Ny eto amin’ny °Gazety_Adaladala dia maneho fisaorana feno ireo rehetra nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka iny hetsika #TEDxTana 2010 natao tao amin’ny MDLC (Madagascar Development Learning Center) iny. Tsy adino amin’izany isika mpanotrona na teratany na vahiny.
Sedra voalohany ho anay mpitoraka bilaogy nanopme aina mivantana ny hetsika iny, ary tsorina fa dia nanao izay tratry ny aina sy izay kely mba vita ny rehetra tamin’ny fitorahana bolongana sy fandefasana Tweets nandritry ny hetsika.
Malagasy no nanomana ny hetsika, nefa azo lazaina fa tsy nitsanga-menatra na izany aza.
Be ny zavatra azon’ny mpanatrika, voaresaka tao daholo na ny zavakanto, na ny tontolon’ny asa, na ny toetr’andro sy ny tontolo iainana… Nahafinaritra ny tontolo nifaneraserana tao, ary ny tena tsy ho adino dia ilay namaranan’i Jean Emilien ny anjara fisehoana an-tsehatra nataony, ka niarahan’ny rehetra niredona ny "Maitso malama sy ny Ô rila e!"
Manako eran-tany ankehitriny ny #TEDxTana 2010, ary mbola hanako amin’ny lafiny tsara hatrany i #Madagascar
Mankasitraka ry zalahy a!
Classé dans : #TED, #TEDxTana, aterineto, fiaraha-monina, haino amanjery, haitao, tapatapany, toetr'andro, tontolo iainana, tontolon'ny asa, Zavakanto Tagué: | #TEDxTana, MDLC


Izaho moa izany dia misaotra manokana an’i Avylavitra fa nandritry ny fotoana nakany aina (sy sary) no nahafahako nandefa ireo lahatsoratra sasany momba io #TEDxTana io e (ary maninona ho’aho no mbola mampiasa # ihany na dia efa tsy any amin’ny twitter intsony e ) …Dia manantitra ny fisaorana ho an’ny rehetra koa e
Isika samy isika ihany no isaorana eee!