TENY.ORG – Tranonkalan’ny AKADEMIA MALAGASY

Dia tena faly tokoa ny tena nahita fa efa miseho eto amin’ny aterineto ny tranonkalan’ny AKADEMIA MALAGASY. Sady fanampiana ho an’ireo mampiana-tena any ivalane’i Madagasikara izany no fampitomboana fahaizana ho an’ireo efa mpampiasa azy isanandro ihany koa.

Satria moa ny eto amin’ny GAZETY_ADALADALA dia isan’izay miezaka manapariaka ny teny Malagasy eto anivon’ny aterineto, dia rasiny ho andraikitra ny mandrisika antsika rehetra mba hitsidika ao amin’ny takelaky ny Akademia Malagasy – TENY.ORG

Mba ho teny fanevan’ny rehetra ilay manao hoe « Andrianiko ny teniko,ny an’ny hafa koa feheziko »

Ny an’ny tena tokoa aloha, vao ny an’ny hafa. Mazotoa daholo ary mahità ny soa

About these ads

12 Réponses

  1. Faly aho fa manana takelaka eto amin’ny aterineto ny AKADEMIA MALAGASY;
    Misy fanontaniana kely mba mila valiny e. Ny teny hoe « koa » ve rehefa tenenina dia manjary « kioa » amin’ny fiteny anivon-tany? Milaza mantsy ny namako, izay Betsimisaraka fa izany ny fahenoiny azy (amin’ny TV na Radio) nefa izaho tsy mahatsapa izany akory.

    • Ny teny hoe ‘koa’ dia ‘koa’ ihany ka, Fa ilay olona manonona azy no mahatonga izay fikisahana kely izay. Asa raha mahamarika ianareo fa misy olona rehefa miteny ny hoe ‘mpamosavy’ dia toy izao no anononany azy: ‘mpanshav’. Izany hoe any anaty fanonona’ny tsirairay no misy io mibolisatra kely io.

      • Misaotra betsaka namaly. Efa nambarako ilay namana ihany izany fa nanatena sao misy fomba fiteny vaovao eo @ TV sy Radio.

  2. Teny gasy lesy io a! Ny gasy sasany koa anie rehefa miteny français dia mi-rouler rrrrrrrrrrr e! Mahamenatra ihany, fa misy koa aretina izy io amin’ilay ohatra hoe MANGA GASHHHY. Raha ny marina dia ny gasy tsy mahay miteny gasy VONIK(i)AZO ohatra. Very aho Gasikara-ko. Bye Bye e!

  3. Malagasy ianao ka aoka mba hanaja ny teny malagasy satria efa io no teny navelan’ireo Ntaolo , Razambe ary ireo ray aman-drenitsika ho lovatsika ka ho to eto tokoa anie ilay teny hoe « Andrianiko ny teniko … »

    • Tafaresaka tamin’ny tompon’andraikitry ny TENY.ORG aho tamin’ny tapa-boalan lasa, ary nilaza ry zareo fa misy olana kely ara-teknika ny tranonkala amin’izao fotoana. Mbola eo am-pamahana azy, hono, ry zareo

  4. Momba ilay « kioa »: marina tokoa fa ny fihaino ny feo « k » dia miova kely raha manaraka ny feo « i » ny « k » dia manjary ‘ki ». Ohatra: « aKalana », « IKala Bozy ». Ao amin’ny « Tantara ny andriana » aza dia misoratra ho « Ikiala » sy « ihiany » ny Ikala sy Ihany, noho ny fihaino ny fanononana azy.

  5. mitombona be ilay fanotaniana fa na izaho koa aza de sahirana mihitsy, fa ao anatin’ny boky tena lehibe tantaran’andriana izay boky tsy navoakatsika teto fa tany amin’ny oniversité malaza tany ivelany tany dia io « KIOA » io no fomba anoratany azy

  6. Manahoana daholo Tompoko.

    Mipetraka aty andafin-dranomasina izahay,kanefa liana te ahafantatra be be kokoa ny tenindrazantsika.maro ny teny mbola tsy fanatro mazava ny dikany,anisan’izany ilay hoe « ANGOLAVAITRA ». Mety mahazo ny dikan’io teny io mazava vé izahay? misaotra betsaka tompoko.

    • ny ANGOLA VAITRA dia azo adika ihany koa he HANTAHANTA LALIM-PAKA, HANTAHANTA FATRATRA

  7. akory aby e,

    moa ve tena internet=aterineto,
    misy teny vahiny izany tena tokony tsy adika teny malagasy mihitsy satria tena tsy nisy mihitsiny teo anivon’ny tatara malagasy.

    Fa zao tompoko, mba afaka fantarina ve ny tena dika ara-tantara ny atao ho ZAZA MANDRY.

    Misaotra tompoka ary dia veloma aby e

  8. Faly miarahaba anareo e!

    Mahafinaritra ny mahita ny fandaharana VAHATRA ao amin’ny TVM izay hoe iarahana amin’ny akademia malagasy fa tokony hanampy amin’ny fifehezana ny teny malagasy tokoa. Mampalahelo dia mampalahelo anefa ny fahadisoana na vokatry ny tsy fitandremana amin’ny fanoratana izany (ohatra : Antananarivo lasa Antananrivo, Andriamasinavalona lasa Andriamasinvalona) izay tena maro tokoa, na ny tsy fahafehezana mihitsy ny tsipelin-teny, hany ka sady mampianatra izy no mandiso ny fanoratana izay tokony hampianarana. Koa miangavy indrindra izay tompon’andraikitra rehetra voakasik’izany mba HANARA-MASO AKAIKY IZAY VOALAZA SY VOASORATRA REHETRA AMIN’IO FANDAHARANA IO, fa sady mampihena ny hasin’ny Akademia Malagasy izany, no mampiana-diso ny vahoaka.
    Misaotra indrindra tompoko.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

Suivre

Recevez les nouvelles publications par mail.

Rejoignez 945 autres abonnés

%d blogueurs aiment cette page :