Fihaonambe GlobalVoices – Santiago/Chili

Milay be zalahy ny takelaka fandraisana ao amin’ny GlobalVoices a! Nasiam-panavaozana ny fandraisana kak tena sady misarika ny maso, no hitako ho mailamailaka kokoa noho ilay teo aloha.

Raha hitsidika ny amin’ny Teny Malagasy ianao dia asio ‘mg.’ fotsiny eo alohan’ilay tranonkala amin’ny teny Anglisy, Dia izay!

Manasa anao ary hitsidika ny tranonkalanay e!

Aza adino koa fa misy ny fihaonanan’ny mpanoratra, mpanao gazety, mpitoraka blaogy, ireo mafana fo, sy ny maro tsy voatanisa miara-miasa amin’ny Global Voices ao amin’ny renivohitr’i Chili (Santiago) Isan’ny mandray anjra isika Malagasy ka solontena 3 izahay no avy ao Madagascar ary 1 hafa avy any Etazonia.

Fianakaviambe ahitana karazam-pahalalana maro ny Global Voices ary miresaka ny lafim-piarahamonina rehetra. Na sosialy io , na politika, na toekarena, na Teknolojia, na Fahasalamana..Maro e! Aza variana na mivanaka fa tao daholo ny olona no naka!

Suivre

Recevez les nouvelles publications par mail.

Joignez-vous à 390 followers