Loza raha may ny ala kely … farihin’i Mandroseza

Tsy nisy andro iray tsy nandrenesana anjomara fanairan’ireny fiarabe mpamono afo ireny teto Antananarivo. Na andro na alina dia tsy maintsy mandre azy ireny foana ny mponina. Toa zary lasa fahazarana mihitsy indray aza angamba, mba tsy hilazana hoe lasa tsy mahataitra. Toa mampahatahotra ny hiteny hoe efa misy tia milalao afo sy faly mahita [...]

An’iza ny lamba mihaha…

Fiteny matetika ny hoe “tsy misy miafina izay tsy ho hita”. Dia mba tena tsy rariny kosa raha eo an-damosin’ny sasany no atao fitadiavana tombontsoa mihoam-pampana ho an’ny tena, raha marina ity tantara nivoaka tao amin’ny tranonkala mydago ity (izay nomarihan’ny mpanoratra ao fa trakta voarainy , ary itondran’ny eto amin’ny Gazety_Adaladala fanamarihana ihany koa [...]

Taxibe 119 – Ambohijatovo

Misy ny tetikasan’ny fiadidiana ny tananan’Antananarivo ho fanatsarana ny zotra taxibe 119 mba hofitaratry ny zotra hafa. Miandry izay ho tohiny sy fihatraran’ity raharaha iray somary nampisavoritaka ny avy any Ambohitrimanjaka ity ny rehetra. Fa raha izay fahita isa-maraina etsy Ambohijatovo aloha dia asa raha tetika mahomby ilay tsy fisian’ny polisy mandamina fifamoivoizana tato ho [...]

Faliarison sy ny haikantony

Izay rehetra nandalo teny Antaninarenina androany maraina dia mety ho nahatsikaritra lehilahy iray izay tena mbola ao anatin’ny hatanorany tokoa teo amin’ny sisiny havia raha hidina ny tohotohobato ho any Analakely. Sariaka sy miresaka tsara tokoa ranamana. Namelatra ny fitaovany teo ingahy Faliarison, manao say hosodoko matihanina, no sady manohy manao dika avy amin’ireo saripika [...]

“Hono ho’aho Andriamatoa Filoha!” tamin’ny fomba Filipiana

Misy fandaharana iray mandeha izay ao amin’ny RNM rehefa faran’ny herinandro. I Andry Rajoelina no miteny sy mamaly fanontaniana ao amin’izay fotoana izay. Fa efa nisy toa io koa tany aloha. Tenin’ny filoham-pirenena no lohatenin’ilay fandaharana nahenoana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Tsaroako tampoka ireo fandaharana roa nifanolo ireo raha nijery vaovao avy any [...]

Fahalalahana miteny (liberté…)

Isan’ny manara-maso ny fahalalahana miteny any amin’ireo firenena hafa ny tena (amin’ny alalan’ny Global Voices Advocacy sy ny Global Voices Online – amin’ny teny anglisy). Ary dia mampitaha an’izay hita any amin’ny misy eto Madagasikara (Madagascar). Tsy dia azo lazaina ho tena mbola voageja tanteraka aloha raha isika eto, nefa koa tsy azo lazaina ho [...]

Maputo

Re tamin’ny radio RFI nandritry ny alina fa mikorontana sy misy faty olona koa izao any Maputo any – 4 no maty ka zaza 12 taona avy nianatra ka handeha hody ny iray. Toa resaka fidanganan’ny vidim-piainana raha tena jerena no fototry ny gidra, tsy mahafaly ireo vahoaka an-jatony maro ireo. Volana maromaro izao no [...]

Suivre

Get every new post delivered to your Inbox.

Joignez-vous à 197 followers