Mivarotra “staphylocoques dorés” i Chine, raha misy mila

  SAO MISY HIVIDY staphylocoques dorés, manana atao kado ny Sinoa Otrikaretina ny “staphylocoques dorés” ary miteraka ny antsoina hoe “pneumonie” sy “méningite” rehefa tonga amin’ny faratampony. Nisy fotoana, rehefa hita fa nahitana taratra ny fisian’ny “staphylocoques dorés” tany anatiny, dia nasain’ny tompon’andraikitra ara-pahasalamana sinoa nesorina teny amin’ny toeram-pivarotana samihafa ireo vokatra toy ny “raviolis” [...]

RATSIRAKA Didier: ho avy androany, hono

Amin’ny 11 ora sy 25 mn no ho tonga eto Madagasikara raha tsy misy sampona ny filoha fahiny RATSIRAKA Didier. Mitohana ny fiara eny amin’ny faritra manodidina na dia tsy dia betsaka loatra aza ny olona tonga hitsena azy. Fa mandra-piandry azy dia ambara etoana aloha fa nanambara ny hiala tsy ho ao anatin’ny governemanta [...]

Behoririka: Milamina hatreto

Hatreto aloha dia milamina ny eny Behoririka, ary efa samy manoko ny entany daholo tsy msy tahotra ny amin’izay mety ho asan’ny fivondronana ny mpivarotra amoron-dàlana Irina ny hitohizan’izay filaminana izay. Saingy ny mbola olana dia mikatona tsy mivarotra ilay toeram-pivarotana VENIC niandohan’ny olana.Fiarabe roa feno mpitandro filaminana rahateo no miantsona manoloana ny toerana, miampy [...]

Behoririka : Ahiana hivadika ho fankahalàna vahiny

Tsy zoviana amin’ny maro ny tiana lazaina amin’ny hoe fankahalàna vahiny, na xenophobie. Feo nampivarahontsana re teny amin’ny manodidina ny gara Soarano sy ny Hotel Tana Plaza io androany hariva tamin’ny 5 ora hariva. Mbola tohin’izay niseho teny amin’ny VENIC Behoririka ihany. Nisy ny fitaonana ireo gonim-pasika teo akaikin’ny gvavahadin’ny gara ka naparitak’ireto olona marobe [...]

Behoririka: Sinoa mamono mpiasa Malagasy

Taitra ny rehetra androany nahita ireto Malagasy marobe nangorona ny entany sy niara-nirona nanoloana ny tsy rariny nataonà sinoa iray mpitazona tranombarotra etsy Behoririka. Araka ny feo re avy eny an-toerana dia nisy mpiasa tao amin’io fivarotana io no notondroin’ilay sinoa ho tompon’antoka amin’ny tsy fahampian’ny isan’ny entana. Niharan’ny heriserta io (toa vehivay raha ny [...]

Governemanta Vaovao #Omer Beriziky / 21-Nov-2011

Ety am-piandohana dia ialako tsiny sahady raha mety hisy fahadisoana kely misisika eny anelanelan’ireo anarana. Ezahako ihany anefa ny hanitsy azy ireny eny am-pandehanana eny. Toy izao ary ny toerana nozarain’i #Omer_Beriziky, sy ny anaran’ireo nahazo izany tamin’ity androany ity, gvernemanta vaovao eto #Madagascar VicePM en charge du eveloppement et aménagement du territoire : Hajo [...]

ESCOPOL dotè 2 nlle coordination: Fanambaràna tsy fankasitrahana ny fanitsakitsahana ny tondrozotra ataon’i #Omer Beriziky sy ny Ankolafy 3

Votoatin’ny fanambaran’ny ESCOPOL ilazan-dry zareo ny tsy fankasitrahany ny zava-miseho amin’izao fotoana izao eny amin’ny Villa La #Franchise, trano fonenan’i #Zafy Albert. Miaraka aminy ao i #Mamy Rakotoarivelo, #Monja Roindefo 1* Fandikàna ny andininy faha-6 ao amin’ny Tondrozotra izay milaza mazava fa tsy misy quota eo amin’ny fanolorana minisitra, ny fanerena ny praiminisitra sy ny [...]

Maty i Joe Smokin Frazier

Tany aminì’ny taona 1975 tany dia ireto no zavatra isan’ny tsy mba adinoko: ny anarana Cassius Clay, Joe Frazier, Dédé Rats (ndao ampio ….mba hanatanteraka fa…)… sy ny boky mena Tamin’izany taona izany aho no efa nankafy nanaraka ady totohondry sy ireny fanatanjahantena somary mahery setra ireny tamin’ny fahitalavitra. Mainty sy fotsy no tao amin’ny [...]

Avy Ny Orana, Tonga Ny Fako, Tsy Tara Ny Aretina

Efa nanao izao ho afany ihany ny tompon’andraikitra tamin’ny fanadiovana ireny lavaka fivarinan-drano maloto rehetra nanerana ny tanàna ireny nandritra ny vanim-potoana maina. Nosokafana daholo ny ‘dalle’, nalalahana ny tatatra, sy ny sisa. Tonga àry ity ny orana, fotoana natao hitsaràna ny vokatra. Nandaitra ve ny ezaka natao, sa mbola misy ny tokony hasiana fandinihana [...]

Suivre

Get every new post delivered to your Inbox.

Joignez-vous à 197 followers