OLAN’NY MPIANATRA ANKATSO

Atao dika petaka eto ity fanamarihana tany anaty lahatsoratra hafa ity, no sady arahana filazàna fa ny Gazety_Adaladala dia tsy an’ny RADIO ANTSIVA akory, na dia nanoratra mikasika io fampielezampeo io, sy manolotra rohy mankany aza.

Ity ary ilay fanamarihana momba ny fiainan’ny mpianatra eny Ankatso. (Misy mail an’ny tompon’ny lahatsoratra moa miaraka aminy, saingy araka ny fenitra arahana eto, dia nesorina izany)

Hoy ilay nanoratra hoe:

Mba ampitapitao azafady, fa tsy fantatro ny adresse mail an’i Sehatra ho an’ny mpihaino. merci bcp!
Hoan’ny
RADIO ANTSIVA
ANTONY: LOHA-HEVITRA NY ALAROBIA 31 OCT 2012, MAHAKASIKA OLAN’NY MPIANATRA ENY AMIN’NY UNIVERSITE. INDRINDRA NY MOMBA NY BOURSE.

Tompoko,
Miarahaba sy mirary soa ho anareo mpandrindra ny fandaharana “Sehatra ho an’ny mpihaino”
Noho ny antony maro tsy ho voatanisa etoana, dia miala tsiny , raha amin’ny alalan’ity taratasy ity no anehoako ny hevitro.

Nangitakitaka am-pitoerana tokoa aho, raha nandre ireo fandraisan’anjara maro tao amin’ny radio Antsiva io maraina io, satria tsy afaka nandray anjara, nefa maro ny mba tiana hambara mahakasika ilay loha-hevitra.
Ny tena tsampako, dia olona tsy mianatra eny amin’ny Université, tsy manan-janaka mianatra eny, ary “manao vain-drahalahy tsy mba maharary” avokoa ny maro tamin’ireo olona naneho hevitra tao amin’ny radio nareo io maraina io.
Ny tranga tsongaina misy ankehitriny eny amin’ny Université, dia toy izao manaraka izao:
-    Dimy volana nianarana, mbola tsy naharay ny “BOURSES” na ny VATSIM-PIANARANA ny mpianatra.
-    Dimy volana nianarana ihany koa, mbola tsy nahazo ny “EQUIPEMENT”, na ny fampitaovana ny mpianatra.
-    Tsy ny mpianatry ny Université eto Madagascar ihany no tsy nahazo izany Bourse izany, fa na ireo mianatra any  ivelany koa aza, dia efa dimy volana izao no mbola tsy nahazo izany BOURSES izany. Maroc, France, Chine, etsetra.
Mialoha ny ilazàko ny vaha olana avy aty amiko, dia aleo angaha aloha mba asiako fanazavana kely ny momba ilay voambolana roa mahabe resaka masiaka hoe BOURSES sy EQUIPEMENT.
Tsy fanambazana, na karama tsy akory ny bourses, fa vatsy! Vatsim-pianarana azon’ny mpianatra mendrika izany. Zo, na koa “droit acquit” io, rehefa nandalo dingana sy lamina (na procédure) maro izay voahomana ho amin’izany.
Tsy ny mpianatra no namorona na nametraka izany lamina na “procédure” izany, fa ny ministera sy ny Fitantanana eny amin’ny Université. Dia manaja izany ny mpianatra.
Ankehitriny, dimy volana nianarana ny mpianatra, mbola tsy nahazo ny vatsiny ho enti-mianatra dia latsaina indray ve hoe: “Tsy karamaina ianareo mandeha mianatra”? na koa hoe “aleo tonga dia avadika ho “fitaovana” ilay fampitaovana na “EQUIPEMENT”?
Tsy hevitra “taingina” ihany ve izany, Tompoko? Fa mety hitovy ve ny Fitaovana ilain’ny mpianatra Sciences sy medicine sy ny fitaovana mety ilain’ny mpianatra Droit na Gestion na ny Génie Industriel?
Sa, mahafinaritra ny manokatra ady hevitra lavareny, sitrany tsy hivaha ny olana?
Raha ny fampanantenana nataon’ny eo anivon’ny fitantanan’ny Université, tamin’ny Alarobia 24 oktobra, dia ny zoma 26 lasa teo no fotoana nomena ny mpianatra fa hoe hivoahan’ny Bouses sy ny équipement, raha namory ny solontenan’ny mpianatra isan-taranja ny President ny Université.
Tsy notanterahana akory anefa izany!
Izao indray, dia re, tamin’ny filazam-baovao omaly talata, fa araka ny nolazain’ny ministeran’ny Université dia tsy hisy mihitsy ny BOURSES sy ireo EQUIPEMENT 2012. Satria, hono, nahena be dia be ny budget 2012 an’io ministera io. Ary mbola ho dinihana amin’ny budget 2013 ny momba izany Bourses ny Université izany.
Dia an’ny mpianatra ve ny adisoana amin’izany rehetra izany, rehefa mandainga sy tsy manao ny adidiny avokoa ireo rehetra izay tandrify izany?
— Dia ahoana izany ny momba ireto mpianatra efa nianatra dimy volana, tsy naharay ny vatsim-pianarany sy ny équipement-ny ireto? Tsy mitady tambitamby na karama izy ireo, fa ny zony no takiany, Tompoko!
— Fa indrindra, ahoana koa ny momba ireo mpianatra Malagasy “BOURSIERS” any ivelany? Inona izao no iveloman’izy ireo any? Misy misaina izany ve ireo rehetra manambara fa “tsy karamaina ny mpianatra ianatra?”
Tsy manome rariny ireo izay manimba zavatr’olona aho, Tompoko, na dia tsapa ihany aza, fa tsy misy fomba mendrika intsony ahazoana mifampiresaka amin’ny mpitondra sy ireo mpitantana mandainga sy manao be marenina.
Ka manameloka kosa aho ireo TOMPON’ANDRAIKITRA REHETRA hatrany amin’ny fara-tampony (filohan‘ny tetezamita), ka hatraty amin’ny fitantanana ny Université  izay tsy manatanteraka ny adidiny: Dia ny fanomezana ny Bourses sy ny équipements ho an’ny mpianatra izay MANAN-JO ahazo izany!Na ireo mpianatra eto Madagascar, na ireo any ivelany.
Raha toa ka efa nifanarahana hatrany am-boalohany, fa tsy hisy intsony ny fampitaovana sy ny vatsim-pianarana, ka izay mpianatra afaka hihanto-tena ihany no mahazo mankeny amin’ny Université, dia mazava izay!
Fa nahoana no zarina sahady amin’ny fomba feno avona sy fitampitaka dieny mbola mpianatra ny tanora sy zatovo Malagasy? Mendrika ve izany, Tompoko?
Ka ny vaha olana amin’io, dia tsy misy hafatsy ny FAMATSIANA NY MPIANATRA ao anatin’ny fotoana fohy dia fohy ihany,
Ary indrindra koa, dia ny fialàna amin’ity fomba hoe Fanjakàna “Messie” ity! (Mpanao fahagagana sy Mpamonjy) Efa fomba mamohehatra nialàna tamin’ny mpitondra teo aloha io, ka aoka tsy ho averina intsony indray, Tompoko!
Farany, Tompoko!
Miangavy anareo mpanentany sy mpandamina ny fandaharana, raha azo atao, mba hanao fanentanana tsy mirona atsy na eroa, fa mba ho mpandravon-kevitra ihany.
“Modérateur” ianareo, fa tsy avy aminareo indray no ahitàna hevitra tsy ahità-mitsinjo toy ny  hoe “aza omena vola ny mpianatra, fa aleo fitaovana no omena azy”, sy ny hoe “aleo akatona mihitsy aloha ny Université” Ho  moramora ve ny ho FIHATRAIKAN’IZANY HEVITRA asosokareo izany , Tompoko? Miala tsiny.
Dia mametraka ny veloma, ho mandra-pihaino anareo, Tompoko!

 

Tsy nampiana tsy nanalàna izay voasoratra etsy ambony, fa hafatra niangaviany hampitaina, ary noheverina koa fa mety ho zavatra azo isaintsainana ka dia nampitaina ho antsika rehetra ihany

TEDxAntananarivo 2012, LASA IZAO #TEDxTNR

Ny hoe  TED dia fanafohezana ny Technology, Entertainment sy Design natomboka tamin’ny 1984 tao Californie ary misokatra amin’ny taranja rehetra sy ny olon-drehetra manana hevitra mendrika ny hozaraina amin’ny mpiara-belona.

Andiany faha-4,  ary tafiditra ao anatin’ireo kaonferansa efa mahatratra eo amin’ny 3000 mahery nokarakarain’ny TEDx nanerana firenena 133 tamin’ny fiteny 47, ity hataontsika ao amin’ny Hotel Carlton Anosy androany 1 Septambra 2012, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ity. Teny faneva ny hoe BACK TO… (Looking back, Mooving forward). Izay iandrasana olona 500 eo ho eo.

Olona mpirotsaka an-tsitrapo daholo no tohanan’ny TED hikarakara ny hetsika ity izao maneran-tany. Ireo mpandray anjara kosa dia ahitàna mpikaroka, mpitarika orinasa, injeniera na mpanakanto sy ny maro tsy voatanisa. Azo resahana mandritra izany fotoana izany ny haikanto, ny siansa, ny haitao, ny asa famoronana, ny fampialamboly, ny fandraharahana amin’ny sehatra rehetra mihitsy sy izay mahakasika ny fiaraha-monina e!

Raha vao «BACK TO … » no mby ao an-tsaina, dia midika FIVERENANA izay, fiverenana amin’ny asa feno fahavitrahana sy ny fanaingàna indray ny fiharian’ny isam-batan’olona ohatra, ary hatramin’ny fianakaviamben’ny manan’aina koa aza. Hizara roa ny fotoana, ka ao anatin’izany no hanolorana ho anareo mpanatrika ny tsara indrindra eo amin’ny tontolon’ny teknolojia. Isaorana manokana eto ny MAKATY miara-miasa amin’ny fanatontosana izay lafiny izay (solontenan’ny APPLE eto Madagasikara), tsy ho adino ny hanolotra ho anareo ny Fialamboly (hisy ny artista hanafàna sy hampahafantatra ny tantarany) ary ny Asa fanomezan’endrika (Design). Satria ireo rehetra ireo no mitambatra manome ny fanafohezana TED.

Malagasy aby no mpandray anjara ao, Malagasy manana hoavy mamiratra, mendrika ny hotohanako, tohananao, eny e , tohanan’ny rehetra, koa ‘Ndao ary hoararaotintsika ity fotoana ity hampahafantarana an’izao tontolo izao fa i Madagasikara dia firenena, tsy fantatra fotsiny amin’ny alàlan’ny sarimiaina (cartoon) fa koa firenena iray tsy lany fika sy hevitra, mpanan-talenta sy famoronana.

Miandry anao izahay anio tolakandro eny amin’ny Carlton Anosy miaraka amin’ny #TEDxTNR 2012, #TEDxAntananarivo

TEDxAntananarivo : Communiqué de Presse

 

Communiqué de presse

TedxAntananarivo le 1er Septembre 2012 en un clin d’oeil

 TED:Technology, Entertainment, Design.

Fort de ses débuts en 2009 initié par Harinjaka Ratozamanana – boursier TED et titulaire de la licence TEDx Antananarivo (TED fellow), le collectif TEDx Antananarivo renouvelle l’expérience le 1er Septembre 2012 prochain à l’Hotel Carlton Anosy pour une quatrième édition organisé à Madagascar, invitant près de 500 spectateurs et proposant 13 prestigieux orateurs malgaches présélectionnés qui interviendront devant un public pour donner leur analyse du monde sans cesse changeant.

« BACK TO… » sera le thème qui fera référence au retour à la vie active et au redémarrage des activités après les vacances, à l’échelle de l’individu comme de la communauté. Inspirer et booster à travers les différentes interventions axées sur ce qui se fait de meilleur dans le domaine de la Technologie, de l’Entertainment (divertissement) et du Design.  Comme l’ensemble des conférences TED et TEDx, sachant que le « x » est utilisé pour les conférences organisées de manières indépendante, en partenariat avec TED au niveau international. Ces conférences visent  à ouvrir une plateforme de discussion et de rencontres pour des idées riches et toujours plus innovantes.

Le « mouvement-phénomène » TED (Technology-Entertainment-Design) est une organisation à but non lucratif. Une conférence TED  rassemble une série de conférenciers pour de courtes interventions de 18 minutes au plus, visant chacune à présenter une idée, un concept. 18 minutes où chaque conférencier doit prendre possession de l’espace sur scène, pour partager ses connaissances et sa vision… Quelques minutes riches animées avec un ton passionnant et enrichissant.

Filmées et diffusées sur le site TED lors des TED Events ou des TEDx pour les conférences organisées de manières indépendantes à travers les licences.

TED rassemble chaque mois de fevrier durant quatre jours des participants venant d’horizons différents et passionnés de TED.

Suivant leur slogan «Ideas worth spreading», les organisateurs de conférences TED espèrent ainsi faire circuler les meilleures idées à l’échelle du globe.

 Contact presse :

Centre de presse malagasy: ivongazety@gmail.com

contact@tedxantananarivo.mg

http://www.tedxantananarivo.mg

Atsimo Andrefana: Fanodinkodinana Fanampiana Avy Any Ivelany

Any Atsimo Andrefana no miseho ny tantara.

Iarahantsika rehetra mahalala fa isan’ny faritra tratry ny ‘kere’ matetika ary saro-miarina amin’izany iny faritra Atsimo iny. Sahirana araka izany ny ankohonana maro, na izany mikasika ny hanina ho hanina, mainka moa fa ny hiahy ny hahazoan’ny taranany fahasalamana sahaza, sy fampianarana tahaka ny hafa mandia sekoly. Ny fahitàna izany no misarika ireo vahiny tsara sitrapo sy malala-tànana hitondra izay voatsirambin’ny tànany hanampiana ny zaza Malagsy maniry ny hitovy amin’ny namany.

Misy araka izany fikambanana mamatsy vola tsy tapaka isam-bolana, mitentina eo amin’ny 27.000.000 Ariary eo ho eo ho anà tanàna iray any amin’iny faritra Atsimo Andrefana iny. Tsy mivantana avy hatrany amin’ireo mila izany anefa ny vola fa tsy maintsy mandalo aminà ONG iray. Vola natao hisahanana ny fampianarana, ny fahasalamàna ary ny fiahiana ara-tsakafo mahakasika ankizy maherin’ny 700 izy io, ka tafiditra ao anatiny ireo mpanabe am-polony sy olona mahazo asa mivantana, na ankolaka amin’izany fanampiana izany.

Tsy ireo malala-tànana avy any ivelany ihany anefa no mamatsy ity ONG ity, fa hatramin’ny P.A.M aza.

Fotoana maharitra ihany no tsy nanoloran’ity ONG ity tamin’ireo mpamatsy azy ny fanamarinana ny fampiasam-bola nataony hatrizay, ary rehefa notakiana aza izany, dia ireo mpitantana azy indray no nanangan-tsampona, ka niafara tamin’ny fanapahan’ireo mpamatsy ny fanampiany, isan’ny nanao izany ny PAM

Fa inona no nitranga?

Raha ny vaovao fantatra hatreto dia misy tsy mazava ny fitantanana ao, ary tsikaritra ny fisian’ny fanodinkodinana ireo fanampiana voaray. Lasa fitadiavan’olom-bitsy tombontsoa ho azy ireo ilay ONG Malagasy. Narirarira ireo mpanabe izay niafara tamin’ny fametraham-pialan’ny 15 mianadahy tamin’izy ireo mihitsy (18 sy 19 Jolay 2012). Ary nisy tamin’ireto mpanabe aza no mbola voataritarika noho ny fanendrikendrehana azy teny amin’ny fitsarana. Heloka niampangana azy tamin’izany ny fanodinkodinan zaza tsy ampy taona, ka nidirany am-ponja 2 taona sazy mihatra noho ny fijoroana vavolombelona mandainga (niaiky nilaza ny marina ihany moa ilay nolazaina fa zaza tsy ampy taona voahodinkodina fa hoe nanao izany noho ny fandrahonana nahazo azy sy ny fampitahorana ny hahatapahan’ny  fanampiana raisiny). Nanao fampakarana ny didy kosa ny mpiaro ny voampanga, ary eo ampiandrasana ny tohiny.

Ahoana ny tohiny?

Eo ampiandrasana ny valin’ny taratasy nalefan’ireo vahiny mpamatsy vola ireo ho an’ny manampahefana isan’ambaratonga mba hijery akaiky sy ara-drariny ity raharaha fanodinkodinana fanampiana ity, dia tsara ihany ny misarika ny saintsika Malagasy rehetra amin’ny hoe: ao anatin’izao vanim-potoana sarotra lalovan’ny isan-tokantrano izao, tombon-dahiny ny fisian’ireny mpanohana ireny, koa angamba diso fihevitra sy fihetsika ihany isika raha toa ka hifampitsentsitra an-toerana sy hanimba ny ho avin’ny taranaka tahaka izany. Zara aza mba misy olona afaka manohana, fa raha izy ireny tokoa moa no manana ilay foto-pisainan’ny maro amintsika hoe : tsy an’i dada, tsy an’i neny, dia mba ho toy inona isika sy ny taranatsika?

Antenaina araka izany ny hijeren’ny fitsarana sy ny manam-pahefana isan-tokony ity raharaha any Atsimo Andrefana ity amin’ny saina sy maso tsy miangatra fa mampalahelo raha ny tsy manantsiny hatrany no hizaka ny mafy sy ny tsindry hazolena.

Famoahana andiam-pianatra avy ao amin’ny ETP

Nosy i Madagasikara, ary raha vao hoe ‘nosy’ no heno dia fitokana-monina no mba ao an-tsaina. Tsy hoe rehefa nosy koa anefa dia tsy ho afaka amin’izay fatotry ny fitokana-monina izay. Ho amin’izany indrindra no ilàna ny fianarana teny vahiny samihafa, mba hahafahana mifandray amin’ny any ivelany. Tafiditra amin’izany ny ezaka ataon’ny ETP (English Teaching Program).

Toeram-pianarana teny Anglisy araka izany ny ETP, izay tany amin’ny 1962 no nananganan’ireo mpampianatra Amerikana azy ho fanampiana ireo olona hafa tsy miteny azy io ho afaka kosa mifanerasera amin’ny alàlany, ka 10 herinandro no faharetan’ny telovolana iray ao aminy, ianarana mandritra ny 60 ora isaky ny antsoina hoe ‘level’ na dingana iray. Manana efitrano miisa 13 izy ho entiny manatratra izany tanjona izany.

Isan-telovolana dia misy mpianatra eo amin’ny 1300 eo ho eo no voasarika hianatra teny Anglisy ao amin’ity ivon-toerana iray eto Antananarivo ity.

Androany ary, dia mpianatra niisa 113 no notolorana mari-pankasitrahana teny amin’ny masoivoho Amerikana Andranomena. 74 tamin’izy ireo no tafiditra amin’ny fanasokajiana azy ho sangany. Ny Mpanolotsaina momba ny asa koltoraly eo amin’ity masoivoho ity no nitarika ny fotoana.

Tonga nanome voninahitra sy namporisika ny vao avy notolorana mari-pankasitrahana mba hitozo hatrany ihany koa ny filohan’ny AmCham, Atoa Zouzar Bouka. Tamin’ny fandraisany fitenenana no nilazany fa raha ny marina dia tsy tapitra hatreo ny fianarana, fa eo vao tena manomboka. Ny AmCham dia American Chamber, manao fihaonana matetika amin’ireo mpandraharaha eto an-toerana ry zareo ary misy fotoana anasàny ihany koa ireo solotenan’ny masoivoho vahiny mandritra ny tafatafa ataony. Nanamarika moa ity mpitarika ity, fa matoa tsy mbola misy mpanao gazety nahazo fanasana hanatrika ireny tafatafan-dry zareo ireny, dia satria mahatsiaro ho mahazo aina kokoa ireo mpandray anjara rehefa miresaka tsy eo anatrehan’ny mpanao gazety (???)

Atoa Tovo Herifidy RAFELIARISOA no nandray fitenena nisolo tena ireo mpianatra marobe, nisaotra ny ETP sy ny masoivoho tamin’izao fampianarana sy fandraisana ary fikarakarana azy ireo izao. Hoy indrindra izy:

we all know the Malagasy proverb that says “If a tree has been turned into a boat, it’s because it was planted in a good soil” So on behalf of the graduates, I would like to thank all the teachers and staff members at the ETP without whom this would not have been possible.

You showed a lot of patience and dedication to help us learn English in the best conditions and for that we are grateful

Fantatsika rehetra ilay ohabolana Malagasy manao hoe: "Ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara". Noho izany, amin’ny anaran’ireo rehetra nahazo maripahaizana, tiako ny hisaotra anareo rehetra mpampianatra, ny mpandraharaha mpikambana ao amin’ny ETP izay raha tsy nisy azy anareo tsy ho nisy izao rehetra izao.

Nampiseho faharetana sy fahavononana betsaka ianareo hanampy anay hianatra ny teny Anglisy ao anatin’ny fepetra tonga lafatra ary mankasitraka azy rehetra ireny izahay.

Hifindra eny Tanjombato ny ETP, ao anatin’ilay foibe Amerikana vaovao ary hisy tolotra marobe ho an’ny daholobe izay maniry hianatra teny Anglisy ampiasàna ny teknolojia avo lenta. Misy ny fampianarana manaraka ny fomba mahazatra ary misy ny fampianarana misy fifamatorana, ny fampianarana ho an’ny mpanao bizna, ny natokana ho an’ny mpianatry ny lisea, ny natokana ho an’ny ankizy, ny kilasy natokana ho an’ny resaka sy fomba fanonona, ny kilasy fanomanana ny TOEFL, SAT, LSAT, GRE, TOIEC, TELP , ka arakaraky ny valin’ny sivana atao no kilasy ametrahana ny tsirairay hoy Ramatoa Vony RAZANADRAKOTO talen’ilay ivon-toerana.

Amin’ny hoavy dia hisy ny fampianarana amin’ny alalan’ny finday, na dia tsy hialana aza ny fomba natao hatrizay,  toy ny ifanatrehana na ny anaty efitrano. Tokana ny tanjona, ny hahaizan’ireo mpianatra ao aminy mampiasa ny teny Anglisy.

Karazan’olona maro no mianatra ao amin’ity ivon-toerana iray ity, ary anisan’ireo notolorana maripahaizana androany ny namana iray mpitoraka bilaogy Ariniaina. Isan’ny omen’ny ao amin’ny ETP sy ny Masoivoho ny toerany tokoa mantsy ny bilaogera tato anatin’ny volana vitsivitsy, raha mbola tsinontsinoavin’ny sehatra hafa kosa.

#YCC #Fanehoan-kevitra sy ny fomba tsara hanaovana izany

Androany Alarobia 06 Jona 2012 no fotoana voatondro hifanakalozana hevitra teny amin’ny YCC, na Youth Civic Center teny amin’ny MDLC Anosy. Lohahevitra tamin’izany ny mikasika ny fomba tsara ho entina maneho hevitra, – ny soratra sa ny teny, ary malalaka ve sa misy ny teritery?

Nifanao andaniny ny mpanotrona ka tao ireo nanohana fa hoe ny teny no izy, ary tao irao nilaza fa ny soratra no tsara. Samy nanana ny tohan-kevitra nampiasainy avy. Papango lahy tanaty katsaka, ka izay nivoaka babany avokoa. Tsy nisy  ny hevitra azo namaivanina. Avara-pianarana rahateo no nifandresy lahatra ka nafàna tsy nisy toy izany ny fotoana. Izany rehetra izany dia teo ambany fanaraha-maso sy fitantanan’i Arivola hatrany.

Mbola be loatra hoy ireo avy amin’ny mpanohana ny ‘teny’ raha ny tahan’ny tsy mahay mamaky teny sy manoratra eto amintsika, koa tokony handray andraikitra mifanandrify amin’izany ny fanjakana, tokony hisokatra hatrany amnin’ny fokontany mantsy ny fahafahana maneho hevitra, ary jerena izay zavatra mety ho sakana amin’izany.

Raha ny zavatra hita hoy i Domoina Rasamoelson, mpanao gazety, dia 90% amin’ny lahatsoratra mivoaka anaty gazety no saika resaka politika ny ankamaroany. Antony iray mahatonga ny olona tsy dia miraika intsony hifanakalo hevitra mikasika ny lafim-piainana hafa intsony izany, satria leo ny adilahy politika izy ireo.

Zavadoza kosa no hitranga raha tsy hiteny sy tsy haneho hevitra isika hoy i Ony Rambelo, mpanao gazety.

Mba hahafahana manatsara ny fahalalahana maneho hevitra dia ilain’ny tanora ihany koa, hoy ny mpandray fitenenana iray, ny tokony hahaizan’ny tanora mandanjalanja izay vakiany. Tokony koa, hoy hatrany izy, beazina ny tanora hanana ny antsoina hoe "culture de débat" ary tokony mahafantatra lalàna mahakasika ny fanehoan-kevitra ny rehetra. Ho amin’ity resaka fahafantarana ny lalàna ity dia naroson’i Domoina ny hevitra hoe tokony haverina ny fandaharana didy aman-dalana ao @ RNM ary tokony samy mamorona sehatra iadiana hevitra ny rehetra.

Mila zaraina malalaka koa ny vaovao fa rehefa mahafantatra ny olona dia tonga ho azyny ny fahalalahana maneho hevitra, ary tsy voatery miandry ny mpitondra fanjakana, na ny ONG sns mba hanatsara ny fahalalahana miady hevitra.

Fijery ankapobeny niraisan’ny maro nanatrika ny fotoana ny hoe tsy mbola misy loatra ny fahalalahana maneho hevitra. Hany ka na te-haneho hevitra aza ianao, na amin’ny ‘teny’ io, na amin’ny ‘soratra’ dia manaraka sy manjaray sakana ho anao eny foana ny tahotra.

Marihana fa tamin’ity fotoana ity ihany koa no nanolorana ny loka KINDLE ho an’ny nahazo izany tamin’ny lalao teo aloha.

Mamporisika hatrany antsika rehetra mba hilalao, sy haneho hevitra hatrany amin’ny alalan’ny fandefasana sms ao amin’ny laharana 033 56 322 22, ary ny lohahevitra azonao tohanana sy isafidianana amin’izany, miaraka amin’ny fepetra arahana raha hilalao dia azonao jerena ao amin’ny pejy Facebook an’ny  "kozy liberty",na ny an’ny YCC

Rehefa vita moa iny tapany voalohany momba ny fanehoana hevitra iny, dia niditra tamin’ny ampahany faharoa ireo izay mbola nisafidy hijanona tao amin’ny YCC, ka i Lalaina avy amin’ny Liberty32 no nitarika ny fiofanana fohy momba ny fitarihana adihevitra. Mbola maro ireo karazam-piofanana atolotry ny YCC ho antsika izay kiana, ka raha isany ianao, dia tsara manaraka ny pejy etsy ambony fa efa hivoaka any ny laminasa (raha tsy efa nivoaka aza angamba)

 

#freeexpression

#USEmbassy sy ny sehatra fanabeazana

Raha vao mahita ny soratra hoe USEmbassy ianao dia ny Masoivoho Amerikana eny Andranomena no mby ao an-tsainao avy hatrany.

 

Tamin’ity androany ity dia niara-paly tamin’ny rehetra teny amin’ny Masoivoho, ireo tomponandraikitry ny sekoly isan’isany, ary ireo mpianatra voatsonga tanatin’ny maro ka nahavita nanaraka hatramin’ny farany ny fampianarana teny Anglisy natolotry ny Masoivoho Amerikana sy ny English Teaching Program ho azy ireo.

Natao androany teny an-toerana tokoa mantsy ny fizaràna sertifikà ho an’ireto kilonga Malagasy ireto. Tombony ho azy ireo ny nahafahany nanaraka izany fampianarana izany, tsy vitany hoe maimaim-poana mantsy, fa taminà ivon-toerana raitra ihany koa.

Indro entina etoana ny sombiny tamin’ny kabarin’ny solontenan’Atoa Eric Wong, Mpiandraiki-draharaha ao amin’ny Masoivoho Amerikana tamin’ity lanonana ity:

Premier Conseiller p.i., M. Chris Tremann

[...] ity lafiny iray amin’ny asdako ity no anisan’ny ahatsapako hoe mahazo valisoa ah. Amin’ny toa izao mantsy ah no afaka manolotra ho an’ny mpianatra Malagasy, tanora indray mihira izay manan-karena nofinofy ny amin’ny hoavy, sady manan-talenta, ny fitaovana ilainy hanatanterahany ny nofinofiny…Tsy vitan’ny hoe fahafahana mianatra teny vahiny vaovao mantsy io[....] fa tena varavarana misokatra hoan’ny làlana maro azonareo arahana any aoriana[...]

[...] nanjary fepetra tsy azo ialàna ho an"ny asa maro ny fahaizana miteny Anglisy [...] Ny olona hany mahmby eto amin’izao tontolo iainantsika izao dia izay mahay mifanerasera amin’ny olona avy amin’ny kolotsaina sy any amin’ny kaontinanta hafa. Koa [...] sahia manonofy ary raiso ilay fanalahidy atolotra anareo hanokafanareo varavarana maro tsy mbola hitanareo taloha.

[...]

Tsy mijanona eo amin’ny sehatry ny kolotsaina sy ny fanabeazana anefa ny fanoloran’i Etazonia anjara biriky amin’ny fandrafetana ny hoavin’i Madagasikara.[...] Eo ohatra ny fanampiana mitentina 70 tapitrisa dolara eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, fanampiana ny mponina ary ny vonjy taitra amin’ny loza voajanahary izay atolotray amin’ny alalan’ny USAID [...] ny Peace corps miasa manerana ny nosy[...]

[...]

[...] Mino sy manantena izahay fa hahita làlana maro azo isafidianana, ary manainga hatrany ny lafin-kery rehetra hiara-hiasa hahazoana antoka fa misy ny ezaka atao hizorana  ho amin’ny famerenana amin’ny  laoniny tanteraka ny demaokrasia, ny fanjakàna tan-dalàna ary ny fanajana amin’ny fomba tsy miolankolaka ny zon’olombelona eto Madagasikara [...]

Sombiny tamin’ny kahatney ihany ireo. Mbola mitohy hatrany moa ity asa fanampiana maimaim-poana ny taranaka Malagasy ataon’ny ETP sy ny Masoivoho Amerikana ity, ka raha lasa iny andiany iny, dia efa hisy sahady kosa ny andiany manaraka handimby ny teo aloha.

Sary vitsivitsy nandritra ny lanonan,a atolotra ho anao:

Azonao atao ny mitsidika sy mijery vaovao tsy tapaka avy amin’ny masoivoho ao amin’ny Facebook https://www.facebook.com/usembassy.madagascar

Ambohijatovo 28 Aprily 2012 (#28042012)

Aty am-piandohana dia isaorako manokana i Carene R. nampindrana ahy ny sary rehetra miasa ato anatin’ity lahatsoratra androany ity. Tsy mba isan’izay afaka nanatrika teny  fa nandalo monja mantsy ny tena noho ny famaliana antso hafa nifanindry.

Izay no ela fa dia hiditra amin’ny votoatiny ary isika e.

Tanteraka tokoa moa izany ny famoriam-bahaka teny Ambohijatovo, nokasain’ireo Parlemantera avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana hanaanterahana tatitra ho an’ny vahoakan’Antananarivo. Ny famoriana olona no tanteraka fa tsy ny fanaovana tatitra akory. Tsy azo notsinontsinoavina ny hamaroan’ny olona tonga teny raha ny hitako tamin’ny fotoana niseranako teny an-toerana. Olona feno fahavononana, ary niandry tanaty fahatoniana tanteraka ny fahatongavan’ireo mpitarika nilaza hanao tatitra. Satria na ireo fiara mpitatitra aza dia mbola afaka nizotra tam-pilaminana tanatin’izany vahoaka izany.

Afaka nizotra milamina nanavatsava ny vahoaka ireo fiara mpitatitra

Ampahany amin'ireo olona marobe tonga teny. Tsy hita eto amin'ny sary kosa ny aty amin'ny manodidina ny Fiangnana Advantista Mandrosoa Ambohijatovo sy ny Camp RM1

Tany am-panatrehana fihaonana hafa tany ny tena no nandre sy nahazo tatitra amin’ny alalan’ny fitaovan-tserasera (twitter sy FB), fa rehefa tonga ny tokony ho tamin’ny roa ora mahery dia nivonona hiakatra an’Ambohijatovo i Mamy Rakotoarivelo. Tsy ela taorian’izay dia nirefotra ny entona mandatsa-dranomaso. Raikitra ny ‘ento aho ry tongotro‘ sy ny ‘Sakano, sakano‘.

Ireo entona nalefa ka niteraka fahasemporana sy faharatrana teny an'ivon'ireo mpanotrona

Nifanjevo nanomboka teo ny filazana isa: nisy ny niteny fa maro no naratra, be ny sempotra, misy ny voasambotra. Raha ny voalazan’ny HJRA dia 3 no olona naratra noraisiny. Tsy haintsika ny tany amin’ny toerana hafa. Ny tao amin’ny Antsiva indray nanambara fa 3 no olona voasambotra. Toa isa hafa noho izany anefa no voalazan’i Mamy Rakotoarivelo raha niverina teny amin’ny kianja MAGRO Behoririka hoy ny olona tafaresaka tamin’ny tena.

Ny tsikaritra teny Ambohijatovo dia efa niantrana teo daholo ireo fiara raitra sy vaovao azon’ny mpitandro filaminana. Toy ny efa mahazatra hatrany rehefa heno fa hisy hetsi-bahoaka. Dia nitsiriritra teo ny maro, ka samy niteny anankampo hoe: Raha mba ireto izao no nentina nisafotnanasy manao ‘la ronde’ isan-kalina an! Fa tsy hatao fandravana hetsika isaky ny mivoaka ny toby, dia angamba mba handry fahalemana ihany ny tanàna1" Saingy sentosento tsy nijanona ela izany fa nosomparan’ny entona manempotra, ka zary toa nofy ratsy ihany.

Mba mandalova aty amin'ny tanàna fa mijaly zahay amin'ny mpangalatra eeee!

Toa fantatra sahady koa anefa ny mety ho valinteny ho azo raha hangataka an’izay amin’ny tompon’andraikitra ianao: Ny fiara misy, fa ny solika no tsy maharaka. Tsy mahagaga araka izany raha tany Toliary tany nisy  flàna vonjy tamin’ny mpitandro filaminana, tsy nihetsika izy ireo fa hoe tsy misy solika, ka na ny mpila vonjy no maka azy amin’ny fiara, na mividy solika ho azy.

Fa mandeha be koa ankehitriny ny resaka fa hoe sarin’ady no nataon’ingahy Mamy Rakotoarivelo teny Ambohijatovo, fa raha ny sitrapony dia efa nipetrapetraka tany amin’ny toeram-piadanany  tany fotsiny. Toy izao ny ampahany tamin’ny fanehoan-kevitra nivoaka tao amin’ny pejy Facebook, entina zaraina amintsika momba izay, Ary narahana sary mihitsy moa izy io:

Mamy appelle les gens à manifester à Ambohijatovo et lui il est tranquille et détendu au TV+ avec Andry Rajoelina EN PERSONNE.Prenez pas les gens pour des cons les gars

  • Andry Niaina RakotoarisonI don’t see the problem: that it remains with Andry Rajoelina,…, or that he left TV+,…, it doesn’t change anything,…, the moment that Ra8 be silent!

  • Nadia RaonimanalinaMahery Lanto Manandafy< aza mapme oa, amin’ny 1 vao manomboka ny eny Ambohijatovo e, az dia mapirohoroho sain’ny olona kosa e. Ny an’ny TV plus matinée ihany….
  • Samedi 28 avril 2012 :Concernant l’évènement d’aujourd’hui, nous sommes très étonnés de trouver ce genre de photos dans le forum du TIM MADAGASCAR…Nous estimons que tout ceux qui aime le PRM doivent le savoir…charge à vous de porter vos commentaires…

    Sary tao amin'ny Tranonkala TIM

    • Tita Ramanandraibe ontrany nampiakatra ny afoko nge le nataon’i Mamy androany iny e.Vetivety teo de tsita tampoka.
    • Mahery Lanto Manandafy Mamy Rakotoarivelo est un connard, rien d’autre, et il y en a encore qui trouve normal qu’il se la pète avec le PT, AU MEME MOMENT OU IL APPELLE LES GENS A VENIR SE FAURE CASSER LA GUEULE A AMBOHIJATOVO,
      Moi j’appelle ça faire la pute, et rant pis pour ceux qui sont pas contents, rien à cirer
    • Tita Ramanandraibe Zay mintsy!ze vandana de kary!NY TSARA @ TSIKA MANAO 1 SY 1 @ FOZA AMIN’IZAY

Tandremo ihany zalahy fa efa mitady handady anie izany trambon’ny ady an-trano izany e. Nefa izay mihitsy no tadiavin’ny sasany. Iza no hahita tombontsoa amin’izany? Tsy izaho aloha e, ary tsy iriko ho hitan’ny taranaka fara sy dimby akory.

Hijanona eo va re ity resaka ity sa mbola hitohy? Asa fa dia hiaraka hahita isika rehetra.

Ririnina no miandry antsika rehetra, nefa tsy nahasakana ny hetsiky ny mpomba an-dRavalomanana tsy hafana izany omaly.

Masoandro miposaka eo amin’ny fiainany no tadiavin’ny Malagasy tsirairay, koa raha tsy mitodika amin’izany lalan-jotra izany no fomba fitondra, dia tsy atao mahagaga raha mahita vahoaka mitroatra.  Ahoana tokoa moa no hahazakàny hijery isan’andro ny tsindry hazolena atao aminy sy ny taranany? Ny asa tsy misy, ny hanina zara raha misy ahiditra am-bava, ny ankizy tsy mianatra fa toa ireo nantenain-kanirina no mampivandravandra ( mbola apetrako ilay ilay fanontaniako tany aloha tany hoe, Mba ohatrinona ny vola raisin’ny mpiasan’ny Zone Franche no toa mbola tsy maty ihany izy ireny, nefa ireto mpampianatra misosa aminà fiara, tsy mahalala noana, sy mandray karama aminà tarehimarika 7 no mbola hilaza fa tsy ampy ny azy) Dia miseho lany etsy sy eroa ny fitakiana maro samihafa, izay tsy hita homena tsiny, satria ny hafa nangataka, nahazo, ary tsy misy mangataka voan-tehamaina rahateo koa mantsy hono eeeee

Iza no tompon’ny fahefana? Ary iza no tompon’ny vahoaka? Tsy anjarako ny hamaly an’io, saingy tokony hisaina ihany izay mihevitra ny tenany ho tompon’ny fahefana fa ‘indramina anie izy io e’, ary na ho ela na ho haingana, ary na iza na iza no mbola hitondra, dia tsarovy fa tsy maintsy hamerina ny ‘omby volavita’ izay an’ny hafa fa tsy anao akory. Mpiandry omby no toerana misy anao eto fa tsy tompony, koa tandremo ihany lahy ny hetraketraka.

Eo ampiandrasana izay fifidianana (raha hisy amin’ity taona ity) sy ny andro natokana erantany ho an’ny fahalalahan’ny Asa Fanaovan-gazety ( raha halalaka tokoa), dia tsara ny manamarika fa tsy hisy sendika ho sahy hanao fanehoan-kevitra an-dalambe izany amin’ny 01 May. Mba inty aho eto! Efa hafatra mialoha sy mazava be ireny teny Ambohijatovo ireny.

Avela eo iny aloha fa mbola ho tantara mitohy, ka sao tsy hisy hambara any aoriana. Fa mamerina hatrany ny fanampian’ny namana Carene R omaly isika rehetra. Azonao atao koa ny mahita azy ireny ao amin’ny pejiny Facebook. Sary izay tena mazava tsara sy  miteny betsaka noho ny teny an’aliny aza.

Fampidirana sahady: hiresaka ny MIZANA TSINDRIAN’ILA ATAON’NY MPITONDRA ISIKA AMIN’NY LAHATSORATRA MANARAKA, na ilay antsoin’ny teny frantsay hoe 2 poids, 2 mesures.

Lyçée JULES FERRY / Ny tontolon’ny fanabeazam-pirenena

Ny resaka taterina manaraka eto dia nifanaovako tamin’ireo tompon’andraikitra mpanabe ny taranaka Malagasy. Anjaranao mamaky no mitsara na araka ny tokony ho izy izay fanatanterahana andraikitra izay sa tsia.

Hatramin’ny nanombohan’ny taom-pianarana dia tsy nitsahatra ny nanontany ny zanako
mikasika ny fandehan’ny fianarany aho. Raha efa tany amin’ny Volana Septambra na Oktobra 2011 tany ho any no nanomboka ny taom-pianarana, dia isan’ny kilasy tsy mbola manana mpampianatra teny Anglisy ny kilasy misy an-janako ao amin’ny Seconde 10, Lyçée JULES FERRY Faravohitra.

Tsy nipetra-potsiny ny tena satria sady maharary no mahamenatra ilay zava-miseho. Tsy sanatria noho ny zanaky ny tena ao anatin’ilay kilasy ihany, fa indrindra indrindra, noho ireo ankizy marobe iray kilasy aminy, sy izay kilasy hafa mety mbola ho mizaka izay tsy fisianà mpampianatra izay koa.

Raha ny an’ny tena manokana mantsy, dia tsy ireharehana fa zavatra lalaoviny isan’andro ny teny Anglisy, izany hoe tsy tokony ho olana aminy velively. Izy rahateo mandika teny avy amin’ny teny Anglisy ho amin’ny teny Malagasy ho anà tranonkala goavana iray ety anivon’ny aterineto.

Nandritra izay fotoana rehetra izay ihany koa anefa dia tsy nitsahatra nifampiresaka tamin’ny alalan’ny antso tamin’ny tompon’andraikitra voalohany ao amin’ity Lyçée ity ny tena. Tamin’ireny fifanakalozana ireny no nilazany fa, na izy efa tany amin’ny Ministera ary efa kely sisa dia hivaha ny olana, na izy efa nandray dinidinika mpampianatra dimy fa tsy nisy hita ny nalehan’ireo, ary ny farany aza dia hoe efa misy ‘décision’ manendry mpampianatra ao aminy, nalefan’ny Ministera, fa ilay mpampianatra no tsy mbola nipoitra hatramin’izao. Volana Martsa 2012 isika izao.

Isak’izay avy mifampiresaka aminy ny tena dia mba miandry mandritra ny fotoana azo lazaina ho tsy lava, nefa koa tsy fohy, miandry vokatra. Dia miverina mampahatsiahy avy eo. Tsy teraka anefa Ambatobevohoka, ary dia nisasaka ihany ny taom-pianarana.

Tsy vitan’ny nifampiresaka fotsiny no natao, fa mba nandroso soso-kevitra koa. Isan’izany ny nandrosoan’ny tena ny amin’ny hoe

‘Maninona moa raha ny mpampianatra efa ao an-toerana no mba alamina aloha (système de rotation) , mandra-piandry izay ho vahaolana aroson’ny Ministera?’

na koa ny hoe

‘Maninona raha mba tapahana kely aloha ny an’ireo kilasy efa nahavita nanaraka fampianarana hatrany am-piandohan’ny taona, ka mba asaina manenjika sy manavotra ny tsy ampy amin’ireo kilasy tsy mbola nanana izany mihitsy kosa ireo mpampianatra eo amin’ny Lyçée ?’

Tsy mbola nivaha hatrany ny olana.

Ny tsihy anefa, hono, no fola-mandefitra, nefa koa rehefa tsy miteny sy tsy mihetsika dia toy ny vatolampy be, ka anaovan’ny vorona maloto. Tsy sanatria anefa vatolampy, na ireo ankizy tsy afa-manoatra ao amin’io toeram-pianarana io, na izahay ray sy reny mampiana-janaka ao, ka nanapa-kevitra hitondra ny fifanakalozan-dresaka ho amin’ny sehatra avoavo kokoa.

Nilaza tamin’ny tompon’andraikitra ary ny tenako fa mieritreritra ny hitondra mpanao gazety miaraka amiko, hifanatri-tava aminy, ary nangataka azy mba hanome fotoana hahafahana mitafatafa. Dia nanaiky izy tamin’ny voalohany, saingy minitra iray monja taorian’izay dia nilaza indray izy fa tsy afaka hanatanteraka ilay tafatafa, satria mbola manana ny lehibeny, ka mila miresaka any aloha, sady nanondro ny andron’ny 29 Febroary ho andro hanomezany ny valinteny. Tsy niandry ny andro 29 Febroary ho tapitra ny tena vao hiandry valiny, fa vao maraina dia nandefasana hafatra fohy izy ho fampahatsiahivana, ary dia namaly tokoa, izay isaorana azy manokana etoana, ka tao anatin’izay no nilazany fa miandry ahy ny solotenam-panjakana, eny amin’ny AGENAT, varavarana faha-33 (nosoratany tao anatin’ilay hafatra ny anaran’ny tompon’andraikitry ny Ministera nolazainy fa miandry ahy). Ary dia nivantana tany avy hatrany ny tena. Sady amin’ny maha-ray mampiana-janaka, no amin’ny maha-olona liam-baovao ihany koa no nandehanana namonjy ilay fotoana nomena.

Toy izao ary ny vokatry ny dinika tany :

Mr. L: Ilay problème-nao ve problème noho ny tsy fahampian’ny prof d’Anglais ao amin’ny Lyçée JULES FERRY, sa tsy fisian’ny prof d’Anglais ho an’ny kilasy Seconde 10 misy ny zanakao?
Izaho (RR) : tsy problème ho an’ny zanako fotsiny […] fa ny problème-ko dia lasa victime ao anatin’ilay tsy fahampiana mpampianatra ny ankizy rehetra iray kilasy ao amin’ny Seconde 10 , ankoatr’izay kilasy hafa tsy fantatro, nefa ny taoam-pianarana ity efa misasaka […] tsy ny ho an-janako irery no eritreretiko, fa raha ny ho an-janako dia vitako izay […] fa ilay ankizy be dia be miaraka aminy, manakory? Ny fotoana mandeha ihany, ny ankizy miahiahy daholo […] manahirana, tsy fantatro, fa ohatry ny biby fampitahorana ho an’ny ray aman-dreny ve ny miditra birao sa ahoana? […]

Mr L: Marina aloha izany e! […]– ianao anie na mitondra mpanao gazety aza tsy mampaninona ahy mihitsy e, satria ny antony dia misy communication tsy mandeha […] lasa miteraka fiahiahiana, miteraka zavatra hafa, ka ny fipetrany dia izaho no miandraikitra ny personnel any amin’ny Lisea..fantatro tsara izany ny problème mahazo ny Lyçée.

Ny ataontsika hoe règle Generale mihitsy amin’ny Lyçée, amin’ny ankapobeny ny Lyçée eto Madagasikara dia tsy ampy mpampianatra[…} indrindra indrindra moa fa nanomboka tamin’ny herintaona na roa taona lasa izay, dia nisy fiovan-drafitra somary nahery vaika ihany teto tamin’ny nanokafana ireny, ny filaza azy moa, Lyçées communautaires,[…] be dia be …nitsangana ara-panjakana, ka ny adidinay eto rehefa misokatra ara-panjakana ilay sekoly, ny adidinay eto amin’ny DRH dia ny manisy mpampianatra any amin’ireny sekoly ireny, mi-repartir ny mpampianatra […]

Fomba roa no fandefasanay ny mpampianatra any amin’ireny sekoly ireny: na ny mpampianatra efa misy ao no ataonay izay hisian’ny repartition, na rehefa misokatra ny recrutement, dia jerenay manokana [prioritaires] ireny vaovao vao nisokatra ireny. Ka marihako tsara eto, fa ireny lyçée ireny dia prioritaire, ary ny zavatra mitranga rehefa avy eo, rehefa misy ny recrutement, matetika izany ny lyçée ety an-drenivohitra ety, tsy ny ety ihany fa na ny any amin’ny chef lieu de faritany aza, tsy dia mihetsika firy loatra izahay fa mameno an’ireny [Lyçée vao naorina]. Ny antony dia zavatra tsotra fotsiny , ilay poste budgetaire izay zarain’ny Finance aty amin’ny Ministera tsirairay avy dia vitsy kely, tena kely par rapport amin’ny besoins izay exprimés-n’ireny lyçées ireny.

Noho izany, amin’ny fipetrak’izay zavatra izay, na izahay izao koa aza, entre le marteau et l’enclume, ny antony itenenako an’izay dia zavatra tsotra fotsiny, matoa misy Lyçée misokatra matetika, misokatra ara-panjakana an, dia tadidio tsara, matetika an, ary presque régle générale ihany ilay izy, dia voalohany indrindra misy olona lehibe izay ao ambadika ao. Ny tiako hotenenina amin’ilay hoe olona lehibe an, dia ‘un homme politique’, na izy izany CST, na izy président an’izao na izao, mihevitra hoe ity tanindrazako ity an, sy ny rehetra rehetra an, hanokatra lyçée eto aho, na dia tsy mitombina aza ilay izy du point de vue technique – satria ny fanokafana lyçée taloha dia mbola nisy etudes be dia be mihitsy natao, ohatra hoe, aiza ny lyçée faran’ny akaiky indrindra, firy ny isan’ny CEG manodidina, firy ny isan’ny EPP manodidina, ahoana ny taux d’achevement an’ireo any amin’ny classe de 3ème sy ny rehetra rehetra any, afaka ve ireo hahavatsy an’ilay lyçée izay eritreretina hosokafana? – Raha misokatra aza iny lyçée iny, mbola misy espace de 2 à 3 ans hanaraha-maso hoe mahavatsy tsara an’ilay école, izay vao tena misokatra ara-dalàna sy amin’ny fomba ofisialy .

Izany hoe fanokafana lyçée izany dia zavatra tsy moramora, fa tato ho ato ny fanokafana lyçée lasa politika, tsy afeniko mihitsy izany. Ka raha eto misy lyçée an, tsy lavitra eto, ny zanako tsy dia tiako halefa atsy […] aleo eto no asiana lyçée. […]

Herintaona na roa taona lasa izany izay, naniry ohatry ny anana ny fananganana lyçées teto Madagasikara. Tsy afeniko anao fa misy statistique eto an, entre 166 tany [….] miakatra ho 270. Tao anatinà 2 taona fotsiny izany. Nefa ny fanokafana lyçée izany taloha mbola mandalo études be dia be. Ny lyçée anankiray tsy misokatra raha tsy efa nandalo tests maromaro. Anatin’ny herintaona tsy nahavita izany manokatra lyuçée izany, tamin’izany fotoana.  Ka eo anatrehan’izay zavatra izay, ny poste budgetaire izay hanaovana recrutement an’ny lyçée dia tsy nitombo fa azoko tenenina hoe nihena aza.

Raha ny fomba fijeriko eto…fomba fijery nationale…dia afaka miteny aminao aho, afaka miteny amin’ny mpanao gazety aho, afaka miteny na amin’iza na amin’iza aho, fa mahazo tombony be ireto lyçées eto Antananarivo eto ireto. Par rapport aminà lyçées any ambadika rehetra any. |…]

Inona no solution ? izahay eto amin’ny DRH dia mi-adopter solution ihany: 1* ny CAN Commision Nationale d’Affectation [tsy misahana ny affectation anaty region iray, izay anjaran’ny DREN no manao azy] no miandraikitra ny affectation avy aminà region iray mankaminà region iray hafa. Eo amin’ny affectation, misy ny affectation naturelle, ny zavatra naturelle dia ny mpampianatra mamonjy tanan-dehibe. Ary tsy afeniko anao fa tamin’ny CNA rehetra natao hatrizay, dia Antananarivo nahazo be dia be mihitsy: na rapprochement des ménages io, na resaka marary io, na zavatra hafa. Ny ataonay ao amin’ny CAN dia ny manangona ny hoe iza avy no mpampianatra niditra teto amin’ny faritra Analamanga, dia manome izany any amin’ny DREN Analamanga, dia anjarany no manao ny repartition an’ireny mpampianatra ireny aminà lyçée eto Analamanga. Dia sahiko eto ny miteny aminao fa raha repartition equitable no atao […] dia tsy hahazo firy raha ny lyçée eto an-drenivohitra eto. Satria raha ny vao nisokatra ho an’ny region Analamanga fotsiny, ohatra, dia eo amin’ny 17 eo….tato anatin’ny roa taona izay….ary ny adidy sy andraikitry ny eto amin’ny DRH dia ny mamatsy personnel an’ireo…raha raisiko ho ohatra izao ny lyçée Mahazaza dia ny Proviseur sy Personnel administrative iray no ao, fa ny manodidina an’io dia mpampianatra FRAM daholo, izany hoa tsy mbola nahatafavoaka izahay na mpampianatra iray akory aza avy aty amin’ny Ministera hoe handeha hampianatra any. Io personnel ao io dia lazaiko aminao fa personnel avy any aminà CEG io […] du point de vue nationale, dia catastrophique no azo ilazana ny situation misy eto amintsika.

Ny tokony natao izany, rehefa tsy nitombo ny poste budgetaire, dia tokony natsahatra teo aloha ny fanokafana lyçées vaovao, kanefa tsy azo natao izay, satria izay dia point de vue an’ny teknisiana, fa tsy izay ny point de vue an’ny politisiana.

Fa ny politisiana tsy maintsy manokatra an’ireo rehetra ireo hahafahana mirehareha any amin’ny gazety hoe : tamin’izahay nandalo teo, nahavita nanokatra lyçées izahay, 200. Ary izany mihitsy no nireharehana tamin’ilay Minisitra teo aloha. Ny olona nandalo teto nandritra ny firy repoblika tsy nahavita nanokatra lyçées afa-tsy 2 isan-taona. Nefa tao anatin’ny 2 taona nandalovanay, 200 no voasokatray[…]

ny vokatr’izay manao ahoana ? […] En terme de recrutement dia any amin’ny faran’ny volana Martsa any no misy an’ny lyçée […]

RR: […] tsy azo atao ve ny mandamina ny efa ao an-toerana?

Valiny Mr. L: tsy azonay idirana, fa affaire interne an’ny lyçée sy ny FRAM izany

Mr. L :Misy FRAM ve ao amin’ny lyçée Jules Ferry? […] ifandrimbonana ny fanabeazana…itony lyçées vaovao itony matoa mihodina dia mandray andraikitra ny FRAM, ary dia mendrika ny ho ampiana ilay sekoly satria misy fandraisana andraikitry ny FRAM… Mijery ny fanjakana hoe inona no dingana efa nataon’ny ray aman-dreny…izay izao no pratique efa ataon’ny lyçées rehetra any…misy ny FRAM tonga eto aminay mangataka mpampianatra hokaramain’ny FRAM,…ireny no mendrika ny ho ampiana….

RR: dingana iray hataoko ny hifampiresaka amin’ny lehiben’ny FRAM….anjaran’ny fanjakana ny mameno mpampianatra, koa no ahoana no FRAM no handoa an’izany…sao hihevitra ny fanjakana avy eo fa hoe efa nahavita ny FRAM, ka dia hialangalana sy hiandry foana ny FRAM sisa ny fanjakana aty aoriana…

Mr. L: …rehefa tonga ny recrutement dia prioritaire ireo mpampianatra nokaramain’ny FRAM. Rehefa tafiditra ho mpiasam-panjakana ireny olona ireny dia mba libéré ny FRAM rehefa avy eo, ary afaka manao zavatra hafa…faran’izay mampalahelo ahy aza ny hoe vita ny recrutement, nefa misy mpampianatra FRAM tsy voaray…raha point de vue national dia misy ny marary lavitra kokoa. Misy mbola azo tsaboina ihany sy ny sisa….

Tamin’ireny fanokafana lyçées be dia be ireny dia nisy ny nety ary nisy ny tsy nety. Ohatra amin’ny nety izao ny lyçée ao Tanambe, tonga dia 800 ny mpianatra.

Ireo rehetra ireo no voalazan’ny teo anivon’ny AGENAT. Saingy hafa noho izay kosa ny fomba fijery sy filazan’Andriamatoa RABETAHIANA Pascal, Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena , izay tao anaty fandaharana RADIO FANABEAZANA mandeha isa-maraina ao amin’ny RNM, nilaza fa mbola olana goavana ho an’ny fanjakana ny mpampianatra FRAM, ary mbola ho elalela ny hoavin’ireo mpampianatra FRAM.

Eto ampamaranana dia tsy aritra ny tsy hiteny hoe, mba hafa raha samy hafa ny tontolon’ny fanabeazana eritreretin’ny manampahaizana hatolotra ny taranaka Malagasy. Manao ny ataony ireo heverina ho sangany eny Ankatso dia mikatso ny mpianatra. Lazaina fa tsy ampy ny vola raisiny. Dia manontany tena ny maro hoe:

Ary mba fomba ahoana ary izany no maha-velona ireny mpampianatra amin’ny Fanabeazana Fototra ireny,? Sa mangalatra dia mivarotra halatra avy eo mba hamelomana ny tokantrano? Mba manao ahoana no fihazonana aina ampiharin’ireny mpiasa amin’ny orinasa madinika ireny, izay mazava loatra fa tsy afaka ny hampianatra zanaka any amin’ny sekoly tsy miankina?

Mba faly ery ny sasany fa hendry ny taranany ka nilofo sy tafita, afaka Bacc, ary hiakatra an’izany Anjerimanontolo izany. Aleoko mampiasa ny teny hoe Anjerimanontolo, toy izay hampiasa ny teny hoe Ambohits(imis)aina. Kanjo dia ni(an)katso tao ity taranaka mba noheverina ho rehareha. Ireto ankizy koa moa nanaiky hiditra anaty lalao maloton’ny politika ka dia lalaovin’ny sasany ho amin’ny tombontsoan-dry zareo manokana. Rahoviana vao ho VALALABE MIFOHA?

Mahantra ve ny Malagasy?

Sady ENY no TSIA no valin’iry fanontaniana natao lohateny.

Fa iza tokoa moa no mametra, ary inona no mari-pandrefesana ny fahantràna e?

Ny PNUD amin’ny alàlan’ny antsoiny hoe IPH (Indice de Pauvreté Humaine) ijerena ny tokony hananan’ny tokantrano nefa tsy ananany, sy ny Banky Iraisam-pirenena (Banque Mondiale) no nametraka fa raha tsy mahazo 2 dollars, (eo amin’ny Ariary 4.000) isan’andro ianao farafahakeliny, mba ho enti-mivelona dia olona mahantra no ikilasiana anao.

Dia mipetraka ny fanontaniana fanampiny manao hoe: Mba firy amin’ny Malagasy re no mahazo izay isan’andro e?

Raha atao mantsy ny kajy dia eo amin’ny $ 60 amerikana/volana na Ariary 120.000 / volana izany no tokony hiditra amin’ny tokantrano Malagasy iray vao azo lazaina ho eo amoron-tevan’ny fahantràna izy. Amoron-tevana satria io no fetra faran’ny ambany tsy hidinana any ambanin’ny tsipika mamaritra anao ho mahantra.

Raha mijery antontan’isa eny amin’ny sampana mpiandraikitra ny momba izany anefa isika dia hahita fa mahery be amin’ny antsasaky ny vahoaka Malagasy, hatramin’ny 70%, no tsy mahita afa-tsy ny 1/3-n’io 2 dollars isan’andro io.

Na io aza anefa no zava-misy dia tsy mety miaiky ary tsy manaiky ny ho tondroina fa mahantra izany mihitsy ny Malagasy sasany. Hita taratra izany ao anatin’ilay hiran’i Mamy Basta, ilazany fa hoe mafy toto RaMalagasy, ary ompaina reny vao miha-mahery, ary mbola manamafy izany ny fomba fiteny eny anivon’ny fiarahamonina eny.

Mba hanaronan’ny ankohonana Malagasy iray ny fahantrany dia aleony mampiasa ny teny hoe SAHIRANA, na dia efa hita izao aza fa mahantra noho ny mahantra. Sahia anie ianao miteny hoe ‘Tena mahantra ry zareo atsy avaratra, sns….e‘, dia hahita ny anganonao ianao. Ary henoy ny fiteniny azy rehefa milaza ny tsy fahafaha-mividiny, na ny tsy fahafahany manatanteraka zavatra iray noho io antony io ny tokantrano Malagasy iray: Sahirana akia / lesy izahay a. Fa tsy misy mihitsy hiteny hoe Mahantra lesy /akia izahay a.

I Madagasikara no isan’ny manana io fidirambola ambany indrindra io aty Afrika, satria ny an’ny hafa mahita manodidina ny  $100 / volana.

Betsaka tokoa no mizaka an’izay fahantrana izay, na dia betsaka koa aza ny banky milaza ho mampindram-bola hanalàna fahasahiranana (fahantrana). Fampindramana izay mbola mamatotra bebe kokoa an’ireo izay afa-miditra amin’izay làlana izay, tsy ho afa-trosa, izany hoe alentika hatrany hatrany ho mpitrosa mandrakizay. Fa famnpindramam-bola mampilendalenda kosa ho an’ireo 70% voalaza ery ambony, satria tsy ho afaka ny hahazo izany velively izy ireo noho ny antoka tsy maintsy hotakian’ny banky aminy. Ny hohaniny aza mboa hokarohana. Rahoviana izany izy ireny sy ny taranany no ho afaka hindrana vola hanorenana fihariana? Ankamantatra

Ankoatra ny IPH, dia misy koa ny fandrefesana ny fivoaran’izay ananan’ny tokantrano tsirairay amin’ny alalan’ny antsoin-dry zareo hoe IDH (Indice de developpement Humain)

Ny toerana misy antsika :

Tsy nety votsotra teo amin’ny laharana 130 hatramin’ny 140 amin’ireo firenena 169 hatrany no nisy antsika hatramin’ny taona 2000 nanombohana io fomba fandrefesana io.

Raha hiresaka lafin-javatra hafa toy ny fanabeazana sy fitsaboana indray isika, dia mbola mitoetra foana iry 70%  tsy afaka mitsabo tena sy mampiana-janaka iry.

Iza no tena mizaka ny mafy?

Toy ny any amin’ny tany mahantra rehetra, dia ny vehivavy sy ny kilonja no tena mizaka ny tsy eran’ny aina.  Raha ny taham-pahafatesana sy ny fahelàna velona no hojerentsika dia toy  izao no tarehi-marika azo aroso:

  • reny 350 amin’ny 1000 no mamonjy toeram-pitsaboana rehefa hiteraka,
  • zaza 24  /1000 no tsy azo eo am-piterahana,
  • 22 /1000 maty alohan’ny 5 taona

Izao dia i Madagasikara no manana ny taha ambony indrindra amin’ny resaka Peste eran’i Afrika.

Manan-karena ny Malagasy

Raha jerena amin’ireo harena mivoaka an-tsokosoko sy lazaina fa ato ankibon’i Madagasikara, dia manan-karena ny Malagasy.

Valin’ny fanontaniana ery amin’ny lohateny: Mpanan-karena mipetraka anaty trano bongo ny Malagasy. Tompony mangataka ny atiny, ary efa zatra ny mihafy. MAFY TOTO sy TSY LAITRAN’NY BALAN’NY FAHANTRANA, VONOINA TSY METY MATY.

Suivre

Recevez les nouvelles publications par mail.

Joignez-vous à 400 followers