Mandeha tokoa ny andro fa dia efa ho tapitra ity ny volana Aprily, ary ora sisa no isaina dia volana May indray isika. Volana May ifamotonan-tsika koa amin’ny hetsika TEDx Antananarivo 2011 miaraka amin’ny Orange sy ny Fondation Akbaraly eny amin’ny CCI Ivato amin’ny 14 May manomboka amin’ny 9 ora maraina. Hiresahana manokana momba ny homamiadana eo amin’ny vehivavy aty Afrika.
Tsy ho monamonaina ny mpanatrika satria ankoatry ny famelabelarana dia hisy ny fandraisan’anjaran’ny mpanakanto samihafa mandritra io hetsika io.
Efa mandeha anaty fampahalalam-baovao maro samihafa ny fampahafantarana ny hetsika, ka isan’ny nanao izany ny gazety L’Express de Madagascar hitako androany
Toy ity ny sary fanentanana ao anatin’ilay gazety

Tsiky toy izao no handray anao eny amin'ny CCI Ivato ny 14 May ho avy izao, Sary an'ny L'Express de Madagascar
Classé dans : #TED, #TEDxTana, fahasalamana, fampianarana, fiaraha-monina, haitao, tapatapany Tagué: | #TED, #TEDx Antananarivo, CCI Ivato

