ilay mpanjakan’ny fandrindram-piainana. Hahaha
Nisy aza moa tafakatra ambonin’ilay voalaza ery ambony ny vidy nandrosoana azy teny amin’ny tsena, narahana doka mampilendalenda toy izao:
« Power-Balance dia teknolojia mampiasa ny hologramme nokarakaraina manokana miaraka aminà fréquences miara-miasa amin’ny hery avy amin’ny tenan’ny olombelona mba hanatsara ny firindrany sy ny tanjaka ary ny fahalefahany.
Taorian’ny vokatra tsy mampino hita tany USA, efa azo jifaina eto Eoropa ankehitriny ny Power Balance !
Vidiny tsy mampino !
vidiny tokony ho izy : 35,90 €
Vidiny mandritra ny fotoana voafetra : 24,90 € »
tao amin’ny http://www.leaderpharma.com/.
Nampiasa fatratra ny Facebook mba hanelezana sary sy hanaovana dokambarotra tamin’ny alàlan’ny fampandraisana anjara ireo atleta samihafa ny Power Balance. Ary tamin’izany dia vitany mihitsy ny nampitandrinasao voafitaky ny mpanao hosoka! Hasahiana re izany! Izy ireo izay mpanao hosoka sy mpamita-bahoaka rahateo.
Maro ny mpampahalala vaovao tamin’izany no efa nahatsikaritra fa tsy misy fototra ara-tsiantifka azon’ny Power Balance hanamarinana ny zavatra lazainy. Ho an’i Frantsa dia ny tranonkala Surf Prevention no nampitandrina voalohany. Fa tsy nandray fepetra mifanaraka amin’izany ny sampan-draharaha Frantsay miaro ny mpanjifa sy mpanenjika ny fanaovana hosoka, na ny Direction Générale de la Concurrence, de la Consommation et de la Répression des Fraudes (DGCCRF), raha ny mifanohitra amin’izany kosa no nataon’ny ACCC tany Aostralia. Tonga dia nanasazy avy hatrany ny tompon’ny ‘bracelet Power Balance’.
Voatery nilaza ny marina sy niaiky ny Power Balance taorian’ny fandraisana andraikitra nataon-dry zareo Aostraliana fa dokambarotra feno fitaka sy lainga no nataony, ary tsy misy fototra siantifika manamarina ny zavatra nolazainy. Noteren’ny Aostraliana ihany koa ry zareo hamerina ny volan’iro mpanjifa izay manao fangatahana ho amin’izany ary mahatsiaro tena ho voarebireby. Noterena hanaisotra ny laza masaka fanaony tao amin’ny tranonkalany sy ny fonosan’entany ihany koa.
Hatramin’ny faran’ny taona 2009 dia nisy koa ireo orinasa hafa nirotsaka tamin’ny fandrebirebena ka nahita vokatra toy ny azy ity, ary ny Power Tonic dia isan’ireny, nolazaina fa « bracelet magnétique dernière génération », namidy (29€) teny amin’ny Farmasia sy toeram-pivarotana fanafody samihafa.
Greg Whyte, manampahaizana manokana momba ny fanatanjahantena ary mampianatra ao amin’ny Anjerimanontolon’i Liverpool dia nilaza fa ireny no antsoina hoe ‘effet Placebo’, izany hoe rehefa resy lahatra ianao, dia toa mandaitra sy nahitàna vokatra ilay izy, mandra-paha….tonga saina anao fa hoe hay fita-bitro no nahazo anao.
Taorian’ny nataon’i Aostralia, iza no firenena ho sahy hilaza ampahibemaso fa hoe fitaka bevava mahatsiravina iny? Sa hanakombom-bava satria nahita rirany kely tao, na tena tompon’antoka voalohany mihitsy koa aza angamba?
Mba te-hahazo fanehoan-kevitra avy amin’ireo eto Madagasikara (#Madagascar) izay efa nividy azy iny koa aho raha misy afaka mametraka amin’ity lahatsoratra ity ianareo mpamaky. Satria dia nanaovana dokambarotra be teto amintsika izy ity ary namidy taminà farmasia teny Antaninarenina teny, ho an’ny teto an-drenivohitra. Isaorana mialoha. Toy ity ny endrika sasany amin’ireo ‘bracelets fototry ny resatsika eto:
http://belli-sport.over-blog.com/article-l-arnaque-power-balance-enfin-devoilee-86393396.html
http://www.paspigeon.be/arnaques/le-power-balance/
ary ato no ahitana ireo karazana fita-bitro rehetra efa fantatra hatreto
Classé dans: anao ny fitenenana, fahantràna, fahasalamana, fiaraha-monina, haitao, tapatapany | Tagué: #ACCC, #David Beckham, #DGCCRF, #Greg Whyte, #Kim Gevaer, #Liverpool, #Placebo, #Power Balance, #Ronaldo Cristiano, #Surf Prevention, Antaninarenina, Madagascar, Madagasikara | 22 Commentaires »


