Valàla sa Fety? Iza no maika ?

Ho anao namako,

criquets_accouplement

Volana iray sisa dia hifety ny Valàla(bemandry), faritra maro anefa no rakotra ‘Valàla tsy mandry’. Sao tokony ho ny ‘valàla tsy mandry’ ary aloha no atrehan’ny fitondram-panjakàna vao ny fety fampatoritoriana ny Valàla(bemandry) ::

Firifiry moa izao no faritra mitaraina fa nolalovan’ny andiam-balàla? Voly tahaka ny inona, sy vokatra an-taoniny firy no tandindonin-doza vokatr’izany?  Toetrandro manome vahana ny fipariahany rahateo izao. Mampivarahontsana na dia ny mieritreritra fotsiny aza fa hoe tany amin’ny toerana sasany dia mainty ny lanitra nandritry ny fotoana nandalovan’ireny andiam-balala ireny, ary na ny fanamoriana fiara sy ‘moto’ aza dia nanano-sarotra tokoa sy nitaky fitandremana fatratra mba tsy hidiran’ny patsa iray tsy omby vava (sy tsy hitelemana valàla eny am-panidinana – araho tsiky kely).

Isan-taona dia tsaroan’ny maro ny fisian’ireo fetibe isan-karazany, karakaraina etsy sy eroa, manerana ny faritany – ho fampandriana adrisa sy familiana ny saina hanadino vetivety ny olam-piainana andavanandro sy ny krizim-pifidianana – ka isan’ireny ny podium, sy ny fandefasana afomanga. Vola an-davitrisa no mitsefotra anaty minitra vitsy mandritra ireny fotoana ireny.

Ho avy ity ny volana Jona, raha misy ny tokony hosemporina ho faty, dia tsy ho ireo vorona mipetraka am-pilaminana etsy amin’ny manodidina an’Anosy velively kosa angamba, fa ireny andiam-balàla izay tsy hoe ‘tokony hapetraka ho fahavalom-pirenena’, fa ‘tsy maintsy raisina ho fahavalo manani-bohitra’ mihitsy.

Satrin’ny Valàla(bemandry) hahita lanonana sy hifety isak’izay misy, ary izay indrindra, izay fahalemena izay no toa lalaovinareo mpitondra isan’ambaratonga sy handrebirebenareo ny vahoaka. Ka na dia efa hita aza fa tsy tokony ho anaty laharam-pahamehana, dia atao ihany. Mino tanteraka aho fa raha voazava tsara amin’ny vahoaka Malagasy ny antony tsy anasiana fety mitalakotrokotroka amin’ity indray mitoraka ity, noho ny hamehana ka hamiliana ny vola efa nomaninareo holaniana amin’izany, mba hoentina kosa hamonoana ny andiam-balàla ‘tsy mandry’, dia hanaiky io vahoaka io fa aleo tsy misy fetibe, toy izay hiaina anaty tsy fahampiana atsy ho atsy, ka hiafara amin’ny ‘Valàla mifanipaka an-karona’ eto Madagasikara eto isika mianakavy. Tsy maintsy izay mantsy no hitranga rehefa raikitra ny fifanilihana andraikitra aoriana ao rehefa mitranga ny tsy mety.

Raha mitsidika ny tranonkalan’ny Ministeran’ny Fambolena ianao, dia ity no hita ery ambony ery: "Fambolena Voarindra, tosika ho an’ny Fanavotam-pirenena". Koa ho anareo mpitondra (na dia efa tamin’ny 2011 aza no vaovao farany misoratra ao amin’io tranonkala io momba ny ady amin’ny valàla, miampy resaka rotsak’orana fotsiny ho an’ny taona 2013), asehoy aminay vahoaka fa tena mikatsaka izay hahasoa anay tokoa ianareo, mikatsaka ‘fanavotam-pirenena’ tokoa ianareo, fa tsy sanatria ho ‘resin’ny valàla -tsy mandry- ‘ amin’ny afindrafindrao eo isika mianakavy. Anisan’ny fanavotam-pirenena ny ady amin’ny ‘valàla tsy mandry’, mba hiadanan’ny valàla(bemandry) sy ny ambanilanitra rehetra.

lahatsoratra mifandraika amin’ny resaka valàla:

http://agir.avec.madagascar.over-blog.com/article-lutte-antiacridienne-seulement-15-millions-de-dollars-collectes-117833373.html

Ny anay no tena izy…

Efa ela no nidradradrana teto mikasika ireny dokam-barotra famitaham-bahoaka ireny. Efa ela no niantsoantsoana teto mikasika ny andraikitry ny ambaratonga tsirairay tandrify izany. Tanteraka tokoa va re ilay hoe  ‘Aleo tara toy izay tsy misy’ ?

Ny tiana hahatongavana dia ny resaka dokam-barotra nataonà vondron’orinasa iray sy fahitalavitra  tsy miankina iray mikasika ireny bracelet sy fitaovana lazaina fa manatsara ny fahasalamanao, mifehy ny tosidrànao sns… ireny.

Nanomboka omaly dia mba nandre ny tena, tao amin’ny fampielezampeom-pirenena RNM sy ny TVM fa hoe nampitandrina ny ministeran’ny fifandraisana, sy ny ministeran’ny fahasalamana, ny amin’ny tsy tokony hanaovana dokam-barotra amin’ny zavatra toy ireny, satria tsy voaporofo ara-tsiantifika, ary tsy nomen’ny ministera fahazoan-dàlana hamidy amin’ny mpanjifa. Fa taiza foana hatrizay?

Mahalasa saina ilay hoe efa aty aoriana be aty vao ‘mody’ manao fanambaràna. Efa miliara maro no nefain’ny olona nividianana azy ireny, sy azon’ny mpamitaka tamin’ireny, vao ‘mody’ misy fanambaràna sy fandraràna. Hany ka mahalasalasa saina ihany hoe tena tamin’ny fo sy saina nandinika lalina tokoa ve no nandrafetana azy iny, sy nitanisàna ireo andinin-dalàna mandràra ny fanaovana an’izany dokam-barotra izany? Soa mantsy hoe ‘efa ampy ny azo ka aleo amin’izay mba mi-sauver la face’. Miala tsiny raha masiaka fiteny, satria efa ELA dia ELA no nitenenana teto. Ary efa tsy nitsahatra ny nandefa hafatra mivantana ho an’ilay fahitalavitra rahateo koa tamin’izany fotoana. Ekeko fa asa ny azy manao dokam-barotra, fa rehefa mba notairina hoe ‘misy zavatra tsy manjary ao’, dia mba tokony ho nisaina kely ihany vao nanohy taty aoriana. Ny zava-nisy mantsy dia vao mainka aza nampiakarin-dry zareo plateua ilay vondron’orinasa, ary noraisiny toy ny fandraisana vahiny manan-kaja, mba hitondra fanazavàna sy fanasàna ny tavany mikasika ireo fanakianana sy fanenjehana nafafy teto sy tany an-kafa rehetra tany. Misy ny haitao azony (ary fampiasany isanandro) nampiasaina tsara hanaovana fikarohana ny amin’ny maha-mitombina na tsia ireny kiana marobe ireny, nefa na tsy nataony, na tsy norararahainy, fa dia ny nanohy niasa nanampy an’ilay vondron’orinasa hanapariaka ilay vokatra hatrany no nataony.

Manomboka eto izany dia mbola manentana anareo rehetra mpanjifa izay mahita ity hafatra ity: tandremo sy fantaro ihany ny zavatra vidiana. Mba manontania olona maromaro aloha vao miroboka, fa tsy hoe olona iray dia ampy, ary aza mora roboka amin’ny filaza hoe ‘NY ANAY IHANY NO TENA IZY….. fa sandoka ireny tsy misy mari-pamantarana ireny. Isan’ny fitaka be sy fandrebirebena atao anao mpanjifa irey. Moa va tsy toy ireo antokom-pinoana maniry toy ny anana eran’ny tanàna manao hoe ‘ATY AMINAY NO MISY JESOSY…! ‘

Fa izay farany tiako hotsindriana dia ity: nahasorena ahy mafy ny tsy fahasahian’ireo tomponandraikitra mitanisa mivantana ireo karazam-bokatra iantefan’ny fampitandremany, sy izay orinasa na haino aman-jery nanao izany, mba hisy hisaintsainan’ny hafa. Sa mbola mipetraka koa ny hoe ‘présomption d’innocence’, nefa efa fantatrareo izao fa hoe nandika lalàna, izany hoe meolka na dia tsy mbola namoahan’ny fitsaràna didy mikasika izany aza. Maninona no tsy tonga dia tsipihana ao anaty hafatra ny hoe ‘toy ny POWER BALANCE sns…?

Ity kifonofonon-dragasy ity no efa tsy nampandroso hatrizay. Mba miova e! Mba mivantambantàna toa anay, sa mbola hiforiporitra hiandry ny hoe ‘Izay mahasoa ataon’Andriamanitra? ‘  ….Dia ho vatolampy angerezan’ny vorona eo foana isika mianakavy raha izany no izy

Mitokona indray ny BFV/SG

Ho zendana indray izay tsy mahalala androany fa hoe mitokona mitaky fisondrotan-karama 13% ny mpiasa ao amin’ny #BFV-SG #Madagascar

Nantsoina hanatevina laharana ety Antaninarenina daholo koa ireo mpiasa rehetra any amin’ny zana-tsampana. Inona re no hitranga androany e? Haharitra mandra-pahoviana indray koa izy ity?

Mazava loatra fa ny mpanjifa hatrany no hihinana ny tadin’ny fanitsaka amin’izay fandehany eo. Koa mahaiza mitsitsy ny eo an-tànana aloha fa sao sanatria mbola amin’ny fotoana tsy voafetra izy ity vao hifarana

Indreto sary vao maraina atolotra anareo

DSCF0732

DSCF0733DSCF0734

 

 

Ny ‘Herin’ny ISIKA’ na ny #powerofwe

Fanao isan-taona ny BLOG ACTION DAY, efa maro ny lohahevitra nentina nanamarika izany isan-taona, fa ny HERIN’NY ISIKA kosa na #POWEROFWE no nofinidy ho entina mankalaza ity taona 2012 ity.
Toa tsara petraka tokoa ilay lohahevitra ho anay eto amin’ny bilaogy Gazety_Adaladala satria isan’ny hery lehibe nentinay nanatanteraka fifanohanana sy famonjena ny sahirana ny ISIKA hatreto. ISIKA  (‘WE’ amin’ny teny Anglisy), satria na nisy tokoa aza ny hetaheta sy fanirianay hanao izay tratra ho fanampiana ny olona niantefan’izany famonjena noeritreretina izany, dia tsy ho efanay samirery noho ny hasarotry ny asa sy ny dingana tsy maintsy ho lalovan’ilay raharaha nirotsahana.

Raharaha inona tokoa?

Angamba hoy ny sasany hoe ianareo no te-hila raharaha toa an-Rainizafilemena any! – Ho valin’izay kosa anefa dia hoy izahay hoe Tsy misy ny mahavita tena, ary ny Soratra Masina aza mandrisika ny manana hanolotra ho an’ny osa.

Noho ny finoanay io teny hoe ISIKA io, dia niroso izahay, nandray an-tànana zaza iray nila vonjy amin’ny fitsaboana tsy maintsy hatao aminy, nefa tsy efan’ireo nahitany masoandro, noho ny maha-fianakaviana tantsaha sy tsy manana fidiram-bola hisahanana ny lany amin’izany. Ny tranga mahazo an’i RALIVAO Fitahintsoa Joséphine no tiana hambara. Mety ho efa renao ihany angamba.

Noho ny fitokianay ilay ISIKA dia tsy natahotra izahay, ary dia vita ny dingana voalohany, Scanner + Echo + Radio + Chimio sns…

Noho ISIKA mpinamana tsy mifanary, na ny eto an-tanindrazana, na ny any ampita (Frantsa, Canada, Italie, USA, sns… tsy ho voatanisa) dia mbola ambony ny fanantenanay fa ho tontosa hatramin’ny farany ny fitsaboana efa natomboka.

Noho ny HERIN’NY ISIKA nifikiranay dia mizotra tsara ny fandraisana andraikitra natao, ary mbola noho ISIKA dia matoky ny ampitso mamiratra ireo sahirana sendra mifanojo amin’ny lalan-tSIKA.

Meteza ary ISIKA mba ho ny AMPITSO, ary ny HERIN’NY ISIKA no ‘ndeha ho entina manatratra ny tanjona. Tsy hisaratsaraka, na hanava-tena, fa hanambatra ny hery sy hiray hina kosa (#powerofwe, #BAD12,#Power of we, #Oct152012)

Tanisa kely ho entina mamarana ny lahatsoratra

"Rire souvent et beaucoup, mériter le respect des gens intelligents et leur affection , gagner l’estime des critiques honnêtes et endurer les trahisons de ceux qui ne sont pas de vrais amis, apprécier la beauté, trouver ce qu’il y a de mieux chez les autres, laisser derrière soi un monde un peu meilleur, savoir qu’une vie seulement a respiré plus facilement grâce à vous, voilà ce qu’est la réussite" – Anthony Robbins

Mbola #PowerBalance ihany

Nampalahelo ilay ramatoa iray tetsy akaikin’ny Le Six Antaninarenina omaly. Efa samy nahazo taona ihany izy mirahavavy niara-nizotra ireo.

Hoy ilay iray voalohany(1): Dia tsy hitako aky izay vokatr’ilay izy ka! Tena ny volako fotsiny no lany nividianana an’iny
Ilay faharoa(2) : Nefa anie misy olona milaza fa mahita tory ery tamin’izy iny e
(1): Firy akia izay namako nifampiresaka tamiko izay, tsy efa ho 7 angamba? fa raha nisy iray nilaza hoe nahita soa tamin’ilay izy
(2): nefa anie ny dokam-barotra r’inao toa mipoapoaka ery e. Ndaha akia miverina any dia asaivo soloiny hafa fa sao ilay azon-dry no tsy mety a
(1) koa raha tsy inona izy koa hanaiky an’izany, Taiza akia no nisy mpivarotra gasy mbola nanaiky an’izany
.
.

Tena marina loatra, tsy mbola betsaka ny mpivarotra (mpamitaka) hanaiky ny hamerina na hanolo zavatra toy izany, izay efa fantany tsara fa zavatra tsy manjary no namidiny taminao. Ny fanjakana aza moa minia tsy mijery (mahazo tsirony angamba) ka inona no iraharahiany anao izay vahoaka madinika ILAINA TSENTSEFINA ISANANDRO io

Mba fantatrao hoe inona ilay noresahan’ireto nenibe anankiroa nijaikojaiko ireto? ny  #POWERBALANCE amidin’ny JK sa GK na GICA group

Entano ny havanareo rehefa tsy azo resena lahatra mba hitaky facture mazava tsara tokoa, sao mba hisy ho sahy ihany hitondra ity resaka ity eny amin’ny fitsarana sy ny ambaratonga mahefa aoriana ao

Toavina Ralambomahay & #TEDxTNR

Toavina Ralambomahay, mpan dray anjara amin’ny #TEDxTNR 2012

Isan’ireo olona nofinidin’ny #TEDxTNR ho isan’ny mpizara traikefa amin’ity andiany faha-4 ity ny Consultant, Talen’ny famoahana ny ‘revue juridique MCI‘ sady mpanoratra momba ny resaka ara-politika, Toavina Ralambomahay, izay mbola tena mbola tao anatin’ny hatanoràny tokoa dia efa hitan’ireo trano famoaham-boky tany ivelany ny talentany. Teo amin’ny faha-29 taonany mantsy izy dia efa niara-niasa tamin’ilay ngezalahy ao Paris, ny L’Harmattan tamin’ny famoahana ny boky ‘Madagascar dans une crise interminable‘, taona 2011.
Ankoatra ireo dia efa nanoratra ireo boky manaraka ireto ihany koa izy

·Tableau de science politique, Editions Jeunes Malgaches, Tana, 2009.

Eo am-pikarohana mpanonta boky izy ankehitriny mba hamoahana ny Recueil de bêtisier d’hommes politiques sy hijerena izay fomba hamatsiana an’i Madagasikara amin’ireny boky ireny avy any Paris.

Nazavainy tamin’ny mpanatrika androany ny nanosika azy hanoratra azy io sy ny antony hoe tany ivelany no namoahany azy. Izay nataony tao anaty vanim-potoana saropady tokoa, mba hanaporofoana amin’ny rehetra fa tsy ny vahiny ihany no afaka manoratra ny tantaran’i Madagasikara, ary ireo izay mpisehatra kianiny ao anatin’io anefa dia mbola amperin’asa daholo.

Any anatin’ny sanganasany any dia ezahany ny mamantantra ny fototry ny olana; nahoana no mitarazoka? Inona no andraikitry ny hery vahiny sy ny mpisehatra Malagasy ao anatn’izany? Ary mazava ho azy fa eo koa ny fanolorany vahaolana mba tsy ho fanakianana be fahatany fotsiny.

Firotsahana an-tsehatra ny asa fanoratana. Ho azy dia fandraisan’andraikitra amin’ny maha-olom-pirenena mba ho entina mametraka amin’ny tena toerany ny atao hoe politika.

hoy izy nandritra ity TED Antananarivo ity hoe

lire est un effort intellectuel

Hatreto ny asa sorany dia fakàn’ireo mpampahalàla vaovao iraisam-pirenena aingam-panahy (BBC afrique, Africa Magazine, Africa One, l’Express Maurice, l’Eco Austral), tsy afa-bela amin’izany koa ny eto an-tanindrazana (TV plus,  sns…)

TEDxAntananarivo : Communiqué de Presse

 

Communiqué de presse

TedxAntananarivo le 1er Septembre 2012 en un clin d’oeil

 TED:Technology, Entertainment, Design.

Fort de ses débuts en 2009 initié par Harinjaka Ratozamanana – boursier TED et titulaire de la licence TEDx Antananarivo (TED fellow), le collectif TEDx Antananarivo renouvelle l’expérience le 1er Septembre 2012 prochain à l’Hotel Carlton Anosy pour une quatrième édition organisé à Madagascar, invitant près de 500 spectateurs et proposant 13 prestigieux orateurs malgaches présélectionnés qui interviendront devant un public pour donner leur analyse du monde sans cesse changeant.

« BACK TO… » sera le thème qui fera référence au retour à la vie active et au redémarrage des activités après les vacances, à l’échelle de l’individu comme de la communauté. Inspirer et booster à travers les différentes interventions axées sur ce qui se fait de meilleur dans le domaine de la Technologie, de l’Entertainment (divertissement) et du Design.  Comme l’ensemble des conférences TED et TEDx, sachant que le « x » est utilisé pour les conférences organisées de manières indépendante, en partenariat avec TED au niveau international. Ces conférences visent  à ouvrir une plateforme de discussion et de rencontres pour des idées riches et toujours plus innovantes.

Le « mouvement-phénomène » TED (Technology-Entertainment-Design) est une organisation à but non lucratif. Une conférence TED  rassemble une série de conférenciers pour de courtes interventions de 18 minutes au plus, visant chacune à présenter une idée, un concept. 18 minutes où chaque conférencier doit prendre possession de l’espace sur scène, pour partager ses connaissances et sa vision… Quelques minutes riches animées avec un ton passionnant et enrichissant.

Filmées et diffusées sur le site TED lors des TED Events ou des TEDx pour les conférences organisées de manières indépendantes à travers les licences.

TED rassemble chaque mois de fevrier durant quatre jours des participants venant d’horizons différents et passionnés de TED.

Suivant leur slogan «Ideas worth spreading», les organisateurs de conférences TED espèrent ainsi faire circuler les meilleures idées à l’échelle du globe.

 Contact presse :

Centre de presse malagasy: ivongazety@gmail.com

contact@tedxantananarivo.mg

http://www.tedxantananarivo.mg

Atsimo Andrefana: Fanodinkodinana Fanampiana Avy Any Ivelany

Any Atsimo Andrefana no miseho ny tantara.

Iarahantsika rehetra mahalala fa isan’ny faritra tratry ny ‘kere’ matetika ary saro-miarina amin’izany iny faritra Atsimo iny. Sahirana araka izany ny ankohonana maro, na izany mikasika ny hanina ho hanina, mainka moa fa ny hiahy ny hahazoan’ny taranany fahasalamana sahaza, sy fampianarana tahaka ny hafa mandia sekoly. Ny fahitàna izany no misarika ireo vahiny tsara sitrapo sy malala-tànana hitondra izay voatsirambin’ny tànany hanampiana ny zaza Malagsy maniry ny hitovy amin’ny namany.

Misy araka izany fikambanana mamatsy vola tsy tapaka isam-bolana, mitentina eo amin’ny 27.000.000 Ariary eo ho eo ho anà tanàna iray any amin’iny faritra Atsimo Andrefana iny. Tsy mivantana avy hatrany amin’ireo mila izany anefa ny vola fa tsy maintsy mandalo aminà ONG iray. Vola natao hisahanana ny fampianarana, ny fahasalamàna ary ny fiahiana ara-tsakafo mahakasika ankizy maherin’ny 700 izy io, ka tafiditra ao anatiny ireo mpanabe am-polony sy olona mahazo asa mivantana, na ankolaka amin’izany fanampiana izany.

Tsy ireo malala-tànana avy any ivelany ihany anefa no mamatsy ity ONG ity, fa hatramin’ny P.A.M aza.

Fotoana maharitra ihany no tsy nanoloran’ity ONG ity tamin’ireo mpamatsy azy ny fanamarinana ny fampiasam-bola nataony hatrizay, ary rehefa notakiana aza izany, dia ireo mpitantana azy indray no nanangan-tsampona, ka niafara tamin’ny fanapahan’ireo mpamatsy ny fanampiany, isan’ny nanao izany ny PAM

Fa inona no nitranga?

Raha ny vaovao fantatra hatreto dia misy tsy mazava ny fitantanana ao, ary tsikaritra ny fisian’ny fanodinkodinana ireo fanampiana voaray. Lasa fitadiavan’olom-bitsy tombontsoa ho azy ireo ilay ONG Malagasy. Narirarira ireo mpanabe izay niafara tamin’ny fametraham-pialan’ny 15 mianadahy tamin’izy ireo mihitsy (18 sy 19 Jolay 2012). Ary nisy tamin’ireto mpanabe aza no mbola voataritarika noho ny fanendrikendrehana azy teny amin’ny fitsarana. Heloka niampangana azy tamin’izany ny fanodinkodinan zaza tsy ampy taona, ka nidirany am-ponja 2 taona sazy mihatra noho ny fijoroana vavolombelona mandainga (niaiky nilaza ny marina ihany moa ilay nolazaina fa zaza tsy ampy taona voahodinkodina fa hoe nanao izany noho ny fandrahonana nahazo azy sy ny fampitahorana ny hahatapahan’ny  fanampiana raisiny). Nanao fampakarana ny didy kosa ny mpiaro ny voampanga, ary eo ampiandrasana ny tohiny.

Ahoana ny tohiny?

Eo ampiandrasana ny valin’ny taratasy nalefan’ireo vahiny mpamatsy vola ireo ho an’ny manampahefana isan’ambaratonga mba hijery akaiky sy ara-drariny ity raharaha fanodinkodinana fanampiana ity, dia tsara ihany ny misarika ny saintsika Malagasy rehetra amin’ny hoe: ao anatin’izao vanim-potoana sarotra lalovan’ny isan-tokantrano izao, tombon-dahiny ny fisian’ireny mpanohana ireny, koa angamba diso fihevitra sy fihetsika ihany isika raha toa ka hifampitsentsitra an-toerana sy hanimba ny ho avin’ny taranaka tahaka izany. Zara aza mba misy olona afaka manohana, fa raha izy ireny tokoa moa no manana ilay foto-pisainan’ny maro amintsika hoe : tsy an’i dada, tsy an’i neny, dia mba ho toy inona isika sy ny taranatsika?

Antenaina araka izany ny hijeren’ny fitsarana sy ny manam-pahefana isan-tokony ity raharaha any Atsimo Andrefana ity amin’ny saina sy maso tsy miangatra fa mampalahelo raha ny tsy manantsiny hatrany no hizaka ny mafy sy ny tsindry hazolena.

HAFATRA FARAN’IZAY MAIKA HO AN’NY MALAGASY REHETRA, indrindra ny faritra andrefana

Dia gaga ianao mahita ny fankalazana ny #POWERBALANCE tao anaty #GAZETIKO androany (10 /08/2012). Hanafika an’i Mahajanga, Maevatanana Ankazobe ry zareo ato anatin’ny andro vitsy, hetsika mety hiarahany amin’ny #MadaVision. Indrisy…..!
Dieny izao ampitampitao ny hafatra mba tsy ho voafitaka ny havanareo sy ny namanareo.
Asaivo mba mijery sy manao recherche anaty Google ny hoe ‘power balance + arnaque’ ny olona

OMAPI, hono

Mampalahelo raha ilay filazan’ilay #JKGroup azy ao hoe efa nahazo alalana tamin’ny #OMAPI hono izy hivarotra azy io. Fa angaha moa izany no andraikitry ny OMAPI , manome alàlana hivarotra hosoka? Tsy ny manamarina sy mitahiry ny marika sy ny fizaka-mànana ara-indostrialy va re no andraikiny?

TANY TSY MISY MPITONDRA TOKOA VE?
Fa aiza ireo Ministera isan-karazany ireo, sy ny mpitondra isan’ambaratongany no tsy maneho hevitra sy mandray andraikitra e ? Sa koa olona tsy manjary daholo, hatrany amin’ireny ambaratonga ambony rehetra ireny no misy eto ka tsy afaka ny handanjalanja izay hahasoa ny vahoaka intsony? Sa zavatra hjafa mihitsy no laharam-pahamehana, ka avela ho resabe toy ny Club Satanika indray vao mody hisehoseho etsy sy eroa haneho hevitra?  Tena mampametra-panontaniana an!

EFA BETSAKA  IZAY

Efa betsaka izay resaka natao izay, indrindra taorian’ireo dokambarotra nalefan’ny #RNM sy  ny #TVPLUSMADAGASCAR mikasika azy ity, fa ny hany làlana tsotra atoro anareo dia mba tsidiho ny pejy Facebook tvplus dia karohy ao ny resabe niainga sy ny fanamarihana avy amin’ny olona mpanaraka io pejy io. Hatramin’ny olona avy any Italie aza naneho ny tsy maha-izy azy io ao

Rohy azonareo tsidihana hanamarinana izay voalaza etoana:

http://tulearenvie.mondoblog.org/2012/07/31/3-choses-que-vous-devez-savoir-sur-le-bracelet-power-balance/

http://www.europe1.fr/International/Power-Balance-le-bracelet-de-l-arnaque-833473/

http://belli-sport.over-blog.com/article-l-arnaque-power-balance-enfin-devoilee-86393396.html

http://www.melty.fr/power-balance-la-fin-de-l-arnaque-des-bracelets-actu46820.html

http://blog.surf-prevention.com/2010/12/23/bracelets-a-hologrammes-power-balance-remboursement-clients/

http://blog.surf-prevention.com/2010/08/09/power-balance-efx-efficacite-danger-hoax-placebo-bracelets-magiques/

http://www.linternaute.com/sport/pratique/bracelets-power-balance-l-arnaque.shtml

http://www.smh.com.au/small-business/power-balance-wristbands-a-sham-accc-20101223-1960g.html

http://www.meltystyle.fr/power-balance-le-bracelet-magique-teste-par-actu40295.html

Mbola be no azo atolotra fa ireo aza efa mahavalalanina ny maso sy  ny saina

POWER BALANCE – FITAKA BEVAVA

Manana io karazana ‘bracelet’ io ve ianao? Nanova zavatra teo amin’ny fainanao? Ary sao mba terenao hanaiky ny fisian’ny fiovana fotsiny kosa ny sainao, mba tsy hanenina amin’izay vita?Tany Eoropa tany izy io dia namidy 26 euros ny iray ary na ry David Beckham sy Ronaldo Cristiano ary Kim Gevaert aza dia mba isan’ny voajono taminy. Namidy toy ny mividy mofo izy tamin’izany fotoana. Nampitsiry hevitra tao an-tsain’ny mpanao hosoka rahateo koa moa izany mba haka tàhaka azy ity sy hanao azy ho fidiram-bola. Vita amin’ilay akora antsoina hoe "silicone" izy ity. Mety hiloko fotsy, mainty na "fluo", ary eo afovoany no misy sary voasikotra tamin’ny alalan’ny teknolojia antsoina hoe "hologramme".Ary nodradraina fa afaka hitondra firindràna sy tanjaka eo amin’ny toe-tenan’ny olona mitondra azy. Nameno tsena tany Belzika izy io tamin’ny 2010.

Le bracelet Power Balance était une arnaque

ilay mpanjakan’ny fandrindram-piainana. Hahaha

Nisy aza moa tafakatra ambonin’ilay voalaza ery ambony ny vidy nandrosoana azy teny amin’ny tsena, narahana doka mampilendalenda toy izao:

« Power-Balance dia teknolojia mampiasa ny  hologramme nokarakaraina manokana miaraka aminà fréquences miara-miasa amin’ny hery avy amin’ny tenan’ny olombelona mba hanatsara ny firindrany sy ny tanjaka ary ny fahalefahany.
Taorian’ny vokatra tsy mampino hita tany USA, efa azo jifaina eto Eoropa ankehitriny ny Power Balance !
Vidiny tsy mampino !
vidiny tokony ho izy : 35,90 €
Vidiny mandritra ny fotoana voafetra : 24,90 € »
tao amin’ny http://www.leaderpharma.com/.

Nampiasa fatratra ny Facebook mba hanelezana sary sy hanaovana dokambarotra tamin’ny alàlan’ny fampandraisana anjara ireo atleta samihafa ny Power Balance. Ary tamin’izany dia vitany mihitsy ny nampitandrinasao voafitaky ny mpanao hosoka! Hasahiana re izany! Izy ireo izay mpanao hosoka sy mpamita-bahoaka rahateo.

Maro ny mpampahalala vaovao tamin’izany no efa nahatsikaritra fa tsy misy fototra ara-tsiantifka azon’ny Power Balance hanamarinana ny zavatra lazainy. Ho an’i Frantsa dia ny tranonkala Surf Prevention no nampitandrina voalohany. Fa tsy nandray fepetra mifanaraka amin’izany ny sampan-draharaha Frantsay miaro ny mpanjifa sy mpanenjika ny fanaovana hosoka, na ny Direction Générale de la Concurrence, de la Consommation et de la Répression des Fraudes (DGCCRF), raha ny mifanohitra amin’izany kosa no nataon’ny ACCC tany Aostralia. Tonga dia nanasazy avy hatrany ny tompon’ny ‘bracelet Power Balance’.

Voatery nilaza ny marina sy niaiky ny Power Balance taorian’ny fandraisana andraikitra nataon-dry zareo Aostraliana fa dokambarotra feno fitaka sy lainga no nataony, ary tsy misy fototra siantifika manamarina ny zavatra nolazainy. Noteren’ny Aostraliana ihany koa ry zareo  hamerina ny volan’iro mpanjifa izay manao fangatahana ho amin’izany ary mahatsiaro tena ho voarebireby. Noterena hanaisotra ny laza masaka fanaony tao amin’ny tranonkalany sy ny fonosan’entany ihany koa.

Hatramin’ny faran’ny taona 2009 dia nisy koa ireo orinasa hafa nirotsaka tamin’ny fandrebirebena ka nahita vokatra toy ny azy ity, ary ny Power Tonic dia isan’ireny, nolazaina fa « bracelet magnétique dernière génération », namidy (29€) teny amin’ny Farmasia sy toeram-pivarotana fanafody samihafa.

Greg Whyte, manampahaizana manokana momba ny fanatanjahantena ary mampianatra ao amin’ny Anjerimanontolon’i Liverpool dia nilaza fa ireny no antsoina hoe ‘effet Placebo’, izany hoe rehefa resy lahatra ianao, dia toa mandaitra sy nahitàna vokatra ilay izy, mandra-paha….tonga saina anao fa hoe hay fita-bitro no nahazo anao.

Taorian’ny nataon’i Aostralia, iza no firenena ho sahy hilaza ampahibemaso fa hoe fitaka bevava mahatsiravina iny? Sa hanakombom-bava satria nahita rirany kely tao, na tena tompon’antoka voalohany mihitsy koa aza angamba?

Mba te-hahazo fanehoan-kevitra avy amin’ireo eto Madagasikara (#Madagascar) izay efa nividy azy iny koa aho raha misy afaka mametraka amin’ity lahatsoratra ity ianareo mpamaky. Satria dia nanaovana dokambarotra be teto amintsika izy ity ary namidy taminà farmasia teny Antaninarenina teny, ho an’ny teto an-drenivohitra. Isaorana mialoha. Toy ity ny endrika sasany amin’ireo ‘bracelets fototry ny resatsika eto:

Power Balance arnaque Le bracelet Power Balance = Arnaque

Fanontaniana mampiasa loha: tena tsy nahafantatra an’izao zavatra izao ve ny mpiaro ny mpanjifa eto Madagasikara? Toy izany koa ny manampahefana isan-tokony? Sa sao sanatria hoy aho tery aloha ka , na mahazo tombony ao anatiny, na tena mpisehatra voalohany amin’izy ity? Ohatra hoe, nifampiraharaha tamin’ny tany amin’ny mpanao azy mihitsy hoe, aiza ho anay fa hainay ny mandafo an’io, SATRI any Madagasikara ny DIKY ihany no tsy azo amidy. Miala tsiny
Lahatsoratra mifandraika:

Suivre

Recevez les nouvelles publications par mail.

Joignez-vous à 400 followers