Toy ny efa nahazatra ny Fitondrana Tetezamita dia nakalazaina ny fahatsiarovany ny 07 febroary tamin’ity taona ity. Marobe ny olona tonga nanotrona (samy manana ny fomba nanotronany moa ny rehetra). Tsinjo teny Amboasarikely nanoloana ny Moneygram sy ny MCB ny fitangoronan’ny olona mifandrombaka ankanjo T-Shirt, sy raha ny feo heno ihany koa dia miandry ny vola "solon-tsakafo" nampanantenaina.
Ankoatry ny fampahatsiahivana ny lasa nataon’ireo mpandray fitenenana, sy ny fandefasana sary (toy ny tany aloha ihany) natao tamin’irony fàfana lehibe irony, dia nisy koa ny fandraisam-pitenenan’ny solontena avy amin’ireo nizaka ny vokatr’iny hetsika, toy ny AV7 #7fevrier2009 iny.
Maro be ny tonga hoy aho, saingy ny tena nampiavaka ity fankalazana iray ity dia ny tsy nahatongavan’ny Praiminisitra Beriziky sy ny Filohan’ny CT Mamy Rakotoarivelo ary ny nandraisana ilay bilaogera mpanoratra malaza avy any Tonizia ( Lina Ben Mhenni ), mafàna fo amin’ny fanoherana ny tsy rariny, tsy mba manaiky lembenana na resin-tahotra amin’izay ataony.
Hita sy tsinjo teny koa ny sasantsasany tamin’ireo mpanao politika zatra ny milomano ao anatin’ity sehatra iray ity. Nisy ireo mpanohitra ny Tetezamita tany aloha, nahazo toerana, mbola miara-mitantana ao, na ireo efa avy tao no niala.
Alohan’ny hampiaianana an-tsary anao mpamaky ny zava-nitranga teny #Ambohitsorohitra tamin’iny fotoana iny, dia tsy aritra ny tsy hitondra fanamarihana hoe, fa maninona moa no tsy maintsy notapahana tsy ho azon’ny rehetra hivezivezena ny mandalo amin’iny Photorama, BMOI, BOA, BFV mankany Ambatonilita iny? Dia mba izay dia làlana mamonjy ny toerana hisy ny mpanotrona sisa no notapahana. Betsaka ny toeram-pivarotana vaventy teny amin’io faritra io no voatohintohina tsy afaka nanao ny asa fitadiavany isanandro noho izay fanakatonan-dàlana izay. Azo natao tsara indray avy eo rehefa hiala ny toerana ny Filohan’ny Tetezamita, ny manapaka vetivety ny làlana mba handehanany.
Vita izay ny fanamarihana, fa ndeha hitety an-tsary mandritra ny fotoana vitsy ny andron’ny #7fevrier2012 teny Ambohitsorohitra isika

Lina Ben Mhenni ilay Toniziana nandray fitenenana ho fandrisihana ny Malagasy tsy hihemotra amin'ny fitakiana ataony
Misy fandraisam-pitenenan’i Lina Ben Mhenni sy irao nijoro ho vavolombelona ato
Ato ny Vidéo misy ireo teny voalazan’ny sisam-paty sy mizaka ny vokany

Ferana ny hafainganam-pandeha fa sao dia mandona ireto sezam-boninahitra ireto an! Sao hanjera ny pilipitran'ingahy Andry Rajoelina eo koa...

...ary m,bola nisy nahatahiry T-shirt toy vaovao an, nefa efa tamin'ny fampielezan-kevitra ireny ENY ireny

Ny fomba ratsy tsy adino mihitsy Tsoahana ny efa azo, dia miverina indray maka hafa sitrany ahay mba mahazo fitafiana ny fianakaviana manontolo

Alehibeazo ny sary dia ho hitanao fa toa hifamely izy raoalhy ireo, soa fa eo ilay ramatoa hanasaraka an
Dia mba handeha hatory koa aho fa efa amin’ny 10 ora alina izao…maika hanonofy fifidianana madio sy malalaka. Asa aho raha mba ho lany raha hilatsaka…. AOKA IZAY fa toa manao revin-gadra aho izany.
Classé dans : ady sy fifandirana, anao ny fitenenana, aterineto, fandrianmpahalemana, fiaraha-monina, fifidianana, politika, tantaram-pirenena, tapatapany, tsingerina Tagué: | #7fevrier, #AV7, Ambohitsorohitra, Andry RAJOELINA
























"Nisy teny hafahafa nivoaka ny vavan’ilay iray fohifohy io fa tsy azo ambara eto. Bedy eo annnn!"
Inn hono no nolazain’ ilay fohifohy fa mahaliana be e?