million of them will vote, to provide a second term for Barack Obama, or to replace him by Mitt Romney. The policy to be conducted over the next four years in budgetary, fiscal, social, health and foreign policy would depends on their decision.


On Nov. 5th , Barack Obama concluded his campaign in Iowa (center of the United States) by dropping a tear. He said: "After everything we’ve been through, after everything for which we fought, we can not give change now"
These ballots will be counted on Nov. 6th in the evening, at the close of polls.
Each state and each county sets its own voting methods. Some use paper, others electronic machines. There is no harmonization at the country level and even within the same state, counties are responsible for organizing the vote.
If the incumbent president appears to have a small advantage, as voters can not decide between the two candidates until Nov. 6th and the campaign was completed by a frantic sprint, each candidate trying until the last minutes to gather his camp to rally undecided voters and convince independent . In total, the Republican campaign and the Democratic campaign reached peaks sumptuary: almost a billion each to finance this venture.
Things to say are that Barack Obama was the first black president of the United Statesa and if Mitt Romney succeeds him in the White House, he will be the first Mormon president of the US

counting
The U.S has four time zones from east to west, excluding Alaska and Hawaii. The first polls offices open at 6:00 am local time (12:00 Paris Tuesday) in some East Coast states (Virginia, New York, New Jersey, New Hampshire …). On the West Coast, California starts vote at 16:00, Paris time.

The election of the President is performed by indirect universal suffrage: Actually, Americans designate a group of electors on November 6th, as members of an "Electoral College." This College has 538 members who elect the president and the vice president. The winners of the presidential will therefore be those who obtain an absolute majority of 270 votes.
Each state is represented by electors equal in number to the number of senators and elected officials who represent it in Congress. The District of Columbia, which includes the capital, Washington, has no representative to vote in Congress, but has three electoral votes.
California is the most populous state in the U.S. and has 55 electors. Texas has 38, Florida 29. Others states have at least three electoral votes.
In case of equal vote, the new House of Representatives, appointed the same day as the presidential election, choose the next president, which occurred in 1800 and 1824. In this case, the Senate chooses the Vice-President.

Be elected without a majority of votes possible
With this system, being elected president without obtaining an absolute majority of the population is possible. That was the case in 2000, and three times before in the history of the United States.
This anomaly is possible because in almost all United States except Maine and Nebraska that instill a dose-proportional the candidate who gets the most votes is represented by all the electors of that State in the College election. Thus, in California, it is sufficient for a candidate to get a single vote ahead of his opponent to garner 55 electors of a sudden. It is because of this system that Barack Obama and Mitt Romney favor the ten states on 50 key including Ohio, Florida, Iowa and Colorado, likely to move from one camp to another and thus decide the election.
December 17
The electors, mostly local elected officials, meet in the capital of each state to elect the president and vice president on the first Monday after the second Wednesday in December, this year December 17th.
Strangely, there is no requirement to respect the electoral popular vote. Some 700 amendments to amend or remove the Electoral College to establish a direct universal suffrage were submitted to Congress in vain over the last 200 years.
President-elect Barack Obama succeeds himself wherever Mitt Romney becomes the 45th leader of the United States, sworn in on 20 January.

Obama’s election speech, here

OLAN’NY MPIANATRA ANKATSO

Atao dika petaka eto ity fanamarihana tany anaty lahatsoratra hafa ity, no sady arahana filazàna fa ny Gazety_Adaladala dia tsy an’ny RADIO ANTSIVA akory, na dia nanoratra mikasika io fampielezampeo io, sy manolotra rohy mankany aza.

Ity ary ilay fanamarihana momba ny fiainan’ny mpianatra eny Ankatso. (Misy mail an’ny tompon’ny lahatsoratra moa miaraka aminy, saingy araka ny fenitra arahana eto, dia nesorina izany)

Hoy ilay nanoratra hoe:

Mba ampitapitao azafady, fa tsy fantatro ny adresse mail an’i Sehatra ho an’ny mpihaino. merci bcp!
Hoan’ny
RADIO ANTSIVA
ANTONY: LOHA-HEVITRA NY ALAROBIA 31 OCT 2012, MAHAKASIKA OLAN’NY MPIANATRA ENY AMIN’NY UNIVERSITE. INDRINDRA NY MOMBA NY BOURSE.

Tompoko,
Miarahaba sy mirary soa ho anareo mpandrindra ny fandaharana “Sehatra ho an’ny mpihaino”
Noho ny antony maro tsy ho voatanisa etoana, dia miala tsiny , raha amin’ny alalan’ity taratasy ity no anehoako ny hevitro.

Nangitakitaka am-pitoerana tokoa aho, raha nandre ireo fandraisan’anjara maro tao amin’ny radio Antsiva io maraina io, satria tsy afaka nandray anjara, nefa maro ny mba tiana hambara mahakasika ilay loha-hevitra.
Ny tena tsampako, dia olona tsy mianatra eny amin’ny Université, tsy manan-janaka mianatra eny, ary “manao vain-drahalahy tsy mba maharary” avokoa ny maro tamin’ireo olona naneho hevitra tao amin’ny radio nareo io maraina io.
Ny tranga tsongaina misy ankehitriny eny amin’ny Université, dia toy izao manaraka izao:
-    Dimy volana nianarana, mbola tsy naharay ny “BOURSES” na ny VATSIM-PIANARANA ny mpianatra.
-    Dimy volana nianarana ihany koa, mbola tsy nahazo ny “EQUIPEMENT”, na ny fampitaovana ny mpianatra.
-    Tsy ny mpianatry ny Université eto Madagascar ihany no tsy nahazo izany Bourse izany, fa na ireo mianatra any  ivelany koa aza, dia efa dimy volana izao no mbola tsy nahazo izany BOURSES izany. Maroc, France, Chine, etsetra.
Mialoha ny ilazàko ny vaha olana avy aty amiko, dia aleo angaha aloha mba asiako fanazavana kely ny momba ilay voambolana roa mahabe resaka masiaka hoe BOURSES sy EQUIPEMENT.
Tsy fanambazana, na karama tsy akory ny bourses, fa vatsy! Vatsim-pianarana azon’ny mpianatra mendrika izany. Zo, na koa “droit acquit” io, rehefa nandalo dingana sy lamina (na procédure) maro izay voahomana ho amin’izany.
Tsy ny mpianatra no namorona na nametraka izany lamina na “procédure” izany, fa ny ministera sy ny Fitantanana eny amin’ny Université. Dia manaja izany ny mpianatra.
Ankehitriny, dimy volana nianarana ny mpianatra, mbola tsy nahazo ny vatsiny ho enti-mianatra dia latsaina indray ve hoe: “Tsy karamaina ianareo mandeha mianatra”? na koa hoe “aleo tonga dia avadika ho “fitaovana” ilay fampitaovana na “EQUIPEMENT”?
Tsy hevitra “taingina” ihany ve izany, Tompoko? Fa mety hitovy ve ny Fitaovana ilain’ny mpianatra Sciences sy medicine sy ny fitaovana mety ilain’ny mpianatra Droit na Gestion na ny Génie Industriel?
Sa, mahafinaritra ny manokatra ady hevitra lavareny, sitrany tsy hivaha ny olana?
Raha ny fampanantenana nataon’ny eo anivon’ny fitantanan’ny Université, tamin’ny Alarobia 24 oktobra, dia ny zoma 26 lasa teo no fotoana nomena ny mpianatra fa hoe hivoahan’ny Bouses sy ny équipement, raha namory ny solontenan’ny mpianatra isan-taranja ny President ny Université.
Tsy notanterahana akory anefa izany!
Izao indray, dia re, tamin’ny filazam-baovao omaly talata, fa araka ny nolazain’ny ministeran’ny Université dia tsy hisy mihitsy ny BOURSES sy ireo EQUIPEMENT 2012. Satria, hono, nahena be dia be ny budget 2012 an’io ministera io. Ary mbola ho dinihana amin’ny budget 2013 ny momba izany Bourses ny Université izany.
Dia an’ny mpianatra ve ny adisoana amin’izany rehetra izany, rehefa mandainga sy tsy manao ny adidiny avokoa ireo rehetra izay tandrify izany?
— Dia ahoana izany ny momba ireto mpianatra efa nianatra dimy volana, tsy naharay ny vatsim-pianarany sy ny équipement-ny ireto? Tsy mitady tambitamby na karama izy ireo, fa ny zony no takiany, Tompoko!
— Fa indrindra, ahoana koa ny momba ireo mpianatra Malagasy “BOURSIERS” any ivelany? Inona izao no iveloman’izy ireo any? Misy misaina izany ve ireo rehetra manambara fa “tsy karamaina ny mpianatra ianatra?”
Tsy manome rariny ireo izay manimba zavatr’olona aho, Tompoko, na dia tsapa ihany aza, fa tsy misy fomba mendrika intsony ahazoana mifampiresaka amin’ny mpitondra sy ireo mpitantana mandainga sy manao be marenina.
Ka manameloka kosa aho ireo TOMPON’ANDRAIKITRA REHETRA hatrany amin’ny fara-tampony (filohan‘ny tetezamita), ka hatraty amin’ny fitantanana ny Université  izay tsy manatanteraka ny adidiny: Dia ny fanomezana ny Bourses sy ny équipements ho an’ny mpianatra izay MANAN-JO ahazo izany!Na ireo mpianatra eto Madagascar, na ireo any ivelany.
Raha toa ka efa nifanarahana hatrany am-boalohany, fa tsy hisy intsony ny fampitaovana sy ny vatsim-pianarana, ka izay mpianatra afaka hihanto-tena ihany no mahazo mankeny amin’ny Université, dia mazava izay!
Fa nahoana no zarina sahady amin’ny fomba feno avona sy fitampitaka dieny mbola mpianatra ny tanora sy zatovo Malagasy? Mendrika ve izany, Tompoko?
Ka ny vaha olana amin’io, dia tsy misy hafatsy ny FAMATSIANA NY MPIANATRA ao anatin’ny fotoana fohy dia fohy ihany,
Ary indrindra koa, dia ny fialàna amin’ity fomba hoe Fanjakàna “Messie” ity! (Mpanao fahagagana sy Mpamonjy) Efa fomba mamohehatra nialàna tamin’ny mpitondra teo aloha io, ka aoka tsy ho averina intsony indray, Tompoko!
Farany, Tompoko!
Miangavy anareo mpanentany sy mpandamina ny fandaharana, raha azo atao, mba hanao fanentanana tsy mirona atsy na eroa, fa mba ho mpandravon-kevitra ihany.
“Modérateur” ianareo, fa tsy avy aminareo indray no ahitàna hevitra tsy ahità-mitsinjo toy ny  hoe “aza omena vola ny mpianatra, fa aleo fitaovana no omena azy”, sy ny hoe “aleo akatona mihitsy aloha ny Université” Ho  moramora ve ny ho FIHATRAIKAN’IZANY HEVITRA asosokareo izany , Tompoko? Miala tsiny.
Dia mametraka ny veloma, ho mandra-pihaino anareo, Tompoko!

 

Tsy nampiana tsy nanalàna izay voasoratra etsy ambony, fa hafatra niangaviany hampitaina, ary noheverina koa fa mety ho zavatra azo isaintsainana ka dia nampitaina ho antsika rehetra ihany

Mbola #PowerBalance ihany

Nampalahelo ilay ramatoa iray tetsy akaikin’ny Le Six Antaninarenina omaly. Efa samy nahazo taona ihany izy mirahavavy niara-nizotra ireo.

Hoy ilay iray voalohany(1): Dia tsy hitako aky izay vokatr’ilay izy ka! Tena ny volako fotsiny no lany nividianana an’iny
Ilay faharoa(2) : Nefa anie misy olona milaza fa mahita tory ery tamin’izy iny e
(1): Firy akia izay namako nifampiresaka tamiko izay, tsy efa ho 7 angamba? fa raha nisy iray nilaza hoe nahita soa tamin’ilay izy
(2): nefa anie ny dokam-barotra r’inao toa mipoapoaka ery e. Ndaha akia miverina any dia asaivo soloiny hafa fa sao ilay azon-dry no tsy mety a
(1) koa raha tsy inona izy koa hanaiky an’izany, Taiza akia no nisy mpivarotra gasy mbola nanaiky an’izany
.
.

Tena marina loatra, tsy mbola betsaka ny mpivarotra (mpamitaka) hanaiky ny hamerina na hanolo zavatra toy izany, izay efa fantany tsara fa zavatra tsy manjary no namidiny taminao. Ny fanjakana aza moa minia tsy mijery (mahazo tsirony angamba) ka inona no iraharahiany anao izay vahoaka madinika ILAINA TSENTSEFINA ISANANDRO io

Mba fantatrao hoe inona ilay noresahan’ireto nenibe anankiroa nijaikojaiko ireto? ny  #POWERBALANCE amidin’ny JK sa GK na GICA group

Entano ny havanareo rehefa tsy azo resena lahatra mba hitaky facture mazava tsara tokoa, sao mba hisy ho sahy ihany hitondra ity resaka ity eny amin’ny fitsarana sy ny ambaratonga mahefa aoriana ao

TEDxAntananarivo 2012, LASA IZAO #TEDxTNR

Ny hoe  TED dia fanafohezana ny Technology, Entertainment sy Design natomboka tamin’ny 1984 tao Californie ary misokatra amin’ny taranja rehetra sy ny olon-drehetra manana hevitra mendrika ny hozaraina amin’ny mpiara-belona.

Andiany faha-4,  ary tafiditra ao anatin’ireo kaonferansa efa mahatratra eo amin’ny 3000 mahery nokarakarain’ny TEDx nanerana firenena 133 tamin’ny fiteny 47, ity hataontsika ao amin’ny Hotel Carlton Anosy androany 1 Septambra 2012, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ity. Teny faneva ny hoe BACK TO… (Looking back, Mooving forward). Izay iandrasana olona 500 eo ho eo.

Olona mpirotsaka an-tsitrapo daholo no tohanan’ny TED hikarakara ny hetsika ity izao maneran-tany. Ireo mpandray anjara kosa dia ahitàna mpikaroka, mpitarika orinasa, injeniera na mpanakanto sy ny maro tsy voatanisa. Azo resahana mandritra izany fotoana izany ny haikanto, ny siansa, ny haitao, ny asa famoronana, ny fampialamboly, ny fandraharahana amin’ny sehatra rehetra mihitsy sy izay mahakasika ny fiaraha-monina e!

Raha vao «BACK TO … » no mby ao an-tsaina, dia midika FIVERENANA izay, fiverenana amin’ny asa feno fahavitrahana sy ny fanaingàna indray ny fiharian’ny isam-batan’olona ohatra, ary hatramin’ny fianakaviamben’ny manan’aina koa aza. Hizara roa ny fotoana, ka ao anatin’izany no hanolorana ho anareo mpanatrika ny tsara indrindra eo amin’ny tontolon’ny teknolojia. Isaorana manokana eto ny MAKATY miara-miasa amin’ny fanatontosana izay lafiny izay (solontenan’ny APPLE eto Madagasikara), tsy ho adino ny hanolotra ho anareo ny Fialamboly (hisy ny artista hanafàna sy hampahafantatra ny tantarany) ary ny Asa fanomezan’endrika (Design). Satria ireo rehetra ireo no mitambatra manome ny fanafohezana TED.

Malagasy aby no mpandray anjara ao, Malagasy manana hoavy mamiratra, mendrika ny hotohanako, tohananao, eny e , tohanan’ny rehetra, koa ‘Ndao ary hoararaotintsika ity fotoana ity hampahafantarana an’izao tontolo izao fa i Madagasikara dia firenena, tsy fantatra fotsiny amin’ny alàlan’ny sarimiaina (cartoon) fa koa firenena iray tsy lany fika sy hevitra, mpanan-talenta sy famoronana.

Miandry anao izahay anio tolakandro eny amin’ny Carlton Anosy miaraka amin’ny #TEDxTNR 2012, #TEDxAntananarivo

HAFATRA FARAN’IZAY MAIKA HO AN’NY MALAGASY REHETRA, indrindra ny faritra andrefana

Dia gaga ianao mahita ny fankalazana ny #POWERBALANCE tao anaty #GAZETIKO androany (10 /08/2012). Hanafika an’i Mahajanga, Maevatanana Ankazobe ry zareo ato anatin’ny andro vitsy, hetsika mety hiarahany amin’ny #MadaVision. Indrisy…..!
Dieny izao ampitampitao ny hafatra mba tsy ho voafitaka ny havanareo sy ny namanareo.
Asaivo mba mijery sy manao recherche anaty Google ny hoe ‘power balance + arnaque’ ny olona

OMAPI, hono

Mampalahelo raha ilay filazan’ilay #JKGroup azy ao hoe efa nahazo alalana tamin’ny #OMAPI hono izy hivarotra azy io. Fa angaha moa izany no andraikitry ny OMAPI , manome alàlana hivarotra hosoka? Tsy ny manamarina sy mitahiry ny marika sy ny fizaka-mànana ara-indostrialy va re no andraikiny?

TANY TSY MISY MPITONDRA TOKOA VE?
Fa aiza ireo Ministera isan-karazany ireo, sy ny mpitondra isan’ambaratongany no tsy maneho hevitra sy mandray andraikitra e ? Sa koa olona tsy manjary daholo, hatrany amin’ireny ambaratonga ambony rehetra ireny no misy eto ka tsy afaka ny handanjalanja izay hahasoa ny vahoaka intsony? Sa zavatra hjafa mihitsy no laharam-pahamehana, ka avela ho resabe toy ny Club Satanika indray vao mody hisehoseho etsy sy eroa haneho hevitra?  Tena mampametra-panontaniana an!

EFA BETSAKA  IZAY

Efa betsaka izay resaka natao izay, indrindra taorian’ireo dokambarotra nalefan’ny #RNM sy  ny #TVPLUSMADAGASCAR mikasika azy ity, fa ny hany làlana tsotra atoro anareo dia mba tsidiho ny pejy Facebook tvplus dia karohy ao ny resabe niainga sy ny fanamarihana avy amin’ny olona mpanaraka io pejy io. Hatramin’ny olona avy any Italie aza naneho ny tsy maha-izy azy io ao

Rohy azonareo tsidihana hanamarinana izay voalaza etoana:

http://tulearenvie.mondoblog.org/2012/07/31/3-choses-que-vous-devez-savoir-sur-le-bracelet-power-balance/

http://www.europe1.fr/International/Power-Balance-le-bracelet-de-l-arnaque-833473/

http://belli-sport.over-blog.com/article-l-arnaque-power-balance-enfin-devoilee-86393396.html

http://www.melty.fr/power-balance-la-fin-de-l-arnaque-des-bracelets-actu46820.html

http://blog.surf-prevention.com/2010/12/23/bracelets-a-hologrammes-power-balance-remboursement-clients/

http://blog.surf-prevention.com/2010/08/09/power-balance-efx-efficacite-danger-hoax-placebo-bracelets-magiques/

http://www.linternaute.com/sport/pratique/bracelets-power-balance-l-arnaque.shtml

http://www.smh.com.au/small-business/power-balance-wristbands-a-sham-accc-20101223-1960g.html

http://www.meltystyle.fr/power-balance-le-bracelet-magique-teste-par-actu40295.html

Mbola be no azo atolotra fa ireo aza efa mahavalalanina ny maso sy  ny saina

Ho an’ny TV PLUS MADAGASCAR momba ny POWER BALANCE

ZENDANA, tsy misy teny azoko ambara afa-tsy ny hoe ZENDANA
.
Zendana tanteraka tokoa nahita ny vaovaonareo androany alina. Momba ilay #PowerBalance. Mino aho fa tsy zavatra miafina aminareo izay rehetra efa voasoratra ety anaty tambajotran-tserasera ety, na ny avy any am-pita io, na izay nezahako ihany koa nozaraina tamin’ny teny Malagasy, mba ho takatr’izay tsy mahafehy afa-tsy io teny io, nefa mety mba hanana vintana hikirakira teknolojia.
Tao anatin’ireny hafatro ireny dia niteny hatrany aho hoe azo atao tsara ny manao fikarohana aty anaty aterineto GOOGLE momba io zavatra nataonareo sy ny #RNM dokambarotra io, izay efa nodradraina fa HOSOKA sy TSY MISY ASANY, nefa izao dia mbola vitanareo ihany koa ny nampiteny ilay milaza azy ho mpisahana ny famarotana azy eto #Madagascar fa hoe handeha hitety faritra eran’ny Nosy hampahafantatra sy hivarotra io zavatra fanadalàna saim-bahoaka io (tsy haiko izay fanoratra ny anaran’ilay orinasa na ZIKA na GICA group). Eto aho dia mba miantso ny Ministeran’ny Fahasalamana sy ny Fikarohana Siantifika, antsoiko amin’izany koa ny sampana eny amin’ny Ambaratonga Ambony misahana ny Fizika Nokleary, asa raha mba azon’ireo sampana ireo atao ny manao, na mampanao fanadihadiana sy fitsirihana momba ity POWER BALANCE dradraina sy hamitahana ny olona ity.
Aminareo TvPlus indray no itodihako, mba angataho amin’ilay vahininareo iny hoe iza no anaran’ny orinasa soloiny tena eto Madagasikara hanaovany izao varotra izao, ary avy aiza ny fanamarinana ny maha-tena vokatra azo antoka ny zavatra amidiny?
Raha voaporofony ireo fangatahako aminareo Tvplus ireo, dia hanao fialantsiny imasom-bahoaka aho fa niteny zavatra tsy fantatro, ary nanonononona foana ny anaran’ny hafa noho ny havendranako
Raha nanoratra ireny zavatra rehetra ireny ho an’ny mpiray tanindrazana ny tena, dia noho ny fikatsahana ny tombontsoan’ny be sy ny maro, ary ho fiarovana ireo izay mety ho voarebireby (raha sanatria ka…), izay no antony nanoratana fa tsy sanatriavina ho famelezana ilay orinasa izay milaza fa zavatra mahomby ny entana amidiny, na ny TvPlus izay isan’ny nanao ny dokambarotra, toy ny RNM ihany koa. Fahitalavitra mba isan’ny mahazo isa ambony amiko ianareo, nefa tamin’ity kosa tsy lefitro ny zavatra nitranga, koa ialako tsiny.
Misaotra anareo nanam-paharetana namaky ny soratro izay lava dia lava tokoa, no sady mbola manentana anareo ihany hanao fikarohana mikasika azy io ety anaty aterineto fa mba fahitalavitra manana ny teknolojia vaovao sy avo lenta ho entina miatrika izany ianareo raha oharina amin’ny sasany
Misaotra tompoko

#MALOK’ILA (13) PATSA IRAY TSY OMBY VAVA

Sarimihetsika malaza ary saika ezahana vokarina aminà andiany samihafa ny MALOK’ILA. Tsy misy maharatsy an’izay, ary ny hanandratra ny an’ny tena aza no mila ilofosana sy tsara atosika mba ho reharehantsika rehetra.

Indro kely anefa, asa fa indraindray tokoa toa sarotra ny mihazona laza na toerana iray mandritra ny fotoana maharitra. Atahorana ho izay no hitranga raha ity zavatra hita tetsy Ambohijatovo ity no hitohy. Efa fanindroany io fa tsy vao izao. Tsy tadidy na efa navoaka teto ihany ny teo aloha, na ity fanindroany no voalohany hotantaraina.

TSIKY SY TOMANY

Tsotra ny anton’ity lahatsoratra ity. Raha fahafinaretana sy tsikitsiky eo anivon’ny fianakaviana sasany no entin’ny sarimihetsika MALOKILA hatramin’ny nivoahany, dia mba araho daholo ny sary havoaka manaraka eto, satria mety ho ny tsikin’ny sasany, no ho tena MALOK’ILA ara-bakiteny ho an’ny sasany kosa raha sanatria mitranga ny PATSA IRAY TSY OMBY VAVA. Nahoana angaha hoy ianareo?

Eo aminà kihon-dàlana faran’izay tena mampidi-doza no nametrahana ny tranokely fampahafantarana sy famarotana ny vokatra MALOK’ILA an’ny #Scoop Digital. Ny zavatra mahagaga dia misy polisy mpandamina fifamoivoizana eo akaiky eo, fa tsy miraharaha ny eo amin’io faritra io mihitsy. Aleony mijoro ery akaikin’ny tsangambato (an’ny Baiboly angamba izy io) ary dia, na miresaka amin’ny mpamily Taxibe, na mitazana ny any Analakely. Ny tena naka ny sary indray aza no nanaovany tsiky mandreraka. Tamin’ny famarotana ilay andiany teo aloha, teo amin’ity faritra ity ihany, dia nezahana natao ny naka ny hevitr’ilay mpandrindra fifamoivoizana teo tamin’izany fotoana. Ny valinteniny dia hoe:

Aleo eo fa eo no fantany fa mety

ARAKA NY KARAMA RAISINA VE?

Raha izany, tsy fandaniana ny hetra aloanay sy ny volam-bahoaka amin’ny ankapobeny ve ny fanomezana karama an-tapitrisa an-dry zalahy ireny? Tsy ny eo ihany an, fa rehefa mpitandro fiaminana mandrindra fifamoivoizana amin’ny ankapobeny mihitsy. Tsy ahitàna faritra, na iray aza, eto amin’ny renivohitr’i Madagasikara, ka hoe milamina sy mirindra ny fifamoivoizana amin’ny toerana be mpivezivezy. Mibaby tànana no ataony. Marina fa mba mampihena ny tsy fifanajan’ny mpamily ny fisian-dry zalahy rehefa eo izy, fa hita ho tsy sahaza ny karamany kosa ny vokatra sy ny fihetsika hita eny amperin’asa eny

TSY IZAHO ILAY BANDY

Hiverenana ny horonantsary MALOK’ILA. Asa raha sampana ara-barotra hafa mihitsy no miadidy ity tranolay kely etsy Ambohijatovo ity, na ny mpamokatra no tompon-kevitra tamin’ny fametrahana azy io teo. Fa raha ny fijery azy amin’ny saina tsy miangatra dia fanaovana tsinontsinona ny mpamily sy ny mpandefa an-tongotra ilay izy. Toy ny miteny hoe:

Aleo ho avy izay ho avy, rehefa tsy izahay no voa dia tsy olana.

Izany hoe vain-drahalahy tsy mba maharary raha sanatria misy loza mitranga eo noho ny tsy fifankahitan’ireo avy any Ambohijatovo ambony sy ny avy any Ambondrona, rehefa hifanapa-dàlana.

Lava loatra ny resaka fa ndeha ny sary no hampitenenina

ny trano hazo fivarotam-noky hatry ny ela iretsy ambadik’ilay tranolay manaMALOK’ILA ny làlan’ny daholobe

nalaina avy aty aloha ity fiara ity dia alaintsika avy any aoriana indray avy eo

toy izao ilay 4X4 rehefa alaina avy aty aoriana. Ilay R12 koa jereo tsara fa sahirana vao hahita na misy na tsia ny midina avy any ambony, ny avy any ambony ho sahirana mahita ny avy aty amin’ny haviany

Aiza ve ka ao anaty tournant X tsy ifampitazanana no asiana an’izao, Tena MALOKA TANTERAKA ity fa tsy MALOK’ILA intsony

Famoahana andiam-pianatra avy ao amin’ny ETP

Nosy i Madagasikara, ary raha vao hoe ‘nosy’ no heno dia fitokana-monina no mba ao an-tsaina. Tsy hoe rehefa nosy koa anefa dia tsy ho afaka amin’izay fatotry ny fitokana-monina izay. Ho amin’izany indrindra no ilàna ny fianarana teny vahiny samihafa, mba hahafahana mifandray amin’ny any ivelany. Tafiditra amin’izany ny ezaka ataon’ny ETP (English Teaching Program).

Toeram-pianarana teny Anglisy araka izany ny ETP, izay tany amin’ny 1962 no nananganan’ireo mpampianatra Amerikana azy ho fanampiana ireo olona hafa tsy miteny azy io ho afaka kosa mifanerasera amin’ny alàlany, ka 10 herinandro no faharetan’ny telovolana iray ao aminy, ianarana mandritra ny 60 ora isaky ny antsoina hoe ‘level’ na dingana iray. Manana efitrano miisa 13 izy ho entiny manatratra izany tanjona izany.

Isan-telovolana dia misy mpianatra eo amin’ny 1300 eo ho eo no voasarika hianatra teny Anglisy ao amin’ity ivon-toerana iray eto Antananarivo ity.

Androany ary, dia mpianatra niisa 113 no notolorana mari-pankasitrahana teny amin’ny masoivoho Amerikana Andranomena. 74 tamin’izy ireo no tafiditra amin’ny fanasokajiana azy ho sangany. Ny Mpanolotsaina momba ny asa koltoraly eo amin’ity masoivoho ity no nitarika ny fotoana.

Tonga nanome voninahitra sy namporisika ny vao avy notolorana mari-pankasitrahana mba hitozo hatrany ihany koa ny filohan’ny AmCham, Atoa Zouzar Bouka. Tamin’ny fandraisany fitenenana no nilazany fa raha ny marina dia tsy tapitra hatreo ny fianarana, fa eo vao tena manomboka. Ny AmCham dia American Chamber, manao fihaonana matetika amin’ireo mpandraharaha eto an-toerana ry zareo ary misy fotoana anasàny ihany koa ireo solotenan’ny masoivoho vahiny mandritra ny tafatafa ataony. Nanamarika moa ity mpitarika ity, fa matoa tsy mbola misy mpanao gazety nahazo fanasana hanatrika ireny tafatafan-dry zareo ireny, dia satria mahatsiaro ho mahazo aina kokoa ireo mpandray anjara rehefa miresaka tsy eo anatrehan’ny mpanao gazety (???)

Atoa Tovo Herifidy RAFELIARISOA no nandray fitenena nisolo tena ireo mpianatra marobe, nisaotra ny ETP sy ny masoivoho tamin’izao fampianarana sy fandraisana ary fikarakarana azy ireo izao. Hoy indrindra izy:

we all know the Malagasy proverb that says “If a tree has been turned into a boat, it’s because it was planted in a good soil” So on behalf of the graduates, I would like to thank all the teachers and staff members at the ETP without whom this would not have been possible.

You showed a lot of patience and dedication to help us learn English in the best conditions and for that we are grateful

Fantatsika rehetra ilay ohabolana Malagasy manao hoe: "Ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara". Noho izany, amin’ny anaran’ireo rehetra nahazo maripahaizana, tiako ny hisaotra anareo rehetra mpampianatra, ny mpandraharaha mpikambana ao amin’ny ETP izay raha tsy nisy azy anareo tsy ho nisy izao rehetra izao.

Nampiseho faharetana sy fahavononana betsaka ianareo hanampy anay hianatra ny teny Anglisy ao anatin’ny fepetra tonga lafatra ary mankasitraka azy rehetra ireny izahay.

Hifindra eny Tanjombato ny ETP, ao anatin’ilay foibe Amerikana vaovao ary hisy tolotra marobe ho an’ny daholobe izay maniry hianatra teny Anglisy ampiasàna ny teknolojia avo lenta. Misy ny fampianarana manaraka ny fomba mahazatra ary misy ny fampianarana misy fifamatorana, ny fampianarana ho an’ny mpanao bizna, ny natokana ho an’ny mpianatry ny lisea, ny natokana ho an’ny ankizy, ny kilasy natokana ho an’ny resaka sy fomba fanonona, ny kilasy fanomanana ny TOEFL, SAT, LSAT, GRE, TOIEC, TELP , ka arakaraky ny valin’ny sivana atao no kilasy ametrahana ny tsirairay hoy Ramatoa Vony RAZANADRAKOTO talen’ilay ivon-toerana.

Amin’ny hoavy dia hisy ny fampianarana amin’ny alalan’ny finday, na dia tsy hialana aza ny fomba natao hatrizay,  toy ny ifanatrehana na ny anaty efitrano. Tokana ny tanjona, ny hahaizan’ireo mpianatra ao aminy mampiasa ny teny Anglisy.

Karazan’olona maro no mianatra ao amin’ity ivon-toerana iray ity, ary anisan’ireo notolorana maripahaizana androany ny namana iray mpitoraka bilaogy Ariniaina. Isan’ny omen’ny ao amin’ny ETP sy ny Masoivoho ny toerany tokoa mantsy ny bilaogera tato anatin’ny volana vitsivitsy, raha mbola tsinontsinoavin’ny sehatra hafa kosa.

Disadisa Masoivoho Amerikana sy Gazety La Verité

Fanambarana avy amin’ny Masoivoho Amerikana

Voamarikay tamin’alahelo ny lahatsoratra nivoaka omaly tao amin’ny gazety La Vérité izay toa nentina nilaza fa navahana tao anatin’ny tsy rariny ny mpaka sary avy any aminy ka tsy navela niditra hanatrika ny lanonana nanamarihana ny Fetim-pirenena Amerikana taty amin’ny Masoivoho. Vahiny niisa 600 sy mpanao gazety niisa 30 no nampidirina tamin’ny fomba haingana sy tsotra hanatrika ny lanonana, ary tsy nisy disadisa na fanilikilihana. Ny mpaka sary avy amin’ny La Vérité kosa tsy nitondra karatra hahafantarana azy, nefa takiana hatrany izany raha hiditra ato amin’ny Masoivoho, tsy misy hafa amin’ireo biraom-panjakana sy toerana ambony hafa manerana an’i Madagasikara. Efa zatra an’izany fepetra izany avokoa ny mpanao gazety tao anatin’ny roa taona mahery izay. Na izany aza anefa, mba tsy hisian’ny fisalasalana, dia nampahatsiahivinay in-droa miantoana mialoha ny lanonana avokoa ny mpanao gazety sy ny tonian’ny orinasa mpampahalala vaovao rehetra, anisan’izany ny La Vérité, mikasika izany fepetra izany. Raha ny marina mantsy dia efa nisy tranga toa izany tamin’ny taon-dasa, ary ny mpanao gazety avy tao amin’ny La Vérité irery ihany indray no voakasika. Tamin’izany fotoana dia nihaona mivantana tamin’ny Tonian-dahatsoratra tao amin’io orinasa io ny tenanay mba hifampiresaka momba ilay tranga. Mampahalahelo anefa fa na teo aza ny ezaka rehetra nataonay, dia misisika hatrany ny La Vérité ka milaza fa misy olona manokana ato amin’ny Masoivoho mitarika ireo olana ireo. Vonona handray an-tanan-droa azy ireo hatrany izahay, toy ny mpanao gazety hafa rehetra, amin’ireo hetsika samihafa ato amin’ny Masoivoho isan-kerinandro. Ny hany angatahinay dia ny fanarahana ny fepetra tahaka ny ataon’ny hafa rehetra.

Ny Mpanolo-tsaina ho an’ny Serasera sy Raharaha Ara-kolotsaina
Masoivohon’i Etazonia Antananarivo, Madagasikara

Déclaration de l’Ambassade des Etats-Unis

C’est avec regret que nous prenons acte des commentaires parus dans l’édition de La Vérité d’hier, suggérant que leur photographe a été le seul à se voir injustement refuser l’entrée à la réception à l’occasion de l’Independence Day à l’Ambassade. Plus de 600 invités et quelques 30 journalistes ont été admis de manière expéditive et sans aucun incident ni exclusion. Le photographe de La Vérité s’est présenté sans une quelconque pièce d’identité. Une telle pièce a toujours été exigée pour accéder à l’Ambassade, comme tout autre bâtiment gouvernemental et autre d’importance partout à Madagascar. Depuis plus de deux ans, les journalistes ont été familiers avec cette condition. Ceci dit, pour éviter toute ambigüité, nous avons informé de nouveau tous les journalistes et rédacteurs, dont ceux de La Vérité, sur cette procédure, à deux reprises avant la réception de cette semaine. En fait, ce même incident s’est déjà produit l’année dernière, uniquement avec un journaliste de La Vérité aussi. A l’époque, nous avons personnellement rencontré le Rédacteur en Chef pour discuter de ce sujet. Nous sommes déçus de constater que malgré nos efforts, La Vérité continue à insister que quelqu’un auprès de l’Ambassade est l’auteur de ces incidents. Comme tous les autres journalistes, ils sont toujours les bienvenus au cours des divers événements à l’Ambassade chaque semaine. Nous leur prions tout simplement de suivre les mêmes règles que tout le monde.

Conseiller à la Communication et aux Affaires Culturelles
L’Ambassade des Etats Unis d’Amérique Antananarivo, Madagascar (UsEmbassy)

Suivre

Recevez les nouvelles publications par mail.

Joignez-vous à 390 followers