MANJAKAMIADANA: 14 taona lasa

14 taona lasa izay no nahamay ny Rovan’i Manjakamiadana sy ny tao amin’ny Ministere des Finances Antaninarenina. Zafy Albert no filoha ary Ravony no praiminisitra tamin’izany fotoana.
Ny 06 Novambra 195 tokony ho tamin’ny 5 ora sy 30 min hariva no voalazan’ny vavolombelona tamin’izany fotoana fa nahitana ny lelafo voalohany teny an-dRova.
Ny 30% tamin’ireo fanaka tao [...]

Ny alika koa mba nahazo anjara

Nivara-hontsana ny rehetra raha nandre ny poa-basy! Nifanontany hoe iza indray eto an-tanàna no tafihan’ny jiolahy?
Tsy ela anefa fa ny maraina ihany dia nivadika ho fahatapahan-tsinay ho an’ny maro ny raharaha nampihorohoro teny Sabotsy Namehana iny. Tsy inona tokoa mantsy fa mpitandro filaminana tratra alina ka handeha hamonjy fodiana no nenjehin’ny alika. Hany hery rehefa [...]

Asa miandry izay hitondra an’i Madagasikara

Rehefa mihaino ny olona miresaka ianao ary manaraka ihany koa ny vaovao, dia mahatsapa fa misy tranga eo amin’ny 20 isan’andro eo no hita amin’ny gripa AH1N1 eto Madagasikara.
Mbola ny olona miresaka ihany koa no mampita fa any am-pita any dia misy tena ny iray tanàna mihitsy no fehezina tsy hifanerasera amin’ny any ivelan’ny faritra [...]

TELMA ve ‘mitapy’ e?

MIsy ora telo ireto omeko anareo mpamaky. Samy nandefasan’ny TELMA hafatra ho ahy avokoa. Ary tsy izaho irery no nahazo ireo fa izahay rehetra (5) ato an-trano.
Andro 24-10-2009, 10h 42 alina
Andro 24-10-2009, 11h 52 alina
Andro 24-10-2009, 12h 38 alina
Hafatra (mitovy foana an!) : Pour votre fidélité, TELMA vous a offert 500 ar de crédit le [...]

Valin’ny Fitorian’i Monja sy resaka ‘Praiminisitra 4′

Dia manan-karena amin’ny lafiny maro marina ity Madagasikarantsika ity ka! Tsy ny harena an-kibon’ny tany ihany, na ny anaty ranomasina, na ny tany midadasika sy azo volena, na ny olona afaka miasa, na ny antoko politika.  Ary tena tsy diso aho milaza hoe ‘olona afaka miasa’. Raha jerena amin’ireo ‘praiminisitra 4 be izao’ ireto: Monja [...]

Marisarisa ny rehetra

Marisarisa ny rehetra eto andrenivohitra amin’izao fotoana izao. Maro ny antony mahatonga an’izay: eo ny doro tanety manempotra sy mitondra fahamainana any anaty orona sy ny maso any, fa eo indrindra koa ny toetrandro izay manafaingana ny fipongatry ny aretina isankarazany.
Fotoana vitsy monja dia nipariaka eran’ny Nosy ny gripa AH1N1. Eran’ny Nosy, satria raha teo [...]

Fanambaran’ny PFNOSCM (vovonana iraisan’ireo Société Civile)

Indro atolotra ny rehetra etoana ny fanambarana izay milaza fa tsy isan’ireo mikatsaka seza ao anaty governemanta akory ny Firaisa-monim-pirenena.
« Ny Voifiraisana (PFNOSCM) miatrika ny toe-draharaham- pirenena »
Ny mpikambana ao amin’ny Filan-kevitra Nasionaly momba ny Sori-dàlana sy ny Fanaraha-maso isam-paritra sy isa-tsokajiny ao anatin’ny Voifiraisana – Vovonana Iombonan’ny Firaisa-monim- pirenena eto Madagasikara avy amin’ny Faritra [...]

Fréquence Plus vs Gilbert RAHARIZATOVO

Taorian’ny filazan’ingahy RAHARIZATOVO fa hitory ny Radio Fréquence Plus izy dia nanambara kosa Andriamatoa Mbinintsoa RANAIVOSON fa mangataka ny porofo avy amin’ingahy minisitra ry zareo ao amin’ny fampielezam-peo.
Tsy misy mihitsy amin’ireo tahirim-peo ananan’ny Radio Frequence Plus momba izay fanalam-baraka izay, hoy hatrany izy. Ary raha momba ny resaka amin’ny antso an-telefaonina no entina hanamarinana ilay [...]

Zava-nipoaka nanaitra tanaty torimaso

Nipaika ny tamin’ny valo ora sy sasany alina. Niomana ny hiakatra am-pandriana ny maro rehefa sasa-dahàsa nandritry ny andro. Tsitapitapitr’izay, nisy feo nipoaka somary nigobona mafy tany ivelany tany.
Niolomay niakatra tany amin’ny terasse ny tenako mba hizaha ny zava-nisy. Nitodika havia, nijery havanana, fa tsy nahatsikaritra na inona na inona tamin’iny faritra Andravoahangy, Ambatomainty, Soavimbahoaka [...]

Hitory,hono, ingahy Gilbert RAHARIZATOVO

Dia re izany izao fa hametraka fitoriana noho ny fanalana baraka azy ingahy Gilbert RAHARIZATOVO. Voatonony manokana tamin’izany ny Radio Frequence Plus, izay notondroiny ho nanala baraka azy tamin’ny filazana azy hoe nanodinkodina zaza tsy ampy taona, nangala-bola tany amin’ny banky, nividianana villa présidentielle, ary voateny koa ny raharaha momba ny razan’ny mpanjaka nafindra eny [...]