Ny tsianjery maimbon’ny #MOOV sy #TELMA

Feno boloky vraky be ao amin’ny #Moov #TELMA ao an, sady tena hain-dry zareo tsara ny mampamerin-desona azy ireo:
-redemarrer-o aloha ny modem
-vider-o ny cache
-sao marobe ny ordi miasa
-tratry ny limitation 40Go ianao
-tsy mampiasa azy à bon escient
-ping-éo ity sy iroa
-sao mila tokony hosoloina ny prise ery amin’ny modem
-apetraho iny telefaona iny fa hanao verification ligne izahay
-handefa technic(h)iens izahay hijery ny installation
-novaina ny distribution sy Transport
-ny ordi-nao no misy problème fa ny aty aminay mety tsara st misy olana
-mandefasa maila amin’ny service client, indro omena anao n y mailaka handefasanao azy
-firy ny numero de contact hahafahanay miantso anao
.
.
.
santionany ireo fa dia efa an-taonany izao tsy hitako izay fiovàny e.
Rehefa teneninao izy hoe entre 23h sy 05h dy matin, misosa be ny connexion dia izy indray no mizesta hoe: hay ve , hitanao izany… Sahala amin’ny hoe tsy maintsy miari-tory ianao vao afaka manao ny zavatra tokony hataonao
Milay ho’aho ny 8Mega e! , efa mba ahazoana 1Ko à 15Ko /s , na ADSL filaire io, na ilay clé 3G vao nomena ahy nampiasaina nanomboka omaly aza an!

Avy nifanjinja tamin’ny #Moov teo mikasika ity connexion merdique ity, fa angaha izy manaiky ho diso izany e! Tsy manaraka ny norme internationale hono ny zavatra nataony hatramin’izay ka izao vao nampihariny, ka sady tsy mampiasa ny connexion à bon escient aho no tratry ny limitation 40Go. Koa satria ilay ingahy niresaka tamiko maika hody no sady tsy te-hihaino ny menomenoko dia notapahany tsy nasiany sira ny resaka nifanaovako taminy. Tsy adinony kosa anefa ny nilaza tamiko fa mihaino ahy mivantana nandritra ny resakay ny tele sy lehibeny. Hanova zavatra ve anefa izany? Ny fantatro aloha dia sady tsy mahalala fomba manapaka fotsiny ny antsoko, no mpangalatra maka tsy tapaka ny volako any amin’ny banky kanefa tsy manome ahy ny fahafaham-po tandrify an’izay vola sintoniny izay ity orinasa ity.
#Moov maimbo….

29 MARTSA, FAHATSIAROVANA INONA?

…66 taona aty aoriana: Toa zary mihena hatrany ny fahatsapan’ny Malagasy ny hasarobidin’ny LOVA izay napetrak’ireo zoky-raiamandreny…

Vao nifoha handray ny asako aho io maraina io, dia itsy voasoratra matavy etsy ambony itsy no hitako voalohany tao amin’ny pejy Facebook. Ny zavatra tonga tao an-tsaiko voalohany dia ny hoe: 29 MARTSA, FAHATSIAROVANA INONA? Ny resaka tao Moramanga ve?

Be ny ho taitra, ary misy mihitsy ny hiteny hoe: Sao tsy Malagasy ilay Manoratra? – Tsia, Malagasy, ary niezaka nanakatra sy nandinika izay kely mba nety ho takatry ny sainy tokoa. Ka inona ary no mba takatr’ilay saina kely niketriketrika tao e?

Izao:

Nitolona tokoa ny zoky-raiamandreny, tsy lavina izany. Tafita ve? Tsia no valiny. Noho izany TSY FANDRESENA no azo tamin’izay fotoana izay (1947)

Nandeha ny andro sy ny taona. Nitaky fahaleovantena ny firenena maro erantany, VietNam, sns…hatraty Afrika. Mba isan’ireny koa ireo zoky-raianandreny teto Madagasikara.

Tonga ny 1960, notolorana sarintsarinà fahaleovantena i Madagasikara. Notolorana hoy aho, fa tsy hoe "nàka na nandrombaka" an. Dia io andron’ny 26 Jona ankalazaintsika Malagasy isan-taona ho andro nahazoana ny fahaleovantena io. Saingy….saingy….tsy fahaleovantena tsy nankararirary ny aina intsony ny fomba nahazoana azy, hany ka sady tsy nisy, tsy misy, ary tsy nasiana vidiny akory hatramin’izao.

Rehefa mijery ny làlana izoran’izay rehetra tonga eo amin’ny fitantànana ny firenena ny tena, dia toa mahita saribakolin’ny Ntaolo vazaha hatrany. Tsy anavahako mpitondra nandalo teto amin’ny firenena io, na iray aza, ary hatramin’izao vaninvandro iananko izao.

Afaka ary ve isika ankehitriny sa sao mbola ao anatin’ny tolona mikatsaka fahafahana sy fahaleovantena marina e?

Manalasala toa vozon’akoho Shinoa hoy ny fitenin’ny eny moron-dàlana. Rehefa jerenao ny fomba fisaina, ny fomba fanao sy ny zavatra rehetra mihitsy, miainga amin’ireo mpitondra milaza azy ho tia an’i Madagasikara, mandalo amin’ireo mpanao politika tsy manaiky ho gisitra amin’izany lazaina ho fitiavan-tanindrazana izany, ary mipaka amintsika vahoaka lazaina ho valalabemandry (tena mandry tokoa – ary ho darohan’ny sasany amin’ny fanafody famonoana valalabemandry atsy ho atsy), dia malahelo. Ny inona sa iza no iantefan’ilay alahelo?

Malahelo ity tanindrazana iombonana ity ny tena,

  • satria ny olony -na ambony na ambany, mahantra sy manana- dia samy milaza azy ho tia tanindrazana avokoa. -nefa raha ny fisaina sy ny fihetsika dia ny mifanohitra amin’izay. Faly mifanenjika sy mifanipaka an-kàrona, manimba ny efa mijoro, nefa koa tsy miezaka manorina ho an’ny taranaka ho avy. Tsy mahalala afa-tsy ny anio sy ny ho an’ny tena ihany.
  • satria izay mba notoloran’ny besinimaro fahefana, dia tsy manan-katao afa-tsy ny hamoritra sy hambotry ireo nametraka azy ho solotena (satria asa fisoloana tena ny vahoaka ny asa maha-mpitondra)
  • satria mitombo isan’andro ny fahantrana ka mampanaotao foana ny maro, tonga hatramin’ny fivarotana ny tanindrazana sy ny mpiray rà amin’ny tena mihitsy aza
  • satria ezahan’ny vahiny ampifandrafesina ny Malagasy nefa tsy mety mahatsiaro tena (sa tsy te-hahalàla), jereo ny fifamonoana any Atsimon’ny Nosy. Ezahana tsy atao maresaka, ary anagadràna izay mba sahy miteny ny tsy rariny sy hitan’ny masony. Mitaraina ny mponina amin’ny fomba mamohehatra ataon’ny mpitandro tsy filaminana nalefa hampangiana ny tany (vahoaka) any an-toerana, noho ny fanaovana tsinontsinona ny hasina maha-olona, "rehefa tsy manao didin’ny besandry maka fananan’olona, dia manao ramatahora sy manolana", hoy izy ireo rehefa mba tafaresaka aminao. Mba henoy mangingina anie ny resaky ny olona rehefa mitakoritsika ireo tonga avy any atsimo ery amin’ny fasan’ny kàrana e!
  • satria vao mainka lasa manantena hatrany ny vahiny hamaha ny olany ny Malagasy, fa tsy mba mihevitra ny hanana ny fiandrianany sy ny fanapahankeviny manokana (izany tsy miteny akory hoe tsy ilaina ny miara-miasa amin’ny vahiny), ka angamba atsy ho atsy, na ny vady ho alainao aza, mbola ny vahiny koa no hanapaka hoe METY IO, na SOLOY FA RATSY.
  • satria raha izao no mitohy dia mizotra ho any amin’ny fifamonoana toy ny atsy Afrika sy ireo firenena nijabajabahan’ny vahiny ny Malagasy. Hifampitoroka toy izay nitranga tany Frantsa tamin’ny andro fanenjehana Jiosy, ary hifampitsimpona sy hifamaly faty avy eo, rehefa tapitra ny fotoanan’ny FISOLELAHANA sy ny HALAKO BIKA TSY TIAKO TAREHY, mandra-pisindan’ny alahelo sy ny fifankahalàna vaovao ezahana volena eo aminy
  • satria efa tonga eto Madagasikara ny mpanani-bohitra vahiny, saingy tsy misy taitra ny maro, fa toa ny hanan-taranaka amin’izy ireny aza no hihazakazahan’ny sasany (sitrany ahay mba mihatsaratsara bika ny taranaka e!)
  • ….

Mbola be raha ny alahelo no hotanisaina, fa ndeha hiverenana ny fanontaniana ery ambony hoe 29 MARTSA, FAHATSIAROVANA INONA?

Valim-panontaniana: 
Ny valiny ho ahy dia FAHATSIAROVANA FAHARESENA, tsy misy afa-tsy izay. Amiko izany raha ny marina dia tokony ho andro fandinihan-tena sy fisaonana isan-taona no atao anaran’izy io fa tsy ho fety firavoravoana. Fahafatesana, hirifiry ary fiondrehana teo anatrehan’ny vahiny no nisy tamin’io andro io, koa tsy dia mendrika loatra hatao ho andro firavoravoana. Tsy mahatsiaro tena ho ataon’ny frantsay ho fihomehezana va re isika e? Indrisy !

29 Martsa 1947

Sary nalaina tao amin’ny pejy Facebook-n-ny https://www.facebook.com/MadagascarHier

 

Na ny 26 Jona aza dia mbola ametrahako fanontaniana toy izay ihany koa, saingy efa " nentin’ny teo aloha, ka ombako tsy mahazaka ihany koa e! " Fa raha ny sitrapo, dia mbola mitady datin’andro hafa ho tena hatao rakitry ny tantaram-pahaleovantena MARINA aho io.

Azafady raha nanafintohina anao ny lahatsoratro, fa izay aloha no fahatsapana niainga avy ao anatiko ao vao maraina tamin’ity 29 MARTSA 2013 ity

Ho entiko mamarana azy dia ireto fanehoan-kevitra notsongaiko avy atsy amin’ny Facebook:

firy amintsika no sahy sy hanana ny fitiavan-tanindrazan’ireo maty tamin’ny 47. … Andao hiaraka haningotra sy hanafongana ireo mpanao politika mpitsetritra sy mpanandevo ny malagasy. Maninona tokoa moa raha mba atao anaty wagon iray ireo dia mba tifirina ho faty any e! "ho mba lasa mahery fo, maty ho an’ny tanindrazany"!
Miarahaba antsika rehetra indray. Mahatsiaro ny 29 marsa isika anio, inona avy ireo endrika fitiavan-tanindrazana efa nasehonao ary mbola tokony hasehonao amin’ny tanora namanao?

Raharaha JIRAMA vs CUA : Valintenin’ny Ministeran’ny Rano

Rehefa nanao fanairana (teny Soanierana) ny mpiasan’ny JIRAMA omaly 23/08/2012 , dia nahazo fiantsoana ho eny Ambohitsorohitra ireo mpitarika. Taorian’izany rehetra izany dia nivoaka ity taratasy ity

Atsimo Andrefana: Fanodinkodinana Fanampiana Avy Any Ivelany

Any Atsimo Andrefana no miseho ny tantara.

Iarahantsika rehetra mahalala fa isan’ny faritra tratry ny ‘kere’ matetika ary saro-miarina amin’izany iny faritra Atsimo iny. Sahirana araka izany ny ankohonana maro, na izany mikasika ny hanina ho hanina, mainka moa fa ny hiahy ny hahazoan’ny taranany fahasalamana sahaza, sy fampianarana tahaka ny hafa mandia sekoly. Ny fahitàna izany no misarika ireo vahiny tsara sitrapo sy malala-tànana hitondra izay voatsirambin’ny tànany hanampiana ny zaza Malagsy maniry ny hitovy amin’ny namany.

Misy araka izany fikambanana mamatsy vola tsy tapaka isam-bolana, mitentina eo amin’ny 27.000.000 Ariary eo ho eo ho anà tanàna iray any amin’iny faritra Atsimo Andrefana iny. Tsy mivantana avy hatrany amin’ireo mila izany anefa ny vola fa tsy maintsy mandalo aminà ONG iray. Vola natao hisahanana ny fampianarana, ny fahasalamàna ary ny fiahiana ara-tsakafo mahakasika ankizy maherin’ny 700 izy io, ka tafiditra ao anatiny ireo mpanabe am-polony sy olona mahazo asa mivantana, na ankolaka amin’izany fanampiana izany.

Tsy ireo malala-tànana avy any ivelany ihany anefa no mamatsy ity ONG ity, fa hatramin’ny P.A.M aza.

Fotoana maharitra ihany no tsy nanoloran’ity ONG ity tamin’ireo mpamatsy azy ny fanamarinana ny fampiasam-bola nataony hatrizay, ary rehefa notakiana aza izany, dia ireo mpitantana azy indray no nanangan-tsampona, ka niafara tamin’ny fanapahan’ireo mpamatsy ny fanampiany, isan’ny nanao izany ny PAM

Fa inona no nitranga?

Raha ny vaovao fantatra hatreto dia misy tsy mazava ny fitantanana ao, ary tsikaritra ny fisian’ny fanodinkodinana ireo fanampiana voaray. Lasa fitadiavan’olom-bitsy tombontsoa ho azy ireo ilay ONG Malagasy. Narirarira ireo mpanabe izay niafara tamin’ny fametraham-pialan’ny 15 mianadahy tamin’izy ireo mihitsy (18 sy 19 Jolay 2012). Ary nisy tamin’ireto mpanabe aza no mbola voataritarika noho ny fanendrikendrehana azy teny amin’ny fitsarana. Heloka niampangana azy tamin’izany ny fanodinkodinan zaza tsy ampy taona, ka nidirany am-ponja 2 taona sazy mihatra noho ny fijoroana vavolombelona mandainga (niaiky nilaza ny marina ihany moa ilay nolazaina fa zaza tsy ampy taona voahodinkodina fa hoe nanao izany noho ny fandrahonana nahazo azy sy ny fampitahorana ny hahatapahan’ny  fanampiana raisiny). Nanao fampakarana ny didy kosa ny mpiaro ny voampanga, ary eo ampiandrasana ny tohiny.

Ahoana ny tohiny?

Eo ampiandrasana ny valin’ny taratasy nalefan’ireo vahiny mpamatsy vola ireo ho an’ny manampahefana isan’ambaratonga mba hijery akaiky sy ara-drariny ity raharaha fanodinkodinana fanampiana ity, dia tsara ihany ny misarika ny saintsika Malagasy rehetra amin’ny hoe: ao anatin’izao vanim-potoana sarotra lalovan’ny isan-tokantrano izao, tombon-dahiny ny fisian’ireny mpanohana ireny, koa angamba diso fihevitra sy fihetsika ihany isika raha toa ka hifampitsentsitra an-toerana sy hanimba ny ho avin’ny taranaka tahaka izany. Zara aza mba misy olona afaka manohana, fa raha izy ireny tokoa moa no manana ilay foto-pisainan’ny maro amintsika hoe : tsy an’i dada, tsy an’i neny, dia mba ho toy inona isika sy ny taranatsika?

Antenaina araka izany ny hijeren’ny fitsarana sy ny manam-pahefana isan-tokony ity raharaha any Atsimo Andrefana ity amin’ny saina sy maso tsy miangatra fa mampalahelo raha ny tsy manantsiny hatrany no hizaka ny mafy sy ny tsindry hazolena.

COMMUNIQUE DE PRESSE DE LA SADC

Suivant le Sommet Extraordinaire des Chefs d’Etats et de gouvernements tenu le 1er juin 2012 à Luanda, République d’Angola, le Président de l’Organe sur la politique, la défense et la coopération pour la sécurité, et en même temps Président de la République d’Afrique du Sud, SEM Jacob Zuma, en consultation avec l’Organe de la Troïka, a tenu une réunion entre SEM Andry Rajoelina, Président de la Transition et SEM l’ancien Président Marc Ravalomanana en République des Seychelles les 24 et 25 juillet 2012.

Le cadre de la réunion était de s’assurer de l’application totale de la Feuille de route pour sortir de la crise en République de Madagascar. Avant le début de la réunion, SEM le Président Jacob Zuma a observé une minute de silence en raison du décès de SEM Atta Mills, regretté Président de la République du Ghana. Parmi les participants on note SEM James Michel, Président de la République des Seychelles et hôte de la réunion.

A cet égard, la réunion s’est tenue dans un environnement paisible et serein sur l’Ile Desroches, Seychelles, ayant pour hôte la République des Seychelles. Les discussions ont été cordiales et les participants on montré un bon leadership. Toutes les parties ont été satisfaites du progrès qui a été fait pour rapprocher SEM Andry Rajoelina et SEM Marc Ravalomanana en vue de chercher une solution politique durable à Madagascar. La présence des deux leaders était une indication claire de leur engagement à trouver une solution durable pour en finir avec la crise politique dans le pays.

Pendant la réunion, il a été convenu que les deux leaders devraient en finir avec les questions en suspens soulevées par l’application de la Feuille de route afin de faire un rapport au Sommet Ordinaire des Chefs d’Etats et de gouvernements.

Les participants ont exprimé leur gratitude à SEM le Président James Michel, au gouvernement et au peuple de la République des Seychelles pour leur générosité et leur hospitalité.

PUBLIE PAR LA TROIKA DE LA SADC
ILES DESROCHES
SEYCHELLES
25 JUILLET 2012

Seychelles : President Zuma’s Special Envoy meets Madagascar’s political leadership

President’s Special Envoy meets Madagascar’s political leadership
South Africa’s International Relations and Cooperation Deputy Minister Marius Fransman, who serves as President Jacob Zuma’s Special Envoy on Madagascar, is in the Seychelles to hold discussions with the political leadership of Madagascar. The leaders include Mr Andry Rajoelina and Mr Marc Ravalomanana.
South Africa is the current chair of the SADC Organ Troika on Politics, and it is in this capacity that Deputy Minister Fransman is facilitating the meeting between the Malagasy political leaders. The meeting takes place under the auspices of the SADC in with the SADC Roadmap on Madagascar.
The Seychelles hosts the meeting in its capacity as chair of the Indian Ocean Commission and as a SADC member state.
Contact : Mr Nelson Kgwete
Issued by the Department of International Relations and Cooperation
OR Tambo Building
460 Soutpansberg Road
Rietondale
Pretoria

Fanafihana ny toby #RFI #Ivato 22 Jolay 2012

Toby efa nanana tantara toy izao tamin’ny fotoana teo aloha ihany no isehoan’ny tantara androany. Ny toby RFI eny Ivato, tsy lavitra ny seranam-piaramanidina.

Vao maraina nanodidina ny tamin’ny 5 ora dia nisy andia-miaramila nirongo fiadiana PM, PA, Kalack notarihan’izany Caporal Koto Mainty antsoina amin’ny hoe "Black Man" izany, mpiambina manokan’ny Minisitry ny Fiarovana teo aloha, Général Rakotonandrasana, niditra tao amin’ity toby ity, ka nampirefotra ny fitaovam-piadiany mba ho fampitandremana sy hanakanana ny ety ivelany tsy hiditra.

Somary tsy dia nampino ny sasany ihany ny fampitàna ity vaovao ity tany am-piandohana, saingy rehefa nanomboka niparitaka kosa moa ny tweets sy hafatra FB isan-karazany dia taitra ihany izay nilaza azy tsy ho taitra.

Ny marainan’ny androany tokoa mantsy dia nandefa feo voarakitra ho an’ny onjam-peo tsy miankina iray teto an-drenivohitra ireto mpihoko, ka tamin’izany no nilazany fa efa noho ny fahasahiranana tafahoatra iainan’ny vahoaka Malagasy dia :

….mijoro ny Komity Miaramila ho Fanavotam-pirenena, mihatra ny lalàna mifehy ny tany miady, aoka ho tony ny rehetra ka hanaraka tsy tapaka ny radio sy ny televiziona. Masina ny Tanindrazana.

Ato ny feon’ilay mpitarika notsoriahana nalaina tamin’ny scoop #FreeFM

Toy izay ilay fanambarana nataon’ny mpitarika tao amin’ny RFI Ivato. Ary vao mainka niha-nafàna koa ny raharaha teny an-toerana. Nitohy ny fifampitifirana mitsitaitaika. Izay nikisaka tsikelikely ho any amin’ny fampiasàna ny mavesabesatra kokoa.

(Nesorina androany maraina ny rohy mankany amin’ny feo, noho ity hafatra ity hita tao amin’ny rindrin’ny namana iray  ao amin’ny Facebook io maraina -23 / 07 /2012- io milaza hoe noho io feo nalefan-dry zareo io no itadiavana ny tao amin’ny FreeFm sy hisamborana an-dry zareo.)

Tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany hariva teo dia niverina niakatra teny Ambohimitsimbina indray ny mpitandro filaminana iray camion, saika haka ny émetteur ny Free FM, soa fa vao teo am-piantsonana ry zareo dia mba efa nampandre ny mpiara-miasa tato amin’ny onjampeo ny mpifanolo-bodirindrina ka mba tafatsoaka soamantsara ireo mpiara-miasa, tany anaty kirihitr’ala tany, ary mba voavonjy ny émetteur sy ny solosaina iray. Trano efa foana no novantanin’izy ireo tao.

Tena ramatahora sy fampihorohoroana no misy, satria dia niteny tao amin’ny TVM ireo lehiben’ny mpitandro filaminana ary dia nilaza fa henjehina ilay onjampeo namoaka ny fanambaran’ireo mpikomy tao amin’ny RFI Ivato tamin’ny maraina, izany hoe ny Free FM io izany.

Tsy izahay no namaky ilay fanambarana fa nampita fotsiny izahay, ary vaovao rahateo izany, fa zany hoe tsy mety amin’ity fanjakana Jadona ity dia ilany vaniny.

Tamin’ny 17 novambra 2010 anefa raha nisy fikomiana toy izao ihany koa tao amin’ny BANI Ivato dia namoaka ny fanambaran’ireo mpikomy ny haino amanjery tahaka ny Tv plus ohatra fa tsy mba nenjehina fa rehefa Free FM dia maika ery hanenjika ilay Fitondrana.

Hatramin’ny oviana no hampiasa ramatahora toy izao ity fanjakana ity? Fa angaha moa tsy zava-nitranga niadivana tamin’ny 2009 ity maka ankeriny émetteur-na onjampeo tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra ity? Nefa dia averin’ilay nitarika ny olona hitolona tamin’izany izy ankehitriny rehefa nahazo Fitondrana izy.

Dia izay ve izany ilay fiovana? Asakasatsika fa matoa mbola tsy taitra isika mbola mety izany zao zavamisy iainan’ny firenena izao koa, ny Free FM dia nanapa-kevitra fa mba ho fiarovany ireo mpiara-miasa rehetra sy ny fitaovana kely mba ananany, dia tsy handefa ny onjampeo intsony aloha satria mahatsapa rahateo fa tsy misy mihitsy araka izany ny fahalalahana hiteny raha vao maneho hevitra na mampita vaovao tsy dia metimety amin’izay tian’ny fanjakana Rajoelina. I

antsorohanay tanteraka izay fanapahan-kevitra izay, mety ho faharesena angamba, koa basy sy miaramila ve no miambina anao raha vao miteny ianao ahoana moa no tsy ho resy ny tanam-polo toa anay?

Midera ny herim-pon’ny mpiara-miasa rehetra, ary mankahery antsikafa tsy maintsy misy farany ny zavatra rehetra. Fisaka loatra ny marina ka saro-tadiavina saingy tsy misy ratsy manjaka mandrakizay izany. Mino koa isika fa raha hisy koa ny farany, tsy ho foana ny fanantenantsika an’Andriamanitra.

(Raha araka ny hafatra ihany dia i Lalatiana RAKOTONDRAZAFY no niteny mivantana azy ity tao amin’ilay onjam-peo)

Nisy ireo zotram-pitaterana fiaramanidina no nanafoana ny sidiny mandalo an’Ivato AIR France, Kenya Airways, sns.., raha toa kosa ka namela malalaka ny fipetrahana ihany ny teny an-toerana. Ny miainga no voasakana. Mety ho azo an-tsaina ihany ny anton’izay satria ny fidinana dia toa avy aty amin’ny faritra mifanohitra amin’ny misy ilay fikomiana.

Nandefa filazana fampitandremana ho an’ireo terataniny avy hatrany ireo masoivoho vahiny teto an-toerana mba tsy handalo eny amin’ny manodidina, ary ireo mihevitra ny handray sidina ho aty Madagasikara, mba hanatona ny kaompania tokony hitondra azy aloha. Isan’ny nanao izany ny Frantsay sy ny Amerikana

US Embassy Madagascar
Emergency Message to American Citizens:

The Embassy has received reports of soldiers taking over a military base near to the international airport in Antananarivo. Gunfire has been reported. Flights in and out of the airport have been suspended. American citizens in Madagascar are advised to avoid the area until the situation is resolved. Americans planning to travel Madagascar should check with their airlines before commencing travel to the country

Isan’ireo sidina nofoanana tamin’ity anio ity ireto : La Réunion, Paris, Maurice, Johanesbourgh, Djaodji, Nairobi.

Sarotra tokoa ho an’ny mpanangona vaovao ny nanangona izany teny an-toerana, isan’izay ity tranga iray notaterin’ny #Antsiva ity he, niezaka nanatona ny RFI ny mpanao gazety saingy noroahana sy nanapoahana basy ka samy nihazakazaka nanavotra aina avokoa.

Tao anatin’ireo fifampitifirana ireo dia voalazan’ny TV Plus Madagascar fa maty nandritra ity fihokoana androany ity ny Capitaine Pascal nanao fanelanelanana, zazavao iray, ary ny Caporal Black ilay nitarika ny gidraka.. Ny loharano avy eny an-toerana koa no mbola nilaza fa mbola misy lieutnant iray hafa maty, ary misy polisy iray nanao fanamiana sivily maratra.

Alisoa Rasoanaivo 14H08: Antsiva, manomboka ny fanafihana ao RFI , manala ny sivily manodidina rht ny miaramila zao

RT @newsmada: Assaut donné. Lance roquette utilisé
Les mutins essayent aussi de sortir du camp
#Ivato

Tao amin’ny #MaTV no nandrenesana fa hoe nandositra ny mpiambina teo ivelan’ny RFI raha vao nisy zavatra nipoaka mafy avy ao anaty toby (Lance roquette ve?)

Fa teny an-tsefantsefan’ny fifampitifirana teny dia nisy ny fiarabe niala avy eny Ampahibe namonjy ny teny Ivato sy nijanona teny Andanomena. Ary ankoatra izay dia nisy ihany koa ny 4 X 4 pick-up nivezivezy avy ao amin’ny BANI nankao amin’ny RFI.

Tokony ho tamin’ny 5:20 hariva dia tsinjon’ny teny an-toerana mandositra mivoaka ny toby ireo miaramila avy ao an-toby noho ny fanafihana ny RFI. Asa fanadiovana, na ratissage moa no nolazaina fa natao sisa nanomboka tamin’io fotoana io.

Nandritra ny 12 ora mahery araka izany no nisy ny fifanakalozana tifitra tamin’ity androany ity, 12 ora mahery satria tsy nitony izany raha tsy efa dila ny tamin’ny  7:10 hariva.

Nivoaka daholo izao karazana eritreritra samihafa izao, niainga tany amin’ny fiahiahiana azy iny ho sarin’ady natao ho fialàna bàla tsy hankanesana any Seychelles hifanatrehan’i Andry Rajoelina sy Ravalomanana Marc, ka tonga hatrany amin’ny hanihany nahatsiarovana ny tantara an-tsary famakin’ny ankizy fahiny.

Hery Zo Rakotondramanana bon, yapluka attendre Remenabila passer du côté du RFI Ivato pour saluer tout ce beau monde qui est en train de jouer à cache-cache à balles réelles … Ensuite Benandro arrivera pour sauver la situation … et ce sera un happy ending :) Je crois que ce scenario foireux que je viens d’inventer il y a quelques secondes tient plus la route que ce qui est réellement en train de se passer à Ivato depuis ce matin … Quitte à faire un film, autant être plus créatif, non?

@jentilisa dia manontany momba ny zava.niseho androany raha toa zavatra noforonina sy fandrebirebena mba hanemorana ny fihaonana tokony hisy amin’ny herinandro no nisy.

Zo Andriamifidisoa cinema un 22/07 à #Madagasikara, y a pas d’autre chose + inventée et + credible pour ajourner sommet à deux? koi d’autre? #Madagascar
And if the real purpose of this mutiny was just a masquerade to prevent the meeting between #Ravalomanana and #Rajoelina? #Madagascar #Ivato

Iza no hahazo tombony, iza no ho faty antoka? Hoy indrindra i @jentilisa tao amin’ny Twitter

Kel k’en soit l’issue de 7 affrontement, le grand perdant sera tjr Ravalomanana Marc et sa mouvance

Ny fanehoan-kevitry ny Jeneraly RAMAKAVELO Désiré ato

Isa farany voaray : 3 no maty, 4 naratra, 30 zazavao noraisin’ny BANI rehefa nitsoaka avy ao, 74 mpihoko voasambotra ka 4 amin’ireo sivily

WISCO communique sur le Fer de SOALALA

COMMUNIQUE DE PRESSE /Projet d’exploitation de fer Soalala  par Wisco Guangxin Kam Wah Resources / O.N.E

La  Société Madagascar WISCO titulaire des permis miniers N°37498 et 37499 va entamer l’étude d’Impact Environnemental de son projet d’exploitation de fer à Soalala.

Le Projet comprend différentes composantes :

− Site minier

− Parc d’éjection du sol, dynamitière, stockage de carburant, atelier de réparation mécanique, magasin général, zone d’administration etc.

− Site à résidus miniers

− Systèmes de convoyage du minerai enrichi

− Utilisation des ressources

− Réseau de routes et de voies d’accès (en collaboration avec le Ministère des Travaux Publics et les Régions)

− Site portuaire et installations annexes

− Approvisionnement en Energie (centrale thermique de 300-400 Mégawatts d’énergie électrique, combustible, transport et distribution)

− Aménagement des villages pour les employés de Madagascar WISCO

(pour le site portuaire, le site minier et les autres installations)

Conformément aux termes du décret MECIE, le Promoteur du Projet a soumis à l’ONE les Termes de références (TDRs) de l’Etude d’Impact Environnemental pour validation.

Dans ce cadre, une consultation du public et de toutes les parties prenantes, sera organisée par l’ONE sur ce site.

En vue d’un meilleur cadrage de l’Etude d’Impact Environnemental, l’ONE invite les différentes parties intéressées entre autres le public, les autorités locales, régionales voire nationales, les journalistes, les ONG œuvrant pour la préservation de l’environnement à émettre des observations et avis sur ces termes de références.

Raharaha #DAHALO #REMENABILA sy #TOKANONO

Dia gaga elah! Lasa fiteny tsy zoviana amin’ny rehetra intsony izy io tato ho ato taorian’ireny hetsika nataonà onjam-peo iray teto Antananarivo ireny.

Fa ny tsy aritro mahatonga ahy hanoratra androany dia tsy inona fa ny raharaha fanafihana nataon’andian’olona an-jatony maro tany atsimon’ny Nosy tany. Tany akaikin’Amboasary Atsimo.

Voalohany aloha dia na dia efa andro vitsy aza no nitrangany tamin’izany fotoana, tsy nisy mihitsy ny fanambaràna avy amin’ny tomponandraikitry ny mpitandro filaminana sy ny fitondram-panjakana raha tsy efa hitany fa efa manomboka be resaka ny vahoaka. Indrindra moa fa isika ety anivon’ny sehatra fifandraisana sosialy ety, izay haingana sy malaky tokoa ny fifanakalozana vaovao. Alakamisy 14 Jona isika androany, ary ny bitsika voalohany nalefako momba azy ity dia ny Alatsinainy 11 Jona raha tara indrindra

Tamin’izany fotoana dia nambarako tanaty bitsika (tweets) samihafa fa nisy ny mpitandro filaminana maty, nisy ny olona nalaina an-keriny, nisy ny basy naterin’ny dahalo tany amin’ny tomponandraiki-panjakana taorian’ny fifampitfirana,. ary nisy ny razana nogiazan’ireo dahalo sy tsy mbola naveriny hatramin’ny fotoana anoratako ity lahatsoratra ity. Mba niandriandry fanampim-baovao tamin’ny #RNM sy #TVM koa ny tena fa dia he he he, na nisy aza dia efa taty aoriana be sady mbola vaovao nampihomehy koa avy eo.

Tsy takatry ny saiko ny antony nikononkononan’ireo tomponandraikitra ireo azy io tany fotsiny, fa izay tena mbola tsy takatry ny saiko dia ny fiheveran’izy ireo ny vahoaka Malagasy ho toy ny kentrina sy adala daholo. Azafady, fa tsy ny rehetra kosa angamba no azonareo rebirebena sy raisina ho toy ny kentrina.

Nahoana moa aho no masiaka fiteny androany? Tsotra no antony: nandre tao amin’ny onjam-peo iray ny fanazavana nentin’ny MINISITRA, Jeneraly RAKOTOARIMASY Lucien aho nilazany fa hoe ‘tsy hay na basy avy aiza ireny basy naterin’ireo dahalo ireny, ary tsy voaporofo koa hoe an’ireo mpitandro filaminana voalaza fa matin-dry zareo’. O r’ingahy Minisitra a, ataovy adala ny hafa, fa izaho kosa tsy manaiky ny handraisanao ahy ho toy ny adala, azafady kely. Fomba ahoana moa no ahafahanao miteny toy izany? Fony izahay mba nandalo an’izany fitaizana tao anaty tafika izany, dia mahalala tsara fa misy laharany ny basy tsirairay, ary fantatra hoe iza no nitondra inona nivoaka ny magasin d’arme, rehefa andro toy inona. Koa dia nahoana no mifandrebireby e? Mba atsaharo rangahy ity fiheverana ny vahoaka ho toy ny valalabetsimifoha ity a!

Izao koa ka hoe ‘tsy hanao fanafihana mivantana satria tsy fahavalo fa Malagasy toy ny tena ka hifampiresaka aloha mba tsy hisian’ny famoizana aina sy rà latsaka’..  Tsy fanaovana ny ain’ireo mpitandro filaminana sy olon-tsotra avy amin’ny fokonolona  latsaka nandritra ny fifampitifirana ho toy ny fatin’alika ve izany? Fa angaha moa ireo dahalo nitsitsy azy ireny, no ianao no hiseho ho mpamindra fo sy mpitsimbina ny ainy?

Efa voalaza fa an-jatony maro ireo hifanatrehana, nefa dia isa tsy mifanandrify amin’izany no tohana nalefa any an-toerana.

Lazaina fa hoe rehefa fotoana tsy milamina eto amin’ny firenena vao mitranga ny toy izao, nefa marihako fa na nisy aza ny dahalo fahiny, tany aloha tany, na andron-dRATSIRAKA na RAVALOMANANA dia tsy toy izao no fitrangany. Tsy milaza koa izany fa hoe aleo ny asan-dahalo tamin’izany fotoana ihany. Fa rehefa nisy kosa amin’izay ny resaka fanondranana omby ho any Kaomoro sy ny firenena hafa taty aoriana, dia mirongatra ny halatra omby sy  ny vono tsy misy indrafo. Iza no ao ambadika ao? Sao mba misy aminareo mpitondra kosa manome vahana azy ireo e? Ny tiako lazaina amin’ny hoe mpitondra, dia miainga mihitsy avy any ifotony ka hatrany an-tampony. Raha tsy misy mantsy izany tohana izany, tsy ho sahy hiantsy mpitandro filaminana sy hampilaza mialoha ny fanafihana hotanterahany ny olon-dratsy.Aiza ka hoe asaina miomana ny mponina any #Ranomafana_Taolagnaro fa ho avy hanafika ry zareo ny faha-20 Jona, mba azonareo an-tsaina ve ny fijalian’ireo olona marobe voatery mitsoa-ponenana ato anatn’ny fireneny ihany, latsa-dranomaso sy lotiky ny hatezerana nefa tsy afaka manoatra fa atody miady amam-bato? Mba tsapanareo ve izany?

Be ny velom-panontaniana ankehitriny hoe, tena dahalo tokoa va re? Ary misy mihitsy aza ny sahy milaza fa andia-miaramila mihoko amin’ny fitondrana izany fa tsy dahalo tsotra fotsiny.

Miandry ny marina avy amin’ireo iraka mpikaro-baovao nalefanareo ny vahoaka, ary miandry izay vokatry ny dian’ingahy Omer Beriziky sy ny Minisitry ny Fitsarana lasa any Ambovombe any. Mba tsy ho variana fotsiny amin’ny fanokanana trano anie, fa hijery sy hitondra vokatra amin’ity raharaha ity.

Sanatria va re hitsanga-menatra manoloana ireto lazaina ho ‘Dahalo’ ireto ny foloalindahy Malagasy? Raha izay no mitranga, aza miseho vahoaka akory mandritra ny andron’ny 26 Jona fa tsy misy ilànay anareo sy ny fitaovana raitra mety hasehonareo eo amin’izany fotoana. Ny tahaka izao no hitsaràna anareo sy ny fitaovana eny am-pelatananareo

Ity izao vaovao farany voaray ny 14 Jona: Lehilahy iray no hita faty tao #Behara #AmboasaryAtsimo ary napetraka teny an’arabe ny fatiny avy eo. Tapaka tanteraka ny lohany. Voalaza anefa fa efa niainga avy aty Antananarivo ny tohana ara-tafika ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Mampieritreriotra an

Ambohijatovo #m2305 Pr RAJAONARIVELO Paul

Dia niatrika sy nanatanteraka ny teny nataony ary ny Pr #RAJAONARIVELO Paul tamin’ity anio ity araka ny antso nalefany tao amin’ny FreeFM 104.2 .

Profesora sy ny tomponandraikitra amin’ny tifandroana ny filaminana

Tsy dia nahazo olona maro nanao ahoana ny androany raha oharina amin’ireo teo alohany. Dia an-tongotra avy any afovoan’Alalakaley tany no niakarany ho eny Ambohijatovo. Hihaona amin’ny lehiben’ny EMMO no voalohan-daharana. Nefa rehefa tonga teny dia tsotra no valiny azony.

Tsy eo ny tompon-tanàna, ary mihidy ny faritra. Tsy misy lakile

Rehefa izany dia niatrika indray ireo mpaka sary sy mpanao gazety ingahy Profesora mba hanao fanambarana. Tamin’izany no nitanisany andinin-dalàna vitsivitsy mikasika ny resaka fanehoan-kevitra an-dalambe, na anaty faritra mihitdy. Nolazainy fa nisy tamin’ireny no tsy mba vakian’ny tompon’andraikitra rehefa miresaka lalàna momba ny famoriana vahoaka, fa dia izay metimety aminy ihany no ampahafantarina sy dradraina amin’ny haino aman-jery.

Rehefa vita ny fanambarana ho an’ny mpanao gazety teo amin’io faritra io dia lasa izy sy ireo olona vitsivitsy mpanaraka azy nidina ho eny amin’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo (vaovao) mba hangataka ny lakile hanaovany fanazavan-kevitra.

Niroso ho any amin’ny Lapan’ny Tanàna

Vao teo am-bavahady dia efa tsy nisy namoha ny tao amin’ny Lapan’ny tanàna. Ny naka sary sy lahatsary (video) an’ireo mpirohotra aza no nataon’ireo tao, rehefa avy niofanakalo resaka fohy tamin’ireto vahiny tonga hitsidika.

Haody ny aty eee! Ao ve ny tompon’ny tanàna azafady? — Tsy ao izy tompoko, ary tsy afaka ny handray anareo ihany koa izahay

Rehefa tsy nahazo ny fanalahidy teo indray ny Profesora dia nandray fitenenana tamin’ny alalan’ny fanamafisam-peo ary nitondra ireo olona nanaraka azy niala teo. Toa hoe hiverina eny Ambohijatovo. Teo anoloan’ny vavahadin’ny Lapa no nilazany fa hotsaroan’ny tantara ireo tsy nanome ny fanalahidy mba hampiasana ny kianja ho fanehoana hevitra, ary fitaovana iray ho amin’izany fitsarana izany ny fifidianana.

Hotsarain’ny tantara ianareo, hoy izy mantsy ny mpiasan’ny kaominina

Tsy tafakatra hatreny akaikin’ny kianajan’Ambohijatovo intsony aloha ny Profesora sy ny mpanaraka azy hatramin’ny fotoana nialan’ny tena teny an-toerana, fa nifanehatra tamin’andian’olona nanakana ny firoson-dry zareo teo anoloan’ny BNI

Hatreo aloha no azo notantaraina raha ny mikasika ity andro ity. Ho hita eo ihany izay ho fivoaran’ny raharaha.

Suivre

Recevez les nouvelles publications par mail.

Joignez-vous à 390 followers