Hoy i Mahatma Gandi manao hoe: "Ianao no tokony ho fiovana voalohany izay tadiavinao hisy eo amin’izao tontolo izao". Isan’ny teny nampahatsiahivin’i Rabary Désiré nandritra ny famelabelarany io ary hery nanosika azy tamin’izay nataony.
Tany aloha tany hoy hatrany Rabary Désiré dia nampitandrina ahy foana ny olona fa saropady ny filazana ny marina, nefa kosa tsy maintsy mitraka sy mijoro hatrany hanohitra ny kolikoly tsy mitsahatra sy ny fanakorontanana ny toeram-ponenana any anatin’ireny valan-javaboahary sarobidy ireny ny tena.
Ny tatitra nataon’ny Missouri Botanical Garden izay nandalo tsy ela akory tao amin’ny Valan-javaboaharin’i Masoala hoy hatrany ny mpandahatra dia nahalalàna fa an’arivony ny olona miaina ao anatin’izy io ka sady manapaka tsy nahazo alàlana ny hazo sarobidy samihafa toy ny voamboana, no mamono koa ireo ragidro efa mila ho lany tamingana. Voatondro ho tompon’antoka amin’ny fitohizan’ny zavatra toy izany ny fitiavam-bola tafahoatra, ny kolikoly ary ny politika.
Nangataka ireo rehetra nihaino izy mba hanao asa mivaingana kokoa fa tsy hionona fotsiny amin’ny fanoratana mikasika ny olan’i Madagasikara satria raha tsy misy fanaraha-maso entitra atao amin’ny ala dia tsy ho ela dia ho fongana ny hazo voamboana eto Madagasikara, ary isan’ny vahaolana narosony ny tokony handraisana fepetra hiarovana ny voamboana avy aty Madagasikara eo anivon’ny tsena iraisam-pirenena mikasika ny zavatra arovana, ao anatin’ilay antsoina hoe fifanarahana CITES (Convention on International Trade in Endangered Species). Atao karazana lalàna toy ny efa fisian’ny lalàna mandràra ny fanondranana ny ragidro avy eto Madagasikara. Tsy mety ny hamela ireo Sinoa mpanambola hitsotsotra eny ambony fandriana misanda 1 tapitrisa dolara natao tamin’ny andramena (bois de rose, rosewood) avy amin’ny alantsika mihapotika isan’andro ary ny Malagasy kely kosa mitrongy vao homana
Tsy saro-pantarina ny vahaolana hiadiana amin’ny fahasimban’ny ala sy ny fihazàna hakàna hena hohanina any ambanivohitr’i Madagasikara, saingy sarotra tanterahana kosa.
Voalohany, resena lahatra hampiato ny fihazàna ny olona. Mbola misy ny olona eto Madagasikara no tsy miompy biby toy ny akoho,na omby na koa mamboly ny zavatra ilainy, fa mioty sy mihaza fotsiny any anatin’ireny faritra arovana ireny. Ilaina ampianarina hiaina zavatra maharitra ireny olona ireny.
Faharoa, mila manamafy ezaka isika manabe ny ankizy sy ny olon-dehibe koa amin’ny anjara toerana lehibe tànan’ny ala eto Madagasikara. Tsy misy ala midika tsy misy rano fisotro. Miankina amin’ny ala izany ny fiainana ka rehefa tsy misy ala, tsy misy aina.
Ny zaha-voary koa dia loharanon-karena goavana ho an’i Madagasikara araka ny fahitan’i RABARY Désiré satria hahazo vola amin’izany ireo mponina eny an-toerana izay handrisika azy ireo ihany koa hiaro ny ala sy hiady amin’ny fahantrana, antony iray mahatonga azy ireo hanimba ny ala.
Farany hoy izy dia ny fandrindrana ny fahaterahana any amin’ny manodidina ireny faritra arovana ireny. Nitombo avo roa heny ny vahoaka Malagasy teo anelanelan’ny 1975 sy 2000 ary mbola ho avo roa heny amin’ny ankehitriny amin’ny taona 2035. Nampitombo ny tsindry mahatonga ny fahasimban’ny ala izany. Tsy manana fahafahana mampiasa fitaovana na fepetra fandrindrana fahaterahana ireny olona ireny na te hametra ny isan-jaza ateraka aza. Fantany anefa fa azony atao ny manana fiainana tsaratsara kokoa raha mba azony noferana ny isan-jaza ka sady manatsara ny ho avin’ny taranany ry zareo no manasoasoa ny ala.
Nisaotra ny mpihaino sy ny #TED moa ingahy RABARY Désiré nanome sehatra azon’ny ala tropikalin’i Madagasikara namoahana ny feony, dia ny ala izay aina sy fanahin’ny tanindrazantsika.
Classé dans : #TED, #TEDxTana, fiaraha-monina, haitao, tapatapany, toetr'andro, tontolo iainana, tontolon'ny asa Tagué: | #TED, #TEDxTana, Andapa, Anosy, Antanetiambo, bois de rose, CITS, Madagasikara, Marojejy, Masoala, MDLC, RABARY, WWF











