#LINKEDIN : Voajirika ka sao mba isany ny anao?

Betsaka ny fanasana voarain’ny tsirairay mikasika ny fanokafana kanoty atsy na aroa eto anatin’ity sehatry nyaterineto ity. Isan’ny mba naharay azy ireny ny mpitantana, saingy tsy nahataitra loatra aloha ny hamaly azy hatreto.

Anisan’ny naharaisana fanasana avy amin’ny namana  ny LINKEDIN. Ankehitriny anefa dia voaporofo fa tsy dia azo antoka loatra ity sehatra iray ity ary soa mba fa nahatsiaro ny tompony hoe tratry ny tsy rariny ny mpanjifa mampiasa azy, ka nadefasany hafatra. Sao mba toy izany ianao?

Fa inona no nitranga?

Tenimiafina miisa 6.000.000 tao amin’ity sehatra iray ity no nisy nangalatra ka nahatery ny tomponandraikitra handefa mailaka malaky ho an’ireo mpampiasa azy, miaraka amin’ny torolalana mba hanova ny tenimiafina araka izay haingana indrindra, mba hahafahana miaro ny kaontiny.

Milaza ho efa mijery manokana ity olana ity moa ny LINKEDIN amin’izao fotoana. Rosiana no nitono-tena ho mpanafika sy nangalatra ireo tenimiafina ireo.

Raiso ary ny fepetra raha isan’ny mampiasa ity tambajotra iray ity ianao mba hifandraisanao amin’ny mpiara-miasa na namana tsotra fotsiny

Suivre

Recevez les nouvelles publications par mail.

Joignez-vous à 399 followers