Avy amin’ny PAPMAD izay hany orinasa tokana aty amin’ny ranomasimbe Indiana manao taratasy
Mampivady ny resaka fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra ny orinasa PAPMAD
Miezaka ny tsy hampiasa ny hazo tapahana araka izay azony atao ny PAPMAD fa miara-miasa kosa amina orinasa efa ho 50 any ho any mba hanangonana ireo taratasy efa tsy miasa intsony mba haverina kosa ahodina ho taratasy vaovao azo ampiasaina indray
Maro ireo orinasa no miteraka fako tsy hitanoanoa aorian’ny asa famokarana nataony, nefa matetika toa tsy mahatsiaro tena manoloana ny habetsahan’ izany. Ilaina araka izany ny mba hahaizan’ireo orinasa manavaka ny karazana fako mivoaka avy ao aminy sy mitantana izany fako izany araka ny tokony ho izy. Ho tsaraina amin’ny fandraisany anjara ara-bola sy ara-tsosialy ary ara-tontolo iainana izy ireny. Miabo ny fiantraikan’izany amin’ny mpiasa manodina ilay orinasa satria havitrika kokoa izy rehefa mahatsinjo fa orinasa mandray andraikitra no misy azy ary hivondrona hanatanteraka asa tsara ny mpiasa
Tokony ho lasitra iray maharitra mitoetra sy azo alain-tahaka eo anivon’ny fiarahamonina ny orinasa.
Classé dans : #TED, #TEDxTana, Fanolorana, fiaraha-monina, haitao, tapatapany, tontolo iainana, tontolon'ny asa Tagué: | Miora Rajaonary, Papmad

![IMG_2663[1]](http://gazetyavylavitra.files.wordpress.com/2010/11/img_26631.jpg?w=300&h=200)



