Ho an’ny TV PLUS MADAGASCAR momba ny POWER BALANCE

ZENDANA, tsy misy teny azoko ambara afa-tsy ny hoe ZENDANA
.
Zendana tanteraka tokoa nahita ny vaovaonareo androany alina. Momba ilay #PowerBalance. Mino aho fa tsy zavatra miafina aminareo izay rehetra efa voasoratra ety anaty tambajotran-tserasera ety, na ny avy any am-pita io, na izay nezahako ihany koa nozaraina tamin’ny teny Malagasy, mba ho takatr’izay tsy mahafehy afa-tsy io teny io, nefa mety mba hanana vintana hikirakira teknolojia.
Tao anatin’ireny hafatro ireny dia niteny hatrany aho hoe azo atao tsara ny manao fikarohana aty anaty aterineto GOOGLE momba io zavatra nataonareo sy ny #RNM dokambarotra io, izay efa nodradraina fa HOSOKA sy TSY MISY ASANY, nefa izao dia mbola vitanareo ihany koa ny nampiteny ilay milaza azy ho mpisahana ny famarotana azy eto #Madagascar fa hoe handeha hitety faritra eran’ny Nosy hampahafantatra sy hivarotra io zavatra fanadalàna saim-bahoaka io (tsy haiko izay fanoratra ny anaran’ilay orinasa na ZIKA na GICA group). Eto aho dia mba miantso ny Ministeran’ny Fahasalamana sy ny Fikarohana Siantifika, antsoiko amin’izany koa ny sampana eny amin’ny Ambaratonga Ambony misahana ny Fizika Nokleary, asa raha mba azon’ireo sampana ireo atao ny manao, na mampanao fanadihadiana sy fitsirihana momba ity POWER BALANCE dradraina sy hamitahana ny olona ity.
Aminareo TvPlus indray no itodihako, mba angataho amin’ilay vahininareo iny hoe iza no anaran’ny orinasa soloiny tena eto Madagasikara hanaovany izao varotra izao, ary avy aiza ny fanamarinana ny maha-tena vokatra azo antoka ny zavatra amidiny?
Raha voaporofony ireo fangatahako aminareo Tvplus ireo, dia hanao fialantsiny imasom-bahoaka aho fa niteny zavatra tsy fantatro, ary nanonononona foana ny anaran’ny hafa noho ny havendranako
Raha nanoratra ireny zavatra rehetra ireny ho an’ny mpiray tanindrazana ny tena, dia noho ny fikatsahana ny tombontsoan’ny be sy ny maro, ary ho fiarovana ireo izay mety ho voarebireby (raha sanatria ka…), izay no antony nanoratana fa tsy sanatriavina ho famelezana ilay orinasa izay milaza fa zavatra mahomby ny entana amidiny, na ny TvPlus izay isan’ny nanao ny dokambarotra, toy ny RNM ihany koa. Fahitalavitra mba isan’ny mahazo isa ambony amiko ianareo, nefa tamin’ity kosa tsy lefitro ny zavatra nitranga, koa ialako tsiny.
Misaotra anareo nanam-paharetana namaky ny soratro izay lava dia lava tokoa, no sady mbola manentana anareo ihany hanao fikarohana mikasika azy io ety anaty aterineto fa mba fahitalavitra manana ny teknolojia vaovao sy avo lenta ho entina miatrika izany ianareo raha oharina amin’ny sasany
Misaotra tompoko

Suivre

Recevez les nouvelles publications par mail.

Joignez-vous à 400 followers