Oviana i #Andry Rajoelina no nanatitra ny firotsahany?

Fanontaniana napetraky ny maro ny hoe: oviana izy no nanatitra? Ara-potoana ve ? sa taty aoriana? Dia ho iza izany izao no hotohanan’ny antoko TGV , sns….?

Fa izay nanaitra teny anaty tambajotra sosialy no indro ampitaina amintsika mpamakyan’ity bilaogy adaladala ity, satria dia nahita zavatra adaladala tokoa izy, ka tsy ariny, mikasika iry fanontaniana hoe " oviana? ". Natao dika petaka tsy nasiam-panovàna ity hafatra eto ambany ity

MBOLA HANARA-DALÀNA MOA ISIKA ITY ?

Naka fotoana naharitra mihitsy izahay mba handinihina taorian’ny "fanambaràn’ny CES mikasika ny filatsahan-kofidian’i Andry Rajoelina". Tsy nanao afa-tsy ny nihaino sy nijery ary namakafaka. Na inona na inona aloha filazan’ny CES dia tsy takona hafenina ny "tsindry nahazo azy". Ary dia nanao fahotàna mahafaty sy mahamenatra. Ny tenanay dia nanatona ny HCC ary nilaza tamin’izy ireo fa toa tsy mandeha ny tranonkalany. Dia nisaorana azy ireo fa dia azo nojerena tao ihany ny lisitr’ireo KANDIDÀ MIISA 49 nametraka ny antontan-taratasy firotsahany ho fidiana ny afak’ampitson’ny andro farany filatsahan-kofidiana.
SIVY AMBY EFA-POLO no voarakitra tao.
Androany zoma, faha-03 may 2013 no "nametraka" ny filatsahan-kofidiany i Andry Rajoelina, ary dia "neken’ny CES". Porofo mihohoka amin’ny tenda ny "kabary nataon’i Andry Rajoelina teny Ivato" izay nanambara fa "tsy nirotsaka izy".
Mitovy tsisy valaka tamin’ilay nitranga tamin’ny "Référendum" niantso ny Vahoaka hifidy amin’ny alàlan’ny Karnem-pokontany indray izao mitranga izao.
TSOTRA NY TENINAY : NATAO HITSAHIN’NY MANAMPAHEFANA NY LALÀNA.

Miala tsiny aminareo, fa tsy fombanay ny miresaka lavabe toy izao, kanefa dia mba tsy maintsy misy ihany izany manoloana ity "fahotàna mahafaty" ity.

Alohan’ny hanomezanay ny toromarika ho an’ny Olompirenena rehetra, dia mamelà anay hampahatsiahy ireto andinin-dalàna roa manaraka ireto :

LALAMPANORENANA
Andininy faha-166 :
… Raha misy fahabangan-toeran’ny Filoha, n’inon’inona antony dia iarahan’ny Praiminisitra, Filohan’ny Filankevitra Ambony ny Tetezamita ary ny Filohan’ny Kongresy misahana ny asan’ny Filoham-panjakana.

TONDROZOTRA
Andininy faha-14 :
Ny Filohan’ny Tetezamita, ny Praiminisitra nifanarahana ary ny Mambra ao amin’ny Governemanta dia tokony hametra-pialana amin’ny asany 60 andro alohan’ny vaninandro anaovana ny latsabato, raha toa izy ka tapa-kevitra hilatsaka ho fidiana amin’ny fifidianana Solombavambahoaka sy Filohampirenena. Na izany aza, mba hamenoana izay rehetra mety fahabangana eo amin’ny lafiny lalàna, dia hisy lalàna hankatoavin’ny Parlemantan’ny Tetezamita mba hamaritra ny fepetra fampiharana mifandraika amin’izany.

- – - TOROMARIKA AROSONAY – - -

Ô RY VAHOAKA,
ANDAO ISIKA HIFIDY, HAHAY HIFIDY …
TSY HANAIKY TARITINA AMIN’NY KORONTANA ISIKA …
TSY HIFIDY OLONA TOA AN’I ANDRY RAJOELINA ISIKA …
HASEHONTSIKA FA MAHAY MIFIDY ISIKA …

Ô RY MPITARIKA ISAN-TSOKAJINY,
AMPAHALALAO SY AMPIANARO AN’NY OLOMPIRENENA REHETRA NY TSY FANARAHAN-DALÀNA NATAON’I ANDRY RAJOELINA SY NY FITSARÀNA MANOKANA …

Ô RY RAIAMANDRENY FFKM,
ELA NIJALIANA NY VAHOAKA, ARY TSY KILALAO NY AIM-PIRENENA …
SAHIA MIJORO MANAMELOKA NY TSY FANARAHAN-DALÀNA …

Ô RY MIARAMILA,
TSY HITSITSY AMIN’IZAY TSY MANARA-DALÀNA IANAREO, HOY IANAREO …

Ô RY COUR ÉLECTORALE SPÉCIALE,
MBOLA HO TSARAINA IANAREO …

HAMARANANA, HIVAVAKA HO AN’NY FIRENENTSIKA ISIKA.

MBOLA HANARA-DALÀNA MOA ISIKA ITY ? Naka fotoana naharitra mihitsy izahay mba handinihina taorian'ny "fanambaràn'ny CES mikasika ny filatsahan-kofidian'i Andry Rajoelina". Tsy nanao afa-tsy ny nihaino sy nijery ary namakafaka. Na inona na inona aloha filazan'ny CES dia tsy takona hafenina ny "tsindry nahazo azy". Ary dia nanao fahotàna mahafaty sy mahamenatra. Ny tenanay dia nanatona ny HCC ary nilaza tamin'izy ireo fa toa tsy mandeha ny tranonkalany. Dia nisaorana azy ireo fa dia azo nojerena tao ihany ny lisitr'ireo KANDIDÀ MIISA 49 nametraka ny antontan-taratasy firotsahany ho fidiana ny afak'ampitson'ny andro farany filatsahan-kofidiana. SIVY AMBY EFA-POLO no voarakitra tao. Androany zoma, faha-03 may 2013 no "nametraka" ny filatsahan-kofidiany i Andry Rajoelina, ary dia "neken'ny CES". Porofo mihohoka amin'ny tenda ny "kabary nataon'i Andry Rajoelina teny Ivato" izay nanambara fa "tsy nirotsaka izy". Mitovy tsisy valaka tamin'ilay nitranga tamin'ny "Référendum" niantso ny Vahoaka hifidy amin'ny alàlan'ny Karnem-pokontany indray izao mitranga izao. TSOTRA NY TENINAY : NATAO HITSAHIN'NY MANAMPAHEFANA NY LALÀNA. Miala tsiny aminareo, fa tsy fombanay ny miresaka lavabe toy izao, kanefa dia mba tsy maintsy misy ihany izany manoloana ity "fahotàna mahafaty" ity. Alohan'ny hanomezanay ny toromarika ho an'ny Olompirenena rehetra, dia mamelà anay hampahatsiahy ireto andinin-dalàna roa manaraka ireto : LALAMPANORENANA Andininy faha-166 : … Raha misy fahabangan-toeran’ny Filoha, n’inon’inona antony dia iarahan’ny Praiminisitra, Filohan’ny Filankevitra Ambony ny Tetezamita ary ny Filohan’ny Kongresy misahana ny asan’ny Filoham-panjakana. TONDROZOTRA Andininy faha-14 : Ny Filohan'ny Tetezamita, ny Praiminisitra nifanarahana ary ny Mambra ao amin'ny Governemanta dia tokony hametra-pialana amin'ny asany 60 andro alohan'ny vaninandro anaovana ny latsabato, raha toa izy ka tapa-kevitra hilatsaka ho fidiana amin'ny fifidianana Solombavambahoaka sy Filohampirenena. Na izany aza, mba hamenoana izay rehetra mety fahabangana eo amin'ny lafiny lalàna, dia hisy lalàna hankatoavin'ny Parlemantan'ny Tetezamita mba hamaritra ny fepetra fampiharana mifandraika amin'izany. - - - TOROMARIKA AROSONAY - - - Ô RY VAHOAKA, ANDAO ISIKA HIFIDY, HAHAY HIFIDY … TSY HANAIKY TARITINA AMIN'NY KORONTANA ISIKA … TSY HIFIDY OLONA TOA AN'I ANDRY RAJOELINA ISIKA … HASEHONTSIKA FA MAHAY MIFIDY ISIKA … Ô RY MPITARIKA ISAN-TSOKAJINY, AMPAHALALAO SY AMPIANARO AN'NY OLOMPIRENENA REHETRA NY TSY FANARAHAN-DALÀNA NATAON'I ANDRY RAJOELINA SY NY FITSARÀNA MANOKANA … Ô RY RAIAMANDRENY FFKM, ELA NIJALIANA NY VAHOAKA, ARY TSY KILALAO NY AIM-PIRENENA ... SAHIA MIJORO MANAMELOKA NY TSY FANARAHAN-DALÀNA ... Ô RY MIARAMILA, TSY HITSITSY AMIN'IZAY TSY MANARA-DALÀNA IANAREO, HOY IANAREO ... Ô RY COUR ÉLECTORALE SPÉCIALE, MBOLA HO TSARAINA IANAREO … HAMARANANA, HIVAVAKA HO AN'NY FIRENENTSIKA ISIKA.

J’aime · · Partager · il y a 9 heures ·

Ny tsianjery maimbon’ny #MOOV sy #TELMA

Feno boloky vraky be ao amin’ny #Moov #TELMA ao an, sady tena hain-dry zareo tsara ny mampamerin-desona azy ireo:
-redemarrer-o aloha ny modem
-vider-o ny cache
-sao marobe ny ordi miasa
-tratry ny limitation 40Go ianao
-tsy mampiasa azy à bon escient
-ping-éo ity sy iroa
-sao mila tokony hosoloina ny prise ery amin’ny modem
-apetraho iny telefaona iny fa hanao verification ligne izahay
-handefa technic(h)iens izahay hijery ny installation
-novaina ny distribution sy Transport
-ny ordi-nao no misy problème fa ny aty aminay mety tsara st misy olana
-mandefasa maila amin’ny service client, indro omena anao n y mailaka handefasanao azy
-firy ny numero de contact hahafahanay miantso anao
.
.
.
santionany ireo fa dia efa an-taonany izao tsy hitako izay fiovàny e.
Rehefa teneninao izy hoe entre 23h sy 05h dy matin, misosa be ny connexion dia izy indray no mizesta hoe: hay ve , hitanao izany… Sahala amin’ny hoe tsy maintsy miari-tory ianao vao afaka manao ny zavatra tokony hataonao
Milay ho’aho ny 8Mega e! , efa mba ahazoana 1Ko à 15Ko /s , na ADSL filaire io, na ilay clé 3G vao nomena ahy nampiasaina nanomboka omaly aza an!

Avy nifanjinja tamin’ny #Moov teo mikasika ity connexion merdique ity, fa angaha izy manaiky ho diso izany e! Tsy manaraka ny norme internationale hono ny zavatra nataony hatramin’izay ka izao vao nampihariny, ka sady tsy mampiasa ny connexion à bon escient aho no tratry ny limitation 40Go. Koa satria ilay ingahy niresaka tamiko maika hody no sady tsy te-hihaino ny menomenoko dia notapahany tsy nasiany sira ny resaka nifanaovako taminy. Tsy adinony kosa anefa ny nilaza tamiko fa mihaino ahy mivantana nandritra ny resakay ny tele sy lehibeny. Hanova zavatra ve anefa izany? Ny fantatro aloha dia sady tsy mahalala fomba manapaka fotsiny ny antsoko, no mpangalatra maka tsy tapaka ny volako any amin’ny banky kanefa tsy manome ahy ny fahafaham-po tandrify an’izay vola sintoniny izay ity orinasa ity.
#Moov maimbo….

Un grand MERCI de Joséphine

604129_480579288652553_963019233_n

Il y avait bien deux mois de cela, nous avons lancé une chaine de solidarité auprès de facebook et de notre site "Malagasy eto Italia" pour sauver Joséphine, ce bébé d’un an et demi malade de rétinoblastome, un cancer de la rétine qui atteint surtout les enfants entre 1 à 5 ans. Les parents de Joséphine, agriculteurs résidents à Fanjakana, un petit village éloigné de Fianarantsoa, se trouvaient dans l’impossibilité d’affronter financièrement les frais sanitaires pour soigner le bébé.

Suite à l’appel au secours envoyé par François Randriamanankoavy à nous, responsables du site "Malagasy eto Italia",  et ne pouvant rester insensible à cet appel, nous avons pris la décision de prendre en main la situation, en pensant chercher de l’aide auprès des internautes assidus comme nous, et dans le même temps, chercher une association humanitaire qui pourrait bien prendre en charge le cas du bébé. Rappelons que François est un journaliste à Fianarantsoa qui a connu Joséphine et sa maman à l’hôpital de Tambohobe et, avec d’autres personnes de bon coeur sur place, a aidé la famille au premier temps pour les médicaments.

Un élan de solidarité a été donc lancé pour pouvoir procéder à tous les examens et soin du bébé. Le cas a touché plein de coeurs et vous étiez nombreux à avoir apporté votre contribution: dons financiers, matériels, soutien moral et spirituel, présence physique, encouragement et prières à son encontre fusaient de partout dans le monde.

644021_396785143726027_427901918_n

Et nous voici finalement avec une bonne nouvelle: la FONDATION AKBARALY à Antananarivo – que nous remercions de tout coeur et publiquement ici – a donné son aval et donc prendra en charge le cas de Joséphine, dont les médicaments, les examens médicaux, les chimiothérapies, l’opération, les suivis post-opératoires….

Par contre, le côté "logistique" de la famille est encore à notre charge, et donc vos dons matériels sont toujours les bienvenus : repas, déplacements, et les nécessaires pour la Princesse (couches,….). Nous n’oublierons et ne lasserons jamais de remercier Sylvia et Maminirina qui se sont portés garants et références de la famille de Joséphine auprès de la Fondation sur ce plan, ceci faisant partie des conditions dans l’accord.

Avec cette lettre donc, nous tenons à remercier vivement vous tous qui êtes le pilier de ce beau marathon de solidarité :

Merci tout d’abord pour la confiance que vous avez accordé en nous dans cette entreprise, ce qui n’est pas facile à gagner en notre jour où l’arnaque est roi.

Mais MERCI surtout à :

- François Randriamanankoavy, Président de l’Association des Journalistes Sakaizan’ny Kilonga Sud Mada à Fianarantsoa, Mme Rondro, assistante sociale de la commune urbaine de Fianarantsoa et monsieur le Président de la Région de Fianarantsoa , qui ont apporté leurs premiers secours quand la famille s’est retrouvé impuissante et désespérée devant le cas de leur enfant.

- les médecins qui se sont occupé du bébé tout au début de sa maladie, mais surtout au Dr Dieudonné Randrianiaina du service Oncologie de l’hôpital de Tambohobe, Fianarantsoa, pour ses précieuses aides, prestations et loyaux services,

- Dr Sylvia Randriamihoatra du service oncologie pédiatrique de l’Hôpital Ravoahangy Andrianavalona à Antananarivo pour sa disponibilité de vouloir consulter le bébé dès le lendemain de son arrivée dans la capitale, et l’avoir admis à l’hôpital tout de suite après, ainsi que le Dr Constant Sozarivo et tout le staff du service Oncologie sans exception,

- vous tous qui avez répondu à notre appel aux aides: pour vos dons financiers et matériels. Votre soutien moral et spirituel. Votre  présence virtuelle et réelle. Ces petits coeurs, ces conseils, ces prières, ces empressements aussi…. autant de petits gestes qui faisaient chaud au coeur et nous stimulaient tant.

- tous ceux qui ont prêté main forte à la famille et à Maminirina , Sylvia et Minosoa pour les gardes à l’hôpital,

- vous tous qui êtes allé trouver Joséphine à l’hôpital, les bras toujours chargés : couches, jouets, vêtements, goûter, repas, fruits… Mais aussi à ceux qui ont offert des crédits pour les portables,

- tous ceux qui se sont accouru quand elle avait besoin de donneur de sang et sur qui nous pourrons encore compter si besoin est,

- ceux qui ont travaillé "à l’ombre", car nous imaginons leurs tracas pour trouver les médicaments inexistants au pays ou aussi pour contacter des associations  à qui on pourrait confier la Princesse,

- à tous les "facteurs", que ce soit notre Zokibe à Rome qu’on a bien dérangé pour les courses intramuros, et surtout les pélérins venus pour la canonisation qui ont bien voulu ramener à Antananarivo les médicaments et les matériels médicaux offerts par les bonnes samaritaines de Rome,

- à tous les fans cosmopolites de la Page “Help Baby Josephine fight a cancer – Tolo-tànana ho an’i Joséphine” sur facebook, qui sont là, fidèles à leur poste, à longueur de journée, pour prendre des nouvelles de la miss, à sourire ensemble ou s’émouvoir ensemble. à s’encourager mutuellement. Une grande force s’est créée dans cette page, l’amitié s’est élargie, car notre combat commun, celui de lutter contre toutes formes de cancer, nous a réuni autour de Joséphine. Et par ce biais même, Tino, le petit chat bleu symbole de la lutte contre la rétinoblastome a pu aussi prendre l’avion pour tenir compagnie à petite Joséphine à Madagascar. Un véritable et infatiguable globetrotter qu’il est Tino.

- aux médias qui ont bien voulu publier l’histoire de Joséphine pour plus de sensibilisations,

- à vous tous cités ci-dessous (personnes individuelles, familles, institutions, associations, groupes d’amis ou collègues, congrégations religieuses,…) et aussi à tous ceux qui voulaient aussi rester dans l’anonymat ; vous, éparpillés dans les quatre coins du monde, sans distinction de race ni de religion, mais  animés par votre sensibilité devant la douleur de ce bébé à la merci de ce sale crabe, vous n’avez pas hésité à vous mobiliser avec vos appels et vos déplacements pour pouvoir contribuer financièrement à cette noble cause

Tout simplement, MERCI DU FOND DU COEUR:

- Lanto Rnt
- Valisoa R.
- Lalaina Andri et Hanta Ramanantsoa
- Saholy Ramavoaritiana Ralamboarivony et enfants
- Famille Trêves
- Annie Randriambololonera
- Lalatiana et Raozigasy
- Harimalala Baltimore
- Dominique Ratefimandimby
- Bakoly Rambeloarison
- Sakaizakely
- Pisokely
- Beby R
- Zo Aina
- Ikalaratsy Tia
- Nydiane Rzf
- Bakoliarisoa Noro
- Fr Vincent Ignace Rakotoarivelo, OssT
- Congrégation “Suore Ospedaliere della Misericordia”
- Congrégation “Piccole Figlie del Sacro Cuore”
- RP. Rabenirina Joseph
- Famille Parlato
- Britto Andriatovoherindrainy
- Madame Dolcia
- Famille Hanitra Rajaonarison
- Famille Louis Ellys
- Mireille Andriankaja
- Famille Rajaonarivelo
- Ony Rasa
- Tina Emelcia
- Nary Raveloson
- Famille Leneveu
- Loredana et Giuseppe Pagano
- Colonnel Bernard (Ministère Intérieur)
- Njava Vola
- Johan Ratsimandresy
- Ramanantenasoa Vololonirina
- Rafaniriantsoa Jean Adrien
- Don Alfonso e la parrocchia di Basilica San Tammaro (NA)
- Rosa D’Errico e le sue colleghe :  Sonia Lanzotti, Maria D’Aponte, Francesco Canciello, Annunziata Palermo, Patrizia Costanzo, Margherita D’Errico, Maria Migliaccio
- Association “Sekolin’ny Masoandro”
- Madame Andriantasy
- Association “Mondobimbi TOSCANA Onlus”
- Andriakotoharison Princy
- Alessandro Palumbo
- Michele Esposito
- Tiziana Di Iorio
- Yolène Roth
- Randriamiarisoa Jean Raymond
- Cosfa As
- Famille Henri M.
- Banque Mascareignes Madagascar
- Papan’i Fanoa
- Frederique Giraud
- Association “Ma.Mi – Malagasy Miray” di Torino
- Association “Bimbi del Madagascar Onlus”
- Nivo Rabe-Li
- Famille Rajaonarivelo
- Fanja
- Mampionona
- Tahiry
- Stéphanie Vololonirina
- Jean Razafindambo
- Rakotomavo
- Famille Rakotomanana
- Youli Manohiaina
- Jojo
- Ravaka
- Rabodo
- Enny Diana R.
- Arimalala Sylviane
- Nja’ Ranaivondrambola
- Famille RATSIMA ARIMINO Toky Felana….
- Fahamarinana Maharitra
- Frip Glam
- Lala Rakotoson Serge Eva Ralph
- Danie
- Thierry
- Vinou Léger
- Anselme
- famille Rabarijaona
- Raharinosy Saholy
- Andrianomanana Mamisoa
- Razafindrakoto Harimalala Andoniaina
- Ramanitrarivo Ando et famille
- Madame Faly
- Dr Lucie Ranaivoarisoa
- RABEARINIVO Ainasoa   Hasina Fanantenana
- Ravaonirina Odette Ruffine
- Famille Naly  Ratsimaholizanany
- Mbola Claudia

- Randriarimanana  Fanjaniaina
-Association "G.T.M – Gasy Tsy Manavaka" di Milano

 

Si l’état de santé de Joséphine est ce qu’il est actuellement, comme le montre la photo ci-dessus, c’est surtout grâce à vous et votre générosité. Ce que nous avons reçu jusque là nous ont permis d’affronter les nombreux examens cliniques et analyses de laboratoires, tous les médicaments et matériels médicaux nécessaires durant son soin, les 3 séances de chimiothérapie faites jusque-là ainsi que les besoins de premières nécessités de la famille, tous leurs déplacements et les frais pour faire venir son père et deux de ses grands frères de son village natal pour se relayer avec les gardes et les petits services à l’hôpital pendant que la maman est prise à temps plein avec Joséphine, car il faut noter que même si l’hôpital est public à Madagascar, TOUTES les dépenses sont à la charge de la famille.

Avec une battante comme notre Princesse, c’est toujours avec sourire et abnégation que nous continuons notre assistance. Nous croyons en sa guérison mais elle a besoin de nous tous dans cette bataille, qui ne fait que commencer d’ailleurs. Nous vous rappelons que seulement le côté santé qui a été pris en charge par la Fondation, le reste est encore notre mission. Mais ensemble, avec vous tous, nous avons pu et nous pouvons.

Et nous présentons nos sincères excuses ici si jamais on a omis de nommer quelqu’un, par inadvertance ou par erreur ou par quoi que ce soit. Sachez que vous avez tous notre gratitude.
Minosoa, Sylvia et Maminirina, Andry, Rondro et Hery, au nom de la famille de Joséphine Fitahintsoa.

Jo et Tino 2

Tsidiho koa ny tranonkala Malagasy eto Italia fa ho hitanao any ny fisaorana.

Ny ‘Herin’ny ISIKA’ na ny #powerofwe

Fanao isan-taona ny BLOG ACTION DAY, efa maro ny lohahevitra nentina nanamarika izany isan-taona, fa ny HERIN’NY ISIKA kosa na #POWEROFWE no nofinidy ho entina mankalaza ity taona 2012 ity.
Toa tsara petraka tokoa ilay lohahevitra ho anay eto amin’ny bilaogy Gazety_Adaladala satria isan’ny hery lehibe nentinay nanatanteraka fifanohanana sy famonjena ny sahirana ny ISIKA hatreto. ISIKA  (‘WE’ amin’ny teny Anglisy), satria na nisy tokoa aza ny hetaheta sy fanirianay hanao izay tratra ho fanampiana ny olona niantefan’izany famonjena noeritreretina izany, dia tsy ho efanay samirery noho ny hasarotry ny asa sy ny dingana tsy maintsy ho lalovan’ilay raharaha nirotsahana.

Raharaha inona tokoa?

Angamba hoy ny sasany hoe ianareo no te-hila raharaha toa an-Rainizafilemena any! – Ho valin’izay kosa anefa dia hoy izahay hoe Tsy misy ny mahavita tena, ary ny Soratra Masina aza mandrisika ny manana hanolotra ho an’ny osa.

Noho ny finoanay io teny hoe ISIKA io, dia niroso izahay, nandray an-tànana zaza iray nila vonjy amin’ny fitsaboana tsy maintsy hatao aminy, nefa tsy efan’ireo nahitany masoandro, noho ny maha-fianakaviana tantsaha sy tsy manana fidiram-bola hisahanana ny lany amin’izany. Ny tranga mahazo an’i RALIVAO Fitahintsoa Joséphine no tiana hambara. Mety ho efa renao ihany angamba.

Noho ny fitokianay ilay ISIKA dia tsy natahotra izahay, ary dia vita ny dingana voalohany, Scanner + Echo + Radio + Chimio sns…

Noho ISIKA mpinamana tsy mifanary, na ny eto an-tanindrazana, na ny any ampita (Frantsa, Canada, Italie, USA, sns… tsy ho voatanisa) dia mbola ambony ny fanantenanay fa ho tontosa hatramin’ny farany ny fitsaboana efa natomboka.

Noho ny HERIN’NY ISIKA nifikiranay dia mizotra tsara ny fandraisana andraikitra natao, ary mbola noho ISIKA dia matoky ny ampitso mamiratra ireo sahirana sendra mifanojo amin’ny lalan-tSIKA.

Meteza ary ISIKA mba ho ny AMPITSO, ary ny HERIN’NY ISIKA no ‘ndeha ho entina manatratra ny tanjona. Tsy hisaratsaraka, na hanava-tena, fa hanambatra ny hery sy hiray hina kosa (#powerofwe, #BAD12,#Power of we, #Oct152012)

Tanisa kely ho entina mamarana ny lahatsoratra

"Rire souvent et beaucoup, mériter le respect des gens intelligents et leur affection , gagner l’estime des critiques honnêtes et endurer les trahisons de ceux qui ne sont pas de vrais amis, apprécier la beauté, trouver ce qu’il y a de mieux chez les autres, laisser derrière soi un monde un peu meilleur, savoir qu’une vie seulement a respiré plus facilement grâce à vous, voilà ce qu’est la réussite" – Anthony Robbins

Mbola #PowerBalance ihany

Nampalahelo ilay ramatoa iray tetsy akaikin’ny Le Six Antaninarenina omaly. Efa samy nahazo taona ihany izy mirahavavy niara-nizotra ireo.

Hoy ilay iray voalohany(1): Dia tsy hitako aky izay vokatr’ilay izy ka! Tena ny volako fotsiny no lany nividianana an’iny
Ilay faharoa(2) : Nefa anie misy olona milaza fa mahita tory ery tamin’izy iny e
(1): Firy akia izay namako nifampiresaka tamiko izay, tsy efa ho 7 angamba? fa raha nisy iray nilaza hoe nahita soa tamin’ilay izy
(2): nefa anie ny dokam-barotra r’inao toa mipoapoaka ery e. Ndaha akia miverina any dia asaivo soloiny hafa fa sao ilay azon-dry no tsy mety a
(1) koa raha tsy inona izy koa hanaiky an’izany, Taiza akia no nisy mpivarotra gasy mbola nanaiky an’izany
.
.

Tena marina loatra, tsy mbola betsaka ny mpivarotra (mpamitaka) hanaiky ny hamerina na hanolo zavatra toy izany, izay efa fantany tsara fa zavatra tsy manjary no namidiny taminao. Ny fanjakana aza moa minia tsy mijery (mahazo tsirony angamba) ka inona no iraharahiany anao izay vahoaka madinika ILAINA TSENTSEFINA ISANANDRO io

Mba fantatrao hoe inona ilay noresahan’ireto nenibe anankiroa nijaikojaiko ireto? ny  #POWERBALANCE amidin’ny JK sa GK na GICA group

Entano ny havanareo rehefa tsy azo resena lahatra mba hitaky facture mazava tsara tokoa, sao mba hisy ho sahy ihany hitondra ity resaka ity eny amin’ny fitsarana sy ny ambaratonga mahefa aoriana ao

TEDxAntananarivo 2012, LASA IZAO #TEDxTNR

Ny hoe  TED dia fanafohezana ny Technology, Entertainment sy Design natomboka tamin’ny 1984 tao Californie ary misokatra amin’ny taranja rehetra sy ny olon-drehetra manana hevitra mendrika ny hozaraina amin’ny mpiara-belona.

Andiany faha-4,  ary tafiditra ao anatin’ireo kaonferansa efa mahatratra eo amin’ny 3000 mahery nokarakarain’ny TEDx nanerana firenena 133 tamin’ny fiteny 47, ity hataontsika ao amin’ny Hotel Carlton Anosy androany 1 Septambra 2012, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ity. Teny faneva ny hoe BACK TO… (Looking back, Mooving forward). Izay iandrasana olona 500 eo ho eo.

Olona mpirotsaka an-tsitrapo daholo no tohanan’ny TED hikarakara ny hetsika ity izao maneran-tany. Ireo mpandray anjara kosa dia ahitàna mpikaroka, mpitarika orinasa, injeniera na mpanakanto sy ny maro tsy voatanisa. Azo resahana mandritra izany fotoana izany ny haikanto, ny siansa, ny haitao, ny asa famoronana, ny fampialamboly, ny fandraharahana amin’ny sehatra rehetra mihitsy sy izay mahakasika ny fiaraha-monina e!

Raha vao «BACK TO … » no mby ao an-tsaina, dia midika FIVERENANA izay, fiverenana amin’ny asa feno fahavitrahana sy ny fanaingàna indray ny fiharian’ny isam-batan’olona ohatra, ary hatramin’ny fianakaviamben’ny manan’aina koa aza. Hizara roa ny fotoana, ka ao anatin’izany no hanolorana ho anareo mpanatrika ny tsara indrindra eo amin’ny tontolon’ny teknolojia. Isaorana manokana eto ny MAKATY miara-miasa amin’ny fanatontosana izay lafiny izay (solontenan’ny APPLE eto Madagasikara), tsy ho adino ny hanolotra ho anareo ny Fialamboly (hisy ny artista hanafàna sy hampahafantatra ny tantarany) ary ny Asa fanomezan’endrika (Design). Satria ireo rehetra ireo no mitambatra manome ny fanafohezana TED.

Malagasy aby no mpandray anjara ao, Malagasy manana hoavy mamiratra, mendrika ny hotohanako, tohananao, eny e , tohanan’ny rehetra, koa ‘Ndao ary hoararaotintsika ity fotoana ity hampahafantarana an’izao tontolo izao fa i Madagasikara dia firenena, tsy fantatra fotsiny amin’ny alàlan’ny sarimiaina (cartoon) fa koa firenena iray tsy lany fika sy hevitra, mpanan-talenta sy famoronana.

Miandry anao izahay anio tolakandro eny amin’ny Carlton Anosy miaraka amin’ny #TEDxTNR 2012, #TEDxAntananarivo

HAFATRA FARAN’IZAY MAIKA HO AN’NY MALAGASY REHETRA, indrindra ny faritra andrefana

Dia gaga ianao mahita ny fankalazana ny #POWERBALANCE tao anaty #GAZETIKO androany (10 /08/2012). Hanafika an’i Mahajanga, Maevatanana Ankazobe ry zareo ato anatin’ny andro vitsy, hetsika mety hiarahany amin’ny #MadaVision. Indrisy…..!
Dieny izao ampitampitao ny hafatra mba tsy ho voafitaka ny havanareo sy ny namanareo.
Asaivo mba mijery sy manao recherche anaty Google ny hoe ‘power balance + arnaque’ ny olona

OMAPI, hono

Mampalahelo raha ilay filazan’ilay #JKGroup azy ao hoe efa nahazo alalana tamin’ny #OMAPI hono izy hivarotra azy io. Fa angaha moa izany no andraikitry ny OMAPI , manome alàlana hivarotra hosoka? Tsy ny manamarina sy mitahiry ny marika sy ny fizaka-mànana ara-indostrialy va re no andraikiny?

TANY TSY MISY MPITONDRA TOKOA VE?
Fa aiza ireo Ministera isan-karazany ireo, sy ny mpitondra isan’ambaratongany no tsy maneho hevitra sy mandray andraikitra e ? Sa koa olona tsy manjary daholo, hatrany amin’ireny ambaratonga ambony rehetra ireny no misy eto ka tsy afaka ny handanjalanja izay hahasoa ny vahoaka intsony? Sa zavatra hjafa mihitsy no laharam-pahamehana, ka avela ho resabe toy ny Club Satanika indray vao mody hisehoseho etsy sy eroa haneho hevitra?  Tena mampametra-panontaniana an!

EFA BETSAKA  IZAY

Efa betsaka izay resaka natao izay, indrindra taorian’ireo dokambarotra nalefan’ny #RNM sy  ny #TVPLUSMADAGASCAR mikasika azy ity, fa ny hany làlana tsotra atoro anareo dia mba tsidiho ny pejy Facebook tvplus dia karohy ao ny resabe niainga sy ny fanamarihana avy amin’ny olona mpanaraka io pejy io. Hatramin’ny olona avy any Italie aza naneho ny tsy maha-izy azy io ao

Rohy azonareo tsidihana hanamarinana izay voalaza etoana:

http://tulearenvie.mondoblog.org/2012/07/31/3-choses-que-vous-devez-savoir-sur-le-bracelet-power-balance/

http://www.europe1.fr/International/Power-Balance-le-bracelet-de-l-arnaque-833473/

http://belli-sport.over-blog.com/article-l-arnaque-power-balance-enfin-devoilee-86393396.html

http://www.melty.fr/power-balance-la-fin-de-l-arnaque-des-bracelets-actu46820.html

http://blog.surf-prevention.com/2010/12/23/bracelets-a-hologrammes-power-balance-remboursement-clients/

http://blog.surf-prevention.com/2010/08/09/power-balance-efx-efficacite-danger-hoax-placebo-bracelets-magiques/

http://www.linternaute.com/sport/pratique/bracelets-power-balance-l-arnaque.shtml

http://www.smh.com.au/small-business/power-balance-wristbands-a-sham-accc-20101223-1960g.html

http://www.meltystyle.fr/power-balance-le-bracelet-magique-teste-par-actu40295.html

Mbola be no azo atolotra fa ireo aza efa mahavalalanina ny maso sy  ny saina

#LINKEDIN : Voajirika ka sao mba isany ny anao?

Betsaka ny fanasana voarain’ny tsirairay mikasika ny fanokafana kanoty atsy na aroa eto anatin’ity sehatry nyaterineto ity. Isan’ny mba naharay azy ireny ny mpitantana, saingy tsy nahataitra loatra aloha ny hamaly azy hatreto.

Anisan’ny naharaisana fanasana avy amin’ny namana  ny LINKEDIN. Ankehitriny anefa dia voaporofo fa tsy dia azo antoka loatra ity sehatra iray ity ary soa mba fa nahatsiaro ny tompony hoe tratry ny tsy rariny ny mpanjifa mampiasa azy, ka nadefasany hafatra. Sao mba toy izany ianao?

Fa inona no nitranga?

Tenimiafina miisa 6.000.000 tao amin’ity sehatra iray ity no nisy nangalatra ka nahatery ny tomponandraikitra handefa mailaka malaky ho an’ireo mpampiasa azy, miaraka amin’ny torolalana mba hanova ny tenimiafina araka izay haingana indrindra, mba hahafahana miaro ny kaontiny.

Milaza ho efa mijery manokana ity olana ity moa ny LINKEDIN amin’izao fotoana. Rosiana no nitono-tena ho mpanafika sy nangalatra ireo tenimiafina ireo.

Raiso ary ny fepetra raha isan’ny mampiasa ity tambajotra iray ity ianao mba hifandraisanao amin’ny mpiara-miasa na namana tsotra fotsiny

IZA NO MAHITA TOMBONY?

Hagagàna ny an’ny teto amin’ny bilaogy Gazety_Adaladala androany alina raha nanokatra ny bilaogy. Fanehoan-kevitra 79 be izao no nivadika ho ‘En attente de modèration’, na raha adika malalaka dia ‘miandry fankatoavana’.  Tsy ny fanamarihana vao haingana ihany no tratra tamin’izany fa hatramin’ireo fanehoan-kevitra efa tany amin’ny taona 2008 koa aza.

Mba mahazendana ihany sy mampanontany tena ny amin’izay antony nahatonga izany. Dia sanatria ve misy mitsofoka, na ilay antsoina hoe manao ‘piratage’ / fijirihana ity bilaogy ity? Ary raha izany tokoa, dia mipetraka indray ny fanontaniana hoe, FA MISY INONA?INONA NO KAROHANA ATO? AIZA NO TIANA HAHATONGAVANA?

Ny tsikaritra hatramin’ny taona 2008 dia betsaka tamin’ireo mpitondra fanamarihana sy fanehoan-kevitra no olona tsy matotra sy mametraka adiresy mailaka tsy izy. Nisy fotoana aza moa dia napetraka ho fitsipika anaty teto ny fanamarinana amin’ny alalan’ny fandefasana valin-kafatra anaty mailaka ho azy ireny, vao avoaka ny fanehoan-keviny, indrindra ho an’ireo fanehoan-kevitra somary masiatsiaka sy mitoroka zavatra tsy mety. Ho an’ireo izay feno teny tsy manaja ny hafa na fanompàna olona moa, na miaty fihantsiana ny olona hifankahala na hiady, dia mazava ho azy fa dia tsy navoaka mihitsy. Asa na izany no atao he sivana (censure) an-tery na ahoana! (Raha sanatria ka misy aminareo mpamaky mbola mahatsikaritra any ho any fanamarihana mitovy amin’izay voalaza izay, dia iangaviana indrindra hampilaza, mba hanesorantsika azy).

Misy efa naverina navoaka ireny fanehoan-kevitra tany aloha lasa nanjary niandry fankatoavana ireny.

HO AN’ILAY na IREO IZAY NIJIRIKA TATO: tohizo raha izay no hitanareo fa mety, fa tsy hahasakana ny famoahana hevitra eto izany. Avoaka eto foana izay hita sy re eny rehetra eny, toy ny efa natao hatrizay. Toa lasa nahafinaritra aza ilay izy, na dia somary nahalàny andro ihany aza ny niverina nijery sy namoaka ireny fanehoan-kevitry ny mpamaky ireny. Lasa fotoana iray namerenana nanao jery todika ireo lohateny samihafa efa nisoratra tato tany aloha tany.

CLUB SATANIQUE

Hafatra nalefan’i Tsarafara Faniry Rakotoarison ho an’ny Malagasy rehetra:

Nisy chaîne lava be tamin’ny internet tamin’ny herinandro nangataka SOS vavaka ho an’i Morondava. Mampalahelo fa tonga eto Antsirabe io toe-javatra io amin’izao fotoana izao.

Efa ela no nisy club satanique an’ny ankizy teto Antsirabe, efa ela koa no nanambarako izany tao am-piangonanay teto Antsirabe ampahibemaso teny amin’ny polipitra, fa ny nahavariana ahy dia olona roa no niezaka ny nanontany ahy ny antsipirihany tamin’ny olona amanjatony nihaino izany.

Misy ankizy efa club mampilendalenda ny namany amina karazana magie tsotsotra, ka rehefa liana ilay ankizy dia asainy manaraka azy hampianariny hono. Amin’ireny dia misy kidnapper-ny mihitsy ary rehefa mivoaka avy ao dia tsy mahatsiaro izay nitranga tao ilay zaza.

Vokany: betsaka ireo ankizy izay tafiditra no, rehefa samy mody any an-tranony, dia miandry ny ray aman-dreniny sy ireo iray trano aminy hatory, dia mandrehitra labozia sy miresaka amin’ny fitaratra. Io no tena ampianarina ireo ankizy any amin’ilay club. ZAVA-DOZA

Ny fitrangany anakiray koa dia misy mandona na misafo ilay zaza tsy manan-tsiny ka raha tezitra na mijery ilay nandona azy fotsiny dia tafiditra ilay devoly. Io no tena sarotra satria tena fiainana an-davanandro mihitsy izany. Automatique ianao tezitra raha misy mandona.

Tsy misy mitombina amin’ny fianarana mihitsy ny ankizy eto Antsirabe amin’izao fotoana izao fa dia na matahotra, na variana miresaka hoe izao hono ny tatsy, izao ny taroa. Mazava ho azy fa misy tsaho be dia be mihitsy miara-mipoitra amin’izao toe-javatra izao, kanefa aleo malina ihany.

Misy koa antso an-téléphone ka mahavariana fa miseho mahafantatra be izay antsoiny izy io, ary manontany hoe ianao ve hiditra club? Ilazao ny ankizy fa raha sendra mahazo izany antso izany dia tapahina avy hatrany ny fanafodiny fa raha vao mihaino azy eo foana dia lazainy fa efa tafiditra club ianao fa arahabaina.

Izay no mba kely fantatro dia zaraiko, fa tsy ampoizina mihitsy izy ity fa tsara ny hahalàlàna azy, ka mba ilazao daholo izay mana-janaka ankizy sy zatovo fa izay aloha no tena lasibatra izao. Ary sanatria mety hiparitaka erak’i Madagasikara satria ny hanaparitahana ity zavatra ity mihitsy no tanjony.

Jesosy no vaha-olana, ampianaro ny ankizy mba hivavaka raha vao mifoha sy mivoaka ny trano ary amin’izay ataony rehetra mandra-podiany amin’ny hariva. Ampianaro ny ankizy mba hahay hanohitra ny devoly izay miherona toy ny liona manodidina azy, mba hahay handroaka devoly amin’ny anaran’i Jesosy amin’ny fotoana rehetra satria tsy ny mpiandry ihany no andrasana raha sanatria misy ny hamehana fa afaka manao izany ny zanak’Andriamanitra rehetra.
Aza adino ny mivavaka ho fanafahana izao loza mananontanona ny firenena izao.

 

Fanavaozam-baovao nampidirina ny 19 Jona 2012:

Angatahana an-tanan-droa izay rehetra manana vaovao mikasika ity raharaha ity mba hiara-hiasa amin’ny mpitandro filaminana sy ny mpanao fanadihadiana ka hiantso ireto laharana ireto 034 14 005 23  /  033 11 801 03  /  017

P.S: Zarazarao

Suivre

Recevez les nouvelles publications par mail.

Joignez-vous à 390 followers