Dia gaga ianao mahita ny fankalazana ny #POWERBALANCE tao anaty #GAZETIKO androany (10 /08/2012). Hanafika an’i Mahajanga, Maevatanana Ankazobe ry zareo ato anatin’ny andro vitsy, hetsika mety hiarahany amin’ny #MadaVision. Indrisy…..!
Dieny izao ampitampitao ny hafatra mba tsy ho voafitaka ny havanareo sy ny namanareo.
Asaivo mba mijery sy manao recherche anaty Google ny hoe ‘power balance + arnaque’ ny olona
OMAPI, hono
Mampalahelo raha ilay filazan’ilay #JKGroup azy ao hoe efa nahazo alalana tamin’ny #OMAPI hono izy hivarotra azy io. Fa angaha moa izany no andraikitry ny OMAPI , manome alàlana hivarotra hosoka? Tsy ny manamarina sy mitahiry ny marika sy ny fizaka-mànana ara-indostrialy va re no andraikiny?
TANY TSY MISY MPITONDRA TOKOA VE?
Fa aiza ireo Ministera isan-karazany ireo, sy ny mpitondra isan’ambaratongany no tsy maneho hevitra sy mandray andraikitra e ? Sa koa olona tsy manjary daholo, hatrany amin’ireny ambaratonga ambony rehetra ireny no misy eto ka tsy afaka ny handanjalanja izay hahasoa ny vahoaka intsony? Sa zavatra hjafa mihitsy no laharam-pahamehana, ka avela ho resabe toy ny Club Satanika indray vao mody hisehoseho etsy sy eroa haneho hevitra? Tena mampametra-panontaniana an!
EFA BETSAKA IZAY
Efa betsaka izay resaka natao izay, indrindra taorian’ireo dokambarotra nalefan’ny #RNM sy ny #TVPLUSMADAGASCAR mikasika azy ity, fa ny hany làlana tsotra atoro anareo dia mba tsidiho ny pejy Facebook tvplus dia karohy ao ny resabe niainga sy ny fanamarihana avy amin’ny olona mpanaraka io pejy io. Hatramin’ny olona avy any Italie aza naneho ny tsy maha-izy azy io ao
Rohy azonareo tsidihana hanamarinana izay voalaza etoana:
http://www.europe1.fr/International/Power-Balance-le-bracelet-de-l-arnaque-833473/
http://belli-sport.over-blog.com/article-l-arnaque-power-balance-enfin-devoilee-86393396.html
http://www.melty.fr/power-balance-la-fin-de-l-arnaque-des-bracelets-actu46820.html
http://www.linternaute.com/sport/pratique/bracelets-power-balance-l-arnaque.shtml
http://www.smh.com.au/small-business/power-balance-wristbands-a-sham-accc-20101223-1960g.html
http://www.meltystyle.fr/power-balance-le-bracelet-magique-teste-par-actu40295.html
Mbola be no azo atolotra fa ireo aza efa mahavalalanina ny maso sy ny saina
Classé dans: anao ny fitenenana, aterineto, fahantràna, fahasalamana, fiaraha-monina, haino amanjery, haitao, tapatapany, tontolon'ny asa | Tagué: #gazetiko, #JKGroup, #madavision, #omapi | 1 commentaire »

