CLUB SATANIQUE

Hafatra nalefan’i Tsarafara Faniry Rakotoarison ho an’ny Malagasy rehetra:

Nisy chaîne lava be tamin’ny internet tamin’ny herinandro nangataka SOS vavaka ho an’i Morondava. Mampalahelo fa tonga eto Antsirabe io toe-javatra io amin’izao fotoana izao.

Efa ela no nisy club satanique an’ny ankizy teto Antsirabe, efa ela koa no nanambarako izany tao am-piangonanay teto Antsirabe ampahibemaso teny amin’ny polipitra, fa ny nahavariana ahy dia olona roa no niezaka ny nanontany ahy ny antsipirihany tamin’ny olona amanjatony nihaino izany.

Misy ankizy efa club mampilendalenda ny namany amina karazana magie tsotsotra, ka rehefa liana ilay ankizy dia asainy manaraka azy hampianariny hono. Amin’ireny dia misy kidnapper-ny mihitsy ary rehefa mivoaka avy ao dia tsy mahatsiaro izay nitranga tao ilay zaza.

Vokany: betsaka ireo ankizy izay tafiditra no, rehefa samy mody any an-tranony, dia miandry ny ray aman-dreniny sy ireo iray trano aminy hatory, dia mandrehitra labozia sy miresaka amin’ny fitaratra. Io no tena ampianarina ireo ankizy any amin’ilay club. ZAVA-DOZA

Ny fitrangany anakiray koa dia misy mandona na misafo ilay zaza tsy manan-tsiny ka raha tezitra na mijery ilay nandona azy fotsiny dia tafiditra ilay devoly. Io no tena sarotra satria tena fiainana an-davanandro mihitsy izany. Automatique ianao tezitra raha misy mandona.

Tsy misy mitombina amin’ny fianarana mihitsy ny ankizy eto Antsirabe amin’izao fotoana izao fa dia na matahotra, na variana miresaka hoe izao hono ny tatsy, izao ny taroa. Mazava ho azy fa misy tsaho be dia be mihitsy miara-mipoitra amin’izao toe-javatra izao, kanefa aleo malina ihany.

Misy koa antso an-téléphone ka mahavariana fa miseho mahafantatra be izay antsoiny izy io, ary manontany hoe ianao ve hiditra club? Ilazao ny ankizy fa raha sendra mahazo izany antso izany dia tapahina avy hatrany ny fanafodiny fa raha vao mihaino azy eo foana dia lazainy fa efa tafiditra club ianao fa arahabaina.

Izay no mba kely fantatro dia zaraiko, fa tsy ampoizina mihitsy izy ity fa tsara ny hahalàlàna azy, ka mba ilazao daholo izay mana-janaka ankizy sy zatovo fa izay aloha no tena lasibatra izao. Ary sanatria mety hiparitaka erak’i Madagasikara satria ny hanaparitahana ity zavatra ity mihitsy no tanjony.

Jesosy no vaha-olana, ampianaro ny ankizy mba hivavaka raha vao mifoha sy mivoaka ny trano ary amin’izay ataony rehetra mandra-podiany amin’ny hariva. Ampianaro ny ankizy mba hahay hanohitra ny devoly izay miherona toy ny liona manodidina azy, mba hahay handroaka devoly amin’ny anaran’i Jesosy amin’ny fotoana rehetra satria tsy ny mpiandry ihany no andrasana raha sanatria misy ny hamehana fa afaka manao izany ny zanak’Andriamanitra rehetra.
Aza adino ny mivavaka ho fanafahana izao loza mananontanona ny firenena izao.

 

Fanavaozam-baovao nampidirina ny 19 Jona 2012:

Angatahana an-tanan-droa izay rehetra manana vaovao mikasika ity raharaha ity mba hiara-hiasa amin’ny mpitandro filaminana sy ny mpanao fanadihadiana ka hiantso ireto laharana ireto 034 14 005 23  /  033 11 801 03  /  017

P.S: Zarazarao

FPVM sy ny taorian’ilay video

Araka ny efa fantatry ny maro, andro vitsyu taorian’ny Noely, dia navaivay tokoa ho an’ny mpino FPVM iny herinadro farany tamin’ny taona 2010 iny.

Tamin’ity Alahady voalohany aminìny taona 2011 ity, say voalohany taorian’ireny resabe tanaty gazety nahazo azy ireny, dia namonjy ny fotoam-pivavahana tao amin’io fiangonana io aho. Tamin’ny 8 ora maraina teo ny ora nahatongavana.

Raha noeritreretina fa hisy fiantraikany ratsy tamin’ireo vahoaka marobe mpanaraka ity FPVM ity ireny zavatra mamoafady ireny, dia ny nifanohitra tamin’izany kosa no tsinjo androany, satria dia feno olona nanomboka tamin’ny efitrano ambany indrindra ka hatrany amin’ny rihana faharoa io fiangonana io.

Fotoan-dehibe ho an’ny rehetra rahateo ny androany noho izy Alahady nanaraka ny fandraisana ny taona voavao

Tsy misy ny sary azo naroso satria entitra ny tao an-toerana androany ny amin’ny fahazoana alalana mialoha raha hampiasa camera na appareil photo ianao. Koa satria tsy nanana izany ny teto amin’ny Gazety_Adaladala dia tsy afaka nanatselatselatra flash, na naka sary ho enti-mandravaka ny lahatsoratra.

Fitohanana tsy nisy toy izany ny firavan’ity fiangonana ity tamin’ny 11 ora tany ho any.

Manararaotra etoana ny eto amin’ny Gazety_Adaladala MIARAHABA NY MPAMAKY REHETRA NAHATRATRA NY TAONA 2011.  HO FITAHIANA SY FAHOMBIAZANA ANIE IZAY REHETRA ATAO

Protégé : Video mandrirotra ny FPVM Antaninanandrano

Article protégé par mot de passe. Pour y accéder, entrez votre mot de passe ci-dessous:

Hifanolotra atody

Ho avy ny fety kristiana ‘Paka’. Tsy misaraka amin’io andro io sy ny manodidina azy ny resaka Chocolat, lakolosy, bitro sy atody. Misy tantarany ny niavian’ireny, saingy tsy hidirantsika lalina loatra.

Midika inona ho an’ny maro ary ny ‘Paka’? Ao ny mandray azy ho ilay Andro nitsanganan’i Kristy taorian’ny namonoana azy. Ao ny mandray azy ho androm-pibebahana sy Fihavaozana indray eo amin’ny fiainana. Ao ny mametraka azy ho toy ny andro firavoravoanan fihinanana sy fisotroana fotsiny.

Fanao any ivelany any, rehefa tonon’andro ‘Paka’ ny mifanolotra zavatra ka isan’ireny ny ‘atody’. Zavatra fady tamin’ny Malagasy sasany tany aloha tany izany hoe mifanolotra atody izany. Maha kizo fara sy mahaboribory fiainana, hono (ataovy an-tsaina ilay fiteny hoe : vato kiboribory). Fa ankilany kosa anefa dia midika fitohizan’ny aina izy, nefa koa raha ny bikan’ny ivelany no jerena dia milaza fahatanterahana. Mifamela ny olona nanana disadisa amin’io andro io, na efa mialoha azy akory aza (mandritry ny herinandro masina).

Be ny disadisa amin’izao fotoana eto amin’ny samy Malagasy (tsy ny monina sy mipetraka eo ambonin’i Madagasikara ihany, fa na ireo zanaka am-pielezana eran-tany koa aza). Mba hisy ve izay fifamelana sy fihavaozana izay amin’ity ‘Paka 2010′ ho avy ity? Nandeha ny feo fa hoe taorian’ny tsidika tselatra nataon’ireo iram-panjakana frantsay mba hitadiavana vaha olana momba ny krkizin’i Madagasikara, dia mery hisy ny fihaonana Andry RAJOELINA sy Marc RAVALOMANANA. Nilaza anefa MArc RAVALOMANANA androany fa tsy misy an’izany ary tsy hihaona velively amin’i Andry RAJOELINA raha tsy eo koa RATSIRAKA Didier sy ZAFY Albert. Mandeha koa ny fivoriana ankiafinafina etsy sy eroa. Voalaza mihitsy fa misy fikasana hanongam-panjakana any ho any. Resahana ny mety hisian’ny ‘explosion sociale’ goavana eto Madagasikara ato ho ato. Karazana atody re izao.

Mba iza amin’ireo atody ireo no tianao hatao fanomezana amin’ity ‘Paka 2010′ ity?

Ny irariana fotsiny dia ny mba hahaizan’ny tsirairay mifanolotra ny atody tsara indrindra, dia ny fihavanana sy ny firaisankina. Fa tsy ho sanatria ‘lamokan’atody’, na ‘atody poak’aty’ efa notrohin’ny mpanolotra mialoha izay tao anatiny, na koa ‘atody vato’ tsy hita ho hanina fa sahaza kosa ho haingon-trano hampiraraka ny ivy fotsiny.

Rakotra manokana ho anao (17 janoary 2010)

Rakotra manokana (Special coverage) no entiko ho anao androany. Rohy nofantenana momba ny horohorontany tany Haiti ny voalohany (eto amin’ny teny anglisy, ary misy rohy mankamin’ny tenim-pirenena hafa ihany koa) , ary rohy momba ny rakotra an-tsary nandritra ny fara-veloma natao tamin’ny Kardinaly/Cardinal Gaetan RAZAFINDRATANDRA kosa ny faharoa (ato), lahatsoratra amin’ny teny Italiana ny fahatelo  (ato), amin’ny teny frantsay ny fahaefatra (eto)

Hetsiky ny mpitondra fivavahana (tohiny)

Hita nanatrika ny fotoana teny Antsahamanitra androany ny mpanao politika toa an-dry Mamy Rakotoarivelo sy  Rabetsitonta.

Marobe ny olona tonga nanatrika ny fotoana, ary saiky ireo mpomba ny filoha teo aloha Ravalomanana no nameno ny kianjan’Antsahamanitra (tonga namaly ny antso natao azy ireo omaly).

Marobe toy izany koa ireo mpitondra fivavahana, izay tsy menatra intsony maneho imasom-bahoaka ny toerana raisiny ao anatin’izao disadisa misy eto amin’ny firenena izao. Nilaza ny tsy hijanona intsony amin’ny fanaovana fampitandremana izy ireo fa hirotsaka hanao asa mihitsy amin’io herinandro io. Tsy ekena hoy izy ireo ny fampiasana ny fitsarana amin’ny fomba mitanila.

Io hariva io dia nisy mpitandrina F.J.K.M nivahiny tao amin’ny TVM (tsy miombon-kevitra amin’ireo namany tetsy Antsahamanitra) niantso ny mpino F.J.K.M mba handinika tsara, ho tony sy tsy ho entin’ny fientanam-po fotsiny amin’izao antso rehetra atao izao, ka ho lasa fitaovana fotsiny ho entina hanohana foto-kevitra. Tsy natao hanohana olona, na antoko, na fikambanana, ary tsy tohanan’olona, na antoko politika, na fikambanana ihany koa araka ny teniny ny Fiangonana. Raha fintinina dia tsy tokony haneho fiandaniana fa tokony hitoetra mandrakariva ho eo afovoany sy ho mpampihavana ny fiangonana. Toa an’i Jesoa Kristy, hoy izy, izay tia an’ireo olona rehetra ireo na mpomba an’iza izy na mpomba an’iza.

Aviavy sy hentitra tokoa moa ireo mpitarika ny hetsiky ny mpitondra fivavahana tetsy Antsahamanitra androany hariva. Isan’ny tena mafana fo hita ao anatin’ity hetsika ity ny mpitandrina avy ao amin’ny F.J.K.M Ankadikely Ilafy

Tany am-pamaranana ny fotoana dia nentanina ny olona rehetra nanatrika teo mba hanoratra ny laharan’ny findainy amin’ny taratasy kely, adiresy mailaka raha misy, ary dia notatazana toy ny fanatitra (rakitra) izany avy eo. Ny antony dia ny hoe raha misy tokony hifanentanana sy hifampiantsoana maika (hifamoriana) noho ny mety ho fivoaran’ny raharaha, dia andefasana SMS maika be ny tsirairay, ka tokony ho vonona amin’ny fotoana rehetra (na any ampandriana aza) mba hamaly sy hiainga avy hatrany hamaly ny antso atao.

Hafa kely indray iny tetikady iny an! Fa tanan’iza no handefa ny SMS an’arivony ho an’ireo avy etsy amin’ny MAGRO amin’izay fotoana izay? Satria izy ireo no betsaka tonga namaly ilay antso?

Nodimandry i MonSeigneur Gaëtan RAZAFINDRATANDRA

Vaovao voaray avy any Mahajanga io hariva io: rehefa avy nolazoin’aretina dia nodimandry ny MonSeigneur Gaëtan RAZAFINDRATANDRA, olona nanana ny toerany tokoa teo amin’ny finoana Katolika. 80 taona mahery  izy izao nandao ny tany izao.

29 taona no naha-Eveka azy

tao amin’ny diosezin’i Mahajanga no naha-Eveka katolika azy voalohany talohan’ny nandehanany nisotro ronono tamin’ny 2004.

Tany Besalampy no tanàna nialany sasatra taorian’izay.

Mbola nitarika ny fotoana fanaovam-beloma farany an’i Jacques Sylla izy tamin’ny faran’ny taoana 2009 teo, teny amin’ny EKAR Faravohitra

Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana sy ny mpianakavin’ny finoana

Toa natetitetika tato ho ato izay ny fodiamandrin’ny olo-maventy.

Fanampim-baovao 10 janoary 2010:  Amin’ny Zoma ho avy izao no halevina eny Andohalo ny Kardinal Gaëtan RAZAFINDRANTANDRA

Hirefotra indray ny baomba…

Manaitra anao angamba ny lohateny. Nefa dia niniana mihitsy ho tonga amin’izany izy ity.

Ny antony ve?

Raha nanambara ireo olona am-polony tonga nitarika ny hetsika tny amin’ny MAGRO androany fa handeha hanatevin-daharana ny Hetsiky ny mpitondra fivavahana eny Antsahamanitra rahampisto Sabotsy 09 Janoary 2010, dia tsy tokony hahagaga ny rehetra iry lohateny ery ambony iry.

Satria nahoana?

Tsy mifanalavitra velively Antsahamanitra sy Ambohitsorohitra. Raha nikasa ny hanatitra taratasy ho an’ingahy Andry Rajoelina teny Ambohitsorohitra ny Ankolafy Madagasikara, dia noravana tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso. Dia tsy sarotra araka izany ny manao tsoa-kevitra momba ity hetsika rahampitso ity, fa dia hirefotra indray izany raha sanatria…

Tonga nidodododo teny amin’ny Lapan’ny fitsarana Anosy moa ireto mpitarika ny hetsiky ny mpitondra fivavahana ireto, ary naneho ampahibemaso ny ‘firehana politika’ ananany (na dia tsy miteny mivantana izany aza sy milaza ho ‘neutre’ izy ireo). Ny amin’ny sazy nomena ny Radio Fahazavana no iray amin’ny lazain’izy ireo ho tena tsy tantiny sy toheriny. Ka dia

haneho ny heriny ny fiangonana,

hoy ingahy Tiana, iray amin’ireo mpitarika ny hetsika.

Vaka ihany ny sain’ny maro naheno izany ary nisy mihitsy ny nilaza fa

latsaka lalina loatra ao anatin’ny sehatra politika ny mpitondra fivavahana

(nisy mihitsy ny fanondroana antokom-pinoana) , fa indrindra ny FJKM, ka hoy ireo sahisahy niteny hoe

‘ovay ho A.P.F.J.K.M ny anaran’ny F.J.K.M fa efa niova loko tanteraka ary tsy miafina intsony ny foto-kevitra ijoroany.

Fanehoan-kevitry ny olona tsy azo nosakanana moa izany, nefa koa fanehoan-kevitra tsara hosainina ihany. Tonga hatramin’ny fitenenan’ny sasany hoe,

‘nisy ny fanakatonana ny F.P.V.M tamin’ny fotoan’andro, taiza ireto mpitarika ny Hetsiky ny mpitondra fivavahana ireto, fa nony ny Radio Fahazavana no niharan’ny sazy, toa be vava’.

Marihana fa tany aloha dia tsy nahitàna ny avy amin’ny Katolika ity hetsika ity (niniana ve? asa !) fa dia ireo pastera protestanta no nameno ny sehatra.

Taorian’ny fanadihadiana teny amin’ny mpitandro filaminana sy ny nitondràna azy ireo teny anatrehan’ny fitsarana (tsy azo natrahana, na dia ny mpanao gazety aza), dia nelefa eny am-ponja ilay mpanao gazety avy amin’ny Radio Fahazavana, sy ny Talen’izany onjam-peo izany. Andrasana izay ho fanehoan-kevitry ny holafitry ny mpanao gazety momba ity tranga ity.

Indray andro, hono, tao amin’ny Moov….

Vaovao hitako tao amin’ny tranonkalan’ny Moov ity, ary somary nahalasa saina ahy ihany ny namaky azy. Asa izay hevitrao fa, amiko, dia efa nahitàna olana ny fidiran’ny mpitondra fivavahana amin’ny pataloha tery toy itony, nefa dia mbola mitranga indray izy izao. Sady izay indray anaty fotoana fitoriana no anaovana fanambarana politika. Sao dia diso kianja e! Raha nanao fampiantsoana mpanao gazety mantsy ry zareo dia mety ho azoazo ihany ny nieritreritra azy ho toy ny olom-pirenena rehetra afaka maneho hevitra. Fa ilay izy natao teo anoloan’ny mpino tonga nanatrika ny fotoana no mahasadaikatra.

Vakio anie ny fomba nitaterana azy tao amin’ny Moov e!

Raharaham-pirenena: Mpitondra fivavahana nampiaka-peo sy handray andraikitra raha toa…

(29-12-2009) – Miha miakatra ny maripana politika. Efa hatramin’ny mpitondra fivavahana avy no mihetsika ary nanambara fa: “lava reny ny krizy izay hita ho iniana ampitarazohana”.

Mpitondra fivavahana avy amin’ny fiangonana maro no nitsangana sy nampiaka-peo manoloana ny toe-draharaha politika ankehitriny. “Hetsiky ny mpitondra fivavahana” no nataon’izy ireo omaly teny Antsahamanitra ary avy hatrany dia fitakiana sy famakiana bantsilana ny zava-misy eto amin’ny firenena no nataon’izy ireo. “Mijaly ny vahoaka. Asa maro no efa votsotra ka olona maro no tsy an’asa sy ho very asa. Iainana ny tahotra sy tebiteby nefa misy ireo hita fa mitombo harena vetivety. Manjaka ny tsy fahamarinana, ny fampihorohoroana ny vahoaka, ny fisamborana olona tsy mitovy hevitra, ny fampidirana am-ponja”, hoy ny fanambarana. Dia hentitra ry zareo nilaza fa: “raha mbola ikirizana tohizana ny fomba ratsy ary iniana tsy karohina ny vahaolana dia vonona handray andraikitra ary hijoro hatramin’ny farany ny mpitondra fivavahana. Ny fitondrana miorina amin’ny herisetra dia miafara amin’ny herisetra”, hoy izy ireo.

Mbola miantso ireo mpanao politika mba hiverina hidinika anefa ireto mpitondra fivavahana ireto fa: “tsy hitondra ny vahoaka any amin’ny lojikan’ny ady an-trano ary ny fifampidinihana no lalana hivoahana amin’ny krizy”.
Takian’izy ireo tsy misy fepetra koa ny hamelana ny Radio Fahazavana handefa vaovao sy ny hamerenana ny “Ampenjiky”. Takiany koa ny hampiasana ny TVM sy RNM ho an’ny rehetra sy handefa vaovao tsy mitanila.
Tehaka mirefodrefotra no nandraisan’ireo kristianina tonga teny izany rehetra izany. Tsy nisy nahalala kosa anefa fa hisy fanambarana pôlitika tahaka ireny tamin’io fotoam-pivavahana io.

Ny Tahiry R.

hafatra nampitaina dia nampitaiko koa e

De:"mbudu duala"
À:serasera@yahoogroupes.fr
Cc:"sera"

ZAVA-MIAFINA LEHIBE MOMBA AN’I MADAGASIKARA

* * * * * * *

Vakio tsara ity, mivavaha, aparitao hatraiza hatraiza, ataovy tonga any amin’ireo Kristiana olon-tsotra, ireo mpitondra Fiangonana sy mpitarika fivavahana, ireo Toby Fifohazana, raha mety, ataovy peta-drindrina, fa maika ny hafatra, maika ny Tompo, vonjeo ny Firenenao !

Fanambarana avy amin’ilay lehilahin’Andriamanitra, mpanompo sady olom-pahasoavana.

Zava-miafina voalohany

Momba ny harenaben’i Madagasikara sy ny fahantran’ny vahoaka Malagasy

* Andriamanitra nametraka harena maro sarobidy eto Madagasikara : harena ambonin’ny tany, harena ambanin’ny tany, zavaboaary tsisy mpanana, tany midadasika, ireo rehetra ireo mba ho an’ny Malagasy, saingy tsy manana ny toe-panahy mendrika ireo harena soa napetraky ny Tompo ao amin’ny taniny ireo ny Malagasy, any ka tsy afaka manjaka amin’ireo harena voajanahary ireo, fa voatery miantso firenena afa hitrandraka ny harenany.
* Tsy hiala amin’ny fahantrany i Madagasikara raha tsy miverina amin’Andriamanitra avokoa ny Malagasy, izay no takian’ny Tompon’ny harena : “Ary ataovy izay mahitsy sady tsara eo imason’ny Tompo mba hahita soa ianao ary mba hidiranao handova ny tany soa” Deo 6:18.
* Tsy ampy handresena ny fahantrana eto Madagasikara ny tetikasa, ny programme, ny vokatry ny asa saina, fa iray ihany no lalana sy vaha-olana : “Madagasikara ho an’i Kristy ary Kristy ho an’i Madagasikara” : “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany dia hanampy ho anareo izany rehetra izany” Matio 6:33.

Zava-miafina faharoa

Momba ny fisian’ny korontana miverimberina eto Madagasikara.

* Midadasika loatra i Madagasikara, maro no mbola tany maizina, tsy tratry ny Filazantsara ary tsy resy hatramin’izao ny herin’ireo fanahy ratsy avy amin’ny fanompoan-tsampy, ny fanaon-drazana isan-karazany, ny fanaovana ody gasy sy famosaviana, sy ny sisa, fa miparitaka hatraiza hatraiza : “Fa isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-drà fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra” Efes 6:12.
* Misy fotoana, miha mahery be sy miha maro ireo fanahy ratsy ireo sady miampy ny fanahy ratsy avy any ivelany, avy any Afrika, Inde, Asia sy avy amin’ireo nosy manodidina, entin’ny olona mivezivezy. Rehefa mitambatra ny heriny dia miteraka korontana mahery vaika eto amin’ny Firenena.
* Maro karazana ireo fanahy ratsy ireo ary sarotra ny mandresy azy, araka ny tenin’ny Tompo manao hoe : “iny karazana iny tsy mba azo avoaka na amin’ionona na amin’inona afa-tsy amin’ny fivavahana sy ny fifadian-kanina ihany” Marka 9:29. Manjaka araka izany ny herin’ny maizina, tsy mahalala ny marina sy ny rariny intsony ny olona, tsy mahalala ny tsara sy ny ratsy, ny mety sy ny tsy mety, very ny “personnalité morale”. Izay rehetra tratran’izany herin’ny maizina izany, na iza na iza, dia tsy tompon’ny tenany intsony, romodromotra, manaonao foana satria ao anaty fisavoritahan- tsaina tanteraka.

Diniho ny fandehan’ny tantara dia ho hitanao ny fahamarinan’izany.

Mampioro-koditra ny asan’ny fanahy ratsy eto amin’ny firenena, hita sy tsapa amin’ny fihanaky ny zava-mahadomelina sy toaka, fitenenan-dratsy eny an-dalambe, asan-dahalo, asan-jiolahy, famonoana olona amin’ny fomba feno habibiana, fametavetana vehivavy sy ankizy, herisetra tsy voafehy, famonoan-tena, sy ny sisa, hita isan’andro ao amin’ny gazety. Fa ny vokany maharitra dia ny fahantrana tsy ahitana fanafany hatramin’izao fa toa vao mainka aza miha lalina hatrany.

Inona ary no fanafodiny ?

« RAHA NY OLOKO izay nantsoina tamin’ny Anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako dia hihaino any an-danitra Aho ka hanasitrana ny taniny » IITantara 7:14

1. Isika Malagasy tsirairay, izay tia Tanindrazana, aoka hanavao toetra isa-maraina, hiala amin’ny ratsy fanao, mba ho ekem-bavaka manomboka izao.
Mba ho isan’izany ve ianao ?
2. Na mpiandry ianao na tsy mpiandry, na relijiozy na tsia, ataovy isan’andro ny fandroahana ny devoly, ny demony sy satana fahavalo : “Ka dia maneke an’Andriamanitra hianareo ary manohera ny devoly dia handositra anareo izy” Jak 4:6.
Mba hanao izany ve ianao ?
3. Ny Kristiana tsirairay, aoka samy hitory amin’ny manodidina azy, mba hisian’ny fivoarana eo amin’ny fiaraha-monina. Tsy mandeha irery ny vavaka ary tsy ampy ny finoana raha tsy arahina asa : “Ary mba toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa dia maty mihitsy” Jak 2:17.
Hitory ve ianao sa hatory ?
4. Ny Fiangonana rehetra, na inona na inona anarana entiny, aoka hikatsaka fifohazam-panahy, hiala haingana amin’ny fanompoam-pivavahan a fahazarana ary hanao ho laharam-pahamehana sy asa mitohy ny fitoriana ny Filazantsara ivelan’ny rindrina efatry ny trano Fiangonana, “handeha hatrany amin’ny faran’ny tany” (ny morontsiraka no faran’i Madagasikara) .
Mba hanampy ny Fiangonanao ve ianao !

Aoka NY REHETRA samy hibanjina tanjona tokana ho tratrarina farany izay haingana indrindra:
“Madagasikara ho an’i Kristy ary Kristy ho an’i Madagasikara”

Matokia, mivavaha ka aza mitsahatra, miadia ny ady tsara, miasa ny asa tsara
"fa moa misy zava-mahagaga izay tsy hain’Andriamanitra va" (Gen 18:14) ary "ny zavatra rehetra dia hain’ny mino"(Marka 9:23)

Suivre

Recevez les nouvelles publications par mail.

Joignez-vous à 399 followers