ANTSO AVO ho an’ny mpiandraikitra ny Commune Urbaine Antananarivo

Vao avy any Antsirabe aho no manoratra ity lahatsoratra ity. Lahatsoratra soratako manokana hiantsoako ny mpiandraikitra ny Commune Urbaine Antananarivo Renivohitra.
Nandritry ny andro vitsy nipetrahako tao an-drenivohitr’i Vakinankaratra dia tena faly sy ravo ery ny saina nahita fa milamina sy madio ny tanàna. Tena mendrika e! Tsy hitako izay ilazana ny zaridaina eo anelanelan’i Tobin’ny [...]

Fomba hiarovana ny tena amin’ny gripa AH1N1

Indro atolotra anao araka ny efa nampanantenaina ny fomba tsotra azo iarovana ny tena sy ny ankohonana amin’ny areti-mandoza, gripa AH1N1. Dia mbola entanina foana ny hanapariahanao izany amin’ireo havana, tapaka sy namana. Ny fiarovanao ny hafa dia efa fiarovanao sahady ny tenanao.

AROVY AMIN’NY GRIPPE AH1N1 NY TENANAO
1. SASAO MATETIKA AMIN’NY SAVONY NA LAVENONA NY [...]

Fantaro ireo fambara ny gripa AH1N1

Mba ho fandraisana anjara amin’ny fanapariahana izay tsara ho fantatra momba ny gripa AH1N1, indro atolotra antsika ireo fambara rehetra ahalalana fa tratr’ilay aretina ny olona iray. Entaniko koa ianao mamaky azy ity mba hanapariaka azy, ho tombontsoa ambonin’ny Malagasy tsy vaky volo, ary ho fitsimbinantsika ny taranaka fara handimby. Aorian’ity dia mbola hatolotro [...]

Asa miandry izay hitondra an’i Madagasikara

Rehefa mihaino ny olona miresaka ianao ary manaraka ihany koa ny vaovao, dia mahatsapa fa misy tranga eo amin’ny 20 isan’andro eo no hita amin’ny gripa AH1N1 eto Madagasikara.
Mbola ny olona miresaka ihany koa no mampita fa any am-pita any dia misy tena ny iray tanàna mihitsy no fehezina tsy hifanerasera amin’ny any ivelan’ny faritra [...]

Marisarisa ny rehetra

Marisarisa ny rehetra eto andrenivohitra amin’izao fotoana izao. Maro ny antony mahatonga an’izay: eo ny doro tanety manempotra sy mitondra fahamainana any anaty orona sy ny maso any, fa eo indrindra koa ny toetrandro izay manafaingana ny fipongatry ny aretina isankarazany.
Fotoana vitsy monja dia nipariaka eran’ny Nosy ny gripa AH1N1. Eran’ny Nosy, satria raha teo [...]

Famindràna Taova, fanolorana taova, rà sns…

Zavatra tsy vaovao amin’ny rehetra intsony izany hoe manome rà izany. Maneran-tany io, ary mahavonjy aina maro tokoa rehefa sendra misy loza na aretina ilàna rà, na taova maika. Izany hoe aina no hovonjena.
Hita saiky manerana ireo toeram-pitsaboana lehibe manerana izao tontolo izao ny antsoina hoe Bankin-drà (Banque de sang).
Zavatra tsy dia mbola misy ary [...]